Be MG [PDF]

  • 0 0 0
  • Gefällt Ihnen dieses papier und der download? Sie können Ihre eigene PDF-Datei in wenigen Minuten kostenlos online veröffentlichen! Anmelden
Datei wird geladen, bitte warten...
Zitiervorschau

Sekolin’ny Fanompoana

Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

be-MG

INONA NO FIANARANA NAVELAN’NY

Mpanompon’i Jehovah Fahiny? Mosesy: niahotra aloha, vao nanaiky hampiasain’Andriamanitra

Paoly: nahay nandrindra hevitra sy nandresy lahatra

Filipo: mpitory be zotom-po

Apolosy: mpandahateny nahay, nefa azo notoroana hevitra

be-MG

Ankizivavy isiraelita: tsy natahotra naneho ny finoany Nahay nanohina ny fon’i Davida Mpanjaka i Natana

Naneho fihetseham-po i Petera rehefa nitory Naneho fanajana lehibe i Estera

Niteny tamim-patokisana i Jeremia

Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

“Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny ` lalana tokony halehanao.”—Isaia 48:17.

ˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇˇ

(Anaranao)

Loha Hevitra ato Anatiny Pejy

Tonga Soa ato Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . ` Mahita Fifaliana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra . . . . . . . . . . . . . . . . . .

5 9

“Tandremo ny Fihainonareo” . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 13 Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 17 Milofosa Amin’ny Famakian-teny . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 21 Mitondra Valisoa ny Fianarana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 27 Fomba Fanaovana Fikarohana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 33 Fanomanana Drafitra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 39 Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 43 Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 47 Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 52 Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 56 Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 62 Fantaro Izay Tokony Havalinao . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 66 Fifandraisana An-taratasy . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 71 Mandrosoa Hatrany . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 74 Fandaharana mba Hianarana ny Fahaizana Miteny sy Mampianatra . . 78 Taratasin-torohevitra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 79 Ovaovay ny Faritra Ampiasainao . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 82 Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 272 Toromarika ho An’ny Mpiandraikitra ny Sekoly . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 282 Fanondroana Teny . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 286 5 2002 WATCH TOWER BIBLE AND TRACT SOCIETY OF PENNSYLVANIA Tsy azo adika na alain-tahaka Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Mpampanonta WATCHTOWER BIBLE AND TRACT SOCIETY OF NEW YORK, INC. Brooklyn, New York, U.S.A. Pirinty natao tamin’ny 2012 Tsy natao hamidy ity boky ity. Ny famoahana azy ity dia anisan’ny asa fampianarana Baiboly maneran-tany tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Raha tsy misy fanamarihana manokana, ireo andinin-tenin’ny Baiboly dia nalaina avy ao amin’ny Fandikan-teny Malagasy (1997). Benefit From Theocratic Ministry School Education Malagasy (be-MG) Made in Japan Natao tany Japon

Fanatsarana ny Fahaizana Miteny sy Mampianatra Lesona

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28

Vakiteny Tsy Misy Diso . . . . . . . . . . . . Teny Voatonona Mazava Tsara . . . . . . Fanononana Mety Tsara . . . . . . . . . . . Fitenenana Misosa Tsara . . . . . . . . . . . Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy . . . Fanamafisan-kevitra Mety Tsara . . . . Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra . . Hamafin’ny Feo Antonony Tsara . . . Fanovaovam-peo . . . . . . . . . . . . . . . . . . Hafanam-po . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fihetsehana sy Izay Asehon’ny Endrika . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fijerena ny Mpihaino eo Amin’ny Masony . . . . . . . . . . . . . . . . Fiteny Tsotra, Tsy Amboamboarina Fisehoana Ivelany Tsara . . . . . . . . . . . . Fahatoniana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . ˆ Fampiasana Mikro . . . . . . . . . . . . . . . . . Fampiasana Baiboly mba Hamaliana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fampirisihana Hampiasa Baiboly . . . Fahaizana Mampiditra Andininy . . . . Famakiana Andininy Misy Teny Hamafisina Tsara . . . . . . . . . . . Fampiharana Tsara ny Andinin-teny . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fanasongadinana ny Hevitra Hampiharina . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fahaiza-mifidy Teny . . . . . . . . . . . . . . . Fampiasana Drafitra . . . . . . . . . . . . . . . Famelabelarana Mirindra Tsara . . . . . Fitenenana Tsy An-kijery Soratra . . . . Toy ny Miresaka Andavanandro . . . .

Pejy

Lesona

83 86 89 93 97 101 105 107 111 115

29 30 31 32 33

118

37

121

38 39 40 41 42 43

124 128 131 135 139 143 145 147

34 35 36

44 45 46

150

47

153

48 49 50 51

157 160 166 170 174 179

52 53

Pejy

Toetran’ny Feo . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fiheverana ny Hafa . . . . . . . . . . . . . . . . Fanajana ny Hafa . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fitenenana Amim-patokisana . . . . . . . Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra . . . . . . . . Famerimberenana ho Fanamafisana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fahaiza-mamelabelatra ny Foto-kevitra . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe . . . . . . . . . . . . . . . . . Fampidiran-dresaka Mahaliana . . . . . Famaranan-teny Mandaitra . . . . . . . . . Filazana Zavatra Marina . . . . . . . . . . . . Mora Azon’ny Hafa . . . . . . . . . . . . . . . . Mampiana-javatra ny Mpihaino . . . . Mampiasa Izay Asaina Velabelarina . . . . . . . . . . . . . . Fahaiza-mampiasa Fanontaniana . . . Fanoharana sy Ohatra Hoenti-mampianatra . . . . . . . . . . . . Fanoharana avy Amin-javatra Mahazatra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fahaiza-mampiasa Zavatra Hita Maso . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . Fahaizana Manjohy Hevitra . . . . . . . . Porofo Marim-pototra . . . . . . . . . . . . . Fiezahana Hanohina ny Fo . . . . . . . . . Vita Ara-potoana sy Voatsinjara Tsara . . . . . . . . . . . . . . . . Fananarana Mandaitra . . . . . . . . . . . . . Fampaherezana sy Fanatanjahana ny Mpihaino . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

181 186 190 194 197 202 206 209 212 215 220 223 226 230 234 236 240 244 247 251 255 258 263 265 268

Tonga Soa ato Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ANY amin’ny tany maherin’ny 200, dia misy mpianatra an-tapitrisany maro mandray soa isan-kerinandro avy amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Toerana an’aliny maro no anaovana an’io sekoly io. Na aiza na aiza onenanao, dia hahita izany fampianarana izany ianao. Afaka mandray io fampianarana avy amin’Andriamanitra io maimaim-poana ny olona rehetra na firy taona izy na firy taona, na inona na inona foko niaviany, na firy na firy fianarana vitany. Fony natomboka tao amin’ireo Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’ i Jehovah io sekoly io tamin’ny 1943, dia nambara toy izao ny zava-kendreny: “Mba hanomanana ny ‘lehilahy mahatoky’ rehetra, dia ireo nandre ny Tenin’Andriamanitra ka nanaporofo ny finoany azy io, mba ‘ho afaka hampianatra ny hafa’ ... ka ny tanjona dia ny hahatonga ny tsirairay ... hahay kokoa hampiseho ampahibemaso ny fanantenany.” (Fianarana ny Fanompoana Kristianina, frantsay, p. 4) Tsy niova fa mbola izany ihany no zava-kendren’ilay sekoly mandraka ankehitriny. Inona moa, raha ny tena izy, no zavatra tsara indrindra azontsika ampiasana ny fitenenana, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah.” (Sal. 150:6) Mampifaly ny fon’ilay Raintsika any an-danitra isika, rehefa manao izany. Asehontsika aminy fa velom-pankasitrahana ny fontsika, noho ny hatsaram-pony sy ny fitiavany. Tsy mahagaga raha ampirisihina “hanatitra ny fanati-piderana ... ho an’Andriamanitra mandrakariva [ny Kristianina], dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany”! (Heb. 13:15) Miarahaba

6

Tonga Soa ato Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana anao izahay tonga soa ato amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, izay hanampy anao hanatsara ny fahaizanao mampiasa ireo fanomezana nomen’ Andriamanitra anao mba hiderana azy. Ny famakian-teny ampahibemaso sy ny fahaizana miteny sy mampianatra no tena ifantohana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Tsy izay ihany anefa no zavatra tsara ianarana ao. Rehefa mandray anjara amin’ izy io ianao, dia hampiana mba hahazo fahaizana tena sarobidy toy ny famakian-teny, ny fihainoana sy ny fitadidiana, ny fanaovana fianarana, ny fanaovana fikarohana, ny fahaiza-mamakafaka sy mandamina hevitra, ny fahaiza-miresaka, ny famaliana fanontaniana, ary ny fanoratana izay hevitrao. Ny Baiboly sy ny boky miorina amin’ny Baiboly no ho fototry ny fianarana sy ny fanazavana ary ny anjara ao amin’ilay sekoly. Rehefa feno an’ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny sainao, dia hianatra hanana ny fihevitr’Andriamanitra ianao. Tena hitondra soa ho anao, eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao, tokoa izany! Hoy ny nosoratan’i William Lyon Phelps, mpampianatry ny oniversite tamin’ny taonjato faha-20: “Tena azo antsoina hoe nahita fianarana izay rehetra manana fahalalana lalina momba ny Baiboly. ... Amiko, ny fahalalana ny Baiboly tsy arahin’ny fianarana ambony dia sarobidy kokoa noho ny fianarana ambony tsy arahin’ny fahalalana ny Baiboly.” ZAVATRA MAMPIAVAKA ILAY SEKOLY Ny fomba handraisan-tsoa feno Mazava ho azy fa mba handraisan-tsoa feno avy amin’ny fampianarana omena ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ˙ Famakian-teny sy fianarana ary fikarohana dia tsy maintsy manao ezaka ianao mpianatra. Nampirisika miorina amin’ny Baiboly, an’i Timoty, namany kristianina, toy izao ny apostoly Paoly: isan-kerinandro “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fa˙ Fampianarana momba ny tratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fafamakian-teny ndrosoanao.” (1 Tim. 4:15) Ezaka inona avy no azonao atao? ampahibemaso sy ny Raha mbola azo atao koa, dia manatreha ny Sekolin’ny Fafahaizana miteny sy nompoana isan-kerinandro. Ampiasao amim-pahendrena mampianatra ity boky hoe Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fano˙ Fandraisana anjara mpoana ity. Soraty eo amin’ilay toerana natao ho amin’izaamin’ny fiaraha-midinika ny eo amin’ny pejy voalohany ny anaranao. Ento foana ity ˙ Fanaovana famelabelarana eo anoloan’ny fiangonana boky ity, rehefa manatrika ilay sekoly ianao. Toy ny kahie koa izy ity. Rehefa mahita hevi-dehibe heverinao fa hana˙ Fanampiana anao manokana mba mpy anao ianao, dia tsipiho ilay izy. Ampiasao ireo sisimhandrosoanao pejy malalaka mba hanoratana ireo hevitra ianaranao mandritra ireo anjara samihafa ao amin’ilay sekoly.

Tonga Soa ato Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ny taratasy fandaharana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana dia homena mitokana. Hisy tsipiriany momba ny fomba hitarihana ilay sekoly koa io fandaharana io. Avelao ato anatin’ity boky ity ilay izy, mba ho mora hita sy ho mora raisina. Rehefa manomana ilay sekoly isan-kerinandro ianao, dia tadidio fa ny Baiboly no boky fianarana lehibe indrindra ampiasaintsika. Ataovy loha laharana ny famakiana izay tapany ao amin’ny Baiboly asaina vakina amin’ilay herinandro. Tena hanampy be dia be koa ny famakiana mialoha ny fanazavana ho an’ireo anjara samihafa, raha vitanao. Mandritra ilay sekoly, dia mety hisy fahafahana hanomezan’ny mpanatrika valin-teny. Hararaoty tsara ireny. Hanampy anao hitadidy izay renao sy hampihatra azy eo amin’ny fiainanao ny fandraisanao anjara amin’ireny fiaraha-midinika ireny. Mazava ho azy fa hanana fahafahana hanao lahateny na fampisehoana eo anoloan’ny fiangonana ny mpianatra rehetra. Ampiasao tsara ny tsirairay amin’ireny fahafahana ireny. Miezaha mafy hanatsara izay toetra takina aminao, raha ny amin’ny fahaiza-miteny. Homena torohevitra ianao, mba hitohizan’ny fandrosoanao. Raiso an-tanan-droa izany fanampiana omena anao manokana izany. Soraty ato amin’ny bokinao izay fanoloran-kevitra natao mba hihatsaranao. Koa satria ny hafa no mahita anao tsara kokoa noho ny tenanao, ireo fanoloran-kevitra sy torohevitra miorina amin’ny Baiboly omena anao amim-pitiavana dia tena hanampy anao hanao fandrosoana. Marina izany, na dia ZAVATRA efa mpianatra ao amin’ilay sekoly hatramin’ny taona maro AMPIANARINA aza ianao.—Ohab. 1:5. Tianao ve ny hanao fandrosoana haingana kokoa? Afaka manao izany ianao, raha ny tenanao mihitsy no manao zava˙ Fihainoana sy fitadidiana tra voalohany. Ianaro mialoha ny fanazavana horesahin’ny ˙ Vakiteny ataon’ny tena mpianatra tsirairay. Amin’izay, raha misy mpisolo toerana tamanokana diavina, dia ho afaka hanolo-tena ianao, ary ho za-draharaha ˙ Fanaovana fianarana kokoa. Rehefa manao ny anjarany ny hafa, dia henoy tsara ny ˙ Fanaovana fikarohana fomba amelabelarany azy. Maka fianarana avy amin’ny hafa ˙ Fahaiza-mamakafaka sy daholo isika rehetra. mandamina hevitra Fanampin’izany, dia hanafaingana ny fandrosoanao ianao, ˙ Fahaiza-miresaka raha afaka mianatra mialoha ity boky ity. Rehefa avy niana˙ Famaliana fanontaniana tra tsara ny fanazavana ao amin’ireo lesona 15 manaraka ianao, dia tohizo ihany ny fianaranao mba hahafaoka ilay ˙ Fanoratana izay hevitrao “Fandaharana mba Hianarana ny Fahaizana Miteny sy Mampianatra”, manomboka eo amin’ny pejy faha-78. Ianaro aloha ny lesona tsirairay, ary ataovy ireo fanazaran-tena

7

8

Tonga Soa ato Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana mifandray aminy. Ampiharo eo amin’ny fanompoanao izay ianaranao. Tena hanampy anao hahay hiteny sy hampianatra ny Tenin’Andriamanitra izany. Hanampy anao hiomana ho amin’ilay zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana ny fianarana azonao ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Koa satria noho ny sitrapon’Andriamanitra no mahavelona antsika, ny zava-kendren’ny fiainantsika dia ny hidera azy. Mendrika ny hahazo ny fiderana tsara indrindra i Jehovah Andriamanitra. (Apok. 4:11) Fomba iray hanatanterahana izany ny fianarana azontsika ao amin’ilay sekoly. Ao isika dia mianatra ny hisaina amin’ny fomba mazava, sy hitondra tena amim-pahendrena ary hampita tsara ireo fahamarinana mahatalanjona avy amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra.

FOTOTRA HANORENANA Tena fahaizana ny mampita hevitra. Tsy ny rehetra no mahay manao izany tsara. Boky maro no efa nosoratana mba hanampiana ny olona amin’io lafiny io. Mahalala zavatra betsaka kokoa momba ny fitenenana sy ny fampianarana, noho izay manam-pahaizana rehetra anefa, ny Mpamorona, Ilay nanome ny olombelona ny fahaizana miteny. Niara-niasa taminy ny Zanany lahitokana, ilay Mpiasa Faran’izay Mahay, mba hanamboatra ny atidohan’ny olombelona sy ny taovam-pitenenana ary ny zavatra noforonina hafa rehetra. Rehefa noforonina ny anjely, ary avy eo ny olombelona, dia io Zanaka io no Tenin’Andriamanitra, Ilay nampiasain’Andriamanitra voalohany indrindra mba hampita toromarika tamin’izy ireo. (Ohab. 8:30; Jaona 1:1-3) Tonga Jesosy Kristy Tompo io Zanaka io, rehefa ` nirahina ho ety an-tany. Hoy ny Baiboly momba azy: “Talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany.” Ary nanamarina izany toy izao ireo nandre azy: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” (Matio 7:28; Jaona 7:46) Misy antony matoa miantso an’i Jesosy hoe Mpampianatra

maherin’ny in-40 ireo Filazantsara. Zavatra be dia be no azontsika ianarana avy aminy, momba ny fahaizana miteny sy mampianatra. Tantarain’ny Baiboly koa ny fomba nampiasan’i Jehovah Andriamanitra lehilahy sy vehivavy avy tamin’ny fiaviana samihafa, mba hanatanterahana ny sitrapony. Nampita hafatra fohy nefa nahery ny sasany tamin’izy ireny. Maro no tsy niteny teo anoloan’ny mpanatrika maro be, nefa nanao fanambarana tamim-pahatokiana momba ilay Andriamanitra marina sy ny fikasany. Toa tsy mpandahateny nalama vava ny ankamaroan’izy ireny, nefa notahin’Andriamanitra ny ezaka nataony. Afaka mianatra avy amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny nanaovany ny fanompoany isika. —Sal. 68:11. Mazava ho azy fa tsy boky fianarana momba ny fitenenana ampahibemaso ny Baiboly. Ireo mahay mamaky sy mahazo azy tsara anefa dia hahita hevitra sarobidy momba ny fahaizana miteny sy mampianatra. Miezaka hanorina eo ambonin’io fototra io ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.

` Mahita Fifaliana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra ` “SAMBATRA ny olona izay ... ny lalan’i Jehovah no sitrany.” Ny olona toy izany dia mamaky ny Tenin’Andriamanitra “andro aman-alina.” (Sal. 1:1, 2) Mahatsapa izany fahasambarana izany ve ianao? Ahoana no ahafahanao mampitombo ilay fifaliana entin’ny Tenin’Andriamanitra ho anao? Mihainoa rehefa miteny i Jehovah Aza mamaky teny tsirairay fotsiny. Ataovy hita an’eritreritra ireo fisehoanjavatra vakinao. Alao sary an-tsaina ny feon’ireo miteny. Rehefa mamaky ireo toko voalohany amin’ny Baiboly ianao, dia ataovy toy ny renao i Jehovah mampahafantatra tsikelikely, izay ataony mba hanomanana ny tany hipetrahan’ ny olombelona. Henoy ny filazany amin’ny Zanany, ilay Mpiasa Faran’izay Mahay, hoe tonga ny fotoana hamoronana ny olombelona voalohany. Alao sary an-tsaina ilay tarehin-javatra: Mikomy i Adama sy i Eva, mamoaka didim-pitsarana momba azy ireo Andriamanitra, ka avy eo dia mandroaka azy avy ao amin’ny Paradisa. (Genesisy, toko 1-3) Ataovy toy ny renao, ka mampahatahotra anao, ilay feo avy any an-danitra mampahafantatra an’i Jesosy Kristy ho ny Zanaka malalan’Andriamanitra, ilay nirahiny mba hanome ny ainy ho an’ny olombelona. (Matio 3:16, 17) Ataovy toy ny hitanao ny fihetsiky ny apostoly Jaona mahare an’i Jehovah milaza hoe: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” (Apok. 21:5) Tena mitondra fahafinaretana tokoa ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra amin’izany fomba izany! Manohiza mamaky ny teny ara-tsindrimandry, dia hanjary hahafantatra an’i Jehovah ho Andriamanitra tena misy sy heni-kaja ary mahatahotra ianao. Ho voasintona mafy ianao hanatona Azy, satria tia antsika Izy, mamindra fo amintsika, manampy antsika raha manao ny sitrapony amim-panetren-tena foana isika, ary manampy antsika hahita soa amin’izay rehetra ataontsika.—Josoa 1:8; Sal. 8:1; Isaia 41:10. Arakaraka ny andanianao fotoana hamakiana ny Baiboly no hitomboan’ny fahafaham-ponao, satria mihamitombo ny fahalalanao ny sitrapon’Andriamanitra momba anao. Tsy izay ihany anefa no fahafinaretana ho tsapanao. Rehefa manampy anao handamina zava-manahirana amim-pahendrena ny famakianao Baiboly, dia hilaza toy ilay mpanao salamo ianao hoe: “Mahagaga ny teni-vavolombelonao, ka dia mitandrina azy ny fanahiko.” (Sal. 119:129) Ho faly koa ianao rehefa hitanao avy ao amin’ny Soratra Masina ireo toro lalana izay hanampy anao hamolavola ny fisainanao sy ny fanirianao hifanaraka amin’izay tian’Andriamanitra.—Isaia 55:8, 9.

9

10

` Mahita Fifaliana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra Manome tari-dalana ara-pitondran-tena miaro antsika ny Baiboly, ary mampiseho amintsika ny lalana tsara. Eo am-pamakiantsika azy io, dia tsapantsika fa tena Ray tokoa i Jehovah, izay mahafantatra ireo voka-dratsy ho hitan’ ny olona iray manaiky ho resin’ny filan’ny nofo mpanota. Tsy tiany hizaka ny vokatra mahatsiravina tsy maintsy hateraky ny tsy firaharahana ny fitsipiny ara-pitondran-tena isika. Tiany isika ary tiany hanana ny fomba fiaina tsara indrindra. Ny famakiantsika ny Teniny dia manampy antsika hahatakatra tsara kokoa fa fitahiana ny manana azy ho Andriamanitra sady Ray. Mamakia Baiboly isan’andro Hoy ny mpanao salamo momba ny olona mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro: “Ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Sal. 1:3) Tsy tanteraka isika, miaina eo anivon’ny tontolo ratsin’i Satana, ary miezaka handrapaka antsika ny Devoly. Na izany aza anefa, raha mamaky sy mampihatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra isika, dia ho tomombana ny asa rehetra ataontsika ka mahakasika ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Be dia be ny fanerena hitantsika avy amin’ity tontolo tranainy ity. Hahazo tanjaka anefa isika, raha mifantoka amin’ireo hevitry ny Mpamorona, na dia vetivety monja isan’andro aza. Ny sasany izay nampidirina an-tranomaizina noho ny finoany dia tsy nanana afa-tsy andinin-teny sendra hitany tetsy sy teroa, tao amin’ny gazety mpiseho isan’andro. Nohetezany izy ireny, nianarany tsianjery, ary nosaintsaininy. Nitahy ny ezaka nataony i Jehovah, satria nanao izay azony natao izy ireny, teo amin’ny toerana nisy azy, mba handraisana fahalalana avy tamin’ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 5:3) Ny ankamaroantsika anefa manana fahalalahana lehibe lavitra noho izy ireny. Tsy tokony hihevitra isika fa hiteraka vokatra mahagaga eo amintsika ny famakiana haingana andinin-teny iray indray mandeha isan’andro. Hahazo fitahiana kosa anefa isika, raha manova ireo zavatra omentsika ny toerana voalohany, mba hamakiana ampahany iray ao amin’ny Baiboly isan’andro, sy hieritreretana momba azy, ary hampiharana azy eo amin’ny fiainantsika. Azo ampoizina anefa fa ho voakorontana na dia ny fandaharam-potoana tsara indrindra aza. Rehefa mitranga izany, dia hanome ny toerana voalohany ho an’izay tena zava-dehibe isika. Tsy hinia tsy hisotro rano mandritra ny ` iray na roa andro isika, ohatra. Koa na inona na inona ary mipoitra eo amin’ ny fiainantsika andavanandro, dia tokony haka fotoana foana isika hamelombeloman-tena amin’ny ranon’ny fahamarinana.—Asa. 17:11. Vakio ny Tenin’Andriamanitra manontolo Efa namaky ny Baiboly manontolo ve ianao? Misy kivy rehefa hoe hamaky manomboka eo amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Noho izany, dia maro tamin’ireo naniry hamaky ny Baiboly manontolo no nanomboka tamin’ny famakiana ny Soratra Grika Kristianina. Nahoana? Angamba satria hitany fa mahakasika azy kokoa ireo bokin’ny Baiboly ireo, noho izy te hana-

` Mahita Fifaliana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra ra-dia an’i Kristy. Na angamba satria toa tsy be loatra ny tokony hovakina amin’ireo Soratra Grika Kristianina: mahery kelin’ny ampahefatry ny Baiboly monja. Rehefa avy namaky ireo boky 27 ireo anefa izy, dia niverina tany amin’ireo boky 39 amin’ny Soratra Hebreo, ka nanomboka namaky sy nankafy azy ireo. Rehefa vitany ny Soratra Hebreo, dia efa nahazo fahazarana mamaky Baiboly tsy tapaka izy ireo, ka nanohy izany, tamin’ny famakiana ny Soratra Grika Kristianina fanindroany, ary tsy nijanona intsony. Enga anie ianao hanao ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra ho fahazarana eo amin’ny fiainanao manontolo toy izany koa. Misy olona tsy mahay mamaky teny ve ao amin’ny fianakavianao na eo amin’ireo mpiara-manompo aminao? Nahoana raha manipy hevitra ny hamaky ny Baiboly tsy tapaka ho an’izany olona izany? Samy handray soa avy amin’izany na ianao na izy, rehefa misaintsaina sy mampihatra izay renareo. —Apok. 1:3. Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety ho te hanao zavatra manokana sasany mifandray amin’ny famakianao ny Baiboly ianao. Hanampy anao izany hahita ny fifandraisana misy eo amin’ireo tapany samihafa ao amin’ny Baiboly.

ATAOVY FAHAZARANA NY FAMAKIANA NY BAIBOLY ISAN’ANDRO Tapany lehibe iray amin’ny fampianarana atolotry ny Sekolin’ny Fanompoana ny fandaharana famakiana Baiboly. Mampirisika anao hanaraka azy io izahay. Misy ampahany kely ao amin’ny Baiboly asaina vakin’ny tsirairay manokana, ary hodinihina ao amin’ny sekoly, isan-kerinandro. Ho voavakinao manontolo ny Baiboly, raha arahinao miandalana izany. Mba hahatonga ny famakianao Baiboly ` isan’andro ho anisan’ny fiainanao, dia manokana fotoana tsy tapaka hanaovana azy—angamba vao maraina, na ny antoandro, na amin’ny fotoan’ny sakafo hariva, na alohan’ny hatoriana. Tsy ho lasa fahazarana tsy tapaka ilay izy, raha tapatapany kely fotsiny no vakinao, rehefa sendra mahita fotoana fotsiny ianao. Raha loham-pianakaviana ianao, dia ampio ny mpianakavinao hamboly fahazarana tsara. Mety handrisika ny tsirairay hanohy hamaky samirery

ny Baiboly isan’andro ny famakian’ny fianakaviana Baiboly miaraka. Mila mamola-tena ianao mba hamakiana ny Baiboly isan’andro. Tsy teraka nanana io faniriana io ianao. Mila ‘maniry’ ny Tenin’Andriamanitra ianao. (1 Pet. 2:2) Arakaraka ny ambolenao io fahazarana io no itomboan’ny fanirianao hanina ara-panahy koa. Avy eo dia mety ho tianao ny hanitatra ny fianarana ataonao, amin’ny fanaovana zavatra manokana sasany mifandray amin’ny famakianao sy ny fianaranao ny Baiboly. Hihalalina kokoa amin’izay ny fahatakaranao sy ny fankasitrahanao ireo harena ara-panahy nomen’i Jehovah antsika. ` Eo am-pamakianao ny Baiboly, dia maka fotoana hisaintsainana momba ny hevitr’izay vakinao—izay lazainy aminao momba an’i Jehovah, sy ny vokatra tsara haterany eo amin’ny fiainanao, ary ny fomba hampiasanao azy mba hanampiana ny hafa.

11

12

` Mahita Fifaliana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra Raha manondro andinin-teny hafa ny andininy sasany ao amin’ny Baibolinao, izy ireny dia mety hanome anao tsipiriany ara-tantara sy fitantarana hafa mifanitsy aminy. Mety hanampy anao hahafantatra ny toe-javatra nitarika ho amin’ny fanoratana ireo salamo samihafa sy ireo taratasy nosoratan’ny apostolin’i Jesosy Kristy, izy ireny. Ireo boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay) dia misy fanazavana ara-tantara be dia be momba ireo olona sy toerana ary toetra tsara voalaza ao amin’ny Baiboly. Misy tabilao ao mampiseho ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly, sy milaza izay mpanjaka sy mpaminany niara-belona, ary manome daty mety ho nitrangan’ny zavatra maro tantarain’ny Baiboly. Rehefa misaintsaina momba izay ianaranao ianao, dia ho takatrao ny anton’ny fisehoan-javatra sasany teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Ho azonao koa ny antony nanaovan’i Jehovah zavatra toy izao na toy izao tamin’ ny vahoakany. Ho hitanao ny fomba fijerin’i Jehovah momba ny zavatra ataon’ireo fitondram-panjakana sy vahoaka ary isam-batan’olona. Hanampy anao izany hahatakatra tsara kokoa ny fomba fisainany. Hanjary hahaliana anao kokoa ireo tantara ara-baiboly, rehefa mahita an’ eritreritra ny toerana nisehoany ianao. Mampahafantatra ny toetoetran’ireo toerana sy ireo elanelan-tany ny sarin’ireo tany voalaza ao amin’ny Baiboly. Tamin’ny toerana taiza ho aiza, ohatra, no nitan’ny Isiraelita ny Ranomasina Mena? Nanao ahoana ny haben’ny Tany Nampanantenaina? Tonga hatraiza ny dian’i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany? Inona avy no zavatra hitan’i Paoly nandritra ireo dia misionerany? Manome tsipirian-javatra izay hahatonga ny vakiteninao ho velombelona ireo sarintany sy fanazavana arajeografia. Aiza no hahitanao sarin’ireo tany voalaza ao amin’ny Baiboly? Misy sasany ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ao amin’ny Baiboly malagasy sasany. Misy sarintany 70 eo ho eo ao amin’ireo boky Fahatakarana, ary misy fanondroana sarintany any amin’ny faran’ilay boky voalohany. Ampiasao ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahafantarana izay misy sarintany hafa. Raha tsy manana ireo zavatra ireo ianao, dia ampiasao ireo sarintany avoaka ao amin’ny Tilikambo Fiambenana mba hanampiana anao eo amin’ny famakianao ny Baiboly. Ao amin’ny Soratra Hebreo, dia mankalaza an’i Jehovah i Davida Mpanjaka ˆ hoe: “Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra o! Akory ny hamaron’ny isany!” (Sal. 139:17) Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, dia midera an’i Jehovah ny apostoly Paoly, satria “nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy” Izy. (2 Kor. 4:6) Nisy an-jatony taona maro nampisaraka ny fotoana niainan’i Davida sy i Paoly; kanefa, samy nahita fahafinaretana avy tamin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Ho toy izany koa ianao, raha maka fotoana hamakiana izay rehetra nomen’i Jehovah anao ao amin’ireo pejin’ny Teniny ara-tsindrimandry.

“Tandremo ny Fihainonareo” TAPANY lehibe iray amin’ny fianarana ny fihainoana. Miankina amin’izy io koa ny fahafahan’ny olona iray ho tafita velona. Nanome toromarika an’ i Mosesy i Jehovah, rehefa niomana hanafaka ny vahoakany avy tamin’ny fahababoana tany Ejipta izy. I Mosesy indray kosa nilaza tamin’ireo antipanahin’ny Isiraely ny zavatra tsy maintsy nataon’izy ireo mba hamonjena ny lahimatoany tsy ho voavonon’ilay anjely. (Eks. 12:21-23) Avy eo dia nampita ilay fanazavana tamin’ny ankohonana tsirairay ireo anti-panahy. Am-bava no nanaovana izany rehetra izany. Tsy maintsy nihaino tsara ilay vahoaka. Nanao ahoana ny fihetsiny? Hoy ny Baiboly hoe: “Nataon’ny Zanak’Isiraely rehetra izany; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony.” (Eks. 12:28, 50, 51) Ho vokany, dia nafahana tamin’ny fomba nahazendana ny Isiraely. Ankehitriny, dia manomana antsika ho amin’ny fanafahana lehibe lavitra noho izany i Jehovah. Koa tena mendrika ny hoTOROHEVITRA MBA ` HIHAINOANA TSARA henointsika tsara ary ny toromarika omeny. Any amin’ireo fivoriantsika kristianina no anomezana izany toromarika izany. Mandray soa feno avy amin’ireny fiaraha-mivory ireny ve ˙ Mivavaha mba hifantoka ianao? Miankina be dia be amin’ny fomba ihainoanao izany. amin’ny fandaharana Mahatadidy ireo hevi-dehibe amin’ilay fampianarana ome˙ Jereo tsara ilay na any am-pivoriana ve ianao? Fahazaranao isan-kerinandro mpandahateny ve ny mitady fomba hampiharana ilay fampianarana azonao, ˙ Zahao ao amin’ny Baiboly na fomba hizarana azy amin’ny hafa? ny andinin-teny tononina, Ampiomano ny fonao ary araho ny famakiana azy Mila mampiomana ny fontsika isika mba handraisana soa feno avy amin’ilay fampianarana omena any amin’ireo fivo˙ Fantaro ny zava-kendren’ ny lahateny riana kristianina. Zava-dehibe izany, araka ny asehon’izay nitranga nandritra ny fanjakan’i Josafata, mpanjakan’ny Joda. ˙ Valio an-tsaina ny Nahery fo izy niandany tamin’ny fivavahana marina. “Norafanontaniana apetraka; henoy tsara ny vany tsy ho eo amin’ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha”, ` valin-tenin’ny hafa ary nasainy nampianatra ny Lalan’i Jehovah tamin’ny olona ` ˙ Mandraisa an-tsoratra tany amin’ny tanana rehetran’ny Joda ny mpanapaka sy ny fohy Levita ary ny mpisorona. Na izany aza, dia mbola teo ihany ireo fitoerana avo. (2 Tant. 17:6-9; 20:33) Niorim-paka tokoa ˙ Singano ireo hevitra tianao hampiharina ny fivavahana tamin’ny andriamani-diso sy ny fivavahan-diso natolotra ho an’i Jehovah tany amin’ireo fitoerana avon’ny mpanompo sampy, hany ka tsy voafongotra.

13

14

“Tandremo ny Fihainonareo” Nahoana no tsy nisy vokany naharitra ilay fampianarana nalamin’i Josafata? Hoy ny tohin’ilay fitantarana: “Ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an’Andriamanitry ny razany.” Nandre izy ireo, saingy tsy nanao araka izay zavatra reny. Angamba izy ireo nihevitra fa nanahirana ny nandeha hanolotra fanatitra tany amin’ny tempoly tany Jerosalema. Na ahoana na ahoana, dia tsy voatosiky ny finoana ny fon’izy ireo. Mba tsy ho voataona hiverina any amin’ny fanaon’ny tontolon’i Satana, dia tsy maintsy mampiomana ny fontsika handray ilay fampianarana omen’i Jehovah amin’izao andro izao isika. Amin’ny fomba ahoana? Fomba iray lehibe ny vavaka. Tokony hangataka amim-bavaka mba handray ny fampianaran’Andriamanitra amim-pankasitrahana isika. (Sal. 27:4; 95:2) Hanampy antsika izany hankasitraka ny ezaka ataon’ireo rahalahintsika tsy lavorary nefa manaiky hampiasain’i Jehovah hampianatra ny vahoakany. Hanosika antsika hisaotra an’i Jehovah izany, tsy noho ireo zava-baovao ianarantsika fotsiny, fa noho isika afaka mampitombo ny fankasitrahantsika ireo zavatra efa nianarantsika taloha koa. Maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fomba feno isika, ka mivavaka hoe: ` ˆ “Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah o, ... ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.”—Sal. 86:11. Ampifantohy ny sainao Be dia be ny vato misakana ny fihainoantsika tsara. Mety ho feno fanahiana ny saintsika. Mety hanelingelina antsika ny tabataba sy ny fihetsiketsehana eo amin’ny mpanatrika na any ivelan’ilay toeram-pivoriana. Mety ho sarotra amintsika ny mifantoka, raha tsy mahazo aina tsara isika ao amin’ilay toeram-pivoriana. Matetika ireo manan-janaka kely no voahelingelina. Inona no hanampy antsika hifantoka amin’ny fandaharana? Misy heriny lehibe eo amin’izay ifantohan’ny saintsika ny masontsika. Jereo tsara ilay mpandahateny, mba hahafahanao hifantoka. Rehefa manonona andinin-teny iray izy, na dia andinin-teny efa fantatrao tsara aza, dia tadiavo ilay izy, ary araho ny famakiany azy. Tohero ny fakam-panahy hitodika isaky ny misy tabataba na fihetsiketsehana. Raha be loatra ny zavatra manelingelina ampidirin’ny masonao ao an-tsainao, dia ho be dia be ny zavatra lazaina avy eny amin’ny lampihazo tsy ho renao. Raha misy “ahiahy” manasarotra ny fifantohanao amin’ny fandaharana, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana saina sy fo tony izay ilaina mba hifantohana. (Sal. 94:19; Fil. 4:6, 7) Ataovy imbetsaka izany, raha ilaina. (Matio 7:7, 8) Fanomezana avy amin’i Jehovah ho an’ny vahoakany ireo fivoriana. Afaka matoky ianao fa tiany handray soa avy amin’izy ireny ianao.—1 Jaona 5:14, 15.

“Tandremo ny Fihainonareo” Rehefa mihaino lahateny Azo inoana fa mahatsiaro hevitra sasany tena tianao, izay renao tamin’ny lahateny, ianao. Tsy mba hitadidiana hevitra manaitra sasany fotsiny anefa no antony hihainoana lahateny iray. Azo ampitahaina amin’ny fanaovana dia iray ny lahateny. Na dia mety hisy zavatra mahaliana sy tsara hojerena aza eny an-dalana, ny zava-dehibe dia ny toerana haleha, ny tanjona. Mety ho ny hitarika ny mpanatrika hanatsoaka hevitra iray na hanosika azy ireo hanao zavatra iray no tanjon’ilay mpandahateny. Diniho ilay lahateny nataon’i Josoa tamin’ny firenen’ny Isiraely, hita ao amin’ny Josoa 24:1-15. Ny tanjony tamin’izay dia ny hanosika ilay vahoaka hiandany mazava tsara tamin’ny fivavahana marina, ka hihataka tanteraka tamin’ny fanompoan-tsampin’ireo firenena nanodidina. Nahoana izany no tena zava-dehibe? Satria fandrahonana lehibe ho an’ilay firenena ny fielezan’ny fivavahan-diso, ka nety ho nampiala azy tamin’i Jehovah. Namaly ny fiangavian’i Josoa toy izao ilay vahoaka: “Sanatria raha hahafoy an’i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa. ... Izahay koa dia mba hanompo an’i Jehovah.” Ary nanao izany tokoa izy ireo!—Josoa 24:16, 18, 31. Rehefa mihaino lahateny iray ianao, dia miezaha hahita ny zava-kendren’ ilay izy. Diniho ny fomba ifandraisan’ireo hevitra avoakan’ilay mpandahateny amin’izany zava-kendrena izany. Manontania tena hoe mitaky ny hanaovanao inona ilay fanazavana. Rehefa mihaino mandritra ireo fiaraha-midinika Fiaraha-mandinika lahatsoratra ara-baiboly amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, sy ny Fianarana Boky, ary ny anjara sasany amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Misy itoviana amin’ny fandraisana anjara amin’ny resaka iray ny fihainoana mandritra ny fiaraha-midinika iray. Mihainoa tsara mba handraisana soa feno. Jereo ny fandehan’ilay resaka. Mariho ny fanantitranteran’ilay mpitarika ny loha hevitra sy ireo hevi-dehibe. Valio an-tsaina ireo fanontaniany. Henoy ny hafa, rehefa manazava sy milaza ny fampiharana ireo hevitra izy ireo. Rehefa mandre ny hevitry ny hafa momba ny foto-kevitra iray efa fantatrao ianao, dia angamba hanana fomba fijery vaovao azy io. Mandraisa anjara amin’ilay fifanakalozan-kevitra, ka lazao izay tena inoanao. —Rom. 1:12. Hanampy anao hifantoka tanteraka amin’ilay fiaraha-midinika sy hanaraka ny valin-tenin’ny hafa ny fianarana ilay lesona mialoha. Raha sarotra aminao ny mianatra ilay lesona amin’ny fomba lalina, noho ny toe-javatra misy ` anao, dia maka minitra vitsivitsy, fara faharatsiny, mba hijerena ny hevitra ambangovangony amin’ilay lesona, alohan’ilay fivoriana. Handray soa bebe kokoa avy amin’ilay fiaraha-midinika ianao, raha manao izany.

15

16

“Tandremo ny Fihainonareo” Rehefa mihaino any amin’ny fivoriambe Azo inoana fa betsaka kokoa noho ny any am-pivoriana ny fanelingelenana any amin’ireo fivoriambe. Sarotra kokoa ny fihainoana any. Inona no hanampy antsika? Fanampiana iray lehibe ny torimaso ampy tsara. Alohan’ny hanombohan’ny fandaharana isan’andro, dia tadidio tsara ny loha hevitra. Jereo ny lohatenin’ny lahateny tsirairay, ary eritrereto mialoha izay holazaina. Ampiasao tsara ny Baibolinao. Olona maro no mahita fa manampy azy hifantoka amin’ny fandaharana ny fakana an-tsoratra fohy ireo hevi-dehibe. Raiso an-tsoratra izay toromarika tianao hampiharina eo amin’ny fiainanao na ny fanompoanao. Miresaha momba ny hevitra sasantsasany, rehefa eny an-dalana ho any amin’ny fivoriambe na avy any, isan’andro. Hanampy anao hitadidy ilay fanazavana izany. Ampiofano ny ankizy hihaino Ny ray aman-dreny kristianina dia afaka manampy ny zanany—na dia ny mbola zazakely aza—mba ‘ho hendry ho amin’ny famonjena’, amin’ny fitondrana azy any amin’ny fivoriana sy ny fivoriambe. (2 Tim. 3:15) Tsy maintsy manampy ireo zanany hianatra hihaino tsara ny ray aman-dreniny satria miovaova ny toe-pon’ny ankizy sy ny fotoana ifantohan’ny sainy. Mety hanampy anao ireto fanoloran-kevitra ireto. ` Any an-trano, dia mandamına fotoana mba hipetrahan’ireo zanakao kely tsara sy hamakiany ireo bokintsika na hijereny sary ao. Any am-pivoriana, dia aza omena kilalao izy ireo mba hipetrahany tsara. Toy ny teo amin’ny Isiraely fahiny, ny ankizy kely amin’izao andro izao koa dia mamonjy fivoriana mba “hihainoany sy hianarany.” (Deot. 31:12) Misy ray aman-dreny manome iray amin’ilay zavatra ianarana, na dia ho an’ireo zanany mbola kely aza, isaky ny azo atao. Rehefa lehibe kokoa izy ireo, dia ampio hiomana handray anjara amin’ireo fandaharana misy fahafahana hanao izany. Asehon’ny Soratra Masina fa mifandray akaiky ny fihainoana an’i Jehovah sy ny fankatoavana azy. Hita izany amin’ireto tenin’i Mosesy tamin’ny firenen’ny Isiraely ireto: “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, ... dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ... ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy.” (Deot. 30:19, 20) Tena ilaina ankehitriny ny fihainoana ny fampianarana omen’i Jehovah, arahin’ny fankatoavana sy ny fampiharana izay ianarana, raha maniry ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fiainana ` mandrakizay isika. Tena iankinan’ny aina ary ny hanarahantsika ny torohevitr’i Jesosy hoe: “Tandremo ny fihainonareo”!—Lioka 8:18.

Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao NAMORONA ny atidohan’ny olombelona mba hahafahan’izy io hitadidy, i Jehovah Andriamanitra. Izy io dia nataony ho toy ny fitahirizan-javatra izay tsy misy banga ny zava-tsoa nampidirina tao, na dia akana foana aza. Mifanaraka tsara amin’ny fikasan’Andriamanitra ny hiainan’ny olombelona mandrakizay ny fomba nanaovana ny atidoha.—Sal. 139:14; Jaona 17:3. Mety hihevitra anefa ianao hoe be dia be loatra amin’izay ampidirinao ao an-tsainao no very. Toy ny hoe tsy ao ilay izy, rehefa ilainao. Inona no azonao atao mba hanatsarana ny fitadidianao? Manehoa fahalianana Tena ilaina mba hanatsarana ny fitadidianao ny fahalianana. Raha mianatra hahay handinika sy hihevitra ny olona sy izay mitranga manodidina antsika isika, dia handrisika ny saintsika hiasa izany. Ho mora kokoa amintsika amin’izay ny haneho fahalianana toy izany koa, rehefa mamaky na mandre zava-dehibe isika. Olona maro no hita fa sahirana vao mahatadidy anaran’ NY FOMBA olon-kafa. Mahafantatra anefa isika Kristianina fa zava-dehiHITADIDIANA IZAY be ny olona: ny namantsika kristianina, sy ny olona itoriaVAKINAO ntsika, ary ny hafa mifandray amintsika eo amin’ny fiainana

andavanandro. Inona no hanampy antsika hitadidy ireo anarana tena tokony hotadidintsika? Ny apostoly Paoly dia nitanisa anaran’olona 26, anisan’ny fiangonana iray nanoratany taratasy. Nanam-piheverana an’ireo olona ireo izy, araka ny hita amin’ny fahafantarany ny anaran’izy ireo avy, sy amin’ny fanononany zavatra kely manokana momba ny maro taminy. (Rom. 16:3-16) Ny mpiandraikitra mpitety faritany sasany eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny koa dia mahay mitadidy anaran’olona, na dia fiangonana samy hafa aza no tsidihiny isan-kerinandro. Inona no manampy azy ireo? Angamba mizatra mampiasa imbetsaka ny anaran’ny olona iray izy ireo, rehefa miresaka aminy voalohany. Miezaka mampifandray ny anaran’ilay olona amin’ ny tarehiny izy ireo. Fanampin’izany, dia mandany fotoana miaraka amin’ny olona maro samihafa izy ireo, eny amin’ny fanompoana na amin’ny fotoan’ny sakafo. Rehefa mahita ` olona iray ianao, ho tadidinao ve ny anarany? Manana aloha

17

˙ Rehefa avy mamaky ampahany amin’ny lahatsoratra iray ianao, dia manontania tena hoe: ‘Inona no hevi-dehibe tamin’izay novakiko teo?’ Raha tsy tadidinao ilay hevitra fototra, dia tadiavo indray ˙ Rehefa avy namaky toko na lahatsoratra iray ianao, dia tsapao indray ny fitadidianao. Tanisao daholo ny hevi-dehibe. Raha tsy tadidinao avy hatrany izy ireo, dia jereo indray izay novakinao

18

Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao antony tsara hitadidiana ilay anarana; avy eo dia andramo ny sasany amin’ireo fanoloran-kevitra voalaza teo ireo. Zava-dehibe koa ny hitadidianao izay vakinao. Inona no hanampy anao hanatsara izany? Ny fahalianana sy ny fahazoana ny hevitr’izay vakinao. Tokony ho liana amin’izay vakinao ianao, vao afaka mifantoka tsara amin’ilay izy. Tsy hisy hevitra ho tadidinao, raha miezaka hamaky teny ianao, nefa tsy ao ny sainao. Ho azonao kokoa ny hevitr’izay vakinao, rehefa mampifandray ilay fanazavana amin’ny zavatra efa mahazatra anao na amin’ny fahalalana efa anananao ianao. Manontania tena hoe: ‘Ahoana ary rahoviana no ahafahako mampihatra ity fanazavana ity eo amin’ ny fiainako? Ahoana no ahafahako mampiasa azy ity mba hanampiako olon-kafa?’ Raha teny maromaro no indray vakinao, fa tsy teny tsirairay, dia hahazo kokoa ny hevitr’izay vakinao ianao. Hahazo hevitra haingana kokoa ianao, ary hamantatra mora foana ireo hevi-dehibe, ka ho mora kokoa ny mitadidy azy ireo. ` Maka fotoana hanaovana famerenana Milaza ireo manam-pahaizana momba ny fampianarana fa tena manampy ny fanaovana famerenana. Nanao fandinihana ny iray taminy, ka nampiseho fa ny iray minitra lany anaovana famerenana avy hatrany dia hampitombo avo roa heny ny habetsahan’ny zavatra tadidy. Koa raha vao nahavita ny vakiteninao ianao, na ampahany lehibe taminy, dia avereno ao an-tsainao ireo hevi-dehibe, mba hampiraiketana azy ao an-tsainao. Eritrereto ny fomba hanazavanao amin’ny fomba fiteninao izay hevi-baovao nianaranao. Raha mampiasa ny fitadidianao avy hatrany ianao, rehefa avy namaky hevitra iray, dia hanalava ilay fotoana hahafahanao hitadidy azy. Avy eo, mandritra ireo andro manaraka, dia ataovy izay hiresahanao amin’olon-kafa momba ilay zavatra novakinao. Mety ho mpianakavy iray izany, olona iray ao am-pivoriana, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, mpifanila trano, na olona hitanao eny amin’ny fanompoana. Tsy ireo hevitra fototra ihany iezahana tadidina, fa ny fanjohian-kevitra araka ny Baiboly manohana azy ireo koa. Tsy ny tenanao ihany no handray soa avy amin’ izany fa ny hafa koa, satria hitadidy zava-dehibe amin’ny fomba maharitra ianao. Saintsaino ireo zava-dehibe Ankoatra ny fanaovana famerenana sy ny firesahana amin’ny hafa momba izay novakinao, dia ho hitanao fa hanampy anao koa ny misaintsaina momba ireo zava-dehibe vao nianaranao. Nanao izany i Asafa sy i Davida, izay samy mpanoratra ao amin’ny Baiboly. Hoy i Asafa: “Hampa-

Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao hatsiaro ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Sal. 77:11, 12) I Davida kosa nanoratra hoe: “Mieritreritra Anao amin’ny fiambenan-alina [aho]”, sy hoe: “Mahatsiaro ny andro fahiny aho ary misaina ny asanao rehetra.” (Sal. 63:6; 143:5) Manao izany ve ianao? Tsy vitan’ny hoe hitadidy hevitra fotsiny ianao, rehefa misaintsaina lalina sy maharitra toy izany momba ny asan’i Jehovah sy ny toetrany ary ny sitrapony. Handraikitra zavatra faran’izay lehibe ao am-ponao koa ianao, raha mizatra misaintsaina toy izany. Hamolavola ny maha ianao anao izany. Hampiseho ireo eritreritrao lalina indrindra ny zavatra tadidinao.—Sal. 119:16. Ny anjara asan’ny fanahin’Andriamanitra Rehefa miezaka hitadidy ireo asa nataon’i Jehovah sy ny zavatra nolazain’i Jesosy Kristy isika, dia tsy voatery hanao izany irery. Hoy i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy, ny alina talohan’ny hahafatesany: “Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:25, 26) Nanatrika teo i Matio sy i Jaona tamin’io. Nananatra, na nanampy, azy ` ireo ve ny fanahy masina? Eny tokoa! Tokony ho valo taona taty aoriana, dia vitan’i Matio ny fanoratany ilay fitantarana voalohany momba ny fiainan’i Kristy. Anisan’ireo zavatra sarobidy tsaroany ka nampidiriny tao ny Toriteny teo An-tendrombohitra sy ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy sy ny fifaranan’ity tontolo ity. Dimy amby enimpolo taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanoratra ny Filazantsarany ny apostoly Jaona, anisan’izany ireo zavatra maro be nolazain’i Jesosy tamin’ilay alina farany niarahan’ireo apostoly tamin’ny Tompo, talohan’ny nanomezany ny ainy. Azo antoka fa na i Matio na i Jaona dia samy nahatadidy mazava tsara ireo zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony, fony izy ireo niaraka taminy. Kanefa tsy azo lavina ny anjara asan’ny fanahy masina, izay nanampy azy ireo hitadidy tsipirian-javatra lehibe tian’i Jehovah ho voarakitra ao amin’ny Teniny. Mbola manampy ny mpanompon’Andriamanitra toy izany ihany ve ny fanahy masina ankehitriny? Eny tokoa! Mazava ho azy fa tsy hametraka ao an-tsaintsika zavatra mbola tsy rentsika mihitsy ny fanahy masina. Hanampy kosa izy amin’ny famerenana ao an-tsaintsika zava-dehibe nianarantsika tamin’ny lasa. (Lioka 11:13; 1 Jaona 5:14) Avy eo, amin’ny

19

20

Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao fotoana ilana azy, ny fahaizantsika misaina dia voataona ‘hahatsiaro ny teny voalazan’ny mpaminany masina sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy.’—2 Pet. 3:1, 2. ‘Tsy tokony hanadino ianareo’ Namerimberina nampitandrina ny Isiraely i Jehovah hoe: ‘Tsy tokony hanadino ianareo.’ Tsy nantenaina hitadidy ny zavatra rehetra tamin’ny an-tsipiriany akory izy ireo. Tsy tokony ho revo loatra tamin’ny raharahany manokana kosa anefa izy ireo, ka hanadino ireo zavatra nataon’i Jehovah. Nasaina notadidin’izy ireo mazava tsara tao an-tsainy ny namonjen’i Jehovah azy, fony ny anjeliny namono ny lahimatoan’i Ejipta rehetra, sy fony izy nanokatra ny Ranomasina Mena ary namerina azy avy eo, ka nahafaty an-drano an’i Farao sy ny tafiny. Nasaina notsarovan’ny Isiraelita ` fa nanome azy ireo ny Lalany teo amin’ny Tendrombohitra Sinay Andriamanitra, ary nitarika azy ireo hamakivaky ny efitra sy hiditra tao amin’ ny Tany Nampanantenaina. Tsy tokony hanadino izy ireo, amin’ny heviny hoe tokony hitohy foana ny fitadidiany ireny zavatra ireny, mba hisy vokany lalina foana eo amin’ny fiainany andavanandro.—Deot. 4:9, 10; 8: 10-18; Eks. 12:24-27; Sal. 136:15. Tsy maintsy miezaka ny tsy hanadino koa isika. Rehefa miatrika ireo fanerena eo amin’ny fiainana isika, dia mila mahatsiaro an’i Jehovah. Mila mitadidy ireo toetran’Andriamanitra isika, sy ny halehiben’ny fitiavany tamin’ny nanomezany ny Zanany, izay hahazoantsika fanavotana amin’ ny fahotantsika ary koa fiainana lavorary mandrakizay. (Sal. 103:2, 8; 106: 7, 13; Jaona 3:16; Rom. 6:23) Hampiraikitra ireny fahamarinana sarobidy ireny ao amintsika ny famakiana Baiboly tsy tapaka sy ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny fivoriana sy ny fanompoana. Rehefa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra ianao, na lehibe izany na kely, dia tsarovy ireny fahamarinana tena lehibe ireny, ary avelao hanan-kery eo amin’ny fomba fisainanao. Aza manadino. Mitodiha any amin’i Jehovah mba hahazoana tari-dalana. Aza mijery zavatra araka ny fomba fijery ara-nofo fotsiny, na hoe hitoky amin’ny fientanan’ny fonao tsy lavorary, fa manontania tena hoe: ‘Torohevitra na toro lalana inona avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no tokony hanampy ahy amin’izao fanapahan-kevitra izao?’ (Ohab. 3:5-7; 28:26) Tsy afaka mitadidy zavatra mbola tsy novakinao na renao ianao. Rehefa mihamahazo fahalalana marina sy mihatia an’i Jehovah anefa ianao, dia hitatra ny tahirim-pahalalana ho tadidinao noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra. Ho voatosika hanao zavatra mifanaraka amin’izany fahalalana izany ianao rehefa mitombo ny fitiavanao an’i Jehovah.

Milofosa Amin’ny Famakian-teny TSY afaka manao izao ataonao izao ny biby. Ny olombelona indray, dia 1 ao anatin’ny 6 no tsy nianatra namaky teny, matetika noho izy tsy afaka nankany an-tsekoly. Maro amin’ireo nianatra no tsy mazoto mamaky teny. Kanefa noho ny fahaizanao mamaky teny, ireo soratra vakinao dia hitondra anao any an-tany hafa, sy hampifankahalala anao amin’olona manana fiainana mahaliana sy mampahery, ary hanome anao fahalalana izay hanampy anao hizaka ireo fanahiana eo amin’ny fiainana. Miankina amin’ny fahaizany mamaky teny ny vokatra ho azon’ny ankizy iray avy amin’ny fianarany. Rehefa hitady asa izy, ilay karazan’asa ho azony sy ny isan’ny ora tsy maintsy hiasany mba hameloman-tena dia mety hiankina amin’ny fahaizany mamaky teny. Hahay hikarakara kokoa ny fianakaviany ny vehivavy mahay mamaky teny tsara, satria afaka mianatra manome azy sakafo mahavelona, sy mitandro ny fahadiovana ary misoroka aretina. Mety hisy MAHAFAOKA heviny tsara eo amin’ny fitomboana ara-tsain’ny zanany ny INONA AVY NY FANDAHARAMfahaizan’ny reny mamaky teny tsara. PAMAKIAN-TENINAO? Mazava ho azy fa ny soa lehibe indrindra azo avy amin’ny famakian-teny dia noho izy io mahatonga anao ‘hahita ny ˙ Ny Baiboly ve no loha fahalalana an’Andriamanitra.’ (Ohab. 2:5) Miankina amin’ lisitra? ny fahaizana mamaky teny ny lafiny maro amin’ny fano˙ Mamaky Ny Tilikambo mpoantsika an’Andriamanitra. Mamaky Baiboly sy boky Fiambenana sy ny ara-baiboly isika any am-pivoriana. Miankina be dia be Mifohaza! tsy tapaka amin’ny fomba famakianao teny ny vokatra azonao eny ve ianao? amin’ny fanompoana. Mitaky famakian-teny ny fanomana˙ Mamaky avy hatrany ireo na ireo zavatra roa ireo. Noho izany, dia miankina be dia be boky vaovao ve ianao? amin’ny fahazaranao mamaky teny ny fitomboanao ara-pa˙ Rehefa mahazo Ny nahy. Fanompoantsika Ilay Fanjakana ianao, vakinao Hararaoty tsara ny fahafahana anananao ve ireo torohevitra Voafetra ny fianarana hitan’ny sasany amin’ireo mianatra momba ny fanompoana? momba ny lalan’Andriamanitra. Mety hila ny hampianarina ˙ Firy amin’ireo boky hamaky teny izy ireo, mba hanatsarana ny fandrosoany aratranainy kokoa an’ny panahy. Na mety hila fanampiana manokana izy mba hanaVavolombelon’i Jehovah no efa novakinao? tsarana ny fahaizany mamaky teny. Any amin’izay ilana izany, dia mandamina kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra, ampiasana ny boky Miezaha Mamaky Teny sy 21

Manohiza milofo amin’ny famakian-teny ampahibemaso

Mamolavola ny toetran’ny zanakao ny zavatra vakinao aminy

Misy vokany eo amin’ny fitomboanao ara-panahy ny fahazaranao mamaky teny

Mianara maneho fihetseham-po rehefa mamaky teny ampahibemaso

Milofosa Amin’ny Famakian-teny

Manoratra, ireo fiangonantsika. Olona an’arivony maro no efa nandray soa be dia be avy tamin’io fandaharana io. Tena ilaina ny mahay mamaky teny tsara, hany ka misy fiangonana manao ilay kilasy fianarana mamaky teny miaraka amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Na dia tsy misy izany kilasy izany aza eo amin’ny misy azy, dia afaka mandroso tsara ihany ny olona iray, raha maka fotoana hamakian-teny amin’ny feo avo isan’andro sy manatrika ny sekoly tsy tapaka ary mandray anjara aminy. Mampalahelo fa nahatonga olona maro tsy hamaky teny firy ireo boky feno sary sy ny televiziona. Ny fijerena televiziona sy ny tsy famakianteny firy dia mety hanakantsakana ny fiezahan’ny olona iray hahay hamaky teny tsara, sy hisaina mazava ary hilaza tsara ny heviny. Ny boky sy gazety omen’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” no hanampy antsika hahazo ny hevitry ny Baiboly. Tondraka ny fanazavana momba ny raharaha ara-panahy tena lehibe ao anatin’izy ireny. (Matio 24:45; 1 Kor. 2:12, 13) Manampy antsika haharaka ireo vaovao lehibe maneran-tany sy hahazo ny heviny koa izy ireny, sy mampahafantatra antsika tsara kokoa momba ny zavaboary, ary mampianatra antsika hizaka ireo fanahiana mahazo antsika. Ny fomba hanompoana an’ Andriamanitra amin’ny fomba azony ekena sy hahazoana ny fankasitrahany anefa no tena antitranteriny. Hanampy anao ho tonga olona araka ny fanahy ny vakiteny madio toy izany. Mazava ho azy fa tsy ilay fahaizana mamaky teny fotsiny akory no zavatra tsara. Ilaina hampiasaina araka ny tokony ho izy io fahaizana io. Toy ny fihinanana, ny famakian-teny dia tsy maintsy omban’ny fahaizamifantina. Nahoana ianao no hihinana sakafo tsy tena mahavelona na mety hanapoizina anao mihitsy aza? Toy izany koa, nahoana ianao no hamaky lahatsoratra hanimba ny sainao sy ny fonao, eny fa na dia vakina sendrasendra fotsiny aza? Tokony hanampy antsika hamaritra izay zavatra fidintsika hovakina ireo toro lalan’ny Baiboly. Alohan’ny hanapahanao hevitra hoe inona no hovakinao, dia tadidio ireto andinin-teny ireto: Mpitoriteny 12:12, 13; Efesiana 4:22-24; 5:3, 4; Filipiana 4:8; Kolosiana 2:8; 1 Jaona 2:15-17; ary 2 Jaona 10. ` Manana antony tsara hamakian-teny Rehefa mamaky ireo Filazantsara isika, dia hitantsika mazava fa zavadehibe ny manana antony tsara hamakian-teny. Ohatra, ao amin’ny Filazantsaran’i Matio isika dia mamaky momba an’i Jesosy nametra-panontaniana toy ny hoe “Tsy mbola novakinareo va?”, talohan’ny nanomezany valiny araka ny Soratra Masina an’ireo mpitondra fivavahana

23

24

Milofosa Amin’ny Famakian-teny

nahay Baiboly nefa feno hafetsen-dratsy. (Matio 12:3, 5; 19:4; 21:16, 42; 22:31) Ny lesona tsoahintsika avy amin’izany dia hoe: Raha tsy tsara ny antony manosika antsika hamaky teny, dia hanatsoaka hevitra diso isika, na tsy hahazo ilay hevitra lazaina mihitsy. Namaky ny Soratra Masina ireo Fariseo, satria nataony fa izany no hahazoany ny fiainana mandrakizay. Nasehon’i Jesosy mazava fa tsy omena an’ireo tsy tia an’Andriamanitra sy tsy manaiky ny fomba famonjeny io valisoa io. (Jaona 5:39-43) Feno fitiavan-tena ireo Fariseo, ka maro tamin’ireo fanatsoahan-keviny no diso. Ny fitiavana an’i Jehovah no antony madio indrindra hamakiantsika ny Teniny. Mandrisika antsika hianatra ny sitrapon’Andriamanitra izany fitiavana izany, satria ny fitiavana “miara-mifaly amin’ny fahamarinana.” (1 Kor. 13:6) Na dia tsy tia namaky teny aza isika taloha, ny fitiavantsika an’i Jehovah amin’ny ‘saintsika rehetra’ dia hanosika antsika hampiasa mafy ny saintsika mba hianarana ny fahalalana an’Andriamanitra. (Matio 22:37) Manaitra fahalianana ny fitiavana, ary ny fahalianana kosa mandrisika hianatra. Ny hafainganan’ny famakian-teny Mifanindran-dalana amin’ny famantarana teny ny famakian-teny. Na dia amin’izao ianao mamaky teny izao aza, dia mahay mamantatra ireo teny sy mahatadidy ny heviny avy, ianao. Afaka mampitombo ny hafainganan’ny famakianao Mifanatona kokoa ny mpianakavy miara-mamaky teny teny ianao, raha mampitombo ny isan’ny teny hainao fantarina avy hatrany. Aza mijanona hijery teny tsirairay, fa miezaha hahita teny maromaro indray miaraka. Rehefa mihamitombo io fahaizana io, dia ho mora azonao kokoa izay vakinao. Rehefa foto-kevitra lalina kokoa anefa no vakinao, dia mety hitombo ny voka-tsoa horaisinao, raha mampiasa fomba iray hafa ianao. Nanome an’i Josoa izao torohevitra izao momba ny famakiany ny Soratra Masina i Jehovah: “Aoka tsy hiala amin’ ` ny vavanao ity bokin’ny lalana

Milofosa Amin’ny Famakian-teny

ity, fa saintsaino.” (Josoa 1:8) Rehefa misaintsaina ny olona iray, dia mieritreritra lalina; tsy maimaika izy. Manjary miraikitra mafy kokoa ao antsaina sy ao am-po ny Tenin’Andriamanitra, rehefa vakina sady saintsainina. Ny Baiboly dia misy faminaniana, torohevitra, ohabolana, tononkalo, didim-pitsaran’Andriamanitra, tsipiriany momba ny fikasan’i Jehovah, ary ohatr’olona tena nisy maro be—samy sarobidy avokoa ireo ho an’izay maniry handeha eo amin’ny lalan’i Jehovah. Tena mitondra soa tokoa ny famakiana ny Baiboly amin’ny fomba izay hampiraikitra azy lalina ao an-tsainao sy ao am-ponao! Mianara mifantoka Rehefa mamaky teny ianao, dia ampidiro ao amin’ilay tarehin-javatra vakinao ny tenanao. Miezaha hahita ireo olona amin’ny mason’ny sainao, sy hahatsapa ny fihetseham-pony. Toa mora ny manao izany, rehefa mamaky fitantarana toy ilay momba an’i Davida sy i Goliata, hita ao amin’ny 1 Samoela toko faha-17. Na dia ireo tsipirian-javatra ao amin’ny Eksodosy sy Levitikosy momba ny fanorenana ny tabernakely na ny fisoronana koa aza anefa dia hanjary ho toy ny tena misy, rehefa hitanao an’eritreritra ireo refy sy fitaovana voalaza, na rehefa alainao sary an-tsaina ny fofon’ilay emboka manitra sy ilay lango ary ireo biby natolotra ho fanatitra dorana. Eritrereto ny fahatahorana niharo fanajana tsy maintsy ho tsapan’izay niantsoroka ny asan’ny fisoronana! (Lioka 1:8-10) Raha ampiasainao toy izany ny fihetseham-ponao sy ny fahaizanao mahatsapa sy mahita ary mandre zavatra, dia hahazo ny hevitr’izay vakinao ianao, no sady hahatadidy azy. Raha tsy mitandrina anefa ianao, dia mety hiriorio ny sainao rehefa mamaky teny ianao. Mety hijery ilay pejy ny masonao, nefa ny eritreritrao mety ho any an-kafa. Misy mozika mandeha ve? Mandeha ve ny televiziona? Miresaka ve ny mpianakavy hafa? Raha azo atao, dia ny mamaky teny ao amin’ny toerana mangina no tsara indrindra. Kanefa, mety ho avy amin’ny tenanao ihany ny fanelingelenana. Angamba be dia be ` ny zavatra nataonao nandritra ny andro. Mora ery ny mamerina azy ireny indray ao an-tsainao! Tsara ny manao izany, saingy tsy mandritra ny famakianao teny. Angamba mifantoka tsara ny sainao amin’ny voalohany, na mety hivavaka mihitsy aza ianao alohan’ny hamakianao teny. Eny am-pamakiana anefa, dia manomboka mibirioka ny sainao. Andramo indray. Mianara mamola-tena, mba hifantohan’ny sainao amin’izay vakinao. Hahita fihatsarana miandalana ianao. Inona no ataonao, rehefa mahita teny tsy azonao ianao? Angamba hazavaina na resahina ao amin’ilay lahatsoratra ny teny tsy mahazatra

25

26

Milofosa Amin’ny Famakian-teny

sasany. Na mety hahatakatra ny heviny avy amin’ny teny manodidina ` azy ianao. Raha tsy izany, dia maka fotoana hijerena ilay teny ao amin’ ny diksionera, raha misy, na mariho ilay izy, ary anontanio amin’ny olon-kafa ny heviny any aoriana. Hampitombo ny voambolanao izany sady hanatsara ny fahazoanao ny hevitr’izay vakinao. Ny famakian-teny ampahibemaso Rehefa nasain’ny apostoly Paoly nanohy nilofo tamin’ny famakianteny i Timoty, dia ny famakian-teny ho an’ny hafa no tena tiany horesahina. (1 Tim. 4:13) Tsy famakian-teny amin’ny feo avo fotsiny akory no atao hoe famakian-teny ampahibemaso mandaitra. Mila ny mahazo ny hevitr’ireo teny sy izay tian’izy ireo holazaina ilay mpamaky teny. Rehefa manao izany ihany izy vao afaka mampita tsara ireo hevitra sy maneho tsara ireo fihetseham-po. Mazava ho azy fa mitaky fanomanana sy fanazaran-tena amim-pitandremana izany. Noho izany, dia nampirisika i Paoly hoe: “Tandremo ny famakian-teny.” Hahazo fampiofanana sarobidy momba izany ianao ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. ` Maka fotoana hamakian-teny “Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.” (Ohab. 21:5) Tena marina izany, raha ny amin’ ny faniriantsika hamaky teny! Raha te ‘hanankarena’ isika, dia tsy tokony ho maimaika, fa mila mihevitra ny hanao fandaharana mialoha, mba tsy hisy zavatra hafa haka ny toeran’ny famakiantsika teny. Amin’ny fotoana toy inona ianao no mamaky teny? Andraisanao soa ve ny famakianao teny vao maraina? Sa matsilo kokoa ny sainao, aoriana kokoa amin’ny andro? Raha afaka manokana na dia 15 na 20 minitra isan’andro monja aza ianao mba hamakian-teny, dia ho talanjona hahita ny habetsahan’izay vitanao. Ny fanaovana azy tsy tapatapaka no tena ilaina. Nahoana i Jehovah no nifidy ny hampanoratra ny fikasany lehibe ao amin’ny boky iray? Mba hahafahan’ny olona haka hevitra ao amin’ny Teniny voasoratra. Afaka mianatra momba ireo asa mahatalanjon’i Jehovah izy ireo, sy milaza azy ireny amin’ny zanany, ary mitadidy ireo fomba fanaovan’Andriamanitra zavatra. (Sal. 78:5-7) Ny fomba tsara indrindra hanehoantsika ny fankasitrahantsika ny fahalalahan-tanan’i Jehovah amin’io lafiny io, dia ny filofosantsika hamaky ny Teniny izay manome aina.

Mitondra Valisoa ny Fianarana EFA nandinika olona nifidy voankazo ve ianao? Ny ankamaroany mijery ny lokony sy ny habeny, mba hamantarana raha masaka ilay izy. Ny sasany mioroka ny fofon’ilay voankazo. Ny hafa mikasika azy, manapotsipotsitra azy mihitsy aza. Ny hafa koa mitsapa ny havesatr’ilay izy, amin’ny fampifandanjana azy amin’ny tanana roa, mba hamantarana izay be ranony kokoa. Inona no eritreretin’ireo olona ireo? Mamakafaka tsipirian-javatra izy ireo, manombantombana ireo fahasamihafana, mitadidy ireo safidy nataony taloha, ary mampitaha izay hitany izao amin’izay efa fantany. Voankazo mamy no valisoa azony noho ny fanehoany fitandremana. Mazava ho azy fa lehibe lavitra noho izany ny valisoa entin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainantsika ny fianarana, dia mihamatanjaka ny finoantsika, mihalalina ny fitiavantsika, manjary misy vokany ny fanompoantsika ary hita amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika fa mahay manava-javatra sy manana ny fahendren’Andriamanitra isika. Hoy ny Ohabolana 3:15, moMBA HIJINJANA IREO mba ireo valisoa ireo: “Izay rehetra irinao tsy misy azo ampitaVALISOA LEHIBE haina aminy.” Efa nahatsapa izany ve ianao? Mety hiankina INDRINDRA, DIA amin’ny fomba fianatrao izany.—Kol. 1:9, 10. Inona no atao hoe mianatra? Tsy manao vakiteny ambango˙ Ampiomano ny fonao vangony fotsiny akory izany. Mampiasa ny sainao ianao, mba handinihana tsara sy lalina ny foto-kevitra iray. Mamakafaka ˙ Jereo mialoha ilay zavatra hianarana izay vakinao ianao, mampitaha azy amin’izay efa fantatrao, ary manamarika ireo antony ilazana zavatra sasany. Rehefa miana˙ Avaho tsara ireo tra ianao, dia mieritrereta lalina momba izay hevitra mety ho fanazavana lehibe vaovao aminao. Diniho koa ny fomba azon’ny tenanao ampiha˙ Diniho ny antony rana tsara kokoa ny torohevitry ny Baiboly. Vavolombelon’i Jeara-baiboly ilazana hovah ianao, ka tokony hieritreritra momba ireo fahafahana hazavatra sasany mpiasa ilay fanazavana mba hanampiana ny hafa koa. Mazava ˙ Anaovy famerenana ireo ho azy fa mila misaintsaina ianao rehefa mianatra. hevi-dehibe Fananana ny toe-tsaina mety, rehefa hianatra Rehefa miomana hianatra ianao, dia mamoaka zavatra toy ny Baibolinao, ireo boky kasainao hampiasaina, stylo na fanoratana hafa, ary angamba kahie iray. Manomana ny fonao koa ve anefa ianao? Milaza amintsika ny Baiboly fa i “Ezra nampioma` ` na ny fony hitady ny lalan’i Jehovah ka hankato izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” (Ezra 7:10) Inona no atao mba hampiomanana ny fo?

27

˙ Saintsaino ny ho vokatr’izay ianaranao eo amin’ny fiainanao ˙ Mitadiava fahafahana hampiasa ilay fanazavana mba hanampiana ny hafa

28

Mitondra Valisoa ny Fianarana Manampy antsika hanana ny fihetsika tsara ilaina ny vavaka, rehefa handeha hianatra ny Tenin’Andriamanitra isika. Tiantsika ny fontsika ho vonon-kandray ny fampianaran’i Jehovah. Isaky ny hianatra ianao, dia mangataha ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah. (Lioka 11:13) Angataho izy hanampy anao hahatakatra ny hevitr’izay hianaranao, ny fomba ifandraisan’ilay izy amin’ ny fikasany, ny fomba anampian’ilay izy anao hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Angataho koa izy hanampy anao hahita ny fomba tokony hampiharanao ny toro lalany eo amin’ny fiainanao, ary ny tokony ho vokatr’ilay fanazavana eo amin’ny fifandraisanao aminy. (Ohab. 9:10) ‘Mangataha fahendrena amin’Andriamanitra’ mandritra ilay fianarana. (Jak. 1:5) Aorian’ny fianaranao, dia mandiniha tena amim-pahatsorana, rehefa mitady ny fanampian’i Jehovah mba hialana amin’ny hevi-diso na ny fanirian-dratsy ianao. ` ‘Midera an’i Jehovah’ foana noho ireo zavatra ampahafantariny. (Sal. 147:7) Manjary manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah isika, rehefa ampiarahintsika amin’ny vavaka ny fianarantsika. Voatosika hidera azy isika, rehefa miteny amintsika amin’ny alalan’ny Teniny izy.—Sal. 145:18. Mampiavaka ny vahoakan’i Jehovah amin’ny olona hafa izany fihetsika vonon-kandray izany. Eo amin’ireo tsy tia an’Andriamanitra, dia fanaon’ny olona ny misalasala sy manohitra izay zavatra voasoratra. Tsy izany anefa no fihetsitsika. Mitoky amin’i Jehovah isika. (Ohab. 3:5-7) Raha misy zavatra tsy azontsika, dia tsy hiana-kendry isika ka hanatsoaka hevitra hoe ilay izy no tsy maintsy diso. Sady mikaroka sy mandalina mba hahazoana valiny isika, no miandry an’i Jehovah. (Mika 7:7) Sahala amin’i Ezra, dia ny hampihatra sy hampianatra izay ianarantsika no zava-kendrentsika. Ho tondraka ny valisoa ho azontsika avy amin’ny fianarantsika, raha manana izany faniriana izany ny fontsika.

NY FOMBA ANDINIHANA MIALOHA ILAY ZAVATRA HIANARANA

˙ Fakafakao ireo teny ao amin’ilay lohateny ˙ Diniho ny ifandraisan’ny lohatenikely tsirairay amin’ilay lohateny ˙ Jereo ireo sary, tabilao, na faritra voafefy

Ny fomba fianatra Aza tonga dia asesy avy hatrany ny fehintsoratra rehetra, ha` treo amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, fa maka aloha fotoana hijerena mialoha ilay lahatsoratra na ilay toko manontolo. Ireo teny ao amin’ilay lohateny no fakafakao voalohany. Io no loha hevitr’ilay zavatra hianaranao. Avy eo, dia diniho tsara ny fomba ifandraisan’ireo lohatenikely amin’io loha hevitra io. Jereo ireo sary, tabilao, na faritra voafefy miaraka amin’ilay lahatsoratra. Manontania tena hoe: ‘Araka izay fandinihana mialoha izay, inona no hianarako ato? Fianarana sarobidy inona no ho azoko avy amin’izy ity?’ Hamaritra ny ho zava-kendren’ilay fianarana hataonao izany. ` Atombohy ary ilay fianarana. Misy fanontaniana ireo lahatsoratra fianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny

Mitondra Valisoa ny Fianarana boky sasany. Rehefa mamaky ny fehintsoratra tsirairay ianao, dia hanampy anao ny fanipihana ireo valiny. Na dia tsy misy fanontaniana aza ilay lahatsoratra, dia mbola mety hanipika ireo hevi-dehibe tianao hotadidina ihany ianao. Raha vaovao aminao ny hevitra iray, dia andanio fotoana kely fanampiny mba hahazoanao antoka fa takatrao tsara ilay izy. Jereo manokana izay fanoharana na fanjohian-kevitra hanampy anao eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, na ho azo ampidirina ao amin’ny lahateny na anjara iray any aoriana. Eritrereto izay olona azonao ampitana ilay zavatra nianaranao, ka ho afaka hanatanjaka ny finoany avy amin’ilay izy. Tsipiho ireo hevitra tianao hampiasaina, ary ivereno rehefa vita ilay fianaranao. Eo am-pandinihana ilay lahatsoratra, dia jereo ireo andinin-teny voatonona ao. Fakafakao ny ifandraisan’ny andinin-teny tsirairay amin’ny zava-kendrena ankapoben’ilay fehintsoratra. Mety hahita hevitra tsy azonao avy hatrany na tianao hanaovana fikarohana lalina kokoa, ianao. Aza variana amin’ireny, fa mariho fotsiny izy ireny mba hodinihinao any aoriana. Matetika no hazavaina ao amin’ny tohin’ilay zavatra ianarana izy ireny. Raha tsy izany, dia afaka manao fikarohana fanampiny ianao. Zavatra inona avy no azo marihina manokana toy izany? Angamba misy andinin-teny iray tsy azonao tsara. Na mety ho tsy hitanao avy hatrany ny ifandraisany amin’ilay foto-kevitra resahina. Na angamba ianao mihevitra fa azonao ny hevitra iray ao amin’ilay lahatsoratra, saingy tsy tena mazava tsara aminao ka tsy hainao hazavaina amin’olon-kafa. Aza lalovana fotsiny ireny, fa mety ho fahendrena ny hanaovana fikarohana momba azy ireny, rehefa vitanao ilay fianarana natombokao. Rehefa nanoratra ny taratasiny ho an’ny Kristianina hebreo ny apostoly Paoly, dia niato teny antenatenany, ka nilaza hoe: “Izao no fotony.” (Heb. 8:1) Mampahatsiahy ny tenanao toy izany ve ianao indraindray? Diniho ny antony nanaovan’i Paoly izany. Tao amin’ireo toko teo aloha, dia efa nasehony fa efa niditra tany an-danitra i Kristy, mba ho Mpisoronaben’Andriamanitra. (Heb. 4:14–5:10; 6:20) Kanefa navahany tsara sy noantitranteriny io hevi-dehibe io eo am-piandohan’ny toko faha-8. Izany dia mba hampiomanana ny sain’ny mpamaky azy hieritreritra lalina momba ny nifandraisan’ilay izy tamin’ny fiainan’izy ireo. Nasehony fa efa niseho teo anoloan’Andriamanitra ho azy ireo i Kristy, ary nanokatra ny lalana hidiran’izy ireo tao amin’io “fitoerana masina” any an-danitra io. (Heb. 9:24; 10:19-22) Azo antoka ny fanantenan’izy ireo, ka nanosika azy ireo hampihatra ireo torohevitra hafa momba ny finoana sy ny fiaretana ary ny fitondran-tena kristianina, nomen’i Paoly tao amin’ny taratasiny. Toy izany koa, rehefa mianatra isika, dia hifantoka amin’ireo hevi-dehibe. Hanampy antsika hahita ny fizotran’ny fanazavana ilay loha hevitra izany, ary hampiaiky antsika momba ireo antony tsara hampiharana azy io.

29

Aza hadinoina ny mijery ireo andinin-teny

Mba handraisana soa be indrindra avy amin’ny fianarana ataonao, dia ampiomano ny fonao

` Maka fotoana hisaintsainana Fantaro ireo fitaovana fanaovana fikarohana misy amin’ny fiteninao

Mitondra Valisoa ny Fianarana Hanosika anao hampihatra izay ianaranao ve ny fianarana manokana ataonao? Fanontaniana tena lehibe izany. Rehefa mianatra zavatra iray ianao, dia manontania tena hoe: ‘Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fihetsiko sy ny zava-kendreko eo amin’ny fiainana? Ahoana no ahafahako mampihatra ity fanazavana ity mba handaminako zava-manahirana iray, handraisako fanapahan-kevitra iray, na hahatratrarako zava-kendrena iray? Ahoana no ahafahako mampiasa azy ity ao amin’ny fianakaviako, eo amin’ny fanompoana, eo amin’ny fiangonana?’ Diniho amim-bavaka ireo fanontaniana ireo, ary mieritrereta tarehin-javatra tena misy, izay azonao ampiharana ny fahalalanao. ` Rehefa nahavita toko iray na lahatsoratra iray ianao, dia maka fotoana hanaovana famerenana fohy. Jereo raha afaka mitadidy ireo hevi-dehibe sy ny porofo nanohana ny tsirairay aminy, ianao. Hanampy anao hitadidy ilay fanazavana izany. Izay zavatra hianarana Be zavatra ianarana isika vahoakan’i Jehovah. Inona anefa no tokony hianarantsika voalohany? Tsara ny hianarantsika isan’andro ny andinin-teny sy ny fanazavana azy ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Manatrika ireo fivoriana isika isan-kerinandro, ary hanampy antsika handray soa bebe kokoa ny fianarana ataontsika ho fanomanana azy ireo. Fanampin’izany, dia misy manokana fotoana hianarana ny sasany amin’ireo bokintsika nivoaka talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Ny hafa mifidy tapany iray amin’ny fandaharana famakiana Baiboly isan-kerinandro, izay anaovany fianarana lalina kokoa. Ahoana raha tsy afaka mianatra tsara izay zavatra rehetra hodinihina any amin’ireo fivoriana ianao, noho ny toe-javatra misy anao? Halaviro ilay fandrika hianatra ilay lahatsoratra maimaika mba hahavitana azy fotsiny, na ilay fandrika ratsy kokoa tsy hianatra azy mihitsy, satria hoe tsy ho vitanao tsinona ilay izy manontolo. Farito kosa izay ho vitanao, ary ataovy tsara ny fianaranao azy. Ataovy isan-kerinandro izany. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia miezaha hampitombo ny isan’ny fivoriana omaninao. ‘Ampioreno ny ankohonanao’ Takatr’i Jehovah fa tsy maintsy miasa mafy ireo loham-pianakaviana mba hamelomana ny vady aman-janany. “Amboary ny asanao any ivelany”, hoy ny Ohabolana 24:27, “ary ataovy lavorary ny any an-tsaha.” Kanefa tsy azo atao tsirambina ny zavatra ara-panahy ilain’ny fianakavianao. Noho izany, dia hoy ny tohin’io andinin-teny io: “Rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao hianao.” Ahoana no ahafahan’ireo loham-pianakaviana manao izany? Hoy ny Ohabolana 24:3: “Fahalalinan-tsaina no mampaharitra” ny ankohonana iray.

31

32

Mitondra Valisoa ny Fianarana Ahoana no hanampian’ny fahalalinan-tsaina ny ankohonanao? Ny fahalalinan-tsaina dia ny fahaizana mijery any ambadik’izay miseho miharihary. Tena mety ilay filazan’ny olona hoe raha tianao handaitra ny fianaram-pianakavianao, dia diniho aloha ny fianakavianao. Manao ahoana ny fandrosoana ara-panahin’ny mpianakavinao? Mihainoa tsara rehefa mifampiresaka aminy ianao. Misy toe-tsaina tia mitaraina na tsy faly ve eo amin’izy ireo? Ny zavatra ara-nofo ve no zava-dehibe aminy? Rehefa miaraka amin’ny zanakao eny amin’ny fanompoana ianao, tsy mampaninona azy ireo ve ny ho fantatry ny mpiara-mianatra aminy fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany? Tiany ve ny famakiana sy fianarana ny Baiboly ataon’ny fianakavianareo? Tena ataony fomba fiainany tokoa ve ny lalan’Andriamanitra? Ny fandinihana tsara toy izany dia hampiharihary izay ilainao loham-pianakaviana, hatao, mba hananan’ny mpianakavinao tsirairay toetra tsara. Mitadiava lahatsoratra ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! momba ny zavatra manokana ilainareo. Avy eo, dia ampahafantaro mialoha amin’ny fianakavianao izay hianarana, mba hieritreretan’izy ireo momba ilay izy. Aoka hanjakan’ny fitiavana foana ilay fianarana. Aza mibedy na mamasoka na iza na iza, fa ny maha zava-dehibe ilay zavatra dinihinareo kosa no asongadino, ka ampiharo amin’izay ilain’ny fianakavianareo manokana. Ampandraiso anjara ny mpianakavy rehetra. Ampio ny tsirairay hahita fa “tonga lafatra” ny Tenin’i Jehovah, satria izay ilaina mihitsy no omeny. —Sal. 19:7. Ireo valisoa hojinjaina Ny olona mahay mandini-javatra nefa tsy mahataka-javatra ara-panahy dia mianatra momba izao tontolo izao sy ny zava-miseho maneran-tany ary ny tenany mihitsy aza, saingy tsy mahatakatra ny tena hevitr’izay hitany. Etsy an-danin’izany kosa, noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, ny olona mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia mahita ao amin’ireo zavatra ireo ny asa tanan’Andriamanitra, sy ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly ary ny fizotran’ny fikasan’Andriamanitra mba hitahiana ny olo` mbelona mpankato.—Marka 13:4-29; Rom. 1:20; Apok. 12:12. Na dia mahafinaritra aza izany rehetra izany, dia tsy tokony hahatonga antsika hiavonavona. Manampy antsika hanetry tena foana kosa ny fandinihantsika ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. (Deot. 17:18-20) Miaro antsika amin’ny “famitahan’ny ota” koa izany, satria raha velona ao am-pontsika ny Tenin’Andriamanitra, dia ho afaka hanohitra ny ota foana isika, na dia manintona toy inona aza izy io. (Heb. 2:1; 3:13; Kol. 3:5-10) Noho izany, dia ‘handeha mendrika an’i Jehovah isika, ka hanao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, ary hahavokatra amin’ny asa tsara rehetra.’ (Kol. 1:10) Ny hanao izany no zava-kendrentsika rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra. Ny fahavitantsika izany no valisoa lehibe indrindra.

Fomba Fanaovana Fikarohana I SOLOMONA MPANJAKA dia “nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro.” Nahoana? Satria naniry hanoratra ‘tenin’ny fahamarinana izay mahitsy’ izy. (Mpit. 12:9, 10) I Lioka dia ‘namotopototra tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany’, mba hitantarana araka ny filaharany ireo zava-niseho teo amin’ny fiainan’i Kristy. (Lioka 1:3) Samy nanao fikarohana ireo mpanompon’Andriamanitra roa ireo. Inona no atao hoe fikarohana? Mitady fanazavana amim-pitandremana momba ny foto-kevitra iray ny hoe manao fikarohana. Mamaky teny ianao amin’izany, ary manaraka ireo fitsipika fampiasa amin’ny fianarana. Mety hametraka fanontaniana amin’olona koa ianao amin’izany. Nahoana ianao no manao fikarohana? Indreto misy ohatra sasantsasany. Rehefa manao fianarana manokana na mamaky Baiboly ianao, dia mety hisy fanontaniana hipoitra, izay heverinao ho zava-dehibe. Mety hametraka fanontaniana ny olona iray itorianao, ka tianao ny hanana fanazavana voafaritra tsara mba hamaliana azy. Mety haIZA AMIN’IRETO FITAOVANA IRETO saina hanao anjara na lahateny iray ianao. NO ANANANAO? Aoka ity farany no horaisintsika. Mety ho fanazavana ankapobe no asaina velabelarinao. Ahoana no ampiharanao azy io amin’izay ilaina eo an-toerana? Manaova fikarohana mba hivoa˙ Soratra Masina han’ny hevitra tsara. Mety ho efa mazava be ny hevitra iray; nefa —Fandikan-tenin’ny rehefa manome antontan’isa iray na roa na ohatra iray mifaneTontolo Vaovao ntana amin’ny foto-kevitrao sy mahakasika ny fiainan’ny mpi˙ Ny Tilikambo Fiambenana haino anao ianao, dia manjary hahitana fianarana ilay hevitra, sy Mifohaza! na hanosika hanao zavatra mihitsy aza. Mety ho natao ho an’ny ˙ Ny Fomba mpamaky maneran-tany ilay lahatsoratra asaina velabelarinao, Fanjohian-kevitra avy nefa mila manazava azy io kokoa ianao, sy manome ohatra, ary Amin’ny Soratra Masina mampihatra ireo hevitra amin’ny fiangonana na amin’ny olona ˙ Diarin’ny Vavolombelon’i iray. Ahoana no tokony hanaovanao izany? Jehovah Aza tonga dia mihazakazaka hanao fikarohana, fa diniho aloha ˙ Manontany ny Tanora hoe iza no ho mpihaino anao. Inona no efa fantatr’izy ireo? Ino—Valiny Mandaitra na no ilainy ho fantatra? Avy eo, dia fantaro ny zava-kendrenao. ˙ Fanondroana Bokin’ny Ny hanazava ve? Ny handresy lahatra ve? Ny hanaporofo ny fahaVavolombelon’i Jehovah disoan’ny hevitra iray ve? Sa ny hanosika ny hafa hanao zavatra? Ny hoe manazava dia manome fanazavana fanampiny, mba hazava kokoa ny hevitra iray. Angamba efa mazava ireo hevitra fototra, nefa mety hilainao hovelabelarina kokoa ny hoe rahoviana na ny hoe ahoana no hanaovana ilay zavatra voalaza. Ny hoe

33

34

Fomba Fanaovana Fikarohana mandresy lahatra dia manome porofo hoe nahoana no toy izao na izao ny zavatra iray. Ny hoe manaporofo ny fahadisoan’ny hevitra iray dia mitaky fahalalana feno ny andaniny roa amin’ny raharaha iray ary koa famakafakana tsara ny porofo ampiasaina. Mazava ho azy fa tsy mitady fanaporofoan-kevitra mafonja fotsiny isika, fa mitady koa fomba hanomezana fanazavana aminkatsaram-panahy. Ny hoe manosika ny hafa hanao zavatra dia manohina ny fony; izany hoe mandrisika ny mpihaino sy mampitombo ny faniriany hanao zavatra mifanaraka amin’ilay resahina. Afaka manohina ny fon’ny mpihaino ny fitantarana momba ny olona izay tena nanao ilay zavatra resahina, na dia tao anatin’ny zava-tsarotra aza. Vonona hanomboka hanao fikarohana amin’izay ve ianao izao? Tsy mbola. Eritrereto hoe firy ny fanazavana ilainao. Mety hiankina be dia be amin’ny fotoana izany. Raha hanao izany eo anoloan’ny olon-kafa ianao, firy minitra no hanananao? Dimy minitra ve? Sa 45 minitra? Voafetra ve ilay fotoana, toy ny any amin’ny fivoriana, sa azo halavaina na hafohezina, toy ny amin’ny fampianarana Baiboly na ny fitsidihan’ny mpiandry? Farany, fitaovana inona avy no misy eo aminao? Ankoatra izay anananao ao an-trano, misy hafa koa ve ao amin’ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana? Moa ve ireo rahalahy nanompo an’i Jehovah hatramin’ny taona maro hamela anao hampiasa ny fitaovany? Misy tranombokim-panjakana ahafahanao mijery boky ve eo amin’ny misy anao, raha ilaina? Ilay fitaovantsika voalohany indrindra—Ny Baiboly Raha ny hevitry ny andinin-teny iray no tianao hanaovana fikarohana, dia atombohy amin’ny Baiboly avy hatrany. Diniho ny teny manodidina. Manontania tena hoe: ‘Iza no ivantanan’ity andinin-teny ity? Inona no asehon’ireo andinin-teny manodidina momba ny toe-javatra nitarika ho amin’io teny io na momba ny fihetsik’ireo olona resahiny?’ Hanampy anao hahazo ny hevitry ny andinin-teny iray ny tsipirian-javatra toy izany, no sady hahavelombelona ilay lahateny hampiasanao azy. Tononina matetika, ohatra, ny Hebreo 4:12 mba hampisehoana ny herin’ny Tenin’Andriamanitra hanohina ny fontsika sy ny vokany eo amin’ny fiainantsika. Mampitombo ny fahatakarantsika ny hevitr’izany ny teny manodidina. Miresaka momba ny zavatra niainan’ny Isiraely fony izy ireo tany an’ efitra nandritra ireo 40 taona nialoha ny nidirany tao amin’ilay tany nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama, ireo teny ireo. (Heb. 3:7–4:13) Tsy maty “ny tenin’Andriamanitra”, izany hoe ny fampanantenany hitondra azy ireo tao amin’ny toeram-pitsaharana iray, araka ny fanekena nifanaovany tamin’i Abrahama; velona izy io ary nandroso ho amin’ny fahatanterahany. Nanana ny antony rehetra hanehoana finoana azy io ny Isiraelita. Niverimberina tsy naneho finoana anefa izy ireo, fony nitarika azy ireo avy tany Ejipta hatrany amin’ny Tendrombohitra Sinay ka hatrany amin’ny Tany Nampana-

Fomba Fanaovana Fikarohana ntenaina i Jehovah. Araka izany, ny fihetsiny nanoloana ny fomba nanatanterahan’Andriamanitra ny teniny, dia nampiharihary izay tao am-pony. Toy izany koa amin’izao androntsika izao fa mampiharihary izay ao am-pon’ny olona ny teny fampanantenan’Andriamanitra. Jereo ireo andininy hafa tondroina. Misy fanondroana andinin-teny hafa ny Baiboly sasany. Ny anao koa ve? Raha eny, dia mety hanampy anao izy ireny. Mariho ny ohatra iray ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Milaza ny 1 Petera 3:6 fa ohatra mendri-kotahafin’ny vehivavy kristianina manambady i Saraha. Manamafy izany ny fanondroana ny Genesisy 18:12, izay mampahafantatra fa niantso an’i Abrahama “anakampo” hoe itompokolahy i Saraha. Araka izany, dia avy tao am-pony ny fanekeny ny vadiny. Ankoatra ny fanazavana lalina toy izany, dia mety ho ny fahatanterahan’ ` ny faminaniana iray na ny modely iray tao amin’ny faneken’ny Lalana, no omen’ny fanondroana andinin-teny hafa. Misy anefa fanondroana andininteny hafa tsy natao hanomezana fanazavana toy izany. Mety hanondro hevitra mitovy na filazana ara-tantara na ara-jeografia fotsiny izy ireny. Ampiasao ny fizahan-teny ara-baiboly. Ny fizahan-teny ara-baiboly dia lisitra araka ny abidy mitanisa ireo teny ampiasaina ao amin’ny Baiboly sy ny andininy misy azy. Hanampy anao hahita andinin-teny mifandray amin’ilay foto-kevitra anaovanao fikarohana izy io. Rehefa manadihady ireny andininteny ireny ianao, dia hianatra tsipirian-javatra hafa izay hanampy anao. Hahita porofon’ny “mariky” ny fahamarinana aseho ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ianao. (2 Tim. 1:13) Misy fanondroana ireo teny fototra ao amin’ny Baiboly ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mirakitra teny betsaka lavitra aza ny lisitra ao amin’ny Fizahan-teny Feno (frantsay). Mety hanampy anao hanao fikarohana koa ilay boky amin’ny teny malagasy hoe Konkordansa na Fizahan-teny Amin’ny Baiboly. Mianara mampiasa ireo fitaovana fanaovana fikarohana hafa Mitanisa fitaovana hafa navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy manantsaina” ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-33. (Matio 24:45-47) Maro amin’izy ireo no misy fanondroam-pejy any aloha, ary maro aminy no misy fanondroana teny na andininy any amin’ny farany, izay natao hanampy anao hahita fanazavana voafaritra tsara sasany. Isaky ny faran’ny taona, dia misy fanondroana foto-kevitra ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ho an’ireo lahatsoratra rehetra tamin’iny taona iny. Handeha haingana kokoa ny fikarohana ataonao, raha fantatrao tsara ny karazana fanazavana ao amin’ireny boky fianarana Baiboly ireny. Aoka hatao hoe te hahafantatra momba ny faminaniana, na foto-pampianarana, na fitondran-tena kristianina, na fampiharana fitsipika iray ao amin’ny Baiboly ianao. Azo inoana fa hisy ilay zavatra tadiavinao Ny Tilikambo Fiambenana. Ny Mifohaza! kosa dia miresaka momba ny vaovao vao haingana, ny

35

36

Fomba Fanaovana Fikarohana zava-manahirana ankehitriny, ny fivavahana, ny siansa ary ny olona any amin’ny tany samihafa. Ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany dia manazava ny fitantarana tsirairay ao amin’ireo Filazantsara, nalahatra araka ny fotoana nisehoany. Samy misy famakafakana ny andininy tsirairay ao amin’ilay bokin’ny Baiboly hazavainy, ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, sy ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, ary ireo boky roa amin’ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra. Ao amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina ianao dia hahita valiny mahafa-po ho an’ny fanontaniana ara-baiboly an-jatony maro, izay fandre eny amin’ny fanompoana. Jereo ny boky Manontany ny Tanora—Valiny mandaitra mba hahafantarana ny olana mahazo ny tanora sy ny vahaolana. Manome fanazavana momba ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah —Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany? Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah farany raha te hahafantatra ny fizotran’ny fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany ankehitriny ianao. Ny boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina dia sady rakipahalalana no bokin-tsarintany ara-baiboly. Raha mila tsipirian-javatra momba ny olona, ny toerana, ny zavatra, ny fiteny na ny zavaniseho ara-tantara nifandray tamin’ny Baiboly ianao, dia io no boky faran’ izay tsara ho amin’izany. “Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Io Fanondroana io, izay mivoaka amin’ny fiteny maherin’ny 20, no hanoro anao ireo bokintsika maro isan-karazany. Voazara ho fanondroana foto-kevitra sy fanondroana andininy izy io. Mba hampiasana ny fanondroana foto-kevitra, dia teny iray mampiseho ilay foto-kevitra tianao hofakafakaina no tadiavo. Mba hampiasana ny fanondroana andininy kosa, dia tadiavo ao amin’ny lisitr’ireo andinin-teny ilay tianao hazava kokoa. Raha misy zavatra navoaka tamin’ny fiteninao momba io foto-kevitra io na io andinin-teny io tao anatin’ireo taona voafaoka ao amin’ilay Fanondroana, dia hahita lisitry ny boky azonao jerena ianao. Ampiasao ny fanazavana ao amin’ny pejy any aloha amin’ny Fanondroana, mba hahafantarana ireo fanafohezana ny anaran’ireo boky voatonona ao. (Izany, ohatra, no hahafantaranao fa ny hoe w 1/3/99 15 dia midika hoe Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Martsa 1999, pejy faha-15.) Ny lohateny lehibe toy ny hoe “Fitantarana Fanandraman-javatra” na “Fitantarana” sy ny hoe “Fitantarana Fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah” na “Tantaram-piainana”, dia manampy indrindra mba hanomanana anjara na lahateny hanosika ny fiangonana hanao zavatra. Koa satria maharevo tanteraka indraindray ny fanaovana fikarohana, dia mitandrema sao hadinonao ny zava-kendrenao. Mifantoha foana amin’ny fikarohana ny fanazavana ilainao ho an’ilay foto-kevitrao. Mankanesa any amin’ilay (ireo) pejy ao amin’ilay boky natoron’ilay Fanondroana anao. Avy eo dia jereo ireo lohatenikely sy fehezanteny voalohan’ireo fehintsoratra, mba

Fomba Fanaovana Fikarohana hitarihana anao any amin’ilay fanazavana ilainao. Raha mikaroka ny hevitry ny andinin-teny iray ianao, dia tadiavo eo amin’ilay pejy natoro anao aloha ilay andinin-teny. Avy eo dia diniho ireo fanazavana manodidina azy. “Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah” amin’ny CD-ROM (frantsay). Raha afaka mampiasa ordinatera ianao, dia mety hanampy anao ny fampiasana ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny CD-ROM, izay mirakitra be dia be amin’ireo bokintsika. Manampy anao io fitaovana mora ampiasaina io mba hitady teny, fitambaran-teny, na andinin-teny ao amin’ny boky rehetra ao amin’ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia tsy misy amin’ny fiteninao aza io fitaovana io, dia mety handraisanao soa ihany satria mety hisy ho hainao ireo fiteny iraisam-pirenena ivoahany. Boky kristianina hafa Tao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry faharoa ho an’i Timoty, i Paoly dia nangataka azy hitondra “ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra”, tany aminy tany Roma. (2 Tim. 4:13) Sarobidy tamin’i Paoly ny soratra sasany, ka notahiriziny. Afaka manao izany koa ianao. Moa ve ianao mitahiry ny anao manokana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ary Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, na dia efa nianarana tany amin’ny fivoriana aza izy ireny? Raha eny, dia ho azonao ampiasaina ho fitaovana fanaovana fikarohana izy ireny, ankoatra ireo bokintsika hafa efa anananao. Ahitana fitahirizamboky misy ny boky kristianina ny ankamaroan’ireo Efitrano Fanjakana. Natao ho an’ny fiangonana manontolo ireo, mba hampiasainy ao amin’ny Efitrano Fanjakana. ` Manana fitahirizan-taratasy anao manokana Mariho tsara ireo fanazavana mahaliana, izay azonao ampiasaina rehefa mandaha-teny sy mampianatra. Raha mahita vaovao, na antontan’isa, na ohatra iray tao amin’ny gazety ianao ka azonao ampiasaina eo amin’ny fanompoanao, dia hetezo ilay izy na ataovy kopia. Soraty koa ny daty sy ny lohatenin’ ilay gazety ary angamba ny anaran’ilay mpanoratra na mpampanonta. Any am-pivoriana, dia raiso an-tsoratra izay fanjohian-kevitra sy fanoharana mety hanampy anao hanazava ny fahamarinana amin’ny hafa. Efa mba nieritreritra fanoharana tsara iray ve ianao, nefa tsy nanana fahafahana nampiasa azy avy hatrany? Raiso an-tsoratra ilay izy, ary ampirimo ao amin’ny fitahirizantaratasinao. Raha efa elaela no nandraisanao anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana, dia efa maromaro ny anjara nomaninao. Aza ariana ny taratasy nanaovanao ireny anjara ireny, fa tahirizo. Mety mbola hilainao any aoriana ny fikarohana nataonao. Miresaha amin’ny olona Ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Rehefa nandahatra ny fitantarany ao amin’ny Filazantsara i Lioka, dia tsy maintsy ho nahazo hevitra be dia be

37

38

Fomba Fanaovana Fikarohana tamin’ny fanontaniana vavolombelona nanatri-maso. (Lioka 1:1-4) Angamba mahay manazava kokoa ny foto-kevitra iray efa niezahanao nanaovana fikarohana ny Kristianina iray hafa. Araka ny Efesiana 4:8, 11-16, dia nampiasa ‘lehilahy izay fanomezana’ i Kristy, mba hanampiana antsika hampitombo ‘ny fahalalantsika araka ny marina ny Zanak’Andriamanitra.’ Mety hahazoana hevitra mahasoa maro ny fanontaniana ireo nanompo an’Andriamanitra hatramin’ny ela. Mety hampahafantatra izay eritreretin’ny olona koa ny firesahana aminy, ka hanampy anao hanomana fanazavana tena ho azo ampiharina. Tombano ireo vokatra azonao Ilaina hesorina avy ao anaty akotry ny fotsim-bary rehefa avy nojinjaina ny vary. Toy izany koa ny vokatry ny fikarohana nataonao. Mbola tsy vonona ny hampiasaina ilay izy, raha tsy avahanao amin’izay tsy ilaina aloha izay tena ilainao. Raha lahateny no tianao hampiasana hevitra iray, dia manontania tena hoe: ‘Tena hanohana tsara ny famelabelarako an’ilay foto-kevitra ve ity hevitra ity? Sa hampihataka ny sain’ny mpihaino amin’ilay foto-kevitra ilay izy, na dia mahaliana aza?’ Raha mikasa hampiasa zava-niseho vao haingana ianao, na vaovao iray ara-tsiansa na ara-pitsaboana izay miovaova lava, dia ataovy azo antoka fa ny fanazavana farany ilay izy. Fantaro koa fa mety ho efa nahitsy ny ` hevitra sasany ao amin’ireo bokintsika tranainy kokoa. Koa jereo ary izay fanazavana farany indrindra navoaka momba ilay foto-kevitra. Mila mitandrina indrindra ianao, raha mifidy ny haka fanazavana avy amin’ny boky tsy ara-pivavahana. Aza hadinoina na oviana na oviana fa ny Tenin’Andriamanitra no fahamarinana. (Jaona 17:17) I Jesosy no manana ny anjara asa lehibe indrindra eo amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’ Andriamanitra. Noho izany, dia hoy ny Kolosiana 2:3: “[Izy no] iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.” Tombano araka izany ireo vokatry ny fikarohana nataonao. Manontania tena toy izao momba ny fikarohana ao amin’ny boky tsy ara-pivavahana: ‘Sao dia nitarina ve ity fanazavana ity na tombantombana fotsiny na tsy mitsinjo ny lavitra? Nisy fitiavan-tena na fitadiavana tombom-barotra ve ny antony nanoratana azy ity? Miombon-kevitra aminy ve ny boky hafa mendri-pitokisana? Ambonin’ny zavatra rehetra, mifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ve izy ity?’ Mampirisika antsika ny Ohabolana 2:1-5 mba tsy hitsahatra hikaroka fahalalana sy fahendrena, ‘toy ny fitady volafotsy sy harena afenina.’ Ezaka mafy nefa koa valisoa tondraka no dikan’izany. Mitaky ezaka ny fanaovana fikarohana, nefa hanampy anao hahita ny hevitr’Andriamanitra, sy hanitsy hevi-diso ary hampiorina mafy ny fahatakaranao ny hevitry ny fahamarinana. Izany koa dia hampisy heviny sy aina kokoa ny famelabelaranao, ka ho fahafinaretana ny manolotra azy sy ny mihaino azy.

Fanomanana Drafitra ` OLONA maro, rehefa asaina manao anjara na lahateny, no somokotra ery manoratra ny zavatra rehetra, hatramin’ny teny fampidirana ka hatramin’ny teny famaranana. Mety ho taratasy andrana be dia be no efa nomaniny, vao vita tanteraka ilay izy. Mety ho ora maro no laniny amin’ izany. Izany ve no fomba fanomananao ny anjaranao? Tianao ve ny hianatra fomba iray mora kokoa? Mianara manomana drafitra, dia tsy hila hanoratra ny teny rehetra intsony ianao. Hanam-potoana kokoa hanaovana famerenana ilay anjara na lahateny ianao amin’izay. Ho mora velabelarina ilay izy sady hahaliana kokoa ny mpihaino sy handrisika azy hanao zavatra. Mazava ho azy fa efa misy drafitra natao ho an’ireo lahateny ho an’ny besinimaro ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy toy izany anefa ny ankamaroan’ny anjara hafa rehetra. Mety ho foto-kevitra iray na loha hevitra iray fotsiny no omena anao. Na mety hangatahina hanao famelabelarana miorina amin’ny lahatsoratra iray ianao. Indraindray dia mety ho toromarika sasantsasany fotsiny no omena anao. Mila manomana ny drafitrao manokana ianao amin’ny anjara toy ireo. Manampy anao hanomana drafitra fohy ilay modely eo amin’ny pejy faha-41. Mariho fa manomboka eo amin’ny sisiny havia ny hevi-dehibe tsirairay, ary amin’ny sora-baventy. Eo ambanin’ny hevi-dehibe tsirairay, ireo hevitra manohana azy. Eo ambanin’ireo kosa ny hevitra fanampiny izay natao mba hamelabelarana azy ireo, ary mihataka kely avy eo amin’ ny sisiny havia. Diniho tsara io drafitra io. Mariho fa mifandray mivantana amin’ilay loha hevitra ireo hevi-dehibe roa. Mariho koa fa tsy hevitra mahaliana fotsiny akory ireo zana-kevitra, fa samy manohana ilay hevi-dehibe voasoratra eo amboniny avy. Rehefa manomana drafitra ianao, dia mety tsy hitovy tanteraka amin’ io modely io ilay izy. Raha azonao tsara anefa ireo tari-dalana nomena ireo, dia hanampy anao izany handamina ny fanazavanao, sy hanomana anjara na lahateny tsara ao anatin’ny fe-potoana antonony. Ahoana ` ary no tokony hanaovanao ny fanomananao? Fakafakao sy fanteno ary alamino Mila loha hevitra iray ianao. Tsy foto-kevitra ankapobe fotsiny, izay mety ho voalazan’ny teny tokana, akory ny loha hevitrao. Izy io no 39

40

Fanomanana Drafitra

hevitra fototra tianao hampitaina, ary mampiseho ny endriny iray tianao hasongadina amin’ny foto-kevitrao. Raha omena loha hevitra ianao, dia fakafakao tsara ny teny lehibe tsirairay ao aminy. Raha asaina mamelabelatra ilay loha hevitra amin’ny alalan’ny lahatsoratra iray ianao, dia fakafakao io lahatsoratra io, ka tadidio foana ilay loha hevitra. Raha fotokevitra fotsiny no omena anao, dia anjaranao ny mifidy loha hevitra. Alohan’ny hanaovana izany anefa, dia mety hanampy anao ny fanaovana fikarohana. Aoka ho mailo ny sainao, mba hahita hevitra vaovao. Eo am-panarahanao ireo dingana ireo, dia manontania tena hoe: ‘Nahoana no zava-dehibe amin’ny mpihaino ahy ity fanazavana ity? Inona no zava-kendreko?’ Tsy tokony ho filazana ilay fanazavana fotsiny, na ho fanaovana lahateny mahafinaritra fotsiny ny zava-kendrenao, fa ho fampitana zavatra hahasoa ny mpihaino anao. Rehefa voafaritrao tsara ny zava-kendrenao, dia soraty. Tadidio foana izy io, eo am-panaovanao fanomanana. Efa hitanao izao ny zava-kendrenao sy ilay loha hevitra FOMBA FANOMANANA hifanaraka aminy (na ny ifandraisan’ilay zava-kendrenao DRAFITRA amin’ilay loha hevitra nomena anao). Afaka manao fikarohana voafaritra tsara amin’izay ianao. Mitadiava fanazavana sahaza indrindra ny mpihaino anao. Aza mianina ˙ Farito ny zava-kendrenao sy ny antony hilan’ny amin’ny hevitra ambangovangony, fa mikaroha kosa hempihaino ilay foto-kevitrao vitra voafaritra tsara izay tena hahazoana fahalalana sy ˙ Mifantena loha hevitra iray; fanampiana. Manehoa fitandremana eo amin’ny haberaha nomena anao ilay izy, tsahan’ny fikarohana ataonao. Amin’ny ankabeazan’ny dia fakafakao fotoana, vetivety foana ianao dia hahangona fanazavana ` ˙ Manangona fanazavana betsaka kokoa noho izay azonao ampiasaina. Koa mahaiza izay hahazoana fahalalana ` sy fanampiana ary mifantina. ˙ Fantaro ireo Fantaro ireo hevi-dehibe ilainao horesahina mba hamehevi-dehibenao labelarana ny loha hevitrao sy hanatanterahana ny zava˙ Alamino ireo fanazavanao; kendrenao. Ireo no ho drafitra fototry ny lahateninao. Firy ny tsara indrindra ihany no ` ny hevi-dehibe tokony ho ao? Angamba roa dia ho ampy hazony ` ho an’ny famelabelarana fohy iray, ary dimy mazana ho ` ˙ Manomana teny an’ny lahateny maharitra adiny iray. Arakaraka ny havifampidirana manaitra fahalianana tsian’ireo hevi-dehibe, no hitadidian’ny mpihaino azy. ` ˙ Manomana teny Raha vao azonao tsara ao an-tsaina ny loha hevitrao sy famaranana mandrisika ireo hevi-dehibe, dia alamino ireo fanazavana nanaovanao hanao zavatra fikarohana. Farito hoe inona no mifandray mivantana ˙ Diniho indray ilay amin’ireo hevi-dehibenao. Izay hevitra hanome endriny anjaranao ary hatsarao vaovao ny famelabelaranao no fidio. Rehefa mifidy andi-

Fanomanana Drafitra

nin-teny hanohanana ireo hevi-dehibe ianao, dia ampiasao tsara ireo hevitra ao anatiny mba hanaovana fanjohian-kevitra. Apetraho eo ambanin’ilay hevi-dehibe tokony hisy azy izay zavatra rehetra miaraka aminy. Raha misy hevitra tsy mifanentana amin’ireo hevi-dehibenao, dia aza raisina (na dia tena mahaliana aza ilay izy) fa tahirizo ao amin’ny antontan-taratasy iray mba hampiasainao amin’ny anjara hafa. Ny hevitra tsara indrindra ihany hazonina. Raha mitady hamelabelatra zavatra be loatra ianao, dia ho voatery hiteny haingana be, ary tsy ho lalina ny fa` melabelaranao. Tsara kokoa ary ny mampita hevitra vitsivitsy, izay tena ho sahaza ny mpihaino, sy ny manao izany tsara. Aza mihoatra ny fotoana nomena anao. Eto, raha mbola tsy nataonao teo aloha, dia alaharo mba hirindra tsara ireo fanazavanao. Nanao izany i Lioka, mpanoratra Filazantsara. Rehefa avy nanangona fanazavana be dia be nifandray tamin’ny foto-keviny izy, dia nanoratra azy ireo “araka ny filaharany.” (Lioka 1:3) Mety ho tianao ny handahatra ireo fanazavana azonao, araka ny fotoana nisehoany, na araka ny foto-kevitra, na koa amin’ny fanomezana ny anton-javatra iray sy ny vokany, na ny olana iray INONA NO FIKASAN’ANDRIAMANITRA sy ny vahaolana aminy, arakaraka izay HO AN’NY TANY? mety indrindra mba hanatratrarana ny NY HAHATONGA NY TANY HO PARADISA zava-kendrenao. Tsy tokony hisy fioNO FIKASAN’ANDRIAMANITRA van’ny hevitra tampoka. Tokony hifiNanomboka nanao paradisa tao Edena Andriamanitra (Gen. 2:8, 15) ndra mora foana avy amin’ny hevitra Tokony ho nanitatra ny Paradisa naneran-tany iray ho amin’ny manaraka ianao, ka tsy i Adama sy i Eva ary ny taranany (Gen. 1:28) ho sahirana ny mpihaino hameno izay TSY NAFOIN’ANDRIAMANITRA NY FIKASANY banga eo anelanelany. Tokony hitarika HANAO NY TANY HO PARADISA Tsy nanova ny fikasany Andriamanitra, rehefa ny mpihaino ho amin’ny fanatsoahan` nandika lalana ny olombelona voalohany, izay kevitra mirindra tsara ny porofo omenotaomin’i Satana nao. Eo am-pandaharanao ireo heviAmin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia horinganiny ny ratsy fanahy (Ohab. 2:22) trao, dia eritrereto ny ho vokatry ny Hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa famelabelaranao eo amin’ireo hihaino i Satana (Apok. 20:1-3) anao. Ho azony arahina mora foana Hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany i Kristy, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ve ny fanjohian-kevitrao? Ho voatosika Tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahafatesana hampihatra izay reny ve izy, mifanara(Apok. 21:3, 4) Hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany ka amin’ilay zava-kendrenao? ny maty ` Avy eo, dia manomana teny fampiEo ambanin’ilay fanapahana any an-danitra, dia dirana izay hanaitra ny fahalianan’ny hanova ny tany manontolo ho paradisa ny olombelona mahatoky (Isaia 65:17, 21-25) mpihaino amin’ny foto-kevitrao, ary

41

42

Fanomanana Drafitra

hampiseho aminy fa tena ho sahaza azy ny zavatra horesahinao. Mety hanampy anao ny fanoratana ireo fehezanteny voalohany holazainao. ` Farany, dia manomana teny famaranana mandrisika hanao zavatra sy mifanaraka amin’ny zava-kendrenao. Omano aloha be ny drafitrao. Amin’izay ianao dia hanam-potoana hanatsarana azy, alohan’ny hanaovana ny anjaranao eo anoloan’ny mpihaino. Mety hila ny hanaporofo hevitra sasany amin’ny alalan’ny antontan’isa na ohatra na fitantarana iray, ianao. Ampiasao ny zava-niseho vao haingana, na ny zava-nahaliana iray teo an-toerana, izay mety hanampy ny mpihaino anao hahita haingana kokoa fa azo ampiharina ilay fanazavana. Rehefa mamerina mijery ilay anjaranao ianao, dia mety hahita fomba hafa azo ampiharana ilay fanazavana amin’ny mpihaino anao. Tena ilaina izany famakafakana sy fanatsarana izany, raha tiana ho tonga fampisehoana na lahateny mandaitra ireo fanazavana nanaovana fikarohana. Mety hila hanoratra teny betsaka kokoa noho ny hafa ny mpandahateny sasany. Tsy hila ny hanoratra ny teny rehetra anefa ianao, arakaraka ny anarahanao ireto dingana voalaza teo aloha ireto: Hevi-dehibe vitsivitsy monja soratana, esory izay hevitra tsy tena manohana ireo hevi-dehibe ireo, alaharo mba hirindra tsara ny hevitrao rehetra. Tena hanampy anao hitsitsy fotoana izany! Ary hihatsara koa ireo anjara na lahateny hataonao. Hiharihary fa tena mandray soa avy amin’ny fampianarana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana tokoa ianao.

Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly MANOME fahafahana hanao fandrosoana ny anjara tsirairay ao amin’ny sekoly. Ataovy tsara izy ireny, dia hiharihary miandalana ny fandrosoanao, ka ho hitan’ny tenanao sy ny hafa. (1 Tim. 4:15) Hanampy anao hanatsara kokoa ireo fahaizana efa anananao ny sekoly. Matahotahotra ve ianao rehefa hiteny eo anoloan’ny fiangonana? Ara` dalana izany, na dia efa mpianatra ao amin’ilay sekoly hatramin’ny elaela aza ianao. Misy zavatra sasany hanampy anao hampihena ny tahotrao ` anefa. Any an-trano, dia mizara mamaky teny amin’ny feo avo matetika. Any am-pivoriana, dia manomeza valin-teny matetika, ary mandraisa anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana raha mpitory ianao. Hahatonga anao ho zatra miteny eo anoloan’olon-kafa izany. Ambonin’izany, dia omano aloha be ireo anjaranao, ary averimbereno amin’ny feo avo. Tadidio fa ho eo anoloan’ny mpihaino tsara fanahy no hitenenanao. Mivavaha amin’i Jehovah isaky ny handeha hanao anjara na lahateny eo anoloan’ny mpihaino ianao. Faly izy hanome ny fanahy masina an’ireo mpanompony mangataka izany aminy.—Lioka 11:13; Fil. 4:6, 7. Aza manantena zavatra tafahoatra. Mila fotoana ny fahatongavana ho mpandahateny za-draharaha sy ho mpampianatra mahita vokatra. (Mika 6:8) Aza manantena ny hanao anjara tonga lafatra avy hatrany raha mpianatra vaovao ao amin’ilay sekoly ianao. Zavatra hotandremana iray isaky ny anjara kosa no ifantohy. Ianaro ilay fanazavana momba azy io ato amin’ity boky ity. Ataovy ilay fanazaran-tena omena ao, raha mety. Amin’izay ianao dia ho zatra amin’ireo hevitra mifandray amin’ilay lafin-javatra asaina tandremanao, alohan’ny hanaovanao ny anjaranao ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Hanao fandrosoana ianao amin’izay. Ny fomba anomanana anjara famakian-teny Tsy fahaizana milaza ireo teny ao amin’ilay zavatra asaina vakina fotsiny no tafiditra ao amin’ny fanomanana ny famakian-teny ampahibemaso. Takaro tsara ny hevitr’ilay zavatra vakinao. Ataovy zava-kendrena izany, raha vao mahazo anjara ianao ka mamaky azy io. Ataovy azo tsara ny hevitry ny fehezanteny tsirairay sy ny hevitra ao amin’ny fehintsoratra tsirairay, mba hahafahanao hilaza izany araka ny marina sy amin’ny fihetseham-po mety. Anontanio an’ireo mahay tsara ilay fiteny ny fomba 43

44

Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly

fanonona mety an’ireo teny tsy mahazatra. Fantaro tsara ilay zavatra hovakinao. Mety hila hanampy ny zanany kely amin’izany, ireo ray amandreny. Voatendry hamaky tapany iray ao amin’ny Baiboly ve ianao, na angamba ireo fehintsoratry ny lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana? Raha misy amin’ny fiteninao ny kasety nandraisana feo an’ilay zavatra hovakinao, dia henoy ka mariho ireto manaraka ireto: ny fanononana, ny fomba fizarana fehezanteny, ny fanamafisana ary ny fiovam-peo. Avy eo, dia miezaha hampiasa azy ireo ao amin’ny vakiteninao. Ianaro tsara aloha ny lesona momba ilay lafin-javatra asaina tandremanao rehefa hanomana ny anjaranao ianao. Raha mety, dia jereo indray izy io, rehefa avy namerimberina namaky tamin’ny feo avo ilay zavatra asaina vakinao ianao. Ampiharo tsara araka izay azonao atao, io torohevitra voasoratra io. Tena hanampy anao eo amin’ny fanompoanao io fampiofanana io. Mety hanana fahafahana maro hamaky teny amin’ny hafa ianao eny amin’ny fanompoana. Koa satria manana ny hery hanova fiainan’olona ny Tenin’Andriamanitra, dia zava-dehibe ny hamakianao azy io tsara. (Heb. 4:12) Aza manantena ny hahafehy tsara ny lafiny rehetra amin’ny famakian-teny mandaitra, rehefa avy nanao anjara iray na roa. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’ny anti-panahy kristianina iray efa za-draharaha hatramin’ny taona maro: “Mandra-pihaviko, tandremo ny famakian-teny.”—1 Tim. 4:13. Fanomanana anjara misy fifampiresahan’ny olona roa Rehefa fifampiresahan’ny olona roa no anjara asaina ataonao, ahoana no tokony hanaovanao ny fanomananao? Zava-dehibe telo no ilainao hodinihina: 1) ilay foto-kevitra asaina velabelarinao, sy 2) ny faritra hanaovanao azy sy ilay olona hiresahanao, ary 3) ilay lafin-javatra asaina tandremanao. Mila mitady fanazavana momba ilay foto-kevitra asaina velabelarinao ianao. Eritrereto tsara anefa aloha ny faritra hanaovanao azy sy ilay olona hiresahanao vao tena miditra lalina amin’izany ianao. Hiankina amin’ireo zavatra roa ireo ilay karazana fanazavana horesahinao sy ny fomba hampisehoanao azy. Inona no faritra hofidinao? Filazana ny vaovao tsara amin’ny olona iray efa fantatrao ve? Sa firesahana voalohany amin’ny olona iray vao hitanao? Be taona kokoa sa tanora kokoa noho ianao ilay olona? Hanao ahoana ny mety ho fihetsiny eo anoloan’ilay foto-kevitra tianao horesahina? Betsaka ve ny zavatra mety ho efa fanta-

Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly

ny momba ilay izy? Inona no zava-kendrena tianao hotratrarina amin’ ny firesahana aminy? Tena zava-dehibe ireo, satria hitari-dalana anao, eo amin’ny fanomananao. Aiza no hahitanao fanazavana momba ilay foto-kevitra asaina velabelarinao? Misy firesahana momba ny “Fomba Fanaovana Fikarohana” eo amin’ny pejy faha-33 ka hatramin’ny faha-38 amin’ity boky ity. Vakio izy io, ary ampiasao ireo fitaovana fanaovana fikarohana anananao. Amin’ny ankabeazan’ny fotoana, vetivety foana ianao dia hahita fanazavana betsaka kokoa noho izay azonao ampiasaina. Mamakia fanazavana ampy tsara mba hahafantarana izay rehetra azonao ampiasaina. Eo ampanaovana izany anefa, dia tadidio ilay faritra hampiasanao azy sy ilay olona hiresahanao. Mariho ireo hevitra azo ampiasaina. ` Maka fotoana hamakiana ny fanazavana momba ilay lafin-javatra asaina tandremanao, vao mandamina ny famelabelaranao sy mifidy izay hevitra hampiasainao. Ny mba hampiharanao azy io no iray amin’ireo antony lehibe indrindra nanomezana anao ilay anjara. Raha vitanao ao anatin’ny fotoana nomena anao ny anjaranao, dia ho faly ianao afaka manao ny teny famarananao alohan’ny famantarana ny fahataperan’ny fotoana. Tsy teren’ny fotoana foana kosa ianao eny amin’ ` ny fanompoana. Koa rehefa manao fanomanana ary ianao, dia asio fiheverana ny fotoana homena anao, nefa ny hampianatra amin’ny fomba mandaitra no tena ifantohy. Teny kely momba ny faritra. Jereo ireo fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy faha-82, ary fidio izay ho azo ampiharina eo amin’ny fanompoanao ka hamela anao hampiasa toy ny amin’ny tena izy ilay fanazavana asaina velabelarinao. Na dia efa nanao sekoly hatramin’ny elaela aza ianao, dia hevero ho toy ny fahafahana hanao tsaratsara kokoa hatrany sy hamboly fahaizana hafa ho an’ny fanompoanao izany. Raha ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana no manome ilay faritra, dia ekeo ilay izy. Fitoriana ny ankamaroan’ireo faritra. Raha mbo` la tsy nitory tao anatin’ireo toe-javatra tanisaina ireo ianao, dia maka hevitra amin’ny mpitory hafa efa nanao izany. Andramo resahina ao anatin’ny faritra mitovy amin’ilay hampiasainao amin’ny anjaranao ilay foto-kevitrao raha mety. Hanampy anao izany hanatsara ny fanompoanao, izay anisan’ny zava-kendren’ny fiofananao. Fanomanana lahateny amin’ny sekoly Raha rahalahy ianao, dia mety hotendrena hanao lahateny fohy eo anoloan’ny fiangonana. Ny torohevitra nomena an’ireo mpianatra

45

46

Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly

manao anjara misy fifampiresahana ihany no ampiharo rehefa manomana lahateny toy izany. Ny mpihaino sy ny endrika anolorana ilay fanazavana no tsy itovian’ireo anjara roa ireo. Ataovy ho an’ny mpihaino rehetra ny fanazavanao. Efa mahafantatra ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny mpanatrika. Mety hahafantatra tsara ilay foto-kevitra asaina resahinao izy ireo. Hevero izay efa fantany momba ny foto-kevitrao. Miezaha hampita zavatra hanampy azy. Manontania tena hoe: ‘Ahoana no ahafahako mampiasa ny foto-kevitro mba hahatonga ahy sy ny mpihaino ahy hankasitraka bebe kokoa an’i Jehovah? Inona ato amin’ity fanazavana ity no hanampy anay hahita ny sitrapon’Andriamanitra? Ahoana no hanampian’ity fanazavana ity anay handray fanapahan-kevitra tsara, eo amin’ ity tontolo fehezin’ny filan’ny nofo ity?’ (Efes. 2:3) Mila manao fikarohana ianao mba hahazoana valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo. Aza mamaky andininy fotsiny, rehefa mampiasa Baiboly. Manjohia hevitra momba ireo andinin-teny ampiasainao, ary asehoy ny fomba azo anatsoahana hevitra avy aminy. (Asa. 17:2, 3) Aza mitady hanazava zavatra be loatra. Asehoy amin’ny fomba ahazoana mitadidy azy mora foana ny fanazavanao. Tokony ho anisan’ny zavatra omaninao koa ny fomba fanononanao ilay anjaranao. Aza hamaivanina izany. Averimbereno amin’ny feo avo ny anjaranao. Ianaro ary ampiharo ny torohevitra momba ireo lafin-javatra samihafa asaina tandremanao, dia hanao fandrosoana ianao. Mio` mana tsara, na mpandahateny vaovao ianao na efa za-draharaha. Haneho fatokisan-tena sy fihetseham-po mifanentana amin’ny fanazavana atolotrao ianao amin’izay. Isaky ny manao anjara ao amin’ny sekoly ianao, dia tadidio ny zava-kendrenao: ny hampiasa ny fitenenana, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra ho anao, mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah.—Sal. 150:6.

Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana NOMANINA mba hahasoa ny fiangonana manontolo ny fandaharan’ny Sekolin’ny Fanompoana. Manome fampianarana sarobidy koa anefa ireo fivoriana hafa sy ireo fivoriambe. Raha nomena anjara any amin’ny iray amin’ireo ianao, dia andraikitra mavesa-danja no nankinina taminao. Nampirisika an’i Timoty, mpiandraikitra kristianina, ny apostoly Paoly mba hitandrina hatrany ny fampianarany. (1 Tim. 4:16) Ireo tonga amin’ny fivoriana kristianina dia nanokana fotoana sarobidy—ny sasany aza nanao ezaka mafy dia mafy—mba ho eo ka hahazo fampianarana momba izay rehetra mahakasika ny fifandraisany amin’ Andriamanitra. Tena tombontsoa tsy manam-paharoa tokoa ny manome izany fampianarana izany ho azy ireo! Ahoana no ahafahanao miantsoroka azy io tsara? Hevitra Misongadina ao Amin’ny Baiboly Miorina amin’ny tapany ao amin’ny Baiboly asaina vakina amin’ny herinandro io lafiny iray amin’ny sekoly io. Tokony hoantitranterina ny hoe: Amin’ny ahoana izy io no mahakasika antsika amin’izao andro izao? Milaza ny Nehemia 8:8 fa namaky ampahibemaso ny Tenin’Andriamanitra i Ezra sy ireo namany, ary ‘nanazava tsara ny heviny’ no sady nanampy ny olona hahazo tsara izay nolazaina. Manome anao fahafahana hanao izany koa ny famelabelaranao ireo hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly. Ahoana no tokony hanomananao io anjara io? Raha mety, dia vakio herinandro mialoha, na mahery, ilay tapany ao amin’ny Baiboly asaina vakina. Eritrereto avy eo ny amin’ireo mpanatrika fivoriana sy ny zavatra ilainy. Mivavaha momba ilay izy. Inona no torohevitra, na ohatra, na toro lalana hitanao ao amin’io tapany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra io, ka mifanaraka amin’izany zavatra ilaina izany? Tena ilaina ny fanaovana fikarohana. Misy ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve amin’ny fiteninao? Raha eny, dia ampiasao tsara izy io. Rehefa mikaroka ny fanazavana efa navoaka momba ireo andinin-teny nofidinao hifantohana ianao, dia mety hianatra momba ny zava-nitranga ara-tantara, ny fahatanterahan’ny faminaniana, ny famakafakana momba ny toetran’i Jehovah, na fanazavana toro lalana. Aza 47

48

Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana

mitady hanazava hevitra be loatra. Andininy vitsivitsy monja no ifantohy, satria tsara kokoa raha vitsivitsy izy ireo, nefa voazava tsara. Mety hasaina hangataka ny mpanatrika hilaza ny soa noraisiny avy tamin’ny famakiana Baiboly tamin’io herinandro io koa ianao, amin’io anjara io. Inona no hitany fa hahasoa azy eo amin’ny fianarany manokana sy ny fianaram-pianakaviany, na eo amin’ny fanompoany, na koa eo amin’ny fomba fiainany? Toetran’i Jehovah inona avy no niharihary, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny vahoakany sy ny firenena hafa? Inona no hitan’ny mpanatrika fa nanatanjaka ny finoany sy nanamafy ny fankasitrahany an’i Jehovah? Aza mandany fotoana be loatra amin’ ny tsipirian-javatra. Ny hevitr’ireo zavatra nofidinao sy ny fomba azo ampiharana azy no antitrantero. Lahateny Fampianarana Izy io dia miorina amin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na ny Mifohaza!, na angamba amin’ny tapany iray ao ` amin’ny boky iray. Mazana izy io no lava raha oharina amin’ny fotoana omena anao. Ahoana no tokony hanaovanao io anjaranao io? Toy ny ataon’ny mpampianatra, fa tsy toy ny ataon’ny olona iray mamaky lahatsoratra fotsiny. Tsy maintsy “mahay mampianatra” ny mpiandraikitra.—1 Tim. 3:2. Atombohy amin’ny fandinihana ilay lahatsoratra ny fanomananao. Jereo ireo andinin-teny. Saintsaino ireo hevitra. Iezaho hatao aloha ben’ilay daty hanaovanao ny anjaranao izany. Tadidio fa ampirisihina hamaky mialoha ilay lahatsoratra hiorenan’ny anjaranao ireo rahalahy. ` Tsy famerenana na famintinana ilay lahatsoratra ary no asaina ataonao, fa fampisehoana kosa ny fomba hampiharana azy. Mifidiana tapany amin’ilay lahatsoratra, izay azonao ampiharina mba hanampiana ilay fiangonana. Samy manana ny toetra mampiavaka azy ny fiangonana tsirairay, tsy misy hafa amin’ny ankizy samy manana ny toetrany avy. Tsy mamerimberina fitsipika amin’ny zanany fotsiny ny ray na reny iray mahay mampianatra. Miara-manjohy hevitra amin’ny zanany izy. Manisy fiheverana ny toetran’ilay zaza sy ireo zava-manahirana mahazo azy, izy. Toy izany koa fa miezaka hanome ny fanampiana ilain’ilay antokon’ olona iresahany ireo mpampianatra ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy hampiasa ohatra mety hahasanganehana ny mpanatrika iray anefa ny mpampianatra mahay iray. Hisarika ny saina ho amin’ireo tombontsoa efa noraisina noho ny fanarahana ny lalan’i Jehovah izy. Ary raha ma-

Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana

nana olana ireo anisan’ny fiangonana, dia hanasongadina izay torohevitry ny Soratra Masina hanampy azy hamaha izany tsara izy. Manohina ny fon’ny mpanatrika ny fampianarana amin’ny fomba tsara. Ny fampianarana toy izany akory tsy filazana zava-misy fotsiny, fa fahaiza-manosika ny mpihaino hankasitraka ny hevitra asehon’ireny zava-misy ireny koa. Mitaky fiheverana amim-pahatsorana an’ireo izay ampianarina izany. Tokony hahafantatra an’ilay andian’ondry ny mpiandry ondry ara-panahy. Raha manam-pitiavana izy ka mitadidy ny zava-manahirana ny tsirairay avy aminy, dia hahay hampahery rehefa miteny, hahazo ny fihevitry ny hafa, hiombom-pihetseham-po aminy ary haneho fangoraham-po. Fantatry ny mpampianatra mahay fa tsy maintsy manana zava-kendrena mazava tsara ny lahateny iray. Tokony hisongadina ao ireo hevitra fototra, mba hahafahana hitadidy azy. Tokony hisy hevitra azo ampiharina ho voarain’ny mpihaino, ka hisy vokany eo amin’ny fiainany. Fivoriana Momba ny Fanompoana Somary hafa noho izany ny fanaovana anjara miorina amin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Matetika ianao no hasaina hampita ilay fanazavana manontolo amin’ny mpanatrika, fa tsy hifantina izay mifanentana indrindra aminy. Ampio izy ireo hanjohy hevitra momba ireo andinin-teny iorenan’ny torohevitra omena ao ` amin’ilay lahatsoratra. (Tit. 1:9) Voafetra ny fotoana, ka mazana no tsy ahafahanao mampiditra fanazavana fanampiny. Mety hasaina hamelabelatra fanazavana tsy miorina amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana koa ianao. Mety hanondro lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana ilay toromarika, na mety ho teny fanamarihana vitsivitsy monja. Anjaranao mpampianatra ny mandinika ny zavatra ilain’ireo mpiara-manompo aminao, mifandray amin’ilay anjaranao. Mety hila hampiasa fanoharana iray fohy sady mazava ianao, na hitantara zava-nitranga mifanentana amin’ilay anjaranao. Tadidio fa tsy ny hiresaka momba ilay foto-kevitra fotsiny akory no ilaina amin’io anjara io, fa ny hanampy ireo mpiara-manompo aminao hanao ilay asa asain’ny Tenin’Andriamanitra atao sy hahita fifaliana eo am-panaovana azy.—Asa. 20:20, 21. Rehefa manomana ny anjaranao ianao, dia eritrereto ny toe-javatra misy an’ireo mpiara-manompo aminao. Anaovy teny fiderana izy ireo, noho izay efa ataony. Ahoana no mety hitomboan’ny vokatra hitany sy

49

50

Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana

ny fifaliany eo amin’ny fanompoana, raha ampihariny ireo fanipazankevitra ao amin’ilay fanazavana? Misy fampisehoana na fanadinadinana ve ny anjaranao? Raha eny, dia tokony homanina aloha be izany. Mety halaim-panahy hangataka olonkafa handamina izany ianao, nefa tsy ahazoana vokatra tsara indrindra foana izany. Raha mbola azo atao koa, dia anaovy famerenana ilay fampisehoana na fanadinadinana, alohan’ny andro hanaovana ilay fivoriana. Ataovy azo antoka fa tena hanatsara ilay fampianaranao io tapany amin’ny anjaranao io. Fivoriambe Mety homena anjara amin’ny fandaharan’ny fivoriambe ireo rahalahy mamboly toetra ara-panahy tsara dia tsara, ary tonga mpandahateny sy mpampianatra mahay. Manome fahafahana manokana hampita ny fampianaran’Andriamanitra ny fivoriambe. Mety ho lahateny vakina no anaovana izany, na drafitra, na toromarika ho an’ny fampisehoana tantara ara-baiboly ampiharina amin’ny andro ankehitriny, na koa fehintsoratra iray misy toromarika fotsiny. Raha mahazo tombontsoa toy izany ianao, dia fakafakao tsara ilay fanazavana asaina velabelarinao, mandra-pahatakatrao tsara ny maha zava-dehibe azy. Ireo voatendry hanao lahateny vakina dia tokony hamaky azy io arabakiteny. Tsy manova ny firafitry ny fehezanteny na ny fanazavana ao izy. Fakafakainy tsara ilay izy, mba hahitany mazava tsara ireo hevi-dehibe sy ny fomba amelabelarana azy. Mamerimberina mamaky azy amin’ny feo avo izy, mandra-pahainy manonona ilay lahateny amin’ny fanamafisana tsara ireo hevitra, sy amin’ny fanehoana hafanam-po, fitiavana, fihetseham-po, fahamaotinana, ary fatokisan-tena, kanefa koa amin’ny feo mafy sy mahery, mifanentana amin’ny mpanatrika be dia be. Ireo rahalahy tendrena hanao lahateny miorina amin’ny drafitra dia manana andraikitra hamelabelatra ilay fanazavana, amin’ny fanarahana akaiky ilay drafitra. Tsy hamaky ilay drafitra fotsiny izy mandritra ny lahateniny. Tsy hanova azy ho tonga lahateny vakina koa izy, rehefa manomana azy. Tokony hamelabelatra ilay fanazavana, tsy an-kijery soratra, sy avy amin’ny fo, kosa izy. Tena ilaina ny manaraka tsara ny fotoana voalaza ao amin’ilay drafitra, mba hamelabelarana amin’ny fomba mazava ny hevi-dehibe tsirairay aseho ao. Tokony hampiasa tsara ireo hevitra sy andinin-teny voatanisa eo ambanin’ireo hevi-dehibe ilay mpandahateny. Tsy tokony hanala hevitra ao amin’ilay drafitra izy mba

Fanomanana Lahateny ho An’ny Fiangonana

hahafahany hampiditra hevitra fanampiny izay tiany manokana. Ny Tenin’Andriamanitra, mazava ho azy, no iorenan’ilay fampianarana. Ny ‘hitory ny teny’ no andraikitry ny anti-panahy kristianina. (2 Tim. 4: 1, 2) Koa tokony hihevitra manokana an’ireo andinin-teny ao amin’ilay ` drafitra ary ny mpandahateny, hanjohy hevitra momba azy ireo sy hanao fampiharana azy ireo. Aza mangataka andro lava Manana fahafahana hanao anjara na lahateny matetika ve ianao? Ahoana no ahafahanao manao azy rehetra araka ny tokony ho izy? Aza andrasana ho efa am-poto-moty vao manomana ireo anjaranao. Ilaina hoeritreretina tsara mialoha izay lahateny tena hahasoa ireo ` mpiara-manompo aminao. Aoka ary ianao hizatra hamaky avy hatrany ilay zavatra asaina hazavainao, isaky ny mahazo anjara. Amin’izay, dia afaka mieritreritra momba azy io foana ianao eo am-panaovana zavatra hafa. Mety handre tenin’olona hanampy anao hahita ny fomba tsara indrindra hampiharana ilay fanazavana ianao mandritra ny andro na herinandro vitsivitsy mialoha ny famelabelaranao ny anjaranao. Mety hisy tarehin-javatra hipoitra, izay hampiseho fa tonga amin’ny fotoana ilana azy ilay lahateny. Ilana fotoana ny mamaky sy mieritreritra momba ny anjaranao raha vantany vao voarainao ilay izy, nefa tsy very maina foana izany fotoana izany. Rehefa mipetraka hanao ilay drafitrao amin’izay ianao, dia ho hitanao fa hanampy anao be dia be ilay nieritreretanao momba azy ela be mialoha. Tsy hatahotahotra ianao raha manomana ny anjaranao toy izany, ary ho afaka hampiseho ilay fanazavana mba ho azo ampiharina sy hanohina ny fon’ireo mpiara-manompo aminao manatrika eo. Ankasitraho ilay fahaizana nankinina taminao, mifandray amin’ny fandaharam-pampianarana nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany, dia hanome voninahitra azy ianao ary ho fitahiana ho an’ireo tia azy.—Isaia 54:13; Rom. 12:6-8.

51

Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro ISAN-KERINANDRO, ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandamina lahateny ho an’ny besinimaro momba ny foto-kevitra ara-baiboly iray. Raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ianao, moa ve ny olona mahita anao ho mpandahateny mahay, izany hoe mpampianatra? Raha eny, dia mety hasaina hanao lahateny ho an’ny besinimaro ianao. Nanampy rahalahy an’aliny maro handroso ka hahazo io tombontsoam-panompoana io ny Sekolin’ny Fanompoana. Rehefa tendrena hanao lahateny ho an’ny besinimaro ianao, aiza no tokony hanombohanao? Fakafakao tsara ilay drafitra Alohan’ny hanaovanao fikarohana, dia vakio aloha ilay drafitra ary saintsaino mandra-pahazonao ny heviny. Tadidio ao an-tsaina ny loha hevitra raketin’ny lohatenin’ilay lahateny. Inona ilay zavatra tokony hampianarinao ny mpihaino anao? Inona no zava-kendrenao? Fantaro tsara ireo lohatenikely. Ireo no hevi-dehibe amin’ny lahateninao. Fakafakao tsara izy ireo. Ahoana no ifandraisan’ny tsirairay aminy amin’ilay loha hevitra? Misy zana-kevitra eo ambanin’ny hevi-dehibe tsirairay. Voatanisa eo ambanin’ny zana-kevitra tsirairay ny hevitra manohana azy. Jereo ireo fizarana ao amin’ilay drafitra. Diniho ny fomba iankinan’ny tsirairay aminy amin’ilay eo alohany, sy itarihany ho amin’ilay manaraka ary anatratrarany ny zava-kendren’ilay lahateny. Raha vao takatrao ilay loha hevitra, sy ny zavakendren’ilay lahateny ary ny fomba ifandraisan’ireo hevi-dehibe amin’ io zava-kendrena io, dia vonona hamelabelatra ireo hevitra amin’izay ianao. Amin’ny voalohany, dia mety hanampy anao ny mizara ny lahateninao ho lahateny kely efatra na dimy, izay misy hevi-dehibe iray avy. Omano tsirairay izy ireo. Fitaovana fanaovana fanomanana fotsiny ny drafitra omena ny mpandahateny. Tsy izy io akory no soratra hovakinao eny amin’ny lampihazo. Rafitra ihany izy io, toy ny karana iray: tsy maintsy rakofanao nofo sy asianao fo ary omenao aina. Fampiasana andinin-teny Nanorina ny fampianarany tamin’ny Soratra Masina i Jesosy Kristy sy ny mpianany. (Lioka 4:16-21; 24:27; Asa. 17:2, 3) Afaka manao izany koa ianao. Ny Soratra Masina no tokony hiorenan’ny lahateninao. Aza manazava sy mampihatra fotsiny ireo fehezanteny ao amin’ilay drafitra, fa fantaro tsara kosa

52

Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro ny antony ara-baiboly ilazana azy ireny. Avy eo dia ampiasao ny Soratra Masina mba hampianarana. Jereo ny andinin-teny tsirairay voatonona ao amin’ilay drafitra, rehefa manomana lahateny. Mariho ny teny manodidina azy. Mety ho ny toe-javatra ` nanoratana azy fotsiny no omen’ny andinin-teny sasany. Tsy izy rehetra ary no ilaina hovakina na hohazavaina mandritra ny lahateninao. Fanteno izay tsara indrindra ho an’ny mpihaino. Raha ireo andinin-teny voatonona ao amin’ilay drafitra no ifantohanao, dia mety tsy hila ny hampiasa andininteny fanampiny ianao. Tsy miankina amin’ny habetsahan’ny andinin-teny ampiasaina akory ny fahombiazan’ny lahateninao, fa amin’ny hatsaran’ny fampianaranao. Rehefa hamaky andinin-teny iray ianao, dia asehoy ny antony ampiasanao azy. ` Maka fotoana hanaovana fampiharana azy. Rehefa avy mamaky andinin-teny ` iray ianao, dia hazony hisokatra ny Baibolinao, eo am-panazavanao azy. Hanao izany koa ny mpihaino anao. Maniry hanaitra ny fahalianan’ny mpihaino anao, sy hanampy azy handray soa bebe kokoa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao? (Neh. 8:8, 12) Afaka manao izany ianao amin’ny alalan’ny fanazavana sy ny fanoharana ary ny fampiharana. Fanazavana. Manontania tena toy izao, rehefa manomana ny fanazavana andinin-teny fototra: ‘Inona no tian’izy ity holazaina? Nahoana aho no mampiasa azy ity ao amin’ny lahateniko? Inona no mety hanitikitika ny sain’ny mpihaino amin’ity andinin-teny ity?’ Mety hila ny hamakafaka ny teny manodidina azy io ianao, ny zava-nitranga ara-tantara, ny toe-javatra nanoratana azy, ny herin’ireo teny ao anatiny, ny zava-nokendren’ilay mpanoratra ` nahazo tsindrimandry. Manaova ary fikarohana. Hahita fanazavana tsara be dia be ianao ao amin’ireo boky omen’ny “mpanompo mahatoky sy manantsaina.” (Matio 24:45-47) Aza mitady hanazava ny zavatra rehetra momba ilay andinin-teny, fa hazavao kosa ny antony nangatahanao ny mpihaino hamaky azy, sy ny ifandraisany amin’ilay hevitra resahina. Fanoharana. Ampiasaina ny fanoharana mba hitarihana ny mpihaino hahazo hevitra lalina kokoa, na hanampiana azy hitadidy hevitra na toro lalana iray noresahinao. Ny fanoharana dia manampy ny olona hahazo izay lazainao sy hampifandray azy io amin’ny zavatra efa fantany. Izany no nataon’i Jesosy tao amin’ilay Toriteniny malaza teo An-tendrombohitra. Ny hoe “voromanidina”, “vonin-kazo any an-tsaha”, ‘lalana tery’, ‘trano eo ambonin’ny vatolampy’, sy ny teny maro toy izany dia nahatonga ny fampianarany hanan-kery sy hazava ary tsy ho hay hadinoina.—Matio toko 5–7. Fampiharana. Mampita fahalalana ny fanazavana andinin-teny iray sy ny fampiasana fanoharana, fa ny fampiharana izany fahalalana izany kosa no mitondra vokatra. Marina fa andraikitr’ireo mihaino anao ny manao zavatra mifanaraka amin’ny hafatry ny Baiboly, nefa afaka manampy azy ireo hahita

53

54

Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro ilay fampiharana hilainy hatao ianao. Ataovy azo antoka fa azon’ny mpihaino ny tian’ilay andinin-teny holazaina sy ny ifandraisan’ilay izy amin’ny he` vitra tianao hampitaina. Avy eo, dia maka fotoana ampy tsara hampisehoana amin’izy ireo ny tokony ho vokatr’ilay andinin-teny eo amin’ny zavatra inoany sy ny fitondran-tenany. Asongadino ireo soa azo, rehefa ialana ny hevi-diso na ny fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ilay fahamarinana hazavainao. Tadidio rehefa mieritreritra ny fomba hampiharana andinin-teny ianao, fa avy amin’ny fiaviana maro sy misetra toe-javatra maro samihafa, ny mpihaino anao. Mety hisy vaovao, tanora, be taona, ary koa olona miady amin’ny zava-manahirana maro samihafa, ao. Ataovy ho azo ampiharina sy mifandray amin’ny zavatra tena misy ny lahateninao. Aza manome torohevitra mahatonga hihevitra fa olona sasantsasany fotsiny no kendrenao. Ny fanapahan-kevitra horaisin’ny mpandahateny Efa vita mialoha ny fanapahan-kevitra sasany momba ny lahateninao. Efa aseho mazava tsara ny hevi-dehibe ary efa voatondro ny fotoana tokony hanazavanao ny hevi-dehibe tsirairay. Misy fanapahan-kevitra hafa tokony horaisin’ny tenanao anefa. Mety ho tianao ny handany fotoana bebe kokoa amin’ny zana-kevitra sasany, fa fotoana kely kokoa kosa amin’ny hafa. Aza mieritreritra hoe tsy maintsy antitranterina daholo ny zana-kevitra rehetra. Mety hahatonga anao hiteny haingana be izany, ka tsy ho araky ny mpihaino ` anao. Ahoana ary no hamantaranao izay hovelabelarina misimisy kokoa, sy izay holazaina vetivety fotsiny, na hoe homarihina kely fotsiny? Manontania tena hoe: ‘Hevitra iza avy no hanampy ahy hampita tsara ny foto-kevitr’ilay lahateny? Hevitra iza avy no tena hanampy ny mpihaino ahy? Hihena ve ny herin’ilay fanaporofoan-kevitra aroso, raha tsy ampiasaiko ny andinin-teny voatonona sy ilay hevitra mifandray aminy?’ Mitandrema mafy tsy hampiditra tombantombana na fomba fihevitra manokana. Na i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, aza dia nilaza hoe: “Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko.” (Jaona 14:10) Mariho fa matoa tonga amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona, dia mba handre fanazavana momba ny Baiboly. Raha manjary fantatra ho mpandahateny mahay ianao, dia satria ataonao ho fahazarana ny misarika ny sain’ny hafa, tsy ho amin’ny tenanao, fa ho amin’ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany no ankasitrahana ireo lahateninao.—Fil. 1:10, 11. Efa rakotra fanazavana misy ventiny momba ny Soratra Masina izao ilay drafitra toy ny karana maina teo. Mila manao famerenana ny lahateninao amin’izay ianao. Tena manampy ny fanaovana izany amin’ny feo avo. Ny hampazava tsara ao an-tsainao ny hevitra rehetra no zava-dehibe. Tokony hahay hanao ny lahateninao amin’ny fonao rehetra ianao, sy hampiseho ireo fanazavana amin’ny fomba velombelona, ary hanazava ny fahamarinana amin-

Fanomanana Lahateny ho An’ny Besinimaro kafanam-po. Alohan’ny hanaovanao ilay lahateninao, dia manontania tena hoe: ‘Inona no antenaiko hotanterahina? Misongadina tsara ve ireo hevi-dehibe? Tena nataoko niorina tamin’ny Soratra Masina tokoa ve ny lahateniko? Moa ve ny hevi-dehibe tsirairay mitarika mora foana ho amin’ilay manaraka? Manosika ny mpihaino hankasitraka an’i Jehovah sy ireo fanomezana nataony ve ilay lahateny? Moa ve ny teny famaranana mifandray mivantana amin’ ilay loha hevitra, sy mampiseho amin’ny mpihaino izay tokony hataony, ary manosika azy hampihatra izay reny?’ Raha eny ny valin-teninao amin’ireo fanontaniana ireo, dia tena manao soa amin’ny alalan’ny fahalalana ianao. Hahasoa ireo mpiara-manompo aminao izany, ary ho fiderana an’i Jehovah! —Ohab. 15:2.

REHEFA ILAINA HADIKA NY LAHATENINAO Matetika no misy fiteny hafa maro ampiasaina ao amin’ny tany iray, hany ka mety hangatahina hanao lahateny ara-baiboly amin’ny alalan’ny mpandika teny iray ianao. Raha asaina hanao lahateny toy izany ianao, dia hanampy anao sy ilay handika ny teninao ireto toro lalana manaraka ireto. ˙ Hiankina be dia be amin’ny zavatra ataon’ilay mpandika teny ny fahombiazan’ny lahateninao. Na ny mpandika teny efa za-draharaha aza dia mbola afaka manatsara ny fandikan-teniny, raha ampianao hanao fanomanana. ˙ Amin’ny ankapobeny, dia tsy maintsy manala ny ampahatelon’ny lahateninao ianao, mba hisy fotoana ho an’ilay fandikan-teny. (Tsy toy izany ny amin’ny baiko moana, satria mila ho tafaraka ilay lahateny sy ny fandikana azy.) ˙ Alohan’ny hanaovana azy, dia jereo miaraka amin’ilay mpandika teny ny ambangovangon’ny lahateninao sy ny zava-kendreny. Raha lahateny vakina any amin’ny fivoriamben’ny vondromparitra ny anjaranao, dia tokony hahita kopian’ ilay izy aloha be ilay mpandika teny. ˙ Resaho miaraka amin’ilay mpandika teny ny andinin-teny hampiasainao. Hamarino sao tsy mitovy ny hevitra avoakan’ny Baiboly amin’ilay

fiteny eo an-toerana sy ny ao amin’ny Baibolinao. Asehoy amin’ilay mpandika teny ireo teny hoantitranterinao na hohazavainao, ao amin’ireo andinin-teny. ˙ Tapaho ny hevitra raha hovakina amin’ireo fiteny roa ny andinin-teny, na amin’ny fiteny iray ihany. Mety ho ampy ny mamaky azy amin’ilay fitenin’ny mpanatrika. ˙ Ho sahirana ilay mpandika teny raha lazainao haingana ireo daty sy isa ary andinin-teny. Miatoa kely mba hanampiana azy, ary boriborio ny antontan’isa lazainao. ˙ Resaho izay fanoharana sy fomba fiteny ary teny tsy mahazatra kasainao hampiasaina. Hamarino raha azon’ilay handika ny teninao izy ireny, ary azo ampitaina amin’ilay fiteny eo antoerana ny hevitra raketiny. ` ˙ Mampiasa fehezanteny fohy, rehefa miteny. Hevitra feno lazaina, alohan’ny hiatoanao mba handikan’ilay mpandika teny azy. (Hevitra no ampitainy, fa tsy voatery ho teny tsirairay.) Omeo fotoana izy hamitany ny teniny, vao manohy ianao. ˙ Miantehitra amin’ny hamafin’ny feonao sy ny hatsaran’ny fanononanao ilay mpandika teny.

55

Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra INONA no tanjonao, rehefa mampianatra? Raha vao haingana ianao no tonga mpitory dia azo antoka fa maniry hianatra ny fomba itarihana fampianarana Baiboly, satria asain’i Jesosy manao mpianatra ny mpanara-dia azy. (Matio 28:19, 20) Raha efa zatra manao io asa io kosa ianao, dia angamba ny hahay hanohina kokoa ny fon’ireo tadiavinao hampiana no tanjonao. Raha ray na reny ianao, dia maniry ny hahay handrisika ny zanakao hanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra. (3 Jaona 4) Raha anti-panahy ianao, na miezaka ho tonga anti-panahy, angamba ianao maniry ny ho mpandahateny mahay manampy ny mpihaino anao hanana fankasitrahana lalina kokoa an’i Jehovah sy ny lalany. Ahoana no ahafahanareo mahatratra ireo tanjona ireo? ` Maka lesona avy amin’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Faran’izay Mahay. (Lioka 6:40) Na niteny tamin’ny vahoaka teny an-tendrombohitra i Jesosy, na tamin’olona vitsivitsy monja teny an-dalana, dia namela soritra naharitra izay nolazainy sy ny fomba nilazany azy. Nandrisika ny saina sy ny fon’ireo nihaino azy i Jesosy, ary nanao fampiharana mora takatr’izy ireo. Afaka manao izany koa ve ianao? Miantehera amin’i Jehovah Ny fifandraisany akaiky tamin’ilay Rainy any an-danitra sy ny fanampian’ ny fanahin’Andriamanitra no nanatsara ny fahaizan’i Jesosy nampianatra. Mivavaka mafy amin’i Jehovah ve ianao mba hitarihana fampianarana Baiboly mandaitra? Raha ray na reny ianao, mivavaka tsy tapaka ve ianao mba hahazoana ny fitarihan’Andriamanitra eo amin’ny fampianarana ny zanakao? Manolotra vavaka avy amin’ny fo ve ianao, rehefa miomana hanao lahateny na hitarika fivoriana? Hanampy anao ho tonga mpampianatra mahay kokoa ny fianteherana amim-bavaka amin’i Jehovah toy izany. Hita koa fa miankina amin’i Jehovah ianao, raha miantehitra amin’ny Teniny, ny Baiboly. Hoy i Jesosy, tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’ilay hariva farany niainany teto an-tany: “Efa nomeko azy ny teninao.” (Jaona 17:14) Tsy niteny araka ny fiheviny manokana mihitsy i Jesosy, na dia nahay zavatra be dia be aza. Nilaza izay nampianarin’ny Rainy azy foana izy, ka namela ohatra harahintsika. (Jaona 12:49, 50) Ny tenin’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly dia manan-kery eo amin’ny olona—eo amin’ ny zavatra ataony, sy ny eritreriny lalina indrindra, ary ny fihetseham-pony. (Heb. 4:12) Rehefa mitombo ny fahalalanao ny Tenin’Andriamanitra, ka mianatra hampiasa azy io tsara eo amin’ny fanompoana ianao, dia hanana

56

Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra ilay fahaiza-mampianatra izay misarika ny olona ho amin’Andriamanitra. —2 Tim. 3:16, 17. Manomeza voninahitra an’i Jehovah Ny hoe manahaka an’i Kristy eo amin’ny fomba fampianatra akory tsy midika hoe mahay manao lahateny mahaliana fotsiny. Marina fa talanjona noho “ny tenin’ny fahasoavana” nolazain’i Jesosy ny olona. (Lioka 4:22) Inona anefa no zava-nokendren’i Jesosy, tamin’ny fitenenana tsara toy izany? Ny hanome voninahitra an’i Jehovah, fa tsy ny hisarika ny saina ho amin’ny tenany akory. (Jaona 7:16-18) Ary nampirisika ny mpanara-dia azy toy izao izy: “Aoka hazava eo imason’ny olona ... ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:16) Tokony hanan-kery eo amin’ny fomba fampianatsika io torohevitra io. Aza mamela na inona na inona hampiala ny saina amin’ io zava-kendrena io. Koa rehefa manomana izay holazaintsika na ny fomba ` hilazantsika azy ary isika, dia tsara ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Moa ve ity hampitombo ny fankasitrahan’ny olona an’i Jehovah, sa hisarika ny saina ho amin’ny tenako?’ Ohatra, azo atao tsara ny mampiasa fanoharana sy ohatra tena nisy mba hampianarana. Mety ho very anefa ilay hevitra tiana hampianarina rehefa lava loatra ilay fanoharana, na tantaraina amin’ny tsipiriany rehetra ilay tantara. Toy izany koa fa mampiala ny saina amin’ny zava-kendren’ny fanompoantsika ny fitantarana zavatra mba hampifaliana ny olona fotsiny. Misarika ny saina ho amin’ny tenany ilay mpampianatra amin’izay, fa tsy mahatratra ilay tena zava-kendren’ny fampianaran’Andriamanitra noresahintsika teo am-piandohana. ‘Mahaiza manavaka’ Mba hahatonga ny olona iray ho tena mpianatra tokoa, dia tsy maintsy mahatakatra mazava tsara izay ampianarina azy izy. Tsy maintsy mandre ny fahamarinana sy mahita ny fahasamihafany amin’ny finoana hafa izy. Hanampy amin’izany ny fampifanoheran-javatra. Nampirisika ny vahoakany imbetsaka mba ‘hahay hanavaka’ ny madio sy ny tsy madio i Jehovah. (Lev. 10:9-11) Nilaza izy fa hampianatra ny olona “ny tsi-fitovian’ny masina sy ny tsy masina” ireo izay hanompo ao amin’ ny tempoliny ara-panahy lehibe. (Ezek. 44:23) Ny bokin’ny Ohabolana dia feno teny mampifanohitra ny fahamarinana sy ny faharatsiana, ny fahendrena sy ny hadalana. Na ny zavatra roa tsy mifanohitra aza dia azo avahana. Ny apostoly Paoly, ohatra, dia nampifanohitra ny olona marina tamin’ny olona nanao ny soa, ao amin’ny Romana 5:7. Nasehony ao amin’ny bokin’ny Hebreo, fa ambony noho ilay nataon’i Arona ny fanompoan’ny

57

58

Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra mpisoronabe ataon’i Kristy. Nanoratra toy izao i Comenius, mpampianatra tamin’ny taonjato faha-17: “Tsy inona akory ny hoe mampianatra fa fampisehoana ny tsy fitovian’ny zavatra samy hafa, raha ny amin’ny zava-kendreny sy ny endrika isehoany ary ny fiaviany. ... Noho izany, izay mahay mampiseho ny fahasamihafan-javatra dia mahay mampianatra.” Ohatra, aoka hatao hoe mampianatra olona iray momba ny Fanjakan’ Andriamanitra ianao. Mety tsy hahafantatra momba azy io ilay olona. Hazavao fa mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly ilay hevitra hoe ao ampon’ny olona fotsiny ny Fanjakan’Andriamanitra. Na asehoy fa hafa noho ny fitondram-panjakan’olombelona izy io. Kanefa, hanome tsipiriany bebe kokoa ianao amin’ny olona efa mahafantatra ireo fahamarinana fototra ireo. Asehoy, ohatra, fa ilay Fanjakan’ny Mesia dia tsy mitovy amin’ny fanjakan’i Jehovah manerana izao rehetra izao, voalaza ao amin’ny Salamo 103:19, na amin’ny “fanjakan’ny Zanany malalany”, hita ao amin’ny Kolosiana 1:13, na amin’ilay “fitondrana”, resahina ao amin’ny Efesiana 1:10. Hazava tsara amin’ny mpihaino anao io fampianarana ara-baiboly lehibe io raha mampiasa fifanoheran-javatra ianao. Nampiasa io fomba fampianatra io imbetsaka i Jesosy. Nampifanoheriny ` ` ny fomba fahazoan’ny olona ny Lalan’i Mosesy sy ny tena hevitry ny Lalana. (Matio 5:21-48) Nasehony ny fahasamihafana teo amin’ny tena fifikirana amin’Andriamanitra sy ny fihatsarambelatsihin’ny Fariseo. (Matio 6:1-18) Nampifanoheriny ny toe-tsain’ireo ‘nampanompo’ ny hafa sy ny fahafoizan-tena hasehon’ny mpanara-dia azy. (Matio 20:25-28) Nisy fotoana koa, araka ny Matio 21:28-32, nanasan’i Jesosy ny mpihaino azy mba hampifanohitra ny fiheveran-tena ho marina sy ny tena fibebahana. Mitondra antsika ho amin’ny lafiny lehibe iray hafa amin’ny fahaiza-mampianatra izany. Ampirisiho hieritreritra ny mpihaino Ao amin’ny Matio 21:28, talohan’ny nilazan’i Jesosy ny fampitahany, dia nanontany izy aloha hoe: “Ahoana kosa no hevitrareo?” Tsy milaza zavatra na mamaly fanontaniana fotsiny akory ny mpampianatra mahay. Mampirisika ny mpihaino azy hahay hisaina kosa izy. (Ohab. 3:21; Rom. 12:1) Fomba iray anaovana izany ny fametrahana fanontaniana. Nanontany toy izao i Jesosy ao amin’ny Matio 17:25: “Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy ` amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka ety an-tany fadintseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va, sa avy amin’ny olon-kafa?” Ireo fanontaniana mampisaintsaina napetrak’i Jesosy ireo dia nanampy an’i Petera hanatsoaka hevitra marina samirery, momba ny fandoavana ny hetran’ny tempoly. Toy izany koa, mba hamaliana an’ilay lehilahy nanontany hoe: “Iza ary no namako?”, dia nampifanohitra ny zavatra nataon’ny mpisorona iray

Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra sy ny Levita iray tamin’ny an’ny Samaritanina iray, i Jesosy. Nanontany izy avy eo hoe: “Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?” (Lioka 10:29-36) Teo indray koa, dia tsy nisalovana i Jesosy fa ilay nihaino azy ihany no nampisaintsaininy ka nasainy namaly ny fanontaniany.—Lioka 7:41-43. Miezaha manohina ny fon’ny mpihaino Takatry ny mpampianatra mahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra fa tsy fitadidiana zavatra sasantsasany, na fanarahana fitsipika sasany, fotsiny akory no atao hoe fivavahana marina. Miorina amin’ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah sy amin’ny fankasitrahana ny lalany, izy io. Ny fo no tafiditra amin’izany fanompoana izany. (Deot. 10:12, 13; Lioka 10:25-27) Ao amin’ny Soratra Masina, matetika ny teny hoe “fo” no manondro ilay olona anaty, ka voafaoka amin’izany ny faniriany, ny fitiavany, ny fihetsehampony ary ny antony manosika azy hanao zavatra. Fantatr’i Jesosy fa, raha mijery ny fisehoana ivelany ny olombelona, Andriamanitra kosa mijery ny fo. (1 Sam. 16:7) Ny fanompoantsika an’ Andriamanitra dia tokony hatosiky ny fitiavantsika azy, fa tsy ny fitadiavana hanaitra olona. (Matio 6:5-8) Nanao zavatra maro ho fisehosehoana kosa anefa ny Fariseo. Nantitranterin’izy ireo be ny fanarahana ireo tsipirian’ny ` Lalana sy ny fankatoavana ireo fitsipiky ny tenany manokana. Tsy nasehon’ izy ireo teo amin’ny fiainany anefa ireo toetra tsara izay ho nampahafantatra azy ho tena mpanompon’ilay Andriamanitra nolazainy fa nivavahany. (Matio 9:13; Lioka 11:42) Nampianatra i Jesosy fa tsy ny fankatoavana ny zavatra takin’Andriamanitra fotsiny no zava-dehibe, fa izay ao am-po koa. (Matio 15:7-9; Marka 7:20-23; Jaona 3:36) Handaitra indrindra ny fampianarantsika, raha manahaka ny ohatr’i Jesosy isika. Zava-dehibe ny hanampiantsika ny olona hianatra izay takin’Andriamanitra aminy. Zava-dehibe koa anefa ny hahafantarany sy hitiavany an’i Jehovah, satria amin’izay, dia ho hita taratra eo amin’ny fitondran-tenany fa sarobidy aminy ny fifandraisana tsara amin’ilay Andriamanitra marina. Mazava ho azy fa raha te handray soa avy amin’izany fampianarana izany ny olona, dia tsy maintsy miaiky ny amin’izay ahariharin’izy io momba izay ao am-pony. Nampirisika ny olona hamakafaka ny antony manosika azy hanao zavatra sy ny fihetseham-pony i Jesosy. Mba hanitsiana fomba fihevitra diso iray, dia nanontany ny mpihaino azy izy hoe nahoana izy ireo no nieritreritra, niteny na nanao zavatra toy izao na izao. Kanefa tsy nianina tamin’izany i Jesosy. Narahiny teny iray, fanoharana iray, na fanaovanjavatra iray, ny fanontaniany, mba hanampiana azy ireo hanana ny fomba fihevitra mety. (Marka 2:8; 4:40; 8:17; Lioka 6:41, 46) Afaka manampy ny mpihaino antsika toy izany koa isika, amin’ny fampirisihana azy hanontany

59

60

Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra tena hoe: ‘Nahoana no manintona ahy izao fitondran-tena izao? Nahoana aho no manana izao fihetsika izao?’ Avy eo, dia ampirisiho izy hijery zavatra araka ny fomba fijerin’i Jehovah. Manaova fampiharana Fantatry ny mpampianatra mahay fa ‘ny fahazoana fahendrena no voaloham-pahendrena.’ (Ohab. 4:7) Ny fahendrena dia ny fahaizana mampihatra ny fahalalana mba handaminana zava-manahirana, handosirana loza, hahatratrarana zava-kendrena, hanampiana ny hafa. Ny manampy ny mpianany hianatra hanao izany no andraikitry ny mpampianatra, fa tsy ny handray ny fanapahan-kevitra eo amin’ny toerany. Ampio ilay mpianatra hanjohy hevitra, rehefa miresaka toro lalan’ny Baiboly samihafa. Zava-mitranga eo amin’ny fiainana andavanandro resahina. Avy eo dia anontanio ilay mpianatra raha afaka manampy azy ilay toro lalana vao avy nianaranareo, raha ao anatin’izany tarehin-javatra izany ny tenany.—Heb. 5:14. Tao amin’ilay lahateniny tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., ny apostoly Petera dia nanome ohatra ny amin’ny fanaovana fampiharana, izay nahakasika ny fiainan’ny olona. (Asa. 2:14-36) Niresaka momba ny faminaniana telo nolazain’ilay vahoaka fa ninoany i Petera. Avy eo izy dia nampiasa ireo zava-niseho vao hitan’izy rehetra teo, mba hanaovana fampiharana an’ireo andinin-teny ireo. Ho vokany, dia tsapan’ilay vahoaka fa nila nanao zavatra nifanaraka tamin’izay reny izy. Misy vokany toy izany eo amin’ny olona ve ny fampianaranao? Mianina amin’ny filazana zavatra fotsiny ve ianao, sa manampy ny olona hahatakatra ireo anton-javatra koa? Mampirisika azy handinika ny tokony ho vokatr’izay ianarany eo amin’ny fiainany ve ianao? Mety tsy hihiaka izy hoe: “Inona no hataonay?”, toy ny nataon’ilay vahoaka tamin’ny Pentekosta. Nefa raha nahay nanao fampiharana ireo andininteny ianao, dia ho voatosika hieritreritra ny hampihatra izay nohazavainao izy.—Asa. 2:37. Rehefa miara-mamaky ny Baiboly amin’ny zanakareo ianareo ray amandreny, dia afaka mampiofana azy hieritreritra momba ny fampiharana ireo toro lalan’ny Baiboly. (Efes. 6:4) Ohatra, mifidiana andinin-teny sasantsasany avy amin’ny famakiana Baiboly ho an’ny herinandro, resaho izay tian’ izy ireo holazaina, ary avy eo dia manontania hoe: ‘Inona no tari-dalana azontsika avy amin’ireo andininy ireo? Ahoana no ampiasantsika azy ireo eo amin’ny fanompoana? Inona no asehon’izy ireo momba an’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra, ary ahoana no anampian’izy ireo antsika hankasitraka azy?’ Ampirisiho ny fianakavianao hanome valin-teny momba ireo zavatra noresahinareo ireo mandritra ny fandinihana ireo hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly any amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Ireo andinin-teny anomezany valin-teny no azo inoana fa ho tadidiny indrindra.

Hatsarao ny Fahaizanao Mampianatra

61

Manomeza ohatra tsara Tsy amin’izay lazainao ihany ianao no mampianatra, fa amin’izay ataonao koa. Hitan’ny hafa eo amin’ny zavatra ataonao ny fomba hampiharana ireo zavatra lazainao. Izany no fomba ianaran’ny ankizy. Rehefa manahaka ny ray aman-dreniny ny ankizy, dia manome porofo fa maniry ny hitovy amin’ny ray aman-dreniny izy. Tiany ho fantatra izany hoe manao zavatra sahala amin’ny ataon’ny ray aman-dreniny izany. Toy izany koa, rehefa ‘manahaka anao, tahaka ny anahafanao an’i Kristy’, ireo izay ampianarinao, dia hahazo ireo fitahiana entin’ny fanarahana ny lalan’i Jehovah. (1 Kor. 11:1) Ho hitan’ny tenany manokana fa mifandray aminy koa Andriamanitra. Tena mampieritreritra izany fampahatsiahivana ny amin’ny maha zavadehibe ny fanomezana ohatra tsara izany. Ny fananantsika “fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” dia tena hanome an’ireo izay ampianarintsika, porofo velon’ny fampiharana ireo toro lalan’ny Baiboly. (2 Pet. 3:11) Raha mampirisika ny mpianatra MBA HO Baiboly iray hamaky ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka ianao, MPAMPIANATRA dia aoka ny tenanao hazoto hanao izany famakiana izany. Raha MAHAY, DIA tianao hianatra hampihatra ireo toro lalan’ny Baiboly ny zanakao, dia ataovy hitany fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andria˙ Miantehera amin’i Jehovah, manitra ny zavatra ataonao. Raha mampianatra ny fiangofa tsy amin’ny fahaizanao nana ho be zotom-po eo amin’ny fanompoana ianao, dia ˙ Ankasitraho ny herin’ny mandraisa anjara feno amin’io asa io. Tsara toerana kokoa haTenin’Andriamanitra, ary ampiasao tsara izy io ndrisika ny hafa ianao, rehefa mampihatra izay ampianarinao. ˙ I Jehovah no omeo —Rom. 2:21-23. voninahitra, fa tsy ny Mba hanatsarana ny fampianaranao, dia manontania tena tenanao hoe: ‘Rehefa mampianatra aho, moa ve ny fomba fampianatro ` ˙ Mampiasa hahatonga ireo izay mandre ahy hanova ny fihetsiny, ny fomba fifanoheran-javatra, mba fiteniny, na ny zavatra ataony? Mba hampahazava zavatra, moa hampahazava tsara ireo hevitra ve aho mampifanohitra hevitra na fitondran-tena iray amin’ny ˙ Ampirisiho hieritreritra ny iray hafa? Inona no ataoko mba hanampiako ny mpianatro, ny mpihaino zanako, na ny mpihaino ahy any amin’ny fivoriana, hitadidy ˙ Ampirisiho ny hafa izay lazaiko? Mampiseho mazava tsara amin’ny mpihaino handinika ny ahy ny fomba hampiharana izay ianarany ve aho? Hitany eo fihetseham-pony sy izay amin’ny ohatra omeko ve izany? Takany ve fa misy fiantraikamanosika azy hanao zavatra ny eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah ny fihetsiny eo ˙ Ampirisiho ny mpihaino handinika ny ho vokatry ny anoloan’ilay zavatra resahina?’ (Ohab. 9:10) Eritrereto foana fahalalany ny Baiboly eo ireo zavatra ireo, eo am-piezahanao manatsara ny fahaizanao amin’ny fiainany mampianatra. “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka ˙ Aoka ianao ho ohatra mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamomendri-kotahafina njy ny tenanao sy izay mihaino anao.”—1 Tim. 4:16.

Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka MORA aminao ve amin’ny ankapobeny ny miresaka amin’ny hafa? Amin’ ny olona maro, ny hoe hanombo-dresaka amin’ny hafa fotsiny, indrindra fa amin’olona tsy fantany, dia efa mampivarahontsana azy. Mety ho sarokenatra ny olona toy izany. Mety hanontany tena izy ireo hoe: ‘Inona no tokony horesahiko? Ahoana no hanombohako resaka? Ahoana no hanohizako azy?’ Ny olona matoky tena sy sariaka kosa dia mety hibodo ny resaka. Sarotra amin’izy ireo ny hampiteny ny hafa sy ny hianatra ny hihaino ` izay lazaina. Ilaintsika rehetra ary ny mianatra ny fahaiza-miresaka, na sarokenatra isika na sariaka. Atombohy ao an-tokantrano Mba hanatsarana ny fahaizanao miresaka, nahoana raha manomboka ao an-tokantrano? Tena hampitombo ny fahasambaran’ny fianakaviana ny resaka mampahery. Ny fifampiahiana lalina no fanalahidy voalohany indrindra amin’izany. (Deot. 6:6, 7; Ohab. 4:1-4) Miahy ny hafa isika raha miresaka aminy ary mihaino azy rehefa milaza zavatra izy. Lafin-javatra iray lehibe hafa ny fananana zavatra mendrika holazaina. Raha mamaky sy mianatra ny Baiboly tsy tapaka isika, dia hanan-javatra be dia be horesahina amin’ny hafa. Hitarika ho amin’ny fifampiresahana koa ny fampiasantsika tsara ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Na angamba isika nahita zavatra nahafinaritra teny amin’ny fanompoana. Nety ho nisy zavatra nianarantsika na nampihomehy antsika tao amin’ny boky na gazety iray novakintsika. Tokony hataontsika ho fahazarana ny miresaka momba ireny zavatra ireny amin’ny mpianakavintsika. Hanampy antsika hiresaka amin’ny olona ivelan’ny fianakaviantsika koa izany. Firesahana amin’ny olona tsy fantatra Olona maro no miahotra rehefa hoe hanombo-dresaka amin’ny olona tsy fantany. Noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny namany anefa, dia miezaka ny Vavolombelon’i Jehovah hianatra ny fomba firesaka mba hampahafantarana ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny hafa. Inona no hanampy anao hihatsara amin’io lafiny io? Manampy be dia be ny toro lalana ao amin’ny Filipiana 2:4. Ampirisihina isika ao mba tsy ‘samy hihevitra ny antsika ihany, fa samy hihevitra ny an’ ny namantsika koa.’ Izao eritreretina: Raha mbola tsy nahita ilay olona mihitsy ianao taloha, dia raisiny ho toy ny olon-tsy fantatra ianao. Ahoana no

62

Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka hanampianao azy tsy ho saikatsaikatra? Amin’ny fitsikiana amim-pisakaizana sy amin’ny fiarahabana azy amin-katsaram-panahy. Misy zavatra hafa tokony hoheverina anefa. Mety ho nanapaka ny eritreriny ianao. Raha tsy manisy fiheverana izay ao an-tsainy ianao, fa mitady hanery azy hiresaka momba izay ao an-tsainao, moa ve ho tsara ny fihetsiny? Inona no nataon’i Jesosy, fony izy nahita vehivavy iray teo am-pantsakana iray tany Samaria? Ny hantsaka rano no tao an-tsain’ilay vehivavy. Nampiasa izany i Jesosy mba hanombohan-dresaka, ary vetivety dia navadiny ho resaka velombelona momba ny zavatra ara-panahy ilay izy.—Jaona 4:7-26. Hahay hamantatra izay mety hoeritreretin’ny olona koa ianao, raha mahay mandinika. Falifaly sa malahelo ny fahitanao azy? Zokiolona ve izy, efa osa angamba? Mahamarika ve ianao fa misy ankizy ao amin’ilay trano? Hitanao ve fa olona manana ilay tompon-trano, sa miady mafy amin’ny fiainana kosa? Mampahafantatra anao ny amin’ny fivavahany ve ny haingontranony na ny firavaka anaovany? Raha manisy fiheverana an’ireo ianao ao amin’ny teny fiarahabana ataonao, dia mety ho hitan’ilay olona fa mananjavatra iombonana ianareo. Raha tsy mifanatri-tava amin’ilay olona ianao, fa mahare ny feony avy ao ambadiky ny varavarana mihidy lakile fotsiny, mety hilaza inona aminao moa izany? Mety hiaina ao anatin’ny tahotra ilay olona. Azonao ampiasai` na mba hanombohan-dresaka avy aty ambadiky ny varavarana ve izany? Any amin’ny toerana sasany, dia afaka misarika ny olona iray hiresaka ianao, amin’ny filazana aminy zavatra momba ny tenanao hoe: avy aiza ianao, nahoana ianao no eo am-baravarany, nahoana ianao no mino an’ Andriamanitra, nahoana ianao no nanomboka nianatra ny Baiboly, ary ahoana no nanampian’ny Baiboly anao. (Asa. 26:4-23) Mazava ho azy fa mila ny ho malina sy hanan-java-kendrena mazava ao an-tsaina ianao, rehefa manao izany. Mety hanosika ilay FANOMBOHANDRESAKA olona hilaza zavatra momba ny tenany sy ny fomba fijeriny zavatra koa izany. Anisan’ny fomba amam-panao ny fahaiza-mandray vahiny, ˙ Araho ny fomba any amin’ny tany sasany. Mety hampandroso anao avy hatraamam-panao eo ny sy hanasa anao hipetraka ny olona. Rehefa tafapetraka iaan-toerana nao, ka manontany amim-pahalalam-pomba ny amin’ny faha˙ Manaova teny fiderana salaman’ilay fianakaviana, ary mihaino amim-pahatsorana ny avy amin’ny fo ` valiny, dia mety hanao toa anao koa ilay tompon-trano, ka hi˙ Milaza zava-mahaliana haino izay lazainao. Mihoatra noho izany aza any amin’ny iombonana tany hafa, ny fahalianan’ny olona amin’izay tonga mitsidika ˙ Anontanio izay heviny azy, ka mety haharitra ny fifampiarahabana. Mety ho hitany,

63

64

Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka mandritra izany, fa manan-javatra iombonana aminao izy. Hitarika ho amin’ny resaka mahasoa momba ny zavatra ara-panahy izany. Ahoana raha misy olona maro miteny amin’ny fiteny hafa eo amin’ny misy anao? Ahoana no ahafahanao miresaka amin’izy ireny? Raha mianatra na dia fiarahabana tsotra amin’ireo fiteny ireo fotsiny aza ianao, dia ho hitan’izy ireny fa manam-piheverana azy ianao. Mety hanokatra ny lalana hifampiresahana bebe kokoa izany. Ny fomba anohizana ny resaka Aoka ianao ho liana amin’ny hevitr’ilay olona iresahanao mba hitohizan’ ny resaka. Ampirisiho hilaza ny heviny izy, raha vonona ny hanao izany. Mametraha fanontaniana voafidy tsara. Ny fanontaniana momba ny hevi` ny no tsara indrindra, satria mazana no tsy hoe “eny” na “tsia” fotsiny no valin-teny ho azonao. Ohatra, rehefa avy nanonona zava-manahirana iray teo an-toerana ianao, dia mety hanontany hoe: “Inona no heverinao fa nahatonga io tarehin-javatra io?”, na hoe: “Inona no heverinao fa ho fanafodiny?” Rehefa mametraka fanontaniana ianao, dia henoy tsara ny valiny. Asehoy amin’ny alalan’ny teny kely, ny fihatokatohan-doha kely, na ny fihetsehana kely, fa tena liana ianao. Aza tapahina ny teniny. Raha malala-tsaina ianao, dia hihevitra izay lazain’ilay olona. ‘Aoka ianao halady hihaino, ho malai-miteny.’ (Jak. 1:19) Rehefa mamaly ianao, dia asehoy fa tena nihaino izay nolazainy ianao. Fantaro anefa fa tsy ny rehetra no hamaly ny fanontanianao. Mety hiketrona na hitsiky fotsiny ny sasany. Ny hafa mety hilaza hoe “eny” na “tsia” fotsiny. Aza kivy. Manehoa faharetana. Aza mitady hanery ilay olona hiresaka. Raha vonona ny hihaino izy, dia hararaoty izany mba hilazana aminy hevitra ara-baiboly mampahery. Mety handray anao ho toy ny namana izy, amin’ny farany. Amin’izay angamba izy tsy hisalasala sy ho vonona kokoa hilaza ny heviny. Rehefa miresaka amin’ny olona ianao, dia eritrereto mialoha ny fitsidihana manaraka. Raha mametraka fanontaniana maromaro ny olona iray, ` dia valio ny sasany, nefa mamela iray na roa horesahina amin’ny manaraka. Lazao fa hanao fikarohana ianao, ary avy eo dia resaho aminy ny valiny. Raha tsy mametraka fanontaniana izy, dia ianao no afaka mamarana ny resakareo amin’ny fanontaniana iray, izay heverinao fa hahaliana azy. Lazao fa hiresaka momba azy io ianareo amin’ny fitsidihanao manaraka. Misy hevitra be dia be ao amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ ny Soratra Masina, sy ao amin’ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, ary ao amin’ireo nomerao farany amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!

Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka Rehefa miresaka amin’ny mpiray finoana Rehefa mifankahita voalohany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa ianao, moa ve ianao manao ny dingana voalohany mba hifankahalalana aminy? Sa ianao mijoro sy mangina fotsiny? Tokony hanosika antsika haniry hifankahalala aminy ny fitiavantsika an’ireo rahalahintsika. (Jaona 13:35) Ahoana no hanombohanao izany? Azonao atao fotsiny ny milaza ny anaranao sy manontany ny azy. Anontanio azy ny fomba nianarany ny fahamarinana, ary dia resaka mahaliana no ho tohin’izany. Hanampy anareo hifankahalala koa izany. Na dia toa tsy misosa tsara aza ny filazanao zavatra, ny ezaka ataonao dia mampiseho amin’ilay olona fa miahy azy ianao, ary izany no zava-dehibe. Inona no hanampy anao hanao resaka mampahery amin’ny iray amin’ ny mpiara-manompo aminao? Manehoa fiheverana amim-pahatsorana an’ilay olona sy ny fianakaviany. Vao avy nifarana ve ny fivoriana? Miresaha momba ny hevitra voalaza tao ka hitanao fa hanampy anareo. Hahasoa ny andaniny sy ny ankilany izany. Azo atao anton-dresaka ny hevitra mahaliana iray ao amin’ny nomerao farany amin’ny Tilikambo Fiambenana na ny Mifohaza! Tsy tokony hatao mba hisehosehoana na mba hitsapana fahalalan’olona anefa izany, fa mba hilazana zavatra iray hitanao fa tena nahafinaritra. Azo ifanakalozana hevitra koa ny anjaran’ny iray aminareo amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, sy ny fomba azo anaovana azy. Azonao atao koa ny mitantara zavatra hita teny amin’ny fanompoana. Mazava ho azy fa rehefa manam-piheverana ny olona isika, dia miresaka momba ny olona, ny zavatra lazainy sy ataony. Mety ho anisan’ny resaka ataontsika koa ny vazivazy. Hampahery ve ny zavatra holazaintsika amin’ny resaka toy izany? Raha mandray am-po ny torohevitry ny Tenin’ Andriamanitra isika, ka voatosiky ny fitiavana araka an’Andriamanitra, dia tena hampahery ny resaka ataontsika.—Ohab. 16:27, 28; Efes. 4:25, 29; 5: 3, 4; Jak. 1:26. Miomana isika, alohan’ny hanombohantsika ny fanompoaTOETRA TSARA na eny amin’ny saha. Nahoana koa isika raha manomana zavaHANANANA mahaliana horesahina amin’ny namantsika? Mariho ireo hevitra tianao horesahina amin’ny hafa, rehefa mamaky sy mahare ˙ Fihetsika falifaly zavatra mahaliana ianao. Hanan-javatra be dia be ho azonao ˙ Hatsaram-panahy sy isafidianana ianao amin’ny farany. Raha manao izany ianao, fahatsoram-po dia tsy hianina amin’ny firesahana momba ny zavatra andava˙ Fanehoana fiheverana nandro fotsiny. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia enga anie ny teninao hanome porofo fa sarobidy aminao ny Tenin’Andriamanitra!—Sal. 139:17.

65

Fantaro Izay Tokony Havalinao ` TOY ny lava-drano ny fanontaniana sasany. Tsy ny miseho ety ivelany no tena zava-dehibe, fa ilay rano tsy hita any anaty tany. Toy izany koa fa tsy ilay fanontaniana loatra matetika no tena zava-dehibe, fa ilay antony ao ambadika. Na dia may hahazo ny valiny aza ilay manontany, raha mahay ny fomba famaliana ianao, dia hamaritra ny habetsahan’izay holazainao sy izay tianao hasongadina amin’ilay foto-kevitra. (Jaona 16:12) Araka ny nasehon’i Jesosy tamin’ny apostoliny, indraindray dia mety hisy olona hanontany zavatra izay tsy tokony ho fantany na tena tsy hitondra soa ho azy.—Asa. 1:6, 7. Hoy ny Soratra Masina: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” (Kol. 4:6) Araka izany, alohan’ny hamaliantsika, dia mila mieritreritra isika, tsy izay holazaintsika ihany, fa ny fomba hilazantsika azy koa. Takaro ny fomba fihevitr’ilay manontany Nitady hamandrika an’i Jesosy ireo Sadoseo, tamin’ny fanontaniana azy momba izay hitranga rehefa hitsangana amin’ny maty ny vehivavy iray nanambady imbetsaka. Fantatr’i Jesosy anefa fa tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty akory izy ireo. Ny fomba namaliany ny fanontanian’izy ireo ` ary dia nanaporofo ny fahadisoan’ilay fomba fihevitra tao ambadik’io fanontaniana io. Nanjohy hevitra tamim-pahakingana i Jesosy no sady nampiasa fitantarana ara-baiboly fantatry ny olona, mba hampisehoana zavatra tsy noheverin’izy ireo teo aloha: ny porofo mazava fa tena hanangana ny maty tokoa Andriamanitra. Tena talanjona noho ny valin-tenin’i Jesosy ireo mpanohitra azy, ka tsy sahy nanontany azy intsony.—Lioka 20:27-40. Mba hahaizana ny fomba tokony hamalianao, dia tsy maintsy mahatakatra ny fomba fihevitr’ireo manontany anao koa ianao. Ohatra, mety hanontany anao ny mpiara-mianatra na mpiara-miasa iray hoe nahoana ianao no tsy mankalaza ny Krismasy. Nahoana moa izy no manontany izany? Tena ilay antony tokoa ve no tiany ho fantatra, sa izy manontany tena fotsiny raha mahazo mifalifaly ianao? Mba hahafantaranao izany, dia anontanio izy hoe inona no nahatonga azy hametraka ilay fanontaniana. Avy eo, dia valio araka ny valin-teniny ilay izy. Azonao hararaotina koa izany mba hampisehoana fa ho voaro amin’ny fahakiviana sy ny enta-mavesatra ateraky ny fanao mifandray amin’io fety io isika, raha manaraka ny tari-dalan’ ny Baiboly.

66

Fantaro Izay Tokony Havalinao

67

Aoka hatao hoe asaina hiteny momba ny Vavolombelon’i Jehovah eo anatrehan’ny mpianatra maromaro ianao. Mety hametraka fanontaniana izy ireo rehefa vita ny famelabelaranao. Raha tsapanao fa avy amin’ny fo sy mivantana izy ireny, dia valiny tsotra sy tsy miolakolaka koa no ho tsara indrindra. Indraindray kosa dia ahitana taratry ny fitsarana an-tendrony manjaka eo amin’ny antokon’olona iray, ireo fanontaniana. Tsara kokoa amin’izay, raha miresaka vetivety momba ny antony inoan’ny olona izany zavatra izany sy ny antony anarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsipiky ny Baiboly, aloha ianao. Matetika no tsara ny hiheverana fa fanontaniana tena manitikitika ny sainy tokoa ilay izy, fa tsy fihantsiana—na dia mety ho toy ` izany aza no fisehony. Ny valin-teninao ary dia manampy an’ireo mihaino anao hanana fomba fihevitra mivelatra kokoa, sy hahazo fanazavana araka ny marina, ary hahita ny antony ara-baiboly iorenan’ny zavatra inoantsika. ALOHAN’NY Ahoana kosa no ho fihetsikao, rehefa tsy mety manome anao HAMALIANAO, andro hanatrehana fivoriambe ny mpampiasa anao? VoalohaDIA HEVERO ny aloha, dia mijere zavatra araka ny fomba fijeriny. Raha lazainao fa hanao ora fanampiny amin’ny fotoana hafa ianao, mety hanampy ve izany? Raha hazavainao aminy fa manampy ˙ Ny antony nametrahana antsika ho mpiasa manao ny marina sy mendri-pitokisana ny ilay fanontaniana fampianarana omena any amin’ireo fivoriambentsika, moa ve ˙ Izay fanazavana izany mety hampiova hevitra azy? Raha asehonao fa asianao homena mialoha, mba vidiny izay zava-dehibe aminy, dia angamba koa izy hanisy vihampahazava ilay valin-teny diny an’izay ho hitany fa zava-dehibe aminao. Ahoana anefa raha asainy milaza na manao ny tsy marina ianao? Raha lazainao mazava tsara ny fandavanao, sady ampiarahinao amin’ny hevitra iray avy ao amin’ny Baiboly, dia ho fantany tsara ny toerana tananao. Tsy ho tsara kokoa ve anefa, raha miara-manjohy hevitra aminy aloha ianao hoe ny olona iray vonona ny handainga na hangalatra ho an’ny lehibeny, dia mety handainga aminy na hangalatra ny zavany koa? Etsy an-danin’izany, angamba ianao mpianatra tsy maniry handray anjara amin’ny zavatra sasany melohin’ny Baiboly atao any am-pianarana. Tadidio fa mety tsy hitovy hevitra aminao ilay mpampianatra, ary andraikiny ny hampihatra fitsipi` pifehezana ao an-dakilasy. Ny zavatra tsy maintsy ataonao ary dia 1) ny hanaja izay heveriny ho zava-dehibe, sy 2) ny hanazava amim-panajana ny toerana tananao, ary 3) ny ho hentitra raha ny amin’izay fantatrao fa hampifaly an’i Jehovah. Mety ho tsy ampy ny filazana tsotra sy mivantana ny zavatra

˙ Ny fanazavana ny toerana tananao, sy ny fiheverana izay zava-dehibe amin’ilay olona ˙ Ny filazana hevitra amin-katsaram-panahy sy amim-patokisan-tena ˙ Izay tokony homenao: Valin-teny mivantana sa toro lalana sy ohatra ara-baiboly mba hahitan’ilay olona samirery izay tokony hataony

68

Fantaro Izay Tokony Havalinao inoanao, raha te hahazo ny vokatra tsara indrindra ianao. (Ohab. 15:28) Raha mbola kely ianao, dia tsy isalasalana fa hanampy anao hanomana izay holazainao ny rainao na ny reninao. Mety hila ny hamaly ny fiampangana nataon’ny manam-pahefana ianao indraindray. Mety hisy polisy na mpiasam-panjakana na mpitsara hibaiko ` anao hamaly fanontaniana momba ny fankatoavana lalana iray, na ny antony tsy anaovanao ny raharahan’izao tontolo izao, na ny fihetsikao momba ny fanehoana fitiavan-tanindrazana. Ahoana no tokony hamalianao azy? “Amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”, hoy ny torohevitry ny Baiboly. (1 Pet. 3:15) Ambonin’izany, dia manontania tena hoe nahoana ireo raharaha ireo no zava-dehibe aminy, ary ekeo amim-panajana izany fanahiany izany. Ary avy eo? Sahala amin’ny apostoly Paoly nanonona ireo zo ` narovan’ny lalana romanina, dia azonao atao koa ny manonona ireo zo ara` dalana azo ampiharina aminao. (Asa. 22:25-29) Angamba hivelatra kokoa ny fomba fihevitr’ilay manam-pahefana, raha fantany ny toerana notanan’ ireo Kristianina voalohany sy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. ` ` Na azonao lazaina fa manosika ny olona hankato kokoa ireo lalan’olombelona azo ekena ny fanekena ny fahefan’Andriamanitra. (Rom. 13:1-14) Raha izany no ataonao, dia mety horaisina tsara ny fanazavanao ireo antony arabaiboly iorenan’ny toerana tananao. Ny fomba fihevitr’ilay manontany, momba ny Soratra Masina Rehefa manapa-kevitra ny amin’ny fomba hamaliana ianao, dia eritrereto koa ny fomba fihevitr’ilay manontany, momba ny Soratra Masina. Nanao izany i Jesosy, rehefa namaly ny fanontanian’ny Sadoseo momba ny fitsanganan’ny maty. Fantany fa tsy nanaiky afa-tsy ireo soratra nataon’i Mosesy izy ireo, ka nanjohy hevitra momba ny fitantarana iray ao amin’ny Pentateuque izy, tamin’ny fanombohana ny teniny tamin’ny hoe: “Ary Mosesy aza nanambara ... fa hatsangana ny maty.” (Lioka 20:37) Mety ho hitanao koa fa hanampy ny fakana teny avy amin’ny Baiboly eken’ilay mihaino anao sady fantany tsara. Ahoana raha tsy manaiky ny fahefan’ny Baiboly ilay mihaino anao? Mariho izay nataon’ny apostoly Paoly tao amin’ny toriteniny teo amin’ny Areopago, voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:22-31. Fahamarinana ara-baiboly no nambarany, na dia tsy notononiny mivantana avy tao aza. Afaka manao izany koa ianao, rehefa ilaina. Any amin’ny toerana sasany, dia mety ho tsy maintsy miresaka imbetsaka amin’ny olona iray ianao, vao ho afaka haka teny mivantana avy ao amin’ny Baiboly. Rehefa tena mandray ny Baiboly ianao, dia mety ho tsara ny manazava aloha hoe nahoana izy io no mendri-kodinihina, fa tsy hanizingizina mafy fotsiny hoe Tenin’ Andriamanitra izy io. Ny hanao fanambarana mazava momba ny fikasan’

Fantaro Izay Tokony Havalinao Andriamanitra anefa no tokony ho zava-kendrenao. Tokony hasehonao an’ ilay mihaino anao izay tena voalaza ao amin’ny Baiboly mivantana, rehefa mandeha ny fotoana. Mandresy lahatra kokoa noho izay rehetra mety holazain’ny tenantsika ny Baiboly.—Heb. 4:12. ‘Teny soa mandrakariva’ Tena mety ny fanasan’i Jehovah, ilay Andriamanitra miantra, ny mpanompony mba hanao teny ‘soa sy mamy sira mandrakariva’! (Kol. 4:6; Eks. 34:6) Milaza izany fa tokony hiteny amin-katsaram-panahy isika, na dia mety ho toa tsy mendrika izany aza ilay iresahantsika. Tokony hahafinaritra foana ny tenintsika, fa tsy ho henjana na hoe hivantambantana. Olona maro no ao anatin’ny fanerena faran’izay mafy, ary iharan’ny fitenenan-dratsy isan’andro. Rehefa mitsidika olona toy izany isika, dia mety hanao teny masiaka amintsika izy. Ahoana no tokony havalintsika? Hoy ny Baiboly: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.” Afaka mampitony olona iray manohitra ny fomba fihevitsika koa ny valin-teny toy izany. (Ohab. 15:1; 25:15) Ny olona entina amin-kerisetra isan’andro dia ho voasinton’ny fihetsika sy ny feo maneho hatsaram-panahy, ka mety hihaino ilay vaovao tsara entintsika. Tsy maniry hifamaly amin’ireo izay tsy tia na tsy manaja ny fahamarinana isika. Irintsika kosa ny hiara-manjohy hevitra avy amin’ny Soratra Masina amin’izay olona hamela antsika hanao izany. Na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra hitantsika, dia tadidintsika foana fa tokony hamaly amin-katsaram-panahy isika. Tokony hasehontsika amin’ny valintenintsika koa fa matoky ireo fampanantenana sarobidy nataon’Andriamanitra isika.—1 Tes. 1:5. Fanapahan-kevitra manokana sy mahakasika ny feon’ny fieritreretana Rehefa manontany anao izay tokony hataony ao anatin’ny tarehin-javatra iray ny mpianatra Baiboly iray na ny mpiray finoana iray, inona no tokony havalinao? Mety ho fantatrao izay hataonao. Ny tsirairay anefa no tsy maintsy tompon’andraikitra ny amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny tenany manokana. (Gal. 6:5) Nohazavain’ny apostoly Paoly fa nampirisika ny olona nitoriany mba ‘hanaiky noho ny finoana’ izy. (Rom. 16:26) Ohatra tsara dia tsara tokony harahintsika izany. Ny olona iray mandray fanapahan-kevitra mba hampifaly ilay mampianatra azy ny Baiboly na ny olonkafa iray fotsiny, dia manompo olona, fa tsy miaina araka ny finoana. (Gal. ` 1:10) Koa tsy hanampy ny olona toy izany ary ny fanomezana azy valin-teny tsotra sy mivantana. ` Ahoana ary no azonao anomezana valin-teny mifanaraka amin’izay atoron’ny Baiboly? Mampisehoa toro lalana sy ohatra mifanentana tsara avy

69

70

Fantaro Izay Tokony Havalinao ao amin’ny Baiboly. Azonao aseho aminy ihany amin’ny toe-javatra sasany ny fomba fanaovana fikarohana, mba hahitany samirery an’ireo toro lalana sy ohatra ireo. Azonao resahina mihitsy aza ireny toro lalana ireny sy ny fianarana azo avy amin’ireny ohatra ireny, saingy aza ampiharina amin’ilay tarehin-javatra. Anontanio ilay olona raha mahita zavatra mety hanampy azy handray fanapahan-kevitra maneho fahendrena izy, ao amin’izy ireny. Ampirisiho izy hijery raha manampy azy hahita ilay lalana hampifaly an’i Jehovah ireny toro lalana sy ohatra ireny. Raha manao izany ianao, dia hanampy azy ‘hizatra hampiasa tsara ny sainy, mba hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy.’—Heb. 5:14.

Fanomezana valin-teny any amin’ny fivorian’ny fiangonana Matetika ireo fivoriana kristianina no manome antsika fahafahana hanao fanambarana ampahibemaso momba ny finoantsika. Fomba iray anaovantsika izany ny fanomezana valin-teny. FANOMEZANA Ahoana no tokony hanaovantsika izany? Amin’ny faniriana VALIN-TENY ANY ny hidera an’i Jehovah, na hanao teny tsara momba azy. IzaAM-PIVORIANA ny no nataon’i Davida, mpanao salamo, teo anivon’olona maro be tafangona. (Sal. 26:12) Tokony hampahery ireo ˙ Raha tondroina voalohany mpiray finoana amintsika koa ny valin-tenintsika, ka haianao, dia valin-teny ndrisika azy ireo ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara”, tsotra sy mivantana araka ny nampirisihan’ny apostoly Paoly. (Heb. 10:23-25) omena Afaka manampy antsika hanao izany ny fanomanana ilay ˙ Amin’ny valin-teny fianarana mialoha. fanampiny, dia 1) asehoy Ataovy tsotra sy mazava ary fohy ny fanazavanao, rehefa ny ifandraisan’ny andinin-teny voatonona voatondro hamaly ianao. Aza miresaka momba ilay fehiiray amin’ilay hevitra, na ntsoratra manontolo, fa hevitra iray monja resahina. Raha 2) lazao ny ifandraisan’ tsy manome afa-tsy tapany iray amin’ilay valin-teny ianao, ilay fanazavana amin’ny dia ho afaka hanome fanazavana fanampiny ny hafa. Tena fiainantsika, na tsara raha asongadina ireo andinin-teny voatonona. Rehefa 3) hazavao ny fampiharana ilay manao izany ianao, dia sariho ny saina ho amin’ilay tapany fanazavana, na amin’ilay andinin-teny izay mihatra amin’ilay zavatra resa` 4) mitantara zavatra fohy hina. Mianara manome valin-teny amin’ny fomba fiteniiray izay hanasongadina nao, fa tsy hamaky izay ao amin’ilay fehintsoratra. Aza sosohevi-dehibe iray tra raha tsy tafavoaka tsara ilay valin-teninao. Mitranga ˙ Henoy tsara ny tsindraindray amin’ny olona rehetra ny toy izany. valin-tenin’ny hafa, mba Miharihary fa tsy ny fahalalana ny valiny fotsiny no tafihahafantarana izay mbola ditra amin’ny fahaizana ny fomba tokony hamaliantsika. azonao lazaina Mitaky fahaiza-manavaka izany. Tena afa-po anefa ianao, re˙ Manomeza valin-teny hefa manome valin-teny avy amin’ny fonao sy manohina amin’ny fomba fiteninao ny fon’ny hafa!—Ohab. 15:23.

Fifandraisana An-taratasy NAHATONGA ny fiainana sy ny fitondran-tenan’ny olona an-tapitrisany maro ho tsara kokoa ny taratasy. Taratasy ny ankamaroan’ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, tany am-boalohany. Manoratra taratasy isika amin’izao andro izao, noho ny antony maro: hilazana sy hahazoana vaovao amin’ny namana, hampaherezana ireo vao tonga mpino na ireo rahalahy sy anabavy vao nahazo andraikitra manokana, sy hanatanjahana ireo izay misetra zava-tsarotra, ary hampitana fanazavana ilain’ny fiangonana.—1 Tes. 1:1-7; 5:27; 2 Pet. 3:1, 2. Fomba fitoriana mandaitra koa ny fanoratana taratasy. Any amin’ny toe` rana sasany, dia mety hisy trano be tsy azo idirana na tanana kely sarotra aleha, ka tsy ahafahantsika mitory. Tsy ao an-tranony ny olona sasany amin’ ny ankabeazan’ny fotoana, ka tsy hitantsika, rehefa mitory isan-trano isika. Ny hafa mipetraka any amin’ny toerana mitokana. Mety ho voatery hijanona ao an-trano ianao indraindray noho ny aretina, ny andro ratsy na ny antony hafa. Mety ho afaka hanoratra taratasy ve ianao amin’izay, mba hanohizana ny fitoriana nataonao tamin’ny havana iray na ny olona iray nanaovana fitoriana tsy ara-potoana? Nifindra trano ve ny iray tamin’ireo olona nampianarinao ny Baiboly? Angamba taratasy iray avy aminao no hany ilainy mba hihazonana ny fahalianany ara-panahy. Na angamba koa ianao afaka mandefa taratasy misy teny ara-baiboly ho an’ireo izay vao nanambady, niteraka na namoy hava-malala. Fitoriana an-taratasy Rehefa manoratra mba hitory amin’ny olona mbola tsy hitanao ianao, dia ampahafantaro aloha ny tenanao. Hazavao fa manao asa an-tsitrapo atao maneran-tany ianao. Lazao fa Vavolombelon’i Jehovah ianao, raha hitanao fa mety. Ampahafantaro an’ilay olona hoe nahoana ianao no manoratra fa tsy mandeha mitsidika azy. Manorata toy ny hoe mifanatri-tava amin’ilay olona ianao. Na izany aza, araka ilay toromarika hoe “hendre ` tahaka ny menarana, ary mora tahaka ny voromahailala”, dia eritrereto tsara ny habetsahan’ny zavatra hampahafantarinao momba ny tenanao. —Matio 10:16. Soraty ao amin’ilay taratasy izay ho nolazainao tamin’ilay olona, raha afaka nitsidika azy ianao. Azonao ampiasaina ny fampidiran-dresaka iray ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, na ny fomba fampiseho hevitra ara-baiboly iray tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana vao haingana. Afaka mametraka fanontaniana iray ianao, sy mampirisika ilay olona hieritreritra

71

72

Fifandraisana An-taratasy momba azy. Ny mpitory sasany dia manazava fotsiny fa manana fandaharana maimaim-poana hamaliana fanontaniana ara-baiboly isika, ary avy eo izy dia manonona ny lohateny sasany ao amin’ny iray amin’ireo boky fianarantsika. Misy taratasy fanaovana fitoriana omena ho modely eo amin’ ny pejy faha-73. Mety hanome hevitra anao izy io, nefa tsara raha ovaovana izay raketiny. Raha tsy izany, dia mety hahazo taratasy mitovy foana ny olona. Misy olona tsy tia mamaky taratasy lava avy amin’ny olona tsy fantany. ` Koa mety ho fahendrena ary ny manoratra taratasy fohy. Aza atao lava loatra ny taratasinao, sao hamizana ilay andefasanao azy. Tsara raha ampiarahinao amin’ny taratasy fanasana ho amin’ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana ny taratasinao. Raha heverinao fa mety, dia mandefasa taratasy mivalona, bokikely, na Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! iray, ary hazavao fa afaka mahazo azy ireo tsy tapaka izy, raha tiany. Na anontanio izy raha azo atao ny mitsidika azy any an-tranony, mba hiresahana aminy misimisy kokoa. Teny kely momba ny fanoratana taratasy Jereo ilay taratasy modely. Mariho izao manaraka izao: 1) Madio sy milamina izy io, fa tsy mikorontana. 2) Na dia very aza ilay valopy, dia mbola manana ny anarana sy ny adiresin’ilay mpandefa ihany ilay andefasana. 3) Voalaza amin’ny fomba tsotra sy mivantana ao amin’ny fehintsoratra voalohany ny anton’ilay taratasy. 4) Hazavaina ao amin’ny fehintsoratra iray miavaka ny hevi-dehibe tsirairay avy. 5) Rehefa heverina ny anton’ilay taratasy, dia tsy fomba fiteny eo amin’ny olona mifankazatra be, na fomba fiteny fatra-panaja be, no ampiasaina. Ny taratasy ofisialy kokoa, toy ny taratasy alefan’ny mpitan-tsoratry ny fiangonana ho an’ny biraon’ny sampana, dia tokony hisy ny anaran’ilay fiangonana, ary koa ny anaran’ilay mpitan-tsoratra sy ny adiresiny, ary ny daty. Tokony hatao ao koa ny anarana sy ny adiresin’ilay olona na fikambanana anoratana. Arahina teny fiarahabana mifanentana amin’ny anton’ilay taratasy izany. Ho famaranana ilay taratasy, amin’ny fiteny sasany, dia misy teny fanehoana fanajana na firarian-tsoa, alohan’ny sonia. Tokony hatao sora-tanana ilay sonia. Ao amin’ny taratasy rehetra, na inona izany na inona, dia hamarino fa tsy misy diso ny tsipelina, ny fitsipi-panoratana, ny mari-piatoana, ary koa madio sy milamina ilay izy. Hahatonga ny taratasinao sy ny hafatra raketiny ho mendrika izany. Aza hadinoina mihitsy ny manisy adiresin’ny mpandefa eo amin’ny valopy, ny adiresinao no tsara indrindra. Raha heverinao fa tsy ho fahendrena ny hanomezana ny adiresinao, rehefa mitory an-taratasy amin’ny olona

Fifandraisana An-taratasy tsy fantatrao ianao, dia anontanio ireo anti-panahy raha hekeny ny hampiasanao ny adiresin’ilay anti-panahy fandefasana ny taratasin’ny fiangonanareo. Tsy tokony hampiasaina amin’izany na oviana na oviana ny adiresin’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria izany dia hahatonga hevi-diso hoe ny biraon’ny Fikambanana no nandefa ny taratasinao, ary hiteraka fisafotofotoana. Raha tsy misy adiresin’ny mpandefa, nefa misy boky na gazety ao anatin’ilay valopy, izany koa dia mety hahatonga hevidiso hoe ny Fikambanana no nandefa azy. Aza hadinoina ny manisy hajia ampy vidy tsara, indrindra fa raha asianao boky na gazety ilay valopy. Tadidio fa any amin’ny tany maro, dia lafo kokoa noho ny amin’ny taratasy tsotra ny hajia tsy maintsy aloa, rehefa asiana bokikely na gazety ilay valopy. Ny fomba fiteny tsara Raha vao vitanao ny taratasinao, dia vakio mba hanamarinana izay nosoratanao. Manao ahoana ny famakianao azy? Maneho hatsaram-panahy sy fahaiza-manaja ve ilay izy? Ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy no anisan’ny toetra iezahantsika haseho, rehefa mifandray amin’ny hafa isika. (Gal. 5: 22, 23) Koa raha voamarikao fa misy fomba fiteny tsy dia mahafinaritra na maneho tsy fahafaliana, dia ahitsio ilay fomba filazanao zavatra. Tonga any amin’ny toerana tsy tonganao ny taratasy. Izany fotsiny dia efa mahatonga azy io ho fitaovana manan-danja eo amin’ ny fanompoana. Koa satria misolo tena anao sy ny zavatra misy vidiny aminao ny taratasinao, dia asio fiheverana izay lazainy, sy ny fisehony ary ny fihetseham-po ampitainy. Mety ho izy io no hany ilaina mba hitondrana olona iray ho eo amin’ny lalan’ny fiainana, na mba hanatanjahana na hampaherezana azy.

Rajaonadaba Maria Lot 124, Lalana Fanjakana Paradisa 101 Antananarivo 1 Jona 20— Ho an-dRamatoa Ratsarafanahy, Izaho sy ny vadiko, tompoko, dia mipetraka eto amin’ny faritra misy anao koa. Tsy nanana fahafahana hiresaka taminao izahay, nefa manana vaovao lehibe tianay hampitaina aminao. Ho hitanao ao amin’ilay taratasy mivalona ampiarahiko amin’ity taratasy ity izany. Mandray anjara amin’ny asa iray ataon’ny mpiasa an-tsitrapo any amin’ny tany maherin’ny 200, izahay. Any amin’ireo tany rehetra ireo, dia asainay ny olona hanaraka fandaharana izay manampy azy hahafantatra ny valiny ara-baiboly ho an’ny fanontaniana lehibe toy ny hoe: Nahoana isika no mihantitra sy maty? Inona no zava-kendren’ny fiainana? Ahoana no hahitantsika tena fahasambarana? Manao io asa io izahay, satria tena miahy ny mpiara-belona aminay. Tsy asa ara-barotra akory izy io. Manantena izahay fa ho afaka hihaona sy hiresaka aminao any aoriana kely. Aza misalasala koa ny hifandray aminay amin’ilay adiresy etsy ambony. Mirary soa ho anao sy ny fianakavianao izahay.

[Sonia]

73

Mandrosoa Hatrany REHEFA nianatra hampihatra voalohany ireo toro lalan’ny Baiboly ianao, dia nanomboka niova tsikelikely ireo fomba fisaina sy fiteny ary fitondrantena raiki-tampisaka tao aminao. Be dia be tamin’izany fiovana izany no efa nataonao, na dia talohan’ny nisoratanao anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana aza. Tsy maintsy ho efa tonga hatramin’ny fanolorana ny fiainanao ho an’i Jehovah ianao izao. Midika ve izany fa afaka mijanona tsy mandroso intsony ianao? Tsia. Vao fiandohana fotsiny ny batisanao. Efa anti-panahy kristianina i Timoty mpianatra, fony izy nasain’i Paoly ‘nisaintsaina’ ny torohevitra nomena azy sy ireo tombontsoam-panompoana nankinina taminy—na hoe ‘nifantoka tanteraka’ tamin’ireo zavatra ireo—mba ‘hiseho tamin’ny olona rehetra ny fandrosoany.’ (1 Tim. 4: 12-15) Na vao nanomboka nanaraka ny lalan’ny fahamarinana ianao, na efa za-draharaha eo amin’ny fomba fiaina kristianina, dia tokony haniry hanao fandrosoana. Fahalalana sy fiovana Mamaky isika ao amin’ny Efesiana 3:14-19 fa nivavaka ny apostoly Paoly mba hahaizan’ny mpiray finoana taminy ‘hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halalin’ny’ fahamarinana. Noho izany, dia nanolotra lehilahy ho fanomezana i Jesosy, mba hampianatra sy hanitsy ary hampiorina ny fiangonana. Hanampy antsika “hitombo” ara-panahy ny fisaintsainana tsy tapaka ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, miaraka amin’ny tari-dalan’ny mpampianatra za-draharaha.—Efes. 4: 11-15. Mitombo ara-panahy ianao, rehefa ‘nohavaozina tamin’ny fanahin’ny sainao.’ Ny hevitr’izany dia hoe manjary manana toe-tsaina matanjaka, mifanaraka amin’ny an’Andriamanitra sy i Kristy. Mitaky fifampikasohana tsy tapaka amin’ny fomba fisainan’izy ireo izany, mba hahafahana ‘hitafy ny toetra vaovao.’ (Efes. 4:23, 24) Rehefa mianatra ireo Filazantsara ianao, moa ve ianao mahita ireo fitantarana momba ny fiainan’i Kristy ireo ho toy ny modely tokony harahinao? Moa ve ianao miezaka hahita ireo lafintoetra samihafa nasehon’i Jesosy, ary avy eo dia tena manao ezaka mba hanahafana azy ireo?—1 Pet. 2:21. Lafiny iray azo amantarana ny halehiben’ny fandrosoana vitanao ny zavatra ataonao anton-dresaka. Tsy mampiasa lainga, teny ratsy, teny vetaveta, na teny tsy mampahery, ireo efa nitafy ny toetra vaovao. Ny tenin’izy ireo kosa dia “tsara ho fampandrosoana, ... mba hahazoan’ny mihaino fa-

74

Mandrosoa Hatrany hasoavana.” (Efes. 4:25, 26, 29, 31; 5:3, 4; Joda 16) Hita avy amin’ny resaka sy ny teny ataony amin’olona sy any am-pivoriana fa manova ny fiainany ny fahamarinana. Manome porofo iray hafa ny amin’ny fandrosoanao ianao, raha tsy “ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra” intsony. (Efes. 4:14) Manao ahoana, ohatra, ny fihetsikao, rehefa manototra anao amin’ny hevi-baovao, fomba fihevitra vaovao, na fialamboly vaovao, ity tontolo ity? Moa ve ianao alaim-panahy hanao ireo zavatra ireo amin’ny fotoana tokony hatokanao ho amin’ny adidinao ara-panahy? Tena hisakana ny fandrosoanao ara-panahy izany. Ho fahendrena kokoa ny maka fotoana mba hikatsahana zavatra ara-panahy!—Efes. 5: 15, 16. Lafiny iray amantarana ny fandrosoanao ara-panahy koa ny fomba itondranao ny hafa. Nianatra ny ‘hiantra sy hamela ny helok’ireo’ rahalahinao sy anabavinao ve ianao?—Efes. 4:32. Tokony hiharihary any amin’ny Efitrano Fanjakana sy ao an-trano ny fandrosoanao eo amin’ny fanaovan-javatra araka ny fomban’i Jehovah. Tokony ho hita koa izany, rehefa any am-pianarana sy eo anatrehan’ny besinimaro ary any am-piasana ianao. (Efes. 5:21–6:9) Raha maneho toetra araka an’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa ianao amin’ireo toejavatra rehetra ireo, dia tena hiharihary ny fandrosoanao. Ampiasao ny talentanao Nanankinan’i Jehovah fahaizana sy talenta ny tsirairay amintsika. Manantena ny hampiasantsika azy ireo mba hanasoavana ny hafa izy. Ampiasainy toy izany isika, mba hanehoana ny hatsaram-panahiny tsy manampaharoa. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera momba izany: “Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana ... izay an’Andriamanitra.” (1 Pet. ` 4:10) Ahoana ary no itandremanao io zavatra nankinina taminao io? Nanohy ny teniny i Petera hoe: “Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:11) Io andinin-teny io dia manantitrantitra ny andraikitra hiteny mifanaraka tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hanomezam-boninahitra azy. Tokony hanome voninahitra an’i Jehovah koa ny fomba itenenana. Ny fampiofanana azonao ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana dia hanampy anao hampiasa toy izany ny talentanao, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ` amin’ny fomba anampianao ny hafa. Raha izany ary no tanjonao, dia ahoana no tokony hamaritanao ny fandrosoanao ao amin’ilay sekoly? Aza ny isan’ireo lafin-javatra efa notandremanao eo amin’ny taratasintorohevitrao, na ny karazana anjara nomena anao, no jerena, fa ny

75

76

Mandrosoa Hatrany fanampiana azonao mba hanatsarana ny fanati-piderana ataonao. Mampiofana antsika hahita vokatra kokoa eo amin’ny fanompoana ilay seko` ly. Koa manontania tena ary hoe: ‘Tena manomana izay holazaiko eny amin’ny fanompoana ve aho? Nianatra ny haneho fiheverana an’ireo itoriako ve aho? Moa ve aho mametraka fototra hiverenana hitsidika ny olona, amin’ny fametrahana fanontaniana iray aminy, mba horesahina amin’ny manaraka? Raha mampianatra ny Baiboly ny olona iray aho, moa ve aho miezaka mba ho mpampianatra mahay kokoa, izay mahay manohina ny fon’ny olona?’ Aza ny tombontsoam-panompoana omena anao fotsiny no anombanana ny fandrosoana vitanao. Tsy ny anjara azonao no ahitana ny fandrosoanao, fa izay ataonao amin’io anjara io. Raha nomena anjara iray misy fampianarana ianao, dia manontania tena hoe: ‘Tena nampihatra ny fahaiza-mampianatra ve aho? Nanampy ny mpihaino hitondra fiovana eo amin’ ny fiainany ve ny fomba nanaovako iny anjarako iny?’ Milaza fahasahiana hanombo-javatra ilay fampirisihana anao hampiasa ny talentanao. Sahy manatona ny hafa mba hiara-miasa aminy eo amin’ny fanompoana ve ianao? Mitady fahafahana hanampy mpikambana vaovao, tanora na osa anisan’ny fiangonanao ve ianao? Manolo-tena hanadio ny Efitrano Fanjakana na hanampy amin’ny fomba maro hafa any amin’ny fivoriambe ve ianao? Afaka manao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy tsindraindray ve ianao? Afaka manao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra, na manampy any amin’ny faritany mila fanampiana ve ianao? Raha rahalahy ianao, miezaka ve ianao mba hahafeno ireo fepetra ara-baiboly takina amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana sy ny antipanahy? Anisan’ny famantarana ny fandrosoanao ny fahavononanao hanolotra fanampiana sy hanaiky andraikitra.—Sal. 110:3. Ny fianarana azo avy amin’ny zavatra niainana Raha mahatsiaro ianao fa voafetra ny mety ho vitanao, noho ianao mbola tsy za-draharaha eo amin’ny fomba fiaina kristianina, dia mahereza. Mahahendry ny tsy za-draharaha ny Tenin’Andriamanitra. (Sal. 19:7; 119:130; Ohab. 1:1-4) Mandray soa avy amin’ny fahendrena tonga lafatr’i Jehovah isika, rehefa mampihatra ny torohevitry ny Baiboly. Sarobidy lavitra noho izay fianarana azontsika avy amin’ny zavatra niainantsika fotsiny izany. Na izany aza, rehefa mandroso eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah isika, dia tena manjary za-draharaha eo amin’ny fomba fiaina kristianina. Ahoana no ahafahantsika mampiasa izany tsara? Rehefa avy niatrika toe-javatra maro isan-karazany teo amin’ny fiainana ny olona iray, dia mety halaim-panahy hieritreritra hoe: ‘Efa niainako io

Mandrosoa Hatrany toe-javatra io taloha. Fantatro izay tokony hatao.’ Fahendrena ve izany? Hoy ny fampitandreman’ny Ohabolana 3:7: “Aza manao anao ho hendry.” Ireo zavatra efa niainantsika dia tena hampivelatra ny fomba fijerintsika ireo lafin-javatra tokony hoheverina, rehefa misetra zava-tsarotra isika. Raha mandroso ara-panahy anefa isika, izany zavatra niainantsika izany dia vao mainka tokony hampiaiky antsika, ao an-tsaintsika sy ao am-po` ntsika, fa mila ny fitahian’i Jehovah isika. Ny fandrosoantsika ary dia miharihary, tsy noho isika feno fatokisan-tena rehefa misetra zava-tsarotra, fa noho isika mitodika avy hatrany any amin’i Jehovah, mba hahazoana tari-dalana. Miseho ny fandrosoantsika rehefa matoky isika fa tsy hisy na inona na inona hitranga raha tsy avelany. Miseho koa izany rehefa mihazona fifandraisana amin’ilay Raintsika any an-danitra, izay itokisantsika sady tiantsika, isika. Manohiza miezaka hahatratra izay eo aloha Na dia efa Kristianina voahosotra sy matotra ara-panahy aza ny apostoly Paoly, dia nanaiky fa nila nanohy ‘niezaka hahatratra izay eo aloha’ ny tenany. (Fil. 3:13-16) Manana izany fomba fijery izany koa ve ianao? Efa tonga hatraiza ny fandrosoana vitanao? Mba hahafantaranao izany, dia diniho ny fitafianao ny toetra vaovao, sy ny fanekenao ny fitondran’i Jehovah, ary ny fampiasanao ireo talentanao mba hiderana an’i Jehovah. Rehefa mandray soa avy amin’ny fampianarana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ianao, dia tokony hiharihary tsikelikely eo amin’ny fomba fiteninao sy fampianatrao ireo toetra tsara asongadin’ny Tenin’Andriamanitra. Tadidio tsara ao an-tsaina ny fitomboanao tamin’ireo lafiny ireo. Eny, mifalia noho ireo, ary dia hiharihary ny fandrosoanao.

INONA AVY IREO TANJONAO ARA-PANAHY? Tanjona azo tratrarina inona avy no tokony ho vitanao amin’ny taona ho avy? 1.

























































































2.



























































































Tanjona lavitra ezaka inona avy no sarobidy aminao, ka mahatapa-kevitra anao hiezaka mafy hahatratra azy? 1.

























































































2.



























































































3.



























































































77

Fandaharana mba Hianarana ny Fahaizana Miteny sy Mampianatra NA TANORA ianao na efa be taona, na lahy ianao na vavy, io fandaharana io dia hanampy anao hanatsara ny fahaizanao milaza hevitra sy mampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Ny mpiandraikitra ny sekoly no hanapa-kevitra ny amin’ny anjara hataon’ireo misoratra anarana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Ho hitanao eo amin’ireo pejy telo manaraka ny taratasin-torohevitrao manokana. Ireo tarehimarika eo alohan’ny zavatra hotandremana tsirairay dia mifanitsy amin’ny laharan’ireo lesona hita ao amin’ireo pejy manaraka. Haseho ao amin’ireo lesona ireo izay tokony hataonao mba hianarana ireo lafiny samihafa amin’ny fahaiza-miteny sy mampianatra ireo, sy ny maha zava-dehibe ny tsirairay aminy. Ho hitanao ao koa ny fomba hampiharana ny torohevitra omena ao. Ireo loko samy hafa eo amin’ilay taratasin-torohevitra dia mampahafantatra hoe iza amin’ireo zavatra hotandremana no mihatra 1) amin’ny famakian-teny, 2) amin’ny fifampiresahan’ny olona roa na mahery, na 3) amin’ny lahateny. Ny mpiandraikitra ny sekoly no hifidy ny zavatra tokony hotandremanao. Tsara kokoa raha zavatra iray isaky ny anjara no tandremana. Hanampy anao ny fanaovana ireo fanazaran-tena eo amin’ny faran’ny lesona manazava ilay zavatra hotandremanao. Raha hita fa nampiharinao tsara ilay torohevitra ao amin’ilay lesona voatondro, dia hifidy zavatra iray hafa ilay mpanome torohevitra anao. Raha tokony ho fifampiresahana ny anjaranao, dia hila faritra ianao. Misy faritra maromaro voatanisa eo amin’ny pejy faha-82, nefa tsy voafetra io lisitra io. Mety hamela anao hifidy faritra iray ilay mpanome torohevitra, na hanondro iray ho anao, mba ho za-draharaha amin’izy io ianao. Vakio ity boky ity, ary ataovy ireo fanazaran-tena omena ato, na dia tsy manana anjara amin’ny sekoly aza ianao. Tena hanampy anao handroso izany. Angamba ianao afaka mianatra lesona iray isan-kerinandro eo ho eo. Mbola afaka mihatsara foana ianao, na hafiriana na hafiriana no nanao sekoly na nandray anjara tamin’ny fanompoana. Enga anie ianao handray soa feno avy amin’ny fampianarana omen’ny Sekolin’ny Fanompoana. 78

DATY DATY NANENDRENA O NAHAVITANA

LAHATENY

FIFAMPIRESAHANA

(Lesona No.)

FAMAKIAN-TENY

FANAZARAN-TENA

TARATASIN-TOROHEVITRA 1 Vakiteny tsy misy diso 2 Teny voatonona mazava tsara 3 Fanononana mety tsara 4 Fitenenana misosa tsara 5 Fiatoana araka ny tokony ho izy 6 Fanamafisan-kevitra mety tsara 7 Fanamafisana ireo hevitra fototra 8 Hamafin’ny feo antonony tsara 9 Fanovaovam-peo 10 Hafanam-po 11 Hatsaram-panahy sy fihetseham-po 12 Fihetsehana sy izay asehon’ny endrika 13 Fijerena ny mpihaino eo amin’ny masony 14 Fiteny tsotra, tsy amboamboarina 15 Fisehoana ivelany tsara 16 Fahatoniana ˆ 17 Fampiasana mikro 18 Fampiasana Baiboly mba hamaliana 79

DATY DATY NANENDRENA O NAHAVITANA

LAHATENY

FIFAMPIRESAHANA

(Lesona No.)

19 Fampirisihana hampiasa Baiboly 20 Fahaizana mampiditra andininy 21

FANAZARAN-TENA

TARATASIN-TOROHEVITRA

Famakiana andininy misy teny hamafisina tsara

22 Fampiharana tsara ny andinin-teny 23 Fanasongadinana ny hevitra hampiharina 24 Fahaiza-mifidy teny 25 Fampiasana drafitra 26 Famelabelarana mirindra tsara 27 Fitenenana tsy an-kijery soratra 28 Toy ny miresaka andavanandro 29 Toetran’ny feo 30 Fiheverana ny hafa 31 Fanajana ny hafa 32 Fitenenana amim-patokisana 33 Mahay mandanjalanja, nefa hentitra Mahay mampahery sy mijery lafy 34 tsaran-javatra 35 Famerimberenana ho fanamafisana 36 Fahaiza-mamelabelatra ny foto-kevitra 80

DATY DATY NANENDRENA O NAHAVITANA

LAHATENY

(Lesona No.)

FIFAMPIRESAHANA

FANAZARAN-TENA

TARATASIN-TOROHEVITRA 37 Fanasongadinana ireo hevi-dehibe 38 Fampidiran-dresaka mahaliana 39 Famaranan-teny mandaitra 40 Filazana zavatra marina 41 Mora azon’ny hafa 42 Mampiana-javatra ny mpihaino 43 Mampiasa izay asaina velabelarina 44 Fahaiza-mampiasa fanontaniana 45 Fanoharana sy ohatra hoenti-mampianatra 46 Fanoharana avy amin-javatra mahazatra 47 Fahaiza-mampiasa zavatra hita maso 48 Fahaizana manjohy hevitra 49 Porofo marim-pototra 50 Fiezahana hanohina ny fo 51 Vita ara-potoana sy voatsinjara tsara 52 Fananarana mandaitra Fampaherezana sy fanatanjahana 53 ny mpihaino

81

Ovaovay ny Faritra Ampiasainao Azonao atao ny mampiasa ireto faritra ireto ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, araka ny filaharana tianao, rehefa tokony ho fifampiresahana ny anjaranao. Raha mbola azo atao koa, dia aza mampiasa faritra iray mihoatra ny indroa, raha tsy efa nampiasainao daholo aloha ny faritra hafa rehetra mifanentana amin’ny faritaninareo. Soraty eo amin’ny banga eo alohan’ny faritra tsirairay ny daty nampiasanao azy. Daty Nampiasana 































































































11. 12. 13. 14. 15. 16. 17. 18. 19. 20. 21. 22. 23. 24.





25.





26.









27. 28.









1. 2. 3. 4. 5. 6. 7. 8. 9. 10.

29. 30.

Fitoriana isan-trano Famaliana fanoherana Fiverenana mitsidika voalohany ny olona liana iray Fampisehoana ny fomba fianarana Baiboly, amin’ny firesahana voalohany Fampianarana Baiboly amin’olona tsy mahay mamaky teny tsara Fampianarana Baiboly amin’olona efa mandroso Fampirisihana mpianatra Baiboly hanatrika fivoriana Fandrisihana mpianatra Baiboly hampihatra torohevitra ara-baiboly iray Fiaraha-manao fanazaran-tena amin’ny mpitory tsy vita batisa Fampirisihana hamaky Baiboly: fampisehoana ny fanaovana azy na ny famakiana mandaitra ny boky iray ao amin’ny Baiboly Fitoriana amin’ny telefaonina Fitoriana eny an-dalana Fitoriana eny an-tsena na eny amin’ny toeram-pivarotana hafa Fitoriana tsy ara-potoana ao amin’ny efitra fiandrasana iray Fitoriana tsy ara-potoana ao anaty fitateram-bahoaka Fitoriana ao anatin’ny toe-javatra fahita eo an-toerana ` Fitoriana amin’ny mpiray tanana Fanazavana ny zavatra inoanao amin’ny havana tsy Vavolombelona Fanazavana ny zavatra inoanao amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra Fitoriana amin’ny mpampianatra, mpampiasa, na manam-pahefana Fitoriana amin’ny dokotera, mpisolovava, na ny toy izany Fitoriana amin’olona tsy mahay tsara ny fiteninao Firesahana amin’olona tsy mino an’Andriamanitra Fitoriana amin’ny Hindoa, Jiosy, Katolika, mpivavaka amin’ny razana, Protestanta, Silamo, na mpivavaka hafa eo an-toerana Fiaraha-miasa ao amin’ny fandaharana Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana Reny miara-manjohy hevitra amin’ny zanany, na tanora miara-manjohy hevitra amin’ny iray tam-po aminy Fampaherezana olona marary amin’ny alalan’ny Baiboly Fampiononana olona nidonam-pahoriana na ketraka, eny am-pitoriana, amin’ny alalan’ny Baiboly Olona be taona kokoa manome torohevitra ny tanora iray Faritra hafa mifanentana amin’ny faritaninareo

82

VAKITENY TSY MISY DISO



Inona no ilainao hatao? Mamaky amin’ny feo avo izay tena voasoratra eo amin’ilay pejy. Tsy mandingana teny na tapany amin’ny teny, na manolo teny iray amin’ny iray hafa. Manonona ireo teny amin’ny fomba mety. Manaja tsara ireo mari-piatoana sy mari-tsindrimpeo. MILAZA ny Soratra Masina fa ny hahatongavan’ny karazan’olona rehetra “amin’ny fahalalana ny marina” no sitrapon’Andriamanitra. (1 Tim. 2:4) Mifanaraka amin’izany, rehefa mamaky Baiboly amin’ny feo avo isika, dia tokony hiseho eo amin’ny fomba famakintsika ny faniriantsika hampita fahalalana marina. Mila mahay mamaky amin’ny feo avo ny Baiboly sy ny boky manazava ny Baiboly na ny tanora na ny antitra. Ary isika Vavolombelon’ i Jehovah dia manana andraikitra hizara ny fahalalana an’i JeNAHOANA IZANY hovah sy ny lalany amin’ny hafa. Matetika no mila mamaky NO TENA ILAINA? teny amin’olon-kafa isika amin’izany. Mamaky teny koa isika Ny vakiteny atao amim-pitaeo anivon’ny fianakaviana. Ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoandremana sy tsy misy diso dia na, dia mandray torohevitra mba hanatsarana ny famakiany tena ilaina mba hampitana fahalalana marina momba ny teny amin’ny feo avo ny rehetra, na rahalahy na anabavy, na fahamarinana ara-baiboly. antitra na tanora. Tokony horaisina ho zava-dehibe ny famakiana ny Baiboly ampahibemaso, atao amin’olona mitokana, na amin’ny fiangonana manontolo. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Fanampin’izany, dia “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ..., ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Heb. 4:12) Mirakitra fahalalana sarobidy tsy hita any an-toeran-kafa ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manampy ny olona iray hahafantatra ilay hany Andriamanitra marina sy hifandray tsara aminy ary handamina ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana, izy io. Manazava ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vao` vaon’Andriamanitra izy io. Ny zava-kendrentsika ary dia ny hamaky ny Baiboly amin’ny fomba tsara araka izay azontsika atao.—Sal. 119:140; Jer. 26:2. Ny fomba hamakian-teny tsy misy diso. Misy lafiny maro ny fahaizana mamaky teny tsara, fa ny fanaovana izany tsy misy diso no dingana voalohany. Ny dikan’izany dia hoe miezaka hamaky izay tena voasoratra eo amin’ilay pejy. Mitandrema mba tsy handingana teny na faran-teny, na handiso ny famakiana teny iray noho izy mitovitovy amin’ny teny hafa.

83

1

84

Vakiteny Tsy Misy Diso Mba hamakiana ireo teny araka ny tokony ho izy, dia mila mahazo ny hevitry ny teny manodidina azy ianao. Mitaky fanomanana tsara izany. Hihatsara ny fahaizanao mamaky teny tsy misy diso any aoriana, rehefa mihamahay ianao ka mahita mialoha ny fizotran’ireo hevitra. Tena ilaina ny mari-piatoana sy ny mari-tsindrimpeo eo amin’ny soratra. Ny mari-piatoana dia mety hanondro ny toerana tokony hiatoana, sy ny faharetan’ilay fiatoana, ary angamba ny tokony ho fiovan’ny feo hidina na hiakatra. Amin’ny fiteny sasany, dia mety ho lasa filazana tsotra ny fanontaniana, na mety hiova tanteraka ny heviny raha tsy ovana araka izay takin’ny mari-piatoana ny feo. Ny fitsipi-panoratana indraindray no mitaky ny mari-piatoana. Amin’ny fiteny maro, dia tsy marina ny vakiteny atao raha tsy arahina tsara ireo mari-tsindrimpeo, na ireo voasoratra izany na ireo atoron’ny hevitry ny teny manodidina. Manova ny feon’ilay litera misy azy ny mari-tsindrimpeo. Fantaro tsara ny fomba fampiasa ny mari-piatoana sy ny mari-tsindrimpeo amin’ny fiteninao. Izany no fanalahidy iray hanaovana vakiteny misy heviny. Tadidio fa ny hampita hevitra no tokony ho zava-kendrenao, fa tsy hanonona teny fotsiny. Ilaina ny manao fanazaran-tena, raha tianao ny hianatra hamaky teny tsy misy diso. Fehintsoratra iray ihany aloha vakina, ary averimbereno vakina ` ilay izy avy eo, mandra-pamakinao azy tsy misy diso. Avy eo, dia mifindra ho eo amin’ny fehintsoratra manaraka. Ary farany, dia miezaha hamaky pejy maromaro, ka tsy handingana, na hamerina, na handiso ny famakia-

MARI-PIATOANA Teboka (.) manondro fijanonana hamaranana fehezanteny. Faingo (,) milaza fiatoana kely, satria mbola tsy tapitra ny fehezanteny. Teboka amam-paingo (;) milaza fiatoana fohy kokoa noho ny teboka, nefa maharitra kokoa noho ny faingo. Teboka roa (:) mialoha fitanisan-javatra na tenin’ olona averina; mitaky fiatoana, saingy tsy midina ny feo. Tsoraka (!) maneho fiontanana na fihetseham-po. Baraingo (?) mitaky ny hamakiana ilay fehezanteny amin’ny feo somary ambony kokoa na miakatra.

Farango (sosona “ ”, na tokana ‘ ’) milaza fa tokony havahana amin’ny alalan’ny fiatoana ireo teny ao anatiny (fiatoana kely raha tapany amin’ny fehezanteny iray ireo teny ireo; maharitra kokoa, raha mahaforona fehezanteny feno izy ireo). Tsipika lava ao anaty fehezanteny (—), manavaka teny sasany, ary mitaky fiovana kely eo amin’ny feo na ny hafainganam-piteny. Fononteny ( ) sy fononteny mahitsy [ ] mampitokana teny hovakina amin’ny feo somary midina kely. Tsy ilaina hovakina ireo anaram-boky ao anaty fononteny, ary tsy mitaky fiovan’ny feo ireo teny ao anaty fononteny mahitsy, izay nampidirina mba ho feno ny hevitr’izay vakina.

Vakiteny Tsy Misy Diso

85

nao ireo teny. Rehefa avy nanao ireo dingana ireo ianao, dia mangataha olona iray hihaino ny vakiteninao sy hilaza izay diso mety hataonao. Manasarotra ny famakian-teny, ny maso tsy mahita tsara sy ny jiro tsy mazava, any amin’ny tany sasany. Asio fanamboarana ireo zavatra ireo raha azo atao, dia ho azo antoka fa hihatsara ny vakiteninao. Mety hasaina hamaky ampahibemaso ny fehintsoratra amin’ny Fianarana Boky sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ireo rahalahy mahay mamaky teny tsara. Tsy fahaizana manonona ireo NY FOMBA teny amin’ny fomba mety fotsiny anefa no ilaina amin’izany. HAHATONGAVANA Mba hahatongavana ho mpamaky teny ampahibemaso mahay AMIN’IZANY any am-pivoriana, dia mila mamboly fahazarana tsara eo amin’ Fanazaran-tena amin’ny feo ny vakiteny ataonao manokana ianao. Iray amin’izany ny fahaavo no fanalahidiny! takaranao fa samy manana ny asany ny teny tsirairay ao anatin’ Mangataha olona hihaino ny ny fehezanteny iray. Tsy afaka mandingana ny sasany amin’izy vakiteninao sy hilaza izay diso ireny ianao, ka mbola hahazo tsara ihany ny hevitr’izay lazaihataonao. na. Raha diso ny famakianao teny iray, na dia rehefa mamaky Rehefa manao fianarana samirery aza ianao, dia ho voaolana ny hevitr’ilay fehezanteny. manokana, dia mahaiza mamola-tena hamaky teny Ny teny nodisoina dia mety ho avy amin’ny tsy fahitana ireo amim-pitandremana. mari-tsindrimpeo na avy amin’ny tsy fahazoana ny hevitry ny Mianara mamaky fitambaranteny manodidina. Miezaha hahazo ny hevitry ny teny tsirairay teny, fa tsy teny tsirairay eo anivon’ireo teny manodidina azy. Mariho koa fa miankina fotsiny. amin’ny mari-piatoana ny hevitry ny fehezanteny. Tadidio fa ` mazana no teny maromaro miaraka no mampita hevitra. Fantaro izy ireny, satria amin’izay, rehefa hamaky amin’ny feo avo ianao, dia hamaky fitambaran-teny, fa tsy teny tsirairay. Raha azonao mazava tsara ny hevitr’izay vakinao, dia tena hanampy anao hampita fahalalana marina amin’ny hafa izany, rehefa mamaky teny ampahibemaso ianao. Anti-panahy kristianina efa za-draharaha no nanoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny.” (1 Tim. 4:13) Mazava fa afaka manatsara ny vakiteny ataontsika daholo isika rehetra.

FANAZARAN-TENA: Rehefa avy nanomana tsara ianao, dia mangataha namana na mpianakavy iray hanaraka ao amin’ny Baiboly, ny famakianao ny tapany iray amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Asaivo ajanony ianao isaky ny misy 1) teny voadingana, 2) teny diso famaky na mifamadika, na 3) mari-tsindrimpeo iray na mari-piatoana iray milaza fiatoana na fiovan’ny feo hidina na hiakatra, nefa tsy hitanao. Tsara raha atao mandritra ny folo minitra, fara fahakeliny, indroa na intelo, izany.

2

TENY VOATONONA MAZAVA TSARA



Inona no ilainao hatao? Manonona ireo teny mba ho azon’ny mpihaino mora foana. Tafiditra amin’izany 1) ny fahaizana mampiasa ny taovam-pitenenana sy 2) ny fahatakarana tsara ny firafitry ny teny tsirairay. MBA hahafahanao hampita hevitra, dia tsy maintsy miteny mazava tsara ianao. Mety hahaliana ilay zavatra tianao holazaina, mety ho zava-dehibe mihitsy aza, nefa ho very maina foana izany, raha tsy mora azo ny teny lazainao. Tsy voatosika hanao zavatra ny olona, raha tsy tena azony ny teny lazaina aminy. Na dia mafy sy mora re aza ny feon’ny olona iray, dia tsy hanosika ny hafa hampihatra izay lazainy ny teniny, raha miboredika izy. Toy ny hoe miteny amin’ny teny vahiny tsy azon’ilay NAHOANA IZANY mihaino azy, izy. (Jer. 5:15) Mampahatsiahy antsika toy izao NO TENA ILAINA? ny Baiboly: “Raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no Ho azon’ny hafa izay hiomana hiady? Dia toy izany koa hianareo: raha tsy mazava lazainao rehefa manonona ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra tsara ianao. Horaisiny ho izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin’ny rivotra zava-dehibe ny teny voatonona mazava tsara. hianareo.”—1 Kor. 14:8, 9. Inona no mahatonga ny teny tsy hazava? Tsy mazava ny teny, raha tsy misokatra tsara ny vava. Raha henjana koa ireo hozatry ny valanorano ary tsy mihetsika firy ny molotra, dia mety ho feo tsy mazava tsara no ho re. Mety tsy ho mora azo koa ny tenin’ny olona miteny haingana loatra. Mitovy amin’ny teny noraisim-peo alefa haingana kokoa noho ny tena izy izany. Eo daholo ireo teny, saingy tsy misy hevitra firy azo avy aminy. Misy olona manana kilema eo amin’ny taovam-pitenenany, ka tsy mazava ny teniny. Afaka manatsara ny fitenenany koa anefa izy ireo, raha manaraka ireo fanoloran-kevitra omena ato amin’ity lesona ity. Matetika anefa no tsy mazava ny tenin’ny olona iray satria miboredika izy, izany hoe miteny an-kisesy, ka tsy azo izay lazainy. Angamba izy mitelina litera na vaninteny lehibe na faran-teny sasany. Rehefa manonona teny maro miaraka an-kisesy ny olona iray, dia mety hahazo hevitra sy teny sasantsasany ihany ny mpihaino azy, fa voatery haminany ny hevitry ` ny teny hafa kosa. Raha tsy mazava ary ny fanononan’ny olona iray, dia tsy hisy vokany firy ny fampianarany. 86

Teny Voatonona Mazava Tsara

87

Ny fomba hitenenana mazava. Mba hanononana mazava tsara ireo teny, dia tsy maintsy azonao tsara ny firafitry ny teny tsirairay amin’ny fiteninao. Voaforona vaninteny maromaro ny teny tsirairay, amin’ny ankamaroan’ny fiteny. Ny vaninteny kosa voaforona litera iray na mihoatra, ` izay tononina miaraka. Amin’ireo fiteny ireo, dia miavaka tsara mazana ny fanononana ny vaninteny tsirairay, na dia tsy mitovy aza ny tsindrimpeo amin’izy rehetra. Raha tianao hazava kokoa ny fomba fiteninao, dia mitenena miadana kokoa ary miezaha mafy haNY FOMBA nonona ny vaninteny tsirairay. Mety ho toa tafahoatra, amin’ HANAOVANA AZY ny voalohany, ny fanasaratsarahana ireo vaninteny toy izaLazao sy vakio mazava tsara ny, nefa arakaraka ny anaovanao azy no hampisosa tsara ny teny tsirairay, izany hoe indray ny fiteninao. Te hiteny misosa tsara ianao indraindray, ` tonony araka ny tokony ho ka mety hilaza teny sasany tsy an-kiato. Tokony hohalavirina izy, ataovy mafy tsara ary tsy anefa izany, raha tsy mampahazava ny hevitr’ireo teny. haingana na miadana loatra. Teny kely fampitandremana: Mba hanatsarana ny fanonoAza miboredika na manononanao, dia ataovy tafahoatra ny fanasaratsarahana ireo vanina teny maro miaraka tsy an-kiato, ka tsy ho azon’ny nteny, rehefa mizatra miteny sy mamaky teny ianao. Aza mpihaino anao ny heviny. avela ho tonga fomba fiteninao anefa izany, satria tsy fomba ` Mitraka foana, ary sokafy tsafiteny tsotra no ho fandrenesana izany, fa amboamboarina. ra ny vavanao rehefa miteny. Raha somary tsy mafy tsara ny teninao, dia mianara ma` Mizara tsy hampihenjana ny mpitraka loha foana, ary ampanalaviro ny tratranao ny sao` hozatry ny hatoka, valanorakanao. Rehefa hamaky andinin-teny ianao, dia hazony ho no, molotra, tarehy ary ny ambony ny Baiboly. Topy maso midina kely fotsiny amin’izay hozatry ny tenda. no hilainao, rehefa avy mijery ny mpanatrika ianao. Tsy ho voasakantsakana ny teny aloaky ny vavanao amin’izay. Afaka manatsara ny fitenenanao koa ianao, raha mianatra manafoana ny fihenjanana. Iaraha-mahalala fa misy vokany ratsy eo amin’ny fomba hitenenana ny fihenjanan’ny hozatry ny tarehy sy ny hozatra mibaiko ny fifohana rivotra. Izany fihenjanana izany dia manelingelina ny fiarahamiasa tsaran’ny saina sy ny taova famoaham-peo ary ny fifohana rivotra; fiaraha-miasa izay tokony handeha ho azy, tsy misy fanakantsakanana. Aza henjanina ireo hozatry ny valanorano, mba hankatoavany mora foana ny baiko avy amin’ny atidoha. Aza henjanina koa ny molotra. Tokony ho afaka hitatra sy hikainkona haingana izy ireo, mba ho afaka hamarana tsara ireo feo mivoaka avy any amin’ny vava sy ny tenda. Raha henjana ny valanorano sy ny molotra, dia tsy hisokatra tsara ny vava, ary ho voatery hivoaka avy eo anelanelan’ny nify ny feo. Ho toy ny farina ny feo amin’izay, tsy ho mafy tsara no sady tsy hazava. Rehefa miezaka tsy hampihenjana ny valanoranonao sy ny molotrao anefa ianao, izany akory tsy midika hoe tsy miraharaha ny fomba fanononao ianao. Sady

88

Teny Voatonona Mazava Tsara

miezaka tsy hampihenjana ireo hozatra ireo ianao, no mizatra manonona feo mba hazava tsara. Mety hanampy anao ny famakiana teny amin’ny feo avo, rehefa mamakafaka ny fomba fiteninao ianao. Jereo tsara ny fomba fampiasanao ireo taovam-pitenenanao. Sokafanao tsara ve ny vavanao, mba tsy ho voasakantsakana ny fivoahan’ireo feo? Tadidio fa tsy ny lela ihany no hany taovam-pitenenana, na dia izy io aza no anisan’ny miasa indrindra. Samy mandray anjara avokoa ny hatoka, ny valanorano ambany, ny molotra, ny hozatry ny tarehy ary ny hozatry ny tenda. Toa tsy mihontsina mihitsy ve ny tarehinao, rehefa miteny ianao? Raha izany no izy, dia azo antoka fa tsy mazava ny teninao. Raha afaka mampiasa fandraisam-peo ianao, dia raiso feo ny resaka tsotra ataonao andavanandro, toy ny firesakao amin’ny olona eny amin’ny fanompoana. Resaka mandritra ny minitra maromaro no raiso feo. Ho afaka hamaritra tsara izay olana eo amin’ny fanononanao teny sasany ianao, rehefa mihaino izany resaka noraisim-peo izany. Mariho tsara rehefa niboredika ianao, tsy niteny mafy tsara, na nitelina teny, ary tadiavo ` ny antony. Mazana no azo ahitsy ilay fahalemena, rehefa arahina ireo hevitra noresahina teo aloha. Manana kilema mahatonga anao tsy hahay hiteny tsara ve ianao? Mi` zara manokatra ny vavanao mihoatra noho ny mahazatra, ary miezaha hanonona teny amim-pitandremana kokoa. Fenoy ny havokavokao rehefa mifoka rivotra, ary mitenena miadana. Olona maro tsy afaka niteny tsara taloha no nanjary nahay niteny mazava kokoa, rehefa nanao izany. Raha sarotra aminao ny manonona litera sasany, toy ny tr sy ny dr, izay tononinao hoe ts sy j, dia tandremo ny fipetraky ny lelanao, rehefa miteny. Na dia mety ho tsy afaka tanteraka aza ilay kilema, dia aza kivy. Tadidio fa nifidy an’i Mosesy, izay nety ho nanana kilema nahatonga azy tsy hahay hiteny tsara, i Jehovah, mba hampita hafatra lehibe tamin’ny vahoakan’ny Isiraely sy tamin’i Faraon’i Ejipta. (Eks. 4:10-12) Raha feno fahavononana ianao, dia hampiasa anao koa izy, ary hitahy ny fanompoanao.

FANAZARAN-TENA: Mitenena amin’ny fomba mahazatra anao. Misokatra tsara ve ny vavanao? Moa ve ianao mila manokatra azy kokoa sy manetsika kokoa ireo hozatry ny ` tarehinao? Mizara manao izany, eo am-pamakiana ny Matio 8:23-27. Atrakao foana ny loha ary miezaha tsy hampihenjana ireo hozatry ny valanoranonao.

FANONONANA METY TSARA



Inona no ilainao hatao? Milaza ny teny tsirairay tsy misy diso. Ny hevitr’izany dia hoe 1) mamoaka tsara ireo feo, rehefa miteny, sy 2) manisy ny tsindrimpeo eo amin’ny tokony hisy azy, ary 3) amin’ny fiteny maro, dia manaja tsara ireo mari-tsindrimpeo. TSY ny Kristianina rehetra no nianatra nandritra ny taona maro. Ny ` apostoly Petera sy Jaona aza dia nolazaina fa “tsy mba mpahay lalana na nampianarina.” (Asa. 4:13) Na izany aza, dia tsy tokony ho diso ny fanononanao ireo teny, satria lasa tsy mifantoka amin’ny fanazavanao ny Baiboly ny sain’ny mpihaino anao. Lafin-javatra tokony hodinihina. Tsy misy fitsipi-panononana tokana azo ampiharina amin’ny fiteny rehetra. NAHOANA IZANY Fiteny maro no soratana amin’ny literan’ny abidy latinina, NO TENA ILAINA? toy ilay ampiasaina amin’ny teny malagasy. Ankoatra io Mampitombo ny fahaabidy io, dia eo koa ny abidy arabo, grika, hebreo, ary rosiamendrehan’ilay hafatra nina. Ny teny sinoa dia tsy manana abidy, fa soratana torintsika ny fanononana kosa amin’ny tarehintsoratra voaforon-javatra maromaro. marina. Hifantoka amin’ilay ` hafatra entintsika koa ny Mazana ireo tarehintsoratra ireo no manondro teny iray na mpihaino amin’izay, fa tsy tapany amin’ny teny iray. Na dia mampiasa tarehintsoratra amin’izay teny tsy voatonosinoa aza ny teny japoney sy koreanina, dia mety ho feo ntsika tsara. hafa tanteraka no hanononana azy ireny, ary mety hilaza hevitra hafa izy ireny. Amin’ireo fiteny mampiasa abidy, dia lazaina hoe mahay manonona teny ny olona iray, raha mampiasa ilay feo mifanentana tsara amin’ny litera tsirairay na amin’ny litera maromaro miaraka. Tsy sarotra tononina ny fiteny toy izany rehefa manaraka fitsipika tsy miovaova, toy ny fahita amin’ny teny grika sy espaniola ary zoloa. Raha tafiditry ny fiteny vahiny anefa ny fiteny iray, dia mety hampiova ny fomba fanonona azy io ny fomba fanonona ilay teny vahiny. Noho izany, dia mety ho azo tononina amin’ny fomba maro ny litera iray na ny litera maromaro miaraka, na mety tsy hotononina mihitsy aza indraindray. Mety hila ny hanao tsianjery ireo teny maningana, sy hampiasa azy ireo matetika ianao, rehefa miteny. Amin’ny teny sinoa, raha te hanonona tsara ireo teny ny olona, dia mila manao tsianjery tarehintsoratra an’arivony maro. Amin’ny fiteny sasany, dia miova arakaraka ny fanovana 89

3

90

Fanononana Mety Tsara

ny feo hidina na hiakatra ny hevitry ny teny iray, hany ka hampita hevitra diso ny olona, raha tsy manaraka io fitsipika io. Raha voaforona vaninteny ireo teny ao amin’ny fiteny iray, dia tena ilaina ny mametraka ny tsindrimpeo lehibe indrindra eo amin’ilay vaninteny tokony hisy azy. Toa tsy dia miovaova firy ny fomba fametrahana ny tsindrimpeo, amin’ny fiteny maro manaraka izany rafitra izany. Izay teny maningana amin’izany no mety hisy mari-tsindrimpeo, rehefa soratana. Manamora ny tokony ho fanononana azy izany. Raha miovaova anefa fa tsy mitovy foana ny fomba fametrahana ny tsindrimpeo amin’ny fiteny iray, dia sarotra kokoa ny fanononana ireo teny. Tsy maintsy manao tsianjery teny be dia be ny olona amin’ izany. Amin’ny fiteny sasany, dia tena ilaina ireo marika eo ambony na eo ` ´ ˆ ˜ ¯ ˘ ˇ ¨ ambanin’ny litera sasany, toy ireto: e, e, o, n, o, u, c, o, c.¸ Mety ho efa voasoratra izy ireo, na ilay mpamaky teny no antenaina hanonona azy, arakaraka ny teny manodidina ilay teny mila azy. Amin’io toe-javatra farany io, dia mila manao fanomanana tsara ianao, rehefa tendrena hamaky teny ampahibemaso. Misy fandrika sasany tsy maintsy halavirina, raha ny amin’ny fanononana. Raha ataonao marina loatra ny fomba fanononao teny, dia hoheverin’ny olona ho manamboamboatra fiteny ianao, ho matin-kambo mihitsy aza. Marina koa izany, raha manonona teny amin’ny fomba fanonona tsy fampiasan’ny besinimaro intsony ny olona iray. Hisarika ny saina ho amin’ny tenany fotsiny izy amin’izany. Etsy andanin’izany kosa, dia halaviro ilay mifanohitra amin’izany, izany hoe ny tsy fitandremana, rehefa miteny na manonona teny. Efa noresahina tao amin’ny hoe “Teny Voatonona Mazava Tsara” ny sasany amin’ ireo torohevitra ireo. Mety hiova araka ny tany, ary araka ny faritany ao amin’ny tany iray mihitsy aza, ny fomba fanonona teny. Mety hiteny ilay fiteny eo antoerana araka ny fomba fanonony manokana ny vahiny iray. Ary amin’ ny fiteny sasany, ny diksionera dia mety hanome fomba fanonona maro samy azo ekena, ho an’ny teny iray ihany. Ahoana raha tsy nahita fianarana firy ny olona iray, na raha tsy fitenin-drazany ilay fiteny ampiasainy izao? Amin’izay izy dia tokony hihaino tsara an’ireo mahay miteny tsara ilay fiteny eo an-toerana, ka hanahaka ny fomba fanonon’izy ireo. Isika Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hampiasa fomba fiteny izay hampahamendrika ilay hafatra torintsika sy ho mora azon’ny olona.

Fanononana Mety Tsara

Teny fantatrao tsara ampiasaina, eo amin’ny resaka ataonao isan’ andro. Tsy zava-manahirana ny fanononana, eo amin’ny resaka andavanandro. Mety hahita teny tsy fampiasanao andavanandro anefa ianao, rehefa mamaky teny amin’ny feo avo. Ary ny Vavolombelon’i Jehovah dia mamaky teny amin’ny feo avo imbetsaka. Mamaky ny Baiboly amin’ny olona isika, rehefa mitory aminy. Tendrena hamaky ireo fehintsoratra mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana na amin’ny Fianarana Boky ny rahalahy sasany. FOMBA FANATSARANA Tena ilaina ny hamakiantsika teny araka ny marina, ka tsy NY FANONONANA ho diso fanonona teny, mba tsy hampiala ny sain’ny olona Raha misy fomba fanonona amin’ilay hafatra. ireo teny ny diksionera amin’ny fiteninao, dia Sarotra aminao ve ny manonona anarana sy teny sasany ampiasao tsara. ao amin’ny Baiboly? Amin’ny teny malagasy, ny mari-tsiMangataha olona mahay ndrimpeo eo amin’ny zanatsoratra iray dia milaza fa izy io mamaky teny tsara, mba no tokony hahazo ny tsindrimpeo. Ohatra tsara amin’ hihaino anao sy hanome ` izany ny teny hoe “ary” sy “ary” sy ny hoe “ety” sy torohevitra. ` “ety.” Mariho ny fomba fanonon’ ireo mahay miteny tsara; Fomba hanatsarana ny fanononana. Maro amin’ireo ampitahao amin’ny azy ny tsy mahay manonona no tsy mahalala izany akory. Raha anao. milaza aminao izay zavatra tokony hohatsarainao eo amin’ ny fanononanao ny mpiandraikitra ny sekoly, dia ankasitraho izany fanehoany hatsaram-panahy izany. Raha vao fantatrao ` ary fa misy tsy mety ny fanononanao, ahoana no hanatsaranao azy? Voalohany aloha, rehefa tendrena hamaky teny amin’ny feo avo ianao, dia mety hanampy anao ny fijerena diksionera. Jereo ireo teny tsy fantatrao. Raha tsy zatra mampiasa diksionera ianao, dia vakio ireo fanazavana eo amin’ireo pejiny voalohany, na mangataha olona hanazava azy ireo aminao. Averimbereno amin’ny feo avo izay teny rehetra avy nojerenao. Ny fomba faharoa azo anatsarana ny fanononana dia ny famakiana teny amin’olon-kafa, izay mahay manonona tsara, sy ny fangatahana azy hanitsy ny diso nataonao. Ny fomba fahatelo hanatsarana ny fanononana dia ny fihainoana tsara an’ireo mahay miteny tsara. Raha misy kasety nandraisana feo ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao na ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! amin’ilay fiteny ampiasainao na ianaranao, dia mahaiza manararaotra azy ireny. Rehefa mihaino azy ireny ianao, dia

91

92

Fanononana Mety Tsara

mariho ireo teny tononina amin’ny fomba hafa noho ny anao. Raiso an-tsoratra izy ireny, ary averimbereno amin’ny feo avo. Tsy ho diso fanonona ireo teny intsony ianao amin’ny farany, ary tena hihatsara ny fomba fiteninao.

FANAZARAN-TENA: Fantaro ny tokony ho fanonona izay teny tsy mahazatra anao ao amin’ny Salamo faha-83, na ny tapany iray ao amin’ny Baiboly izay tena manahirana anao. Manontania olona mahay tsara ilay fiteny. Mariho izay vaninteny tokony hasiana tsindrimpeo ao amin’ireo anarana hitanao ao; lazao amin’ny feo avo ny tsirairay aminy. Avy eo, dia vakio amin’ny feo avo ireo andinin-teny ireo.

Mila mizatra manonona tsara ireto teny ireto aho



































































FITENENANA MISOSA TSARA



Inona no ilainao hatao? Mamaky sy miteny mba hisosa tsara ny filazana ny teny sy ny hevitra. Tsy miahotrahotra na miadam-piteny be ny olona miteny misosa tsara. Tsy misy teny na hevitra mampiakanakana azy. REHEFA mamaky teny amin’ny feo avo ianao, mampiakanakana anao ve ny teny sasany? Na, rehefa manao lahateny eo anoloan’ny mpanatrika ianao, voamarikao ve fa matetika ianao no mitady izay teny holazaina? Raha izany no izy, dia mety tsy hisosa tsara ny fitenenanao. Mivoaka tsara, toa tsy misy misakantsakana, ny teny sy ny hevitry ny olona iray miteny sy mamaky teny misosa tsara. Tsy midika akory izany hoe tsy mitsaha-miteny izy, miteny haingana be, na hoe miNAHOANA IZANY teny tsy amim-pieritreretana. Mahafinaritra kosa ny mihaino NO TENA ILAINA? ny fomba fiteniny. Asiana fiheverana manokana ny fitenenaRehefa tsy misosa tsara ny na misosa tsara ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. fomba fitenin’ny mpandahaMety hisy antony samihafa mahatonga ny olona tsy hiteteny iray, dia mety hiriorio ny misosa tsara. Diniho raha misy mahakasika anao ireto tany sain’ny mpihaino; hevitra diso no mety ho azon’izy nisaina manaraka ireto: 1) Ny tsy fahafantarana ny teny saireo; ary mety tsy hampiaiky sany, rehefa mamaky teny ho an’ny hafa. 2) Ny fiatoana kely azy ireo izay lazaina. matetika loatra. 3) Ny tsy fanaovana fanomanana. 4) Ny fanazavana tsy mirindra tsara, mandritra ny fanaovana lahateny. 5) Ny tsy fananana voambolana ampy. 6) Ny fanamafisana teny betsaka loatra. 7) Ny tsy fahafantarana ny fitsipi-pitenenana. Tsy hivoaka ny Efitrano Fanjakana ara-bakiteny akory ny mpanatrika raha tsy misosa tsara ny fitenenanao, saingy mety hiriorio ny sainy. Ho vokany, dia mety ho very maina ny ankabeazan’izay lazainao. Tsy maintsy mitandrina kosa anefa ianao sao ilay fitenenana tianao haneho fatokisan-tena sy hisosa tsara iny ka manjary mandidindidy, eny, mahasanganehana ny mpihaino mihitsy aza. Raha heverin’ny olona ho mivantambantana na tsy misy fahatsoram-po ny fiteninao, noho izy ireo tsy mitovy kolontsaina sy fiaviana aminao, dia tsy hanohina ny fony ianao. Mpandahateny za-draharaha, ohatra, ny apostoly Paoly. Na izany aza, dia nanatona ny Korintianina tamin’ny “fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be” izy, mba tsy hisarihana ny sain’izy ireo ho amin’ny tenany, tsy amin’ny antony.—1 Kor. 2:3. 93

4

94

Fitenenana Misosa Tsara

Fahazaran-dratsy tokony hohalavirina. Olona maro no za-dratsy manao hoe “aaaa” rehefa miteny. Ny hafa mamerimberina teny toy ny hoe “izay”, “izay izany”, “ohatra ny hoe”, isaky ny fehezanteny. Angamba tsy fantatrao akory hoe manao izany matetika ianao. Nahoana raha manao fanazaran-tena ka mangataka olona iray mba hihaino anao sy hamerina ireo teny ireo isaky ny milaza an’ireo ianao? Mety ho gaga ianao, noho ny habetsahany. Misy olona mamerina teny vao avy nolazainy na novakiMBA HITENENANA ny, izany hoe manomboka fehezanteny iray izy, ary avy eo MISOSA TSARA dia manapaka ny teniny eny antenatenany, ka mamerina taRehefa mamaky gazety sy pany iray amin’izay voalazany teo. boky, dia asio marika ireo Ny hafa indray miteny haingana, nefa raha hevitra iray no teny vaovao, tadiavo izay tena heviny, avy eo dia anombohany ny fehezanteniny, dia manapaka ny teniny izy ampiasao izy ireny. ary milaza hevitra hafa indray. Na dia misosa tsara aza ny te` Mizara mamaky teny niny, dia mahatonga ny fitenenany tsy hisosa tsara ny fiovan’ amin’ny feo avo mandritra ny hevitra tampoka. ny dimy na folo minitra isan’ Fomba hanatsarana ny fitenenana. Raha sahirana foana andro. ianao mitady teny holazaina, dia mila miezaka mafy mba haOmano tsara ireo vakiteny mpitombo ny voambolanao. Mariho manokana ireo teny tsy asaina ataonao. Mariho mafantatrao ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohanokana ireo teny miaraka. Fantaro tsara ny fizotran’ny za! ary ny boky hafa vakinao. Jereo ao amin’ny diksionera ny hevitra. hevitr’ireny teny ireny, ary ampiasao izy ireny. Raha tsy misy Rehefa miresaka andavanadiksionera azonao ampiasaina, dia mangataha olona mahay ndro, dia mieritrereta aloha, tsara ilay fiteny mba hanampy anao. vao milaza fehezanteny feno Hahita fihatsarana ianao raha ataonao ho fahazarana ny tsy tapatapahina. mamaky teny amin’ny feo avo tsy tapaka. Mariho ireo teny sarotra, ary lazao amin’ny feo avo imbetsaka izy ireny. Mba hamakiana teny misosa tsara, dia ilaina ny mahatakatra hoe teny ` iza avy no miaraka ao anaty fehezanteny iray. Mazana no ilaina hovakina miaraka ny teny sasany, mba hampitana tsara ny hevitr’ilay mpanoratra. Mariho manokana ireny teny mandeha miaraka ireny. Asio marika izy ireny, raha manampy anao izany. Tsy ny hamaky teny tsy misy diso fotsiny akory no zava-kendrenao, fa ny hampita hevitra mazava tsara koa. ` Rehefa avy namakafaka fehezanteny iray ianao, dia mifindra amin’ilay manaraka, ary toy izany hatrany mandra-pamitanao ilay fehintsoratra ` manontolo. Fantaro tsara ny fizotran’ny hevitra. Avy eo, dia mizara mamaky teny amin’ny feo avo. Averimbereno vakina ilay fehintsoratra, mandra-pamakinao azy tsy miakanakana na miato eo amin’ny toerana tsy ` tokony hiatoana. Avy eo, dia mifindra amin’ny fehintsoratra manaraka.

Fitenenana Misosa Tsara

Manaraka izany, dia ampitomboy ny hafainganan’ny famakianao teny. Raha takatrao hoe teny iza avy no miaraka ao anaty fehezanteny iray, dia hahita teny maromaro indray miaraka ny masonao ary ho afaka haminany ilay teny manaraka ianao. Tena hanatsara ny famakianao teny izany. Tena fampiofanana tsara ny mizatra mamaky lahatsoratra mbola tsy hita mialoha. Mba hanaovana izany, ohatra, dia vakio amin’ny feo avo, tsy misy fanomanana mialoha, ny andinin-teny ho an’ny andro sy ny fanazavana azy; ataovy tsy tapaka izany. Zaro ny masonao hahita indray miaraka fitambaran-teny milaza hevitra feno, fa tsy teny tsirairay fotsiny. Rehefa miresaka ianao, dia mila mieritreritra aloha vao miteny, raha te hiteny misosa tsara. Ataovy ho fahazaranao isan’andro izany. Eritrereto izay hevitra tianao holazaina sy ny filaharana tianao hilazana azy ireo; ` ary avy eo vao manomboha miteny. Aza maimaika, fa milaza kosa hevitra

RAHA MIAKANAKAM-PITENY IANAO Antony maro no mety hahatonga ny olona hiakanakam-piteny. Ny fitsaboana manampy ny olona sasany dia mety tsy handaitra amin’ny hafa. Tena ilaina anefa ny manohy miezaka, raha tiana ny hahita fihatsarana. Moa ve mampahatahotra anao, mampivarahontsana anao mihitsy aza, ny hoe hamaly any am-pivoriana? Mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana ny fanampiany. (Fil. 4:6, 7) Ny hankalaza an’i Jehovah sy ny hanampy ny hafa no ifantohy. Aza manantena hoe hanjavona tanteraka ilay izy. Eritrereto kosa ilay fandrosoana efa vitanao noho ny fanampiana azonao. Rehefa mahita ny fitahian’i Jehovah sy ny fampaherezana omen’ny rahalahinao ianao, dia haniry hiezaka bebe kokoa. Mizatra miteny eo anatrehan’olona maromaro ianao ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Mety ho gaga ianao hahita fa tena vitanao tsara izany. Ny fitenenana eo anatrehan’olona manohana anao sy maniry ny hahombiazanao toy izany dia hanampy anao hahazo fatokisan-tena hiteny amin’ny toe-javatra hafa.

Omano tsara izay anjara na lahateny asaina hataonao. Mifantoha tanteraka amin’ilay anjaranao rehefa eny amin’ny lampihazo. Manehoa fihetseham-po mifanentana amin’izay lazainao. Raha ` manomboka miakanakana ianao, dia hazony ho tony ny feonao sy ny fihetsikao, araka izay azonao atao. Aza henjanina ireo hozatry ny valanoranonao. Fehezanteny fohy ampiasaina. Ataovy vitsy araka izay azonao atao ny teny toy ny hoe “aaaa.” Raha vao fantatry ny olona sasany miakanakam-piteny ireo teny manahirana azy, dia tsy mampiasa azy ireny intsony izy, fa mampiasa teny hafa mitovy hevitra kosa. Ny hafa kosa mitady ireo feo izay tsy hainy tononina indrindra, ary mamerimberina milaza azy ireny. Raha miakanakam-piteny ianao rehefa miresaka amin’olona, dia aza kivy ka hoe hijanona eo. Ampirisiho hiteny ilay olona iresahanao, mandrapahafakao miteny indray. Raha ilaina, dia manorata teny kely ho an’ilay olona, na ampisehoy zavatra voasoratra izy.

95

96

Fitenenana Misosa Tsara

feno iray, alohan’ny hiatoana na hiovana hevitra eny antenatenany. Fehezanteny fohy sy tsotra ampiasaina. Ho tonga ho azy ireo teny, raha fantatrao tsara izay hevitra tianao holazaina. Tsy ilaina, amin’ny ankapobeny, ny mifidy mialoha ireo teny hampiasainao. Ho fanazaran-tena, dia tsara raha mazava tsara ao an-tsainao ilay hevitra, ary avy eo vao mieritreritra ireo teny hampiasainao, eo ampitenenana. Raha manao izany ianao, ary raha mifantoka amin’ilay hevitra ny sainao, fa tsy amin’ireo teny hilazanao azy, dia ho tonga ho azy izy ireo, ary dia hivoaka avy amin’ny fo ny tianao holazaina. Raha manomboka mieritreritra teny anefa ianao, fa tsy hevitra, dia mety ho tapatapaka ny fitenenanao. Ho afaka hiteny misosa tsara ianao, rehefa mihazatra. Ary tena ilaina izany, mba hahatonga ny fitenenana sy ny vakiteny handaitra. Rehefa notendrena hisolo tena an’i Jehovah teo anatrehan’ny firenen’ ny Isiraely sy ny Faraon’i Ejipta i Mosesy, dia nahatsiaro tena ho tsy nahay. Nahoana? Tsy nahay nandaha-teny izy, na hoe tsy niteny nisosa tsara; nety ho nanana kilema nahatonga azy tsy hahay hiteny tsara izy. (Eks. 4:10; 6:12) Nahita fialan-tsiny isan-karazany i Mosesy, nefa samy tsy nisy neken’Andriamanitra izy ireny. Naniraka an’i Arona hiaraka taminy, mba ho mpitondra teniny, i Jehovah. Nanampy an’i Mosesy hiteny koa anefa Izy. Tamin’ny farany, dia nahavita niteny imbetsaka sy tamin’ny fomba nandaitra i Mosesy, tsy tamin’ny olona tsirairay na tamin’ny fitambaran’ olona sasantsasany ihany, fa tamin’ilay firenena manontolo koa. (Deot. 1:1-3; 5:1; 29:1; 31:1, 2, 30; 33:1) Ho afaka hampiasa ny fitenenanao mba hankalazana an’Andriamanitra koa ianao, raha manao izay rehetra azonao atao sady mitoky amin’i Jehovah.

FANAZARAN-TENA: Fakafakao tsara ny Mpitsara 7:1-25, amin’ny fandinihana ny fehintsoratra tsirai` ray. Takaro tsara izay tiany holazaina. Mampiasa diksionera, mba hijerena ireo teny tsy fantatrao. Lazao amin’ny feo avo ny anarana tsirairay. Avy eo, dia vakio amin’ny feo avo ilay fehintsoratra; ataovy tsy misy diso izany. Rehefa afa-po ` amin’iny fehintsoratra iny ianao, dia mifindra amin’ny manaraka, ary tohizo toy izany hatrany. Avy eo, dia vakio ilay toko manontolo. Avereno vakina indray ilay izy, saingy ataovy somary haingana kokoa. Avereno indray, ka vakio haingana kokoa ihany ireo tapany ilana anaovana izany; tsy haingana loatra anefa, ka hahatonga anao hiakanakana.

FIATOANA ARAKA NY TOKONY HO IZY



Inona no ilainao hatao? Mijanona tsy miteny amin’ny fotoana mety tsara mandritra ny fanaovana anjara iray. Indraindray dia mety hiato vetivety ianao na hamela ny feonao hidina kely fotsiny. Mety tsara ny fiatoana, rehefa mahatonga ny tenintsika hazava kokoa. TENA ilaina ny fiatoana eo amin’ny tokony hisy azy, rehefa miteny. Marina izany, na manao lahateny ianao, na miresaka amin’olona. Mety ho toy ny miteniteny foana tsy misy heviny ny olona iray, raha tsy misy fiatoana. Mazava kokoa ny fitenenana misy fiatoana araka ny tokony ho izy. Hahatonga ny mpihaino hahatadidy ireo hevi-dehibe lazainao koa izy io. Ahoana no hamaritanao ny fotoana tokony hanaovana NAHOANA IZANY fiatoana? Tokony haharitra toy inona ny fiatoana? NO TENA ILAINA? Fiatoana takin’ireo mari-piatoana. Nanjary tapany tsy Tena zava-dehibe ny fahaizamisaraka amin’ny soratra ny mari-piatoana. Mety hilaza ny manao fiatoana, satria mahatonga ny fitenenana ho mora faran’ny teny nolazaina na ny faran’ny fanontaniana izy azo. Mahatonga ireo heviireny. Natao hanavahana tenin’olona tononina izy ireny, dehibe hisongadina koa ny amin’ny fiteny sasany. Ny mari-piatoana sasany dia manofiatoana. ndro ny fifandraisan’ireo tapany samihafa ao amin’ny fehezanteny iray. Mahita ireo mari-piatoana ny olona iray mamaky teny samirery. Rehefa mamaky amin’ny feo avo ho an’ny hafa kosa anefa izy, dia tsy maintsy mampita ny hevitra asehon’ireo maripiatoana ny feony. (Jereo ny Lesona Voalohany hoe “Vakiteny Tsy Misy Diso.”) Raha tsy miato araka izay takin’ny mari-piatoana ianao, dia mety ho sarotra amin’ny hafa ny hahazo izay vakinao, na mety ho voaolana mihitsy aza ny hevitr’izay voasoratra. Ankoatra ny mari-piatoana, ny fomba filaza ireo hevitra ao anatin’ny fehezanteny iray koa dia hamaritra ny toerana tokony hiatoana. Hoy ny mpahay mozika malaza iray, indray mandeha: “Tsy hoe mahay manaraka naoty kokoa noho ny mpitendry piano hafa aho akory. Ny fahaizana miato eo anelanelan’ireo naoty kosa anefa, eny, izany no ahitana ny hakingan’ny mpanakanto.” Mitovy amin’izany koa ny fitenenana. Raha mahay miato ianao, dia vao mainka hihatsara sy hisy heviny kokoa ny anjaranao izay efa nomaninao tsara. 97

5

98

Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy

Rehefa manomana famakian-teny ampahibemaso ianao, dia asio marika eo amin’ilay lahatsoratra hovakinao. Tsipika kely mitsangana iray no soraty eo amin’ny tokony hiatoana vetivety. Tsipika mitsangana roa mifanakaiky kosa no ampiasao, raha fiatoana maharitra kokoa no ilaina. Raha hafahafa aminao ny tapany sasany ao amin’ny fehezanteny iray, ka mamerimberina mandiso ny toerana iatoanao ianao, dia asio marika mampitambatra azy, ireo teny miaraka rehetra ao amin’izany tapany sarotra vakina izany. Vakio hatramin’ny NY FOMBA voalohany ka hatramin’ny farany, ilay izy avy eo. MpandaHANAOVANA AZY hateny za-draharaha maro no manao toy izany. Jereo tsara ireo mari` Mazana no tsy manahirana ny fiatoana rehefa miresaka piatoana, rehefa mamaky teny amin’ny feo avo ianao. andavanandro, satria fantatrao ireo hevitra tianao holazaina. Raha za-dratsy miato tsy tapaka anefa ianao, na takin’ Henoy tsara ireo mpandahateny mahay, ka mariho ilay hevitra lazainao izany na tsia, dia sady tsy hazava no tsy ny fotoana iatoany sy ny hisy heriny ny teninao. Misy fanoloran-kevitra hanatsarana faharetan’izy ireny. izany, ao amin’ny Lesona Faha-4 hoe “Fitenenana Misosa Rehefa avy nilaza zavatra tiaTsara.” nao hotadidin’ny hafa ianao, Fiatoana alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevitra dia miatoa mba hilentehan’ ilay izy ao an-tsainy. hafa. Rehefa miato ianao alohan’ny hifindrana ho amin’ ny hevi-dehibe hafa, dia ho afaka hieritreritra ny mpihaino, Rehefa miresaka amin’olona, dia asao izy hilaza ny heviny, haharaka izay lazainao, hahita fa hisy fiovan’ny zavatra ary henoy hatramin’ny farany holazaina, ary hahatakatra mora kokoa ilay hevitra manaraizay lazainy. Aza tapahina ny ka. Mitovy amin’ny familiana fiara miadana kokoa rehefa teniny. handeha hivily lalana, izany fiatoana izany. Ny antony iray mahamaika ny mpandahateny sasany hifindra ho amin’ny hevitra hafa, tsy misy fiatoana, dia ny fitadiavany hanazava zavatra be loatra. Efa fahazarana eo amin’ny fitenenany andavanandro izany, amin’ny olona sasany. Angamba miteny toy izany ny olona rehetra manodidina azy. Tsy mandaitra anefa ny fampianarana atao toy izany. Raha manan-javatra mendri-kohenoina sy mendri-kota` didina ianao, dia maka fotoana tsara hampisongadinana izany hevitra izany. Ekeo fa tena ilaina ny fiatoana, mba hampitana hevitra mazava. Raha hanao lahateny miorina amin’ny drafitra ianao, dia alamino ny fanazavanao mba hahitanao tsara ny toerana tokony hiatoana eo anelanelan’ireo hevi-dehibe. Raha lahateny vakina kosa no hataonao, dia asio marika ireo toerana ifindrana ho amin’ny hevi-dehibe manaraka. ` Mazana ny fiatoana alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevitra hafa no maharitra kokoa noho ny fiatoana takin’ny mari-piatoana, kanefa

Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy

tsy maharitra loatra ka hahatonga ny lahateninao hitarazoka be. Raha maharitra loatra ny fiatoana, dia ho toy ny hoe tsy nanomana tsara ianao ary mitady izay holazainao manaraka. Fiatoana ho fanamafisana. Matetika ny fiatoana ho fanamafisana no fiatoana manaitra, izany hoe mialoha na manaraka fanambarana iray na fanontaniana iray tiana hohamafisina. Rehefa miato toy izany ianao, dia afaka mieritreritra momba izay vao avy nolazainao ny mpihaino, na miandrandra izay hanaraka. Tsy mitovy ireo zavatra roa ireo, ka fidio izay mety indrindra. Tadidio anefa fa tokony hoferana ho amin’ny hevitra tena lehibe ny fiatoana ho fanamafisana. Raha tsy izany, dia tsy hisongadina izy ireny. Nanao fiatoana nandaitra i Jesosy rehefa namaky ny Soratra Masina tao amin’ny synagogan’i Nazareta. Namaky momba ilay asa nanirahana azy tao amin’ny horonan’i Isaia mpaminany aloha izy. Talohan’ny nampiharana azy io anefa, dia nahorony ilay horonana ka naveriny tamin’ilay mpanao raharaha, ary dia nipetraka izy. Niteny toy izao izy avy eo, raha mbola nibanjina azy ny mason’ny rehetra tao amin’ny synagoga: “Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.”—Lioka 4:16-21. Fiatoana takin’ny toe-javatra. Mety hitaky ny hiatoanao koa indraindray ny fanelingelenana. Mety ho voatery hanapaka ny resaka ifanaovanao amin’ny tompon-trano iray eny amin’ny fanompoana ianao, rehefa misy fiara mandalo na zaza mitomany. Raha tsy dia tafahoatra ny fanelingelenana any amin’ny fivoriambe, dia mety ho afaka hanohy hiteny ianao, fa amin’ny feo mafy kokoa fotsiny. Raha mafy sy mitohy anefa ilay fanelingelenana, dia tsy maintsy miato ianao. Tsy hihaino anao akory ny mpanatrika, na hiteny aza ianao. Koa ` ampiasao tsara ary ny fiatoana, mba hanampiana ny mpihaino anao handre an’ireo zava-tsoa rehetra tianao holazaina aminy. Fiatoana mamela hanome valin-teny. Na dia mety tsy hisy fandraisana anjaran’ny mpanatrika aza ny famelabelarana ataonao, dia omeo fahafahana hamaly ao an-tsainy izy ireo. Raha mametraka fanontaniana tokony hampieritreritra ny mpihaino anao ianao, nefa tsy miato, dia ho very maina ny zava-kendren’izany fanontaniana izany. Mazava ho azy fa tena ilaina ny miato, tsy rehefa miteny avy eny amin’ny lampihazo ihany, fa rehefa mitory koa. Misy olona toa tsy miato mihitsy. Raha anisany ianao, dia miezaha mafy hamboly io lafiny iray amin’ny fahaiza-miteny io. Hanatsara ny fifampiresahanao

99

100

Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy

amin’ny hafa sy ny fanompoanao eny amin’ny saha izany. Fotoam-panginana ny fiatoana, ary marina ilay filazana fa ny fanginana dia manasongadina, manamafy, misarika ny saina ary mampiala sasatra ny sofina. Hevitra mifamaly ny resaka andavanandro. Ho vonona kokoa ny hihaino anao ny hafa, rehefa mihaino azy ianao ka maneho fahalianana amin’izay lazainy. Izany dia mitaky ny hiatoanao mba hahafahan’izy ireo hilaza ny heviny. Handaitra kokoa ny fitoriantsika eny amin’ny saha fanompoana, rehefa ataontsika toy ny resaka. Vavolombelona maro no milaza ny anton-diany sy mametraka fanontaniana iray, aorian’ny fifampiarahabana. Miato izy ireo mba hahafahan’ilay olona hamaly, ary misaotra azy noho izay nolazainy, aorian’izay. Mety hanome an’ilay tompontrano fahafahana hiteny matetika izy, mandritra ilay resaka. Fantany fa afaka manampy bebe kokoa ny olona iray ny tenany, raha mahafantatra ny fomba fiheviny momba ilay zavatra resahina.—Ohab. 20:5. Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no tia ny hametrahana fanontaniana. Niato foana anefa i Jesosy mba hamelana ny hafa hiteny, eny, na dia ny mpanohitra aza. (Marka 3:1-5) Ny famelana an’ilay olona hiteny dia mampirisika azy hieritreritra, ary mety hilaza izay ao am-pony izy amin’izany. Ny hanohina ny fon’ny olona tokoa mantsy no iray amin’ireo zava-kendren’ny fitoriantsika. Hanao izany isika, amin’ny fampisehoana aminy ireo zavatra lehibe dia lehibe ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra izay tsy maintsy anaovany fanapahan-kevitra.—Heb. 4:12. Tena mitaky fahaizana tokoa ny fiatoana araka ny tokony ho izy eo amin’ny fanompoantsika. Rehefa atao tsara ny fiatoana, dia mazava kokoa ireo hevitra ampitaina, ary matetika no tadidy ela be.

FANAZARAN-TENA: Vakio amin’ny feo avo ny Marka 9:1-13; miatoa, mifanaraka amin’ireo maripiatoana samihafa. Aza avela hitarazoka ny vakiteninao. Rehefa vita izany, dia mangataha olona hihaino anao sy hanome hevitra mba hanatsaranao ny fiatoanao.

FANAMAFISAN-KEVITRA METY TSARA



Inona no ilainao hatao? Manamafy teny sy fitambaran-teny sasany mba ho mora takatry ny mpihaino ireo hevitra lazaina. REHEFA miteny na mamaky teny amin’ny feo avo ianao, dia tsy ny hilazanao ny teny tsirairay tsy misy diso ihany no tena ilaina, fa ny hanamafisanao koa ireo teny fototra, mba hampita hevitra mazava tsara. Tsy fanamafisana teny sasantsasany fotsiny akory no antsoina hoe fanamafisan-kevitra mety tsara. Ilay teny tena izy no tsy maintsy hamafisina. Raha ilay teny tsy izy no hamafisinao, dia mety tsy hazava amin’ny mpihaino ny hevitr’izay lazainao, ary mety NAHOANA IZANY hiriorio ny sain’izy ireo. Na tsara aza ilay fanazavana, nefa tsy NO TENA ILAINA? mety tsara ny fanamafisan-kevitra, dia tsy hanosika ny mpiHihazona ny fahalianan’ny haino hanao zavatra ilay izy. mpihaino azy ny mpandahaMisy fomba maro samihafa azo anamafisana hevitra, ka teny mahay manamafy hevitra, no sady handresy ampiasaina miaraka matetika: ny fampitomboana ny hamalahatra sy hanosika azy ireo fin’ny feo, ny fanamafisana kokoa ny fihetseham-po aseho, hanao zavatra. ny fanononana miadana sy tsy maimaika, ny fiatoana aloha na aorian’ny fanambarana iray (na izy roa), ary ny fihetsehana sy izay asehon’ny endrika. Amin’ny fiteny sasany, dia afaka manamafy hevitra koa ny olona iray, raha ataony maranitra kokoa na midoboka kokoa ny feony. Ilay zavatra hazavainao sy ny toe-javatra hitenenanao no hamaritra ilay fomba mety indrindra aminy. Mba hamaritana izay tokony hohamafisina, dia hevero izao manaraka izao. 1) Ao anatin’ny fehezanteny rehetra, dia tsy ilay fehezanteny dinihina ihany no mamaritra izay teny tokony hohamafisina, fa ireo fehezanteny manodidina koa. 2) Azo atao ny manamafy ny fiandohan’ny hevitra vaovao iray, na hevi-dehibe izany na fanjohian-kevitra hafa. Toy izany koa ny fifaranan’ny fanjohian-kevitra iray. 3) Mety hanamafy hevitra koa ny mpandahateny iray, mba hampisehoana ny fihetseham-pony momba ny foto-kevitra iray. 4) Hisongadina tsara koa ireo hevi-dehibe amin’ny lahateny na anjara iray, rehefa mety tsara ny fanamafisana azy. Mba hanamafisan-kevitra toy izany, dia tsy maintsy mazava tsara amin’ ny mpandahateny na ny mpamaky teny iray ilay zavatra lazainy na vakiny. Tsy maintsy tiany koa ny hahatakaran’ny mpihaino azy io. Hoy ny 101

6

102

Fanamafisan-kevitra Mety Tsara

Nehemia 8:8, momba ny fampianarana nomena tamin’ny andron’i Ezra: ` “Novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalan’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny ` novakina.” Neken’ireo namaky sy nanazava ny Lalan’Andriamanitra tamin’izay fa tena nilaina nampiana ny mpihaino mba hahatakatra ny hevitr’izay novakina, sy hitadidy azy, ary hampihatra azy. Izay mety hiteraka zava-manahirana. Afaka milaza hevitra mazava ny ankamaroan’ny olona, eo amin’ny resaka ataony andavanandro. Rehefa mamaky zavatra nosoratan’olon-kafa anefa izy ireo, dia mety ho sahirana hamaritra izay teny na fitambaran-teny tokony hohamafisina. Tena hanampy azy ny fahazoany mazava tsara ny hevitr’ilay zavatra ` hovakiny. Mila mamakafaka tsara azy io ary izy. Koa raha angatahina hamaky teny any am-pivoriana ianao, dia tokony hanao fanomanana tsara. Misy mampiasa ilay azo antsoina hoe “fanamafisana tsy miovaova”, fa tsy fanamafisan-kevitra. Manamafy teny iray na roa amim-pahazarana fotsiny izy ireo, na misy heviny izany fanamafisana izany na tsia. Ny hafa kosa manamafy be loatra ireo teny kely, toy ny teny mpampiankina sy ny teny mpampitohy. Rehefa tsy mampahazava kokoa ny hevitra ny fanamafisana, dia mora lasa fahazaran-dratsy manelingelina. Misy mpandahateny miteny mafy kokoa mba hanamafisan-kevitra, nefa mety hahatonga ny mpihaino hahatsiaro tena ho bedesina ny fomba anaovany azy. Mazava ho azy fa tsy ho tsara ny vokatra haterak’izany. Raha amboamboarina, fa tsy tsotra, ny fanamafisan-kevitra ataon’ilay mpandahateny, dia mety ho toy ny hoe manambany ny mpihaino azy izy. Tsara lavitra ny manohina ny fon’izy ireo amim-pitiavana, sy manampy azy ireo hahita fa sady araka ny Soratra Masina no azo ekena tsara izay lazaina! Ny fomba hanatsarana ny fahaiza-manamafy hevitra. Matetika ny olona tsy mahay manamafy hevitra no tsy mahalala izany akory. Mety hila ny hilaza izany aminy ny hafa. Raha toa ianao ka mila manatsara ny fahaiza-manamafy hevitra, dia hanampy anao amin’izany ny mpiandraikitra ny sekoly. Aza misalasala koa mangataka fanampiana amin’izay mahay mandaha-teny tsara. Asaivo mihaino anao tsara izy, rehefa mamaky teny sy miteny ianao, ary mangataha torohevitra aminy avy eo. Mety hanoro hevitra anao mba hanao fanazaran-tena amin’ny alalan’ ny lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana izy, amin’ny voalohany. Mety hasainy hamakafaka ny fehezanteny tsirairay ianao, mba hahitanao izay teny na fitambaran-teny ilaina hohamafisina, mba ho mora takatra ny heviny. Mety hasainy hanamarika manokana ireo teny

Fanamafisan-kevitra Mety Tsara

103

natao sora-mandry ianao. Tadidio fa toy ny hoe miara-miasa ireo teny ao anatin’ny fehezanteny iray. Fitambaran-teny matetika no tokony hohamafisina, fa tsy teny iray mitokana. Amin’ny fiteny sasany, dia mety hampirisihina koa ny mpianatra mba hitandrina kokoa ny fanamafisan-kevitra atoron’ireo mari-tsindrimpeo. Manaraka izany, ilay mpanome torohevitra dia mety hampirisika anao hijery ireo fehezanteny manodidina, fa tsy ilay fehezanteny misy ilay hevitra hohamafisina fotsiny. Ohatra, inona no heNY FOMBA vitra fototra velabelarina ao amin’ilay fehintsoratra manoFIANARANA AZY ntolo? Ahoana no hamaritan’izany hevitra fototra izany izay ` Mizara mamantatra ireo teny hohamafisinao ao amin’ireo fehezanteny? Jereo ny lohatesy fitambaran-teny fototra ao nin’ilay lahatsoratra sy ny lohatenikely amin’ny sora-mateamin’ireo fehezanteny. Hanampy anao ny fijerena tsara vina mialoha ilay fehintsoratra. Ahoana no hamaritan’izy ireo fehezanteny manodidina. ireo izay teny fidinao hohamafisina? Lafin-javatra tokony hoMiezaha manamafy hevitra heverina daholo ireo rehetra ireo. Mitandrema anefa sao mamba hampisehoana 1) ny namafy teny betsaka loatra. fifindrana ho amin’ny hevitra Na mandaha-teny tsy an-kijery soratra ianao, na mamaky hafa sy 2) ny fihetsehamponao momba ilay zavatra teny, dia mety hampirisika anao koa ilay mpanome torohelazainao. vitra anao mba hampiasa ilay fanjohian-kevitra ao amin’ilay Rehefa mamaky andinin-teny, zavatra hovelabelarinao, mba hamaritana izay hevitra hoha` dia mizara manamafy teny mafisinao. Ilainao hofantarina hoe aiza no mifarana ilay faizay manohana ny antony nanjohian-kevitra, na hoe aiza no misy fifindrana ho amin’ny kanao ireo andinin-teny ireo. hevi-dehibe hafa. Ho faly ny mpihaino, raha hitany avy amin’ny fomba fiteninao fa hisy fiovana toy izany. Azonao atao izany, amin’ny fanamafisana teny toy ny hoe voalohany aloha, manaraka izany, ary farany, noho izany, ary araka izany. Hisarika ny sainao ho amin’ireo hevitra tokony hanehoanao fihetseham-po manokana koa ilay mpanome torohevitra anao. Mba hanaovana izany, dia mety hanamafy teny toy ny hoe tena, indrindra, tsy izany velively, tsy azo inoana, zava-dehibe, ary foana ianao. Ho tsapan’ny mpihaino anao avy amin’izany ny fiheveranao momba izay lazainao. Hisy fanazavana bebe kokoa momba izany ao amin’ny Lesona Faha-11 hoe “Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po.” Mba hanatsarana ny fanamafisanao hevitra, dia ataovy azo tsara ao antsainao koa ireo hevi-dehibe tianao hotadidin’ny mpihaino. Horesahina bebe kokoa izany ao amin’ny Lesona Faha-7 hoe “Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra” mifandray amin’ny famakian-teny ampahibemaso, sy ao amin’ny Lesona Faha-37 hoe “Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe” mifandray amin’ny fanaovana lahateny sy anjara hafa.

104

Fanamafisan-kevitra Mety Tsara

Raha miezaka handroso eo amin’ny fanompoanao ianao, dia asio fihe` verana manokana ny fomba famakianao andinin-teny. Mizara manontany tena hoe: ‘Nahoana aho no mamaky ity andinin-teny ity?’ Raha ma` mpianatra ianao, dia mazana no tsy ampy ny mamaky teny tsy misy diso fotsiny. Mety tsy ho ampy koa na dia ny famakiana ilay andininy amimpihetseham-po fotsiny aza. Raha mamaly ny fanontanian’ny olona iray ianao, na mampianatra fahamarinana fototra iray, dia hamafiso ireo teny na fitambaran-teny ao amin’ilay andininy, izay manohana ilay hevitra resahina. Mety tsy ho azon’ilay olona ilay hevitra, raha tsy izany. Koa satria fanantitranterana kokoa ny teny sy ny fitambaran-teny sasany ny atao hoe fanamafisan-kevitra, dia mety hanamafy be loatra an’ireny teny sy fitambaran-teny ireny ny mpandahateny tsy za-draharaha. Mitovitovy amin’ny ataon’ny olona iray vao manomboka mianatra mitendry zavamaneno iray, izany. Rehefa mihazatra anefa izy, dia hanome “mozika” kanto sy milaza hevitra ny “naoty” tsirairay. Rehefa avy nianatra ny sasany amin’ireo lesona fototra momba ny fanamafisan-kevitra ianao, dia diniho koa ny ataon’ireo mpandahateny za-draharaha. Tsy ho ela dia ho hitanao ny vokatra tsara azo, raha ovaovana ny hamafin’ny fanantitranterana. Ho takatrao koa fa afaka mampiasa fomba fanamafisana maro samihafa ianao, mba hampahazava izay lazainao. Handaitra kokoa ny vakiteninao sy ny fitenenanao, raha mianatra mampiasa ny fahaiza-manamafy hevitra mety tsara ianao. Aza mianina amin’ny fahalalana fotsiny ny atao hoe fanamafisan-kevitra. Raha tianao handaitra ny fitenenanao, dia miezaha foana, mandrapahafolakao tsara ny fahaiza-manamafy hevitra. Amin’izay, dia ho fitenenana tsy amboamboarina fa tsotra no handrenesan’ny hafa ny fomba fiteninao.

FANAZARAN-TENA: 1) Mifidiana andinin-teny roa fampiasanao matetika eo amin’ny fanompoana. Farito ny hevitra tianao hoporofoina ao amin’ny andininy tsirairay. Vakio amin’ ny feo avo izy ireo, ka antitrantero ireo teny na fitambaran-teny manohana ireo hevitra ireo. 2) Fakafakao ny Hebreo 1:1-14. Nahoana ny teny hoe “mpaminany” (and. voal.) sy hoe “Zanany” (and. faha-2) ary hoe “anjely” (and. faha-4, 5) no antitranterina, mba hanehoana mazava tsara ny fanjohian-kevitra ` ao amin’io toko io? Mizara mamaky ilay toko amin’ny feo avo, sy amin’ny fanamafisana hevitra mba hisongadinan’ilay fanjohian-kevitra.

FANAMAFISANA IREO HEVITRA FOTOTRA



Inona no ilainao hatao? Rehefa mamaky teny amin’ny feo avo, dia ireo hevitra fototra ao amin’ilay fehintsoratra na lahatsoratra manontolo no hamafiso manokana, fa tsy ireo ao anatin’ny fehezanteny tsirairay fotsiny. TSY ny fehezanteny tsirairay, na ilay fehintsoratra misy ireo hevitra fototra akory aza, no jeren’ny mpamaky teny mahay. Tadidiny tsara ao an-tsaina izy ireo ao amin’ilay fehintsoratra na lahatsoratra manontolo, rehefa mamaky teny izy. Manampy azy hamantatra izay tokony hohamafisina izany. Tsy hisy zava-misongadina ny vakiteniny, raha tsy manao izany ilay mpamaky teny. Tsy hisy na inona na inona NAHOANA IZANY hiavaka mazava tsara. Mety ho sarotra ny hitadidy izay zaNO TENA ILAINA? vatra niavaka rehefa vita ilay anjara. Ho mora tadidy kokoa ilay hafatra, raha hamafisinao Hanatsara ny famakiana fitantarana iray ao amin’ny Baiireo hevitra fototra. boly ny fanamafisana tsara ireo hevitra fototra. Manjary misy heviny kokoa ireo fehintsoratra vakina toy izany, any amin’ny fampianarana Baiboly na ao am-pivoriana. Ary tena ilaina indrindra izany, rehefa manao lahateny vakina, toy ny atao tsindraindray any amin’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ny fomba hanaovana azy. Mety hasaina hamaky tapany iray ao amin’ny Baiboly ianao, ao amin’ny sekoly. Inona no tokony hohamafisina? Raha misy hevitra fototra iray na fisehoan-javatra lehibe iray resahina ao, dia tsara ny hanasongadinanao azy. Na tononkalo ilay zavatra hovakinao na soratra tsotra, na ohabolana na fitantarana, dia ho azon’ny mpihaino tsara raha vakinao tsara. (2 Tim. 3:16, 17) Koa tsy maintsy manisy fiheverana ilay zavatra ho` vakinao sy ny mpihaino anao ary ianao. Raha hamaky teny avy ao amin’ny boky iray ianao, any amin’ny fampianarana Baiboly na ao am-pivoriana, inona avy moa ireo hevitra fototra ilainao hohamafisina? Ny valin’ireo fanontaniana vita pirinty ` ao amin’ilay toko na lahatsoratra mazana no hevitra fototra ao. Hamafiso koa ireo hevitra mifandray amin’ilay lohatenikely amin’ny sora-matevina mialoha ilay zavatra vakinao. 105

7

106

Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra

Tsy ampirisihina hampiasa lahateny vakina ianao, rehefa manao lahateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Indraindray anefa, dia lahateny vakina no anaovana famelabelarana sasany amin’ny fivoriamben’ ny vondrom-paritra, satria tiana hitovy sy haseho amin’ny fomba mitovy ireo hevitra lazaina any amin’ny fivoriambe rehetra. Tsy maintsy mamakafaka tsara ilay fanazavana aloha ilay mpandahateny mba hanamafisana ireo hevitra fototra ao amin’ny laHEVITRA TOKONY hateny vakina toy izany. Inona avy, ohatra, ireo hevi-dehiHOTADIDINA be? Tokony ho hain’ilay mpandahateny ny hanavaka azy Fakafakao ilay fehintsoratra na lahatsoratra, ka fantaro ireny. Tsy hevitra heveriny fa mahaliana fotsiny akory ireo hevitra fototra no atao hevi-dehibe, fa ireo hevitra fototra ifantohan’ velabelariny, ary asio marika. ilay fanazavana. Misy fehezanteny kely mamintina hevitra Rehefa mamaky teny amin’ny fototra iray indraindray, alohan’ny fitantarana na ny fanjofeo avo, dia ampitomboy hian-kevitra iray. Matetika kokoa anefa no misy fanambany hafanam-po, mitenena rana mafonja iray aorian’ilay fanaporofoan-kevitra. Tokomiadana kokoa, na manehoa fihetseham-po lalina kokoa, ny homarihin’ilay mpandahateny ao amin’ilay lahateniny mba hisongadinan’ireo ireny hevitra fototra ireny, rehefa hitany. Vitsivitsy ihany hevitra fototra ireo. ` izy ireny mazana, efatra na dimy angamba. Manaraka izany, rehefa manao famerenana mamaky izy, dia tokony hianarany hasongadina izy ireny, mba ho mora amin’ny mpihaino ny hamantatra azy ireny, mandritra ny lahateniny. Ireny no hevitra misongadina ao amin’ilay lahateny. Ho mora tadidy kokoa ireny hevitra fototra ireny raha mety tsara ny fanamafisana. Izany no tokony ho zava-kendren’ilay mpandahateny. Afaka mampiasa fomba fanamafisana samihafa ny mpandahateny iray mba hanampiana ny mpihaino hamantatra ireo hevi-dehibe. Misy mampitombo ny hafanam-pony, manova ny hafainganam-piteniny, maneho fihetseham-po lalina kokoa, na mampiasa fihetsehana mety, raha ireo fotsiny aza no hotononina.

FANAZARAN-TENA: Mifidiana fehintsoratra dimy ao amin’ny lahatsoratra fianarana iray ao amin’ ny Tilikambo Fiambenana. Tsipiho ny valin’ireo fanontaniana mifandray amin’ireo fehintsoratra ireo. Vakio amin’ny feo avo ny fehintsoratra, ka ataovy mora amin’ny mpihaino ny hamantatra ireny valin-teny ireny.

HAMAFIN’NY FEO ANTONONY TSARA



Inona no ilainao hatao? Ataovy antonony tsara ny hamafin’ny feonao, rehefa miteny. Mba hamaritana izay atao hoe mety tsara, dia hevero 1) ny isan’ ny mpanatrika sy ireo mahaforona azy, 2) ireo tabataba manelingelina, 3) ny zavatra resahina, ary 4) ny zava-kendrenao. METY hatoritory ny mpanatrika sasany raha tsy miteny mafy tsara ny mpandahateny iray. Mety tsy hihazona ny fahalianan’ny tompon-trano ny mpitory iray, raha miteny mora loatra eny amin’ny fanompoana. Ary tsy hahazo ny fampaherezana ilainy ny mpanatrika hafa, raha tsy mafy tsara ny feon’ireo manome valin-teny any am-pivoriana. (Heb. 10:24, 25) Etsy an-danin’izany kosa, raha miteny mafy kokoa amin’ny fotoana tsy mety amin’izany ny mpandahateNAHOANA IZANY ny iray dia tsy ho azoazon’ny mpanatrika izany, hanorisory NO TENA ILAINA? azy mihitsy aza.—Ohab. 27:14. Raha tsy afaka mahare anao Hevero ireo mpihaino anao. Iza no itenenanao? olona mora foana ny hafa, dia mety hiriorio ny sainy, ary mety tsy iray ve? sa fianakaviana iray? sa olona vitsivitsy miara-mivohazava aminy izay lazainao. ry alohan’ny fanompoana? sa ny fiangonana iray manontoRaha miteny mafy loatra kosa lo? sa ireo mpanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra? ianao, dia mety ho sosotra ny Mazava fa tsy hitovy ny hamafin’ny feo hampiasainao olona, ary hihevitra izany ho tsy fanehoam-panajana mihiamin’ireo tarehin-javatra samihafa ireo. tsy aza. Niteny tamin’ny mpanatrika maro be, tamin’ny toe-javatra maro samihafa, ny mpanompon’Andriamanitra fahiny. Tsy nisy fanamafisam-peo tamin’ny fitokanana ny tempoly tao Jerosalema, tamin’ny andron’i Solomona. Nitsangana teo ambonin’ny la` mpihazo avo ary i Solomona, ary nitso-drano an’ilay vahoaka “tamin’ ` ny feo mahery.” (1 Mpanj. 8:55; 2 Tant. 6:13) An-jatony taona maro taty aoriana, taorian’ny nirotsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nisy olona sesehena—ny sasany liana, ny hafa nanaraby— tafangona nanodidina an’ireo Kristianina vitsivitsy tao Jerosalema. ‘Ni` tsangana ary i Petera, ka nanandra-peo.’ (Asa. 2:14) Tena nandaitra ny fitoriana nataony tamin’izay. Ahoana no hamaritanao raha mety tsara amin’ny tarehin-javatra iray ny hamafin’ny feonao? Ny fihetsiky ny mpihaino no iray amin’ireo famantarana tsara indrindra. Raha mahamarika ianao fa mananosarotra 107

8

108

Hamafin’ny Feo Antonony Tsara

ny sasany rehefa mihaino anao, dia tokony hiezaka hanitsy ny hamafin’ny feonao ianao. Na miteny amin’olona iray ianao, na amin’olona maromaro, dia tsara ny handinihanao hoe karazan’olona iza moa izy ireo. Mety hila hiteny mafy kokoa ianao, raha tsy mandre tsara ny iray aminy. Aza mihiakiaka anefa, satria tsy tia an’izany ireo be taona, izay somary votsa fandray zavatra fotsiny, fa tsy hoe tsy mandre akory. Mety hoheverina ho tsy fahalalam-pomba mihitsy aza ny fikiakiahana. Any amin’ny firenena sasany, dia heverin’ny hafa ho tezitra na ILAINA NY MITENY tsy manam-paharetana ny olona miteny mafy loatra. MAFY KOKOA Hevero ireo tabataba manelingelina. Tena hiankina Raha tiana hifantoka foana ny mpihaino. amin’ny toe-javatra hitanao eny am-pitoriana ny tokony ho hamafin’ny feonao. Mety ho samy mety hifaninana aminao Raha misy tabataba manelingelina. daholo ny fiara mandalo, ny ankizy mitabataba, ny alika ` mivovo, ny radio na ny televiziona mitatatata. Any amin’ny Raha tiana hihaino zavatra iray tena lehibe ny olona. faritany misy trano mifanizina kosa anefa, dia mety hahasaRaha te hanentana ny hafa nganehana ny tompon-trano ianao, raha miteny mafy be ka hanao zavatra. misarika ny sain’ny mpifanila trano aminy. Raha te hisarika ny sain’ny Tojo toe-javatra maro samihafa ireo rahalahy manao lahaolona iray na maromaro. teny ao amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ny fivoriambe koa. Tsy mitovy velively ny fanaovana lahateny amin’ny mpanatrika eny an-kalamanjana sy ao amin’ny efitrano misy fanamafisam-peo tomombana tsara. Tany Amerika Atsimo, dia nanao lahateny tao an-tokotanin’ny olona liana iray ny rahalahy misionera roa, nefa nisy afomanga nipoapoaka tsy an-kijanona tao amin’ilay kianja teo akaiky sy akoholahy tsy nitsaha-naneno tao ambadika! Mandritra ny lahateny iray, dia mety ho voatery hiteny mafy kokoa ilay mpandahateny, na hiato mandra-pitsahatry ny fanelingelenana mitranga tampoka. Ohatra, mety tsy hahare an’ilay mpandahateny ny mpanatrika raha fanitso ny tafon’ilay toerana anaovana fivoriana, ka avy be tampoka ny orana. Tena manelingelina koa ny zaza mitomany na ny olona tonga tara. Mahaiza mandresy izany, mba hahafahan’ny mpihaino anao handray soa feno avy amin’ilay fanazavana atolotrao. Marina fa hanampy ny fanamafisam-peo, raha misy azo ampiasaina eo an-toerana. Tsy misakana an’ilay mpandahateny tsy hiteny mafy kokoa anefa izany, raha izany no takin’ny tarehin-javatra. Any amin’ny toerana sasany misy fahatapahan’ny jiro matetika, dia voatery manohy ˆ ny lahateniny, tsy misy mikro, ireo mpandahateny.

Hamafin’ny Feo Antonony Tsara

Hevero ilay zavatra resahinao. Miankina amin’ilay fanazavana ao amin’ny lahateninao koa ny tokony ho hamafin’ny feonao. Raha mitaky ny hitenenana amin-kery ilay foto-kevitra, dia aza miteny mora loatra, ka hahatonga ny famelabelaranao ho maivana. Ohatra, tokony ho mafy kokoa ny feonao, rehefa mamaky momba ireo fanamelohana ao amin’ny Soratra Masina ianao, tsy toy ny rehefa mamaky torohevitra momba ny fanehoana fitiavana. Ataovy mifanentana amin’ilay zavatra resahinao ny hamafin’ny feonao, nefa mitandrema sao hisarika ny saina ho amin’ny tenanao ny fomba fanaovanao izany. NY FOMBA Hevero ny zava-kendrenao. Mety hila hiteny mafy kokoa HANATSARANA NY ianao, raha maniry handrisika ny mpihaino ho be zotomHAMAFIN’NY FEO po. Raha maniry ny hanovan’izy ireo ny fomba fisainany Diniho tsara ny fihetsik’ireo mpihaino; aza miteny mafy kosa ianao, dia aza miteny mafy loatra ka hahatonga azy ` loatra na mora loatra, mba ireo handa izay lazainao. Ary feo malefaka kokoa mazana tsy ho sorena izy mihaino no tsara indrindra raha maniry hampionona ny hafa ianao. anao. Fitenenana mafy kokoa, mba hahazoana ny vokatra Fenoy rivotra ny tapany ilaina. Rehefa te hisarika ny sain’ny olona iray variana iaambany amin’ny havokavonao, dia miteny mafy kokoa. Fantatry ny ray aman-dreny kao, rehefa miaina ianao. tsara izany, hany ka miteny mafy kokoa izy ireo, rehefa miantso ny zanany hody avy any an-tokotany. Mety hilain’ ny mpitari-draharaha iray koa ny hiteny mafy kokoa, rehefa hanomboka ny fotoam-pivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ ny fivoriambe. Mety hiantso mafy ny mpitory eny amin’ny fanompoana, rehefa miarahaba olona miasa eny ivelany. Tena ilaina ny hitenenana amin’ny feo mafy tsara foana na dia rehefa avy nahasarika ny sain’ny olona iray aza ianao. Mety hihevitra ny mpihaino hoe tsy niomana tsara ny mpandahateny iray, na hoe tsy ampy fatokisan-tena, raha miteny mora. Rehefa arahina baiko ny fitenenana mafy kokoa, dia handrisika ny olona hanao zavatra. (Asa. 14:9, 10) Mety hisoroka loza koa ny fikiahana baiko iray. Tany Filipy, ohatra, dia saika hamono tena ny mpiandry tranomaizina iray, satria noheveriny fa nandositra ny gadra rehetra. “Paoly niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.” Nisakana olona iray tsy hamono tena izany hiakiaka izany. Nitorian’i Paoly sy i Silasy avy eo, ilay mpiandry tranomaizina sy ny ankohonany, ka nanaiky ny fahamarinana izy rehetra.—Asa. 16:27-33.

109

110

Hamafin’ny Feo Antonony Tsara

Ny fomba hanatsarana ny hamafin’ny feonao. Mila manao ezaka fanampiny ny olona sasany, mba ho antonony tsara ny hamafin’ny feony. Mety hanana feo malefaka kely, ohatra, ny olona iray, ka tsy hiteny mafy tsara. Mety hanatsara izany anefa izy raha miezaka, na dia mety ho mbola malefa-piteny ihany aza izy. Tandremo ny fifohanao rivotra sy ny fijoronao na ny fipetrakao. Mianara mipetraka sy mijoro mahitsy. Ataovy mankany aoriana ny sorokao, ary mianara mifoka rivotra lalina. Fenoy rivotra ny tapany ambany amin’ny havokavokao. Ny fahaizanao mifehy tsara izay habetsahan-drivotra fohinao sy avoakanao izay, no hahatonga anao hahay hifehy ny hamafin’ny feonao. Ny hafa kosa miteny mafy loatra. Angamba izy ireo zatra niasa teny ivelany na teo amin’ny faritra be tabataba. Na nety ho notezaina tao amin’ny tokantrano feno olona nihiakiaka sy nanapaka ny tenin’ny hafa, izy ireo, ka nanjary nino fa raha mba te hampidi-dresaka koa ny tenany, dia voatery miteny mafy noho ny hafa rehetra. Rehefa mampihatra miandalana ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hitafy famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana’ ny olona toy izany, dia hanitsy ny hamafin’ny feony, rehefa miresaka amin’ny hafa.—Kol. 3:12. Ny fanomanana tsara sy ny fahazarana azo avy amin’ny fitoriana tsy tapaka, ary ny fivavahana amin’i Jehovah dia hanampy mba hahatonga ny hamafin’ny feonao ho antonony tsara rehefa miteny ianao. Na miteny eny amin’ny lampihazo ianao, na amin’ny olona iray eny ampitoriana, dia eritrereto foana ny fomba hitenenanao mba handraisan’ ilay olona soa avy amin’ny zavatra lazainao.—Ohab. 18:21.

FANAZARAN-TENA: Vakio an’eritreritra aloha ny Asan’ny Apostoly 19:23-41. Ataovy mazava tsara ao an-tsainao ilay fisehoan-javatra, araka ny asehon’ilay fitantarana sy ny teny manodidina. Mariho hoe iza no miteny sy ny fihetsiky ny olona resahina ao. Vakio amin’ny feo avo amin’izay ilay izy, ka ataovy mifanentana amin’ny tapany tsirairay ny hamafin’ny feonao.

FANOVAOVAM-PEO



Inona no ilainao hatao? Manovaova ny fanenon’ny feonao. Eto isika dia handinika ny fiovan’ny hamafin’ ny feo (toy ny rehefa miteny mafy na mora) sy ny hafainganam-piteny (haingana sy miadana) ary ny haavon’ny feo (ilazana ny feo maranitra na midoboka).

MANAMPY ny mpihaino hahazo izay lazainao ianao, raha mampiasa fanamafisan-kevitra tsotra. Hahafinaritra kokoa anefa ny hihaino ny anjaranao na ny lahateninao, rehefa hainao ny manovaova ny hamafin’ ny feonao sy ny hafainganam-piteninao ary ny haavon’ny feonao. Tsy izay ihany anefa, fa ho fantatry ny mpihaino koa ny fihetseham-ponao momba izay lazainao. Hisy fiantraikany eo amin’izy ireo ny zavatra tsapanao momba ilay fanazavana. Marina izany, na NAHOANA IZANY miteny avy eny amin’ny lampihazo ianao, na amin’ny olona NO TENA ILAINA? iray eny am-pitoriana. Mamelombelona ny lahateny iray, sy manaitra fihetseham-po Tena fitaovana mahatalanjona afaka miovaova be ny feon’ ary manosika hanao zavatra ny olombelona. Raha ampiasaina tsara izy io, dia hamelombefanovaovam-peo mety tsara. lona lahateny iray, hanohina ny fo, hanaitra fihetseham-po Mety hisy hihevitra fa tsy tena ary hanosika hanao zavatra. Tsy hahazo izany vokatra izany liana amin’ny foto-kevitrao ianao, raha tsy manovaova ny anefa ianao, raha manisy marika fotsiny eo amin’ny taratafeonao. sinao hoe aiza ianao no tokony hiteny mafy na mora kokoa, haingana na miadana kokoa, amin’ny feo maranitra na midoboka kokoa. Ho toy ny amboamboarina ny fanovaovam-peo manaraka baiko toy izany. Tsy ho velombelona, fa hitovy tantana foana, ny anjara na lahateny ataonao toy izany, ka tsy ho azoazon’ny mpihaino anao. Mivoaka avy amin’ny fo ny fanovaovam-peo mety tsara. Tsy hisarika ny saina ho amin’ny tenany ny mpandahateny iray, rehefa hainy tsara ny manovaova ny hamafin’ny feony sy ny hafainganam-piteniny ary ny haavon’ny feony. Hanampy ny mpihaino hahatakatra ny tena votoatin’ilay zavatra resahiny kosa izy. Ampifanitsio amin’ny toe-javatra ny hamafin’ny feonao. Ny fanovana ny hamafiny no fomba iray hanovaovana ny feonao. Tsy fitenenana mafy sy mora ampifandimbiasina fotsiny anefa no dikan’izany. Hanolana ny hevitry ny zavatra lazainao izany. Ary raha manamafy ny feonao matetika loatra ianao, dia tsy hahafinaritra ny ho fandrenesana azy. Tokony hifanentana amin’izay lazainao ny hamafin’ny feonao. Na mamaky baiko maika, toy ilay ao amin’ny Apokalypsy 14:6, 7 na Apokalypsy 18:4, ianao, na mamaky teny maneho fatokisan-tena mafy, toy ilay ao 111

9

112

Fanovaovam-peo

amin’ny Eksodosy 14:13, 14, dia ilaina ny miteny mafy kokoa. Toy izany koa, raha manovaova ny hamafin’ny feonao ianao, rehefa mamaky fanamelohana mahery vaika ao amin’ny Baiboly, toy ilay ao amin’ny Jeremia 25:27-38, dia hahatonga ny teny sasany hisongadina kokoa. Hevero koa ny zava-kendrenao. Ny hanosika ny mpihaino hanao zavatra ve no tadiavinao, sa ny hampisongadina kokoa ireo hevi-dehibe ao amin’ny famelabelaranao? Hahavita izany ianao, raha miteny mafy kokoa, nefa tsy tafahoatra ary amin’ny fotoana mety NY FOMBA tsara. Mety tsy ho tratranao anefa ilay zava-kendrenao, raha HANAOVANA AZY miteny mafy kokoa fotsiny ianao. Fa nahoana? Mety ho faAmpifanitsio amin’ny toenehoana hatsaram-panahy sy fihetseham-po no takin’ilay javatra ny hamafin’ny feozavatra lazainao, fa tsy fitenenana mafy kokoa. Hiresaka monao, rehefa hilaza baiko maika, zavatra iray itokisanao mafy, na mba izany isika ao amin’ny Lesona Faha-11. fanamelohana. Eritrereto tsara Raha miteny mora kokoa, fa tsy tafahoatra ary amin’ny foireo tapany amin’ny anjaranao toana mety tsara ianao, dia hahatonga ny olona hiandry izay mitaky ny hitenenanao ` mafy kokoa. zavatra izany. Mazana anefa, no mila miteny amin-kery koOvay ny hafainganam-pitenikoa ianao, aorian’izany avy hatrany. Afaka mampita tebiteby nao, ka mitenena haingana na tahotra koa ianao, rehefa sady mampidina ny feonao no kokoa, rehefa hilaza zavatra tsy miteny amin-kery kokoa. Mety hiteny mora kokoa koa ianao, dia lehibe loatra, ary miadana kokoa rehefa hilaza mba hampisehoana fa tsy dia zava-dehibe loatra ilay lazaifanaporofoan-kevitra mafonja nao, raha oharina amin’ny teny hafa manodidina azy. Raha na hevi-dehibe. Mitenena haimiteny moramora foana anefa ianao, dia mety hoheverina ngana, mba hampitana ho tsy mahazo antoka ny amin’izay lazainao, na tsy ampy fientanam-po. Ovaovay ny haavon’ny feonao fatokisan-tena, na koa hoe tsy tena liana amin’ilay foto-keviraha mety, rehefa te hampita trao. Ilaina hotandremana tsara ny fomba sy ny fotoana fihetseham-po sy hanohina ny ampiasana ny feo malefaka kely. fon’ny mpihaino. Ovaovay ny hafainganam-piteninao. Rehefa miresaka Ny fampiasana ny fanovaovam-peo dia manomboka eo andavanandro isika, dia misosa ho azy ny tenintsika eo amin’ny fifidiananao hevitra. am-pilazantsika ny hevitsika. Miteny haingana isika, rehefa mientam-po. Rehefa tiantsika hitadidy tsara izay lazaintsika ny hafa, dia ataontsika miadana kokoa ny fitenintsika. Vitsy anefa ny mpandahateny vaovao manovaova ny hafainganam-piteniny. Nahoana? Mifantoka loatra amin’ireo teny hilazany zavatra izy ireo. Mety ho nosoratany daholo izany teny izany. Na dia tsy lahateny vakina aza ilay lahateny, dia mety hianarany tsianjery ireo teny rehetra ao. Noho izany, dia tsy miovaova ny hafainganam-piteniny. Ho afaka hanitsy izany lesoka izany izy, rehefa mianatra mampiasa drafitra. Aza manafaingana tampoka loatra ny fitenenanao, mba tsy hieritreretana vorona variana mitsindroka ka manidina tampoka rehefa misy

Fanovaovam-peo

manaitra. Ary aza miteny haingana loatra mihitsy, ka handiso ny fomba fanononao. Aza manafaingana sy mampiadana ny fitenenanao amim-pahazarana fotsiny mba hanovaovana ny hafainganam-piteninao. Tsy hanatsara ny anjaranao na ny lahateninao izany, fa vao mainka aza hanimba azy. Tokony hifanaraka amin’izay lazainao sy amin’ny fihetseham-po tianao hampitaina ary amin’ny zava-kendrenao, ny fiovan’ny hafainganam-piteny. Aza miteny haingana loatra na miadana loatra. Mitenena haingana kokoa toy ny amin’ny resaka andavanandro, raha tianao ny hampita fientanam-po. Izany koa no ataovy, rehefa milaza zavatra tsy dia lehibe loatra, na rehefa mitantara zavatra tsy ilana tsipiriany. Hanjary hisy fomba filazan-kevitra isan-karazany ny anjaranao na ny lahateninao, ka ` hahafinaritra ny hihaino azy. Etsy an-danin’izany kosa, dia mazana no mitaky ny hitenenana miadana kokoa ny hevitra mafonja kokoa sy ny hevi-dehibe ary ny famaranan-kevitra mahery. Ovaovay ny haavon’ny feonao. Alao sary an-tsaina ny olona iray mitendry zavamaneno mandritra ny adiny iray eo ho eo. Mandritra izany fotoana rehetra izany izy dia tsy mitendry afa-tsy naoty iray: mafy aloha, moramora avy eo, indraindray haingana, ary miadana avy eo. ` Miovaova ary ny hamafin’ny fitendriny sy ny hafainganany, saingy tsy miovaova ny haavon’ilay feo, hany ka tsy dia manintona ilay “mozika.” Toy izany koa, fa tsy hahafinaritra ny fandrenesana antsika raha tsy misy fiovaovana ny haavon’ny feontsika. Tsara homarihina fa tsy voatery hitovy ny vokatra ateraky ny fanovana ny feo haranitra kokoa na hidoboka kokoa, amin’ny fiteny rehetra. Amin’ny fiteny sasany, dia mety hanova ny hevitry ny teny iray ny fanovana ny haavon’ny feo ilazana azy. Kanefa, na dia amin’ny fiteny toy izany aza, dia afaka mampiasa fomba filazan-kevitra isan-karazany koa ny olona iray. Afaka manatsara ny ambaratongam-peo ananany izy. Mbola azony atao maranitra kokoa, ohatra, ny feony efa maranitra ary azony atao midoboka kokoa ny feony efa midoboka. Amin’ny fiteny hafa, ny fiovan’ny haavon’ny feo dia mety hanampy fanazavana amin’izay lazaina. Ohatra, azo ampiasaina mba hanamafisana hevitra ny feo atao somary maranitra kokoa sady mafy kokoa. Na azo atao koa ny milaza haben-javatra na halaviran-dalana, amin’ny fanovana ny haavon’ny feo. Ny feo atao miakatra ambony amin’ny faran’ny fehezanteny iray dia mety hilaza fa fanontaniana ilay izy. Amin’ny fiteny sasany anefa, dia ny feo atao midina ambany no mety hilaza izany.

113

114

Fanovaovam-peo

Mety hampita fientanam-po sy hafanam-po ny feo maranitra kokoa. Mety hampita alahelo sy tebiteby kosa ny feo midoboka kokoa. Manampy ny mpandahateny iray hanohina ny fon’ny mpihaino ireo fihetseham-po ireo. Aza milaza ilay teny fotsiny ianao, rehefa te haneho azy ireo. Ampiasao ny feonao mba hampisehoana fa tsapanao koa ilay izy. ` Fametrahana fototra ho amin’ny fanovaovam-peo. Aiza ary no anombohana ny fanovaovam-peo? Eo am-pifidiananao ireo fanazavana ho an’ny anjaranao na ny lahateninao. Raha tsy mifidy afa-tsy fanaporofoan-kevitra ianao, na tsy mifidy afa-tsy fampirisihana, dia tsy hiova firy ` ny fomba itenenanao. Koa fakafakao ary ilay drafitra, ary asio ny zavatra rehetra ilainao mba hanaovana famelabelarana velombelona nefa hahazoana fahalalana. Aoka hatao hoe tsapanao, eo am-panaovana lahateny, fa mitarazoka ka manjary manorisory ny famelabelaranao, ary mila manova ny fomba filazanao hevitra ianao. Inona no hataonao? Ovay ny fomba fisehon’ny famelabelaranao. Amin’ny fomba ahoana? Aza manohy miteny fotsiny, fa sokafy ny Baibolinao, ohatra, ka asao ny mpihaino hanokatra ny azy, ary mamakia andinin-teny iray. Na, avadiho ho fanontaniana ny ` ` fanambarana iray, ka mampiasa fiatoana ho fanamafisana. Milaza fanoharana tsotra iray. Fomba ampiasain’ny mpandahateny za-draharaha ireo voalaza ireo. Na efa za-draharaha ianao na tsia, dia afaka mampihatra ireo hevitra ireo koa, rehefa manomana ny anjaranao na ny lahateninao. Azo oharina amin’ny zavamanitra mampahatsiro ny sakafo ny fanovaovam-peo mamelombelona ny anjara na ny lahateny iray. Raha ilay karazany tsara no ampiasainao, ka antonony ny habetsahany, dia hivoaka tsara ny fanazavanao, ary hahafinaritra ny hihaino azy.

FANAZARAN-TENA: 1) Vakio ny 1 Samoela 17:17-53, ka mariho ireo toerana azonao anovaovana ny hamafin’ny feonao sy ny hafainganam-piteninao ary ny haavon’ny feonao. Avy eo, dia vakio amin’ny feo avo ilay izy, amin’ny fampitana tsara, fa tsy tafahoatra, ny fihetseham-po. Ataovy imbetsaka izany. 2) Mba hianarana hanovaova ny feonao, dia vakio amin’ny feo avo, haingana araka izay vitanao, nefa tsy miakanakana, ny andininy faha-48-51. Averimbereno vakina izy ireo, amin’ny fitenenana haingana kokoa hatrany, nefa tsy mandiso ny fanononanao. Vakio miadana araka izay vitanao izy ireo avy eo, ka ataovy faran’izay miadana mihitsy. Avy eo, dia vakio haingana kokoa, dia miadana kokoa, ary toy izany hatrany, mandra-pahain’ny feonao hanao araka izay tianao.

HAFANAM-PO 10



Inona no ilainao hatao? Manao lahateny velombelona sy mahaliana, ka mampiseho amin’izany fa mino tanteraka izay lazainao ianao. VELOMBELONA tsara ny anjara na ny lahateny atao amin-kafanam-po. Tena ilaina ny filazana zavatra ahitana fianarana, fa ny lahateny manaitaitra, atao amin-kafanam-po, no hihazona ny sain’ny mpihaino. Na inona na inona kolontsaina nanabeazana anao, na toetranao, dia afaka mianatra haneho hafanam-po ianao. Asio fihetseham-po ny fiteninao. Nilaza i Jesosy, fony izy niteny tamin’ny vehivavy iray tany Samaria, fa ireo mivavaka amin’i Jehovah dia tsy maintsy manao izany “amin’ny fanahy sy NAHOANA IZANY ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Tsy maintsy atosiky ny fo NO TENA ILAINA? velom-pankasitrahana, ary manaraka ny fahamarinana ao Raha mafana fo ianao, dia ho amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, eo amin’ny fivavahaliana foana ny mpanatrika eo ny. Rehefa feno fankasitrahana toy izany ny olona iray, dia ho am-pihainoana anao; mety hita taratra eo amin’ny fomba fiteniny izany. Ho may hiresahanosika azy ireo hanao zaka amin’ny hafa momba ireo fandaharana nataon’i Jehovah vatra koa ny hafanam-ponao. tamim-pitiavana izy. Ho hita taratra eo amin’ny endriny sy ny Raha mafana fo momba izay lazainao ianao, dia ho toy izafihetsehany ary ny feony izay tena fihetseham-pony. ` ny koa ny mpihaino anao. Koa nahoana ary ny mpandahateny iray tia an’i Jehovah sy mino ilay zavatra resahiny no mety tsy hiteny amin-kafanampo? Tsy ampy ny anomanany fotsiny ireo teny holazainy. Tsy maintsy mifantoka tanteraka amin’ny lahateniny ny sainy sy ny fony. Aoka hatao hoe asaina miresaka momba ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy izy. Rehefa manao ny famelabelarany izy, dia tsy ireo hevitra fotsiny no tsy maintsy mameno ny sainy, fa ny fankasitrahany noho ny soa hoentin’ny soron’i Jesosy ho azy sy ny mpihaino azy koa. Mila mitadidy ny fankasitrahany an’i Jehovah sy i Jesosy, noho io fandaharana mahatalanjona io, izy. Mila mieritreritra an’ilay fiainana mahatalanjona hoentin’izy io ho an’ny olombelona izy: fahasambarana mandrakizay sy fahasalamana to` nga lafatra eto an-tany tonga paradisa indray! Tsy ny sainy ihany ary no voakasika, fa ny fony koa. ` Milaza ny Baiboly fa i Ezra, mpanora-dalana sady mpampianatra teo ` amin’ny Isiraely, dia “nampiomana ny fony hitady ny lalan’i Jehovah ka ` hankato izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” (Ezra 7:10) Raha manao toy izany isika ka manomana ny fontsika koa, fa tsy ilay 115

116

Hafanam-po

fanazavana fotsiny, dia hiteny avy amin’ny fontsika. Hanampy be dia be ny mpihaino ho tena tia ny fahamarinana isika, raha miteny avy amin’ ny fo toy izany. Eritrereto ireo izay hihaino anao. Ny fatokisana fa mila mandre izay holazainao ny mpihaino anao no zavatra hafa hanampy anao haneho hafanam-po. Tsy tokony hanangona fanazavana mendri-kolazaina fotsiny ` ary ianao, rehefa manomana ny famelabelaranao. Tokony hivavaka amin’i Jehovah koa ianao mba hahaizanao hampiasa NY FOMBA izany fanazavana izany mba hahasoa an’ireo izay hiresahaHIANARANA AZY nao. (Sal. 32:8; Matio 7:7, 8) Fakafakao hoe nahoana izy ireo Tsy ny hevitra holazainao no mila mandre ilay fanazavana, sy hoe inona no soa ho azoihany no omano, fa ny fonao ny avy aminy, ary hoe ahoana no hamelabelaranao azy mba koa; amin’izay, dia hiseho ny fihetseham-ponao. hahitany ny antony ilany azy. Eo am-panaovanao fanomanana, dia mitadiava fomba haEritrereto tsara ny soa horaisin’ny mpihaino mpiharanao na hanazavanao ilay foto-kevitra amin’ny fomba avy amin’ireo hevitra mahaliana. Tsy voatery ho hevitra vaovao ilay izy, fa ny fohohazavainao. mba hitondranao ilay fanazavana azy kosa no azonao havaoFantaro ireo tapany mitaky zina. Ireto avy ny hevitra tena hanampy anao hanao anjara na hafanam-po indrindra. lahateny amin-kafanam-po: ireo hanampy ny mpihaino haAtaovy velombelona namafy ny fifandraisany amin’i Jehovah, hankasitraka ireo fatanteraka ny fiteninao. ndaharana nataony, hahay hizaka ny faneren’ny fiainana eto Asehoy eo amin’ny endrikao amin’ity tontolo tranainy ity, na hahita vokatra eo amin’ny ny fihetseham-ponao. fanompoany. Mitenena amin-kery sy Ahoana raha asaina mamaky teny ampahibemaso ianao? havitrihana. Mba hanaovana izany amin-kafanam-po, dia tsy ampy ny mahay milaza ireo teny amin’ny fomba mety sy mamaky miaraka ireo teny tokony hiaraka. Fakafakao ilay lahatsoratra. Manaova fikarohana momba azy io, raha tapany iray ao amin’ny Baiboly no hovakinao. Ataovy azo tsara ny hevitra fototra ao anatiny. Hevero ny soa horaisinao sy ny mpihaino anao avy aminy, ary vakio ilay izy amin’ny faniriana ny hampita izany amin’ireo mihaino anao. Ary inona no tokony hataonao, rehefa manomana ny fanompoanao ianao? Jereo indray ny foto-kevitra horesahinao sy ireo andinin-teny kasainao hampiasaina. Eritrereto koa izay ao an-tsain’ny olona. Inona no noresahina tao amin’ny vaovao? Inona avy ireo zava-manahirana hitan’ny ` olona? Manomana fanazavana hampiaiky azy ireo fa manana ny vahaolana ho an’ireo zava-manahirana azy ny Tenin’Andriamanitra. Ho may ianao hampiseho izany aminy, ka hanaraka ho azy ny hafanam-po. Manehoa hafanam-po ka ataovy velombelona ny famelabelaranao. Tena haneho ny hafanam-ponao ny anjara na ny lahateny velombelona.

Hafanam-po Tokony hiharihary eo amin’ny endrikao izany. Tsy maintsy asehonao amin’ny feonao fa miaiky izay lazainao ianao, nefa koa tsy mandidindidy. Ilaina ny fahaiza-mandanjalanja. Misy olona mientanentana amin’izay zavatra rehetra lazainy. Ilaina hampiana izy ireny hahatakatra fa rehefa manjary be haingony loatra ny fiteniny, na mihetsi-po be loatra izy, dia izy no hifantohan’ny sain’ny mpihaino fa tsy ilay hafatra lazainy. Etsy andanin’izany kosa, dia ilaina hampirisihina haneho fihetseham-po kokoa ny olona saro-kenatra. Mifindra ny hafanam-po. Raha misy fifandraisana tsara eo aminao sy ny mpihaino anao, ka maneho hafanam-po ianao, dia hifindra aminy izany hafanam-po izany. Nafana fo i Apolosy rehefa niteny, ary voalaza ho lehilahy nahay nandaha-teny izy. Raha arehitry ny fanahin’Andriamanitra toy izany ianao, dia ho velombelona tsara ny famelabelaranao, ka hanosika ny mpihaino anao hanao zavatra.—Asa. 18:24, 25; Rom. 12:11. Hafanam-po mifanentana amin’izay lazaina. Mitandrema sao ho tafahoatra sy haharitra mandritra ilay anjara na lahateny manontolo ny hafanam-ponao, ka hamizana ny mpihaino anao. Tsy hisy vokany ny fandrisihanao azy ireo hampihatra ilay zavatra resahinao. Manamafy ny ilana hanomanana hevitra isan-karazany izay mitaky fomba fitenenana samihafa izany. Aza manaraka fomba fiteny tsy maneho fitandremana. Tena hahaliana anao ny hevitra arosonao, raha hainao tsara ny mifidy azy. Misy anefa hevitra tokony hampitaina amin-kafanam-po kokoa noho ny hafa, ary ireny no tokony haharoharonao amim-pahakingana ao amin’ny anjaranao na lahateninao. Ireo hevi-dehibe indrindra indrindra no tokony hovelabelarina aminkafanam-po. Tsy maintsy misy hevitra misongadina iezahanao hotratra` rina, ao amin’ny famelabelaranao. Ireo mazana no tokony hanosika ny mpihaino hanao zavatra. Rehefa avy nampiaiky azy tokoa ianao, dia mila mandrisika azy, sy mampiseho aminy ny soa azo avy amin’ny fampiharana izay vao avy noresahina. Ny hafanam-ponao no hanampy anao hanohina ny fon’ny mpihaino. Tsy tokony hatao an-tery na oviana na oviana ny fitenenana velombelona. Tokony hisy antony hanaovana azy io, ary ilay fanazavana resahinao no hanome anao izany antony izany.

FANAZARAN-TENA: Diniho ny Josoa toko voalohany sy faha-2, ka farito hoe aiza sy ahoana no azo anehoana hafanam-po rehefa mamaky azy ireo. Averimbereno vakina amin’ny feo avo sy amin-kafanam-po mety tsara izy ireo.

117

11 HATSARAM-PANAHY SY FIHETSEHAM-PO



Inona no ilainao hatao? Maneho ny fihetseham-po tsapanao sy mifanentana amin’izay lazainao, rehefa miteny.

TAPANY fototra amin’ny fiainan’olombelona ny fihetseham-po. Rehefa maneho ny fihetseham-pony ny olona iray, dia mampiharihary izay ao am-pony, ny hoe karazan’olona manao ahoana izy, ny hoe inona no tsapany momba ny olona sy ny zava-mitranga. Olona maro no manafina ny fihetseham-pony noho izy ireo niaritra ny mafy teo amin’ny fiainany, ary indraindray koa noho ny kolontsaina nanabeazana azy. Ampirisihin’i Jehovah anefa isika hamboly toetra ` NAHOANA IZANY tsara ao anatintsika, ary haneho izany tsara ety ivelany avy NO TENA ILAINA? eo.—Rom. 12:10; 1 Tes. 2:7, 8. Tena ilaina izany, raha tiaRehefa miteny isika, dia mety hampiharihary tsara ny fina ny hanohina ny fon’ny hetseham-pontsika ireo teny ampiasaintsika. Mety tsy hino olona. ny fahatsoram-pontsika anefa ireo mahare antsika raha tsy mifanaraka ny teny ampiasaintsika sy ny fihetseham-po asehontsika. Etsy an-danin’izany kosa, raha mifanaraka tsara ny tenintsika sy ny fihetseham-pontsika, dia hahafinaritra sady hisy heviny feno, ka mety hanohina ny fon’ireo mihaino antsika, ny fitenintsika. Fanehoana hatsaram-panahy. Matetika izany no ampifandraisina amin’ny zavatra eritreretina momba ny hafa. Ohatra, rehefa miteny momba ireo toetran’i Jehovah mahate ho tia isika, sy maneho ny fankasitrahantsika noho ny hatsaram-pony, dia tokony haneho hatsaram-panahy ny feontsika. (Isaia 63:7-9) Ary tokony haneho hatsaram-panahy koa ny fomba fitenintsika rehefa miteny amin’ireo mpiara-belona amintsika isika. Nanatona an’i Jesosy ny boka iray ary nitalaho taminy mba hanasitrana azy. Alao sary an-tsaina ny toetran’ny feon’i Jesosy nilaza hoe: “Mety Aho; madiova hianao.” (Marka 1:40, 41) Eritrereto koa ny amin’ ny vehivavy iray nandeha ra efa hatramin’ny 12 taona ary nanatona moramora an’i Jesosy avy tao ivohony, ka nikasika ny sisin-dambany. Rehefa hitan’ilay vehivavy fa tsy afa-niafina intsony izy, dia nangovitra teo anatrehan’i Jesosy izy, ka niantoraka teo an-tongony. Nambarany teo anoloan’ny olona rehetra ny antony nikasihany ny akanjon’i Jesosy sy ny nahasitrana azy. Eritrereto ilay fomba nilazan’i Jesosy izao teny 118

Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po

119

izao taminy: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.” (Lioka 8:42-48) Mbola manohina ny fontsika mandraka ankehitriny ihany ny hatsaram-panahin’i Jesosy tamin’ireo fotoana ireo. Rehefa miantra olona, sahala amin’i Jesosy, isika, ka tena maniry marina ny hanampy azy ireo, dia hiseho eo amin’ny fomba iresahantsika aminy izany. Atosiky ny fo ny fanehoana hatsaram-panahy toy izany, fa tsy lasa tafahoatra. Miankina be dia be amin’ny fanehoantsika hatsaram-panahy ny fihetsiky ny olona. Azo lazaina tsara aminkatsaram-panahy ny ankamaroan’ny zavatra lazaintsika eny am-pitoriana, indrindra fa rehefa manjohy hevitra isika, NY FOMBA mampahery, mampirisika ary mangoraka olona. HANEHOANA AZY Asehoy eo amin’ny endrikao ny hatsaram-panahy raha fiAza ireo teny hampiasainao no ifantohana, fa ny faniriahetseham-po tsapanao ao anatinao izany. Rehefa maneho nao hanampy ireo mihaino azy io ianao, dia ho voasintona ho aminao ny mpihaino anao. anao, toy ny hoe voasinton’ny afo amin’ny alina mamanaNy feonao sy ny endrikao dia la. Mety tsy hino kosa ny mpihaino hoe tena miahy azy samy tokony hanome taratr’ amim-pahatsoram-po ianao, raha tsy hita eo amin’ny endriizay fihetseham-po mifanentakao ny hatsaram-panahy. Tsy zavatra azo isalorana toy ny sana amin’ny zavatra lazainao. ron-tava ny hatsaram-panahy, tsy maintsy avy amin’ny fo Mianara avy amin’ny fandiniizy io. hana tsara ny hafa izay mahay maneho fihetseham-po rehefa Tokony hasehon’ny feontsika koa ny hatsaram-panahy. miteny. Raha ratsy feo na gara feo isika, dia mety ho sarotra amintsika ny haneho hatsaram-panahy, rehefa miteny. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, ka miezaka mafy ianao, dia ho afaka hanao izany. Mety hanampy anao ny fitadidiana fa toa henjana sy masiaka ny fandrenesana ny fitenenana fohy sy mitsatotsatoka. Ataovy somary mitarika ireo feo malefaka kokoa ao anatin’ireo teny. Hanampy anao haneho hatsaram-panahy eo amin’ny fitenenanao izany. Zava-dehibe kokoa noho izany aza anefa ny hevitra ifantohan’ny sainao. Raha mifantoka amim-pahatsorana amin’ireo iresahanao ianao, ka maniry marina ny hampita hevitra hahasoa azy ireo, dia ho hita taratra eo amin’ny fomba fiteninao izany. Mandrisika ny mpihaino ny fanaovana anjara na lahateny velombelona. Ilaina koa anefa ny fanehoana fitiavana. Matetika no tsy ampy ny mampiaiky ny sain’ny hafa; tsy maintsy manohina ny fony koa isika. Fanehoana fihetseham-po hafa. Fihetseham-po asehon’ny olona ory iray ny tebiteby sy ny tahotra ary ny fahakiviana. Fihetseham-po tokony hibahana eo amin’ny fiainantsika ny fifaliana ary miseho ho azy

120

Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po

izy io, rehefa miresaka amin’ny hafa isika. Etsy an-danin’izany anefa, dia misy fihetseham-po sasany ilaina hofehezina, satria tsy mety amin’ ny toetra kristianina. (Efes. 4:31, 32; Fil. 4:4) Ny karazana fihetsehampo rehetra dia hampitain’ny teny fidintsika, ny feontsika, ny hamafin’ ny fitenenantsika, ny endritsika ary ny fihetsitsika. Miresaka momba ny fihetseham-po rehetra eo amin’ny olombelona ny Baiboly. Tononiny fotsiny izy ireny indraindray. Mitantara fisehoan-javatra na milaza tenin’olona mampiharihary fihetseham-pon’ olona izy any amin’ny toerana hafa. Rehefa mamaky zavatra toy izany amin’ny feo avo ianao, ka maneho ireny fihetseham-po ireny ny feonao, dia hisy vokany kokoa eo aminao sy ny mpihaino anao izany. Mila mipetraka eo amin’ny toeran’ilay resahina ao amin’ilay zavatra vakinao ianao, mba hanaovana izany. Tsy fanaovana teatra anefa ny anjara na ny lahateny iray, ka mitandrema sao lasa tafahoatra ny fihetseham-po asehonao. Ataovy mazava tsara ao an-tsain’ny mpihaino ny hevitra vakinao. Mifanentana amin’izay lazaina. Toy ny amin’ny hafanam-po, dia miankina be dia be amin’izay lazainao ny hatsaram-panahy sy ny fihetseham-po hafa asehonao eo amin’ny fitenenanao. Sokafy ny Matio 11:28-30, ary mariho izay voalaza ao. Vakio avy eo ` ilay fanamelohan’i Jesosy ny mpanora-dalana sy ny Fariseo ao amin’ ny Matio toko faha-23. Tsy azontsika heverina hoe feo natoritory sy tsy nisy fahavitrihana no nilazany an’ireo teny fanamelohana mafy ireo. Karazana fihetseham-po inona no heverinao fa ilaina haseho, rehefa mamaky fitantarana toy ny ao amin’ny Genesisy toko faha-44, momba ny fitalahoan’i Joda ho an’i Benjamina, zandriny lahy? Mariho ilay fihetseham-po voalaza eo amin’ny andininy faha-13, sy ilay fihetseham-po tsapan’i Joda hita eo amin’ny andininy faha-16, momba ny antony nahatonga an’io loza io, ary ny fihetsik’i Josefa, voalaza ao amin’ny Genesisy 45:1. Araka izany, na mamaky teny isika na miteny, mba hanaovantsika izany tsara, dia tsy ireo teny sy hevitra ihany no tsy maintsy heverintsika, fa ilay fihetseham-po tokony hiaraka amin’izy ireo koa.

FANAZARAN-TENA: Vakio amin’ny feo avo ireto andalan-teny ao amin’ny Soratra Masina ireto, ka manehoa fihetseham-po mifanentana amin’ilay zavatra vakinao: Matio 20:2934; Lioka 15:11-32.

FIHETSEHANA SY IZAY ASEHON’NY ENDRIKA 12

Inona no ilainao hatao? Manetsika ny tanana, ny soroka, na ny vatana manontolo, mba hanehoana hevitra, fihetseham-po na toe-tsaina. Mampiasa ny maso sy ny vava ary ny loha, mba hanamafisana ny teny lazaina sy hanehoana fihetseham-po. NY MPONINA amin’ny firenena sasany dia manao fihetsehana kokoa noho ny hafa. Na izany aza, dia saika ny rehetra no milaza hevitra amin’ ny endriny na ny fihetsehana ataony, rehefa miteny. Marina izany, na rehefa miresaka isika na rehefa mandaha-teny ampahibemaso. Nandeha ho azy ny fanaovana fihetsehana, teo amin’i Jesosy sy ny mpianany. Indray mandeha, dia nisy nilaza tamin’i Jesosy fa te hiresaka taminy ny reniny sy ny rahalahiny. Hoy ny naNAHOANA IZANY valin’i Jesosy: “Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?” NO TENA ILAINA? Avy eo, dia hoy ny teny nanampin’ny Baiboly: “Naninjitra Manamafy ny teninao ny fihe` ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo tsehana sy izay asehon’ny endrikao. Mety hanaitaitra ny ny reniko sy ny rahalahiko!” (Matio 12:48, 49) Misy ohatra fihetseham-ponao izy ireo, ka hafa ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:17 sy 13:16, mampisehahatonga ny feonao ho ho fa tsy nisalasala nampiasa fihetsehana koa ny apostoly velombelona. Petera sy Paoly. Tsy ny feo ihany no ilazana hevitra sy fihetseham-po, fa ny fihetsehana sy ny endrika koa. Mety ho toa hilaza fa tsy miraharaha ny hafa ny olona iray, raha tsy mampiasa tsara an’ireo izy. Vao mainka anefa hisy vokany tsara ny fitenenana rehefa hay tsara ny mampiasa ireo fomba filazan-kevitra rehetra ireo. Na dia rehefa miteny amin’ny telefaonina aza ianao, raha mety ny fihetsehana ataonao sy izay asehon’ny endrikao, dia ho re mora foana amin’ny feonao fa tena lehibe ilay zavatra lazainao sy ny fihetseham-ponao momba azy. Noho izany, na mandaha-teny tsy an-kijery soratra ianao na mamaky teny, na mijery anao ny mpihaino na mijery ny Baiboliny, dia tena zava-dehibe ny fihetsehana ataonao sy izay asehon’ny endrikao. Tsy tokony hamboamboarina toy ny hoe nianarana avy tao anaty boky ny fihetsehana ataonao sy izay asehon’ny endrikao. Tsy nianatra ny hihomehy na ho tezitra ianao. Tokony haneho ireo fihetseham-po 121

122

Fihetsehana sy Izay Asehon’ny Endrika

tsapanao ao anatinao koa ny fihetsehana ataonao. Vao mainka tsara ny fihetsehana, rehefa mandeha ho azy. Misy karazany roa lehibe ny fihetsehana: ny fihetsehana ho fanazavana sy ny fihetsehana ho fanamafisana. Mampiseho fanaovan-javatra na haben-javatra na toerana, ny fihetsehana ho fanazavana. Ao amin’ ny sekoly, rehefa ny fihetsehana no takina aminao, dia aza mianina amin’ny fanaovana izany indray mandeha na indroa monja. Manaova fihetsehana toy ny amin’ny resaka andavanandro, mandritra ny anjaranao manontolo. Raha sarotra aminao izany, dia mariho ireo teny mampiseho lalana aleha, halaviran-dalana, haben-jaHEVITRA ILAINA vatra, toerana, na fampitahana toerana. Amin’ny ankabeaHOTADIDINA zan’ny fotoana anefa, ny hany ilainao dia ny ho revo tanteNy fihetsehana sy izay asehon’ raka amin’ny anjaranao. Aza manahy loatra ny amin’izay ho ny endrika mandeha ho azy, avy amin’ny fo, no mandaitra fiheveran’ny mpihaino anao, fa mitenena sy manaova zavaindrindra. Diniho izay ataon’ tra toy ny fanaonao andavanandro. Mandeha ho azy ny fany hafa, nefa aza mitady hananaovan’ny olona iray fihetsehana rehefa tony izy. haka izay rehetra ataony. Fakafakao ireo hevitra ao amin’ Maneho fihetseham-po sy fatokisan-tena ny fihetsehana ny anjara hataonao, mandraho fanamafisana. Manasongadina sy manome aina ary mapahainao azy ireo tsara. Ataovy namafy ny hevitra lazaina izy ireny. Zava-dehibe ny fihetsetoy ny tsapanao sy hitanao izy hana ho fanamafisana. Mitandrema anefa, satria afaka miireo, ary ampiasao ny feonao sy ny tananao ary ny endrikao vadika mora foana ho fahazaran-dratsy ny fihetsehana ho mba hanehoana azy ireo. fanamafisana! Raha fihetsehana mitovy foana no averimberinao, dia mety hisarika ny sain’ny mpihaino ho amin’ilay fihetsehana izany, fa tsy hanatsara ilay anjaranao. Fihetsehana ho fanazavana ihany aloha atao, raha milaza ny mpiandraikitra ny sekoly fa manao izany ianao. Miezaha indray hanao fihetsehana ho fanamafisana, rehefa afaka kelikely. Hevero ny fihetseham-pon’ireo itenenanao mba hamantarana ny habetsahan’ny fihetsehana ho fanamafisana hataonao sy ilay karazana fihetsehana mety. Mety ho tsy tian’ny mpanatrika, ohatra, rehefa tondroina amin’ny tanana izy. Any amin’ny firenena sasany, dia misy fihetsehana raisina amin’ny fomba diso. Raha lehilahy, ohatra, no manampina ny vavany amin’ny tanany, rehefa gaga, dia hoheverin’ny olona ho vavivavy. Any amin’ny tany hafa indray, dia heverina ho tsy maotina ny vehivavy tsy misalasala manao fihetsehana amin’ny tana` na. Any amin’ny tany toy izany ary, dia mila mampiasa ny endriny, fa tsy ny tanany, ireo anabavy, mba hanamafisana ny heviny. Saika any amin’ny tany rehetra moa no mety hahatsikaiky ny fanaovana fihetsehana tafahoatra eo anoloan’ny olona vitsivitsy monja.

Fihetsehana sy Izay Asehon’ny Endrika

Arakaraka ny anaovanao anjara na lahateny, dia tsy hatahotahotra intsony ianao rehefa miteny, ka hanao fihetsehana ho fanamafisana, mba hanehoana ny fihetseham-ponao. Hampiseho ny fatokisan-tenanao sy ny fahatsoram-ponao izany. Hanjary hisy heviny kokoa ny teninao. Izay asehon’ny endrikao. Ny endrikao, fa tsy ny tapany hafa amin’ny vatanao, matetika no mampiseho ny tena fihetseham-ponao. Samy mandray anjara amin’izany daholo ny masonao, ny paozin’ny vavanao, ny fitongilan’ny lohanao. Na dia tsy miloa-bava aza ianao, ny endrikao dia afaka mampita tsy firaikana, rikoriko, fahaverezan-kevitra, fahagagana, na fahafinaretana. Hisy heriny ny lahateny, rehefa mifanaraka amin’ izay lazaina ny asehon’ny endrika, satria misy fanamafisana hitan’ny maso sy maneho fihetseham-po. Nasian’ny Mpamorona hozatra be dia be ao amin’ny endrikao, maherin’ny 30 amin’ny fitambarany. Efa ho ny antsasak’izany no miasa, rehefa mitsiky ianao. Na eny ambonin’ny lampihazo ianao, na eny amin’ny fanompoana, dia milaza hafatra mahafinaritra ny olona sy hampifaly ny fony. Hanamafy izany ny fitsikiana amin-katsaram-panahy. Etsy an-danin’izany kosa, raha tsy maneho na inona na inona ny endrikao, dia mety hisalasala ny amin’ny fahatsoram-ponao ny hafa. Mihoatra noho izany aza, fa ny fitsikianao dia hilaza amin’ny hafa fa tsara fikasa ianao. Zava-dehibe indrindra izany amin’izao andro atahoran’ny rehetra ny olona tsy fantany izao. Afaka manampy ny hafa tsy hatahotahotra sy hihaino izay lazainao ny tsikinao.

FANAZARAN-TENA: 1) Vakio ny Genesisy 6:13-22. Lazao amin’ny fomba fiteninao ny nanorenana ny sambofiara sy ny nanangonana ireo biby. Aza mifantoka amin’ny ` tsipiriany; lazao fotsiny izay tadidinao. Mampiasa fihetsehana ho fanazavana, eo am-panaovana izany. Mangataha olona hijery anao sy hanome ny heviny. 2) Miresaha amin’ny namana iray, toy ny hoe mitory momba ny Fanjakan’ Andriamanitra sy ireo fitahiana hoentiny ianao. Asehoy eo amin’ny endrikao izay tena tsapanao momba izay resahinao.

123

13 FIJERENA NY MPIHAINO EO AMIN’NY MASONY

Inona no ilainao hatao? Mijery an’ireo iresahanao, ka mamela ny masonareo hifanojo vetivety, raha mety eo amin’ny misy anareo izany; mahita ny isam-batan’olona, fa tsy fitambaran’olona fotsiny. MANAMBARA ny toe-tsaintsika sy ny fihetseham-pontsika ny masontsika. Mety hilaza fahagagana na tahotra izy ireo, na haneho fangoraham-po na fitiavana. Mety hitory fisalasalana na alahelo izy ireo indraindray. Hoy ny lehilahy zokiolona iray momba ny mpiray tanindrazana aminy, izay nijaly mafy: “Ny masonay no miteny.” Mety hitsara antsika sy izay lazaintsika, avy amin’izay jeren’ny masontsika, ny hafa. Any amin’ny firenena maro, NAHOANA IZANY dia matoky an’ireo mijery azy eo amin’ny masony amin-kaNO TENA ILAINA? tsaram-panahy ny olona. Mifanohitra amin’izany kosa fa Any amin’ny firenena maro, rehefa miresaka amin’ny mety tsy hatokisany ny fahatsoram-po na ny fahaizan’ny olona ianao, ka mijery azy olona iray mijery ny tongony na zavatra hafa, fa tsy ilay oloeo amin’ny masony, dia na iresahany. Any amin’ny firenena hafa kosa, dia heverin’ mampiseho fa tena miahy azy marina. Hita avy ny olona ho tsy mahalala fomba ianao, mila ady na mihaamin’izany koa fa matoky ntsy, raha mijery azy maharitra eo amin’ny masony, rehefa izay lazainao ianao. miresaka aminy. Marina indrindra izany, rehefa lehilahy sy vehivavy no mifampiresaka, na rehefa manam-pahefana no iresahana. Ary any amin’ny tany sasany, dia heverina ho tsy mahay manaja ny tanora mijery olon-dehibe mivantana eo amin’ny masony, rehefa miresaka aminy. Rehefa tsy manafintohina olona anefa ny fijerena azy eo amin’ny masony, dia ataovy izany, satria manamafy ny zava-dehibe lazainao. Mety ho hita amin’izany fa matoky izay lazainao ianao. Mariho ny fomba namalian’i Jesosy, rehefa naneho fahagagana be ny mpianany ka nilaza hoe: “Iza indray no azo hovonjena?” Hoy ny Baiboly: “Ary Jesosy, nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.” (Matio 19:25, 26) Asehon’ny Soratra Masina koa fa nandinika akaiky ny fihetsik’ireo nihaino azy ny apostoly Paoly. Nandahateny izy indray mandeha, ary nisy lehilahy iray nalemy hatramin’ny nahaterahany nanatrika teo. Hoy ny Asan’ny Apostoly 14: 9, 10: “Izy nahare an’i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy 124

Fijerena ny Mpihaino eo Amin’ny Masony

125

mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io, dia niteny tamin’ny feo mahery hoe: Mijoroa amin’ny tongotrao.” Torohevitra ho an’ny fanompoana. Aoka ianao ho sariaka sy tsara fanahy rehefa manatona olona eny am-pitoriana. Mametraha fanontaniana mampisaintsaina, raha mety, mba hanombohan-dresaka momba ny zavatra iray mety hahaliana anareo. Eo am-panaovana izany, dia miezaha hijery an’ilay olona eo amin’ny masony, na fara faharatsiny, hijery ny endriny amim-panajana sy amin-katsaram-panahy. Tena mahafinaritra ny hafa ny olona mitsiky amin-katsaram-panahy sy maneho eo amin’ny masony ny fifaliana tsapany ao anatiny. Mety hilaza amin’ny hafa izany hoe olona manao ahoana ianao, no sady hanampy azy ho tony kokoa mandritra ilay reHEVITRA TOKONY saka. HOTADIDINA Raha tsy manafintohina ny fijerena olona eo amin’ny Aoka ianao ho tsotra sy masony any amin’ny misy anao, dia ataovy izany, satria ny sariaka ary tena hiahy marina an’izay iresahanao. fijeriny dia mety hanoro anao izay tokony ho fihetsikao. Mety ho hitanao eo amin’ny masony raha tezitra izy, ohaRehefa mamaky teny, dia ` hazony eo an-tananao ilay tra, na tena tsy liana mihitsy. Mety ho hitanao koa raha tsy ` zavatra vakinao ary mitraka azony ny tianao holazaina. Ho hitanao koa raha manombofoana, mba tsy hanetsehana ka tsy manana faharetana izy. Hiharihary koa raha tena liany lohanao manontolo, na izy. Izay ambaran’ny mason’ilay olona dia mety hamparehefa hijery ny mpihaino. hafantatra anao raha mila miteny miadana kokoa ianao, mampiteny azy kokoa, mamarana ilay resaka, na angamba manohy ny teninao kosa mba hampisehoana ny fomba fianarana ny Baiboly. Miezaha hijery an’ilay olona eo amin’ny masony amim-panajana foana na eny am-pitoriana ianao, na mampianatra Baiboly any an-tranon’olona. Aza mibanjina azy maharitra anefa, ka hahasanganehana azy. (2 Mpanj. 8:11) Jereo matetika anefa ny endrik’ilay olona, amin’ny fomba tsotra sy amin-katsaram-panahy. Mitory fiahiana amim-pahatsorana izany, any amin’ny tany maro. Mazava ho azy fa rehefa mamaky ny Baiboly na boky hafa ianao, dia hibanjina ilay pejy vakinao ny masonao. Mety ho tianao anefa ny hijery mivantana an’ilay olona, na dia vetivety monja aza, mba hanamafisana hevitra iray. Ho afaka hahita ny fihetsiny koa ianao, raha mampitraka ny lohanao tsindraindray. Aza kivy, raha saro-kenatra ianao ka sarotra aminao ny mijery ny olona eo amin’ny masony amin’ny voalohany. Handeha ho azy izany

126

Fijerena ny Mpihaino eo Amin’ny Masony

amin’ny farany, rehefa mihazatra ianao. Mety hanatsara ny fahaizanao miresaka amin’ny hafa koa izany. Rehefa manao lahateny. Milaza amintsika ny Baiboly fa “nanopy ny masony tamin’ny mpianany” i Jesosy, talohan’ny nanombohany ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. (Lioka 6:20) Tahafo ny ohatra nomeny. Raha hiteny eo anoloan’olona maro ianao, dia atreho izy ireo, ary miatoa mandritra ny segondra vitsivitsy aloha vao miteny. Any amin’ny tany maro, dia mety harahin’ny fijerena ny mpanatrika sasany eo amin’ny masony izany fotoam-piatoana kely izany, ary mety hanampy anao tsy hatahotahotra. Hanampy ny mpanatrika hahita izay fihetsika sy fihetseham-po ahariharin’ny endrikao koa izany. Ary farany, hanampy ny mpanatrika hitombina tsara ka ho vonona hanongilan-tsofina ny fanaovana izany. Jereo ny mpanatrika mandritra ny lahateninao. Aza mijery azy ireo amin’ny fitambarany fotsiny, fa miezaha hijery ny isam-batan’olona. Saika any amin’ny firenena rehetra, dia antenaina amin’ny mpandahateny ny hijereny ny mpihaino azy eo amin’ny masony. Tsy fanopaza-maso tsindraindray etsy sy eroa fotsiny akory no atao hoe mijery ny mpihaino anao. Mijere olona iray eo amin’ny masony ` amim-panajana, ary milaza fehezanteny feno iray aminy, raha mety. ` Olona hafa indray jerena avy eo, ary milaza fehezanteny iray na roa amin’io olona io koa. Aza mijery olona ela loatra anefa, ka hahasanganehana azy, ary aza mifantoka amin’ny olona sasantsasany fotsiny. Manaova toy izany amin’ny mpanatrika rehetra. Rehefa miteny amin’ny olona iray anefa ianao, dia tena miresaha aminy mihitsy ary mariho ny fihetsiny, alohan’ny hifindranao amin’ny olon-kafa. Tokony ho eo ambonin’ny polipitra ny taratasinao, na eo an-tananao, na ao anaty Baibolinao, mba hahafahanao hanopy maso kely fotsiny rehefa hijery azy ireo. Ho very ny fifandraisanao amin’ny mpihaino, raha mila manetsika ny lohanao manontolo ianao mba hijerena ny taratasinao. Tokony hofantarinao hoe impiry sy hoe rahoviana ianao no hijery ny taratasinao. Aza mijery azy ireo, rehefa tonga eo amin’ ny hevitra misongadina iray amin’ilay lahateny, satria tsy hahita ny fihetsiky ny mpihaino ianao amin’izay, no sady tsy dia hanan-kery firy intsony ny fiteninao. Toy izany koa, fa ho very ny fifandraisanao amin’ ny mpihaino, raha mijery foana ny taratasinao ianao. Rehefa manipy baolina amin’ny olona iray ianao, dia mijery raha voatantiny ilay izy. Toy ny “fanipazana baolina” amin’ny mpihaino ny

Fijerena ny Mpihaino eo Amin’ny Masony

hevitra tsirairay ao amin’ny lahateninao. Ilay “fanantazana baolina” kosa dia mety ho ny fihetsiny: mihatokato-doha, mitsiky, mifantoka tsara. Raha mijery ny mpihaino eo amin’ny masony ianao, dia hanampy anao izany hahita raha “voatantiny” ireo hevitrao. Raha asaina mamaky teny ho an’ny fiangonana ianao, tokony hijery ny mpanatrika ve ianao mandritra ilay vakiteny? Raha manaraka ny famakian-teninao ao amin’ny Baiboliny izy ireo, ny ankamaroany dia tsy hahatsikaritra akory raha mijery ianao na tsia. Hanampy anao hanome aina ny vakiteninao anefa ny fijerenao ny mpanatrika, satria ho hitanao tsara ny fihetsiny. Ary raha sendra misy tsy manaraka ao amin’ ny Baiboliny na miriorio saina, ny fijeren’ny mpandahateny azy eo amin’ny masony dia mety hanampy azy hifantoka indray amin’izay vakina. Mazava ho azy fa tsy afaka mijery ny mpanatrika afa-tsy vetivety fotsiny ianao, ary tsy tokony hatao ilay izy raha mampiakanaka` na ny vakiteninao. Noho izany, hazony eo an-tananao ny Baibolinao ` ary mitraka foana, fa aza miondrika. Omena lahateny hovakina any amin’ny fivoriamben’ny vondromparitra ireo anti-panahy indraindray. Mitaky fahazarana sy fanomanana tsara ary fanazaran-tena be dia be ny fanaovany izany tsara. Mazava ho azy fa voafetra ny fahafahana hijery ny mpihaino eo amin’ny masony, amin’ny lahateny vakina. Raha nanomana tsara anefa ilay mpandahateny, dia tokony ho afaka hijery ny mpihaino tsindraindray, nefa ho afaka hahita indray ilay soratra novakiny farany. Hanampy ny mpihaino hifantoka foana izany, ka hahatonga azy handray soa feno avy amin’ilay fampianarana ara-panahy lehibe atolotra azy.

FANAZARAN-TENA: Rehefa miresaka andavanandro amin’ny mpianakavinao sy ny namanao, dia jereo matetika kokoa eo amin’ny masony izy ireo, nefa aza mandika ny fomba amam-panao eo an-toerana.

127

14 FITENY TSOTRA, TSY AMBOAMBOARINA



Inona no ilainao hatao? Izay maha ianao anao aseho. Mitenena avy amin’ny fo, sy tsy misy fihamboana ary toy ny rehefa miresaka andavanandro. NY FITENINAO tsotra sy tsy amboamboarina no antony iray ihainoan’ny hafa anao amim-patokisana. Moa tokoa ve ianao hatoky ny teny lazain’ny olona iray manao saron-tava? Ary raha tsara tarehy kokoa noho ny tena endrik’ilay miteny ilay saron-tava, hatoky ny teniny ve ianao? Azo inoana ` fa tsia. Aza manafin-toetra ary, fa izay maha ianao anao aseho. Tsy hoe tsy miraharaha akory ny hoe tsotra sy tsy amboamboarina. Tokony hohalavirina ny fitsipi-pitenenana diso sy NAHOANA IZANY ny fanononana ratsy ary ny fitenenana mingonongonona. Toy NO TENA ILAINA? izany koa ny tenin-jatovo. Tiantsika ho mendrika foana ny fiRaha matahotahotra ianao, tenintsika sy ny fombantsika. Ny olona maneho fihetsika tsomihenjana ny vatanao, na mitra sy tsy amboamboarina dia sady tsy fatra-panaja loatra no tsy kaviavia ianao, rehefa miteny, mitady loatra ny hanaitra ny sain’ny hafa. satria mieritreritra foana izay heverin’ny hafa momba anao, Eny amin’ny fanompoana. Matahotahotra ve ianao, rehefa dia mety tsy hifantoka handeha hitory ao amin’ny trano iray na amin’ny olona iray amin’izay lazainao ny olona. eny ampahibemaso? Toy izany ny ankamaroantsika. Tsy misinda vetivety anefa izany ho an’ny olona sasany. Mety ho farina na hangovingovitra ny feony, rehefa matahotahotra izy. Mety hanao fihetsika mikaviavia koa ny tanany na ny lohany. Antony maro no mety hahatonga ny mpitory hatahotahotra toy izany. Angamba izy mieritreritra momba izay hoheverin’ny hafa momba azy, na manontany tena raha hety ny famelabelarany. Tsy mahagaga ny toy izany, nefa tonga zava-manahirana ilay izy, rehefa lasa diso tafahoatra. Raha manjary matahotahotra ianao alohan’ny fanompoana, inona moa no hanampy anao? Ny fanomanana tsara sy ny fivavahana mafy amin’i Jehovah. (Asa. 4:29) Eritrereto ny famindram-po lehiben’i Jehovah, izay mampanantena fahasalamana tonga lafatra sy fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Eritrereto ireo iezahanao hampiana sy mila mandre izany vaovao tsara izany. Tadidio koa fa manana safidy malalaka ny olona, izany hoe afaka manai` ky na manda ilay hafatra. Efa toy izany no izy, fony i Jesosy nitory teo amin’ ny Isiraely fahiny. Ny hitory fotsiny no asaina ataonao. (Matio 24:14) Na dia tsy mamela anao hiteny aza ny olona sasany, ny fahatongavanao eo aminy fotsiny dia efa fitoriana aminy. Efa nahomby ianao, satria manaiky

128

Fiteny Tsotra, Tsy Amboamboarina

129

hampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony. Rehefa avelan’ ny olona hiteny kosa ianao, tokony hanao ahoana moa ny fiteninao? Mianara hifantoka amin’ireo zavatra ilain’ny hafa, dia hahafinaritra sy ho tsotra ny teninao. Tsy ho saikatsaikatra ireo mihaino anao, raha manao zavatra sy miteny toy ny ataonao andavanandro ianao, rehefa mitory. Mety ho vonona handray ireo fanazavana ara-baiboly tianao holazaina aminy mihitsy aza izy ireo. Aza anaovana toriteny na kabary izy, fa iresaho kosa. Aoka ianao ho sariaka. Anehoy fiheverana izy, ary ankasitraho izay lazainy. Mazava ho azy fa raha misy fomba fiteny na fitsipika fanehoam-panajana tokony harahina eo an-toerana, dia araho izany. Aza misalasala NY FOMBA mihitsy anefa mitsiky. HANAOVANA AZY Eny amin’ny lampihazo. Ny fiteny tsotra, toy ny rehefa miMitenena toy ny rehefa miresaka andavanandro, no tsara indrindra, rehefa miteny amin’ resaka andavanandro. Aza ny olona maromaro ianao. Mila miteny mafy kokoa sy mazava tenanao no eritreretina, fa i Jekokoa ianao, rehefa be dia be ny mpanatrika. Raha mitady hiahovah sy ireo olona izay mila mianatra momba azy. natra tsianjery ny anjaranao na ny lahateninao ianao, na raha Rehefa manomana anjara, dia be tsipiriany loatra ny taratasinao, dia milaza izany fa miahy ny hevitra, fa tsy ny teny tsirailoatra momba ireo teny hilazanao hevitra ianao. Ilaina ny miray hilazanao azy, no ifantohy. laza zavatra amin’ny fomba mety, nefa rehefa eritreretinao be Rehefa manao ilay famelaloatra ilay izy, dia hanjary hentitra be ny fiteninao, ary tsy ho belarana, sy rehefa miresaka tsotra intsony. Tokony hoeritreretina tsara mialoha ireo heviandavanandro, dia fadio ny fomba fiteny tsy misy fitandretrao, nefa tsy ny teny tsirairay hilazana azy no ifantohy, fa ireo mana. Aza atao isarihana ny hevitra. sain’ny hafa ho amin’ny tenaMarina koa izany, rehefa adinadinina amin’ny fivoriana ianao ny fanehoana ireo toetra tsara ilaina amin’ny fahaizanao. Manaova fanomanana tsara, nefa aza vakina na ianarana miteny. tsianjery ny valin-teninao. Mitenena toy ny rehefa miresaka Omano tsara ny vakiteny andavanandro, mba hahafinaritra ny teninao, satria mandeampahibemaso. Vakio amimha ho azy, tsy teriterena. pihetseham-po ilay izy, ary Na dia ireo toetra tsara ilaina amin’ny fahaiza-miteny aza dia fantaro tsara ny heviny. mety ho hitan’ny mpihaino ho toy ny amboamboarina, rehefa tafahoatra. Ohatra, tokony hazava tsara ny teninao, ary tsy ho diso ny fomba fanononao; nefa raha ataonao tafahoatra izany, dia ho toy ny hentitra be na amboamboarina ny fiteninao. Hanome aina ny anjaranao na ny lahateninao, ny fihetsehana ho fanamafisana na ho fanazavana koa, rehefa atao tsara. Tsy hifantoka amin’izay lazainao anefa ny mpihaino, raha tsy mandeha ho azy na mihoa-pampana ireo fihetsehana. Mitenena mafy tsara, nefa aza miteny mafy loatra. Tsara raha mirehidrehitra tsindraindray ianao mandritra ny famelabelaranao; nefa aza atao mihoatra ny mety izany. Ilaina koa ny fanovaovam-peo sy ny hafanam-po ary

130

Fiteny Tsotra, Tsy Amboamboarina ny fihetseham-po, nefa aza atao hisarihana ny sain’ny mpihaino ho amin’ ny tenanao, na hahasaikatsaikatra azy ireo. Misy olona miteny tsy misy diso mihitsy, na dia rehefa miresaka andavanandro aza. Ny hafa kosa tsy dia mitandrina loatra toy izany, rehefa miteny. Ny zava-dehibe dia ny hampiasanao fomba fiteny tsara isan’andro sy ny hanananao fihetsika mendrika ny Kristianina. Amin’izay, rehefa eny amin’ny lampihazo ianao, dia handeha ho azy kokoa ny fitenenana sy ny fihetsehana tsotra, ka hahafinaritra ny hafa. Rehefa mamaky teny ampahibemaso. Mitaky ezaka ny famakian-teny ampahibemaso amin’ny fomba tsotra sy tsy amboamboarina. Mila mamantatra ireo hevitra lehibe indrindra ao amin’ilay zavatra hovakinao ianao, ` sy mijery ny fomba amelabelarana azy ireo. Hazony tsara ao an-tsaina izy ireo; raha tsy izany, dia ho teny tsirairay fotsiny no hovakinao. Hamarino ny fomba fanonona ireo teny tsy hainao. Manaova famerenana amin’ny ` feo avo, ka mizara hanovaova ny feonao hiakatra sy hidina, sy hamaky miaraka ireo teny tokony hiaraka mba hampita hevitra mazava. Averimbereno izany, mandra-pamakinao misosa tsara. Fantaro tsara ilay zavatra hovakinao, mba ho toy ny resaka velombelona ny vakiteninao. Izany no atao hoe vakiteny tsotra, tsy amboamboarina. Ireo bokintsika no tena anaovantsika vakiteny ampahibemaso. Ankoatra ny anjara famakian-teny ataontsika amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, dia mamaky andinin-teny koa isika eny amin’ny fanompoana sy rehefa manao anjara na lahateny eny amin’ny lampihazo. Tendrena hamaky ireo fehintsoratra amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy amin’ny Fianarana Boky, ireo rahalahy. Misy rahalahy mahay sasany tendrena hanao lahateny vakina amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ataovy velombelona ireo tapany misy tenin’olona mifamaly, na Baiboly no vakinao, na zavatra hafa. Somary ovaovay isaky ny olona ny feonao, raha resaka ifanaovan’olona maromaro no ao. Teny kely fampitandremana: Aza atao tafahoatra ny fanehoana fihetseham-po, fa ataovy velombelona kosa ny vakiteninao. Toy ny resaka andavanandro ny fandrenesana ny vakiteny tsotra sy tsy amboamboarina, ary mitory fatokisan-tena.

FANAZARAN-TENA: 1) Vakio moramora ny Malakia 1:2-14, ary mariho hoe iza avy no miteny. Avy eo dia vakio amin’ny feo avo ilay izy, ka manehoa fihetseham-po mety tsara. 2) Amin’ny fotoana telo samy hafa, alohan’ny handehanana hitory, dia vakio aloha ireo fehintsoratra roa voalohany amin’ity lesona ity, sy ilay fanazavana eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Eny amin’ny fanompoana” eo amin’ny pejy faha-128. Miezaha hampihatra ilay torohevitra.

FISEHOANA IVELANY TSARA 15



Inona no ilainao hatao? Manao fitafiana madio sy milamina ary maotina. Mitandrina tsara ny fijoronao sy fipetrakao. Tokony hihogo tsara ny volonao.

MILAZA zavatra be dia be momba anao ny fisehoanao ivelany. I Jehovah ` mijery ny fo, fa ny olona kosa mazana no “mijery ny miseho eo ivelany”, ka mitsara ny hafa avy amin’izany. (1 Sam. 16:7) Ho hitan’ny hafa fa manaja ny tenanao ianao, rehefa madio sy mahava-tena. Ho vonona kokoa ny hihaino anao izy. Hahazo laza tsara koa ilay fandaminana soloanao tena sy ilay Andriamanitra ivavahanao, raha mety tsara ny fitafianao. NAHOANA IZANY Toro lalana tokony harahina. Tsy mametra fitsipika NO TENA ILAINA? ` aman-dalana be dia be momba ny fisehoana ivelany ny BaiArakaraka ny fisehoanao boly. Toro lalana voalanjalanja tsara, izay hanampy antsika ivelany no hitsaran’ny olona ny finoanao kristianina sy ilay handray fanapahan-kevitra tsara, kosa no omeny. Ny ‘hanaofomba fiaina arahinao. vantsika ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra’ no lehibe indrindra amin’izany. (1 Kor. 10:31) Toro lalana inona ` avy ary no azo ampiharina, raha ny amin’ny fisehoantsika ivelany? Voalohany aloha, ny Baiboly dia mampirisika antsika hanana vatana ` sy fitafiana madio. Tao amin’ny Lalan’i Jehovah ho an’ny Isiraely fahiny, dia nisy fepetra momba ny fahadiovana. Ohatra, tsy maintsy nandro sy nanasa ny akanjony tamin’ny fotoana efa voafaritra mialoha ny mpisorona, rehefa nanao ny raharahany. (Lev. 16:4, 24, 26, 28) Tsy eo amba` nin’ny Lalan’i Mosesy ny Kristianina, nefa mbola manan-kery ihany ireo toro lalana raketin’izy io. (Jaona 13:10; Apok. 19:8) Rehefa ho any amin’ ny toeram-pivavahana na ho eny amin’ny fanompoana indrindra isika, no tokony hadio ny vatantsika sy ny fitafiantsika ary tsy hisy fofona ny vavantsika. Raha tsy izany, dia ho sorena amintsika ny hafa. Tokony hanome ohatra tsara ny amin’io ireo manao anjara na lahateny na fampisehoana eo anoloan’ny fiangonana. Mariky ny fanajantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany ny fitandremantsika ny fisehoantsika ivelany. Faharoa, ny Baiboly dia mananatra antsika ho maotina sy hahonontena. Nampirisika ny vehivavy kristianina ny apostoly Paoly mba ‘hiravaka amin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy, fa araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’ 131

132

Fisehoana Ivelany Tsara

Andriamanitra.’ (1 Tim. 2:9, 10) Tokony haneho fahamaotinana sy fahononan-tena eo amin’ny fomba fiakanjony sy fihaingony koa ny lehilahy. Tsy manafintohina ny hafa tsy amin’ny antony ny olona maotina. Tsy misarika be loatra ny sain’ny hafa ho amin’ny tenany koa izy. Mahay mitandrina, na mahay mifidy kosa ny hoe mahonon-tena. Manaja ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny tsara sy ratsy, ka mahay mandanjalanja tsara, ny olona maneho ireo toetra ireo. Tsy misakana antsika tsy hihaingo akory ireo toetra ireo. Raha maneho azy ireo kosa isika, dia ho malina ka hihevitra ny hafa, ary tsy hanaraka fomba fiakanjo sy fihaingo miraratra loatra. (1 Jaona 2:16) Tokony haMETY VE NY naraka ireo toro lalana ireo isika, na any amin’ny toeram-piFISEHOANAO IVELANY? vavahantsika, na eny amin’ny fanompoana, na rehefa manao Madio ve? zavatra hafa. Tokony haneho fahamaotinana sy fahononanMaotina sy maneho tena na dia ny akanjo fitondra andavanandro aza. Hanana fafahaiza-mifidy ve? hafahana hitory tsy ara-potoana isika any an-tsekoly na any am-piasana. Na dia mety ho tsy akanjo fitondra any amin’ny Milamina tsara ve? fivoriana sy fivoriambe aza no anaovantsika any, dia mbola Mety hampiseho fitiavana tokony hadio sy hilamina ary ho maotina ihany ny fitafiaan’izao tontolo izao ve? ntsika. Misy zavatra mety Marina fa tsy mitovy daholo ny fomba fitafintsika, ary tsy hanafintohina ve? angatahina amintsika izany. Tsy mitovy ny zavatra tian’ny Mihogo tsara ve ny volonao? olona, ary tsy misy maharatsy izany. Tokony harahina foana anefa ny toro lalana ao amin’ny Baiboly. Nasehon’ny apostoly Petera fa zava-dehibe kokoa noho ny taovolo sy ny akanjo ny “toetra miafina ao am-po.” (1 Pet. 3:3, 4) Rehefa feno fitiavana, fifaliana, fiadanana, hatsaram-panahy ary finoana miorina tsara, ny fontsika, dia ireo toetra ireo no ho fitafiantsika ara-panahy. Ireo no tena manome voninahitra an’Andriamanitra. Fahatelo, ny Baiboly dia mampirisika antsika hanana fisehoana ivelany mendrika. Manonona ny hoe “fitafiana mahamendrika” ny 1 Timoty 2:9. Ny fihaingoan’ny vehivavy no resahin’ny apostoly Paoly eo, nefa mihatra amin’ny lehilahy koa io toro lalana io. Milamina sy tsy mikorontana ny zavatra mendrika. Afaka miseho ho milamina tsara foana isika, na manankarena na tsia. Ny volontsika no anisan’ny voalohany hitan’ny hafa eo amintsika. Tokony ho mendrika izy io, na hoe hilamina tsara. Miankina amin’ny fanao eo an-toerana sy ny toetra nolovana ny taovolon’ny olona. Manome torohevitra momba ny taovolo, izay manisy fiheverana an’ireo zavatra roa ireo, ny apostoly Paoly, ao amin’ny 1 Korintiana 11:14, 15. Kanefa, rehefa toa asehon’ny taovolon’ny lehilahy iray fa te hitovy amin’ny vehi-

Fisehoana Ivelany Tsara

vavy izy, na ny mifanohitra amin’izany, dia mifanipaka amin’ny toro lalan’ny Baiboly izany.—Deot. 22:5. Hita ho madio sy milamina ny lehilahy miharatra tsara. Any amin’ny tany sasany, dia heverina ho mendri-kaja ny volombava kely eo ambonin’ ny molotra; ary tokony hihazona azy io ho voahety tsara izay manao izany. Fahefatra, tsy tokony hahitana fitiavana an’izao tontolo izao sy ny fombany ny fisehoantsika ivelany. Nampitandrina toy izao ny apostoly Jaona: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 2:15-17) Fanirian-dratsy maro no mampiavaka ity tontolo ity. Anisan’ireo notononin’i Jaona ny filan’ny nofo mpanota sy ny fampideraderana ny fananan’ny tena. Mampitandrina amin’ny toe-tsaina tia fikomiana, na ny tsy fankatoavana ny manam-pahefana, koa ny Soratra Masina. (Ohab. 17:11; Efes. 2:2) Matetika no hita eo amin’ny fomba fiakanjo sy fihaingon’ny olona ireo faniriana sy fihetsika ireo. Ny fisehoany ` ivelany ary dia tsy maotina, mihantsy, marevaka loatra, tsy milamina, tsy voatandrina na misavoritaka. Tsy manaraka fomba tsy kristianina toy izany isika mpanompon’i Jehovah. Tsy ity tontolo ity no tokony hotahafinao na havelanao hifehy ny fomba fiakanjonao sy fihaingonao, fa ny ohatra tsara dia tsaran’ireo lehilahy sy vehivavy matotra ara-panahy anisan’ny fiangonana kristianina! Tsara raha mandinika ny fiakanjon’ireo efa mahafeno fepetra hanao lahateny ny zatovolahy manantena ny ho tonga mpandahateny toy izany. Afaka maka fianarana avy amin’ny ohatr’ireo nanao ny fanompoana tamim-pahatokiana efa hatramin’ny taona maro ny rehetra.—1 Tim. 4:12; 1 Pet. 5:2, 3. Fahadimy, mba hahafantarana izay fitafiana mety na tsy mety, dia tokony hotadidintsika fa na i “Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany.” (Rom. 15:3) Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra no zavatra voalohany indrindra nahin’i Jesosy. Napetrany talohan’ny zavatra tian’ny tenany manokana koa ny fanampiana ny hafa. Raha toa ka manafintohina ny olona eo amin’ny faritanintsika ny fomba fiakanjontsika, inona no tokony hataontsika? Hanampy antsika hanapa-kevitra amim-pahendrena ny fanahafana ny fanetren-tena nasehon’i Kristy. Hoy koa ny apostoly Paoly: “Tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona.” (2 Kor. 6:3) Noho izany, dia vonona ny hamela taovolo na haingo sasany izay mety hanakatona ny fon’ny olona tiantsika hitoriana, isika. Fijoro sy fipetraka. Tafiditra amin’ny fisehoana ivelany tsara koa ny fomba fijoro sy fipetraka mety. Marina fa tsy mitovy daholo ny fomba fanetsehantsika ny vatantsika, ary tsy mitady ny hanaraka fomba iray ihany

133

134

Fisehoana Ivelany Tsara

isika. Kanefa, araka ny fampiasan’ny Baiboly azy, ny hoe mijoro tsara dia mitory fahamendrehana sy fijerena lafy tsaran-javatra. (Lev. 26:13; Lioka 21:28) Na izany aza, dia mety hisy rahalahy na anabavy tsy afaka mijoro mahitsy, na mila miankina amin-javatra, noho ny asany nahatonga azy hiondrika nandritra ny taona maro, na noho ny taonany efa mandroso, na noho ny aretina. Asaina mijoro tsara anefa ireo afaka, raha mbola azony atao koa, rehefa miteny amin’ny hafa. Raha tsy izany, dia mety hoheverina ho tsy miraharaha izy na miala tsiny satria hoe manelingelina. Toy izany koa, tsy hoe tsy mety akory ny mametraka ny tanana eo ambonin’ ` ny polipitra tsindraindray. Mazana anefa no tian’ny mpanatrika kokoa, raha tsy miankina amin’ny polipitra ny mpandahateny. Fitaovana milamina tsara. Tsy ny tenantsika ihany no tokony hadio sy hilamina, fa ny fitaovana ampiasaintsika eny amin’ny fanompoana koa. Diniho ny Baibolinao. Tsy isika rehetra no afaka mividy Baiboly vaovao, rehefa nihasimba ny antsika. Na izany aza, na hafiriana na hafiriana nananantsika ny Baibolintsika, dia tokony ho hita fa nikojakoja tsara azy io isika. Misy fomba maro azo andaminana ny ao anaty kitapontsika, nefa tokony hilamina tsara izy io. Moa ve ianao efa nahita taratasy nilatsaka avy tao amin’ny Baibolin’ny mpitory iray handeha hamaky andinin-teny tamin’ny tompon-trano, na angamba avy tao amin’ny Baibolin’ny mpandahateny iray handeha hanao lahateny? Voahelingelina ny sainao ta` min’izay, sa tsy izany? Raha manelingelina ary ny taratasy tahirizina ao anaty Baiboly, dia ho tsara kokoa angamba raha tahirizinao any amin’ny toerana hafa izy ireny, raha tianao hilamina tsara ny fitaovanao. Tadidio koa fa heverin’ny olona any amin’ny firenena sasany ho tsy fanehoampanajana ny mametraka ny Baiboly na boky ara-pivavahana hafa amin’ ny tany. Tokony ho zava-dehibe amintsika ny fananana fisehoana ivelany tsara. Mitsara antsika araka ny fisehoantsika ivelany koa ny hafa. Ny antony voalohany hitandremantsika tsara azy io anefa, dia noho isika maniry “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.”—Tit. 2:10.

FANAZARAN-TENA: Indray mandeha isan’andro mandritra ny herinandro, na inona na inona zavatra kasainao hatao, dia apetraho amin’ny tenanao ireo fanontaniana eo ambanin’ny hoe “Mety ve ny Fisehoanao Ivelany?”, eo amin’ny pejy faha-132.

FAHATONIANA 16



Inona no ilainao hatao? Mijoro sy mihetsika ary miteny amim-pilaminana sy fahamendrehana ary mampiseho fa tony ianao.

ZAVA-MAHAZATRA izany hoe mpandahateny matahotahotra rehefa hitsangana ho eny amin’ny lampihazo izany, indrindra raha tsy manao lahateny matetika izy. Mety hatahotahotra koa ny mpitory iray, rehefa hanao ireo trano voalohany eny am-pitoriana. Tahaka izany koa i Jeremia, rehefa nirahina mba ho mpaminany izy, dia namaly hoe: “Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.” (Jer. 1:5, 6) Nanampy azy anefa i Jehovah, ary hanampy anao koa izy. NAHOANA IZANY Hanana fahatoniana ianao rehefa mandeha ny fotoana. NO TENA ILAINA? Milamina ny mpandahateny tony iray, ary miharihary Raha tony ianao, dia hifantoamin’ny fomba fihetsiny izany. Tsy amboamboariny no sady ka amin’izay lazainao mifanentana tsara amin’ny toe-javatra ny fijorony na ny fipeny mpihaino anao, fa tsy aminao. trany. Misy heviny ny fihetsehana ataon’ny tanany. Maneho fihetseham-po tsara ny feony, sady voafehiny tsara. Afaka ny hihatsara ianao, na dia tsy manana izany toetra izany aza. Amin’ny fomba ahoana? Aoka isika handinika ny antony mahatonga ny mpandahateny iray hatahotahotra sy tsy ho tony. Mety ho antony ara-batana ilay izy. Mitebiteby ianao rehefa miatrika zava-tsarotra, ka maniry handamina izany araka ny tokony ho izy, nefa tsy matoky tena ny hahavita izany. Ho vokany, dia mibaiko ny vatanao hamokatra adirenalinina bebe kokoa ny atidohanao. Ny adirenalinina dia ranoka mikoriana ao amin’ny lalan-dra izay mety hanafaingana ny fitepon’ny fo, hanova ny hafainganan’ny fisefoana, hampitombo ny hatsembohana, na hahatonga ny tanana sy ny lohalika ary ny feo hangovitra mihitsy aza. Milaza aminao izany rehetra izany fa mitady hanampy anao hizaka ilay tarehin-javatra ny vatanao, ka mampitombo ny herinao. Ahoana anefa no hamadihana izany hery izany ho tonga fisainana mampandroso sy fitenenana amin-kafanam-po? ` Ny fomba hampihenana ny tebiteby. Tadidio fa ara-dalana ny fahatsapana tebiteby. Mba hihazonana ny fahatonianao anefa, dia mila mahay mampihena izany tebiteby izany ianao, ka hanao zavatra amimpilaminana sy amim-pahamendrehana. Ahoana no ahafahanao manao izany? 135

136

Fahatoniana

Manaova fanomanana tsara. Mandania fotoana hanomanana ny anjaranao na ny lahateninao. Ataovy azonao tsara ilay foto-kevitra horesahinao. Raha mila mifidy ireo hevitra hovelabelarinao ianao, dia eritrereto izay efa fantatry ny mpihaino anao momba ilay foto-kevitra, sy izay antenainao hotanterahina. Hanampy anao hifidy ny fanazavana mety indrindra izany. Miresaha amin’ny mpandahateny za-draharaha iray, raha sarotra aminao izany amin’ny voalohany. Afaka manampy anao hamakafaka ilay foto-kevitrao sy ireo hihaino anao izy. Rehefa matoky ianao fa tena hahasoa an’ireo hihaino anao ilay fanazavana, ka mazava tsara ao an-tsainao ilay izy, ny fanirianao hizara azy io amin’ny hafa dia handresy ilay tebiteby mety ho tsapanao MBA HO TONY: rehefa hanao ilay anjara na lahateny. Manaova fanomanana tsara. Manaova famerenana amin’ny Asio fiheverana manokana ny teny fampidiranao. Fantaro feo avo. tsara ny fomba hanombohanao. Azo inoana fa hihena ny “Apetraho amin’i Jehovah ny fahatahotahoranao eny am-panaovana ilay anjaranao na laentanao”, amin’ny alalan’ny hateninao. vavaka.—Sal. 55:22. Mandraisa anjara tsy tapaka Afaka manaraka ireo dingana ireo koa ianao, rehefa manoamin’ny fanompoana, manomana ny fanompoanao eny amin’ny saha. Eritrereto ilay meza valin-teny matetika any foto-kevitra tianao horesahina, ary koa ireo olona ho hitanao am-pivoriana, manolora tena hanao anjara fanampiny ao eny. Eritrereto tsara ny teny fampidirana hampiasainao. Taamin’ny sekoly. hafo ny ohatr’ireo mpitory matotra za-draharaha. Fantaro ireo famantarana ny Mety hihevitra ianao hoe ho tony kokoa raha lahateny vatsy maha tony anao, ary ianaro kina no ampiasainao, rehefa manao anjara na lahateny. Raha ny fomba hisakanana na hifehezana azy ireo. ny tena izy anefa, dia mety ho vao mainka hitombo ny tebitebinao isaky ny hanao anjara na lahateny ianao. Marina fa misy mpandahateny manoratra lava be, fa ny hafa kosa manoratra teny fohy vitsivitsy monja. Tsy ireo soratra eo amin’ilay taratasy anefa no hanova izay hifantohan’ny sainao sy hampihena ny tebitebinao, fa ny fatokisanao ao am-po hoe nanomana zavatra tena mendrika ny hohenoin’ny mpihaino anao ianao. Manaova famerenana amin’ny feo avo. Hahatonga anao hatoky izany fa afaka milaza tsara ireo eritreritrao ianao. Eo am-panaovanao famerenana ianao dia mandraikitra hevitra ao an-tsainao, izay hiverina mora foana rehefa manao ilay anjara na lahateny ianao. Ataovy toy ny amin’ ny tena izy ny fanaovanao famerenana. Ataovy hitanao an’eritreritra ny mpihaino anao. Mipetraha eo anoloan’ny latabatra, na mijoroa, toy ny rehefa tena manao ilay anjara na lahateny ianao. Mivavaha mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah. Hamaly vavaka toy izany ve izy? “Izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha ma-

Fahatoniana

ngataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.” (1 Jaona 5:14) Tena hamaly ny vavakao tokoa Andriamanitra raha ny hanome voninahitra azy sy hanampy olona handray soa avy amin’ny Teniny no fanirianao. Hanatanjaka anao hanao ny anjaranao izany fanomezan-toky izany. Ankoatra izany, rehefa mamboly ny vokatry ny fanahy ianao—fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena—dia hahazo ilay toe-tsaina ilaina mba hiatrehana ireo toe-javatra sarotra amim-pahatoniana.—Gal. 5:22, 23. Aoka ianao ho tonga za-draharaha. Arakaraka ny andraisanao anjara amin’ny fanompoana, no hihenan’ny fahatahotahoranao. Arakaraka ny anomezanao valin-teny any amim-pivoriana, no hahitanao fa mihamora ny miteny eo anoloan’olon-kafa. Arakaraka ny itomboan’ny isan’ny anjara ataonao eo amin’ny fiangonana, no hihenan’ny tebiteby tsapanao alohan’ny anjara tsirairay. Tianao ve ny ho afaka hiteny matetika ` kokoa? Aza misalasala ary manolo-tena hisolo toerana ny hafa izay tsy afaka manao ny anjarany. Rehefa vitanao ireo dingana nosoritana teo ambony ireo, dia hanampy anao ny mijery ireo famantarana manambara fa tsy tony ianao. Fantaro izy ireo, ka ianaro ny fomba handresena azy, dia hahay hiteny amim-pahatoniana ianao. Mety ho eo amin’ny vatanao na ny feonao no hahitana izany famantarana izany. Famantarana eo amin’ny vatana. Hita eo amin’ny fomba fanetsehanao ny vatanao sy ny fampiasanao ny tananao ny fahatonianao, na ny tsy fahatonianao. Diniho aloha ny tananao. Izao avy no manambara tsy fahatoniana: Ny tanana fihinina any andamosina, henjanina mafy manaraka ny vatana, na mamikitra ny polipitra; ny tanana ampidirina sy avoaka ao am-paosy tsy an-kijanona, manidy sy manokatra ny palitao, mankeny amin’ny takolaka, ny orona, ny solomaso; ny tanana mikasikasika famantaranandro, penina, peratra, na taratasy; ny tanana manao fihetsehana tampoka na tsy vita hatramin’ny farany. Hita koa fa tsy matoky tena ny mpandahateny iray, raha manisakisaka ny tongony tsy an-kijanona, manilangilana ny vatany miankavia sy miankavanana, mijoro mijaridina be, mijoro na mipetraka toy ny olona tsy rototra, milela-molotra matetika, mitelin-drora foana, na misefosefo. Hahafehy ireo fihetsehana ireo ianao, raha miezaka mafy. Aza mitady hanitsy azy rehetra miaraka anefa. Fantaro ilay olana mahazo anao, ary eritrereto mialoha izay ilainao hatao mba hisakanana azy. Raha manao izany ezaka izany ianao, dia ho hita amin’ny fihetsehan’ny vatanao fa tony ianao.

137

138

Fahatoniana

Famantarana eo amin’ny feo. Izany dia mety ho feo kely tsy araka ny mahazatra, na feo mangovingovitra. Angamba ianao mikohakohaka foana mba hampisava ny feonao, na miteny haingana loatra. Azonao resena ireo zava-manahirana sy fahazaran-dratsy ireo, raha miezaka mafy hifehy ny feonao ianao. Miatoa mba hifoka rivotra lalina, alohan’ny hiakaranao eny amin’ny lampihazo, raha matahotahotra ianao. Mianara tsy hampihenjana ny vatanao manontolo. Aza eritreretina ilay ianao matahotahotra. Ny antony anirianao hizara amin’ny mpihaino anao ireo zavatra nomaninao kosa ` no ifantohy. Alohan’ny hitenenana, dia maka fotoana hijerena ny mpa` natrika, mifidiana endrika sariaka iray, ary mitsikia aminy. Tonony miadana ny teny fampidirana, ary avy eo dia aoka ianao ho revo amin’ ny lahateninao. Inona no azonao antenaina? Aza manantena hoe hanjavona tanteraka ny fahatsiarovana ho matahotahotra. Mpandahateny maro za-draharaha hatramin’ny ela be no mbola matahotahotra ihany alohan’ ny hankanesana eny amin’ny lampihazo. Nianatra ny hifehy izany anefa izy ireo. Ho hitan’ny mpanatrika fa mpandahateny tony ianao, raha miezaka mafy mba tsy ho tsikaritra hoe matahotahotra. Mbola mety hatahotahotra ihany ianao, nefa mety ho tsy hitan’izy ireo akory izany. Tadidio fa ilay adirenalinina mampipoitra ny famantarana ny fahatahotahoranao dia mampitombo ny herinao koa. Ampiasao io hery io mba hitenenana amim-pihetseham-po. Aza miandry rehefa eny amin’ny lampihazo vao hampihatra ireny torohevitra rehetra ireny. Mianara ho tony sy hifehy tena ary hiteny amim-pihetseham-po mety, eo amin’ny fiainanao andavanandro. Tena hanampy anao izany hanana fatokisan-tena eny amin’ny lampihazo sy eny amin’ny fanompoana, ary eny izy io no tena zava-dehibe.

FANAZARAN-TENA: Isan-kerinandro mandritra ny iray volana, dia miezaha hanome valin-teny mihoatra ny indray mandeha amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy amin’ny Fianarana Boky. Mariho fa tsy matahotahotra intsony ianao rehefa avy namaly fanindroany na fanintelony tamin’ny fivoriana iray ihany.

ˆ FAMPIASANA MIKRO 17



Inona no ilainao hatao? ˆ Mahay mampiasa tsara ny mikro any amin’ireo fivoriantsika.

MANDANY fotoana be sy manao ezaka be ireo rahalahintsika sy anabavintsika, mba hanatrehana ireo fivoriana kristianina. Mila mandre tsara izay lazaina izy ireo, mba handraisany soa. Tsy nisy herinaratra na fanamafisam-peo tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny. Ahoana no nandrenesan’ny Isiraelita, niisa an-tapitrisany maro, an’i Mosesy, fony izy niteny tamin’izy ireo teo amin’ny Lemak’i Moaba, talohan’ny nidirana tao amin’ny NAHOANA IZANY Tany Nampanantenaina? Angamba i Mosesy nampiasa leNO TENA ILAINA? hilahy maromaro, izay nifanelanelana tsara sy nampitaRaha mandre tsara izay mpita ny teniny nanerana ilay toby. (Deot. 1:1; 31:1) Relazaina ihany ny hafa vao handray soa avy aminy. hefa avy nandresy ilay tany teo andrefan’i Jordana ny Isiraelita, dia nangonin’i Josoa teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima sy ny Tendrombohitra Ebala ilay firenena, ka ny Levita angamba nataony tao amin’ilay lemaka teo anelanelan’ireo. Teo ilay vahoaka rehetra dia nahare ka nandray tsara ilay fanambarana momba ireo fitahiana sy fanozonan’Andriamanitra. (Josoa 8:33-35) Nisy olona nampiasaina mba hampitampita ilay teny koa angamba tamin’io. Tsy maintsy ho nanampy tamin’izany koa anefa ny fanakon’ ny feo faran’izay tsara teo amin’ilay toerana. ` Tokony ho 1500 taona taty aoriana, dia nisy “vahoaka betsaka” niangona teo amin’ny Ranomasin’i Galilia mba hihaino an’i Jesosy. Niondrana an-tsambo i Jesosy, nihataka kely ny moron-drano, ary nipetraka mba hiteny tamin’ilay vahoaka. (Marka 4:1, 2) Nahoana izy no niteny avy teny ambonin’ny sambo? Satria mazava be ny feon’olona ampitaina avy eo ambonin’ny rano tony. Hatreo am-piandohan’ny taonjato faha-20, rehefa tsy mafy tsara sy nazava tsara ny feon’ny mpandahateny iray, dia tsy betsaka no nandre izay nolazainy. Nanomboka tamin’ireo taona 1920 anefa, dia afaka nampiasa fitaovana fanamafisam-peo elektrika tany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ny mpanompon’i Jehovah. 139

140

ˆ Fampiasana Mikro

Fitaovana fanamafisam-peo. Afaka mampitombo be ny hamafin’ ny feon’ny mpandahateny io fitaovana io, nefa mbola voahazona tsara ihany ny toetran’ny feony. Tsy voatery hihiakiaka ka hampihenjana mafy ny hoza-peo ao amin’ny tendany izy; ary tsy voatery hanongilan-tsofina mafy ny mpihaino vao handre izay lazainy, fa afaka mifantoka amin’ilay hafatra kosa. Ezaka be no natao mba hisian’ny fitaovana fanamafisampeo tsara any amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i JeNY FOMBA hovah. Efitrano Fanjakana maro koa no mampiasa fitaovaFAMPIASA AZY na fanamafisam-peo ho an’ireo manao lahateny, mitarika Asio elanelana 10 na 15 santimetatra ny vavanao sy ny fivoriana, na mamaky teny eny ambonin’ny lampihazo. ˆ mikro. Ary misy Efitrano Fanjakana sasantsasany koa mampiasa ˆ Aza miteny raha tsy rehefa mikro, mba hanomezan’ny mpanatrika valin-teny amin’ ˆ mitodika any amin’ny mikro ny fivoriana. Raha manana fitaovana toy izany ny anareo, ny vavanao. dia mianara hampiasa azy ireo tsara. Ampiakaro kely noho ny rehefa miresaka andavanaToro lalana fototra sasany. Tadidio ireto torohevitra ndro ny hamafin’ny feonao manaraka ireto, mba hampiasana ilay fitaovana araka ny sy ny heriny. tokony ho izy: 1) Tokony ho eo amin’ny 10 na 15 santimeˆ Atodiho hiala amin’ny mikro ˆ tatra ny elanelan’ny mikro sy ny vavanao, amin’ny ankany lohanao, raha mila mikopobeny. Mety hanova ny teny lazainao ilay izy, raha akaihaka kely mba hampisava ny feonao ianao. ky loatra. Raha lavitra loatra kosa ilay izy, dia tsy hazava ny ˆ feonao. 2) Tokony ho eo anoloanao ilay mikro, fa tsy hatao misompirana. Raha mitodika miankavanana na miankavia ianao, dia ˆ aza miteny raha tsy rehefa miatrika ilay mikro ny tarehinao. 3) Ampiakaro kely noho ny rehefa miresaka andavanandro ny hamafin’ny feonao sy ny heriny. Tsy ilaina anefa ny mihiakiaka, satria efa hitondra mora foana ny feonao hatrany amin’ireo mpanatrika lavitra indrindra anao, ilay fitaovana fanamafisam-peo. 4) Atodiho hiala amin’ny miˆ kro ny lohanao, raha mila mikohaka kely mba hampisava ny feonao ianao, na voatery hikohaka na hievina. Rehefa manao lahateny. Hisy rahalahy iray hanitsy ny haavon’ilay ˆ mikro, rehefa mankeny amin’ny polipitra ianao. Mijoroa tsotra fotsiny ka atreho ny mpanatrika, eo am-panaovany izany. Apetraho eo ambonin’ny polipitra ny taratasinao, ka aza avela hanakona azy ireo ˆ ilay mikro. Henoy ny fanenon’ny feonao avoakan’ireo fanamafisam-peo, rehefa manomboka miteny. Mafy loatra ve ilay izy? Mipoapoaka ve ny fa-

ˆ Fampiasana Mikro

nenon’ny teny sasany? Raha izany no izy, dia mety hila ny hihemotra telo na dimy santimetatra ianao. Rehefa manopy maso amin’ny taratasinao ianao, dia tadidio fa tsy tokony hiteny na hamaky teny iaˆ nao, raha tsy rehefa manatrika ny mikro ny tarehinao, na somary eo amboniny kely, fa tsy eo ambaniny. Rehefa mamaky teny eny ambonin’ny lampihazo. Tsara kokoa raha hazoninao eny an-tananao ny Baibolinao, na ilay boky na gazety vakinao. Amin’izay, dia hanatrika ny mpihaino ny tarehinao. Koa ˆ satria eo anoloanao ilay mikro, dia mety hilainao hahataka kely miankavanana ilay zavatra vakinao, ary ny lohanao hahataka kely miankavia, na hahataka kely miankavia ilay zavatra vakinao, ary ny loˆ hanao miankavanana. Amin’izay, dia hivantana ao amin’ilay mikro ny feonao. Ny ankamaroan’ireo rahalahy mamaky teny amin’ny Fianarana Ny ˆ Tilikambo Fiambenana dia mijoro ary miteny ao amin’ny mikro eo anoloany. Mamela azy hiaina tsara izany, sy hampisy heviny kokoa ilay zavatra vakiny. Tadidio fa tapany tena lehibe amin’ilay fivoriana ny famakiana ireo fehintsoratra. Miankina be dia be amin’ny fandrenesan’ny mpanatrika azy ireo ny soa horaisiny. Rehefa manome valin-teny mandritra ny fivoriana. Raha maˆ mpiasa mikro mba hanomezan’ny mpanatrika valin-teny ny Efitrano Fanjakananareo, dia tadidio fa mbola ilainao hatao mazava tsara sy re ` tsara ihany ny teninao. Hazony eny an-tananao ilay zavatra ianarana, na ny Baibolinao, rehefa manome valin-teny. Izany dia hanampy anao ˆ hahita azy io mazava tsara, no sady hiteny ao amin’ny mikro. Any amin’ny Efitrano Fanjakana sasany, dia misy rahalahy tendrena ˆ hitondra ny mikro any amin’ireo voatondro hanome valin-teny. Raha izany no izy ao amin’ny anareo, rehefa voatondro hanome valin-teny ianao, dia atsangano foana ny tananao, mba ho hitan’ilay rahalahy ˆ mitondra ny mikro ny misy anao, ka handehanany any haingana. ˆ Raha mikro raisin-tanana no ampiasainareo, dia aoka ianao ho vonona haka azy avy hatrany. Aza manomboka miteny, raha tsy efa eo anoˆ loanao tsara ilay mikro. Avereno avy hatrany amin’ilay rahalahy ilay izy, rehefa avy namaly ianao. Rehefa manao fampisehoana. Ilaina hokarakaraina mialoha ny faˆ mpiasana mikro mandritra ny fampisehoana iray. Raha misy fitoeraˆ ny ilay mikro, dia ho afaka hampiasa ny tananao roa mba hihazonana

141

142

ˆ Fampiasana Mikro

ny Baibolinao sy ny taratasinao ianao. Mety ho afaka hanao fihetsehaˆ na misimisy kokoa ianao, raha mikro raisin-tanana no ampiasainao. ˆ Amin’izay anefa, dia asaivo hazonin’ilay namanao ilay mikro, mba ho afaka hamadika ny Baibolinao mora foana ny tananao. Tokony hanaovanareo famerenana izany, mba hahaizan’ilay namanao hihazona ilay ˆ mikro araka ny tokony ho izy. Tadidio koa fa tsy tokony hiamboho ny mpanatrika ianao rehefa eo ambonin’ny lampihazo, indrindra fa rehefa miteny. Amin’ireo fampisehoana amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, dia mety hisy mpandray anjara maromaro, ary mety hifamezivezy ˆ ` eo ambonin’ny lampihazo izy ireo. Mety ho mikro maromaro ary no hilaina. Tokony hapetraka mialoha eny amin’ny lampihazo izy ireny, na ho azon’ny mpandray anjara raisina mora foana rehefa hankeny ˆ izy. Tsy maintsy karakaraina mialoha ireo mikro, raha tiana ho eo amin’ny toerany amin’ny fotoana ilana azy. Anaovy famerenana alohan’ny tena hanaovana azy ny fampisehoana rehetra, mba hianaran’ ˆ ny mpandray anjara ny fahaiza-mampiasa ny mikro. Rehefa tsy afaka manao famerenana eny ambonin’ny lampihazo ny mpandray anjara, ˆ dia tsara ny hihazonany zavatra kely mitovy habe amin’ny mikro, mandritra ny famerenana, mba hianarany hihazona azy. Aorian’ilay faˆ mpisehoana, dia tokony hamerina moramora ireo mikro raisin-tanana ho eo amin’ny toerany ireo mpandray anjara, ka hitandrina sao ˆ voafingan’ny tadin’ireo mikro hafa, rehefa miala ny lampihazo. ˆ Ny fahaizantsika mampiasa mikro dia mifandray mivantana amin’ ny iray amin’ireo zava-kendren’ny fivoriantsika, izany hoe fifanomezantsika soa, amin’ny firesahana momba ny Tenin’Andriamanitra. (Heb. 10:24, 25) Afaka manatanteraka io zava-kendrena lehibe io ny ˆ tenantsika, raha mianatra hampiasa tsara ny mikro.

FANAZARAN-TENA: ˆ Raha mampiasa mikro ny Efitrano Fanjakananareo, dia jereo tsara ny fomba ˆ ampiasan’ireo mpandahateny za-draharaha ny mikro misy fitoerany sy ny miˆ kro raisin-tanana. Mariho izay fanao tianao hampiasaina na hohalavirina, ary koa ny anton’ny safidinao.

FAMPIASANA BAIBOLY MBA HAMALIANA 18



Inona no ilainao hatao? Mampiasa tsara ny Baiboly mba hamaliana fanontaniana.

REHEFA misy manontany antsika momba ny zavatra inoantsika, ny fomba fiainantsika, ny fihevitsika momba izay zava-mitranga, ny fanantenantsika momba ny hoavy, dia miezaka hampiasa ny Baiboly isika mba hamaliana azy. Nahoana? Satria io no Tenin’Andriamanitra. Avy ao amin’ny Baiboly ireo zavatra inoantsika. Izy io no iorenan’ny fomba fiainantsika. Izy io no mamolavola ny fihevitsika momba ny zava-mitranga maneran-tany. Ary miorina mafy amin’ny fampanantenana ara-tsindrimandry ao, ny fanantenantsika momba ny hoavy.—2 Tim. 3:16, 17. NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Takatsika tsara ny andraikitra entin’ny fitondrana ny anarantsika. Vavolombelon’i Jehovah isika. (Isaia 43:12) Koa rehefa Nirahina ‘hitory ny teny’ ` isika. Nanome ny ohatra i Jemamaly fanontaniana ary isika, dia manao izany, tsy araka ny sosy, tamin’ny filazana hoe: fahendren’olombelona, fa araka ny Teny ara-tsindrimandrin’i ‘Tsy avy amiko ny teny izay Jehovah. Marina fa samy manana ny fomba fiheviny ny tsirailazaiko.’—2 Tim. 4:2; ray amintsika. Avelantsika hamolavola izany fomba fihevitsika Jaona 14:10. izany anefa ny Tenin’Andriamanitra, izay ekentsika tanteraka ho ny fahamarinana. Manome antsika fahalalahana hifidy izay tiantsika amin’ny raharaha maro, ny Baiboly. Tsy manery ny hafa hanaraka ny zavatra tian’ny tenantsika manokana anefa isika. Mampianatra ireo toro lalana voasoritra ao amin’ny Soratra Masina kosa isika, no sady mamela an’ireo mihaino antsika hanana fahalalahana hifidy izay tiany, toa antsika ihany. Sahala amin’ny apostoly Paoly, dia manampy ny olona hanai` ky, na hankato, noho ny finoana, isika.—Rom. 16:26. Miantso an’i Jesosy Kristy hoe “Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina” ny Apokalypsy 3:14. Ahoana no namaliany fanontaniana sy nandraisany ireo toe-javatra sarotra nihatra taminy? Indraindray, dia tamin’ny fampiasana fanoharana nampisaintsaina ny olona. Tamin’ny fotoana hafa, dia tamin’ny fanontaniana an’ilay nanontany ny fomba nahazoany andinin-teny iray. Matetika kosa no tamin’ny fanononana andinin-teny na filazana azy ireny tamin’ny fomba hafa, na tamin’ny firesahana an-kolaka momba azy ireny. (Matio 4:3-10; 12:1-8; Lioka 10:25-28; 17:32) Notahirizina tao amin’ny synagoga ireo horonan’ny Soratra Masina, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy misy porofo hoe nanana ny azy manokana i Jesosy. Nahafantatra tsara ny Soratra Masina anefa izy, ary nanonona azy ireo matetika, rehefa nampianatra ny ` hafa. (Lioka 24:27, 44-47) Afaka nilaza marina ary izy fa tsy avy taminy

143

144

Fampiasana Baiboly mba Hamaliana

izay nampianariny. Izay reny tamin’ny Rainy no nolazainy.—Jaona 8:26. Maniry hanaraka ny ohatr’i Jesosy isika. Tsy sahala amin’i Jesosy anefa isika, satria tsy nahare an’Andriamanitra niteny. Tenin’Andriamanitra anefa ny Baiboly. Rehefa mampiasa azy io mba hanomezana valin-teny isika, dia tsy misarika ny sain’ny olona ho amin’ny tenantsika. Asehontsika fa tsy milaza ny fihevitr’olombelona tsy lavorary isika, fa tapa-kevitra kosa ny hamela an’Andriamanitra hamaritra ny atao hoe fahamarinana. MBA HO KINGA KOKOA —Jaona 7:18; Rom. 3:4. Mamakia Baiboly isan’ Mazava ho azy fa tsy ny hampiasa ny Baiboly fotsiny no tadia` andro. Manana fandaharamvintsika, fa ny hampiasa azy io mba hitondrany soa ho an’ilay pianarana manokana tsara. mihaino antsika. Tiantsika halala-tsaina izy rehefa mihaino ` Mizara manonona andininantsika. Raha avelan’ilay olona ianao, dia mety ho afaka hilaza teny, rehefa mamaly any hoe: “Tsy manaiky ve ianao fa izay lazain’Andriamanitra no tena am-pivoriana. zava-dehibe?”; na hoe: “Fantatrao ve fa miresaka momba izany Rehefa misy fanontaniana indrindra ny Baiboly?” Mety hila hampiasa teny fampidirana sona toe-javatra sarotra mihamary hafa noho izany ianao, raha olona tsy manaja ny Baiboly tra aminao, dia manontania no iresahanao. Ohatra, amin’ny filazana hoe: “Misy faminaniatena toy izao foana aloha: na tranainy iray tiako holazaina aminao ity”; na hoe: “Ilay boky ‘Inona no lazain’ny Baiboly?’ fatra-piely indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona dia Rehefa tsy hainao izay lazain’ milaza fa...” ny Baiboly momba ny rahaAmin’ny fotoana sasany, dia mety hanonona izay voalazan’ilay raha iray, dia aza maminany andininy amin’ny fomba hafa ianao. Isaky ny azo atao anefa, dia ny valiny, na milaza ny hevitsara ny hanokafana ny Baiboly sy ny hamakiana izay lazainy. trao manokana. Lazao fa Asehoy amin’ilay olona ao amin’ny Baiboliny ilay andinin-teny, hanao fikarohana ianao. isaky ny mety izany. Misy vokany mahery eo amin’ny olona matetika, ny fampiasana ny Baiboly mivantana toy izany.—Heb. 4:12. Ny anti-panahy kristianina indrindra no manana andraikitra hampiasa ny Baiboly, rehefa mamaly fanontaniana. Fepetra iray takina mba hahatongavana ho anti-panahy ny ‘fitanana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina.’ (Tit. 1:9) Mety handray fanapahan-kevitra lehibe iray eo amin’ny fiainany ny rahalahy na ny anabavy iray, rehefa avy nahazo torohevitra tamin’ny ` anti-panahy iray. Tena zava-dehibe ary ny hiorenan’izany torohevitra izany amin’ny Soratra Masina! Maro no haka tahaka ny fomba fampianatry ny antipanahy manao izany.

FANAZARAN-TENA: Soraty ny fanontaniana iray na roa napetraka taminao 1) teny amin’ny fanompoana, sy 2) momba ny zavatra iray nolazaina tamin’ny vaovao, ary 3) momba ny hanarahana fanao iray tian’ny olona. Mifidiana andinin-teny iray, fara fahakeliny, mba hamaliana ny tsirairay amin’ireo.

FAMPIRISIHANA HAMPIASA BAIBOLY 19



Inona no ilainao hatao? Mampirisika ny mpihaino hanaraka ao amin’ny Baiboliny ny famakiana ireo andinin-teny.

FANIRIANTSIKA ny hisarika ny sain’ny olona rehetra ho amin’ny Tenin’ Andriamanitra, ny Baiboly. Io boky masina io no fototr’ilay hafatra torintsika. Tiantsika ho takatry ny olona fa tsy avy amin’ny tenantsika izay lazaintsika, fa avy amin’Andriamanitra. Mila mianatra hatoky ny Baiboly ny olona. Eny amin’ny fanompoana. Rehefa manomana ny fanompoanao eny amin’ny saha ianao, dia mifidiana foana andiNAHOANA IZANY nin-teny iray na mihoatra, hovakina amin’ireo maniry hihaiNO TENA ILAINA? no. Na dia fohy aza ny fanolorana boky na gazety kasainao Hampiaiky ny olona kokoa hampiasaina, dia matetika no tsara ny hamakiana andininizay reny raha hitan’ny teny iray mety tsara. Manan-kery kokoa noho izay rehetra masony, indrindra fa ao mety holazaintsika ny Baiboly, mba hampianarana an’ireo amin’ny Baiboliny. ondry. Rehefa tsy afaka mamaky mivantana ao amin’ny Bai` boly ianao, dia manonona teny avy ao. Tsy nisy horonan’ny Baiboly firy azo nampiasaina, tamin’ny taonjato voalohany. Na izany aza, dia nanonona teny avy tao amin’ny Soratra Masina matetika i Jesosy sy ny apostoliny. Tokony hiezaka koa isika hitadidy andinin-teny sy hahay hampiasa azy ireny eo amin’ny fanompoantsika, amin’ny fanononana ny hevitra ao aminy fotsiny indraindray. Rehefa afaka mamaky teny ao amin’ny Baiboly ianao, dia asehoy an’ilay tompon-trano izany, mba hanarahany ny famakianao azy. Vao mainka izy angamba hanaiky kokoa ilay zavatra vakiny, raha manaraka ao amin’ny Baiboliny. Fantaro anefa fa misy mpandika tenin’ny Baiboly sahisahy nanova ny Tenin’Andriamanitra. Angamba tsy mifanaraka tanteraka amin’izay nolazain’ireo teny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany ny dikan-tenin’ izy ireo. Misy fandikan-teny maoderina sasany nanesotra ny anaran’Andriamanitra, nanamaizina izay nolazain’ny teny tany am-boalohany momba ny toetran’ny maty, ary nanafina izay lazain’ny Baiboly momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany. Mba hampisehoana amin’ny olona iray izay nataon’ireny mpandika teny ireny, dia ampitahao ny andinin-teny lehibe sasany ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly isan-karazany, na ao amin’ny fandikan-teny tranainy kokoa amin’ny fiteny iray ihany. Ny boky

145

146

Fampirisihana Hampiasa Baiboly

Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina dia mampitaha ny fomba nandikan’ny fandikan-teny samihafa ny teny lehibe sasany ao amin’ireo andinin-teny fampiasa matetika. Ho velom-pankasitrahana ny olona tia ny fahamarinana, mahafantatra ny zava-misy. Any am-pivoriana. Tokony hampirisihina hampiasa ny Baiboliny ny rehetra, any am-pivoriana. Soa be dia be no azo avy amin’izany. Manampy ny mpanatrika hifantoka foana amin’ilay famelabelarana izany. Vao mainka mandaitra ilay fampianarana am-bava omen’ilay mpandahateny, rehefa hitan’ny maso koa. Izany koa dia mampiaiky an’ireo olona vao liana fa ny Baiboly tokoa no iorenan’ireo zaNY FOMBA HANAOVANA AZY vatra inoantsika. Asehoy an’ilay tompon-trano Miankina be dia be amin’ny fampirisihana avy aminao, ny ilay andinin-teny eo am-pahanarahan’ny mpanatrika ny famakianao andinin-teny ao makianao azy, na asao izy amin’ny Baiboliny na tsia. Ny fanasana mivantana no anisan’ hanaraka ao amin’ny Baibony mandaitra indrindra. liny. Anjaranao mpandahateny ny manapa-kevitra hoe andininRehefa manao lahateny, dia teny iza avy no tianao hohamafisina amin’ny fangatahana ny asao mivantana hijery ireo mpanatrika hijery azy ireo. Ny tsara indrindra dia ireo andiandinin-teny lehibe ny mpanin-teny hanampy anao hamelabelatra ireo hevi-dehibe. Avy natrika, ary omeo fotoana ` eo, raha ampy ny fotoana, dia maka andinin-teny hafa mba haampy hahitany azy ireo. nohanana ny fanaporofoan-kevitrao. Tsy ampy ny milaza fotsiny ilay boky sy toko ary andininy, na ny manasa fotsiny ny mpanatrika hijery andinin-teny iray. Raha mamaky andinin-teny iray ianao, ary avy eo mifindra ho amin’ny iray hafa, nefa mbola tsy nanam-potoana hahitana ilay voalohany ny mpanatrika, vetivety dia ho kivy izy, ka tsy hanaraka ao amin’ny Baiboliny intsony. Mahaiza mandinika. Vakio ilay andinin-teny, rehefa hitanao fa nahita azy ny ankamaroan’ny mpanatrika. Mieritrereta mialoha. Lazao aloha ben’ny hamakianao azy ilay andininteny. Hihena ho faran’izay kely ny fotoana lany hiandrasana ny hahitan’ ny mpanatrika azy. Hihena ny zavatra ho azonao hazavaina, raha miandry ny mpanatrika hahita ireo andinin-teny ianao, nefa andraso ihany, fa tsy ho very maina ny fanaovanao izany.

FANAZARAN-TENA: Rehefa miverina mitsidika olona ianao, dia andramo izao: 1) Omeo azy ny Baibolinao, izay efa nosokafanao eo amin’ilay andinin-teny, ary asao izy hamaky azy io. 2) Asao ilay tompon-trano haka ny Baiboliny sy hamaky andinin-teny lehibe iray.

FAHAIZANA MAMPIDITRA ANDININY 20



Inona no ilainao hatao? Mampiomana ny sain’ny mpihaino, hihaino ny famakianao andinin-teny iray.

NY SORATRA Masina no iorenan’ny fampianarana omena any amin’ireo fivoriantsika. Ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly koa no fototr’izay lazaintsika eny amin’ny fanompoana. Raha tiantsika hanatsara ny famelabelarantsika anefa izy ireny, dia mila mahay mampiditra azy ireny isika. Tsy ampy ny manonona fotsiny ilay andininy sy manasa ny hafa hiaramamaky azy io aminao. Rehefa mampiditra andinin-teny ianao, dia iezaho hotratrarina ireto zava-kendrena roa ireto: NAHOANA IZANY 1) Mba ho tsy andrin’ny mpihaino ny famakiana azy, sy NO TENA ILAINA? 2) mba hifantohana amin’ny antony ampiasanao ilay andiniAfaka manampy ny mpihaino ny. Fomba isan-karazany no azo ampiasaina mba hahatratrahahazo ny tena hevitr’ilay rana izany. andinin-teny ny fahaizana Mametraha fanontaniana. Mandaitra indrindra io, raha mampiditra azy io. mbola tsy miharihary amin’ny mpihaino ny valiny. Amboary ny fomba hilazanao ilay fanontaniana, mba hahatonga ny olona hieritreritra. Nanao izany i Jesosy. Nanatona azy tao amin’ny tempoly ireo Fariseo indray mandeha, ka nitsapa azy ampahibemaso momba ny fomba fahazoany ny Soratra Masina. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza moa Izy?” Namaly izy ireo hoe: ` “Zanak’i Davida.” Nanontany indray ary i Jesosy hoe: “Koa nahoana ary Davida amin’ny Fanahy no manao Azy hoe ‘Tompo’?” Avy eo, dia nanonona ny teny ao amin’ny Salamo 110:1 izy. Tsy nahateny ireo Fariseo. Ny vahoaka anefa nihaino an’i Jesosy tamim-pahafinaretana.—Matio 22: 41-46. Eny amin’ny fanompoana, rehefa hampiditra andinin-teny, dia ma` mpiasa fanontaniana toy izao: “Samy manana anarana na izaho na ianao. Mba manana anarana ve Andriamanitra? Hahita ny valin’izany isika ao amin’ny Salamo 83:18.” “Hisy fitondram-panjakana tokana ho an’ny olombelona rehetra ve, indray andro any? Mariho ny valin’izany ao amin’ny Daniela 2:44.” “Tena miresaka momba ny toe-piainana amin’izao androntsika izao tokoa ve ny Baiboly? Jereo izay lazain’ny 2 Timoty 3:1-5, ary ampitahao amin’ny toe-piainana fahitanao andavanandro.” “Hisy farany ve ny fahoriana sy ny fahafatesana, indray andro any? Hitantsika ao amin’ ny Apokalypsy 21:4, 5 ny valiny omen’ny Baiboly.” 147

148

Fahaizana Mampiditra Andininy

Ao amin’ny lahateny iray, ny fahaiza-mampiasa fanontaniana mba hampidirana andinin-teny dia hahatonga ny mpihaino hijery ireo andininteny ireo amin’ny endriny vaovao, ary na dia ireo efa fantany tsara aza. Hanao izany ve anefa izy ireo? Mety hanao izany izy ireo, raha ataonao mahakasika azy tsara ny fanontaniana apetrakao. Na dia mahaliana ny mpihaino aza ilay foto-kevitra, dia mety hiriorio ny sainy, rehefa mamaky ` andinin-teny efa reny imbetsaka ianao. Mba hisakanana an’izany ary, dia eritrereto tsara izay hahatonga ny famelabelaranao hanintona. ` ` Milaza zava-manahirana iray. Milaza zava-manahirana iray, ary sariho ny sain’ny mpihaino ho amin’ny andinin-teny iray mety hanome ny vahaolana. Aza avela hanantena hahazo mihoatra NY FOMBA noho izay voalaza ao anefa izy ireo. Matetika no tsy ilay vahaoANAOVANA AZY lana manontolo no omen’ny andinin-teny iray. Kanefa, asao Eo am-pifidianana fomba iray ny mpihaino hijery, eo am-pamakianao ilay andinin-teny, hoe hahaliana ny mpihaino, dia inona no toro lalana omen’izy io mba handaminana ilay zavaeritrereto izay efa fantany manahirana. sy tsapany momba ilay foto` kevitra. Na milaza fitsipika ara-pitondran-tena iray. Avy eo dia ma` mpiasa fitantarana ara-baiboly iray, mba hampisehoana fa faFantaro tsara izay tokony ho zava-kendren’ny hendrena ny fanarahana ilay fitsipika. Raha misy hevitra roa andinin-teny tsirairay, ary (na mahery) mifandray amin’ilay foto-kevitra resahina, ao asehoy ao amin’ireo teny amin’ny andinin-teny iray, dia manasa ny mpihaino hanamaampidiranao azy izany. rika azy ireny ny mpandahateny sasany. Raha toa sarotra loatra amin’ny mpihaino sasany ny zava-manahirana iray, dia ampirisiho izy hieritreritra, amin’ny filazana safidy maromaro. Ilay andininy sy ny fampiharana azy avy eo no avelao hanome ny valiny. ` Ny Baiboly no tonony ho fahefana azo ekena. Raha efa liana amin’ilay foto-kevitrao ny mpihaino, ary nilaza hevitra iray na roa momba azy io ianao, dia azonao atao fotsiny ny mampiditra andinin-teny iray toy izao: “Mariho izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba io hevitra io.” Mampiseho izany hoe nahoana ilay zavatra hovakinao no azo ekena. Nampiasa lehilahy toa an-dry Jaona, Lioka, Paoly ary i Petera mba hanoratra ny Baiboly i Jehovah. Mpanoratra ihany anefa ireo, fa i Jehovah no Loharanon’ny Baiboly. Rehefa miresaka amin’ny olona tsy mpianatra ny Soratra Masina indrindra ianao no hahita fa tsy tena manan-kery ny filazana hoe “Nanoratra toy izao i Petera” na hoe “Nilaza toy izao i Paoly”, tsy toy ny filazana hoe “Hoy ny tenin’Andriamanitra.” Tsara homarihina fa indraindray dia nasain’i Jehovah i Jeremia mba hanomboka ny fanambarany tamin’ny hoe: “Mihainoa ny tenin’i Jehovah.” (Jer. 7:2; 17:20; 19:3; 22:2) Na mampiasa ny anaran’i Jehovah isika na tsia, rehefa mampiditra andinin-teny, dia tokony hitadidy hilaza amin’ny faran’ilay fanazavana, fa izay voalaza ao amin’ny Baiboly dia tenin’i Jehovah.

Fahaizana Mampiditra Andininy Jereo ny teny manodidina. Tokony hasianao fiheverana aloha ny teny manodidina ny andinin-teny iray, vao mampiditra azy ianao. Indraindray, dia hanonona mivantana ilay teny manodidina ianao; kanefa, mety hanova ny fomba hampidiranao ilay andininy izy io. Ohatra, hitovy ve ny fomba hampidiranao ny teny nolazain’i Joba, izay natahotra an’Andriamanitra, sy ny teny nataon’ny iray tamin’ireo nisandoka ho mpampionona azy? Nosoratan’i Lioka ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Manonona tenin’ olon-kafa koa anefa izy ao, toa an-dry Jakoba, Petera, Paoly, Filipo, Stefana, ` ny anjely ary koa i Gamaliela sy ny Jiosy hafa tsy kristianina. Iza ary no holazainao fa nilaza ilay teny hotononinao? Tadidio koa, ohatra, fa tsy i Davida no nanoratra ny salamo rehetra, ary tsy i Solomona no nanoratra ny bokin’ny Ohabolana manontolo. Fantaro koa hoe iza ilay iresahan’ilay mpanoratra, sy hoe inona ilay foto-kevitra resahiny. Resaho ny toe-javatra nanoratana ilay andininy. Mandaitra indrindra izany, raha asehonao fa mitovy amin’ireo toe-javatra resahinao ny toe-javatra nisy tamin’ny fotoana nanoratana ilay fitantarana ara-baiboly. Ilaina koa indraindray ny mahafantatra ny toe-javatra nanoratana ilay andininteny, mba hahazoana tsara azy io. Aoka hatao hoe hampiasa ny Hebreo 9: 12, 24 ianao ao amin’ny lahateny iray momba ny avotra. Resahiny ao fa ny efitra anatiny indrindra amin’ny tabernakely dia sary mampiseho ny toerana nidiran’i Jesosy tany an-danitra. Mety hila ny hanazava vetivety momba azy io ianao alohan’ny hamakiana ilay andinin-teny. Aza mampiditra fanazavana fanampiny be loatra anefa, sao manjary tsy hita ny antony andraisanao ilay andinin-teny. Diniho izay ataon’ireo mpandahateny za-draharaha, mba hanatsarana ny fomba hampidiranao ireo andininy. Mariho ireo fomba samy hafa ampiasainy. Jereo raha mandaitra ireo fomba ireo. Rehefa manomana ny anjaranao na lahateninao ianao, dia fantaro aloha ireo andinin-teny fototra. Eritrereto izay tokony ho zava-kendren’ny tsirairay aminy. Omano tsara ny fomba hampidirana ny tsirairay aminy, mba hisy vokany indrindra ny fampiasana azy. Avy eo, dia ampiharo amin’ireo andinin-teny rehetra hampiasainao izany fomba fanaovan-javatra izany. Rehefa mihatsara io lafiny iray amin’ny famelabelaranao io, dia hampifantoka bebe kokoa ny saina amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao.

FANAZARAN-TENA: Mifidiana andininy iray izay ho azonao ampiasaina tsara eo amin’ny faritaninao. Eritrereto 1) izay fanontaniana na zava-manahirana holazainao mba tsy ho andrin’ilay tompon-trano izay hovakinao, sy 2) ny fomba hampifantohanao ny saina amin’ny antony hamakianao ilay andininy.

149

FAMAKIANA ANDININY 21 MISY TENY HAMAFISINA TSARA



Inona no ilainao hatao? Manamafy izay teny manasongadina ny fanjohian-kevitrao; mamaky teny amin’ny fanehoana ny fihetseham-po mety. REHEFA miresaka momba ny fikasan’Andriamanitra amin’ny hafa ianao, na mitokana izany na avy eny amin’ny lampihazo, dia tokony hifantoka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra lazainao. Mamaky andinin-teny ao amin’ny Baiboly ianao amin’izany, ary tokony hataonao tsara izany. Fanamafisan-teny tsara sy fihetseham-po. Tokony haneho fihetseham-po ny famakiana andinin-teny. Indreto misy NAHOANA IZANY ohatra sasany: Rehefa mamaky ny Salamo 37:11 ianao, dia NO TENA ILAINA? tokony ho re amin’ny feonao fa sady faly ianao no tsy andriMisongadina tsara ny herin’ nao ilay fiadanana ampanantenaina ao. Rehefa mamaky ny ireo andinin-teny vakina rehefa misy teny hamafisina Apokalypsy 21:4, izay miresaka momba ny hiafaran’ny fijatsara. liana sy ny fahafatesana, ianao, dia tokony ho tsapa amin’ny feonao ny fankasitrahanao noho ilay fanamaivanana voalaza ao. Ny Apokalypsy 18:2, 4, 5, izay miangavy ny mpamaky mba hivoaka amin’i “Babylona Lehibe” feno fahotana, dia tokony hovakina amin’ny feo maneho fahamaikana. Tokony ho avy amin’ny fo ilay fihetsehampo aseho fa tsy ho tafahoatra. Ilay andinin-teny sy ny antony ampiasanao azy no hamaritra ny hamafin’ilay fihetseham-po hasehonao. Ny teny tokony ho izy no hamafiso. Raha tapany iray amin’ilay andinin-teny fotsiny no iorenan’ny fanazavanao, dia tokony hanasongadina izany tapany izany ianao, rehefa mamaky ilay andininy. Ohatra, rehefa mamaky ny Matio 6:33 ianao, dia tsy hanamafy ny hoe “ny fahamarinany” na ny hoe “izany rehetra izany”, raha ny hevitry ny hoe “katsaho aloha ny fanjakany” no tianao hovelabelarina. Mety hamaky ny Matio 28:19 ianao ao amin’ny anjara iray amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Teny iza avy no tokony hohamafisinao? Raha ny fahazotoana hanomboka fampianarana Baiboly no tianao hampirisihana, dia ny hoe “ataovy mpianatra” no hamafiso. Kanefa mety ho ny andraikitry ny Kristianina hizara ny fahamarinana amin’ny olona vahiny eo an-toerana no tianao horesahina, na ny fampirisihana hifindra any amin’ny ilana fanampiana bebe kokoa. Ny hoe “ny firenena rehetra” no hohamafisinao amin’izay. 150

Famakiana Andininy Misy Teny Hamafisina Tsara

151

Matetika no raisina mba hamaliana fanontaniana ny andinin-teny iray, na mba hanaporofoana hevitra tsy eken’ny hafa. Raha mitovy ny fomba hanamafisana ny hevitra rehetra ao amin’ilay andininy, dia mety ho tsy hitan’ny mpihaino ny ifandraisany amin’ilay fanazavana. Mety hazava aminao izany, fa tsy hazava aminy. Ohatra, mety hamaky ny Salamo 83:18 ao amin’ny Baiboly iray misy ny anaran’Andriamanitra ianao. Raha ny hoe “Ilay Avo Indrindra” no hamafisinao, dia tsy ho hitan’ilay tompon-trano fa manana anarana Andriamanitra, na dia mety ho toa miharihary aza izany. Ny hoe “Jehovah” no tokony hohamafisinao. Raha miresaka FIANARANA NY FOMBA momba ny fiandrianan’i Jehovah kosa anefa ianao, dia ny FANAMAFISAN-TENY hoe “Ilay Avo Indrindra” no tokony hohamafisinao, rehefa Manontania tena toy izao, mamaky io andininy io. Toy izany koa, rehefa hamaky ny Jamomba izay andininy kasaikoba 2:24 ianao mba hampisehoana fa tsy maintsy ampiaranao hovakina: ‘Inona no hina ny finoana sy ny asa, raha ny hoe “hamarinina” no fihetseham-po asehon’ireo hamafisinao, fa tsy ny hoe “asa”, dia tsy ho azon’ny mpihaiteny ireo? Ahoana no tokony hampitako azy io?’ no sasany ilay tianao hohazavaina. Fakafakao ireo andininy Ohatra tsara hafa ny Romana 15:7-13. Tapany amin’ny takasainao hampiasaina. ratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny fiangonana voaManontania tena toy izao, forona Jentilisa sy Jiosy izy io. Manazava ilay apostoly ao fa momba ny tsirairay aminy: tsy ny Jiosy voafora ihany no mandray soa avy amin’ny fano‘Inona no ilana ity andininy mpoan’i Kristy, fa ny firenena hafa koa, mba “hankalazan’ny ity? Teny inona avy no ilaina jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindrampo.” Avy hohamafisina?’ eo i Paoly dia manonona andinin-teny efatra mba hisarihana ny saina ho amin’io tombontsoa nomena an’ireo firenena io. Ahoana no tokony hamakianao ireo andininy ireo, mba hanamafisana ny tian’i Paoly hohazavaina? Asio marika ireo teny hohamafisinao, dia ny hoe “ny jentilisa” ao amin’ny andininy faha-9, ny hoe “ry jentilisa” ao amin’ny andininy faha-10, ny hoe “ry jentilisa rehetra” sy hoe “ny firenena rehetra” ao amin’ny andininy faha-11, ary ny hoe “ny jentilisa” ao amin’ny andininy faha-12. Avy eo, dia vakio amin’ny fanamafisana ireo teny ireo ny Romana 15:7-13. Raha manao izany ianao, dia hazava kokoa sy ho mora azo kokoa ilay fanjohian-kevitr’i Paoly. Fomba hanamafisan-teny. Azonao hamafisina amin’ny fomba maro ireo teny fototra tianao hisongadina. Tokony hifanentana amin’ ny andininy sy ny faritra anaovanao ny anjaranao na lahateninao ilay fomba ampiasainao. Indreto misy fanoloran-kevitra sasantsasany. Fanovaovam-peo. Izany dia ny fiovan’ny feo, izay mampisongadina ireo teny fototra, raha oharina amin’ireo teny hafa ao amin’ilay

152

Famakiana Andininy Misy Teny Hamafisina Tsara

fehezanteny. Azo atao tsara ny manamafy teny amin’ny fitenenana mafy kokoa na mora kokoa. Amin’ny fiteny maro, ny fanamafisan-teny dia azo atao amin’ny fanovana ny haavon’ny feo ho maranitra kokoa na hidoboka kokoa. Amin’ny fiteny sasany kosa anefa, ny fanaovana izany dia mety hanova tanteraka ny hevitra. Azo hamafisina koa ireo teny fototra, raha vakina miadana kokoa. Amin’ireo fiteny tsy afaka mampiasa ny fanovaovam-peo mba hanamafisana teny sasany, dia ilaina ny mampiasa izay fomba rehetra mahazatra amin’io fiteny io mba hanamafisan-teny. Fiatoana. Io dia azo atao aloha na aorian’ny famakiana ilay tapany fototra amin’ilay andinin-teny, na sady aloha no aoriana. Ny fiatoana aloha kelin’ny hamakianao hevi-dehibe iray dia mahatonga ny olona hiandry azy io. Mandraikitra ilay hevitra ao an-tsainy kosa ny fiatoana aoriana. Tsy hisy hevitra hisongadina anefa, raha be loatra ny fiatoana. Famerimberenana. Mba hanamafisana hevitra iray, dia miatoa ka avereno vakina ilay na ireo teny milaza azy. Matetika anefa no tian’ny olona kokoa raha vakina manontolo ilay andininy, ary avy eo vao averina ilay teny fototra. Fihetsehana. Matetika ny fihetsehana sy ny endrika no afaka mampita fihetseham-po, eo am-pilazana teny na fehezanteny iray. Toe-peo. Amin’ny fiteny sasany, dia azo vakina amin’ny toe-peo izay manova ny heviny sy mampisongadina azy ny teny indraindray. Ilaina koa eto ny mitandrina, indrindra raha mamaky teny misy fanesoana. Rehefa ny hafa no mamaky. Rehefa mamaky andinin-teny ny tompon-trano iray, dia mety ho ireo teny tsy izy no hamafisiny, na mety tsy hanamafy na inona na inona izy. Inona no azonao atao amin’izay? Tsara raha manao fampiharana ilay andininy ianao, mba hivoahan’ilay hevitra tsara. Aorian’izay, dia ifantohy manokana sy mivantana ireo teny fototra ao amin’ilay andininy.

FANAZARAN-TENA: 1) Fakafakao ny andinin-teny iray kasainao hampiasaina eny amin’ny fano` mpoana. Mizara mamaky azy amin’ny fanehoana ny fihetseham-po mety. Eritrereto ny antony hampiasanao azy, ary vakio ilay izy amin’ny fanamafisana ireo teny tokony ho izy. 2) Raiso ilay boky na gazety ianarana amin’ny herinandro, ary mifidiana fehintsoratra iray manonona andinin-teny. Fakafakao ny fomba ampiasana azy ireo ao. Asio marika ireo teny fototra. Vakio amin’ny feo avo ilay fehintsoratra manontolo, ka hamafiso tsara ny andininteny.

FAMPIHARANA TSARA NY ANDININ-TENY 22



Inona no ilainao hatao? Mampifanaraka ny fampiharanao ny andinin-teny iray amin’ ny teny manodidina sy amin’ny Baiboly manontolo, ary koa amin’izay navoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina.’

TSY ny famakiana andininy ao amin’ny Baiboly fotsiny no takina, rehefa mampianatra ny hafa. Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty, namany: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.”—2 Tim. 2:15. Midika izany fa tsy maintsy mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Baiboly ny fomba anazavantsika andinin-teny. Noho NAHOANA IZANY izany, dia tsy maintsy mijery ireo teny manodidina ilay andiniNO TENA ILAINA? ny isika, fa tsy hifidy fotsiny izay teny tiantsika, ary hanampy Zava-dehibe ny mampianany fomba fihevitsika manokana. Nampitandrina tamin’ny alatra ny Tenin’Andriamanitra lan’i Jeremia i Jehovah mba tsy hihainoana ireo mpaminany amin’ny hafa. Tiany ho tonihambo ho niteny tamin’ny anarany, nefa raha ny tena izy, nga amin’ny “fahalalana ny marina” ny olona. (1 Tim. dia nilaza ‘fahitana avy tao am-pony ihany.’ (Jer. 23:16) Nampi2:3, 4) Manana andraikitra tandrina ny Kristianina ny apostoly Paoly mba tsy handoto ny hampianatra tsara ny Te` Tenin’Andriamanitra tamin’ny fampianaran’olombelona. Hoy nin’Andriamanitra ary isika. izy: “Efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay.” Tamin’izany andro izany, dia nisy mpivarotra divay ratsy toetra nanampoka rano ny divainy, mba hahazoana vola bebe kokoa. Isika kosa tsy manatsatso ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fampifangaroana azy amin’ny fampianaran’olombelona. “Tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’Andriamanitra hahazoam-bola izahay”, hoy i Paoly, “fa toy ny amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra sady eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy.”—2 Kor. 2:17; 4:2. Indraindray dia mety hanonona andinin-teny iray ianao, mba hampisongadinana toro lalana iray. Feno toro lalana tsara momba ny tarehin-javatra maro samihafa ny Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17) Tokony ho azonao antoka anefa fa marina ilay fampiharana ataonao. Aza mampiasa andinin-teny iray amin’ny fomba diso, ka hampilaza azy io izay zavatra tian’ny tenanao holazainy. (Sal. 91:11, 12; Matio 4:5, 6) Tsy maintsy mifanaraka amin’ny 153

154

Fampiharana Tsara ny Andinin-teny

fikasan’i Jehovah ny fampiharana ataonao, ary koa amin’ny Tenin’Andriamanitra manontolo. Midika koa hoe mahazo izay tena tian’ny Baiboly holazaina ny hoe “mizara tsara ny teny fahamarinana.” Tsy “karavasy” fampitahorana akory izy io. Nanonona teny avy tao amin’ny Soratra Masina ireo mpitondra fivavahana nanohitra an’i Jesosy Kristy, nefa nanakimpy ny masony teo anoloan’ny raharaha navesa-danja kokoa izay takin’Andriamanitra, toy ny rariny sy ny famindram-po ary ny tsy fivadihana. (Matio 22:23, 24; 23:23, 24) I Jesosy kosa anefa nanome taratry ny toetran’ny Rainy, rehefa nampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Nampiarahiny fitiavana lalina an’ireo olona nampianariny ny zotom-pony ho FIANARANA MANJOHY HEVITRA amin’ny fahamarinana. Tokony hiezaka hanaraka ny ohatra Mamakia Baiboly tsy tapaka. nomeny isika.—Matio 11:28. Ianaro tsara Ny Tilikambo FiaAhoana no ahazoantsika antoka fa mety tsara ny fampiharambenana, ary omano tsara ntsika andinin-teny iray? Hanampy antsika ny famakiana Baiireo fivoriana. boly tsy tapaka. Mila mankasitraka ‘ny mpanompo mahatoky Fantaro tsara ny hevitr’ sy malina’ koa isika. (Matio 24:45) Izy io dia ny fitambaireo teny ao amin’ny andiran’ireo Kristianina voahosotry ny fanahy, ary fandaharana nin-teny rehetra kasainao hampiasaina. Vakio amimnataon’i Jehovah mba hizarana sakafo ara-panahy amin’ny pitandremana ilay andininy, mpianakavin’ny finoana. Handray soa avy amin’ny fampianamba hahazoanao tsara izay rana omeny amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malazainy. lina isika, raha manao fianarana manokana sy manatrika tsy ` Mizara manao fikarohana ao tapaka ny fivoriana ary mandray anjara amin’izy ireny. amin’ireo bokintsika. Mianara mampiasa tsara ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, raha misy amin’ny fiteninao. Ho azonao avy hatrany ilay tari-dalana ilainao, mba hanaovana fampiharana mety tsara ny andinin-teny maro izay ampiasaintsika matetika eo amin’ny fanompoantsika. Raha mikasa ny hampiasa andinin-teny iray tsy dia mahazatra anao loatra ianao, dia tsy hiana-kendry, fa hanao ny fikarohana ilaina kosa, mba hahaizanao hizara tsara ny teny fahamarinana.—Ohab. 11:2. Ataovy hita mazava ilay fampiharana. Rehefa mampianatra ny hafa ianao, dia ataovy hitany mazava tsara ny ifandraisan’ireo andinin-teny ampiasainao amin’ilay foto-kevitra resahinao. Raha mampiasa fanontaniana ianao mba hampidirana ilay andininy, dia tokony ho hitan’ny mpihaino ny fomba amalian’io andininy io an’ilay fanontaniana. Raha mampiasa ilay andininy mba hanohanana fanambarana iray kosa ianao, dia ataovy hitan’ilay mpianatra mazava tsara fa tena manaporofo ilay hevitra izy io. ` Mazana no tsy ampy ny mamaky fotsiny ilay andininy, na dia misy teny hamafisina tsara aza ao. Tadidio fa tsy mahalala ny Baiboly ny olona tso-

Fampiharana Tsara ny Andinin-teny

tra, ary tsy ho voatery hahazo ny tianao holazaina, avy amin’ny vakiteny indray mandeha. Sariho ny sainy ho amin’ny tapany ao amin’ilay andininy mifandray mivantana amin’ilay zavatra resahinareo. Mba hanaovana izany, dia mila manavaka tsara ireo teny fototra ianao, dia ireo izay mifandray mivantana amin’ilay zavatra resahina. Ny mamerina milaza ireny teny fototra ireny no fomba tsotra indrindra. Raha miresaka amin’ny olona iray ianao, dia mametraha fanontaniana izay hanampy azy hamantatra ireo teny fototra. Ny mampiasa teny hafa mitovy hevitra na mamerina ilay hevitra no fomba tian’ny mpandahateny sasany kokoa, rehefa miteny amin’olona maromaro. Raha izany anefa no fidinao hatao, dia mila mitandrina ianao mba tsy ho verin’ny mpihaino ny ifandraisan’ilay hevitra resahina amin’ireo teny ao amin’ilay andininy. Fanorenana tsara no vitanao, tamin’ny fanavahana tsara toy izany ireo teny fototra. Ampifandraiso amin’izany ny fanazavanao manaraka. Moa ve nampiditra ilay andininy tamin’ny filazana mazava ny antony hampiasanao azy ianao? Raha eny, dia asehoy ny ifandraisan’ireo teny nasongadinao amin’izay fanazavana nasainao nandrasan’ny mpihaino. Lazao mazava tsara izany fifandraisana izany. Na dia tsy nivantana aza ny fomba nampidiranao ilay andininy, dia tokony hampifandraisinao amin’ireo teny fototra nasongadinao ny fanazavanao manaraka. Nanontany an’i Jesosy zavatra izay noheverin’izy ireo fa sarotra be ireo Fariseo, nanao hoe: “Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?” Naka ny Genesisy 2:24 i Jesosy mba hamaliana azy ireo. Mariho fa tapany iray ihany amin’ io andinin-teny io no nifantohany sy nanaovany ilay fampiharana nilainy. Nasehony fa ho “nofo iray ihany” ny lehilahy iray sy ny vadiny. Hoy izy avy eo: “Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.”—Matio 19:3-6. Firy ny fanazavana tokony homenao mba hazava ny fampiharana ny andinin-teny iray? Ny mpanatrika sy ilay hevitra resahina no hamaritra izany. Tadidio anefa ny hampiasa teny tsotra sy mivantana. Fanjohian-kevitra avy amin’ny Soratra Masina. Milaza amintsika ny Asan’ny Apostoly 17:2, 3 fa ‘nanjohy hevitra avy tamin’ny Soratra Masina’ ny apostoly Paoly, fony izy nanompo tany Tesalonika. Fahaizana iray tokony hianaran’ny mpanompon’i Jehovah tsirairay izany. Toy izao, ohatra, no nataon’i Paoly: Nanonona zavatra sasantsasany momba ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy izy, nampiseho fa efa nambaran’ny Soratra Hebreo mialoha izy ireny, ary avy eo izy dia namarana ny teniny toy izao: “Jesosy, Izay toriko aminareo, ... no Kristy.”

155

156

Fampiharana Tsara ny Andinin-teny

Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, dia nanonona teny be dia be avy tao amin’ny Soratra Hebreo i Paoly. Matetika izy no nanavaka tsara teny iray na mihoatra mba hanamafisana, na mba hanazavana hevitra iray, ary avy eo dia nampiseho ny heviny. (Heb. 12:26, 27) Ao amin’ny Hebreo toko faha-3, dia nanonona ny Salamo 95:7-11 i Paoly. Tapany telo ao amin’izy io, avy eo, no nohazavainy: 1) ilay filazana momba ny fo (Heb. 3:8-12), sy 2) ny hevitry ny teny hoe “Anio” (Heb. 3:7, 13-15; 4: 6-11), ary 3) ny hevitr’ilay filazana hoe: “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy.” (Heb. 3:11, 18, 19; 4:1-11) Araho izany ohatra izany, rehefa manao fampiharana ny andinin-teny tsirairay. Diniho ny vokatra tsara azon’i Jesosy, fony izy nanjohy hevitra avy tamin’ny Soratra Masina, ao amin’ny Lioka 10:25-37. Nanontany toy izao ny ` ˆ mpahay lalana iray: “Mpampianatra o, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Nanasa azy hilaza ny heviny aloha i Jesosy. Noanti` tranteriny avy eo fa zava-dehibe ny mankato izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa hitan’i Jesosy fa tsy takatr’ilay lehilahy ny tiany holazaina, dia niresaka be dia be momba ny teny iray monja izy hoe “namana.” Tsy namaritra fotsiny ny atao hoe namana izy, fa nampiasa fanoharana kosa mba hanampiana ilay lehilahy hanatsoaka ilay hevitra marina. ` Rehefa namaly fanontaniana ary i Jesosy, dia tsy nanonona fotsiny andinin-teny izay nanome valiny nivantana sy niharihary. Namakafaka izay nolazain’izy ireny izy, ary avy eo dia nampihatra azy ireny tamin’ilay fanontaniana napetraka taminy. Rehefa tsy nanaiky ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ny Sadoseo, dia nampifantoka ny saina tamin’ny hevitra voafaritra iray ao amin’ny Eksodosy 3:6 i Jesosy. Tsy nianina tamin’ny fanononana ilay andininy anefa izy. Nanjohy hevitra momba azy io izy mba hampisehoana fa anisan’ny fikasan’Andriamanitra ny fitsanganana amin’ny maty. —Marka 12:24-27. Dingana lehibe hahatongavana ho mpampianatra kinga, ny fahaizana manjohy hevitra amin’ny fomba mety sy mandaitra avy amin’ny Soratra Masina.

FANAZARAN-TENA: Fanjohian-kevitra momba ny hevitry ny 2 Petera 3:7. Moa ve izy io manaporofo fa ho ringana amin’ny afo ny tany? (Rehefa mamaritra ny hoe “tany” ianao, dia diniho koa ny tiana holazaina amin’ny hoe “lanitra.” Andinin-teny inona avy no mampiseho fa afaka manana heviny an’ohatra ny hoe “tany”? Iza na inona no horinganina, araka ny andininy faha-7? Ahoana no ifanarahan’izany amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Noa, araka ny andininy faha-5 sy faha-6?)

FANASONGADINANA NY HEVITRA HAMPIHARINA



Inona no ilainao hatao? Manampy ny mpihaino hahita fa mahakasika ny fiainany ny foto-kevitrao, na azony ampiasaina mba handraisan-tsoa.

NA OLONA iray no itenenanao na mpanatrika maro be, dia tsy fahendrena ny mihevitra hoe hahaliana azy ny foto-kevitrao satria fotsiny hoe mahaliana anao ilay izy. Hafatra tena lehibe no entinao, nefa tsy hihazona ny fahalianan’ny mpihaino ianao raha tsy ataonao mazava tsara fa mahakasika azy ilay izy. Marina izany na dia ao amin’ny Efitrano Fanjakana aza. Mety hifantoka ny mpihaino, rehefa milaza fanoharana na fitantarana mbola tsy reny ianao. Mety tsy hifantoka intsony anefa izy, NAHOANA IZANY rehefa zavatra efa fantany no resahinao, indrindra raha tsy NO TENA ILAINA? ` velabelarinao ireny zavatra ireny. Ampio ary ny mpihaino haRaha tsy hitan’ny olona hita ny antony sy ny fomba handraisany soa avy amin’izay ilay hevitra tokony hampihalazainao. riny, dia mety hilaza aminao izy fa tsy liana, na mety tsy Mampirisika antsika haneho fahendrena, ka hieritreritra hifantoka intsony ny sainy ka foana ny hampihatra izay ianarantsika, ny Baiboly. (Ohab. hiriorio. 3:21) Nampiasa an’i Jaona Mpanao Batisa i Jehovah mba hitarika ny olona “ho amin’ny fahendren’ny marina.” (Lioka 1:17) Miorina amin’ny fahatahorana an’i Jehovah izany fahendrena izany. (Salamo 111:10) Afaka miatrika tsara ny fiainana ankehitriny ireo izay maneho io fahendrena io ary mahazo antoka ny amin’ny tena fiainana, dia ny fiainana mandrakizay ho avy.—1 Tim. 4:8; 6:19. Ataovy mahakasika ny mpihaino ny lahateny. Raha tianao ho azon’ ny mpihaino ampiharina ny lahateninao, dia tsy maintsy mieritreritra azy ireo mbamin’izay hevitra holazainao ianao. Aza mieritreritra ny fitambaran’olona fotsiny. Isam-batan’olona sy fianakaviana no mahaforona ny mpanatrika. Mety hisy ankizikely ao, zatovo, olon-dehibe, ary zokiolona. Mety hisy olona vao liana koa ao, ary koa olona efa nanompo an’i Jehovah fony ianao mbola tsy teraka akory. Mety ho matotra ara-panahy ny sasany; ny hafa kosa mety ho mbola ahitana fihetsika sy ny fanao sasan’ ity tontolo ity. Manontania tena hoe: ‘Inona no soa mety ho azon’ny mpihaino avy amin’ity zavatra horesahiko ity? Ahoana no hanampiako azy ireo hahita izay tsy maintsy hataony?’ Mety hifantoka amin’ny sokajin’ olona iray na roa monja ianao, nefa aza hadinoina tanteraka ny hafa. 157

23

158

Fanasongadinana ny Hevitra Hampiharina

Ahoana raha fampianarana ara-baiboly no asaina resahinao? Ahoana no hanampianao ny mpanatrika izay efa manaiky an’io fampianarana io? Ampio izy ireo hanamafy izany fiekeny izany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanjohiana hevitra momba ny porofo ara-baiboly manohana azy io. Ampio koa ny mpihaino hampitombo ny fankasitrahany an’ io fampianarana io. Mba hanaovana izany, dia asehoy fa mifanaraka tsara amin’ny fahamarinana hafa ao amin’ny Baiboly sy amin’ny toetran’i Je` hovah ilay izy. Mampiasa ohatra—fitantarana zavatra tena nisy, raha azo atao—mba hampisehoana fa nandraisan’olona NY FOMBA soa ny fahazoany an’io fampianarana io, ary nanova ny foANAOVANA AZY mba fijeriny momba ny hoavy. Rehefa manomana anjara na Tsy amin’ny famaranan-teny ihany ianao vao tokony halahateny, dia eritrereto ilay ndrisika ny mpihaino hampihatra ilay zavatra nohazavainao. fanazavana, ary koa ny mpiDieny eo am-boalohany, dia tokony ho afaka hiteny anakahaino. Ataovy hitany fa tena hitondra soa ho azy ilay izy. mpo ny tsirairay aminy hoe “mahakasika ahy ity.” Aorian’izany, mandritra ny famelabelaranao ny hevi-dehibe tsirairay sy Asongadino mandritra ny famelabelarana manontolo ao amin’ny famaranan-teninao, dia manohiza manazava ny ilay hevitra hampiharina, fa soa azo avy amin’ny fampiharana ilay zavatra hazavainao. tsy amin’ny famaranan-teny Araho ireo toro lalan’ny Baiboly rehefa manazava ilay heviihany. tra tokony hampiharina ianao. Ahoana izany? Manehoa fiRehefa manomana ny fitoriatiavana sy fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa. nao, dia hevero ireo zavatra (1 Pet. 3:8 ; 1 Jaona 4:8) Na dia fony izy nandamina zava-nanamampanahy ny olona ao amin’ny faritaninao. hirana lehibe tao Tesalonika aza, ny apostoly Paoly dia nanasongadina foana ny fandrosoana ara-panahy efa nataon’ireo Rehefa mitory, dia henoy tsara ilay olona, ary ampifarahalahiny sy anabaviny tany. Nolazainy koa fa tena natoky naraho amin’izay lazainy ny izy fa naniry hanao izay tsara izy ireo, na dia tamin’izay aza. resakao. (1 Tes. 4:1-12) Endrey izany ohatra tsara tokony hotahafina! Moa ve ny anjaranao na ny lahateninao tokony handrisika ny mpanatrika hitory sy hampianatra ny vaovao tsara amin’ ` ny hafa? Ampio ary izy ireo hanana risi-po sy hafanam-po ho an’io tombontsoa io. Eo am-panaovanao izany anefa, dia tadidio fa tsy mitovy ny fahafahan’ny tsirairay hanao azy io, ary manaiky izany ny Baiboly. (Matio 13:23) Aza vesarana amin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka ny rahalahinao. Mananatra antsika mba “handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara” ny Hebreo 10:24. Raha mandrisika ho amin’ny fitiavana isika, dia hanaraka ho azy ny fanaovana asa noho ny antony tsara. Aza mitady hanery ny hafa hanara-drenirano fotsiny; ekeo kosa fa tian’i Jehovah ` isika raha mandrisika ny hafa hankato noho ny finoana. (Rom. 16:26) Mitadidy izany ao an-tsaina isika, ka miezaka hanatanjaka ny finoantsika sy ny an’ireo rahalahintsika.

Fanasongadinana ny Hevitra Hampiharina

Ampio ny hafa hahita izay tokony hataony. Asongadino ny soa azo avy amin’ny fampiharana ny vaovao tsara, rehefa mitory amin’ny hafa ianao. Mba hanaovana izany, dia hevero hoe inona no mampanahy ny olona ao amin’ny faritaninao. Ahoana no hahafantaranao izany? Mihainoa vaovao amin’ny radio na ny televiziona. Mamakia gazety. Miresaha koa amin’ny olona, ary henoy izay lazainy. Ho fantatrao fa mitolona amin-java-manahirana lehibe izy ireo: tsy fananana asa, fandoavana hofan-trano, aretina, fahafatesan’ny mpianakavy iray, heloka bevava, tsy rariny, fisaraham-panambadiana, fitaizana zanaka maditra, sy ny toy izany. Afaka manampy azy ireo ve ny Baiboly? Eny tokoa. Tsy maintsy ho efa manana foto-kevitra iray ao an-tsaina ianao, rehefa hanomboka resaka. Kanefa raha misy zavatra hafa mba tian’ilay olona horesahina, dia aza misalasala miresaka momba izany, raha afaka ianao, na lazao aminy fa afaka miverina ianao mba hitondra fanazavana fanampiny. Tsy hitsabaka amin’ny fiainan’ny olona isika, fa faly kosa mizara amin’ny hafa ilay torohevitra azo ampiharina atolotry ny Baiboly. (2 Tes. 3:11) Torohevitra ara-baiboly mahakasika ny fiainany no tena hampiaiky ny olona. Mety hofaranan’ny olona haingana ny resaka, raha tsy hitany fa mahakasika azy manokana ny hafatra entintsika. Na dia avelany hiteny aza isika, raha tsy asehontsika aminy izay tokony hampihariny, dia tsy hisy vokany firy eo amin’ny fiainany ny fanazavantsika. Raha ataontsika mazava tsara kosa ny soa azony avy amin’ny fampiharany ilay hafatra, dia mety hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainany izany. Rehefa mitarika fampianarana Baiboly ianao, dia asongadino foana fa azo ampiharina tsara ilay zavatra ianarana. (Ohab. 4:7) Ampio ilay mpianatra hahatakatra ny torohevitra sy ny toro lalana ary ny ohatra ao amin’ ny Soratra Masina, izay manoro azy ny fomba fanarahana ny lalan’Andriamanitra. Asongadino ny soa azo avy amin’izany. (Isaia 48:17, 18) Hanosika ilay mpianatra hanao izay fiovana ilaina eo amin’ny fiainany izany. Ampio izy hamboly fitiavana an’i Jehovah sy faniriana hampifaly azy, ary aoka ny fony no hanosika azy hampihatra ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

FANAZARAN-TENA: Jereo indray ireo Fanompoantsika Ilay Fanjakana anananao, ary mifidiana fomba fampiseho iray na roa avy ao, izay mety indrindra amin’ny faritaninareo. Andramo izy ireny eny amin’ny fanompoana.

159

24 FAHAIZA-MIFIDY TENY



Inona no ilainao hatao? Mampiasa teny maneho fanajana sy hatsaram-panahy, teny isan-karazany sy mora azo, teny milaza hery sy fihetsehampo; ary koa teny manaraka fitsipi-pitenenana.

FITAOVANA tena manan-kery ny teny. Mila mifidy tsara ny teny ampiasaintsika anefa isika, raha tiantsika handaitra tsara izy ireny. Misy teny mety amin’ny toe-javatra iray, nefa tsy mety amin’ny toe-javatra hafa. Mety ho lasa “teny maharary” ny teny iray mampihomehy, raha diso ny fampiasana azy. Mety ho tsy nieritreritra tsara fotsiny ilay niteny toy izany, ka tsy nihevitra ny hafa. Misy indray teny manana heviny roa, ka ny iray amin’ireo dia manafintoNAHOANA IZANY hina na manambany. (Ohab. 12:18; 15:1) “Ny teny soa”, NO TENA ILAINA? izay mampahery ny hafa kosa anefa, dia mampifaly ny fon’ Hita amin’izany ny fanajanao ilay ilazana azy. (Ohab. 12:25) Mila miezaka mba hahita ilay hafatra ampitainao, sy ny ilay teny marina tokony hampiasaina ny rehetra, na ny hefihetseham-ponao momba ireo olona iresahanao. ndry aza. Lazain’ny Baiboly fa fantatr’i Solomona hoe nila Miankina amin’izany ny ho nitady “teny mahafinaritra” sy “tenin’ny fahamarinana” fihetsiny manoloana izay izy.—Mpit. 12:10. lazainao. Amin’ny fiteny sasany, dia misy teny fanao amin’ny zokiolona na manam-pahefana, nefa hafa ny fampiasa amin’ ny olona mitovy amin’ny tena, na amin’ny zandry olona. Heverina ho tsy mahalala fomba ny olona tsy manaja ireo fitsipika ireo. Tsy mety koa raha ampiharintsika amin’ny tenantsika ny tenim-panajana voatokana ho an’ny hafa, araka ny fomba amam-panao eo an-toerana. ` Ambony kokoa noho izay takin’ny lalana na ny fomba amam-panao eo an-toerana ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fanajana olona. Ampirisihiny ny Kristianina mba ‘hanaja ny olona rehetra.’ (1 Pet. 2:17) Raha any am-pontsika isika no efa manaja ny hafa, dia hiteny amimpanajana aminy isika, na firy taona izy na firy taona. Mampiasa teny tsy mihaja sy teny ratsy ny ankamaroan’ny tsy tena Kristianina. Mety hihevitra izy ireo fa manamafy izay lazainy ny teny toy izany, na tena tsy ampy ny voambolana fantany ka izay no ampiasainy. Raha nisy zatra nampiasa teny toy izany talohan’ny nianarany ny lalan’i Jehovah, dia mety ho sarotra aminy izao ny hiala amin’iza160

Fahaiza-mifidy Teny

161

ny. Azo atao anefa izany. Afaka manampy olona hanova ny fomba fiteniny ny fanahin’Andriamanitra. Tsy maintsy vonona koa anefa ilay olona hampiditra teny tsara sy mahasoa ary mampahery ho anisan’ny voambolana ampiasainy, ka hampiasa azy ireo tsy tapaka.—Rom. 12:2; Efes. 4:29; Kol. 3:8. Fomba fiteny mora azo. Alohan’ny zavatra rehetra, dia tokony ho mora azo ny fitenintsika. (1 Kor. 14:9) Toy ny miteny vahiny amin’ ny mpihaino ianao, raha tsy mora azony ny teny ampiasainao. Misy voambolana manokana fampiasan’ny olona any amin’ny toeram-piasana. Mety hampiasain’izy ireo isan’ HATSARAO NY andro ireny teny ireny. Mety tsy ho azo anefa izay lazaiFOMBA FITENINAO nao, raha ampiasainao amin’ny toe-javatra hafa izy ireny. Mifidiana fanoloran-kevitra Ankoatra izany, na dia mampiasa teny fampiasa andavanairay tianao harahina, avy ato amin’ity lesona ity. Iezaho ndro aza ianao, nefa milaza tsipirian-javatra be loatra, dia harahina mandritra ny iray mety havilin’ny mpihaino tsotra izao any amin-javatra hafa volana eo ho eo ilay izy. ny sainy. Tadidio foana ilay izy, rehefa Mifidy teny mora azon’ny rehetra, hatramin’ireo tsy namamaky teny sy mihaino hita fianarana firy aza, ny mpandahateny mihevitra ny ireo mpandahateny mahay ianao. Soraty ireo teny tianao hafa. Manahaka an’i Jehovah izy, ka mihevitra ‘ny olona hampiasaina. Ampiasao ambany.’ (Joba 34:19) Tokony hataony ao anaty fehezantemandritra ny iray na roa ny tsotra ny teny tsy dia fantatra loatra mba hampahazava andro, ny teny tsirairay ny heviny, raha voatery mampiasa izany izy. nosoratanao. Manan-kery kokoa ny hevitra ampitain’ny teny tsotra sy voafidy tsara. Mora azo koa ny hevitry ny fehezanteny fohy sy tsotra. Azo elanelanina amin’ny fehezanteny lava sasantsasany anefa izy ireny, mba tsy ho henjana sy hitsatotsatoka ny fiteninao. Teny tsotra sy fehezanteny fohy anefa no ampiasao, rehefa misy hevitra tena tianao hotadidin’ny mpihaino. Teny isan-karazany sy marina. Tsy vitsy ireo teny tsara azo ampiasaina. Aza mampiasa teny mitovy foana amin’ny toe-javatra rehetra, fa ` mampiasa kosa teny isan-karazany. Hahatonga ny fiteninao hahafinaritra sy hisy heviny izany. Inona no azonao atao mba hampitomboana ny voambolanao? Rehefa mamaky teny, dia mariho izay teny tsy tena azonao, ary jereo ao amin’ny diksionera misy amin’ny fiteninao izany. Mifidiana sasantsasany amin’ireny teny ireny, ary miezaha hampiasa azy ireny rehefa mety. Aza disoina ny fanononanao azy ireny. Ampiasao ao anatin’ny toe-javatra mora hahazoan’ny mpihaino azy, izy ireny, fa aza atao mba

162

Fahaiza-mifidy Teny

hanairana fotsiny ny sainy. Ho afaka hampiasa teny isan-karazany ianao, raha ampitomboinao ny voambolanao. Mila mitandrina anefa ianao, satria mety hihevitra ny hafa fa tsy tena fantatrao izay lazainao, rehefa diso ny fanononanao na ny fampiasanao teny iray. Ny hampita hevitra, fa tsy ny hahazo dera avy amin’ny mpihaino no zava-kendrentsika, rehefa mampitombo ny voambolantsika isika. Misarika ny saina ho amin’ilay mpandahateny ny fitenenana sarotra sy ny teny lava be. Ny hampita fahalalana tena ilaina sy ny hahatonga azy io hahaliana an’izay handre azy kosa no faniriantsika. Tadidio izao ohabolana ao amin’ny Baiboly izao: “Ny lelan’ny hendry mampiseho fahalalana tsara; fa ny vavan’ny adala miboiboika fahadalana.” (Ohab. 15:2) Hamelombelona sy handrisika ny mpihaino ny teny tsara sy mety ary mora azo, fa tsy hampatory na hahasorena azy. Mitandrema anefa mba hampiasa teny marina, rehefa mampitombo ny voambolanao. Mety hisy teny roa mitovy hevitra, nefa misy fahasamihafany kely rehefa ampiasaina amin’ny toe-javatra samy hafa. Hazava kokoa ny fitenenanao, ary tsy hanafintohina ny mpihaino ianao, raha takatrao tsara izany. Henoy tsara ireo mahay mandaha-teny. Ao amin’ny diksionera sasany, dia tanisaina eo akaikin’ny teny tsirairay ny teny mitovy hevitra aminy sy ny teny mifanohitra aminy. Hahita teny isan-karazany ilazana hevitra iray ihany ianao, ary ho hitanao koa ireo tsy fitoviana kely eo amin’ny hevitr’izy ireny. Tena hanampy anao izany, rehefa mitady ilay teny marina tokony hampiasaina ianao. Fantaro tsara aloha ny hevitry ny teny iray sy ny fomba fanonona azy ary ny toe-javatra azo ampiasana azy, vao mampiditra azy io ho anisan’ny voambolanao. Ny teny voafaritra tsara dia mazava kokoa noho ireo milaza hevitra ankapobe. Azo atao, ohatra, ny milaza hoe: “Olona maro no narary, tamin’izany fotoana izany.” Nefa azo atao koa ny milaza hoe: “Olona 21000 000 no matin’ny gripa espaniola, tao anatin’ny volana vitsivitsy monja, taorian’ny Ady Lehibe I.” Mariho ny fahasamihafan’ireo filazana roa ireo! Ao amin’ilay faharoa, dia mazava tsara amin’ny mpihaino ny tiana holazaina amin’ny hoe “olona maro” sy hoe “narary” ary hoe “tamin’izany fotoana izany”! Mila mahafantatra tsipirian-javatra momba ny foto-kevitrao ianao, sady mila mahay mifidy teny tsara koa, mba hahafahana hiteny toy izany. Hanampy anao tsy ho lava resaka koa ny fampiasana ilay teny marina. Tsy mivoaka tsara ny hevitrao, raha lava resaka ianao. Ho mora azo

Fahaiza-mifidy Teny

sy ho mora tadidy kokoa ireo hevi-dehibe, raha tsotra ny teninao. Hampita fahalalana marina koa izany. Nampiavaka ny fampianaran’i Jesosy Kristy ny fomba fiteniny tsotra. Izany no tahafo. (Jereo ny ohatra ` ao amin’ny Matio 5:3-12 sy Marka 10:17-21.) Mizara milaza hevitra, amin’ny teny fohy sy voafidy tsara. Teny milaza hery sy fihetseham-po ary misy aina. Tsy teny vaovao ihany no tadiavo, fa teny milaza hevitra manokana koa. Ohatra, mitadiava matoanteny milaza hery sy tanjaka, sy mpamari-toetra milaza loko ary teny maneho fitiavana, hatsaram-panahy na fahatsoram-po. Ahitana ohatra maro ny amin’ny fitenenana feno heviny toy izany ny Baiboly. Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Amosa mpaminany: “Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy ... Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara.” (Amosa 5:14, 15) Hoy koa i Samoela mpaminany tamin’i Saoly Mpanjaka: “Efa notriarin’i Jehovah kosa ho afaka aminao andro-any ny fanjakan’Isiraely.” (1 Sam. 15:28) Ary rehefa niteny tamin’i Ezekiela i Jehovah, dia nampiasa ireto teny tsy hay hadinoina ireto: “Ny taranak’Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.” (Ezek. 3:7) Nohamafisin’i Jehovah fa lehibe ny fahotan’ny Isiraely, rehefa nanontany izy hoe: “Handroba an’Andriamanitra va ny olona, no mandroba ahy hianareo?” (Mal. 3:8) Mba hilazana ilay fitsapam-pinoana tany Babylona, dia toy ny hitan’ny maso mihitsy ilay notantarain’i Daniela hoe: “Feno fahatezerana Nebokadnezara”, satria tsy nety nivavaka tamin’ilay sariny i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, hany ka nasainy nofatorana sy natsipy tao amin’ny “lafaoro nisy afo nirehitra.” Mba hahatakarantsika ny hamafin’ilay hafanana, dia nilaza i Daniela fa nasain’ny mpanjaka “nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro”, hany ka matin’ny lelafo ireo mpanompony, raha vao nanatona ilay lafaoro. (Dan. 3:19-22) Rehefa niresaka tamin’ny mponin’i Jerosalema i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny hahafatesany, dia nihetsi-po lalina izy nanao hoe: “Impiry Aho no ta-hanangona ny zana` kao, tahaka ny fanomban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo! Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.”—Matio 23:37, 38. Manampy ny mpihaino hahita an’eritreritra ny zavatra lazaina, ny teny voafidy tsara. Raha mahay mifidy tsara ny teny holazainao ianao, dia “hahita” sy “hahatsapa” ny zavatra lazainao ny mpihaino, ary “hanandrana” ny tsiron’ny sakafo resahinao sy “handre” ny fofon’izany izy, sady “hahare” ny feon-javatra hazavainao sy ny tenin’olona

163

164

Fahaiza-mifidy Teny

tononinao. Ho revo hihaino izay lazainao ny mpihaino, satria ampianao izy hiaina ilay fitantarana miaraka aminao. Mampita hevitra mazava tsara ny teny voafidy tsara, ka afaka mampihomehy na mampitomany. Afaka mamelona fanantenana izy ireny, manampy ny ketraka haniry hiaina, ary mampitsiry ao aminy fitiavana ny Mpamorona. Olona maro maneran-tany no nanjary nanana fanantenana, rehefa namaky teny toy ny hita ao amin’ny Salamo 37: 10, 11, 34 sy Jaona 3:16 ary Apokalypsy 21:4, 5. Hahita teny sy fomba fiteny isan-karazany ianao, rehefa mamaky ny Baiboly sy ny boky avoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina.’ (Matio 24:45) Aza avela handalo eo anoloan’ny masonao fotsiny izy ireny. Mifidiana teny mahafinaritra anao, ary ampidiro ho anisan’ireo teny hampiasainao andavanandro. Fitenenana manaraka fitsipi-pitenenana. Fantatry ny olona sasany fa tsy dia manaraka fitsipi-pitenenana loatra izy, rehefa miteny. Inona anefa no azony atao mba hanatsarana izany? Raha mbola mpianatra ianao, dia tena afaka mianatra fitsipi-pitenenana tsara sy karazan-teny voafantina tsara. Hararaoty izany. Anontanio ny mpampianatra anao, raha tsy azonao antoka ny fitsipika iray. Aza atao alasafay ny fianarana fitsipi-pitenenana. Tsy toy ny mpianatra hafa anefa ianao fa manana antony manosika: Te ho tonga mpitory mahay ianao. Ahoana raha efa lehibe ianao vao nampiasa fiteny hafa noho ny fitenin-drazanao? Na angamba ianao tsy dia nahita fianarana, ka tsy afaka nandalina ny fiteninao. Aza kivy, fa miezaha mafy kosa hanatsara ny fomba fiteninao, noho ny vaovao tsara. Avy amin’ny fihainoana ny ` hafa miteny no ianarantsika ny fitsipi-pitenenana. Koa henoy tsara ary ireo mpandahateny mahay. Rehefa mamaky ny Baiboly sy boky arabaiboly ianao, dia mariho tsara ny firafitry ny fehezanteny, sy ireo teny miaraka, ary ny teny hafa manodidina azy ireo. Ampifanaraho amin’ ireo ohatra tsara ireo ny fiteninao. Mety hampiasa teny sy fomba fiteny tsy manaraka fitsipi-pitenenana ireo mpihira sy mpampiala voly malaza. Manahaka azy ireny ny olona. Matetika ny mpivarotra zava-mahadomelina sy ny mpanao asan-jiolahy, na ireo maloto fitondran-tena no manana ny voambolany manokana, izay manana heviny hafa tanteraka noho ny tena hevitr’ireo teny ireo. Tsy tsara ny hanahafan’ny Kristianina ny olona toy izany. Hampitovin’ny hafa amin’izy ireny isika, raha manao izany.—Jaona 17:16.

Fahaiza-mifidy Teny

165

` Mizara miteny tsara isan’andro. Raha ataonao tsirambina ny fomba fiteninao andavanandro, dia aza manantena ny hahay hiteny tsara tampoka amin’ny fotoana manokana. Raha miteny tsara foana kosa ianao, dia handeha ho azy sy mora foana ny fitenenana tsara, rehefa eny amin’ny lampihazo na rehefa mitory ny fahamarinana amin’ny hafa ianao.

FANAZARAN-TENA: Mifidiana teny sasantsasany tsy dia hainao tsara, rehefa manomana Ny Tilikambo Fiambenana na ny Fianarana Boky amin’ity herinandro ity. Jereo ao amin’ny diksionera ny heviny, raha misy azonao ampiasaina, na anontanio olona mahay.

Ireo teny tiako ho anisan’ny voambolana hampiasaiko Teny isan-karazany sy teny marina

Teny milaza hery sy fihetseham-po, na misy aina









































































25 FAMPIASANA DRAFITRA



Inona no ilainao hatao? Tsy mamaky lahateny voasoratra manontolo, fa mampiasa drafitra an-kandrina na an-tsoratra. MARO no matahotra, rehefa hoe hampiasa drafitra mba hanaovana anjara na lahateny. Matoky tena kokoa izy ireo, raha voasoratra manontolo na ianarany tsianjery izay holazainy. Tsy misy amintsika anefa mamaky ny resaka ataontsika isan’andro amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika. Tsy manao izany koa isika eny amin’ny fanompoana sy rehefa mivavaka amin’ny fontsika, na mitokana izany, na eo anivon’olon-kafa. Inona no fahasamihafana eo amin’ny lahateny vakina sy NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? ny drafitra? Marina kokoa sy voafidy tsara kokoa ny teny Mampianatra anao handamiampiasainao amin’ny lahateny vakina, saingy tsy dia afaka na tsara ireo hevitrao ny manohina loatra ny fon’ny hafa ianao. Manjary tsy toy fanomanana drafitra, ary ny fiteninao andavanandro ny hafainganam-piteninao sy hanamora ny fitenenana toy ny filanton’ny feonao aorian’ny fehezanteny vitsivitsy, fa ny amin’ny resaka andavanandro sy avy amin’ny fo ny lasa mitovy foana. Maro ny mpihaino tsy dia hihaino tsara fampiasanao azy. raha mifantoka kokoa amin’ny taratasy ianao fa tsy amin’ izy ireo, satria toa tsy tena mieritreritra azy ianao, ary toa tsy mampifanaraka ny fanazavanao amin’izay ilainy. Ny lahateny atao tsy an-kijery soratra no tena manosika ny olona hanao zavatra. Natao hanampiana antsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro ny Sekolin’ny Fanompoana. Rehefa mifankahita amin’ny namantsika isika, dia tsy mamoaka taratasy avy ao am-paosy, ka mamaky ireo hevitra tiantsika holazaina, mba ho marina tsara ny teny hilazantsika azy. Eny amin’ny fanompoana koa, dia tsy mitondra lahateny vakina isika, ` sao hoe hanadino hevitra sasany tiantsika holazaina. Mizara miteny amin’ny fomba tsotra sy tsy amboamboarina raha fitoriana no faritra anaovanao ny anjaranao amin’ny sekoly. Manaova fanomanana tsara, dia ho hitanao fa efa ampy mba hampahatsiahy anao ireo hevi-dehibe tianao horesahina ny drafitra, na ataonao an-kandrina ilay izy, na antsoratra. Ahoana anefa no hananana ny fatokisan-tena ilaina mba hahatongavana amin’izany? 166

Fampiasana Drafitra

167

Alamino ireo hevitrao. Mila mandamina ireo hevitrao ianao, mba hahafahana hampiasa drafitra. Tsy hoe hifidy ny teny tsirairay hampiasainao akory ianao amin’izany, fa hieritreritra fotsiny aloha vao hiteny. Eo amin’ny fiainana andavanandro, ny olona faingam-bava dia mety hilaza zavatra izay hanenenany avy eo. Ny hafa indray mety tsy hilaza zavatra hentitra fa mifindrafindra foto-kevitra. Samy azo resena ireo kilema ireo, raha miato aloha ianao ka mandamina ny hevitrao ao an-tsainao, vao miteny. Ataovy tsara ao an-tsaina NY DINGANA ILAINA aloha ny zava-kendrenao, dia fanteno avy eo ireo dingana AMIN’IZANY ilainao amin’izany, vao mitenena. Ataovy masaka an-tsaina ny Miomana ho amin’ny asa fanompoana ve ianao? Tsy ny soa entin’ny fampiasana drafitra rehefa manao anjara na kitaponao ihany no tokony homaninao, fa ireo hevitrao lahateny. koa. Raha mikasa ny hampiasa fomba fampiseho iray ao Alamino aloha ireo hevitrao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ianao, dia averivao miteny, rehefa miresaka mbereno vakina ilay izy, mandra-pahazonao tsara ireo heviandavanandro. dehibe ao an-tsaina. Fintino ao anaty fehezanteny fohy iray Mba hananana fatokisan-tena na roa izy ireo, ary lazao amin’ny fomba fiteninao sy araka hiteny amin’ny alalan’ny drafitra, dia mivavaha amin’i ny zava-misy eo amin’ny faritaninao. Hanampy anao ny faJehovah, ary aza misalasala naovana drafitra an-kandrina. Inona no hampidirinao ao mamaly any am-pivoriana. amin’izany? 1) Azonao atao fampidiran-dresaka ny filazana Manaova drafitra tsotra, mora zavatra iray mampanahy ny rehetra eo an-toerana. Asao ilay vakina raha vao topaza-maso olona hilaza ny heviny. 2) Mieritrereta zavatra iray azonao fotsiny. lazaina momba ilay foto-kevitra, ary koa andinin-teny iray Hevitra, fa tsy teny, no na roa mampiseho izay hataon’Andriamanitra. Mety hanaavereno jerena rehefa manao famerenana ny anjaranao na na fahafahana ianao hilaza fa ny Fanjakany any an-danitra lahateninao. no hanatanterahany izany. 3) Ampirisiho ilay olona hanao zavatra mifandray amin’ilay resaka nifanaovanareo. Manolora zavatra hovakiny sy (na) fampianarana Baiboly, ary mifanaova fotoana mba hanohizana ilay resaka. Drafitra an-kandrina fotsiny no hany hilainao amin’izany. Raha te hampiasa drafitra voasoratra ianao alohan’ny hitsidihana olona, dia izao ihany no ampidiro ao: Teny vitsivitsy ho fampidiran-dresaka, sy andinin-teny iray na roa, ary hevitra fohy ho famaranana. Raha manomana sy mampiasa drafitra toy izany isika, dia tsy ho lava resaka, fa ho afaka hampita hafatra mazava sy mora tadidina. Manaova fikarohana raha misy fanontaniana na fanoherana mipoi` tra matetika ao amin’ny faritaninareo. Mazana no hevi-dehibe roa na telo sy izay andinin-teny iorenany, no hany ilainao. Mety hanome anao ilay drafitra ilainao indrindra ny Foto-dresaka Ara-baiboly na ireo

168

Fampiasana Drafitra

lohatenikely amin’ny sora-matevina ao amin’ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina. Te hampiasa tenin’olona hitanao tany anaty boky hafa angamba ianao. Manorata drafitra fohy misy izany tenin’olona izany, ary ampiaraho amin’ireo fitaovana fitondranao eny amin’ny fanompoana. Rehefa misy olona manapoitra ilay fanontaniana na ilay fanoherana, dia ampahafantaro azy fa faly ianao afaka hanazava ilay izy aminy. (1 Pet. 3:15) Ampiasao ilay drafitra mba hamaliana ny fanontaniany. Rehefa hanao vavaka eo anivon’ny fianakavianao, any amin’ny fianarana boky, na any amin’ny fivoriana, ianao, dia tsara koa raha alaminao aloha ireo hevitra holazainao. Araka ny Lioka 11:2-4, dia nomen’i Jesosy drafitra tsotra momba ny vavaka misy heviny, ny mpianany. Nanao vavaka lava be i Solomona tamin’ny fitokanana ny tempoly tao Jerosalema. Tsy maintsy ho efa noeritreretiny mialoha ilay izy. I Jehovah sy ilay fampanantenana nataony tamin’i Davida aloha no nolazainy; avy eo ny tempoly; ary avy eo izy dia nanonona toe-javatra sy olona voafaritra tsara. (1 Mpanj. 8:22-53) Hanampy antsika ny fandinihana ireny ohatra ireny. ` Hazony ho tsotra ny drafitry ny lahateninao. Inona avy no tokony hampidirinao ao amin’ny drafitra ho an’ny lahateninao? Tadidio fa natao mba hanampianao ny tenanao hitadidy hevitra ny drafitra. Mety hanampy anao ny fanoratana fehezanteny vitsivitsy ho fampidiran-dresaka. Aorian’izany anefa, dia ireo hevitra no ifantohy, fa tsy ireo teny. Fehezanteny fohy ampiasaina, raha tianao hosoratana ao anaty fehezanteny ireo hevitra ireo. Tokony hiavaka tsara ao amin’ny drafitrao ireo hevi-dehibe vitsivitsy kasainao hovelabelarina. Azonao soratana amin’ny sora-baventy izy ireny, na tsipihina, na asongadina amin’ny penina miloko. Tanisao eo ambanin’ny hevi-dehibe tsirairay, ireo hevitra tianao hampiasaina mba hamelabelarana azy. Mariho ireo ` andinin-teny kasainao hovakina. Mazana no tsara indrindra ny mamaky azy ireo ao amin’ny Baiboly. Mariho ireo fanoharana tianao hampiasaina. Mety hahita teny mahaliana sy mety tsara nolazain’olona tsy Vavolombelona koa ianao. Ataovy ampy tsara ireo tsipirian-javatra hatolotrao. Ho mora hampiasaina kokoa ilay drafitra, raha madio sy milamina. Misy mampiasa drafitra tsy ahitana afa-tsy izay tena ilaina: Teny fototra vitsivitsy, andinin-teny hotononin’ilay mpandahateny an-kandrina, ary sary na sarisary hanampy azy hitadidy ireo hevitra. Soratra tsotra toy izany dia efa ahafahan’ny mpandahateny iray mamelabelatra ny fa-

Fampiasana Drafitra

nazavany amin’ny fomba mirindra sy toy ny miresaka andavanandro. Izany no zava-kendren’ity lesona ity. Misy fanazavana momba ny “Fanomanana Drafitra” eo amin’ny pejy faha-39 ka hatramin’ny faha-42 amin’ity boky ity. Hanampy anao be dia be ny famakiana azy io, rehefa mianatra ity lesona hoe “Fampiasana Drafitra” ity ianao. Fomba fampiasana ilay drafitra. Tsy ny hanomana drafitra ho an’ ny lahateninao fotsiny izao no tanjonao, fa ny hampiasa tsara azy io koa. Ny fanaovana famerenana ilay anjara na ilay lahateny no dingana voalohany amin’izany. Jereo ilay loha hevitra, dia vakio ny hevi-dehibe tsirairay, ary lazao ny ifandraisan’ny tsirairay aminy amin’ilay loha hevitra. Mariho ny fotoana azonao atokana ho an’ny hevi-dehibe tsirairay. Ivereno indray izao ilay hevi-dehibe voalohany, ary fakafakao. Jereo ireo fanaporofoan-kevitra sy andinin-teny sy fanoharana ary ohatra kasainao hampiasaina mba hamelabelarana io hevitra io. Averimbereno jerena io tapany amin’ny lahateninao io mandra-pahazavany tsara ao an-tsainao. Toy izany no ataovy amin’ny hevi-dehibe tsirairay. Jereo izay azonao esorina, raha ilaina, mba tsy hihoaranao ny fotoana. Avereno jerena avy eo, ilay lahateny manontolo. Ireo hevitra no ifantohy, fa tsy ireo teny. Aza ianarana tsianjery ilay lahateny. Tokony ho afaka hijery ny mpanatrika ianao rehefa manao ilay lahateny. Rehefa avy mamaky andinin-teny iray ianao, dia tokony ho afaka hanjohy hevitra avy amin’izy io, amin’ny fampiasana ny Baibolinao, fa tsy hiverina hijery ny taratasinao. Toy izany koa ny fanoharana: Lazao toy ny miresaka amin’ny namana ilay izy, fa aza vakina avy ao amin’ny taratasinao. Rehefa miteny ianao, dia aza mijery ny taratasinao mba hilazana ny fehezanteny tsirairay. Mitenena avy amin’ny fo, dia hanohina ny fon’ireo mihaino anao ianao. Rehefa hainao tsara ny mampiasa drafitra, rehefa manao anjara na lahateny, dia efa nahavita dingana tena lehibe ianao mba ho tonga mpandahateny mahay.

FANAZARAN-TENA: Alohan’ny hivoahana eny amin’ny fanompoana amin’ity herinandro ity, dia ` manomana drafitra an-kandrina iray, momba ny zavatra iray tianao holazaina. (Jereo pejy 167, fehintsoratra 3.) Mariho hoe impiry ianao no afaka nampiasa ilay resaka nomaninao, na nilaza ny votoatin’ilay hafatra, rehefa eny amin’ny fanompoana.

169

26 FAMELABELARANA MIRINDRA TSARA



Inona no ilainao hatao? Mandamina ny fanazavanao mba hahitana mazava tsara ny ifandraisan’ireo hevitra amin’izy samy izy, sy amin’ny fanatsoahan-kevitrao, na amin’ny zava-kendrenao.

MILA manana zava-kendrena aloha ianao, vao afaka mandamina ny fanazavanao hirindra tsara. Te hampahafanta-javatra amin’ny hafa ve ianao: fampianarana, fihetsika, toetra tsara, fitondran-tena, na fomba fiaina? Te hanaporofo ve ianao fa marina na diso ny hevitra iray? Handrisika ny hafa hankasitraka zavatra iray ve no irinao, sa hanosika azy hanao zavatra? Na olon-tokana no hitenenanao na mpanatrika maromaro, dia mila mihevitra izay efa fantany sy ny NAHOANA IZANY toe-tsainy momba ilay foto-kevitra ianao, raha tianao haNO TENA ILAINA? ndaitra ny fanazavanao. Alamino avy eo ny fanazavanao Mora kokoa amin’ny mpimba hahafahanao hahatratra ilay zava-kendrenao. haino ny mahatakatra sy manaiky ary mitadidy fanaMilaza ny Asan’ny Apostoly 9:22 fa “nandresy lahatra ny zavana, rehefa mirindra tsara Jiosy izay nonina tany Damaskosy [i Saoly, na Paoly] ka nany famelabelarana azy. neho marimarina fa Jesosy no Kristy.” Inona no nataony tamin’izany? Hita amin’ny fandinihana ny fitantarana ny fanompoan’i Paoly tany Antiokia sy tany Tesalonika ny valiny: Koa satria nanaiky ny Soratra Hebreo ny Jiosy sady nihambo ho nino izay voalaza tao momba ny Mesia, dia tamin’izany aloha no nitondran’i Paoly ny resaka. Avy tamin’io Soratra Hebreo io, avy eo, no nakany tapany nifandray tamin’ny fiainan’ny Mesia sy ny fanompoany. Notononiny ireny teny ireny ary nampitahainy tamin’ny zavatra tena nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy. Ary nanatsoaka hevitra mazava izy tamin’ny farany fa i Jesosy no Kristy, na Mesia. (Asa. 13:16-41; 17:2, 3) Handresy lahatra ny hafa ny fahamarinana ara-baiboly, raha mirindra toy izany koa ny fomba anazavanao azy. Fandaminana ny famelabelaranao. Maro samy hafa ny fomba mirindra tsara azonao andaminana ny fanazavanao. Azonao ampiarahina ny fomba maromaro, raha hitanao fa hanampy kokoa izany. Indreto ny sasany amin’izany. Araka ny foto-kevitra. Alamino hisy fizarana samihafa ny fanazavanao, ka samy manampy hahatratra ilay zava-kendrenao ny tsirairay 170

Famelabelarana Mirindra Tsara

171

aminy. Mety ho hevi-dehibe ilaina mba hampahazava ny foto-kevitrao izy ireo. Mety ho porofo manamarina na mandiso zavatra iray koa izy ireo. Misy hevitra mifandray amin’ilay foto-kevitra azonao ampidirina na esorina, arakaraka ny mpihaino anao na ny zava-kendrenao. Indro misy ohatra. Ny famelabelarana fohy momba ny anaran’ Andriamanitra dia mety hanazava 1) hoe nahoana no ilaina ny mahafantatra ny anaran’Andriamanitra, sy 2) hoe iza izany anarana izany, ary 3) hoe inona no hatao mba hanomezam-boninahitra azy io. Be ny azo ianarana momba ny famelabelarana araka ny foto-kevitra, raha mandinika ireo boky fampianarana BaiMANONTANIA boly navoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina.’ (MaTENA HOE... ` tio 24:45) Mazana ireny boky ireny no misy foto-kevitra Inona no zava-kendreko? maromaro, izay hanampy ny mpianatra hahita amin’ny Mazava ve ny ifandraisan’ ambangovangony ny fahamarinana ara-baiboly. Ao amin’ ny hevi-dehibe tsirairay ireo boky lehibe, ny toko tsirairay dia misy lohatenikely amin’izy io? manondro ireo fizarazarana ao aminy. Ny lohatenikely tsiNampifanarahiko tamin’izay rairay dia toy ny teny fampidirana ilay fanazavana eo ambailain’ny mpihaino ve ireo hevitra nofidiko? niny, ary mifandray amin’ilay loha hevitra ankapobe. Mety ve ny nandaminako Antony sy vokany. Fomba mirindra tsara iray hafa ny fany famelabelarako, ka ho aramelabelarana ny antony nampisy ny zavatra iray sy ny voky ny mpihaino mora foana kany. ny fizotran’ireo hevitra, satria mifampitohy tsara? Mandaitra io fomba io, raha irinao ny hampirisika olontokana na maromaro handinika tsara ny ho vokatry ny zavatra iray efa ataony na kasainy hatao. Manome ohatra tena tsara ny amin’izany ny Ohabolana toko faha-7. Voalaza ao ny amin’ny zazalahy iray mbola zazavao amin’ny fiainana ka “tsy ampy saina” (io no antony), ary niaraka tamin’ny vehivavy janga ka voatery nizaka ny voka-dratsiny (io no vokany).—Ohab. 7:7. Mba hanamafisan-kevitra kokoa, dia ampifanohero ny voka-dratsy hitan’ireo tsy mandeha amin’ny lalan’i Jehovah sy ny vokatra tsara hitan’ireo mihaino azy kosa. Natosiky ny fanahin’i Jehovah mba hampifanohitra hevitra toy izany i Mosesy, fony izy niteny tamin’ny firenen’ny Isiraely talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Deot., toko 28. Tsara kokoa indraindray ny manomboka amin’ny fampahafantarana tarehin-javatra iray (ny vokany) ary avy eo vao manome ireo lafinjavatra nitarika ho amin’izy io (ny antony). Famelabelarana milaza ny olana sy ny vahaolana matetika no atao amin’izany.

172

Famelabelarana Mirindra Tsara

Olana sy vahaolana. Mety hihaino ny olona eny amin’ny fanompoana, raha zava-manahirana mampanahy ny olona no resahinao, ary asehonao fa misy fanafodiny mahafa-po. Mety ho zava-manahirana nolazainao ilay izy na nolazain’ilay tompon-trano. Angamba ny fahanterana sy ny fahafatesana izany, na ny asan-jiolahy miely patrana, na koa ny tsy rariny hatraiza hatraiza. Tsy ilaina ny miresaka ela be momba ny fisian’ilay zava-manahirana, satria efa mi` harihary izany. Tonony fotsiny ilay izy, ary avy eo dia asehoy ny fanafodiny omen’ny Baiboly. Mety ho tsy zava-manahirana ankapobe anefa ilay olana, fa mahakasika olona manokana; ohatra, ireo zava-tsarotra hitan’ny ray na ny reny mitaiza irery ny zanany, ny fahakiviana satria marary mafy, na ny fampijaliana ataon’ny hafa. Tsy maintsy mihaino tsara aloha ianao, raha te hahazo ny vokatra tsara indrindra. Manome fanazavana faran’ izay tsara momba ireny zava-manahirana rehetra ireny ny Baiboly. Ilana fitandremana anefa ny fampiasana izany. Mila mijery ny zava-misy ianao, raha tena te hanampy an’ilay iresahanao. Asehoy mazava tsara raha vahaolana maharitra no resahinao, na fanamaivanana vetivety, na ny fomba hiaretana tarehin-javatra iray tsy ho azo ovana amin’izao ` fotoana izao. Fanjohian-kevitra ara-baiboly mazava tsara ary no omeo, mba hisy heviny ny fanatsoahan-kevitrao. Raha tsy izany, dia mety tsy heken’ny olona ilay izy, satria tsy mirindra tsara. Fitanisana fisehoan-javatra arakaraka ny nisehoany. Misy fanazavana mety tsara amin’io fomba famelabelarana io. Mitanisa ireo Loza Folo arakaraka ny nisehoany, ohatra, ny bokin’ny Eksodosy. Manaraka ny fandehan’ny fotoana ny filaharan’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana fakan-tahaka, notanisain’i Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Hanampy ny mpihaino hahatakatra ny antony nahatonga ny toe-javatra sasany ianao, raha mitantara ireo zava-nitranga tamin’ny lasa arakaraka ny nisehoany. Marina izany, na zava-nitranga ankehitriny na ta` min’ny andron’ny Baiboly no resahinao. Azonao ampiarahina ary ny fitanisana zavatra arakaraka ny nisehoany sy ny fanjohian-kevitra milaza ny antony sy ny vokany. Raha izay lazain’ny Baiboly fa hitranga amin’ny hoavy no tianao horesahina, dia ny famelabelarana azy ireo arakaraka ny hisehoany no mora arahina sy mora tadidy indrindra. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy atombokao amin’izay nitranga voalohany foana ilay izy. Tsara kokoa indraindray raha fisehoan-

Famelabelarana Mirindra Tsara

javatra manaitra iray no anombohanao ny fitantaranao. Rehefa mitantara zavatra niainan’ny olona iray ianao, ohatra, dia azonao atomboka amin’ny fotoana nitsapana ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra izany. Nanaitra ny fahalianan’ny mpihaino ianao, ka azonao tantaraina araka ny nisehoany amin’izay ireo tsipirian-javatra nitarika ho amin’ilay fitsapana. Hevitra mifandray amin’ny foto-kevitra ihany ampiasaina. Na ahoana na ahoana fomba andaminanao ny famelabelaranao, dia hevitra mifandray amin’ny foto-kevitrao ihany ampiasaina. Hanampy anao hifidy azy ireo ny loha hevitry ny anjaranao na lahateninao. Tokony hoheverinao koa ireo hihaino anao. Misy hevitra raisin’ny antokon’ olona iray ho zava-dehibe, nefa tsy ilain’ny antokon’olona hafa. Ataovy azo antoka koa fa samy hanampy anao hahatratra ilay zava-kendrenao ny hevitra rehetra hampiasainao. Raha tsy izany, dia tsy handaitra firy ny famelabelaranao, na dia mahaliana aza. Mety hahita fanazavana mahaliana be dia be ianao, rehefa manao fikarohana momba ny foto-kevitrao. Firy amin’ireny no tokony hampiasainao? Tsy hazava ny anjaranao na ny lahateninao, raha be loatra no asainao henoin’ny mpihaino. Hevi-dehibe vitsivitsy novelabelarina tsara no mora tadidy kokoa noho ny hevitra be dia be nosafosafoina vetivety fotsiny. Tsy midika akory izany hoe tsy tokony hampiditra hevitra kely fanampiny mihitsy ianao. Mitandrema fotsiny sao manakona ilay zava-kendrenao izy ireny. Mariho ny fomba nampidirana fanamarihana kely toy ireny, ao amin’ny Marka 7:3, 4 sy Jaona 4:1-3, 7-9. Aza atao tampoka loatra ny fifindrana avy amin’ny hevitra iray mankamin’ny hevitra manaraka, sao tsy araky ny mpihaino ny fizotran’ ny hevitrao. Mety hila fehezanteny mpampitohy ianao, mba hampisosa tsara ny fifandraisan’ireo hevitra amin’izy samy izy. Amin’ny fiteny maro, dia efa ampy ny teny mpampitohy tsotra mba hampifandraisana hevi-baovao amin’ilay teo aloha. Hahatratra ilay zava-kendrenao ianao, raha tsy mampiasa afa-tsy ireo hevitra mifandray amin’ny foto-kevitrao sy mandamina azy ireo hirindra tsara.

FANAZARAN-TENA: Rehefa avy namaky ity lesona ity ianao, dia avereno vakina miadana kokoa ` ilay izy, ka tonony ny hevitra fototry ny fehintsoratra tsirairay. Mariho ny ifandraisan’ny fehintsoratra tsirairay amin’ny zava-kendren’ilay lesona.

173

27 FITENENANA TSY AN-KIJERY SORATRA



Inona no ilainao hatao? Manao anjara na lahateny amin’ny fampiasana teny fidina eo no ho eo, fa ireo hevitra kosa no efa nomanina tsara mialoha.

METY ho niezaka mafy ianao nanomana ny anjaranao na ny lahateninao. Mety hahafantaran-javatra sy hirindra tsara ilay izy. Mety hisosa tsara koa ny fiteninao. Raha tsy mifantoka anefa ny mpihaino anao, ka tsy mihaino afa-tsy tapatapany amin’izay lazainao fa mieritreritra zavatra hafa foana, handaitra ve ny famelabelaranao? Raha sarotra aminy ny mampifantoka ny sainy amin’ilay lahateny, hanohina ny fony ve ianao? NAHOANA IZANY Inona no mahatonga io zava-manahirana io? Mety hisy NO TENA ILAINA? antony maro samihafa. Antony fahita indrindra ny fiteneIo fomba io no mandaitra nana mijery soratra rehefa manao anjara na lahateny. Mijeindrindra, mba hihazonana ry ny taratasiny matetika loatra ilay mpandahateny, na tsy ny fahalianan’ny mpihaino sy handrisihana azy hanao tsotra ny fitenenany, fa manara-pitsipika loatra. Avy amin’ zavatra. ny fomba nanomanana ilay lahateny anefa izany rehetra izany. Raha manoratra ny anjaranao na lahateninao manontolo aloha ianao, vao mamadika azy ho drafitra avy eo, dia ho sarotra ny hiteny tsy an-kijery soratra. Nahoana? Satria efa nifidy ireo teny hampiasainao ianao. Na dia ilay drafitra aza no ampiasainao rehefa manao ilay anjara na lahateny ianao, dia mitady hitadidy ireo teny nosoratanao tamin’ny voalohany ihany ianao. Manaraka fitsipika kokoa ny zavatra voasoratra, ary sarotra kokoa ny firafitry ny fehezanteniny, tsy toy ny resaka andavanandro. Hiseho eo amin’ny fitenenanao izany. Aza soratana manontolo ny fanazavanao, fa andramo kosa izao manaraka izao: 1) Mifidiana loha hevitra iray sy ireo hevi-dehibe tianao hitondrana azy. Hevi-dehibe roa dia mety ho ampy ho an’ny anjara fohy iray, ary efatra na dimy kosa ho an’ny lahateny lava kokoa. 2) Soraty eo ambanin’ny hevi-dehibe tsirairay ireo andinin-teny lehibe tianao hamelabelarana azy; soraty koa ireo fanoharana sy porofo lehibe hampiasainao. 3) Eritrereto ny fomba hampidiranao ilay lahateny. Manorata fehezanteny iray na roa mihitsy aza. Omano koa ny famaranan-teninao. Tena ilaina ny fanaovana famerenana. Aza ny teny tsirairay anefa no anaovana famerenana sy ianarana tsianjery. Ireo hevitra holazaina, fa 174

Fitenenana Tsy An-kijery Soratra

175

tsy ireo teny, no tokony hanaovana famerenana, rehefa hanao anjara na lahateny tsy an-kijery soratra. Tokony haverimberinao ireo hevitra, mba hazava sy hirindra tsara ao an-tsainao ny fitohizan’izy ireo. Tsy tokony ho sarotra izany, raha nataonao nirindra tsara sy nilamina tsara ny firafitry ny fanazavanao. Ho tonga ho azy mora foana ireo hevitra, eo am-pitenenanao. Ireo lafy tsarany. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fahafahanao hiteny amin’ny fomba tsotra, ka mora heken’ny olona izay lazainao. Ho velombelona kokoa ny fiteninao, ka hahaliana ny mpihaino kokoa. NY FOMBA Ho afaka hijery ny mpihaino anao matetika ianao, ka haHIANARANA AZY natsara ny fifandraisanao aminy izany. Koa satria tsy mila Ataovy masaka an-tsaina ireo mijery ny taratasinao ianao mba hilazana ny fehezanteny lafy tsaran’ny fitenenana tsy tsirairay, dia ho hitan’ny mpihaino fa hainao tsara ny fotoan-kijery soratra. kevitrao ary tena mino izay lazainao ianao. Mety indrindra Aza soratana manontolo ny io fomba fitenenana io mba hanaovana famelabelarana anjaranao na lahateninao, fa amin-katsaram-panahy sy toy ny miresaka andavanandro, manaova drafitra tsotra. eny, lahateny tena manohina ny fo. Manaova famerenana, ka tadidio tsara ny hevi-dehibe Ahafahana manovaova zavatra koa ny fitenenana tsy antsirairay. Tsy ireo teny no ifakijery soratra. Afaka manova zavatra sasany ianao, satria tsy ntohy, fa ny famelabelarana hoe efa voasoratra avokoa izay tokony holazaina. Aoka haireo hevitra hirindra tsara. tao hoe misy filazam-baovao manaitra sy mifandray amin’ ny foto-kevitrao, amin’iny andro anaovanao ny anjaranao na lahateninao iny. Tsy hety ve ny hiresahana momba azy io? Na hitanao eo am-panaovanao lahateny angamba, fa misy ankizy mpianatra be dia be eo anivon’ny mpanatrika. Tena tsara raha ahitsinao mifanaraka amin’izany ny fanoharana sy ny fampiharana ataonao, mba hanampiana an’ireo ankizy ireo hahita fa mahakasika ny fiainany ny fanazavanao! Misy lafiny tsara hafa ny fitenenana tsy an-kijery soratra, satria mandrisika ny sainao koa izy io. Mihamafana fo ianao, rehefa mankasitraka sy manaiky izay lazainao ny mpihaino anao. Vonona hanome fanazavana kokoa ianao, na haka fotoana hamerenana sy hanamafisana hevitra sasany. Raha hitanao kosa fa manjary tsy liana ny mpihaino, dia afaka manitsy izany ianao, fa tsy hanohy hiteny foana amin’ny olona tsy mifantoka intsony. Ireo fandrika tokony hohalavirina. Tokony ho fantatrao fa misy fandrika koa ny fitenenana tsy an-kijery soratra. Iray amin’izany ny fihoaram-potoana. Mety hihoatra ny fotoana, raha manampy hevitra be

176

Fitenenana Tsy An-kijery Soratra

loatra ianao eo am-pitenenana. Afaka misoroka izany ianao, raha soratanao eo amin’ny drafitrao ny fotoana tokony haharetan’ny fizarana tsirairay. Araho tsara izany avy eo. Fandrika iray hafa ny fatokisan-tena loatra, indrindra fa ho an’ny mpandahateny za-draharaha. Zatra miteny ampahibemaso ny sasany, ka tsy sarotra aminy ny manangona hevitra haingankaingana sy ny mameno ilay fotoana nomena azy. Tokony hanetry tena anefa isika ka hanaiky fa fandaharam-pampianarana avy amin’i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra, no andraisantsika anjara. Izany dia hahatonga antsika hihevitra ny anjara tsirairay ho zava-dehibe, ka hivavaka momba azy, ary hanomana azy tsara.—Isaia 30:20; Rom. 12:6-8. Angamba mampanahy ny mpandahateny maro tsy zatra miteny tsy an-kijery soratra ny hoe sao hadinony izay tiany holazaina. Aza avela hisakana anao tsy hiezaka hianatra io fomba io izany. Manaova fanomanana tsara, ary miantehera amin’i Jehovah sy ny fanampian’ny fanahiny.—Jaona 14:26. Mampiahotra ny mpitory hafa ny fahatahorana sao tsy mety ireo teny hilazany zavatra. Marina fa mety tsy hampiasa ny teny tsara indrindra na ny fitsipi-pitenenana marina indrindra, toy ny amin’ny lahateny vakina, ianao rehefa miteny tsy an-kijery soratra. Aleo lavitra anefa ny fitenenana manintona, toy ny amin’ny resaka andavanandro. Eken’ny olona kokoa ireo hevitra lazaina amin’ny teny mora azony, sy atao ao anaty fehezanteny tsy sarotra. Handeha ho azy ny filazana zavatra amin’ny fomba mety, raha manao fanomanana tsara ianao. Tsy noho ny fianaranao azy tsianjery anefa izany, fa noho ianao nanao famerenana tsara an’ireo hevitra. Ary raha tsara ny fomba fiteninao andavanandro, dia handeha ho azy izany eny amin’ny lampihazo. Ny soratra fohy manao ahoana no tsara ampiasaina? Rehefa mandeha ny fotoana, ka mihazatra ianao, dia mety ho vitanao ny hamintina ny drafitrao tsy hisy afa-tsy teny vitsivitsy monja isaky ny hevitra ao amin’ny anjaranao na lahateninao. Soraty eo amin’ny taratasy iray, mba ho mora jerena, ireny teny ireny sy ireo andinin-teny tianao hampiasaina. Mila mitadidy drafitra tsotra kosa ianao, rehefa hanao fitoriana. Raha hanao fiverenana mitsidika ianao ka nanao fikarohana, dia ataovy ao anaty Baiboly ilay taratasy kely misy teny fohy vitsivitsy. Na ampiasao fotsiny ny drafitra iray ao amin’ny Foto-dresaka Ara-baiboly na ao amin’ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina. Raha nomena anjara maromaro amin’ny fivoriana samy hafa anefa ianao ao anatin’ny herinandro vitsivitsy, sady mbola hanao lahateny

Fitenenana Tsy An-kijery Soratra

ho an’ny besinimaro koa, dia drafitra misy teny maromaro kokoa no mety hilainao. Nahoana? Mba hampitamberina ao an-tsainao ilay fanazavana, alohan’ny hanaovana ny anjara tsirairay. Na izany aza, raha miankina be loatra amin’ireo teny nosoratanao ianao, rehefa manao anjara na lahateny, ka mijery azy ireo isaky ny fehezanteny, dia tsy ho tsara toy ny fitenenana tsy an-kijery soratra, ny famelabelaranao. Tsipiho ireo teny sy andinin-teny vitsivitsy tianao hisongadina, mba ho mora hita, raha teny maromaro kokoa no ampiasainao ao anaty drafitra. Na dia fitenenana tsy an-kijery soratra aza no tena tokony hataon’ny mpandahateny za-draharaha, dia tsara koa raha ampiarahiny amin’ny fomba hafa izany. Eo amin’ny teny fampidirana sy famaranana, ohatra, dia ilaina ny mijery tsara ny mpihaino sady manao fanambarana mahery amin’ny teny voafidy tsara. Fehezanteny vitsivitsy nianarana tsara no mety indrindra amin’izany. Tokony hovakina koa ny zavatra tena nisy, ny tarehimarika, ny tenin’olona, na ny andinin-teny, mba tena hanankery. Rehefa mitaky fanazavana aminao ny hafa. Indraindray isika dia asaina manazava ny finoantsika, tsy misy fanomanana mialoha. Ohatra, mety tsy hanaiky izay lazaintsika ny olona iray eny amin’ny fanompoana, na ny havantsika, na ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra amintsika. Mety hanontany momba ny zavatra inoantsika sy ny fomba fiainantsika koa ny manam-pahefana. Hoy ny Soratra Masina: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.”—1 Pet. 3:15. Mariho ny valin-tenin’i Petera sy i Jaona tamin’ny fitsarana jiosy, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:19, 20. Fehezanteny roa monja, dia efa nazava ny toerana notanany. Nifanentana tamin’ny mpihaino azy ny fomba namaliany: nasehony fa nahakasika an’ireo mpitsara ireo koa ilay raharaha nahakasika an’ireo apostoly. Nisy fiampangana diso natao ta` min’i Stefana taty aoriana, ary nentina teo anoloan’ireo mpitsara ireo ihany izy. Vakio ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:2-53 ilay valin-teny nomeny teo no ho eo, tsy nisy fanomanana mialoha. Ahoana no nandaminany ny fanazavany? Nilaza zavatra arakaraka ny nisehoany teo amin’ny tantara izy. Tamin’ny fotoana nety tsara, dia nasongadiny fa tia fikomiana ny Isiraely. Nasehony tao amin’ny famaranan-teniny fa nanana izany toe-tsaina izany koa ireo mpitsara ireo, satria namono ny Zanak’Andriamanitra.

177

178

Fitenenana Tsy An-kijery Soratra

Rehefa asaina manazava ny finoanao eo no ho eo ianao, inona no hataonao mba hilazana zavatra mandaitra? Araho ny ohatr’i Nehemia: Nivavaka anakampo aloha izy, vao namaly ny fanontanian’i Artaksersesy Mpanjaka. (Neh. 2:4) Avy eo, dia manaova drafitra ao an-tsaina haingana. Ireto avy ny dingana azonao arahina amin’izany: 1) Mifidiana hevitra iray na roa tokony hiditra ao amin’ny fanazavanao (Azonao ampiasaina ny hevitra efa hitanao tao amin’ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina.) 2) Fidio izay andinin-teny hanohananao ireo hevitra ireo. 3) Eritrereto mialoha izay fomba voalanjalanja azonao ampidiran-dresaka, mba hahatonga ilay mpanontany ho vonon-kihaino. Mitenena amin’izay. Rehefa teren’ny toe-javatra ianao, moa ve ho tadidinao izay tokony hatao? Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Aza manahy ny amin’ izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo. Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo.” (Matio 10:19, 20) Tsy midika akory izany fa hisy fahagagana, ka hahazo ilay “teny fahendrena” nomena ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany koa ianao. (1 Kor. 12:8) Tsia, fa raha mandray tsy tapaka ilay fampianarana omen’i Jehovah ny mpanompony ianao, dia hamerina ao an-tsainao ilay fanazavana ilainao ny fanahy masina.—Isaia 50:4. Tsy isalasalana fa tena mandaitra ny fitenenana tsy an-kijery soratra. Raha mizatra manao izany tsy tapaka ianao, rehefa manao anjara any amin’ny Efitrano Fanjakana, dia tsy ho sarotra ny hamaly fanontanian’ olona eo no ho eo, satria mitovy ihany ny fomba arahina amin’ireo toejavatra roa ireo. Aza miahotra hanao izany. Hahatonga ny fanompoanao handaitra kokoa ny fianarana miteny tsy an-kijery soratra. Ary rehefa manao anjara na lahateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana ianao, dia hihazona ny fahalianan’ny mpanatrika sady hanohina ny fony.

FANAZARAN-TENA: ` 1) Mizara manipika teny fototra, fa tsy fehezanteny feno, rehefa manomana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Mamalia amin’ny fiteninao manokana. 2) Rehefa manao famerenana ny anjaranao na lahateninao manaraka amin’ny sekoly, dia ataovy tsianjery aloha ilay loha hevitra sy ireo hevi-dehibe roa na telo.

TOY NY MIRESAKA ANDAVANANDRO 28



Inona no ilainao hatao? Miteny toy ny rehefa miresaka andavanandro, fa atao mifanentana amin’ny mpihaino. ` TSY saikatsaikatra ny olona mazana, rehefa miresaka amin’ny namany. Mandeha ho azy ny teniny. Ny olona sasany maresaka be; ny hafa kosa mangingina kokoa. Mahafinaritra anefa ny fitenenana tsotra sy tsy amboamboarina toy izany. Rehefa manatona olona tsy fantatra anefa isika, dia tsy mety ny miseho ho mifankazatra be loatra na miteny tsy misy fanajana. Any amin’ny firenena sasany aza, izay rehetra manombo-dreNAHOANA IZANY saka amin’olon-tsy fantany dia tena manaja be. Tsy maintsy NO TENA ILAINA? atao araka ny tokony ho izy aloha ny fanehoam-panajana. Azon’ny mpihaino tsara ny Arakaraka ny toe-javatra avy eo vao mety tsy hasiana fombaainy, ary vonona hanaiky izay fomba be intsony ny fitenenana, fa ho toy ny firesahana andalazainao izy, rehefa miteny toy vanandro. ny miresaka andavanandro ianao. Tsy maintsy mitandrina koa ianao, rehefa eny ambonin’ny lampihazo. Hampihena ny fahamendrehan’ilay fivoriana kristianina sy ny maha zava-dehibe an’izay lazaina ianao, raha miseho ho mifankazatra loatra amin’ny mpihaino. Amin’ny fiteny sasany, dia misy teny fampiasa amin’ny olona be taona, mpampianatra, manam-pahefana, na ray aman-dreny. (Mariho ireo teny ampiasaina ao amin’ny Asan’ ny Apostoly 7:2 sy Asa. 13:16.) Teny hafa kosa no fampiasa amin’ny vady na ny namana akaiky. Na dia tsy tokony ho fatra-panaja loatra aza isika, rehefa eny ambonin’ny lampihazo, dia tokony haneho fanajana kosa ny fitenintsika. Misy anefa antony mety hahatonga ny fitenenan’ny olona iray ho toa hentitra be, na manara-pitsipika loatra. Iray amin’izany ny firafitry ny fehezanteniny. Mety hitady hamerina ara-bakiteny ny teny voasoratra ao ` amin’ny boky na gazety ny mpandahateny. Mazana anefa no tena hafa be amin’ny teny lazaina ny teny soratana. Marina fa ao anaty boky sy gazety ` ianao mazana no manao fikarohana, rehefa manomana anjara na lahateny. Mety homena drafitra vita pirinty ho an’ny lahateninao koa ianao. Raha mamerina ara-bakiteny ny teny sy fehezanteny voasoratra anefa ianao, na mamaky azy ireo ao amin’ilay drafitra vita pirinty, dia tsy ho toy ny miresaka andavanandro ny fandrenesana anao. Lazao amin’ny fiteninao manokana kosa ny hevitrao, ary aza mampiasa fehezanteny sarotra. 179

180

Toy ny Miresaka Andavanandro

Antony iray hafa ny fiovaovan’ny hafainganam-piteny. Matetika no mitovy tantana foana ny fiatoana sy ny hafainganam-piteny rehefa somary fatra-panaja na manara-pitsipika loatra ny fitenenana. Amin’ny resaka tsotra, dia miovaova ny hafainganam-piteny sy ny halavan’ireo fiatoana. Rehefa mandaha-teny eo anoloan’ny mpanatrika maro be ianao, dia mitenena toy ny amin’ny resaka andavanandro, nefa ampitomboy koa ny hamafin’ny feonao sy ny heriny ary ny hafaNY FOMBA nam-ponao mba hihazonana ny fahalianan’izy ireo. HIANARANA AZY Mila mizatra miteny tsara isan’andro ianao, mba hitenenaNy fomba fiheveranao ny mpina toy ny miresaka andavanandro eny amin’ny fanompoana. haino anao no jereo voaloTsy midika akory izany fa tsy maintsy ho nahita fianarana hany indrindra. Hevero ho toy ambony ianao. Tsara kosa ny manana fahazarana izay hahany namana izy ireo, nefa aza mifankazatra aminy be loatra. tonga ny hafa hihaino anao amim-panajana. Jereo raha mila Ento amim-panajana izy ireo. manaraka ireto fanoloran-kevitra ireto ianao, eo amin’ny reMitenena tsy an-kijery sorasaka ataonao andavanandro. tra. Aza manaraka ny fomba 1) Aza mampiasa teny tsy manaraka fitsipi-pitenenana na fiteny ao amin’ny boky na gamety hampitovy anao amin’ny olona mandika ny fitsipik’ zety. Lazao amin’ny fiteninao manokana ny hevitrao. MaAndriamanitra. Araho ny torohevitra ao amin’ny Kolosiana ` mpiasa fehezanteny fohy, ary 3:8, ka fadio ny teny tsy mihaja sy ny teny ratsy. Etsy anovaovay ny hafainganam-pitedanin’izany anefa, tsy misy maha ratsy ny teny mahazaninao. tra andavanandro. Tsy teny fatra-panaja be ny teny mahazaNy faniriana hampita hevitra tra andavanandro, nefa fomba fiteny azo ekena. no ifantohy. Mitenena avy 2) Aza mamerina teny mitovy foana, mba hilazana heviamin’ny fo. Ilay hafatra no zava-dehibe, fa tsy izay ho fitra samy hafa. Mianara hampiasa teny maneho mazava tsara heveran’ny hafa anao. ny tianao holazaina. Hatsarao ny resaka ataonao 3) Aza mamerina tsy amin’ny antony ny teny vao avy noandavanandro. Iezaho harahilazainao, fa ataovy mazava ao an-tsaina aloha ny hevitrao vao na tsirairay ny fanoloran-kevimitenena. tra eto amin’ity pejy ity. 4) Aza mampiasa teny be loatra, ka hanamaizina ireo he` vitra tsara lazainao. Mizara mampiasa fehezanteny tsotra sy mazava mba hilazana ny hevitra tokony hotadidina. 5) Manehoa fanajana ny hafa amin’ny teninao.

FANAZARAN-TENA: Jereo ny fahazaranao miresaka. Iezaho harahina ireo hevitra dimy voatanisa etsy ambony, ka iray isan’andro no ifantohy mandritra ilay andro manontolo. Isaky ny manao diso ianao, dia avereno lazaina indray ny hevitrao, ao an-tsaina, fara faharatsiny, ka ataovy tsy misy diso.

TOETRAN’NY FEO 29



Inona no ilainao hatao? Manatsara ny feonao; tsy hoe manahaka feon’olon-kafa, fa mahay mifoka rivotra tsara sy tsy manenjana ny hozatra. TSY izay lazaina ihany no hisy vokany eo amin’ny olona, fa ny fomba ilazana azy io koa. Tsy marina ve fa te hihaino kokoa ianao raha feo mahafinaritra ka maneho fitiavana sy hatsaram-panahy no iresahana aminao fa tsy feo tsy misy fitiavana, na mampangintsin-tsofina? ` Tsy fanarahana fitsipika aman-dalana ranofotsiny akory no ilaina mba hanatsarana ny toe-peo. Mety ho tafiditra amin’izany koa ny toetran’ilay olona. Rehefa mandroso izy eo amin’ny fahalalaNAHOANA IZANY na sy ny fampiharana ny fahamarinana, dia manjary hita eo NO TENA ILAINA? amin’ny fomba fiteniny izany. Re amin’ny feony fa namboly Ho tony sy ho faly ny hafa hitoetra tsara toy ny fitiavana sy ny fifaliana ary ny hatsaram-pahaino anao, raha tsara ny nahy izy. (Gal. 5:22, 23) Voamarika amin’ny feony, fa tena miafeonao. Raha ratsy kosa ny hy marina ny hafa izy. Fantatra amin’izay lazain’ny olona iray feon’ny mpandahateny, dia tsy ho voampita tsara ny hesy ny toe-peony, hoe tsy mitaraina lava intsony izy fa manjary viny, ka mety ho kivy, na izy feno fankasitrahana. (Fitom. 3:39-42; 1 Tim. 1:12; Joda 16) Na na ny mpihaino. dia teny vahiny tsy hainao aza no itenenan’ny olona iray, dia fantatrao amin’ny feony raha miavonavona sy tsy mahay milefitra, sy manakiana, ary masiaka izy, na manetry tena, sy manam-paharetana, sy tsara fanahy, ary be fitiavana kosa. Mety ho vokatry ny aretina nanimba ny lohatraokany no maharatsy ny feon’ny olona iray, na efa takaitra hatrany an-kibon-dreniny. Mety ho tsy azo sitranina tanteraka ny kilema toy izany, raha tsy any amin’ny tontolo ` vaovao. Mazana anefa no hitondra vokatra tsara ny fianarana mampiasa tsara ireo taovam-pitenenana. Tena ilaina voalohany indrindra ny mahafantatra fa tsy mitovy ny feon’ ` ny olona. Tsy ny hanana feo mitovy amin’ny an’olon-kafa ary no tokony ho tanjonao. Hatsarao kosa ny toe-peonao izay manana ny mampiavaka azy manokana. Inona no hanampy anao amin’izany? Zava-dehibe tena ilaina roa. Mahaiza mifoka rivotra tsara. Mila tahirin-drivotra ampy tsara sy fahaiza-mifoka rivotra tsara ianao. Raha tsy izany, dia mety ho toa malemy ny fandrenesana ny feonao, ary hitsatotsatoka ny fiteninao. Tsy ny tapany ambony amin’ny tratranao akory no misy ny tapany lehibe indrindra amin’ny havokavokao; ny taolan’ny sorokao fotsiny no

181

182

Toetran’ny Feo mahatonga azy io ho toa lehibe kokoa. Ilay eo ambony kelin’ny elabakaka kosa no tapany mivelatra indrindra amin’ny havokavokao. Ny elabakaka dia hozatra manify miraikitra amin’ny taolan-tehezana farany ambany, ka mampisaraka ny tratra amin’ny kibo. Vetivety ianao dia ho sempotra raha ny tapany ambony amin’ny havokavokao ihany no fenoinao rivotra. Tsy ho ampy hery ny feonao, ary ho mora vizana ianao. Mba hifohana rivotra tsara, dia mipetraha na mijoroa mahitsy ary ataovy mankany aoriana ny sorokao. Aza ny tratra fotsiny no abontsina rehefa mifoka rivotra alohan’ny hitenenana, fa miezaha aloha mameno rivotra ny tapany ambany amin’ny havokavoka, izay vao ny tapany ambony. Rehefa feno rivotra iny tapany ambany iny, dia hivelatra kokoa ny tehezanao eo amin’ny andaniny roa. Hidina koa ny elabakaka, ka hanosika kely ny vavoninao sy ny tsinainao, ary ho tsapanao fa manery ny kibonao ny pataloanao na ny ziponao. Tsy any ambany any anefa no misy ny havokavokao, fa ao anatin’ilay faritra fefen’ny taolan-tehezana. Ataovy eo amin’ny tehezana ny tananao roa, mba hahitana izany. Mifoha rivotra

NY FOMBA IVOAHAN’NY TENY Ilay rivotra avoakanao avy any amin’ny havokavokao no iavian’ny feo tononina rehetra. Toy ny paompin-drivotra ny havokavoka, ka manosika ny rivotra hamakivaky ny traokabe mba hiditra ao amin’ny lohatraoka izay eo afovoan’ny tendanao. Ao anatin’ny lohatraoka, eo amin’ny andaniny sy ankilany, dia misy hozatra madinika kely roa, antsoina hoe tadim-peo. Ireo no tena mpamoaka ny feo. Misokatra na mikatona ireo hozatra ireo, mba hamelana ny rivotra hiditra sy hivoaka ny lohatraoka, ary koa mba tsy hidiran’ ny zavatra hafa ao amin’ny havokavoka. Tsy misy feo mivoaka rehefa miaina tsotra ianao, satria mandalo ny tadim-peo fotsiny ny rivotra. Rehefa te hiteny anefa ny olona iray, dia misy hozatra manenjana ireo tadim-peo, izay mihovitrovitra rehefa andalovan’ny rivotra mibosesika avy any amin’ny havokavoka. Feo no vokatr’izany. Arakaraka ny fihenjanan’ny tadim-peo, no mampihovitrovitra azy haingana kokoa ka maha-

tonga ny feo ho kely kokoa. Arakaraka ny tsy anenjanana ny tadim-peo kosa no mahatonga ny olona ho be feo kokoa. Rehefa mandao ny lohatraoka ny onjam-peo, dia miakatra any amin’ny vavan-tendabe. Miditra ao amin’ny ativava sy ny atiorona izy avy eo. Ao dia misy feo somary hafa kely manova sy manamafy ilay feo tamin’ny voalohany. Miara-miasa ny lanilany, ny lela, ny nify sy ny molotra ary ny valanorano mba hanapatapaka ireo onjam-peo mihovitrovitra, ka ireo no manjary teny misy heviny rehefa mivoaka. Tena mahatalanjona ny feon’olombelona; tsy misy afaka mitaha aminy ny fitaovana vitan’olombelona. Afaka maneho fihetseham-po isan-karazany izy io, hatramin’ny fahamoram-panahy sy ny fitiavana ka hatramin’ny herisetra sy ny fankahalana. Rehefa zarina sy ampiofanina tsara ny feo, dia afaka miakatra ambony be sy midina ambany be, ary mamoaka mozika kanto sy teny manohina ny fo.

Toetran’ny Feo

183

lalina. Raha mety tsara ny fanaovanao izany, dia tsy hihena kely ny kibonao, na hiakatra ny sorokao, fa tsapanao miakatra sy mivelatra moramora kosa ny taolan-tehezanao. Hatsarao amin’izay ny famoahana rivotra avy any amin’ny havokavokao. Ho lanilany foana ny tahirin-drivotrao raha avoakanao haingana loatra. Avoahy tsikelikely izy io. Tsy ny hoza-tendanao anefa no angejanao azy, satria hahatonga ny feonao ho farina na ho kely loatra izany. Ny faneren’ny hozatry ny kibo sy ny hozatra eo anelanelan’ireo taolan-tehezana no mamoaka ny rivotra, fa ny elabakaka kosa mifehy ny hafainganan’izany fivoahany izany. Lalana Izoran’ny Rivotra ao Amin’ny Vatanao Taova Mpamoaka ny Teny

Atiorona Vava

Lanilany Lela

Tenda

Nify

Tadim-peo Traokabe

Molotra Valanorano

Havokavoka Elabakaka

Tadim-peo (hita avy any ambony) Rehefa miteny

Rehefa mifoka rivotra

Rehefa mifoka rivotra lalina

184

Toetran’ny Feo Manaova fanazaran-tena, toy ny mpihazakazaka, mba hifehezana tsara ny fifohana sy famoahana rivotra rehefa handaha-teny. Mijoroa mahitsy tsara, ka ataovy mankany aoriana ny soroka; fenoy rivotra ny tapany ambany ` amin’ny havokavokao; avoahy tsikelikely ilay izy no sady manisa moramora sy lavitra araka izay vitanao, nefa tsy maka aina. Avy eo dia mamakia teny amin’ny feo avo, amin’ny fifohana sy famoahana rivotra toy izany ihany. Aza henjanina ny hozatra. Dingana faharoa tena ilaina mba hanatsarana ny feo ny hoe: Aza mihenjana! Tena mahagaga ny fihatsarana hita, rehefa mianatra ny ho tony ianao rehefa manao anjara na lahateny. Voakasik’izany na ny saina na ny vatana, satria raha tsy tony ny saina dia hihenjana koa ny hozatra. Hevero araka ny tokony ho izy ny mpihaino anao, raha tianao ho tony ny sainao. Izao no tadidio rehefa mitory, na dia vao volana vitsivitsy mo-

FANATSARANA NY FEO MISY TSININY Ny feo malemy. Tsy voatery ho malemy ny feo malefaka. Raha miovaova sy mahafinaritra ny feo malefaka, dia ho faly ny hafa hihaino azy. Tsy maintsy atao mafy tsara anefa ny feo, mba ho re. Mila manatsara ny fanakon’ny feonao ianao, mba ho re hatrany lavitra. Ilainao amin’izany ny mianatra tsy mampihenjana ny vatanao manontolo, araka ny hazavaina ato amin’ity lesona ity. ` Miezaha mafy hanao izany, ary mizara koa mingonongonona feon-kira. Tokony hifampikasoka kely fotsiny ny molotrao amin’izany, fa tsy hihidy mafy. Eo am-panaovanao izany, dia ho renao ao amin’ny lohanao sy ny tratranao ny fihovotrovotry ny feonao. Toa malemy na farina ny feon’ny olona iray indraindray, noho izy marary na tsy ampy torimaso. Raha mihatsara fotsiny ireo toe-javatra ireo, dia hihatsara ny feony. Ny feo kely loatra. Mahatonga ny feo ho kely ny fihenjanan’ny tadim-peo. Raha toa mihenjana ny olona iray rehefa miteny, dia mahatsiaro fihenjanana koa ny mpihaino azy. Ho be feo

kokoa ianao, raha mampihena ny fihenjanan’ny hoza-tendanao sy ny tadim-peonao. Miezaha mafy hanao izany, eo amin’ny resaka ataonao isan’andro. Hanampy koa ny fifohana rivotra lalina. Ny feo kentsona. Orona tsentsina indraindray no mahatonga izany, nefa tsy izany foana no izy. Henjanin’ny olona koa indraindray ny hozatry ny tendany sy ny vavany, ka mikatona ny atiorony ary tsy afaka mandeha tsara ny rivotra. Miteraka fihovotrovotry ny feo ao anaty orona izany. Mila ny ho tony ny olona kentsona toy izany. Ny feo mibetroka. Tsy manintona ny hafa hifampiresaka aminao ny feo toy izany. Mety hitady hiaro tena mihitsy aza izy, noho ny fandrahonan’ilay feo. Ny miezaka hiova toetra no ilain’ny olona toy izany indraindray. (Kol. 3:8, 12) Raha efa nanao izany izy, dia hanampy ny fanarahana ireo fitsipika fanatsarana ny feo. Aza henjanina ny tenda sy ny valanorano. Hahafinaritra kokoa ny hihaino ny feonao amin’izay, ary tsy hisy feo hiova noho ny fitenenana tsy misoka-bava.

Toetran’ny Feo

185

nja aza no nianaranao ny Baiboly: Efa misy zava-tsarobidy momba ny fikasan’i Jehovah fantatrao ka azonao zaraina amin’ny hafa; ary mitsidika azy ireo ianao, satria mila fanampiana izy, na fantany izany na tsia. Raha any amin’ny Efitrano Fanjakana kosa no itenenanao, dia anisan’ny vahoakan’ i Jehovah ny ankamaroan’ny mpihaino. Namanao izy ireo, ary maniry ny hahombiazanao. Tsy misy mihitsy, any ivelany any, mpandahateny manana mpihaino sariaka sy be fitiavana foana toy izany. Afantohy amin’ny hoza-tendanao ny sainao, ka miezaha mafy tsy hampihenjana azy ireo fa hampilefitra azy ireo kokoa. Tadidio fa mihovitrovitra ny tadim-peonao rehefa andalovan’ny rivotra. Miova ny toe-peo, arakaraka ny ihenjanan’ny hoza-tenda na tsia, toy ny iovan’ny feon-gitara na feom-baliha rehefa henjanina na lefahina ny taNY FOMBA HANATSARANA NY FEONAO diny. Rehefa lefahinao ny tadim-peonao, ohatra, dia ho be feo kokoa ianao. Hisokatra koa ny atioronao rehefa tsy henjaninao Mambole toetra kristianina tsara. ny hoza-tendanao, ka hisy vokany tsara eo amin’ny feonao ` izany. Mizara mifoka rivotra tsara, ka fenoy ny tapany ambany Aza avela hihenjana ny vatanao manontolo: ny lohalikao, amin’ny havokavokao. ny tananao, ny sorokao, ny hatokao. Hampanako kokoa ny Rehefa miteny, dia aza feonao izany, ka hahalasa azy lavitra kokoa. Izany no vokatra henjanina ny hozatra eo azo, rehefa toy ny vata mampigoboka feo ny vatana manontoamin’ny tenda, ny soroka, lo. Tsy ho azo kosa anefa izany, raha mihenjana ianao. Tsy ao ny vatana manontolo. amin’ny atiorona ihany ny feo avoakan’ny lohatraoka no hanakoako, fa eo amin’ny taolan-tratra, ny nify, ny lanilany ary ny lavaky ny handrina koa. Samy manatsara ny fanakon’ny feo avokoa ireo rehetra ireo. Raha asianao zavatra mavesatra eo amin’ny lamosin’ny gitara iray, dia tsy hanako ny feony; tsy tokony hisy hanelingelina azy izy io, mba hampanako tsara ny feony. Toy izany koa ny amin’ireo taolana ao amin’ny vatantsika, izay hazonin’ireo hozatra mafy. Ho afaka hanovaova tsara ny feonao ianao ary haneho lafiny samihafa amin’ny fihetseham-po tsirairay, noho ny fanakon’ny feo. Ho afaka hiteny amin’ny mpanatrika maro be koa ianao, nefa tsy ho farina ny feonao.

FANAZARAN-TENA: ` 1) Mizara mifoka rivotra mba hameno ny tapany ambany amin’ny havokavokao mandritra ny minitra vitsivitsy isan’andro, mandritra ny herinandro. 2) Fara fahakeliny, indray mandeha isan’andro, mandritra ny herinandro, dia miezaha mafy tsy hampihenjana ny hoza-tendanao rehefa miteny.

30 FIHEVERANA NY HAFA



Inona no ilainao hatao? Mampiseho fa miahy ny amin’izay heverin’ny hafa sy izay hahasoa azy.

TSY fahalalana ara-tsaina fotsiny no omentsika ny hafa rehefa milaza aminy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, fa tsy maintsy manohina ny fony koa isika. Manao izany isika, rehefa tena mihevitra azy manokana tokoa. Fomba isan-karazany no azontsika anehoana izany. Hevero ny fomba fihevitry ny mpihaino. Nihevitra ny toe-piainana niavian’ny mpihaino azy sy ny fomba fisainany, ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Tamin’ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, NAHOANA IZANY ` mba hahazoako ny Jiosy; tamin’izay ambanin’ny lalana, dia NO TENA ILAINA? ` tonga toy izay ambanin’ny lalana aho, na dia tsy ambanin’ Fomba iray anahafana ny ` ` ny lalana aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalana; fitiavan’i Jehovah izany, ary ` ` mety hanampy antsika hanotamin’izay tsy manana lalana, dia toy izay tsy manana lalana ` hina ny fon’ny olona. aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalana amin’Andria` manitra aho, fa ambanin’ny lalan’i Kristy), mba hahazoako ` izay tsy manana lalana; tamin’ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza. Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.” (1 Kor. 9:20-23) Ahoana no ataontsika mba ‘ho tonga zavatra rehetra amin’ny olona rehetra’? Mety hahafanta-javatra momba ny olona iray, na izay mahaliana azy ianao, raha afaka mandinika azy alohan’ny hitenenanao, na dia vetivety fotsiny aza. Misy zavatra amantaranao ny asany ve? Na ny fivavahany? Na ny fianakaviany? Azonao ovana hifanaraka amin’izay hitanao ve ny fitorianao mba hanintona kokoa ny mpihaino anao? Mila mieritreritra mialoha ny fomba hanatonanao ny olona eo amin’ ny faritaninao ianao, mba hahatonga ny fitorianao hanintona azy. Any amin’ny toerana sasany, dia ilaina hoeritreretina koa ireo vahiny avy any an-tany hafa. Raha misy vahiny ao amin’ny faritaninao, moa ve ianao efa nahita ny fomba mandaitra hitoriana aminy? Ataovy manintona an’ izay rehetra hitanao ny hafatra momba ilay Fanjakana satria tian’Andriamanitra ‘hovonjena ny olona rehetra, ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’—1 Tim. 2:4. 186

Fiheverana ny Hafa

187

Mihainoa tsara. Mbola mihaino ny hafa ihany i Jehovah na dia efa fantany aza ny zava-drehetra. Nahita an’i Jehovah nampirisika ireo anjely samy hilaza ny heviny momba ny raharaha iray, i Mikaia mpaminany, tao amin’ny fahitana iray. Navelan’Andriamanitra hanatanteraka ny soso-keviny, avy eo, ny anjely iray. (1 Mpanj. 22:19-22) Navelan’i Jehovah hiteny koa i Abrahama rehefa nilaza ny fanahiany momba ny fampiharana didim-pitsarana tamin’i Sodoma. (Gen. 18:23-33) Ahoana no hanahafantsika izany ohatr’i Jehovah izany eo amin’ny fanompoantsika? Ampirisiho ny hafa hilaza ny heviny. Mametraha fanontaniana mety tsara, ary andraso izy hamaly, ka henoy. Tsy hisalasala hiteny izy, rehefa mahita ny fiheveranao azy toy izany. Raha tsiNY FOMBA ANEHOANA karitrao izay mahaliana azy, dia mametraha fanontaniana FIHEVERANA AVY hafa amim-pahaiza-mandanjalanja. Miezaha hahalala azy AMIN’NY FO bebe kokoa, nefa aza mitady hiditra amin’ny fiainany maHenoy ilay olona rehefa mitenokana. Derao amim-pahatsorana izy noho ny heviny, raha ny. Isaory izy fa nilaza ny mety. Ary raha tsy mitovy hevitra aminy ianao, dia isaoheviny sy ny fihetsehampony. Mametraha ry amin-katsaram-panahy ihany izy noho ny teniny.—Kol. fanontaniana mba hazava 4:6. kokoa aminao ny fomba fisaiMila mitandrina anefa isika, sao mihoatra ny tokony ho nany. izy ny fahalianantsika amin’ny olon-kafa. Tsy manome laEritrereto ilay olona, aolana antsika hitsofoka amin’ny fiainany manokana ny fiarian’ny nifampiresahanareo. hiantsika azy. (1 Pet. 4:15) Mila mitandrina koa isika sao Tsidiho haingana izy. diso fandray ny hatsaram-panahy asehontsika ilay lehilahy Zavatra avy ao amin’ny Baiboly mahakasika azy iresahantsika, raha vehivavy isika, na ilay vehivavy iresahamivantana resahina. ntsika, raha lehilahy isika. Mila mahay manavaka ny mety Manaova zavatra mba hasy ny tsy mety isika rehefa mihevitra ny hafa, satria tsy minampiana azy. Hevero izay tovy izany, arakaraka ny tany, na arakaraka ny olona mihiilainy izao sy any aoriana. tsy aza.—Lioka 6:31. Hanampy antsika hahay hihaino ny fanaovana fanomanana. Rehefa mazava ao an-tsaintsika tokoa ny hafatra entintsika, dia ho tony isika ka hihaino tsara izay lazain’ny hafa. Hahatonga azy tsy ho saikatsaikatra sy ho vonona hiresaka kokoa izany. Manome voninahitra ny hafa isika, rehefa mihaino azy. (Rom. 12:10) Asehontsika amin’izany koa fa ankasitrahantsika ny heviny sy ny fihetseham-pony. Mety hahatonga azy ireo hihaino kokoa izay holazaintsi` ka mihitsy aza izany. Rariny ary, raha manoro hevitra antsika ny Tenin’ Andriamanitra mba “halady hihaino, ho malai-miteny.”—Jak. 1:19. Ampio ny hafa handroso. Mieritreritra an’ireo olona liana koa isika, ka miverina mitsidika azy ireo, mba hilazana aminy ireo fahamarinana

188

Fiheverana ny Hafa

ao amin’ny Baiboly izay mahakasika azy mivantana. Alohan’ny hiverenana any aminy, dia eritrereto indray izay efa fantatrao momba azy avy ` tamin’ny fitsidihana teo aloha. Manomana zavatra momba ny foto-kevitra iray mahaliana azy. Asongadino fa misy vokany tsara ilay izy rehefa ampiharina, ka ho hitany amin’izay ny soa ho azony avy amin’izay ianarany.—Isaia 48:17. Raha lazain’ilay olona aminao ny zava-manahirana mampanahy azy mafy, dia hararaoty izany mba hanambarana aminy ny vaovao tsara. Araho ny ohatr’i Jesosy, izay vonona foana hampionona ny ory. (Marka 6:31-34) Aza maika hanome vahaolana, na torohevitra ambangovangony, satria mety hihevitra ilay olona fa tsy tena miahy azy ianao. Asehoy kosa fa miara-ory aminy ianao. (1 Pet. 3:8) Avy eo dia manaova fikarohana, ary omeo fanazavana mampahery miorina amin’ny Baiboly ilay olona, mba hamahany ilay olana. Raha miahy sy manam-pitiavana azy ianao, dia tsy hilazalaza amin’ny hafa ny tsiambaratelo naborany taminao, raha tsy hoe misy antony tsara hanaovana izany angaha.—Ohab. 25:9. Ireo ampianarintsika ny Baiboly indrindra no tokony hoheverintsika manokana. Lazao ao amin’ny vavaka ny zavatra ilain’ny mpianatra tsirairay, ka tadidio izany rehefa manomana ilay fianarana ianao. Manontania tena hoe: ‘Inona no ilainy hatao manaraka, mba handrosoany ara-panahy?’ Ampio amim-pitiavana izy hahatakatra izay lazain’ny Baiboly sy ny boky avoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ momba ilay raharaha. (Matio 24:45) Mety ho tsy ampy anefa indraindray ny manome fanazavana fotsiny. Asehoy aminy ny fomba fampiharana ny toro lalana ara-baiboly iray, ka tena miaraha manao ilay izy aminy mihitsy.—Jaona 13:1-15. Mahaiza mandanjalanja sy mitsara zavatra, rehefa manampy ny hafa hampifanaraka ny fiainany amin’ny zavatra takin’i Jehovah. Samy hafa ny toe-piainana niavian’ny olona sy ny fahaizany ary ny hafainganan’ ny fandrosoana ataony. Aza manantena zavatra tafahoatra avy amin’ny hafa. (Fil. 4:5) Aza terena koa izy hanova ny fiainany. Aoka ny Tenin’ Andriamanitra sy ny fanahiny no hanosika azy. Tian’i Jehovah hanompo azy an-tsitrapo ny olona, fa tsy an-tery. (Sal. 110:3) Aza milaza ny hevitrao manokana rehefa misy fanapahan-kevitra tsy maintsy ataony, ary aza manapa-kevitra eo amin’ny toerany, na dia angatahiny hanao izany aza ianao.—Gal. 6:5. Manaova zavatra mba hanampiana ilay olona. Izay hahasoa arapanahy an’ireo nihaino azy no tena nahin’i Jesosy, nefa hitany koa ireo

Fiheverana ny Hafa

zavatra hafa nilain’izy ireo. (Matio 15:32) Misy fomba maro azontsika anampiana ny hafa na dia tsy manam-bola aza isika. Ho be fiheverana isika rehefa liana amin’ny hafa. Raha ratsy, ohatra, ` ny andro ka voahelingelina ilay iresahanao, dia mifindra toerana any amin’izay ahafahana miresaka tsara kokoa, na mifanaova fotoana hafa. Raha tsy mety amin’ilay olona ny fotoana itsidihanao, dia lazao fa hiverina amin’ny fotoana hafa ianao. Raha marary na any amin’ny hopitaly ny mpifanila trano aminao na ny olona liana iray, dia vangio izy, na andefaso taratasy kely. Manaova sakafo tsotra ho azy, raha mety, na manaova zavatra hafa amin-katsaram-panahy. Rehefa mihamandroso ny mpianatra ny Baiboly, dia mety hahatsiaro tena ho irery izy, satria tsy dia miaraka amin’ny namany taloha ` intsony. Ataovy namanao izy. Maka fotoana hiresahana aminy, aorian’ ny fianarana Baiboly na amin’ny fotoana hafa. Ampirisiho izy hanana namana tsara. (Ohab. 13:20) Ampio izy hanatrika ny fivoriana kristianina. Miaraha mipetraka aminy rehefa any, ary ampio izy hikarakara ny zanany, mba samy handray soa amin’ny fandaharana ny rehetra. Manehoa fiheverana amim-pahatsorana. Tsy ny fanarahana fitsi` pika aman-dalana akory no ahaizana maneho fiheverana ny hafa, fa ny fananana toetra tsara ao am-po. Miseho amin’ny fomba maro ny halalin’ny fiheverantsika ny hafa. Ahitana azy io ny fomba fihainontsika sy ny teny lazaintsika. Hita koa izy io rehefa tsara fanahy sy be fiheverana ny hafa isika. Na tsy miteny sy tsy manao na inona na inona aza isika, dia miseho eo amin’ny fihetsitsika sy ny endritsika izy io. Ho hitan’ny hafa foana raha tena miahy azy tokoa isika. Ny hanahaka ny fitiavana sy ny famindram-pon’ilay Raintsika any an-danitra no antony lehibe indrindra iheverantsika amim-pahatsorana ny hafa. Manintona ny mpihaino ho amin’i Jehovah sy ny hafatra ` asainy aelintsika izany. Miezaha ary ‘tsy hihevitra ny anao ihany, fa ny an’ny namanao koa’ rehefa mampiely ny vaovao tsara.—Fil. 2:4.

FANAZARAN-TENA: 1) Alohan’ny fivoriana: Anehoy fiheverana manokana ny olona iray efa tonga. Aza mianina amin’ny fiarahabana azy fotsiny. Fantaro tsara kokoa izy, ary asehoy fa mihevitra azy ianao. Ataovy tsy tapaka izany. 2) Eny am-pitoriana: Anehoy fiheverana manokana ny olona iray hitanao. Aza mianina amin’ny fitoriana aminy fotsiny. Fantaro ilay olona. Ampifanaraho amin’izay fantatrao momba azy ny teninao sy ny ataonao. Mitadiava fahafahana hanao izany imbetsaka.

189

31 FANAJANA NY HAFA



Inona no ilainao hatao? Manome haja sy voninahitra ny hafa.

ASAIN’NY Baiboly ‘manaja ny olona rehetra’ sy ‘tsy hiteny ratsy olona’ isika. (1 Pet. 2:17; Tit. 3:2) “Natao araka ny endrik’Andriamanitra” tokoa ny olona rehetra mifanena amintsika. (Jak. 3:9) Nanoloran’i Kristy ny ainy ny tsirairay aminy. (Jaona 3:16) Ary samy mendrika ny handre ny vaovao tsara ny rehetra mba hankatoavany azy, ka ho voavonjy ny tenany. (2 Pet. 3:9) Misy olona sasany manana toetra na fahefana izay mendrika ny hohajaina manokana. NAHOANA IZANY Nahoana ny olona sasany no mitady tsy haneho ilay fanaNO TENA ILAINA? jana ampirisihan’ny Baiboly? Mety ho ny kolontsaina eo anTakina amin’ny Kristianina ny toerana no manondro izay olona tokony homem-boninahihanajany ny hafa, ary mahatonga ny hafa ho vonona kokoa tra, arakaraka ny fokony, ny volon-kodiny, ny fahasalamany, hanaiky izay torinao aminy ny taonany, ny harenany, ny sarangany, na noho izy lehilahy avy ao amin’ny Baiboly izany. na vehivavy. Nampihena ny fanajana fahefana ny tsolotra sy kolikoly ataon’ireo manam-pahefana hatraiza hatraiza. Tena tsy afa-po amin’ny fiainany ny olona any amin’ny tany sasany, angamba satria voatery mitrongy vao homana, sady voahodidin’olona tsy manaja. Teren’ny mpiara-mianatra aminy ny tanora mba hiara-mikomy amin’ ny mpampianatra tsy tiany, sy amin’ny manam-pahefana hafa. Maro no manahaka ireo ankizy asehon’ny televiziona, izay manambaka ray aman-dreny sy manjakazaka. Mila miezaka isika mba tsy hamela ny fomba fihevitr’ity tontolo ity hanova ny fanajantsika ny hafa. Rehefa hajaintsika anefa ny olona, dia manjary mora kokoa ny mifanakalo hevitra. Fanatonana olona amim-panajana. Tokony ho mendrika ny fitafiana sy ny fihetsiky ny olona iray manao asa ara-pivavahana. Miovaova arakaraka ny toerana ny fitafiana sy fihetsika heverina fa mendrika. Misy mihevitra fa tsy fanehoam-panajana ny manatona olona iray nefa misatroka na manao tanana am-paosy. Mety tsy hampaninona anefa izany any an-toeran-kafa. Hajao ny fiheveran’ny olona eo an-toerana, mba tsy hanafintohinana azy. Ho afaka hampiely ny vaovao tsara amin’ny fomba mandaitra ianao, raha manao izany. Mitovy amin’izany koa ny fomba iresahana amin’ny hafa, indrindra fa ` ny zokiolona. Heverina ho tsy mahalala fomba mazana ny tanora mia190

Fanajana ny Hafa

191

ntso olon-dehibe amin’ny fanampin’anarany, raha tsy hoe nomena lalana hanao izany angaha izy. Any amin’ny toerana sasany, na ny olon-dehibe koa aza tsy mahazo miantso ny vahiny amin’ny fanampin’anarany. Ankoatra izany, dia fiteny maro no mampiasa ny hoe “ianareo”, na fomba hafa, mba hiresahana amim-panajana amin’ny olona iray be taona kokoa na manam-pahefana. Fiarahabana amim-panajana. Any amin’ny toerana sasany, dia antenaina ny hiarahabanao ny olona hitanao eny an-dalana na any an-trano. Teny kely fiarahabana, tsiky, na fanondrehana kely ny loha no anaovana izany. Heverina ho tsy fanehoam-panajana ny tsy firaharahana ny olona hitanao. NY FOMBA Misy anefa mbola mihevitra ihany hoe tsy noraharahaina HANEHOANA AZY na dia efa noarahabainao aza. Fa nahoana? Satria tsapany fa Fantaro ny fomba fiheveran’i Jehovah ny olona. tsy nihevitra azy manokana ianao. Fanao mahazatra ny Hajao ny fahefan’izay lohany, ny manasokajy ny olona araka ny toe-batany. Matetika no ihatataonan’ny olona, ny toeran’ny katahana ny kilemaina sy ny marary. Asehon’ny Tenin’Andrimanam-pahefana. amanitra amintsika anefa fa tokony hoentina amim-pitiavaEkeo fa manana zo hanana ny heviny ny olona. na sy amim-panajana ny olona toy ireny. (Matio 8:2, 3) Samy Mipetraha eo amin’ny toeran’ny nandova ny vokatry ny otan’i Adama avokoa isika rehetra. mpihaino anao. Heverinao fa manaja anao ve ny hafa raha ny kilemanao foana no amantarany anao? Tsy ny toetranao tsara kosa ve no tianao hamantarany anao? Manaiky ny fahefan’izay lohany koa ny atao hoe manaja. Ilaina any amin’ny toerana sasany ny hiresahana amin’ny loham-pianakaviana aloha, vao mitory amin’ny mpianakavy hafa. Ekentsika fa ny ray aman-dreny no nomen’Andriamanitra fahefana hitaiza sy hifehy ary hitari-dalana ny zanany, na dia i Jehovah aza no maniraka antsika hitory sy hampia` natra. (Efes. 6:1-4) Mety ary ny miteny amin’ny ray aman-dreny aloha, vao mifampidinika amin’ireo ankizy, rehefa mitsidika. Tsy maintsy hajaina ny zokiolona noho izy efa nahita fiainana. (Joba 32:6, 7) Nanaiky izany ny anabavy tanora mpisava lalana any Sri Lanka, ka nahita vokatra tsara rehefa nitsidika rangahy zokiolona iray. Tsy nanaiky ny fitsidihan’ilay anabavy aloha izy io, ka nanao hoe: “Izay zaza vao iray ranonorana io ve ianao ka hampianatra ahy ny Baiboly?” Hoy anefa ilay anabavy: “Raha ny marina, tsy tonga mba hampianatra aho, tompoko, fa mba hilaza aminao ny zavatra nianarako izay tena nahafaly ahy tokoa, ka tsy tanako fa tsy maintsy lazaiko amin’ny hafa.” Nanaitra ny sain’ilay rangahy ny valin-teny feno fanajana nataon’ilay mpisava la` lana. “Ka inona ary izany zavatra nianaranao izany e?”, hoy izy. “Ny

192

Fanajana ny Hafa

fomba hahafahana hiaina mandrakizay, tompoko”, hoy ilay anabavy. Nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay rangahy. Tsy ny be taona rehetra no hilaza fa tiany ny hohajaina toy izany, nefa hankasitraka izany ny ankamaroany. Mety ho lasa tafahoatra anefa indraindray, ny fanehoam-panajana. Any amin’ireo nosin’i Pasifika sy any an-toeran-kafa, ny Vavolombelona dia mampiasa amim-panajana ny fomba firesaka eo an-toerana, rehefa ` manatona lehiben’ny tanana. Manjary vonon-kihaino ireo, ka afaka miresaka aminy sy amin’ny olona iadidiany ireo mpitory. Tsy ilaina sady tsy tsara anefa ny fandokafana. (Ohab. 29:5) Mety hisy koa teny fanomezam-boninahitra efa anisan’ny fitsipi-pitenenana. Tsy voatery hampiasa azy ireny tafahoatra anefa ny Kristianina rehefa maneho fanajana. Fitenenana amim-panajana. Mampirisika antsika hanazava ny anton’ny fanantenantsika “amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana” ny Baiboly. (1 Pet. 3:15) Koa na dia azontsika porofoina haingana aza fa diso ny fomba fihevitry ny olona iray, ho fahendrena ve ny manambany sy manao tsinontsinona ilay olona rehefa manazava? Tsy ho tsara kokoa ve ny mihaino azy amim-paharetana, ka manontany ny antony mahatonga azy hihevitra toy izany, ary avy eo dia mihevitra ny fihetseham-pony rehefa miara-manjohy hevitra aminy avy ao amin’ny Baiboly? Tokony hitovy ny fanajana aseho, na rehefa miresaka amin’ny olona iray, na rehefa miteny eny ambony lampihazo. Ny mpandahateny manaja ny mpihaino dia tsy hasiaka ka hanakiana azy ireo, na haneho fihetsika toa milaza hoe: “Ho vitanareo ange izany, raha tena te hanao tokoa ianareo e!” Manakivy ny hafa fotsiny ny fitenenana toy izany. Tsara lavitra ny mihevitra ny mpanatrika ho olona tia an’i Jehovah sy maniry hanompo azy! Tokony hanahaka an’i Jesosy isika, ka hianatra hipetraka eo amin’ny toeran’ireo malemy ara-panahy, na mbola tsy za-draharaha, na votsa kokoa eo amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly. Ho tsapan’ny mpanatrika fa manaja azy ny mpandahateny izay mampiditra koa ny tenany ho anisan’ireo mila mampihatra kokoa ny Tenin’ Andriamanitra. Ohatra, tsara raha tsy ampiasaina foana ny hoe “ianao” sy “ianareo”, rehefa manao fampiharana ireo andinin-teny. Mariho, ohatra, ny tsy fitovian’ny hoe “Manao izay rehetra vitanareo ve ianareo?” sy ny hoe “Tokony hanontany tena ny tsirairay amintsika hoe: ‘Manao izay rehetra vitako ve aho?’ ” Mitovy ny tian’ireo fanontaniana roa ireo holazaina, saingy milaza ilay voalohany fa tsy mampitovy ny tenany amin’ ny mpihaino, ilay mpandahateny. Amporisihin’ilay faharoa kosa ny rehetra, anisan’izany ny mpandahateny, mba hamakafaka ny toerana misy azy sy ny antony anaovany zavatra.

Fanajana ny Hafa

193

Aza alaim-panahy hanao hatsikana mba hampihomehezana ny mpihaino fotsiny. Mampihena ny fahamendrehan’ny hafatra ao amin’ny Baiboly izany. Marina fa tokony hahita fahafinaretana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika. Mety hisy lafiny mampihomehy mihitsy aza ilay anjara na lahateny asaina ataontsika. Tsy manaja an’Andriamanitra sy ny mpanatrika anefa isika, raha raharaha lehibe no ataontsika lasa vazivazy. Enga anie ny fanatonantsika olona sy ny fihetsitsika ary ny fitenenantsika hampiseho foana fa nianatra hihevitra ny hafa araka ny nampianarin’i Jehovah antsika isika.

FANAZARAN-TENA: Mieritrereta olona iray efa zokinao na mbola zandrinao. Eritrereto ny fomba hanatonanao azy, sy izay holazainao mba hanombohan-dresaka, ary izay hataonao mba hanajana marina an’ilay olona sy ny teniny. Ampiharo izay zavatra efa tapakao fa hataonao.

Fomba azoko anehoana fanajana bebe kokoa

















32 FITENENANA AMIM-PATOKISANA



Inona no ilainao hatao? Mampiseho amin’ny fiteninao fa atokisanao tanteraka hoe marina sy tena lehibe izay lazainao.

REHEFA miteny amim-patokisana ny olona iray, dia hitan’ny hafa fa mino mafy izay lazainy izy. Hita teo amin’ny fanompoan’ny apostoly Paoly io toetra io. Izao no nosoratany ho an’ireo tonga mpino, tany Tesalonika: ‘Ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny fahatokiana be koa.’ (1 Tes. 1:5) Hita tamin’ny teniny sy ny nataony izany fatokisany izany. Tokony ho hita eo amin’ny fomba itoriantsika ny fahamarinana ao amin’ NAHOANA IZANY ny Baiboly koa ny fatokisana be toy izany. NO TENA ILAINA? Tsy miziriziry amin’ny heviny, na mitompo teny fantaHampirisika ny hafa hihevitra izay lazainao ho zava-dehibe tra, na avo vava akory ny olona matoky izay lazainy. Manesy hampihatra izany, ny fatoho finoana matanjaka kosa izy, rehefa milaza zavatra avy kisanao. ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Heb. 11:1. Ny fotoana hitenenana amim-patokisana. Tena ilaina ny miteny amim-patokisana, rehefa eny am-pitoriana. Tsy ny hafatra lazainao ihany no marihin’ny olona, fa ny fomba ilazanao azy koa. Tsikariny izay tena heverinao momba izay lazainao. Tsy ampy ny teny fotsiny mba hilazana fa manan-java-dehibe hambara ianao. Mahavita izany amin-kery kokoa ny fatokisanao. Ilaina koa ny fatokisana rehefa miteny amin’ny mpiray finoana ianao, eny ambony lampihazo. Nanoratra ny taratasiny voalohany ny apostoly Petera mba hampaherezana sy ‘hanambarana fa izany no tena fahasoavan’Andriamanitra.’ Nampirisika mafy ny rahalahiny izy hoe: “Tomoera tsara.” (1 Pet. 5:12) Nahasoa ny fiangonana tany Roma ny fatokisan’ny apostoly Paoly, fony izy nanoratra ho azy ireo. Hoy izy: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Rom. 8:38, 39) Nampiaiky ny rahalahiny koa izy, tao amin’ny taratasiny, fa nilaina ny nitory tamin’ny hafa. Ary ny zotom-pony manokana nanao io asa io dia po194

Fitenenana Amim-patokisana

195

rofo fa natoky izany tanteraka ny tenany. (Asa. 20:18-21; Rom. 10:9, 13-15) Tokony ho hita eo amin’ny anti-panahy kristianina ankehitriny koa ny fatokisana toy izany, rehefa mampianatra amin’ny alalan’ ny Tenin’Andriamanitra izy. Mila miteny amim-patokisana ny ray aman-dreny, rehefa mampianatra zavatra ara-panahy amin’ny zanany, sy amin’ny fotoana hafa koa. Tsy maintsy mamboly fitiavana an’Andriamanitra sy ny lalany ao am-pony aloha izy ireo, vao tena afaka miteny amim-patokisana amin’ ny zanany, ‘satria amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.’ (Lioka 6:45; Deot. 6:5-7) Afaka manome ohatra ny amin’ ny “finoana tsy mihatsaravelatsihy” koa ny ray aman-dreNY FOMBA ny, raha manana fatokisana toy izany.—2 Tim. 1:5. ANEHOANA AZY Rehefa iharam-pitsapana indrindra ny finoanao no tena Manehoa fihetseham-po mifanentana amin’ny ilanao miteny amim-patokisana. Mety ho gaga ny mpafoto-kevitrao. mpianatra, ny mpiara-mianatra, na ny mpiara-miasa ami` Mampiasa teny milaza ny nao, noho ianao tsy miara-mankalaza fety aminy. Ny vafatokisanao. lin-teny hentitra sy voahevitra tsara dia mety hanampy azy Fakafakao ilay fanazavana, hanaja ny fanapahan-kevitrao miorina amin’ny Baiboly. mandra-pahazonao azy tsara Ahoana raha taomin’ny hafa hanao fitondran-tena ratsy iasy mandra-pahainao milaza nao: handainga, hangalatra, hampiasa zava-mahadomeliazy amin’ny fiteninao manokana. Ekeo tanteraka fa na, na hanao firaisana? Ataovy mazava tsara fa tsy hanao marina sy ilain’ny mpihaino izany mihitsy ianao, ary tsy hampiova hevitra anao izay ilay izy. mety ho fanangolena hampiasainy. Mila miteny amim-pa` tokisana ianao, rehefa manda toy izany. Nanao teny hentitra toy izao i Josefa, fony nanohitra ny fanangolen’ny vadin’i Potifara: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra?” Rehefa nisisika ihany ravehivavy, dia nandositra nivoaka ilay trano i Josefa.—Gen. 39:9, 12. Ny fomba anehoana fatokisana. Afaka mampiseho ny fatokisanao ireo teny ampiasainao. Imbetsaka i Jesosy, ohatra, no niteny hoe “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa”, alohan’ny hilazana zava-dehibe iray. (Jaona 3:3, 5, 11; 5:19, 24, 25) Hita ny fatokisan’i Paoly tao amin’ny teny toy ny hoe “Matoky aho”, sy hoe “Mahalala sady matoky ao amin’i Jesosy Tompo aho”, ary hoe “Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.” (Rom. 8:38; 14:14; 1 Tim. 2:7) Nasain’i Jehovah nohamafisin’ny mpaminaniny toy izao indraindray ny fahatanterahan’ny teniny: “Ho avy tokoa izy.” (Hab. 2:3) Afaka mampiasa teny toy izany koa ianao, rehefa manonona ireny faminaniana ireny. Ho porofon’ny

196

Fitenenana Amim-patokisana

finoanao matanjaka ny teny feno toky toy izany, raha mitoky amin’i Jehovah fa tsy amin’ny tenanao ianao, ary raha manaja olona rehefa miteny. Mety hahitana ny fatokisanao koa ny fahatsoranao sy ny fihetseham-ponao rehefa miteny. Samy milaza izany avokoa ny endrikao sy ny fihetsikao, na dia mety tsy hitovy aza izany, arakaraka ny olona. Hiseho foana ny fatokisanao, na dia saro-kenatra na malefaka fiteny aza ianao, raha inoanao tanteraka fa ny fahamarinana no lazainao ary mila izany ny olona. Mazava ho azy fa tsy maintsy ho avy amin’ny fo ny fatokisantsika. Raha tsapan’ny olona fa fisehoana fotsiny ilay izy fa tsy tena amimpahatsorana, dia hanatsoaka hevitra izy ireo fa tsy misy heviny firy ny ` hafatra entintsika. Ny maha ianao anao ary aseho. Arakaraka ny habetsahan’ny mpihaino anao, no mety hilanao hiteny mafy kokoa noho ny mahazatra sy amin-kery kokoa. Ny hiteny avy amin’ny fo sy amin’ ny fomba tsotra, tsy amboamboarina, anefa no tokony ho tanjonao. Fanampiana mba hitenenana amim-patokisana. Tena ilaina ny manomana tsara, satria miankina amin’ny fiheveranao an’ilay fanazavanao ny fatokisanao. Tsy ampy ny mamaky na mamerina tsianjery zavatra avy ao anaty boky na gazety. Tsy maintsy azonao tsara ilay fanazavana, mba hilazanao azy amin’ny fiteninao manokana. Tsy maintsy miaiky tanteraka ianao fa marina ilay izy sady tena ilain’ny ` mpihaino. Rehefa manomana ny anjaranao ary ianao, dia hevero ny toe-javatra misy ny mpihaino sy ny zavatra mety ho efa fantany na heveriny momba ilay foto-kevitra. Mora hitan’ny olona ny fatokisantsika rehefa misosa tsara ny fitene` nantsika. Ankoatra ny fanomanana hevitra tsara ary, dia ataovy tsara koa ny famerenana. Mariho tsara ireo tapany ilana ny fiekena kokoa, mba tsy ho voatery hijery taratasy be loatra ianao, rehefa milaza azy. Tadidio koa ny mivavaka amin’i Jehovah mba hitahiany ny ezaka ataonao. Ho ‘sahy ao amin’Andriamanitsika’ ianao amin’izay, ka hatoky fa marina sy tena lehibe ilay hafatra lazainao.—1 Tes. 2:2.

FANAZARAN-TENA: Fakafakao ireto fitantarana ireto: Eksodosy 14:10-14; 2 Mpanjaka 5:1-3; Daniela 3:13-18; Asan’ny Apostoly 2:22-36. Ahoana no nanehoan’ireo mpanompon’Andriamanitra ireo ny fatokisany? Inona no niorenan’ny fatokisany? Ahoana no anehoanao fatokisana toy izany ankehitriny?

MAHAY MANDANJALANJA, NEFA HENTITRA 33



Inona no ilainao hatao? Mitandrina izay lazainao sy ny fomba ary ny fotoana ilazanao azy, mba tsy hanafintohina olona tsy amin’antony.

TSY manafintohina ny hafa tsy amin’antony ny olona mahay mandanjalanja. Fantany ny fomba sy ny fotoana hilazana zavatra. Tsy midika anefa izany hoe mampandefitra ny marina, na manolana ny zava-misy. Tsy tokony hampifangaroina amin’ny tahotra olona ny fahaiza-mandanjalanja.—Ohab. 29:25. Ny fananan’ny olona iray ny vokatry ny fanahy no tena manampy azy hahay handanjalanja. Ohatra, ny olona atosiky ny fitiavana dia tsy maniry hanorisory ny hafa, fa hanampy azy kosa. Tsy NAHOANA IZANY mivatravatra ny olona tsara fanahy sy malemy fanahy reheNO TENA ILAINA? fa manao zavatra. Manao izay hahatsara fihavanana azy Raha mahay mandanjalanja amin’ny hafa ny olona tia fiadanana. Ary tony foana ny oloianao, dia mety ho vonona na mahari-po, na dia masiaka aza ny hafa.—Gal. 5:22, 23. hihaino ny vaovao tsara ny olona. Hanampy anao ho Hisy foana anefa olona tsy ho faly amin’ny hafatra ao tsara fihavanana amin’ny amin’ny Baiboly, na ahoana na ahoana fomba ilazantsika Kristianina hafa koa ny fahaiazy. “Vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka” i za-mandanjalanja. Jesosy Kristy, ho an’ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, satria ratsy ny fon’izy ireo. (1 Pet. 2:7, 8) Hoy i Jesosy momba ny asa fitoriana ilay Fanjakana nataony: “Tonga ` hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho.” (Lioka 12:49) Mbola tsy maintsy ambara amin’ny olona ankehitriny ihany ny hafatra momba ny Fanjakan’i Jehovah sy ny tokony haneken’izy ireo ny Mpamorona azy ho Mpanjakany. Maro no tsy faly mahare fa handrava tsy ho ela ity tontolo ratsy ity ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho fankatoavana an’Andriamanitra anefa, dia tohizintsika ihany ny fitoriana, sady tadidintsika foana ity torohevitry ny Baiboly ity: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.”—Rom. 12:18. Mahay mandanjalanja rehefa mitory. Misy toe-javatra maro iresahantsika momba ny finoantsika amin’ny hafa. Manao izany isika, rehefa mitory eny amin’ny saha, nefa koa rehefa miaraka amin’ny havana sy ny mpiara-miasa na ny mpiara-mianatra amintsika. Mila mahay mandanjalanja isika amin’ireo toe-javatra rehetra ireo. 197

198

Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

Mety hampahasosotra ny olona isika raha toa be fananarana rehefa mitory ilay Fanjakana. Mety tsy ho faly izy raha anarintsika hanitsy ny fiainany, kanefa izy tsy nangataka fanampiana, ary angamba tsy mihevitra fa mila izany akory. Inona no azontsika atao, mba tsy ho diso fandray izay lazaintsika ny hafa? Mianatra ny fahaiza-miresaka aminkatsaram-panahy. Atombohy amin’ny foto-kevitra mahaliana ilay olona ny resaka ataonao. Mety ho efa fantatrao izay mahaliana azy, raha havanao izy, na mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminao. Raha mbola tsy nahita ilay olona mihitsy ianao taloha, dia vaovao tao amin’ NY FOMBA ny radio na tao amin’ny gazety no anombohy ny resaka. IreHANEHOANA AZY ` ny mazana no ahafantarana izay mampanahy ny olona Miresaha, fa aza be fananamaro. Mahaiza mandinika rehefa mitory isan-trano. Mety rana. hahalalana izay mahaliana ny tompon-trano ny haingonEritrereto tsara izay ho tranony, ireo kilalao eny an-tokotany, ireo zavatra ara-pivafandraisan’ny olona ny teninao. vahana, na ny soratra mipetaka eo am-baravarana na varavarankely. Henoy tsara izy, rehefa tonga eo am-baravarana. Diniho aloha ilay fotoana raha mety tsara mba hiresaHo hitanao amin’izay lazainy raha marina na diso ny hevihana, vao miteny. trao momba izay mahaliana azy sy ny fomba fiheviny. Ho Manaova teny fiderana fantatrao koa izay tokony horesahina mba hanaovana fitoamim-pahatsorana, isaky ny riana mandaitra. azo atao. ` Rehefa mitohy ilay resaka, dia milaza zavatra avy ao amin’ Aza misafoaka, rehefa misy ny Baiboly sy ny boky manazava ny Baiboly, izay mifandray fanoherana. amin’ilay foto-kevitra. Aza mibodo resaka anefa. (Mpit. 3:7) Aza mihevi-tena ho tsara Asaivo miresaka koa ilay tompon-trano, raha mety izy. Hekokoa noho ny hafa; aza minoy tsara ny fomba fiheviny. Mety ho fantatrao avy amin’ tsara olona. ny teniny ny zavatra tsy tokony holazaina mba tsy hanafintohinana azy. Alohan’ny hilazanao zavatra, dia hevero aloha izay mety handraisan’ ilay olona azy io. Derain’ny Ohabolana 12:8 ny olona manana ‘fahendrena’ eo amin’ny vavany. Mifandray amin’ny fahaiza-manavaka sy ny fitandremana ilay teny hebreo ampiasaina eto. Noho izany, ny fahendrena dia midika koa hoe mitandrina ny teny lazaina rehefa avy nieritreritra tsara, mba hanaovan-javatra amim-pahendrena. Mampitandrina antsika tsy ‘handefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra’ ny andininy faha-18 ao amin’io toko io ihany. Azo atao ny miaro ny Baiboly, nefa tsy hampahatezitra ny hafa. Ny fahaiza-mifidy teny fotsiny, dia efa ahafahanao misoroka fanoherana tsy amin’antony. Raha tsy tantin’ny olona ny mandre ilay teny hoe

Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

“Baiboly”, dia azonao ampiasaina ny hoe “soratra masina”, na “boky iray voadika amin’ny fiteny maherin’ny 2 000.” Anontanio ny fiheveran’ilay olona ny Baiboly raha manonona azy io ianao, ary hevero foana izay nolazainy, mandritra ilay resaka. Matetika ny olona mahay mandanjalanja no mahay mamantatra ny fotoana mety mba hilazana zavatra. (Ohab. 25:11) Mety tsy hitovy hevitra amin’izay rehetra lazain’ilay olona ianao, nefa tsy ilaina hotoherina izy isaky ny milaza zavatra tsy araka ny Soratra Masina. Aza mitady hilaza aminy ny zava-drehetra amin’iny indray mandeha iny. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.”—Jaona 16:12. Derao amim-pahatsorana ilay olona iresahanao, isaky ny azonao atao. Na dia mitady hifamaly aminao aza ilay olona, dia mbola derao ihany izy, noho ny fomba fiheviny. Nanao izany ny apostoly Paoly, fony izy niresaka tamin’ireo olon-kendry tao amin’ny Areopago tany Atena. “Nanohitra” an’i Paoly ireo olona ireo. Ahoana no nahafahany nitory, nefa tsy nampahatezitra azy ireo? Efa hitany talohan’izay fa nisy alitara maro naorin’izy ireo ho an’ny andriamaniny. Tsy nanameloka an’ireo Atenianina noho ny fanompoan-tsampiny izy, fa nahay nandanjalanja kosa, ka nidera azy ireo noho ny fitiavany fivavahana. Hoy izy: “Hitako fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra hianareo.” Nahafahany nitory hafatra momba ilay Andriamanitra marina, izany fomba izany. Tonga mpino ny sasany, noho izany.—Asa. 17:18, 22, 34. Aza misafoaka, rehefa manohitra ilay olona. Aoka ianao ho tony foana. Hararaoty ilay izy mba hahafantarana tsara kokoa ny fomba fisainan’ilay olona. Isaory izy, noho izy nampahafantatra ny heviny. Ahoana raha mivantambantana izy miteny hoe: “Manana ny fivavahako aho”? Anontanio amim-pahaiza-mandanjalanja izy hoe: “Efa tia fivavahana toy izany foana ve ianao, tompoko, hatramin’izay?” Rehefa avy namaly izy, dia anontanio hoe: “Heverinao ve, tompoko, fa ho tafaray ao anatin’ny fivavahana iray ihany ny olombelona, indray andro any?” Mety ho afaka hanohy ny resaka ianao, noho izany. Hanampy antsika hahay handanjalanja ny fiheveran-tena araka ny tokony ho izy. Miaiky mafy isika fa ny lalan’i Jehovah no tsara indrindra ary ny Teniny no fahamarinana. Feno toky isika, rehefa miresaka momba ireo zavatra ireo. Tsy misy tokony hiheverantsika tena ho tsara noho ny hafa anefa. (Mpit. 7:15, 16) Velom-pankasitrahana isika mahalala ny fahamarinana sy manana ny fitahian’i Jehovah. Fantatsika tsara

199

200

Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

koa anefa fa noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa sy ny finoantsika an’i Kristy, no ankasitrahan’i Jehovah antsika, fa tsy noho ny fahamarinantsika manokana akory. (Efes. 2:8, 9) Manaiky isika, fa mila ‘mandini-tena foana isika raha mitoetra amin’ny finoana na tsia, ary mila mizaha toetra ny tenantsika foana.’ (2 Kor. 13:5) Koa rehefa ilaza` ntsika ary ny olona fa ilaina ny manao izay takin’Andriamanitra, dia hanetry tena isika ka hampihatra izany torohevitra izany amin’ny tenantsika koa. Tsy manana zo hitsara ny mpiara-belona amintsika isika. ‘Nomen’i Jehovah ny Zanaka ny fitsarana rehetra’, ary eo anoloan’ny fitsaran’i Kristy isika no tsy maintsy ampamoahina noho izay ataontsika.—Jaona 5:22; 2 Kor. 5:10. Rehefa miaraka amin’ny fianakaviantsika sy ny Kristianina hafa. Tsy tokony ho eny am-pitoriana ihany isika no hahay handanjalanja. Koa satria fisehoan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fahaizamandanjalanja, dia tokony haneho azy io koa isika ao an-trano, rehefa miaraka amin’ny mpianakavintsika. Tiantsika izy ireo, ka asiantsika fiheverana ny fihetseham-pony. Tsy mpanompon’i Jehovah ilay mpanjaka vadin’i Estera. Nanaja azy anefa i Estera, ary tena naneho fahaiza-manavaka rehefa namboraka taminy ny raharaha nahakasika ny vahoakan’i Jehovah. (Estera, toko faha-3-8) Raha mahay mandanjalanja amin’ny mpianakavy tsy Vavolombelona isika, dia ny fitondran-tenantsika, fa tsy ny fanazavana momba ny finoantsika, indraindray no avelantsika hahatonga azy hankasitraka ny fahamarinana.—1 Pet. 3: 1, 2. Toy izany koa ny amin’ireo anisan’ny fiangonana: Tsy hoe fantatsika tsara izy ireo, dia hivantambantam-piteny aminy isika na hoe tsy ho tsara fanahy aminy. Tsy tokony hihevitra isika hoe matotra izy ireo, ka tokony hahazaka izany. Tsy tokony hanala tsiny ny tenantsika koa isika ka hilaza hoe: “Izany no toetrako, ka ahoana?” Tokony ho tapa-kevitra ny hiova isika raha hitantsika fa manafintohina ny hafa ny fomba fitenintsika. Raha ‘mifankatia tsara’ isika, dia tokony ‘hanao soa amin’ny mpianakavin’ny finoana.’—1 Pet. 4:8, 15; Gal. 6:10. Rehefa eny ambony lampihazo. Mila mahay mandanjalanja koa ireo miteny eny ambony lampihazo. Samy hafa ny toe-piainana niavian’ireo mpihaino sy ny toe-javatra misy azy ireo. Tsy mitovy koa ny fandrosoana ara-panahy vitany. Sambany vao tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny sasany. Angamba ny hafa mandia zava-manahirana faran’izay mafy, izay tsy fantatr’ilay mpandahateny. Ahoana no ahafahan’ny mpandahateny tsy hanafintohina ny mpihaino?

Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

Mifanaraka amin’ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Titosy, dia miezaha ‘tsy hiteny ratsy olona, fa ho mpandefitra, maneho ny halemempanahy rehetra amin’ny olona rehetra.’ (Tit. 3:2) Aza manahaka ny an’ ity tontolo ity, izay manambany olona hafa firazanana, fiteny, na firenena. (Apok. 7:9, 10) Aza mihambahamba miresaka ireo zavatra takin’i Jehovah, ary asehoy fa fahendrena ny mampihatra azy ireny. Aza esoina anefa ireo mbola tsy manaraka tsara ny lalan’i Jehovah. Ampirisiho kosa ny rehetra hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy hanao izay mampifaly azy. Asio teny fiderana feno hatsaram-panahy sy fahatsoram-po ny torohevitra omenao mba hahatonga azy halefaka. Asehoy amin’ny fomba fiteninao sy ny toe-peonao, ilay fitiavan-drahalahy tokony hananantsika rehetra.—1 Tes. 4:1-12; 1 Pet. 3:8.

FANAZARAN-TENA: Vakio tsara ireto fitantarana ireto: 2 Samoela 12:1-9; Asan’ny Apostoly 4:1820. Ao amin’ny tsirairay aminy, dia mariho 1) ireo porofon’ny fahaiza-mandanjalanja sy 2) ny teny mampiseho fifikirana hentitra amin’ny lalana marin’i Jehovah.

201

MAHAY MAMPAHERY SY 34 MIJERY LAFY TSARAN-JAVATRA



Inona no ilainao hatao? Tsy miresaka ela be momba ny zavatra mahakivy, fa momba izay zavatra manatsara ny tarehin-javatra na manome toky kosa. VAOVAO tsara ilay hafatra nasaina torintsika. Hoy i Jesosy: “Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.” (Marka 13:10) Nanome ny ohatra ny tenany, tamin’ny fitoriana “ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 4:43) Lazaina koa fa “filazantsaran’Andriamanitra” sy “filazantsaran’i Kristy” no notorin’ireo apostoly. (1 Tes. 2:2; 2 Kor. 2:12) Mampahery ny hafatra toy izany. NAHOANA IZANY Mampirisika ny olona isika hoe: “Matahora an’AndriamaNO TENA ILAINA? nitra, ka omeo voninahitra Izy”, araka ilay fanambarana “fiReraka noho ny tontolo tsy ahitam-pitiavana ny ololazantsara mandrakizay” nataon’ilay ‘anjely nanidina teo na. Maro koa no mahita olana afovoan’ny lanitra.’ (Apok. 14:6, 7) Lazaintsika amin’ny olobe eo amin’ny fiainany. Hana hatraiza hatraiza ny momba ilay Andriamanitra marina, mpihiratra ny fiainan’ny olona tso-po ny hafatry ny Baiboly, ny anarany, ny toetrany tsara, ny asany mahatalanjona, ny rehefa torina amin’ny fomba fikasany feno fitiavana, ny hoe hampamoahiny isika, ary ny mety. zavatra takiny amintsika. Vaovao tsara koa ny handringanan’i Jehovah Andriamanitra ny ratsy fanahy, izay manala baraka azy sy manimba ny fiainan’ny hafa. Tsy anjarantsika anefa ny mitsara ny olona itoriantsika. Ny faniriantsika dia ny hisian’ny olona betsaka araka izay azo atao hanaiky ny hafatra ao amin’ny Baiboly, mba ho tena vaovao tsara ho azy ireo izy io.—Ohab. 2:20-22; Jaona 5:22. Aza atao be loatra ny resaka momba ny zavatra mahakivy. Be dia be ny zavatra mahakivy eo amin’ny fiainana. Tsy odiantsika tsy hita izy ` ireny. Milaza zava-manahirana iray mampanahy ny olona eo amin’ny faritaninao mba hanombohan-dresaka, ary resaho vetivety ilay izy. Tsy dia ` tsara mazana ny miresaka ela be momba ilay izy. Efa mandre vaovao mahakivy isan’andro ny olona, ka mety tsy hihaino izy raha mbola iresahanao zavatra tsy mahafinaritra koa. Sariho ho amin’ireo fahamarinana mamelombelona ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny sainy, dieny eo am-piandohan’ny resaka. (Apok. 22:17) Na dia tsy te hanohy ny resaka aza ilay olona avy eo, dia efa nomenao hevitra mampahery hoeritreretiny izy. Mety ho vonon-kihaino kokoa izy amin’ny manaraka. 202

Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra

203

Toy izany koa, rehefa asaina manao lahateny ianao. Aza totofana vaovao mahakivy ny mpihaino, satria fotsiny hoe be dia be ny vaovao toy izany. Mety hiresaka ela be momba ny tsy fahaizan’ny mpitondra olombelona, ny heloka bevava sy ny herisetra, ary ny fahalotoam-pitondran-tena mihoa-pampana, ny mpandahateny iray. Hanakivy ny mpihaino anefa izy amin’izany. Aza resahina ireo lafiny mahakivy raha tsy hoe misy antony mahasoa ilana azy angaha. Ohatra, mety hiharihary kokoa ny antony ilana ilay fanazavanao, raha tononinao vetivety ny zavatra toy izany. Mety hampahafantarin’ireny koa ny tena antony nampisy ny toe-javatra iray, ka hasongadiny fa tena mandaitra ny vahao` ` lana omen’ny Baiboly. Milaza ary olana voafaritra tsara, isaky ny mety ny hanaovana izany, nefa aza miresaka ela be NY FOMBA momba azy io. HAMPIHARANA AZY ` Mazana sarotra, no sady tsy tsara, raha esorina avokoa ireo Tadidio fa nirahina mba hitory ny vaovao tsara isika. hevitra mahakivy ao amin’ny anjara, na lahateny iray. Izao no manahirana: Mifangaro ao ny hevitra mahakivy sy maMahaiza mampahery fa aza manakiana. mpahery, kanefa tsy maintsy atao mampahery ilay lahateny ` ` amin’ny ankapobeny. Tsy maintsy faritanao mialoha ary ny Manana hevitra tsara, fa tsy ratsy, momba ireo izay iresahevitra hampidirinao, sy izay tsy hampidirinao, ary izay tohanao. kony hohamafisina. Nanarin’i Jesosy ny mpihaino azy mba ` Hevero izay ho vokatry ny tsy hanaraka ny fomban’ireo mpanora-dalana sy Fariseo tia teninao eo amin’ilay iresahatena, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. Nanonao. nona ohatra vitsivitsy izy mba hanamarinana ny heviny. (Matio 6:1, 2, 5, 16) Tsy niresaka ela be momba ny ohatra ratsin’ireo mpitarika ara-pivavahana ireo anefa i Jesosy. Nohamafisiny kosa fa ilaina ny mahazo tsara sy manaraka ny lalana marin’Andriamanitra. (Matio 6:3, 4, 6-15, 17-34) Faran’izay nampahery ilay lahateniny. Aoka hampahery foana ny fomba fiteninao. Raha asaina manao anjara na lahateny momba ny asa kristianina iray ianao, dia mahaiza mampahery fa aza manakiana. Aoka ho azonao antoka fa efa ataonao ilay zavatra ampirisihanao ny hafa. (Rom. 2:21, 22; Heb. 13:7) Aoka ny fitiavana, fa tsy ny fahasosorana, no hanosika anao hilaza zavatra. (2 Kor. 2:4) Raha matoky ianao fa te hampifaly an’i Jehovah ny mpiray finoana aminao, dia hiseho amin’izay lazainao izany fatokisana izany, ka hisy vokany tsara. Mariho ny fatokisana toy izany, nasehon’i Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:1-12 sy 2 Tesaloniana 3:4, 5 ary Filemona 4, 8-14, 21. Mila mampitandrina ny amin’ny fitondran-tena ratsy indraindray ny anti-panahy. Hanampy azy ireo hitondra ny rahalahiny

204

Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra

amim-pahamoram-panahy anefa ny fanetren-tena. (Gal. 6:1) Tokony hasehon’ny fomba ilazany zavatra fa manaja ireo anisan’ny fiangonana izy. (1 Pet. 5:2, 3) Ireo lehilahy tanora indrindra indrindra no ampirisihin’ny Baiboly hitandrina izany. (1 Tim. 4:12; 5:1, 2; 1 Pet. 5:5) Na ilaina aza ny mananatra mafy sy manitsy ny tsy mety, dia tokony hiorina amin’ny Baiboly ny fanaovana izany. (2 Tim. 3:16) Tsy tokony hitarina na haolana na oviana na oviana ny fampiharana andinin-teny, mba hanohanana hevitra tiana manokana. Azo atao mampahery foana ny lahateny, na dia rehefa ilaina aza ny manome torohevitra mahery: Antitrantero aloha ny fomba hanalavirana ny fanaovan-dratsy, ny fomba hamahana olana, ny fomba handresena zava-tsarotra, ny fomba hanitsiana fitondran-tena tsy mety, ary ny fiarovana entin’ny fankatoavana an’i Jehovah.—Sal. 119:1, 9-16. Rehefa manomana ny anjaranao na lahateninao ianao, dia eritrereto tsara ny fomba hamarananao ny fizarana tsirairay sy ilay lahateny mihitsy. Matetika izay lazainao farany no ho tadidin’ny mpihaino indrindra. Hampahery ve izy io? Rehefa miresaka amin’ny mpiray finoana aminao. Tena tian’ny mpanompon’i Jehovah ny fahafahana hifanerasera any amin’ireo fivoriana kristianina. Manjary velombelona ara-panahy isika any. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ‘hifananatra’, na hifampahery, rehefa tonga any. (Heb. 10:25) Tsy rehefa manao anjara na lahateny sy manome valin-teny mandritra ny fivoriana ihany isika no manao izany, fa rehefa miresaka aloha sy aorian’ny fivoriana koa. ` Ara-dalana ny firesahana momba ny fiainantsika andavanandro, nefa ny firesahana zavatra ara-panahy no tena mampahery indrindra. Anisan’izany ireo zavatra nahafinaritra hitantsika teny amin’ny fanompoana. Mampahery koa ny mifampiahy amim-pahatsorana. Mila mitandrina isika mba tsy hanahaka ny fanaon’ity tontolo ity. Hoy i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Efesosy: “Esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo rehetra.” (Efes. 4:25) Anisan’ny filazana ny marina fa tsy ny lainga ny hoe: tsy manindrahindra ireo zavatra sy olona hindrahindrain’ ity tontolo ity. Nampitandrina koa i Jesosy ny amin’ny “fitaky ny ` harena mangeja.” (Matio 13:22) Koa mila mitandrina ary isika rehefa mifampiresaka, mba tsy hampiditra izany famitahana izany, amin’ny fandokafana fatratra ny fananan-javatra ara-nofo.—1 Tim. 6:9, 10. Ao amin’ny torohevitr’i Paoly momba ny fampaherezana ny hafa, dia ampirisihiny isika mba tsy hitsara na hanambany ny rahalahy izay tsy

Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra

mety manao zavatra sasany satria “malemy finoana”, izany hoe, mbola tsy takany tsara ny tena hevitry ny fahafahana kristianina. Raha te ` hanao resaka mampahery ny hafa ary isika, dia tsy maintsy heverintsika ny toe-piainana niaviany sy ny fandrosoana ara-panahy vitany. Tena hampalahelo tokoa, raha ‘manisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy’ na anabavy iray isika!—Rom. 14:1-4, 13, 19. Mankasitraka resaka mampahery ireo manan-java-manahirana lehibe, toy ny aretina mitaiza, ohatra. Angamba manao ezaka mafy ny olona toy izany mba hanatrehana fivoriana. Koa mety hanontany toy izao ireo mahalala ny mahazo azy: “Manao ahoana ny fahasalamanao?” Mazava aloha fa ankasitrahany ny fiahiana azy, kanefa tsy resaka momba ny toe-pahasalamany angamba no tena hampahery azy. Angamba hanafana ny fony kokoa ny teny fankasitrahana sy fiderana atao aminy. Hitanao ve fa mbola tia foana an’i Jehovah izy, sady miaritra, na dia mafy aza ny fiainany? Mampahery anao ve ny mandre azy manome valin-teny? Tsy hampahery azy kokoa ve ny resaka momba ny toetra tsara ananany sy izay zava-bitany ho an’ny fiangonana, toy izay resaka momba ny zavatra tsy vitany noho ny aretiny?—1 Tes. 5:11. Tena ilaina hoheverina ny fomba fijerin’i Jehovah ilay zavatra resahina, raha tiantsika hampahery ny resaka ataontsika. Nirehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo Isiraelita fahiny izay nanakiana ny solontenan’i Jehovah sy nitaraina momba ny mana. (Nom. 12:1-16; 21:5, 6) Asehontsika fa naka lesona avy tamin’izany isika rehefa miresaka, raha manaja ny anti-panahy sy mankasitraka ny sakafo ara-panahy omen’ny mpanompo mahatoky sy malina.—1 Tim. 5:17. Tsy sarotra ny mahita resaka mahasoa hatao, rehefa tafaraka ny samy Kristianina. Raha misy anefa manjary manakiana loatra, dia avilio ho amin’ny zavatra mampahery ny resaka. Na mitory amin’ny hafa isika, na mandaha-teny eny ambony lampihazo, na miresaka amin’ny mpiray finoana amintsika, dia enga anie isika hahay hamoaka avy ao am-pontsika “izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.”—Efes. 4:29.

FANAZARAN-TENA: Mitsidiha olona iray marary na tsy afa-miala ao an-tranony. Manomboha resaka mampahery. Miaraha ory amin’ilay olona, nefa manaova teny mampahery foana. Eritrereto mialoha ny fomba hanaovanao izany.

205

35 FAMERIMBERENANA HO FANAMAFISANA



Inona no ilainao hatao? Milaza ireo hevitra tena tianao hotadidin’ny mpihaino, tsy indray mandeha ihany fa mihoatra an’izay.

MISY famerimberenana ny fampianarana mandaitra. Ho tadidin’ny mpihaino kokoa ny hevi-dehibe iray raha tsy indray mandeha ihany no ilazana azy, fa mihoatra an’izay. Angamba hazava amin’izy ireo kokoa aza ilay hevitra, raha averina lazaina amin’ny fomba hafa. Tsy hisy vokany eo amin’izay inoan’ny mpihaino, na eo amin’ny fomba fiainany ny teninao raha tsy tadidiny izay lazainao. Hoeritreretiny foana kosa ireo hevitra asongadinao manoNAHOANA IZANY kana. NO TENA ILAINA? Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra, no ohaMora tadidy ny zavatra tra tokony harahina amin’io lafiny io. Nomeny ny Didy averimberina, sady mampisongadina ireo hevi-dehibe Folo ny firenen’ny Isiraely. Nasainy nolazain’ny anjely iray no manampy ny mpihaino tamin’ilay firenena teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ` hahazo azy tsara. ireo didy ireo. Nataony an-tsoratra izy ireo taty aoriana, ka nomeny an’i Mosesy. (Eks. 20:1-17; 31:18; Deot. 5:22) Nasain’i Jehovah naverin’i Mosesy nolazaina tamin’ilay firenena indray ireo didy ireo, talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Ary notarihin’ny fanahy masina i Mosesy hanoratra izany tao amin’ny Deoteronomia 5:6-21. Anisan’ny didy nomena ny Isiraely ilay baiko tokony hitiavan’izy ireo sy hanompoan’izy ireo an’i Jehovah amin’ny fony sy ny fanahiny ary ny heriny rehetra. Naverimberina imbetsaka koa izy io. (Deot. 6:5; 10:12; 11:13; 30:6) Nahoana? Satria io no “didy lehibe sady voalohany”, hoy i Jesosy. (Matio 22: 34-38) Maherin’ny in-20 i Jehovah no nampahatsiahy ny mponin’i Joda, tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany, fa zava-dehibe ny hankatoavana izay rehetra nandidiany azy. (Jer. 7:23; 11:4; 12:17; 19:15) Ary maherin’ny in-60 Andriamanitra no nilaza tamin’ny alalan’i Ezekiela, fa ‘ho fantatr’ireo firenena fa Izy no Jehovah.’—Ezek. 6:10; 38:23. Mahita famerimberenana mandaitra koa isika ao amin’ny fitantarana momba ny fanompoan’i Jesosy. Eo, ohatra, ireo Filazantsara efatra izay samy mitantara zava-nitranga lehibe avy. Misy zava-nitranga voatantara ao amin’ny Filazantsara iray miverina koa ao amin’ny hafa, 206

Famerimberenana ho Fanamafisana

207

saingy araka ny fomba fijery hafa fotsiny. Rehefa nampianatra i Jesosy, dia nisy zava-dehibe nohazavainy imbetsaka, nefa tamin’ny fomba hafa foana. (Marka 9:34-37; 10:35-45; Jaona 13:2-17) Ary fony teny An-tendrombohitra Oliva izy, andro vitsivitsy talohan’ny hahafatesany, dia namerimberina izao torohevitra tena lehibe izao: “Miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.” —Matio 24:42; 25:13. Eny amin’ny fanompoana. Rehefa mitory ianao, dia antenainao fa ho tadidin’ny olona izay lazainao. Hanampy anao amin’ izany ny fahaizana mamerimberina hevitra. NY FOTOANA Matetika no mampiraikitra hevitra ao an-tsain’ny olona HANAOVANA AZY ny famerimberenana azy io mandritra ny resaka. Mba Raha vao avy nilaza hevidehibe iray, na vao avy nahanamafisana andinin-teny vao avy novakinao, ohatra, melabelatra azy io. dia tondroy ny tapany lehibe iray ao aminy, ary manontaAny amin’ny faran’ny resaka, nia hoe: “Voamarikao ve ny teny ampiasaina eto?” na lahateny. Azo amerenana hevitra koa ireo teny farany amarananao Rehefa hitanao fa misy heviny resaka. Ohatra, azonao atao ny milaza hoe: “Izao no dehibe tsy azon’ny mpihaino hevi-dehibe tiako hotadidinao tamin’iny resatsika iny:...” tsara. Avy eo dia avereno lazaina fotsiny ilay izy. Mety hitovitoAmin’ny fitsidihana manaravy amin’izao izany: “Fikasan’Andriamanitra ny hiovan’ny ka, ary tsy indray mandeha tany ho paradisa. Azo antoka fa ho tanteraka izany fikasaihany. na izany.” Na, mety ho toy izao: “Asehon’ny Baiboly mazava tsara fa miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ity isika. Raha tsy te ho ringana miaraka aminy isika, dia mila mianatra izay takin’Andriamanitra amintsika.” Na toy izao koa: “Araka ny hitantsika teo, dia manome torohevitra mandaitra mba handaminana ireo zava-manahirana ny fianakaviana, ny Baiboly.” Azonao averina fotsiny indraindray ny andinin-teny iray tianao hotadidina. Mazava ho azy fa ilaina hoeritreretina mialoha izany, mba handaitra tsara. Afaka mampiasa fanontaniana famerenana ianao rehefa miverina mitsidika olona sy mampianatra ny Baiboly. Mety hisy torohevitra avy ao amin’ny Baiboly ilaina haverina resahina imbetsaka rehefa tsy azon’ny olona, na sarotra aminy ny mampihatra azy. Azonao ovaovana ny fomba itondranao ilay fanazavana. Tsy voatery ho lava be ny fanazavanao, fa tokony hampirisika an’ilay mpianatra hieritreritra momba ilay izy kosa. Tadidio fa nampiasa io fomba famerimberenana io i Jesosy mba hanampiana ny mpianany

208

Famerimberenana ho Fanamafisana

handresy ilay faniriana ny ho voalohany.—Matio 18:1-6; 20:20-28; Lioka 22:24-27. Rehefa manao lahateny. Tsy ny hilaza zavatra fotsiny no antony anaovanao lahateny. Tianao hahazo tsara sy hitadidy ary hampihatra ` azy io ny mpihaino. Mahaiza ary mamerimberina hevitra. Mety tsy hifantoka intsony anefa ny mpihaino, raha averimberinao matetika loatra ireo hevi-dehibe. Fidio tsara ireo hevitra mendrika hasongadina manokana. Hevi-dehibe iorenan’ny lahateninao izy ireny ` mazana, nefa mety hisy koa hevitra hafa ilain’ny mpihaino manokana. Mba hamerimberenana hevitra amin’ny fomba mandaitra, dia lazao ` ao amin’ny teny fampidirana aloha ireo hevi-dehibenao. Mampiasa fehezanteny fohy mamintina ilay lahateny, na fanontaniana, na koa ohatra ny amin’ny zava-manahirana mila vahaolana. Lazao hoe firy ny hevi-dehibe hovelabelarinao, ary tanisao izy ireo. Velabelaro tsirairay ao amin’ny lahateninao izy ireo avy eo. Azo hamafisina ny hevidehibe tsirairay mandritra ny famelabelarana ilay lahateninao: Lazao indray ilay hevitra, alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevitra manara` ka, na maka ohatra azo ampiharana ilay hevi-dehibe. Mbola azo hamafisina kokoa ireo hevi-dehibe ao amin’ny teny famaranana: Avereno lazaina indray izy ireo, na asongadino amin’ny alalan’ny fampitahana zavatra mifanohitra, na omeo ny valin’ireo fanontaniana napetrakao, na lazao vetivety ny vahaolan’ireo zava-manahirana notononinao. Ankoatra izany rehetra izany, dia mandinika tsara ny mpihaino tsirairay ny mpandahateny za-draharaha. Hitany rehefa misy tsy mahazo tsara ny hevitra sasany. Raha hevi-dehibe ilay izy, dia averiny hazavaina, fa ataony amin’ny teny hafa. Tsy famerenana teny mitovy fotsiny akory no atao hoe mampianatra. Tsy maintsy mahay manovaova zavatra arakaraka ny zava-miseho ny mpandahateny. Mila manampy fanazavana eo no ho eo angamba izy amin’izany. Raha mianatra manampy ny mpihaino toy izany ianao, dia tena hanatsara ny fahaizanao mampianatra.

FANAZARAN-TENA: 1) Eo am-pamaranan-dresaka amin’olona vao hitanao eny am-pitoriana, dia avereno lazaina ny hevi-dehibe iray tianao ho tadidin’ilay olona. 2) Eo am-pamaranan-dresaka amin’ny fiverenana mitsidika, dia avereno lazaina indray ny hevi-dehibe iray na roa mba ho tadidin’ilay olona liana.

FAHAIZA-MAMELABELATRA NY FOTO-KEVITRA 36



Inona no ilainao hatao? Misarika ny saina ho amin’ny foto-kevitrao, ary manazava azy io amin’ny fomba samihafa mandritra ny lahateninao.

FANTATRY ny mpandahateny za-draharaha fa tena ilaina ny manana fotokevitra. Manampy azy izy io, mandritra ny fanomanana, mba hifantoka amin’ny hevitra iray efa voafaritra tsara, sy handalina azy io bebe kokoa. Noho izany, dia tsy hilaza zavatra be dia be amin’ny ankapobeny izy, fa hanome fanazavana mahasoa kokoa ho an’ny mpihaino. Ho tadidin’ ny mpihaino kokoa ireo hevi-dehibe rehefa tena mifandray amin’ny foto-kevitra sy manazava azy. Ho takatr’izy ireo koa NAHOANA IZANY ny hasarobidin’ireny hevitra ireny. NO TENA ILAINA? Azo lazaina hoe loha hevitra horesahina ny foto-kevitra. HaMampirindra tsara ny famelanatsara ny fanazavanao anefa ny fampiasanao ny foto-kevitra belaranao izany, no sady maho toy ny fomba itondrana ny famelabelarana. Ohatra, samy nampy ny mpihaino hahazo loha hevitra ankapobe avokoa ny hoe: Fanjakan’Andriamanitsara sy hitadidy izay lazainao. tra, Baiboly, fitsanganana amin’ny maty. Misy foto-kevitra samihafa azo amelabelarana ireo loha hevitra ireo. Ireto misy ohatra sasany: “Fitondram-panjakana Tena Misy ny Fanjakan’Andriamanitra”, “Hanova ny Tany ho Paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra”, “Avy Amin’ny Tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly”, “Tari-dalana Mandaitra Amin’ny Androntsika ny Baiboly”, “Fanantenana ho An’ireo Nidonam-pahoriana ny Fitsanganana Amin’ny Maty”, “Manampy Antsika Tsy Hivadika ao Anatin’ny Fanenjehana ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty.” Tena samy hafa be ny fomba hitondrana ny famelabelarana ireo foto-kevitra ireo. Foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly ny Fanjakan’Andriamanitra. Mifanaraka amin’io ny fitorian’i Jesosy Kristy teto an-tany, satria nasongadiny ilay foto-kevitra hoe: “Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17) Ahoana no namelabelarana an’io foto-kevitra io? Resahina maherin’ny im-110 io Fanjakana io ao amin’ireo Filazantsara efatra. Tsy namerimberina fotsiny ilay teny hoe “fanjakana” anefa i Jesosy. Noporofoiny tamin’ny fampianarany sy ny fahagagana nataony fa izy, izay hitan’ny olona teo, no ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Mesia, ilay homen’i Jehovah ny Fanjakany. Nasehon’i Jesosy koa fa noho izy no ahafahan’ny hafa hanjaka ao amin’io Fanjakana io. Nampahafantariny ny toetra tsy maintsy ananan’ireo homena izany tombontsoa izany. Tamin’ny 209

210

Fahaiza-mamelabelatra ny Foto-kevitra

fampianarany sy ny fahagagana nataony, dia nasehony mazava tsara ny fiovana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona. Nasehony koa fa ny namoahany demonia tamin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra dia porofo fa ‘efa tonga teo amin’ny mpihaino azy tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 11:20) Io Fanjakana io no nasain’i Jesosy notorin’ny mpanara-dia azy.—Matio 10:7; 24:14. Fampiasana foto-kevitra mety tsara. Tsy asaina mamelabelatra fotokevitra iray amin’ny fomba feno toy ny ao amin’ny Baiboly akory ianao, nefa tena ilainao ihany ny manana foto-kevitra mety tsara. Raha avela hifidy ny foto-kevitrao ianao, dia diniho aloha ny zava-kendren’ny famelabelaranao. Fidio avy eo ireo hevi-dehibe hiorenan’ny drafitrao, ary jereo tsara raha tena manohana ilay NY FOMBA foto-kevitra nofidinao izy ireo. HANAOVANA AZY Raha omena foto-kevitra kosa ianao, dia fakafakao tsara ny Mifidy hevi-dehibe sy fanazateny ao aminy mba hahitanao ny fomba hitondranao ilay favana fanampiny izay tena mamelabelarana. Mila mandany fotoana angamba ianao vao hamelabelatra ny foto-kevitrao, hazo tsara ny antony ilana io foto-kevitra io sy izay mety ho rehefa manomana anjara na vokany. Raha ianao ihany anefa no asaina mitady ireo hevilahateny. tra hamelabelarana ilay foto-kevitra, dia mahaiza mifantina Rehefa manao famerenana, mba hisongadina tsara foana ilay foto-kevitra. Na dia efa omedia eritrereto hoe aiza ho aiza na aza ireo hevitra hovelabelarinao, dia mbola ilainao hofaianao no hanamafy ilay fotokevitra ary amin’ny fomba kafakaina ihany ny fomba hampiasana azy hifanaraka amin’ ahoana. Mariho eo amin’ny ilay foto-kevitra. Ilainao hodinihina koa ny antony ilan’ny drafitrao mihitsy aza ny toerampihaino ireo hevitra ireo sy izay tokony ho zava-kendren’ny na hanaovanao izany. famelabelaranao. Hanampy anao hahita izay tokony hohaAvereno tsindraindray, mamafisina mandritra ilay anjara na lahateny, izany. ndritra ilay anjara na lahateNy fomba hanamafisana ny foto-kevitra. Manomboka eo ny, ireo teny na hevitra fototra amin’ilay foto-kevitra. amin’ny fifidianana sy ny fandaminana ireo hevitra izany. Raha hevitra manohana ilay foto-kevitrao ihany no fidinao, ary arahinao ireo toromarika momba ny fanomanana drafitra tsara, dia handeha ho azy ny fanamafisana ilay foto-kevitra. Azo anamafisana foto-kevitra koa ny famerimberenana. Andeha hampitahaintsika amin’ny hiram-pitiavana ny famerimberenana. Ny fitiavany ny malalany no foto-kevitra vetsovetsoin’ilay mpihira ao anatin’ny hirany manontolo. Mety haverimberiny amin’ny fomba samihafa anefa izany. Mety hampiasa teny iray tarika amin’ny “fitiavana” izy, na teny mitovy hevitra amin’izany, na hain-teny, na fanoharana hafa. Mihodinkodina eo amin’ny foto-kevitra iray foana, dia ny fitiavany ny malalany, anefa ilay hira. Miverimberina ao anatin’ilay tonon-kira manontolo ny resaka fitiavana. Tokony ho toy izany koa ny foto-kevitry ny lahateny. Ilai-

Fahaiza-mamelabelatra ny Foto-kevitra

211

na haverimberina ao anatin’ny lahateninao ny teny fototra mifandray amin’ilay foto-kevitrao. Afaka mampiasa teny mitovy hevitra aminy ianao, na manova mihitsy ny fomba filazanao ilay foto-kevitra. Amin’ izay dia ho voarain’ny mpihaino tsara ny hevi-dehibe tianao hampitaina. Azo ampiharina eny amin’ny fanompoana koa ireo toromarika ireo. Ho mora tadidy kokoa ny resaka fohy, raha misy foto-kevitra misongadina. Hotsaroan’ny mpianatra Baiboly haingana kokoa ny fianarana, raha nohamafisina ny foto-kevitra. Hanatsara ny fahaizanao mandaha-teny sy mampianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao, rehefa miezaka hifidy sy hamelabelatra foto-kevitra mety tsara.

FANAZARAN-TENA: Alohan’ny hitoriana, dia mifidiana foto-kevitra iray mifanaraka amin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! farany. Resaho ao amin’ny teny fampidirana ilay foto-kevitra mba hahaliana ny olona, ary velabelaro amin’ny alalan’ny hevitra iray na roa mandritra ny resaka ataonao; asongadino ao amin’ny teny famarananao ny antony ilana azy.

FOTO-KEVITRA IRAY TENA LEHIBE AO AMIN’NY BAIBOLY Mba hahazoana tsara ny fampiasana foto-kevitra, dia tsara hodinihina ny fomba nampidiran’ i Jehovah Andriamanitra foto-kevitra iray tena lehibe tao amin’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly, tamin’ny alalan’ny mpanoratra olombelona. Izany dia ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra ny olombelona sy ny fahatanterahan’ny fikasany amin’ny alalan’ny Fanjakany. Dieny eo amin’ireo toko voalohany amin’ny Genesisy dia efa manomboka io foto-kevitra io. Avy eo dia ahitana lafiny samihafa amin’izy io manerana ny Baiboly. Averimberina foana ny anaran’Andriamanitra, mihoatra ny im-7 000. Hita miharihary ao amin’ny fitantarana momba ny famoronana, ny zon’i Jehovah hitondra. Tantaraina ny nandavana ny fitondrany, sy ny vokatra mahatsiravin’ny tsy fankatoavana. Hita eo

amin’ny fifandraisan’i Jehovah amin’ny zavaboariny ny fitiavany tsy manam-paharoa, ny fahendreny, ny fitiavany ny rariny ary ny heriny fara tampony. Asehon’ny ohatra maro be ny soa entin’ny fankatoavana an’Andriamanitra sy ny loza ateraky ny tsy fankatoavana. Hazavaina sy aseho mazava ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hanesorana ny fahotana sy ny fahafatesana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Hazavaina amin’ ny tsipiriany ilay fitondram-panjakana any andanitra izay handringana ny ratsy fanahy, na anjely na olombelona, ka tsy manaiky ny zon’i Jehovah hitondra ny zavaboariny. Voazava tsara fa hotanterahin’ilay Fanjakana ny fikasan’i Jehovah hanova ny tany ho paradisa feno olona tia an’ilay hany Andriamanitra marina sady manompo azy, ary mifankatia.

37 FANASONGADINANA IREO HEVI-DEHIBE



Inona no ilainao hatao? Manao izay hahatonga ny hevi-dehibe hiavaka rehefa mandamina ireo hevitra hohazavaina sy rehefa mamelabelatra azy eny amin’ny lampihazo. INONA avy ireo hevi-dehibe amin’ny lahateny iray? Tsy hevitra mahaliana lalovana kely fotsiny akory no atao hoe hevi-dehibe, fa hevitra tena lehibe, ka velabelarina sy hazavaina tsara. Ireo no hevitra tena ilainao mba hahatratrarana ny zava-kendrenao. Ny fahaizanao mifidy sy mandamina ireo hevitra hohazavainao no tena hanampy anao hanasongadina ireo hevi-deNAHOANA IZANY hibe. Matetika ny fanazavana azo avy amin’ny fikarohana no NO TENA ILAINA? betsaka kokoa noho izay tena hampiasaina. Ahoana no haManampy ny mpihaino hafantaranao izay tena hampiasainao? hitadidy izany, ka mahatonga azy hisaintsaina Voalohany aloha, dia eritrereto ny mpihaino. Fantany tsasy hampihatra ilay hevitra. ra ve ilay foto-kevitra, sa tsia? Eken’ny ankamaroany ve izay lazain’ny Baiboly, sa misy somary misalasala? Inona no zavatsarotra tsy maintsy atrehiny eo amin’ny fiainany andavanandro, raha ampihariny izay lazain’ny Baiboly momba ilay loha hevitrao? Faharoa: Ataovy mazava tsara ao an-tsainao ny zava-kendren’ilay lahateninao amin’ireo mpihaino ireo. Ampiasao ireo fitsipika roa ireo mba hamakafakana ireo fanazavana azonao tamin’ny fikarohana, ka izay tena mety ihany no raiso. Raha nomena drafitra iray misy foto-kevitra sy hevi-dehibe ianao, dia tokony hanaraka izany akaiky. Tena hihatsara anefa ny lahateninao raha arahinao ireo fitsipika roa etsy ambony, rehefa mamelabelatra ny hevidehibe tsirairay. Anjaranao kosa ny mifidy ireo hevi-dehibe, raha tsy omena drafitra ianao. Ho mora kokoa ny manao ilay lahateny rehefa mazava tsara ao an-tsainao ireo hevi-dehibe, ka nalahatrao tsara eo ambaniny ireo hevitra fanampiny manazava azy ireo. Ho azon’ny mpihaino tsara koa ilay lahateny amin’izay. Fomba samihafa handaminana ireo hevitra hohazavainao. Misy fomba samihafa azo arahina, rehefa mandamina ireo hevitra ao amin’ny lahateninao. Fantaro tsara ireny fomba ireny, ary ho hitanao fa maro aminy no mandaitra, arakaraka ny zava-kendrenao. 212

Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe

213

Fomba iray azo ampiasaina matetika, ny filaharana araka ny foto-kevitra. (Ilaina ny hevi-dehibe tsirairay, satria manampy ny mpihaino hahazo tsara ilay loha hevitrao, na manampy anao hahatratra ny zava-kendren’ilay lahateny.) Fomba iray hafa ny filaharan-javatra arakaraka ny fotoana nisehoany. (Ohatra, azo resahina aloha ireo zava-nitranga talohan’ny Safodrano, izay vao ireo talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., ary avy eo ireo fisehoan-javatra amin’ny androntsika.) Fomba fahatelo ny filazana ny antony aloha, vao ny vokany. (Azo ampifamadihina koa ilay izy, izany hoe ny vokaNY FOMBA ny aloha no resahina, vao ny antony nahatonga azy.) Fomba HANAOVANA AZY fahefatra ny fampitahana zavatra mifanohitra. (Ny tsara sy Alohan’ny hifidianana ireo ny ratsy, na ny mampandroso sy ny tsy mampandroso, ohahevi-dehibe, dia diniho izay tra.) Mety ho hita ao amin’ny lahateny iray indraindray ny efa fantatry ny mpihaino momba ilay foto-kevitra ary maromaro amin’ireo fomba ireo. fidio izay ho zava-kendrenao. Fony nampangaina lainga teo anoloan’ny Synedriona jioAlamino araka izany ireo sy i Stefana, dia nanao toriteny nafonja, izay nitanisa zavatra fanazavanao. arakaraka ny nisehoany. Vakio ilay izy ao amin’ny Asan’ny Asehoy mazava tsara ny Apostoly 7:2-53, ka mariho fa efa maty paika ireo hevitra noifandraisan’ireo porofo sy fidin’i Stefana. Nasehony mazava tsara aloha fa zavatra tsy andinin-teny ary fanazavana azon’ny mpihaino lavina no hotantarainy. Nolazainy avy eo hafa amin’ilay hevi-dehibe tokony hohamafisiny. fa nolavin’ny rahalahiny i Josefa, nefa nampiasain’Andriamanitra mba hitondra famonjena. Nohazavainy manaraka Izao no fisarihana ny saina ho amin’ny hevi-dehibe izany, fa tsy nankatoavin’ny Jiosy koa i Mosesy, izay natsirairay: Tanisao izy ireo, na mpiasain’Andriamanitra. Ary nasongadiny tamin’ny farany ` tonony tsirairay, alohan’ny fa naneho toe-tsaina toy ny an’ny Jiosy fahiny ireo nampahanazavana azy, na avereno mono an’i Jesosy Kristy. lazaina rehefa avy Aza atao maro loatra ny hevi-dehibe. Vitsivitsy ihany dia novelabelarinao. ` efa ampy mba hamelabelarana foto-kevitra iray. Mazana tsy mihoatra ny dimy ny hevi-dehibe. Marina izany, na 5 na 10 na 30 minitra, na mihoatra, ny halavan’ny anjaranao na ny lahateninao. Aza mitady hanasongadina hevi-dehibe maro loatra. Hevi-dehibe vitsivitsy monja no ho araky ny mpihaino, ao amin’ny lahateny iray. Ary arakaraka ny halavan’ny lahateny iray, no tsy maintsy hanamafisana sy hanazavana kokoa ireo hevi-dehibe. Na firy na firy ireo hevi-dehibe ampiasainao, dia velabelaro tsara ny tsirairay aminy. Omeo fotoana ampy tsara ny mpihaino mba handinihany ny hevi-dehibe tsirairay, ka hiraiketan’izany tsara ao an-tsainy. Tokony ho tsotra ny fandrenesan’ny mpihaino ny anjaranao na ny lahateninao. Tsy miankina foana amin’ny habetsahan’ireo hevitra hazavainao anefa izany. Ho mora arahina sy tadidina ny lahateninao, raha

214

Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe

voalamina mazava tsara eo ambanin’ny hevi-dehibe vitsivitsy ireo fanazavana fanampiny, ary velabelarinao tsirairay ireo hevi-dehibe. Asongadino ireo hevi-dehibe. Raha voalamina tsara ny fanazavanao, dia tsy ho sarotra ny hanamafy ireo hevi-dehibe, rehefa manao ilay anjara na lahateny ianao. Izao no fomba lehibe indrindra fampisongadinana hevi-dehibe: Manomeza porofo sy andinin-teny ary fanazavana hafa izay hampifantoka ny saina ho amin’ilay hevi-dehibe sy hanamafy kokoa azy io. Tokony hanazava kokoa na hanamarina ilay hevi-dehibe ny hevitra fanampiny rehetra toy izany. Aza manampy hevitra tsy misy ifandraisana amin’ilay hevidehibe, satria fotsiny hoe mahaliana ilay izy. Asehoy mazava tsara ny ifandraisan’ireo hevitra fanampiny amin’ilay hevi-dehibe tokony hohamafisiny. Aza avela haminavina izany samirery ny mpihaino. Azo aseho toy izao izany fifandraisana izany: Averina indray ireo teny fototra milaza ilay hevi-dehibe, na averina tsindraindray ny votoatin’ilay hevi-dehibe. Misy mpandahateny mitanisa ireo hevi-dehibe mba hampisongadinana azy. Tsara izany, saingy izany akory tsy mahasolo ny fifidianana tsara ny hevitra sy ny famelabelarana azy mirindra tsara. Azonao lazaina fotsiny dieny eo am-piandohana ilay hevi-dehibe, alohan’ny hanomezana ilay fanaporofoan-kevitra. Hanampy ny mpihaino hahatakatra tsara ilay fanazavana homenao izany, no sady hampisongadina io hevi-dehibe io. Azonao hamafisina koa ilay hevitra raha fintininao rehefa avy novelabelarinao tsara. Eny am-pitoriana. Azo ampiharina amin’ny resaka ataonao eny amin’ ny fanompoana koa ireo toromarika ireo. Rehefa manao fanomanana ianao, dia eritrereto izay mampanahy indrindra ny olona eo an-toerana. Mifidiana foto-kevitra iray mampiseho fa handamina izany ny fanantenana omen’ny Baiboly. Mifidiana hevi-dehibe roa eo ho eo mba hamelabelarana io foto-kevitra io. Fidio ireo andinin-teny hampiasainao mba hanamafisana ireo hevitra ireo. Eritrereto avy eo, ny fomba hanombohanao ny resakao. Ahafahanao manovaova resaka ny fanomanana toy izany. Hanampy anao hilaza zavatra izay ho tadidin’ny tompon-trano koa izany.

FANAZARAN-TENA: Jereo ny lahatsoratra hianarana amin’ity herinandro ity ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Jereo ireo lohatenikely amin’ny sora-matevina sy ireo fanontaniana famerenana, ka ezaho fantarina ireo hevi-dehibe ao amin’ilay lahatsoratra. Tsara raha manao izany isan-kerinandro ianao.

FAMPIDIRAN-DRESAKA MAHALIANA 38



Inona no ilainao hatao? Manombo-dresaka amin’ny filazana zavatra izay sady mety tsara amin’ny foto-kevitrao, no misarika ny sain’ny mpihaino sy manampy anao hahatratra ny zava-kendrenao. TAPANY tena lehibe amin’ny anjara sy lahateny rehetra ny fampidiran-dresaka. Raha ataonao izay hahatonga ny mpihaino ho liana, dia ho vonona kokoa izy hanongilan-tsofina amin’izay holazainao manaraka. Mety ho tsy afa-manohy resaka ianao eny amin’ny fanompoana, raha tsy ataonao mahaliana ny olona ny fampidiran-dresakao. Rehefa manana anjara na lahateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana ianao, ka tsy ataonao izay hahatonga ny mpihaino ho liaNAHOANA IZANY na, dia mety tsy hivoaka ny trano ara-bakiteny izy ireo, fa NO TENA ILAINA? mety hanomboka hieritreritra zavatra hafa kosa. Mety hiankina amin’ny fampidiran-dresakao ny Tadidio ireto zava-kendrena ireto rehefa manomana fahihainoan’ny olona anao na mpidiran-dresaka: 1) hisarika ny sain’ny mpihaino, sy tsia. 2) hilaza mazava tsara ny foto-kevitrao, ary 3) hampiseho ny antony ilan’ny mpihaino azy io. Mety ho vita indray miaraka ireo telo ireo indraindray. Azo sarahina koa anefa izy ireo indraindray, ary tsy voatery harahina io filaharana io. Ny fomba hisarihana ny sain’ny mpihaino. Ny fahatongavan’ny olona mba handre lahateny akory tsy midika fa vonona hanongilantsofina amin’ilay foto-kevitra izy. Nahoana? Be dia be ny zavatra mitana ny sainy. Mety hampiady saina azy ny zava-manahirana iray any an-trano, na ny tebiteby hafa eo amin’ny fiainana. Tsy maintsy hai` nao mpandahateny ary ny misarika sy mihazona ny sain’ny mpihaino. Misy fomba maromaro azonao anaovana izany. Anisan’ny lahateny malaza indrindra ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Ahoana no fanombohany? Hoy i Jesosy, araka ny fitantaran’i Lioka: “Sambatra hianareo malahelo, ... sambatra hianareo noana ankehitriny, ... sambatra hianareo mitomany ankehitriny, ... sambatra hianareo, raha halan’ny olona.” (Lioka 6:20-22) Nahoana izany no nahatonga ny olona ho liana? Nasehon’i Jesosy tamin’ny teny vitsivitsy monja fa fantany ny sasany tamin’ireo olana lehibe natrehin’ny mpihaino azy. Tsy lava resaka momba izany anefa izy avy eo, 215

216

Fampidiran-dresaka Mahaliana

fa nasehony kosa hoe mbola afaka ny ho sambatra ny olona toy izany. Nataony izay hahatonga ny mpihaino haniry hihaino misimisy kokoa. Azo isarihana ny sain’ny olona ny fanontaniana, nefa tsy maintsy mifanentana tsara izany. Vetivety dia tsy ho liana intsony ny mpihaino raha asehon’ny fanontanianao fa zavatra efa reny no horesahinao. Aza manao fanontaniana mahatonga ny mpihaino ho sanganehana na ho menatra. Lanjalanjao kosa ny teny ilazanao fanontaniana mba hahatonga ny mpihaino hieritreritra. Miatoa kely aorian’ny fanontaniana tsirairay, mba hahafahan’ny mpihaino hamaly azy ao an-tsainy. Rehefa tsapany fa mifampiresaka aminy ao NY FOMBA an-tsainy ianao, dia tena mihaino tsara izy izay. HANAOVANA AZY Fomba tsara hafa isarihana ny sain’ny olona koa ny fitaHevero ireo hihaino anao: ntarana zavatra tena nisy. Tsy hety anefa ny filazana tantany toe-javatra misy azy, ny ra fotsiny raha mahasanganehana olona iray manatrika eo zavatra mampanahy azy, ny toe-tsainy, sy izay efa fantany ilay izy. Ho very maina koa ny fiezahanao, raha ilay tantara momba ilay foto-kevitra. no tadidy fa tsy ilay lesona azo avy aminy. Raha fitantaraFantaro hoe inona ao na zavatra tena nisy no ataonao fampidiran-dresaka, dia toamin’ilay foto-kevitrao no kony ho izy io no iorenan’ny hevi-dehibe sasany mampiahahaliana azy manokana vaka ilay famelabelaranao. Mety hisy tsipiriany ilaina mba sy ilainy. hahavelombelona ilay fitantarana, nefa tandremo sao lasa lava loatra ilay izy. Misy mpandahateny manomboka amin’ny filazana ny vaovao re farany, na amin’ny fakana teny tao amin’ny gazety na fanambarana nataon’ny manam-pahefana to teny. Mandaitra koa izany, raha tena mifanentana amin’ny foto-kevitra sy ny mpihaino. ` Teny fohy sy mivantana mazana no fampidiran-dresaka tsara indrindra ho an’ny fitohitohizan-dahateny, na ny anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Raha manao lahateny ho an’ny besinimaro kosa ianao, dia araho akaiky ny fotoana voafaritra ho an’ny teny fampidirana. Mandritra ny famelabelarana ilay lahateny no ahazoan’ny mpihaino ny fanazavana tena ilainy. Mety handaha-teny eo anoloan’ny olona be fisalasalana na manohitra mihitsy aza ianao indraindray. Ahoana no azonao isarihana ny sainy mba hihainoany anao? Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, nolazaina fa “feno ny Fanahy sy fahendrena” i Stefana. Nentina an-tery teo anoloan’ny Synedriona jiosy izy, ka nanao lahateny mazava sy mampiaiky ho fiarovana ny Kristianisma. Ahoana no nanombohany azy? Tamim-panajana sy tamin’ny filazana zavatra niombonany

Fampidiran-dresaka Mahaliana

tamin’ny mpihaino azy. “Mihainoa, ry rahalahy sy hianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’i Abrahama razantsika.” (Asa. 6:3; 7:2) Hafa tanteraka kosa ny mpihaino ny apostoly Paoly teo amin’ny Areopago tany Atena, koa nampifanarahiny tamin’izany ny teny fampidirany hoe: “Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra hianareo.” (Asa. 17:22) Samy nandaitra ireo fampidiran-dresaka roa ireo, ka samy nahatonga ny mpihaino haniry hihaino misimisy kokoa. Mila misarika ny sain’ny olona koa ianao eny amin’ny fanompoana. Mety ho sahirana manao zavatra hafa ny tompon-trano, raha tonga amin’ny fotoana tsy nampoiziny ianao. Any amin’ny tany sasany, dia tsy maintsy milaza haingana ny anton-diany ny mpitsidika tsy nampoizina. Any amin’ny tany hafa kosa, dia misy fombafomba tsy maintsy arahina aloha, vao afaka milaza ny anton-dia.—Lioka 10:5. Na ahoana na ahoana anefa, dia tokony ho sariaka sy ho feno fahatsoram-po foana ianao, satria mahatonga ny olona hiresaka izany. Matetika no tsara ny hanombohana amin-javatra mifandray mivantana amin’izay ao an-tsain’ilay olona. Ahoana no hamantaranao izay holazaina? Teo am-panaovan-javatra ve ilay olona fony ianao nanatona azy? Angamba izy namboly, nanadio ny tokotaniny, nanamboatra aotomobilina na bisikileta, nahandro sakafo, nanasa lamba, na nikarakara ny zanany. Teo am-pamakiana gazety ve izy, na teo am-pijerena zavatra nitranga teny amin’ny arabe? Hitanao avy amin’ny zavatra manodidina azy ve izay mahaliana azy manokana: fanjonoana, fanatanjahan-tena, mozika, fitsangantsanganana, ordinatera, na zavatra hafa? Matetika ny olona no liana amin’izay reny tamin’ny radio na hitany tamin’ny televiziona. Mety ho afaka hifampiresaka amin-katsaram-panahy aminy ianao, raha manontany na manao teny kely momba ny iray amin’ireo zavatra ireo. Ohatra faran’izay tsara ny amin’ny fomba anombohan-dresaka mba hitoriana, ilay resaka nataon’i Jesosy tamin’ilay vehivavy samaritanina teo am-pantsakana tany Sykara.—Jaona 4:5-26. Mila manomana tsara ny fampidiran-dresakao ianao, indrindra raha mitory eo amin’ny faritany voasa matetika. Raha tsy izany, dia mety ho tsy afaka hanao fanambarana ianao. ` Lazao ny foto-kevitrao. Mazana ny mpitari-draharaha na ilay rahalahy talohanao no milaza ny lohatenin’ny lahateninao sy mampiditra anao, rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana. Na izany aza, dia tsara

217

218

Fampidiran-dresaka Mahaliana

averina ao amin’ny teny fampidiranao ihany ilay foto-kevitrao. Azo tononina ara-bakiteny ilay izy, nefa tsy voatery ho toy izany foana. Na ahoana na ahoana, dia tokony hihamazava ihany ilay foto-kevitra rehefa mandeha ilay lahateny. Tokony hampifantoka ny saina ho amin’ ny foto-kevitrao ny fampidiran-dresakao. Nilaza mazava tsara ny hafatra tokony hampitain’ny mpianany i Jesosy, fony naniraka azy ireo hitory. “Raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 10:7) Hoy izy momba ny androntsika: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity.” (Matio 24:14) Ampirisihina isika mba hitory ny teny, izany hoe, izay lazain’ny Baiboly. (2 Tim. 4:2) Alohan’ny hanokafana ny Baiboly na hiresahana momba ilay Fanjakana anefa, dia matetika no ilaina ny manonona zavatra iray mampanahy ny olona. Azonao tononina, ohatra, ny asan-jiolahy, na ny tsy fisian’ny asa, ny tsy rariny, ny ady, ny fomba hanampiana ny tanora, ny aretina, na ny fahafatesana. Aza mifantoka ela be amin’ny zavatra tsy mahafinaritra anefa; hafatra mampahery no entinao. Ataovy izay isarihana ny resaka ho amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanantenana omen’ilay Fanjakana. Asehoy ny antony ilan’ny mpihaino ilay foto-kevitra. Raha handaha-teny any amin’ny Efitrano Fanjakana ianao, dia mahazo matoky fa ho liana amin’izay holazainao ny ankabeazan’ny mpihaino. Moa ve anefa izy ireo hihaino toy ny olona iray miana-javatra tena mahakasika azy mivantana? Moa ve izy ireo hanongilan-tsofina, satria takany fa mifanentana amin’ny toe-javatra misy azy ilay zavatra reny, ary entaninao izy mba hanao zavatra momba izany? “Eny” no ho valin’ izany, raha teo am-panomanana lahateny ianao no efa nihevitra tsara ny mpihaino—ny toe-javatra misy azy, ny zavatra mampanahy azy, ny toe-tsainy. Aoka ho hita ao amin’ny fampidiran-dresakao izany, raha nataonao. Ataovy mahakasika ny mpihaino anao ny foto-kevitrao, na mandaha-teny ianao, na mitory amin’olona, satria izany anisan’ny fomba tsara indrindra hahaliana azy. Asehoy fa mifandray amin’ilay foto-kevitra horesahinao ny zava-manahirana azy, ny zavatra ilainy, na ny fanontaniana mampanahy azy. Vao mainka hanongilan-tsofina izy raha asehonao mazava tsara fa tsy resaka ankapobe fotsiny no hataonao, fa mahakasika lafiny voafaritra tsara iray. Tsy maintsy manomana tsa` ra ary ianao.

Fampidiran-dresaka Mahaliana

Ny fomba hilazana azy. Tena zava-dehibe izay lazainao ao amin’ny fampidiran-dresaka, kanefa afaka misarika ny saina koa ny fomba ila` zanao azy. Tsy izay holazainao ihany ary no omano, fa ny fomba hilazanao azy koa. Tena mahatonga ny mpihaino ho liana ny teny voafidy tsara, koa ` omano tsara ary ireo fehezanteny roa na telo voalohany holazainao. ` Fehezanteny fohy sy tsotra mazana no tsara indrindra. Soraty eo amin’ ny taratasinao izy ireo, na ianaro tsianjery, raha tianao hanan-kery ireo teny voalohany amin’ny lahateny hataonao ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Lazao miadana sy tsy maimaika ny fampidiran-dresakao, mba ho tony tsara ianao manohy ilay lahateny. Ny fotoana hanomanana azy. Tsy mitovy ny hevitry ny olona momba an’io. Misy mpandahateny za-draharaha mino fa ny fampidirandresaka no tokony homanina voalohany. Misy kosa mihevitra fa rehefa voaomana ny votoatin’ny lahateny vao tokony homanina ny fampidiran-dresaka. Mazava ho azy fa tsy maintsy fantatrao aloha ny foto-kevitrao sy ireo hevi-dehibe kasainao hovelabelarina, vao afaka mitady izay holazaina amin’ny fampidiran-dresakao ianao. Ahoana anefa raha drafitra efa vita pirinty no anomananao ny lahateninao? Rehefa avy namaky ilay drafitra ianao, ka mahita fampidiran-dresaka sahady, dia tsy misy maha ratsy ny hanoratana azy avy hatrany. Tadidio koa fa tsy maintsy mihevitra ny mpihaino sy ilay fanazavana hatolotrao ianao, raha tianao hahaliana ny mpihaino ny fampidiran-dresakao.

FANAZARAN-TENA: ` 1) Alohan’ny hitoriana isan-trano, dia manomana fampidiran-dresaka iray mifandray amin’ilay hafatra hoentinao sy amin’ny zava-nitranga vao haingana teo amin’ny faritaninao. 2) Jereo ny fehintsoratra voalohany ao amin’ny lahatsoratra dimy na enina ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mariho hoe nahoana ny tsirairay aminy no mahaliana ny olona.

219

39 FAMARANAN-TENY MANDAITRA



Inona no ilainao hatao? Milaza zavatra manosika ny mpihaino hampihatra izay reny, ao amin’ireo fehezanteninao farany. METY ho nanao fikarohana tamim-pitandremana sy nandamina tsara ireo fanazavanao ianao. Mety ho nanomana fampidiran-dresaka mahaliana koa ianao. Mbola misy zavatra iray hafa ilaina anefa: famarananteny mandaitra. Aza hamaivanina izy io. Matetika izay lazainao farany no tena tadidin’ny olona. Raha tsy mety ny famaranan-teny, dia angamba ho very maina ny ankabeazan’izay nolazaina teo aloha. Diniho izao manaraka izao: Nanao lahateny tsy hay hadinoina tamin’ireo anti-panahin’ny firenen’ny Isiraely i Josoa, NAHOANA IZANY rehefa nadiva ho faty. Rehefa avy nitantara indray ny fifaNO TENA ILAINA? ndraisan’i Jehovah tamin’ny Isiraely hatramin’ny andron’i Matetika izay lazaina ao Abrahama i Josoa, moa ve izy namintina fotsiny ireo zava-niamin’ny famaranan-teny no tena tadidin’ny olona. Izy io songadina? Tsia. Nananatra an’ilay vahoaka tamim-pihetseno mahatonga ilay lahateny ham-po lalina kosa izy hoe: “Matahora an’i Jehovah, ka manontolo handaitra na tsia. manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana.” Vakio ao amin’ny Josoa 24:14, 15 izany famaranan-tenin’ i Josoa izany. Lahateny hafa niavaka koa ny nataon’ny apostoly Petera tamin’ny vahoaka tafangona tao Jerosalema, tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:14-36 izy io. Nohazavainy aloha fa fahatanterahan’ny faminanian’i Joela momba ny hirotsahan’ny fanahin’Andriamanitra no hitan’izy ireo teo. Nasehony avy eo, ny nifandraisan’izany tamin’ireo faminanian’ny Salamo momba ny Mesia, dia ny hitsanganan’i Jesosy Kristy amin’ny maty sy ny hanandratana azy eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. Nambaran’i Petera mazava tsara tao amin’ny famaranan-teniny avy eo ilay raharaha tsy maintsy natrehin’ny rehetra. Hoy izy: “Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.” Hoy ireo nanatrika teo: “Ry rahalahy, inona no hataonay?” Namaly i Petera hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra.” (Asa. 2:37, 38) Tena nanohina ny fon’ny olona tokony ho 3 000 izay reny tamin’io andro io, ka nanaiky ny fahamarinana momba an’i Jesosy Kristy izy ireo. 220

Famaranan-teny Mandaitra

221

Hevitra tokony hotadidina. Tokony hifandray mivantana amin’ny loha hevitry ny lahateninao ny famaranan-teninao. Tokony hamarana amin’ny fomba mirindra ireo hevi-dehibe novelabelarinao izy io. Mety hisy teny tao amin’ny foto-kevitra, tianao hampidirina ao amin’ny famarananteny. Azonao lazaina amin’ny teny hafa izy ireny. ` Ny hampirisika ny hafa hampihatra ilay zavatra hazavainao mazana no kendrenao. Anisan’ny zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny famaranan-teny ny hampiseho amin’ny mpihaino izay tokony NY FOMBA hataony. Fony ianao nifidy ny foto-kevitra sy ireo hevi-dehiHANAOVANA AZY be, moa ve efa nodinihinao tsara ny antony tena ilan’ny mpiAmpifandraiso haino ilay fanazavana sy ny zava-kendrenao amin’izy io? mivantana amin’ireo hevitra Raha eny, dia fantatrao ilay zavatra tianao hataon’izy ireo. efa nohazavainao ny famaranan-teninao. Ilainao hohazavaina hoe inona izany zavatra izany sy hoe ahoana no hanatanterahana azy. Asehoy amin’ny mpihaino izay tokony hataony momba Tsy vitan’ny hoe mampiseho amin’ny mpihaino izay tokoizay reny. ny hataony fotsiny ny famaranan-teny, fa tokony hanosika azy Aoka izay lazainao sy ny hampihatra koa. Tokony hasiana antony marim-pototra hafomba ilazanao azy hanosika naovan-javatra ao, ary angamba koa ny soa aterak’izany. Hany mpihaino hanao zavatra. namafy ny herin’ilay lahateny manontolo ny fehezanteny farany raha voahevitra tsara sy voarafitra tsara. Tadidio fa hifarana ny lahateninao. Tokony ho hita ao amin’ny teninao izany. Tokony hasehon’ny hafainganam-piteninao koa izany. Aza miteny haingana be hatramin’ny farany, dia mijanona tampoka avy eo. Aza ampidinina fotsiny koa anefa ny feonao. Tokony ho mafy tsara ny feonao, fa tsy mafy loatra. Tokony ho re amin’ireo fehezanteninao farany fa hamarana ny teninao ianao. Tokony ho feno fahatsoram-po sy fatokiana ny filazanao azy ireo. Rehefa manao famerenana ny anjara na lahateninao ianao, dia aza hadinoina ny mamerimberina amin’ny feo avo ny famaranan-teninao. Tokony hanao ahoana ny halavan’ny famaranan-teny? Tsy azo faritana ara-bakiteny izany. Tsy tokony hitohy, toa tsy hisy farany, anefa ny famaranan-teny. Ny vokany eo amin’ny mpihaino no azo amaritana raha mety ny halavany na tsia. Ankasitrahana foana ny famaranan-teny tsotra sy mivantana ary mampahery. Handaitra koa ny famaranan-teny somary lava kokoa, izay misy fanoharana fohy, raha efa voalamina tsara mialoha. Ampitahao ny teny fohy mamarana ny boky manontolon’ny Mpitoriteny (ao amin’ny Mpitoriteny 12:13, 14), sy ny teny mamarana ny Toriteny teo An-tendrombohitra izay fohy kokoa (ao amin’ny Matio 7:24-27). Eny amin’ny fanompoana. Eny amin’ny fanompoana no tena ahitanao fa ilaina ny famaranan-teny. Ny fanomanana sy ny fiheverana ny

222

Famaranan-teny Mandaitra

olona amim-pitiavana, no ahavitan-javatra tsara be dia be. Azo ampiharina tsara amin’ny resaka ifanaovana amin’ny olona iray koa ny torohevitra nomena teo aloha. Mety ho fohy kely ny resaka. Mety ho sahirana ilay olona. Mety tsy ha` haritra afa-tsy iray minitra ilay fitsidihana. Raha mety, dia milaza zavatra toy izao: “Hitako fa sahirana ianao, tompoko. Misy hevitra iray mampahery anefa ity, tiako holazaina aminao vetivety, alohan’ny handehananay. Asehon’ny Baiboly fa mikasa hanao zavatra mahatalanjona ny Mpamorona: hanao ny tany ho toerana hiainan’ny olona mandrakizay. Afaka ny hiaina ao amin’izany Paradisa izany isika, tompoko, nefa mila mianatra izay takin’Andriamanitra amintsika.” Na lazao fotsiny fa hiverina amin’ ny fotoana mety kokoa ianao. Mbola misy azo atao ihany raha tapaka tampoka ilay fitsidihana, noho ilay tompon-trano mitratrevatreva, na tsy mahalala fomba mihitsy aza. Tadidio ilay torohevitra ao amin’ny Matio 10:12, 13 sy Romana 12:17, 18. Mety hanova ny fomba fiheviny momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny famalianao amim-pahamoram-panahy. Efa mahavita zavatra tsara izany. Mety hahafa-po koa anefa ny resaka amin’ny tompon-trano. Nahoana raha averina lazaina ilay hevi-dehibe tianao hotadidiny? Lazao koa ny antony tokony hanosika azy hampihatra ilay izy. Raha hitanao fa azo tohizina amin’ny fotoana hafa ilay resaka, dia omeo antony hiandrasana izany amin-kafaliana ilay olona. Mametraha fanontaniana iray, angamba fanontaniana resahina ao amin’ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina na ao amin’ny boky iray fampianarana Baiboly. Tadidio ny tanjonao, dia ilay nambaran’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20. Eo am-pamaranan-dresaka any amin’ny fampianarana Baiboly iray ve ianao? Avereno lazaina ilay foto-kevitra, mba hanampiana ilay mpianatra hitadidy izay noresahinareo. Ampiasao ireo fanontaniana famerenana, mba hitadidiany ireo hevitra fototra, ka ataovy miadana fa tsy maimaika izany. Hanampy ilay mpianatra hahay hampiasa izay nianarany ny fanontaniana azy hoe: Inona no soa azony avy tamin’ilay fianarana? Na hoe: Ahoana no azony anazavana izany amin’ny hafa?—Ohab. 4:7. Tadidio fa mahatonga ilay resaka manontolo handaitra na tsia, ny famaranan-teninao.

FANAZARAN-TENA: ` Manomana famaranan-teny roa ho an’ny fanompoana: 1) izay holazaina rehefa mitratrevatreva ilay tompon-trano, ka tsy misy fotoana firy hiresahana, sy 2) fanontaniana iray horesahina amin’ny fitsidihanao manaraka.

FILAZANA ZAVATRA MARINA 40



Inona no ilainao hatao? Mampita fanazavana mifanaraka tanteraka amin’ny zavamisy. METY hilaza zavatra tsy marina ve ny Kristianina iray? Eny, raha mamerina tsaho fotsiny izy, nefa tsy naka fotoana hanamarinana ilay izy. Na mety hanita-dresaka izy, satria tsy hitany akory hoe diso ny famakiany ilay fanazavana. Raha hitan’ny mpihaino fa mitandrina isika mba hilaza ny marina, na dia amin’ny zavatra madinika aza, dia hatoky izy fa marina koa ireo zava-dehibe kokoa lazaintsika rehefa mitory. Eny amin’ny fanompoana. Maro no matahotra hanomboNAHOANA IZANY ka hitory, satria fantany fa mbola be dia be ny zavatra tsy maiNO TENA ILAINA? ntsy ianarany. Vetivety anefa dia ho hitany fa afaka mitory Ho tsara kokoa ny fiheveran’ tsara izy, na dia mbola voafetra aza ny fahalalany ny fahamany olona anao sy ilay fikambarinana. Inona no hanampy azy amin’izany? Ny fanomanana. nana misy anao ary ilay Andriamanitra tompoinao raha Alohan’ny handehanana hitory, dia fantaro tsara ilay fotomilaza zavatra marina ianao. kevitra tianao horesahina. Eritrereto mialoha ireo fanontaniana mety hapetraky ny olona. Mitadiava valin-teny ara-baiboly mahafa-po. Ho afaka hanome valin-teny marina amin’ny saina tony ianao, amin’izay. Handeha hampianatra Baiboly ve ianao? Jereo tsara indray ilay zavatra hianarana. Fantaro tsara ny hevitr’ireo andinin-teny iorenan’ny valin’ireo fanontaniana ao amin’ilay boky. Ahoana raha manontany zavatra tsy nampoizinao ny tompon-trano iray, na ny mpiara-miasa aminao? Raha tsy azonao antoka ny tena valiny, dia aza maminavina fotsiny. “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly.” (Ohab. 15:28) Mety hanampy anao ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina na ny “Foto-dresaka Ara-baiboly”, raha misy amin’ny fiteninao. Raha tsy nentinao izy ireo, dia lazao fa hanao fikarohana ianao mba hamaliana ny fanontaniany. Tsy hampaninona an’ilay olona ny hiandry ny valin-teny marina, raha tso-po izy. Mety hankasitrahany mihitsy aza ny fanetren-tenanao. Miaraha miasa amin’ny mpitory za-draharaha eny amin’ny fanompoana, mba hianarana ny fahaiza-mampiasa ny Tenin’Andriamanitra araka ny marina. Mariho ireo andinin-teny ampiasainy sy ny fomba anazavany azy. Ekeo amim-panetren-tena izay fanoloran-kevitra na fanitsiana omeny. Nandray soa be dia be avy tamin’ny fanampian’ny hafa ilay mpianatra 223

224

Filazana Zavatra Marina

be zotom-po nantsoina hoe Apolosy. Nolazain’i Lioka ho “nahay nandaha-teny” izy, “nahery tamin’ny Soratra Masina”, “nafana fo”, ary “niteny sy nampianatra marimarina ny amin’i Jesosy.” Mbola tsy feno anefa ny fahalalan’i Apolosy tamin’izay. Rehefa tsikaritr’i Prisila sy i Akoila izany, dia “nandray azy hankao aminy [izy ireo] ka nampianatra azy marimari` na kokoa ny amin’ny lalan’Andriamanitra.”—Asa. 18:24-28. ‘Tano mafy ny teny marina.’ Tokony ho hita amin’ny famelabelarana ataontsika any amin’ny fivoriana, fa manaja ny fiangonana ho “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” isika. (1 Tim. 3:15) Mba hiarovana ny fahamarinana, dia tena ilaina ny hahazoana ny hevitr’ ireo andinin-teny hampiasaintsika ao amin’ny anjarantsika NY FOMBA HANAOVANA AZY na lahatenintsika. Hevero ny teny manodidina ilay andininAza manome valin-teny, raha teny, sy ny antony nanoratana azy. tsy azonao antoka ilay izy. Mety hisy hamerina ny zavatra lazainao any amin’ny fivoAmpioreno amin’ny “mariky riana. Marina fa “tafintohina amin’ny zavatra maro isika ny teny tsy misy kilema” ao rehetra.” (Jak. 3:2) Handray soa anefa ianao raha miezaka haamin’ny Baiboly ny teninao. nana fahazarana izay hanampy anao hilaza zavatra marina. Manaova fikarohana. Rahalahy maro manao anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana no ho tonga anti-panahy any aoriana. “Bebe kokoa” no Hamarino ny fahamarinan’ ireo antontan’isa sy tenin’ antenaina amin’ireo izay anankinana izany andraikitra izany. olona ary zavatra niainan’ (Lioka 12:48) Mety hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny olona, ary aza itarina. Aza anti-panahy iray raha tsy mieritreritra izy ka manome torohemaminavina ireo tsipirianvitra diso, izay hiteraka olana lehibe ho an’ireo anisan’ny fiajavatra tsy tadidinao tsara. ngonana. (Matio 12:36, 37) Koa ny rahalahy iray tendrena ho ` anti-panahy ary dia tsy maintsy fantatra ho “mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina.”—Titosy 1:9. Tandremo ny fanazavanao mba hifanaraka amin’ny “mariky ny teny tsy misy kilema” mampiavaka ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina. (2 Tim. 1:13) Tsy tokony hampahatahotra anao izany. Angamba ianao mbola tsy nahavaky ny Baiboly manontolo. Tohizo ihany ny ezaka ataonao amin’izany. Araho koa ireto hevitra manaraka ireto, rehefa mamakafaka ireo fanazavana kasainao hampiasaina mba hampianarana, ianao. Voalohany aloha, dia manontania tena hoe: ‘Mifanaraka amin’izay efa nianarako tao amin’ny Baiboly ve ity fanazavana ity? Hahatonga ny mpihaino hanatona an’i Jehovah ve izy ity, sa kosa hanindrahindra ny fahendren’izao tontolo izao, ka hampirisika ny olona hanaraka azy io?’ Hoy i Jesosy: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17; Deot. 13:2-6; 1 Kor. 1:19-21) Avy eo, dia ampiasao tsara ireo fitaovana fanaovana fikarohana nomen’ny mpanompo mahatoky sy malina. Hanampy anao izy ireny

Filazana Zavatra Marina

mba hahazo tsara ny hevitry ny andinin-teny sy hahay ny fomba hampiharana azy araka ny tokony ho izy. Ampioreno amin’ny “mariky ny teny tsy misy kilema” ny lahateninao. Miantehera amin’ny fitaovana ampiasain’i Jehovah, rehefa manazava andinin-teny sy manao fampiharana azy io. Ho marina ny zavatra lazainao raha manao izany ianao. Hamarino ny fahamarinan’ny zavatra holazainao. Ny filazam-baovao sy ny tenin’olona ary ny zavatra niainan’olona, dia hanampy anao hanazava sy hanao fampiharana hevitra sasany. Ahoana no hahafantaranao raha tena marina izy ireny? Loharanom-baovao azo itokisana jerena. Hamarino fa ny vaovao farany no azonao. Vetivety dia lany andro ny antontan’isa; toy izany koa ny zava-baovao ara-tsiansa; ary rehefa mitombo ny fahalalan’ny olona momba ny tantara sy ny fiteny fahiny, dia tsy maintsy ovany arakaraka izany ny fanazavany. Mila mitandrina indrindra ianao, rehefa hampiasa vaovao lazain’ny gazety, na radio, na televiziona na ordinatera. Hoy ny Ohabolana 14:15: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Manontania tena hoe: ‘Malaza ho azo itokisana ve io loharanom-baovao io? Azo hamarinina amin’ny fomba hafa ve io vaovao io?’ Raha mampisalasala anao ny zavatra iray, dia aza raisina. Rehefa avy nohamarininao fa azo itokisana ilay loharanom-baovao, dia hevero tsara koa ny fomba hampiasanao ilay vaovao. Ataovy mifanaraka tsara amin’ny fanazavana nakanao azy, ny fampiasanao ireo tenin’olona sy antontan’isa. Na dia te hanamafy hevitra aza ianao, dia tandremo sao miova ho “ny ankamaroan’ny olona” ny hoe “ny olona sasany”, sy manjary hoe “ny olona rehetra” ny hoe “olona maro”, ary lasa hoe “foana” ny hoe “indraindray.” Tsy hatoky anao ho milaza ny marina intsony ny hafa, raha manitatra filazan-javatra na isa ianao. Rehefa marina mandrakariva ny zavatra lazainao, dia ho fantatra ho olona manaja ny fahamarinana ianao. Ho tsara ny fiheveran’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany, noho izany. Mbola zavadehibe kokoa ny fanomezan’izany voninahitra an’i ‘Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana.’—Sal. 31:5.

FANAZARAN-TENA: Mangataha Vavolombelona matotra iray hihaino sy hijery ny fahamarinan’ izay lazainao, rehefa manazava amin’ny fomba fiteninao ireto foto-kevitra ireto ianao: 1) Inona avy ireo toetra mampiavaka an’i Jehovah, ary ahoana no ahafantaranao izany? 2) Nahoana i Jesosy no nanome ny ainy ho sorona, ary inona no soa azontsika avy amin’izany? 3) Inona no nataon’i Jesosy Kristy, hatramin’ny nanaovana azy ho Mpanjaka?

225

41 MORA AZON’NY HAFA



Inona no ilainao hatao? Milaza zavatra mora azon’ny hafa.

AZA mianina amin’ny fampitana fahalalana fotsiny rehefa miteny. Ataovy azon’ny mpihaino ny zavatra lazainao. Hanampy anao hahay hampita hevitra izany, na mandaha-teny ao am-pivoriana ianao na miresaka amin’ny olona tsy Vavolombelona. Misy lafiny maro ny fitenenana mora azo. Resahina ao amin’ny Lesona faha-26 hoe “Famelabelarana Mirindra Tsara”, ny sasany amin’izany. Misy hafa koa hazavaina ao amin’ny LeNAHOANA IZANY sona faha-30 hoe “Fiheverana ny Hafa.” Hiresaka momba NO TENA ILAINA? ny hevitra vitsivitsy hafa isika ato amin’ity lesona ity. Raha mora azo ny fanazaTeny sy fomba fiteny tsotra. Tena manan-kery hampita vanao, dia handray soa bebe kokoa ny mpihaino. hevitra ny teny tsotra sy ny fehezanteny fohy. Ny toritenin’ i Jesosy teo an-tendrombohitra dia ohatra faran’izay tsara ny amin’ny lahateny iray mora azon’ny olona, na iza izy na iza, na aiza na aiza fonenany. Mety ho vaovao amin’izy ireo ny hevitra raketiny. Azon’izy ireo anefa izay nolazain’i Jesosy, satria zavatra mahakasika antsika rehetra no noresahiny, toy ny hoe: ny fomba hahitana fahasambarana, hihavanana tsara amin’ny hafa, handresena ny tebiteby, ary hananana fiainana misy heviny. Nampiasa fiteny fampiasan’ny olona andavanandro koa i Jesosy. (Matio toko 5-7) Marina fa misy fehezanteny samy hafa halava sy samy hafa firafitra be dia be ao amin’ny Baiboly. Tokony ho zava-kendrenao anefa ny hilaza zavatra amin’ny fomba mazava sy mora azo. Ho mora azo kokoa na dia ny foto-kevitra sarotra aza, raha tsotra ny fomba fiteninao. Ahoana ho ahafahana miteny amin’ny fomba tsotra? Aza totofana tsipirian-javatra tsy ilaina ny mpihaino. Alamino ny fanazavanao mba hampahazava tsara ireo hevi-dehibenao. Fidio tsara ireo andinin-teny fototra hampiasainao. Aza maika hanonona andi` nin-teny maro misesy, fa maka kosa fotoana hamakiana sy hanazavana azy ireo. Aza be resaka loatra ka manjary tsy hita ny hevitra tsara. Araho koa ireo toromarika ireo rehefa mitarika fampianarana Baiboly ianao. Aza mitady hanazava ny tsipirian-javatra rehetra. Ampio 226

Mora Azon’ny Hafa

227

ilay mpianatra hahazo tsara ireo hevitra lehibe indrindra. Mbola hianatra momba ireny tsipiriany ireny ihany izy any aoriana, amin’ny fianarany manokana sy any amin’ny fivoriana. Ilaina ny manomana tsara, mba hanomezana fanazavana tsotra. Tsy maintsy mazava tsara aminao aloha ny foto-kevitrao, vao afaka manazava azy amin’ny hafa ianao. Rehefa tena azonao tsara ny zavatra iray, dia afaka milaza ianao hoe nahoana izy io no toy izao, na toy izao. Afaka milaza azy amin’ny fomba fiteninao koa iaNY FOMBA nao. HANAOVANA AZY Hazavao ireo teny tsy fantatra. Ilaina hohazavaina Teny tsotra ampiasaina; aleo indraindray ny hevitry ny teny tsy fantatry ny mpihaino. fehezanteny fohy no anazavana hevi-dehibe. Aza mihevitra azy ireo ho manam-pahalalana be, nefa aza mihevitra azy ho bado koa. Mety hampiasa teny toa Hevi-dehibe vitsivitsy ihany asongadina. hafahafa amin’ny olon-kafa ianao, noho ny fianaranao ny Baiboly. Raha tsy misy fanazavana, dia tsy ho azon’ Hazavao ireo teny tsy fantatry ny mpihaino. ny olona tsy mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jeho` vah fa manondro fitambaran’olona ny hoe ‘sisa voahosoMaka fotoana ka hazavao sy asio fampiharana ireo anditra’, “mpanompo mahatoky sy malina”, “ondry hafa” ary nin-teny. “olona betsaka.” (Rom. 11:5; Matio 24:45; Jaona 10:16; Hevero ny mety ho vokatry Apok. 7:9) Mety tsy hahazo izay tiantsika holazaina amin’ ny ohatra omenao eo ny hoe “mpitory”, “mpisava lalana”, “mpiandraikitra ny amin’ireo iresahanao. faritra” ary “Fahatsiarovana” koa ny olona tsy mahalala ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy koa teny ara-baiboly ampiasain’ny olona tsy Vavolombelona matetika, nefa mety hilaintsika hohazavaina. Amin’ny olona maro, ohatra, ny hoe “Haramagedona” dia milaza fandripahana niokleary. Aminy, ny “Fanjakan’Andriamanitra” dia mety ho zavatra ao am-pon’ ny olona, na ny lanitra, fa tsy fitondram-panjakana. Rehefa manonona ny hoe “fanahy” ianao, ny mety ho tonga ao an-tsain’ny olona dia zavatra ara-panahy ao amin’ny olombelona, izay mbola velona ihany, na dia maty aza ny vatana. Olona an-tapitrisany no nampianarina fa ny “fanahy masina” dia manan-toetra toy ny olona, ary anisan’ny Andriamanitra Telo Izay Iray. Maro no nanda ny fitsipika ara-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly, ka mety hila hampiana mba hahazo izay tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe: “Mandosira ny fijangajangana.”—1 Kor. 6:18. Mety tsy ho azon’ny olona tsy mpamaky Baiboly ny filazanao fotsiny hoe “Hoy i Paoly...” na hoe “Hoy i Jaona...” Mety hisy namany na

228

Mora Azon’ny Hafa

` mpiray tanana aminy manana ireo anarana ireo. Mety hilaina hampiana hoe apostoly kristianina, na mpanoratra Baiboly, ny fanazavanao. Matetika ny olona ankehitriny no mila fanampiana mba hahazo ireo andinin-teny misy refy na fomba amam-panao tamin’ny andro fahiny. Mety tsy hisy dikany firy aminy, ohatra, ny hoe hakiho 300 ny halavan’ny sambofiaran’i Noa, sy hakiho 50 ny sakany ary hakiho 30 ny haavony. (Gen. 6:15) Raha hazavainao amin’ny alalan’ny refy fantatra eo an-toerana anefa izany, dia ho azon’ny mpihaino an-tsaina avy hatrany ny haben’ilay sambofiara. Omeo ny fanazavana ilaina. Mety tsy ho ampy ny fanomezana ny fanazavana marina momba ny teny iray. Narahina fanazavana ny fa` makiana ny Lalana tany Jerosalema, tamin’ny andron’i Ezra. Mba ha` nampiana ny vahoaka hahatakatra ny hevitry ny Lalana, dia sady nanazava ny Levita, no nampihatra azy io tamin’ny toe-javatra nisy ilay ` vahoaka tamin’izay. (Neh. 8:8, 12) Maka fotoana toy izany koa, ka hazavao sy asio fampiharana ireo andinin-teny vakinao. Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty, dia nohazavainy tamin’ny mpianany fa nahatanteraka ny Soratra Masina ny zavatra natrehin’izy ireo. Nohamafisiny koa ny andraikitr’izy ireo mba ho vavolombelona hanambara ireny zavatra ireny. (Lioka 24:4448) Mora azon’ny olona kokoa ny tena hevitr’izay lazainao, rehefa ampianao izy hahita fa tokony hisy vokany eo amin’ny fiainany ilay zavatra ampianarina azy. Ny asan’ny fo. Na dia mazava aza anefa ny fanazavanao, dia mety hiankina amin-javatra hafa koa ny hahazoan’ilay olona azy io na tsia. Rehefa tsy vonon-kandray ny fon’ny olona iray, dia hisakana azy izany tsy hahazo ny hevitr’izay lazaina. (Matio 13:13-15) Fahadalana ny zavatra ara-panahy, amin’ny olona tsy mety mijery afa-tsy ny zavatra ara-nofo. (1 Kor. 2:14) Raha toy izany ny toe-tsain’ilay olona, dia aleo faranana eo fotsiny aloha ilay resaka. Ny zava-tsarotra iainan’ny olona anefa indraindray no mahatonga ny fony tsy hanaiky. Mety hiova izany fo izany amin’ny farany, raha omena fahafahana handre ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly mandritra ny elaela. Rehefa nilazan’i Jesosy ny apostoliny fa hokapohina sy hovonoina ny tenany, dia tsy azon’izy ireo ny tiany holazaina. Nahoana? Satria tsy izany mihitsy no nandrasany na niriny! (Lioka 18:31-34) Azon’ny 11 tamin’ireo apostoly ihany anefa ilay izy tamin’ny farany, ary nasehony izany tamin’ny fanaovana izay nampianarin’i Jesosy azy.

Mora Azon’ny Hafa

Zava-dehibe ny ohatra tsara. Tsy ny tenintsika ihany no manampy ny olona hahazo zavatra, fa ny zavatra ataontsika koa. Maro no milaza fa tsy izay nohazavaina no tadidiny tamin’ny fivoriana voalohany natrehiny tao amin’ny Efitrano Fanjakana, fa ilay fitiavana niharihary tao. Nanampy olona maro hanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa ny hafaliana asehontsika. Nahita ny hatsaram-panahy ifanehoan’ny vahoakan’i Jehovah sy ny fiheverany ireo niharan-doza, ny olona sasany, ka nanatsoaka hevitra fa manana ny fivavahana marina ny Vavolombelona. Koa rehefa manampy olona hahazo tsara ny faha` marinana ao amin’ny Baiboly ary ianao, dia eritrereto ny fomba hanazavanao azy sy ny ohatra omenao.

FANAZARAN-TENA: ` Resaho amin’ny havana, na mpiray tanana, na mpiara-miasa na mpiara-mianatra tsy Vavolombelona ny zavatra nahafinaritra anao tany am-pivoriana tamin’ity herinandro ity. Hazavao ireo teny mety ho tsy azon’ilay olona.

229

42 MAMPIANA-JAVATRA NY MPIHAINO



Inona no ilainao hatao? Mampita fahalalana, izay handrisika ny saina hieritreritra ary hahatonga ny mpihaino hahatsapa fa niana-javatra tena ilainy izy. RAHA tianao hiana-javatra avy amin’ny famelabelaranao ny mpihaino, dia tsy ampy ny miresaka fotsiny momba ny foto-kevitra tsara iray. Manontania tena hoe: ‘Nahoana ireo olona mihaino ireo no mila mandre ity fotokevitra ity? Inona no holazaiko mba hahatonga azy ireo hahatsapa fa tena nandray soa avy tamin’ilay famelabelarana izy?’ Raha fomba fitory no anjaranao ao amin’ny sekoly, dia ilay miresaka aminao no ho mpihaino anao. Raha tsy izany, dia ny NAHOANA IZANY fiangonana manontolo. NO TENA ILAINA? Izay fantatry ny mpihaino. Manontania tena hoe: ‘Inona Vetivety ny olona dia tsy hifano efa fantatry ny mpihaino momba ity foto-kevitra ity?’ Tontoka intsony raha zavatra efa fantany ihany no lazainao kony hiankina amin’izany ny fomba hanazavanao azy. Raha aminy. mandaha-teny eo anoloan’ny fiangonana misy Kristianina matotra maro be ianao, dia aza mamerina fotsiny fampianarana fototra efa fantatry ny ankamaroany. Raiso ho fototry ny fanazavana fanampiny homenao kosa ireny fampianarana ireny. Mazava ho azy fa tokony hoheverinao koa ny zavatra ilain’ireo vaovao, raha misy maro aminy manatrika eo. Ampifanaraho amin’izay fantatry ny mpihaino ny hafainganan’ny fitenenanao. Somary ataovy haingana ny filazanao ireo hevitra fantatry ny ankamaroany. Mitenena miadana kokoa kosa, rehefa milaza hevitra mety ho vaovao amin’ny ankamaroan’ny mpihaino, mba hahatakarany azy tsara. Izay hampiana-javatra ny mpihaino. Ny hoe mampiana-javatra akory tsy midika foana hoe milaza zava-baovao. Na dia efa fantatra aza ny fampianarana iray, ny fomba tsotra anazavan’ny mpandahateny sasany azy dia hahatonga ny mpihaino maro ho sambany vao tena mahazo azy io tsara. Tsy ampy ny milaza vaovao iray mba hampisehoana fa miaina amin’ny andro farany isika, rehefa mitory. Ampiasao kosa ny Baiboly mba hanazavana ny hevitr’ilay zava-niseho. Tena hiana-javatra ilay tompon-trano amin’izay. Tsy mikendry ny hampitolagaga ilay tompon-trano amin’ny vaovao ara-tsiansa mbola tsy reny hatramin’izay koa ianao, rehefa milaza ` zavatra momba ny lalana voajanahary na momba ny zavamaniry na ny biby. Ny zava-kendrenao kosa dia ny hampifanaraka ilay porofo amin’izay

230

Mampiana-javatra ny Mpihaino

231

lazain’ny Baiboly, mba hampisehoana fa misy Mpamorona tia antsika. Hahita ilay foto-kevitra amin’ny fomba fijery vaovao ilay tompon-trano, amin’izay. Sarotra ny mamelabelatra foto-kevitra efa ren’ny mpihaino imbetsaka. Mila mianatra ny fomba fanaovana izany tsara ianao, mba ho mpandahateny mahay. Inona izany fomba izany? NY FOMBA Hanampy anao ny fanaovana fikarohana. Tsy izay zavatra taHANAOVANA AZY didinao eo no ho eo fotsiny no ampidiro ao amin’ny lahateniHevero izay efa fantatry ny nao, fa ampiasao kosa ireo fitaovana fikarohana resahina eo mpihaino momba ilay fotoamin’ny pejy faha-33 ka hatramin’ny faha-38. Diniho ireo kevitrao. soso-kevitra omena ao, momba ny zava-kendrena tokony hieMitenena haingana kokoa, rehefa milaza zavatra efa fantazahanao hotratrarina. Rehefa manao fikarohana ianao, dia tra, ary miadana kokoa rehefa mety hamaky zava-niseho ara-tantara tsy dia fantatra loatra, manazava zavatra vaovao. nefa mifandray mivantana amin’ny foto-kevitrao. Na ianao seAza milaza zavatra fotsiny; handra nandre filazana tao amin’ny vaovao vao haingana, izay zavao ny heviny na ny antony hanamarina ilay hevitra kasainao horesahina. ilazana azy. Ampiasao ny sainao eo am-pandinihana ilay fanazavanao ka Ampiasao ny sainao amin’ny manontania hoe inona? nahoana? oviana? taiza? iza? ary fanontaniana hoe: Inona? Nahoana? Oviana? Taiza? Iza? ahoana? Ohatra: Nahoana ity no marina? Ahoana no hanapoAhoana? rofoako azy? Inona no inoan’ny sasany ka mahatonga azy tsy ` Maka fotoana hanjohian-kevihahatakatra ity fampianarana ara-baiboly ity? Nahoana izy ity tra momba ireo andinin-teny; no zava-dehibe? Inona no tokony ho vokany eo amin’ny fiaihazavao kokoa ny tapany nan’ny olona? Inona no ohatra mampiseho ny vokatra tsara sasany. ateraky ny fampiharana azy? Inona no ahariharin’ity fampiaManaova fampitahana sy narana ara-baiboly ity momba ny toetran’i Jehovah? Afaka mafampifanoheran-javatra. nontany toy izao ianao, arakaraka ilay fanazavana resahinao: Asio famintinana fohy ny Oviana ity no nitranga? Ahoana no azontsika ampiharana ity famelabelaranao. fanazavana ity ankehitriny? Ataovy velombelona mihitsy aza Asehoy fa azo ampiasaina ilay ny lahateninao, amin’ny fametrahana sy famaliana ny sasany fanazavana mba hamahana olana sy handraisana fanapaamin’ireo fanontaniana ireo. han-kevitra. Mety ho voatery hampiasa andinin-teny efa fantatry ny mpihaino tsara ianao. Mbola afaka mampiana-javatra ny mpihaino ihany ve ianao amin’izay? Eny, raha tsy vakinao fotsiny ilay izy, fa hazavainao koa. Mety hampiana-javatra kokoa ny mpihaino ianao, raha raisinao tsirairay ny tapany samihafa amin’ny andinin-teny efa fantatra, ka avahanao ireo izay mifandray amin’ny foto-kevitrao, ary avy eo dia hazavainao. Azo raisina ho ohatra ny Mika 6:8. Inona no atao hoe “marina”? Ny fomba fihevitr’iza momba ny fahamarinana no resahina eto? Inona no ohatra azonao anazavana ny atao hoe ‘manao ny marina’? Na ny hoe “tia famindrampo”?

232

Mampiana-javatra ny Mpihaino Inona no atao hoe fanetren-tena? Ahoana no hampiharanao ilay fanazavana amin’ny zokiolona? Mazava ho azy fa ny foto-kevitrao, ny zava-kendrenao, ny ho mpihaino anao ary ny fotoana hanananao, no tokony hamaritra ny fanazavana hampiasainao. Matetika no ilaina ny fanazavana hevi-teny amin’ny fomba tsotra. Mety ho gaga ny olona sasany mahafantatra ny hevitry ny hoe ‘fanjakana’ resahina ao amin’ny Matio 6:10. Na dia ny Kristianina efa hatramin’ny ela aza dia mety hahazo kokoa ny tena hevitry ny andinin-teny iray, rehefa hazavaina aminy indray ny hevitry ny teny iray. Azontsika hamarinina izany, rehefa mamaky ny 2 Petera 1:5-8 isika, ka hazavaintsika avy eo ny hevitr’ireo toetra tanisaina ao: finoana, fahatanjahan-tsaina, fahalalana, fahononampo, faharetana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, fitiavan-drahalahy, ary fitiavana. Rehefa mampiasa teny samy hafa mitovitovy hevitra ianao, ao amin’ny anjara na lahateny iray, dia hiavaka tsara ny fahasamihafan’izy ireo, raha hazavainao ny heviny. Ohatra ny amin’izany ny hoe fahendrena sy fahalalana ary fahazavan-tsaina, hita ao amin’ny Ohabolana 2:1-6. Mety hiana-javatra koa ny mpihaino rehefa manjohy hevitra fotsiny momba ny andinin-teny iray ianao. Maro no gaga, rehefa mahare voalohany fa ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, ny Genesisy 2:7 dia milaza fa fanahy velona i Adama, ary mety maty ny fanahy, araka ny Ezekiela 18:4. Nampitolagaga ny Sadoseo i Jesosy indray mandeha, rehefa nampihatra ny Eksodosy 3:6 tamin’ny fitsanganan’ny maty. Nilaza fa nino an’io andinin-teny io tokoa ny Sadoseo, nefa tsy nino ny fitsanganan’ny maty. —Lioka 20:37, 38. Ianaran-javatra koa indraindray ny filazana ny teny manodidina ilay andinin-teny, sy ny toe-javatra nanoratana azy, ary ny hoe iza ilay miteny na mihaino. Nahafantatra tsara ny Salamo faha-110 ny Fariseo. Na izany aza, dia nomarihin’i Jesosy tamin’izy ireo ny tsipiriany lehibe iray ao amin’ ny andininy voalohany. Hoy izy: “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy? Zanak’iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’i Davida. Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin’ny Fanahy no manao Azy hoe ‘Tompo’, ka ` manao hoe: ‘Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao’? Koa raha Davida ary manao Azy hoe ‘Tompo’, ahoana no maha-zanany Azy?” (Matio 22:41-45) Raha manjohy hevitra momba ireo andinin-teny toy ny nataon’i Jesosy ianao, dia hampianatra ny olona hamaky ny Tenin’Andriamanitra amim-pitandremana kokoa. Rehefa milaza ny fotoana nanoratana ny boky ara-baiboly iray, na ny fotoana nitrangan’ny zavatra iray, ny mpandahateny, dia tokony hiresaka momba ny toe-javatra nanjaka tamin’izany koa. Ho mora takatry ny mpihaino kokoa amin’izay ny maha zava-dehibe an’ilay boky na ilay zava-nitranga.

Mampiana-javatra ny Mpihaino Azo ianaran-javatra kokoa ny fampitahana. Azonao ampifanoherina amin’izay lazain’ny Baiboly ny fomba fihevitry ny ankabeazan’ny olona momba ny zavatra iray. Na azonao ampitahaina ny fitantarana roa samy hafa momba ny zavatra iray ihany, ao amin’ny Baiboly. Misy tsy fitoviana ve? Nahoana? Inona no ianarantsika avy amin’izy ireny? Hanana fomba fijery vaovao momba ilay foto-kevitra ny mpihaino anao, amin’izay. Raha asaina miresaka momba ny lafiny iray amin’ny fanompoana kristianina ianao, dia tsara raha manao famintinana aloha. Resaho aloha hoe inona no tsy maintsy atao, sy hoe nahoana izany no ilaina hatao, ary hoe inona no ifandraisany amin’ny tanjontsika Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny ankapobeny. Hazavao avy eo hoe aiza sy rahoviana ary ahoana no hanaovana ilay asa. Ahoana raha tsy maintsy miresaka momba “ny saina lalina izay an’Andriamanitra” ianao? (1 Kor. 2:10) Ampahafantaro sy hazavao aloha ny hevitra fototra sasany amin’ilay foto-kevitra, dia ho mora azon’ny mpihaino kokoa ireo tsipiriany. Farano amin’ny alalan’ny famintinana fohy ny fanazavanao, fa ho afa-po tokoa ny mpihaino satria tena niana-javatra. Torohevitra momba ny fomba fiaina kristianina. Handray soa indrindra ny mpihaino, raha ampianao izy hahita fa mahakasika ny fiainany ny fanazavanao. Manontania tena toy izao rehefa mandinika ireo andininteny asaina hazavainao: ‘Nahoana izy ity no notahirizina ao amin’ny Soratra Masina hatramin’izao?’ (Rom. 15:4; 1 Kor. 10:11) Eritrereto ny toepiainana misy ny mpihaino anao. Ampiharo amin’izany toe-javatra izany ilay torohevitra sy ireo toro lalana ao amin’ireo andinin-teny. Mandritra ny fanazavanao, dia manjohia hevitra momba ireo andinin-teny, mba hampisehoana fa afaka manampy ny olona ao anatin’izany toe-javatra izany izy ireo. Aza milaza zavatra ambangovangony. Farito tsara ny karazana toe-tsaina sy fanaovan-javatra resahinao. Iray na roa amin’ireo fanoloran-kevitra ireo aloha no ampiharo amin’ny fanomanana ataonao izao. Ampiharo koa ny hafa rehefa mihamahay ianao. Amin’ny farany, dia tsy ho andrin’ny mpanatrika ny hihaino anao, satria fantany fa hiana-javatra tena ilainy izy.

FANAZARAN-TENA: 1) Manaova fikarohana mba hahitana zavatra azo ampianarina momba ny andinin-teny efa fantatra tsara, toy ny Matio 24:14 sy ny Jaona 17:3. 2) Vakio ny Ohabolana 8:30, 31 sy ny Jaona 5:20. Saintsaino ny fifandraisana misy eo amin’i Jehovah sy i Jesosy Kristy voalazan’ireo andininy ireo. Afaka mampiasa izany ve ianao mba hanampiana fianakaviana iray?

233

43 MAMPIASA IZAY ASAINA VELABELARINA



Inona no ilainao hatao? Mampiorina ny anjaranao na ny lahateninao amin’ilay foto-kevitra asaina velabelarinao, ary raha voalaza ilay lahatsoratra hakana hevitra, dia mifidy ireo andinin-teny sy hevi-dehibe avy ao.

AMPITAHAIN’NY Baiboly amin’ny vatan’olombelona ny fiangonana kristianina. Samy ilaina ny tapany tsirairay ao aminy, nefa ‘tsy mitovy asa avokoa izy rehetra.’ Mifanaraka amin’izany, dia tokony hiezaka hanatanteraka izay tombontsoa rehetra ankinina amintsika isika. Tokony ` ho azontsika tsara sy hotanterahintsika tsara ary izay anjara na lahateny rehetra asaina ataontsika, ka tsy hohamaivanintsika ny foto-kevitra sasany, satria hoe tsy dia mahaliana toy ny NAHOANA IZANY hafa. (Rom. 12:4-8) Manana andraikitra hanome sakafo araNO TENA ILAINA? panahy “amin’ny fotoana” ilana azy ny mpanompo mahaRehefa mampiasa izay asaitoky sy malina. (Matio 24:45) Mampiseho fankasitrahana na velabelarintsika isika, dia mampiseho fa manaja ilay an’io fandaharana io isika rehefa mampiasa ny fahaizantsifandaharan-tsakafo omen’ny ka, mba hamelabelarana anjara na lahateny araka ny torompanompo mahatoky sy marika azontsika. Hampirindra tsara ny fiasan’ny fiangonamalina. na amin’ny fitambarany izany. Hevitra inona avy no horaisina? Rehefa asaina mamelabelatra foto-kevitra iray ao amin’ny sekoly ianao, dia io ihany ampiasaina fa tsy zavatra hafa. Saika omena foana ny anaran’ilay boky tokony hakana hevitra. Raha tsy omena anao kosa ilay izy, dia mitadiava fanazavana any amin’ny boky hafa. Rehefa manomana ilay anjara anefa ianao, dia ataovy miorina amin’ilay foto-kevitra asaina velabelarinao ilay anjara manontolo. Ilaina hoheverina koa ny mpihaino, rehefa mifidy ny hevitra horaisina. Fakafakao tsara ilay lahatsoratra asaina hakanao hevitra, ary koa ireo andinin-teny voalaza ao. Diniho avy eo, ny fomba hampiasana azy io mba hanampiana ny mpihaino amin’ny fomba tsara indrindra. Mifidiana hevitra roa na telo avy ao amin’ilay lahatsoratra, mba ho hevidehiben’ny anjaranao. Fidio avy ao amin’ilay lahatsoratra koa ireo andinin-teny kasainao hovakina sy hohazavaina. Hevitra firy ao amin’ilay lahatsoratra no tokony hampiasainao? Izay azonao hazavaina tsara ihany. Aza mitady hilaza zavatra be dia be, ka hanjary hatao tsirambina ny fampianarana azy. Raha tsy mifandray 234

Mampiasa Izay Asaina Velabelarina

235

amin’ny zava-kendren’ny anjaranao ny tapany sasany ao amin’ilay lahatsoratra, dia aza raisina. Izay hevitra mampiana-javatra indrindra sy manampy indrindra ny mpihaino no raiso. Ny zava-kendrenao amin’ ity fianarana ity dia tsy ny hahita hoe firy ny hevitra azo velabelarina, fa ny hampiasa izay asaina velabelarinao ho fototry ny anjaranao. Tsy asaina mamintina fotsiny ilay lahatsoratra akory ianao. Tokony hanazava hevitra sasantsasany ianao, hanome NY FOMBA tsipiriany fanampiny, hampiasa ohatra na fanoharana, ary HANAOVANA AZY angamba hanao fampiharana azy. Ireo hevitra fanampiny Aza mampiasa afa-tsy hedia tokony hanazava ny hevi-dehibe asaina velabelarinao, vitra mifandray mivantana amin’ilay foto-kevitra asaina fa tsy tokony haka ny toerany. velabelarinao. Mety hasaina hampianatra amin’ny Fivoriana Momba ny Raha voalaza ilay lahatsoFanompoana ireo rahalahy mahay mampianatra. Takatr’izy ratra tokony hiorenan’ny ireo fa mila mampiasa tsara izay asaina velabelariny izy, fa anjaranao, dia fidio avy ao tsy hanolo azy io amin-javatra hafa. Asaina manaraka drafa tsy any an-kafa, ireo fitra toy izany koa ireo rahalahy manao lahateny ho an’ny hevi-dehibe sy andinin-teny besinimaro. Azo ovaovana araka ny toe-javatra ny drafitra, fototra hampiasainao. nefa efa voalaza mazava tsara ao ireo hevi-dehibe hovelabelarina, sy ireo hevitra fanampiny tokony hampiasaina, ary ireo andinin-teny iorenan’ilay lahateny. Ny fianaranao mampiasa izay asaina velabelarinao dia mampiofana anao hahazo tombontsoa hanao anjara na lahateny hafa. Hanampy anao hitarika fampianarana Baiboly mandroso koa io fampiofanana io. Hianatra hifantoka amin’ilay foto-kevitra ianarana ianao, fa tsy hiala aminy ka hiresaka zavatra hafa, izay mahaliana angamba, nefa tsy ilaina mba hanazavana ilay foto-kevitra. Raha azonao tsara anefa ny votoatin’ity lesona ity, dia tsy ho hentitra loatra ianao ka hanjary tsy ho sahy hanome fanazavana fanampiny mety hilain’ilay mpianatra.

FANAZARAN-TENA: Amin’ny andro telo samy hafa, rehefa mamaky ny andinin-teny ho an’ny andro ianao, dia asio marika mazava ilay teny na fehezanteny mampahafantatra ilay foto-kevitra resahina. Tsipiho ny hevitra iray na roa izay mifandray mivantana amin’io foto-kevitra io. Avy eo, dia hazavao amin’ny fomba fiteninao ilay foto-kevitra, amin’ny fampiasana ilay andinin-teny ho an’ny andro sy ireo hevitra notsipihinao.

44 FAHAIZA-MAMPIASA FANONTANIANA



Inona no ilainao hatao? Mampiasa fanontaniana mba hahatratrarana tanjona iray. Angamba ny hahazo valin-teny am-bava, na ny hahatonga ny mpihaino hamaly any an-tsainy, no tadiavinao. Miankina amin’ ny zavatra anontanianao sy ny fomba anontanianao azy no hahazoanao izany vokatra izany na tsia.

MAHATONGA ny mpihaino ho voakasik’izay lazainao ny fanontaniana, satria mitaky valiny am-bava, na ao an-tsaina. Afaka manampy anao hanombo-dresaka sy hifanakalo hevitra mahafinaritra koa ny fanontaniana. Mety hampiasa fanontaniana ianao rehefa mandaha-teny sy mampianatra, mba hahatonga ny olona ho liana, na hanjohy hevitra momba ny foto-kevitra iray, na mba hanamafisana izay lazainao. MaNAHOANA IZANY mpirisika ny olona hieritreritra, fa tsy hihaino fotsiny izay NO TENA ILAINA? lazain’ny hafa ianao, rehefa mahay mampiasa fanontaniana. Mandaitra ny fanontaniana ` Manana zava-kendrena, ary mametraha fanontaniana mba haraha mahatonga ny mpihaihatratrarana azy io. no ho voakasik’izay lazaina. Mba hampirisihana ny olona hiresaka. Rehefa eny am-piAhafantaran’ny mpampianatra zavatra tena ilaina ny toriana, dia mahaiza manararaotra ireo fahafahana hanasa ny valin’ireo fanontaniana tsara olona hilaza ny heviny, raha mety izy. petraka. Vavolombelona maro no afaka nanombo-dresaka mahaliana, tamin’ny fanontaniana fotsiny hoe: “Efa mba nanontany tena ve ianao hoe...?” Saiky mahafinaritra foana ny fanompoan’izy ireo rehefa fanontaniana tena mampanahy ny olona maro no fidiny apetraka. Mety hanitikitika ny sain’ny olona ny fanontaniana iray, na dia tsy mahazatra azy aza ilay hevitra. Foto-kevitra maro samihafa no azo ampidirina amin’ny alalan’ny teny toy ny hoe “Ahoana ny hevitrao...?”, sy hoe “Inona no tsapanao raha...?” ary hoe “Mino ve ianao fa...?” Izao fotsiny no nanontanian’i Filipo evanjelisitra tamin’ilay tandapa etiopianina namaky ny faminanian’i Isaia: “Moa fantatrao [na: azonao] va izay vakinao?” (Asa. 8:30) Nahafahan’i Filipo nanazava ny fahamarinana momba an’i Jesosy Kristy io fanontaniana io. Nisy Vavolombelona nampiasa fanontaniana toy izany koa ankehitriny, ka nahita olona tena naniry hahazo fanazavana momba ny Baiboly. Olona maro no vonon-kihaino kokoa rehefa omena fahafahana hilaza ny heviny. Mihainoa tsara, rehefa avy nametraka fanontaniana. Aza manakiana ilay olona noho ny valin-teniny, fa isaory amin-katsaram-panahy

236

Fahaiza-mampiasa Fanontaniana

237

kosa izy. Derao amim-pahatsorana izy, rehefa mety izany. Indray mandeha, ` rehefa “namaly tamim-pahendrena” ny mpanora-dalana iray, dia noderain’i Jesosy hoe: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra hianao.” (Marka 12:34) Isaory noho ny teny nataony ilay olona, na dia tsy mitovy hevitra aminy aza ianao. Avy amin’ny teniny no mety hahafantaranao ny fomba fisainany, izay ilainao hasiana fiheverana rehefa manazava aminy ny fahamarinana. ` NY FOMBA Mba hampidirana hevi-dehibe. Mampiasa fanontaniana HANAOVANA AZY mba hampidirana hevi-dehibe, rehefa miteny amin’olona Mba hampirisihana ny olomaromaro, na amin’olon-tokana. Fanontaniana tena mahana hiresaka, dia mametraha liana ny mpihaino no ampiasao. Mety ho tianao koa ny fanontaniana momba ny zahampiasa fanontaniana manitikitika ny saina, satria tsy fantavatra tena mahaliana azy. tra avy hatrany ny valiny. Raha miato kely ianao, rehefa avy naAlohan’ny hilazana hevi` metraka fanontaniana iray, dia vao mainka ho liana ny mpihaidehibe iray, dia mampiasa fano handre ny valiny. nontaniana izay mahatonga ny olona haniry handre ilay Nametraka fanontaniana maromaro i Mika mpaminany, izy. indray mandeha. Nanontany momba izay antenain’i Jehovah ` Mampiasa fanontaniana amin’ny mpanompony izy aloha, ary mbola nametraka fanomba hahitan’ny olona ny ntaniana efatra efa samy nisy ny valiny avy. Ireo fanontaniana anton’ireo teny lazainao, sy rehetra ireo dia manomana ny mpamaky ho amin’ilay valinny maha marim-pototra ny teny namaranan’ilay mpaminany ny teniny. (Mika 6:6-8) Afafahamarinana hazavainao, ka manao toy izany ve ianao, rehefa mampianatra? Andramo ary ny vokatra tsara hoentin’ izany eo amin’ny fiainany. ange e. ` Mampiasa fanontaniana Mba hanjohiana hevitra. Azo ampiasaina mba hanampiamba hanasana ny mpianatra, na ny hafa haharaka fanjohian-kevitra koa ny fanontaniana. tsy hamaky fotsiny ny valinNanao izany i Jehovah, fony nanonona fanambarana lehibe teniny, fa hilaza ny heviny iray tamin’ny Isiraely, araka ny Malakia 1:2-10. Hoy izy aloha: momba izay ianarany koa. “Efa tia anareo aho.” Tsy nankasitraka izany fitiavana izany anefa izy ireo, ka hoy i Jehovah: “Tsy rahalahin’i Jakoba va Esao?” Nolazain’i Jehovah avy eo, fa porofon’ny tsy nitiavan’Andriamanitra an’io firenena ratsy fanahy io, ny naha lao an’i Edoma. Nasiany fanoharana noelanelanina fanontaniana nanaraka izany, mba hanamafisana fa tsy nahay namaly fitia azy ny Isiraely. Ny sasany tamin’ireo fanontaniana ireo dia toy ny hoe napetrak’ireo mpisorona nivadika. Ny hafa dia fanontaniana napetrak’i Jehovah tamin’ireo mpisorona. Mampihetsi-po ilay fifampiresahana, no sady mihazona ny saina; tsy azo lavina ilay fanjohian-kevitra mirindra; tsy hay hadinoina ilay hafatra. Mahay mampiasa fanontaniana toy izany koa ny mpandahateny sasany. Mety tsy hiandry valin-teny am-bava izy ireo, fa manjary manome valin-teny ao an-tsainy kosa ny mpihaino, toy ny hoe mifampiresaka aminy.

238

Fahaiza-mampiasa Fanontaniana Mampandray anjara ny mpianatra isika rehefa mitarika fampianarana Baiboly. Mazava ho azy fa tsara kokoa raha tsy mamerina fotsiny ilay valin` teny ao anaty boky ilay mpianatra. Mampiasa fanontaniana fanampiny amin-katsaram-panahy, mba hiarahana manjohy hevitra aminy. Ampirisiho izy hampiasa ny Baiboly rehefa manome valin-teny momba ireo hevidehibe. Manontania koa hoe: “Inona no ifandraisan’izao resatsika izao amin’ilay hevitra vao nianarantsika teo? Nahoana izany no zava-dehibe? Inona no tokony ho vokany eo amin’ny fiainantsika?” Mandaitra kokoa izany fomba izany, tsy toy ny rehefa ianao no milaza ny zavatra inoanao, na manome fanazavana lava be. Manampy ilay mpianatra ‘hampiasa ny sainy’ eo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra, ianao amin’izany.—Heb. 5:14. ` Manana faharetana raha misy hevitra tsy takatry ny mpianatra. Angamba izy manandrana mampitaha izay lazainao amin’izay efa ninoany hatramin’ ny taona maro. Mety ho tsara raha ovanao ny fomba itondranao ilay fanazavana. Indraindray anefa dia fanjohian-kevitra tsotra dia tsotra no ilaina. ` ` ` Mampiasa andinin-teny be dia be. Mampiasa fanoharana. Mampiasa koa fanontaniana tsotra izay hampirisika ilay olona hanjohy hevitra momba ilay porofo omena azy. Mba hahafantarana ny fihetseham-pon’ny olona. Tsy milaza foana ny fihetseham-pony ny olona rehefa mamaly fanontaniana. Mety hamaly ara` ka izay heveriny fa tianao fotsiny izy. Mila mahay manavaka ary ianao. (Ohab. 20:5) Azonao atao ny manontany, toa an’i Jesosy, hoe: “Mino izany va hianao?”—Jaona 11:26. Rehefa tafintohina noho izay nolazain’i Jesosy ny maro tamin’ny mpianany, ka nandao azy, dia nanasa ny apostoliny hilaza ny fihetseham-pony i Jesosy. Hoy izy: “Hianareo koa va mba te-hiala?” Nolazain’i Petera tamin’ ˆ izao teny izao ny fihetseham-pon’izy ireo: “Tompo o, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra.” (Jaona 6:67-69) Nanontany ny mpianany toy izao koa i Jesosy, indray mandeha: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?” Narahiny fanontaniana nanasa azy ireo hilaza ny tao am-pony izany, avy eo. “Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” Namaly i Petera hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.”—Matio 16:13-16. Ampiasao koa izany fomba izany, rehefa manazava foto-kevitra sarotra any amin’ny fampianarana Baiboly. Manontania toy izao: “Ahoana no fiheveran’ ny mpiara-mianatra (na mpiara-miasa) aminao an’io raharaha io?” Izao anontaniana avy eo: “Ahoana kosa no fiheveranao azy io?” Rehefa fantatrao izay tena tsapan’ny mpianatra iray, dia afaka manampy azy kokoa ianao. Mba hanamafisan-kevitra. Azo ampiasaina mba hanamafisan-kevitra koa ny fanontaniana. Nanao izany ny apostoly Paoly, araka ny Romana

Fahaiza-mampiasa Fanontaniana 8:31, 32: “Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?” Mariho fa ny fanontaniana tsirairay dia manazava kokoa ny tapany voalohany amin’ilay fehezanteny misy azy avy. Rehefa avy nosoratan’i Isaia mpaminany ny didim-pitsaran’i Jehovah mahakasika ny mpanjakan’i Babylona, dia nasehony fa natoky tanteraka izy, tamin’ny filazana hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro, no efa nikasa, ka ` iza indray no hahafoana izany? Ary ny tanany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?” (Isaia 14:27) Ny zavatra lazain’ireo fanontaniana ireo fotsiny dia efa milaza hevitra tsy azo lavina, koa tsy misy valiny andrasana. Mba hanalana sarona ny fomba fisaina diso. Fitaovana mahery koa ny fanontaniana voahevitra tsara, mba hanalana sarona ny fomba fisaina diso. Talohan’ny hanasitranan’i Jesosy lehilahy iray, dia nanontaniany toy ` izao ny Fariseo sy ny mpahay Lalana sasany: “Mety va ny mahasitrana amin’ny Sabata sa tsia?” Nametraka fanontaniana iray hafa izy rehefa vita ilay fanasitranana: “Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin’izay na dia amin’ny andro Sabata aza?” (Lioka 14:1-6) Tsy nisy valiny nandrasana teo, no sady tsy nisy namaly rahateo. Nanala sarona ny fomba fisainany diso ireo fanontaniana ireo. Mety hanana fomba fisaina diso koa ny Kristianina marina indraindray. Tany Korinto, tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy nampakatra ny rahalahiny tany amin’ny fitsarana, mba handaminana zava-nanahirana izay tokony ho hain’izy ireo nalamina teo amin’izy samy izy. Ahoana no nandaminan’ny apostoly Paoly ilay raharaha? Nametraka fanontaniana nivantana tsara sy nifampitohitohy izy, mba hanitsiana ny fomba fisainan’ izy ireo.—1 Kor. 6:1-8. Arakaraka ny hametrahanao fanontaniana no hahaizanao mampiasa azy. Mahaiza manaja foana anefa, indrindra raha miresaka amin’ny be taona sy ` ny olona tsy fantatrao ary ny manam-pahefana. Mampiasa fanontaniana, mba hahafinaritra ny fomba ilazanao ny fahamarinana ara-baiboly.

FANAZARAN-TENA: ` 1) Eritrereto ny faritra itorianao, ary manomana fanontaniana maromaro azonao ampiasaina mba hanombohan-dresaka mahaliana amin’ny olona. 2) Vakio ny Romana toko faha-3, ka mariho ny fampiasan’i Paoly fanontaniana, mba hanjohiana hevitra momba ny fiheveran’Andriamanitra ny Jiosy sy ny Jentilisa.

239

FANOHARANA SY OHATRA 45 HOENTI-MAMPIANATRA



Inona no ilainao hatao? Mampiasa teny an’ohatra, tantara, na zavatra tena nitranga, izay hanampy anao eo amin’ny fampianaranao. FITAOVANA fampianarana mahery ny fanoharana sy ny ohatra. Tena mahasarika sy mihazona ny sain’ny olona izy ireny matetika. Mandrisika ny olona hieritreritra izy ireny. Mampihetsi-po koa izy ireny, ka mety hanohina ny feon’ny fieritreretana sy ny fo. Azo anoherana ny fitsarana antendrony indraindray ny fanoharana. Tena itadidiana zavatra koa izy ireny. Mampiasa azy ireny ve ianao, rehefa mampianatra? ` Fanoharana voalazan’ny teny vitsivitsy monja mazana, ny NAHOANA IZANY teny an’ohatra, kanefa mampahita sary mazava tsara ao anNO TENA ILAINA? tsaina. Mazava ho azy ny heviny rehefa voafidy tsara izy ireRaha mety ny fampiasanao ireo fitaovana fampianarana ireo, dia ny. Azon’ny mpampianatra ampiana fanazavana fohy anefa hahafinaritra kokoa ny anjaranao, izy ireny, raha tiany hohamafisina. Feno ohatra azonao alainho hita eo amin’ny fiainan’ny olona ny vokany, ary tsy ho hay hatahaka ao amin’ny Baiboly. dinoina ilay fampianarana. Raha Fampitahana sy fampitoviana aloha no ianaro. Ny fatsy mety kosa ilay izy, dia hampivily ny saina tsy hifantoka amin’ mpitahana no tsotra indrindra. Io no ampiasao voalohany, ilay fampianarana sarobidy. raha vao mianatra hampiasa fanoharana ianao. Miantombo` ka amin’ny hoe “toy ny” na “tahaka ny” izy ireny mazana. Zavatra roa tena samy hafa no ampitahaina, saingy ny zavatra iombonany no asongadina. Fampitahana maro be ao amin’ny Baiboly no mahakasika zavaboary: ny zavamaniry sy ny biby ary ny zavatra eny amin’ny lanitra. Ao koa ireo mahakasika ny fiainan’olombelona. Ilazana isika ao amin’ny Salamo 1:3 fa ny olona mamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia “tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona”, izany hoe hazo mamoa sy tsy malazo. Ny ratsy fanahy dia lazaina ho “tahaka ny liona” mamitsaka hisambotra ny rembiny. (Sal. 10:9) Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa ho betsaka “tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra” sy “tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina” ny taranany. (Gen. 22:17) Hoy i Jehovah momba ny fifandraisana akaiky teo aminy sy ny firenen’ny Isiraely: “Toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin’ny valahan’ny olona” no nampiraiketany ny Isiraely sy ny Joda taminy.—Jer. 13:11. Ny fampitoviana koa dia manasongadina izay iombonan’ny zavatra roa samy hafa tanteraka. Mahery kokoa anefa ny fampitoviana. Ampito240

Fanoharana sy Ohatra Hoenti-mampianatra

241

viny toy ny hoe iray ihany ny zavatra roa samy hafa, ka manjary maka ny toetran’ny andaniny ny ankilany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” (Matio 5:14) Mba hilazana ny voka-dratsin’ny fitenenana tsy voafehy, dia hoy i Jakoba mpianatra: “Afo ny lela.” (Jak. 3:6) Hoy i Davida, nihira ho an’i Jehovah: “Harambatoko ` sy batery fiarovana ho ahy Hianao.” (Sal. 31:3) Mazana no tsy ilaina hohazavaina firy, na tsy ilaina hohazavaina mihitsy, ny fampitoviana voafidy tsara. Arakaraka ny hafohiny no andairany. NY FOMBA HAHITANA Hanampy ny mpihaino hitadidy hevitra ny fampitoviana, tsy FANOHARANA SY OHATRA toy ny filazana tsotra. TSARA Fampiasa amin’ny resaka andavanandro koa ny finiavana Mamakia Baiboly tsy tapahampitombo filazana zavatra mba hanairana ny sain’ny hafa. ka; mariho ireo fanoharana ao; saintsaino ny antony ilaTsy maintsy tandremana anefa ny fampiasana izany sao misy na ireo ohatra ao. mandika vilana. Nampiasa an’io i Jesosy mba hilazana sary Diniho ny manodidina anao, iray tsy hay hadinoina: “Nahoana hianao no mijery ny soka ampifandraiso ao an-tsaimbin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo nao ny fihetsiky ny olona sy amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?” (Matio 7:3) Ianany foto-kevitra horesahinao. ro tsara aloha ny fampiasana fampitahana sy fampitoviana, Raiso an-tsoratra ireo fanoizay ianao vao mampiasa io fomba io, na teny an’ohatra hafa. harana sy ohatra mandaitra. ` Mampiasa ohatra. Raha tsy te hampiasa teny an’ohatra iaMety ho avy amin’ny zavatra nao rehefa mampianatra, dia afaka mampiasa ohatra, izany novakinao izany, avy tamin’ hoe fitantarana zavatra tena nisy na noforonina. Tsy voafehy ny lahateny renao, na zavatra hitanao. Tahirizo mba tsara indraindray ny fampiasana azy io, ka ilaina hotandremahampiasainao any aoriana na. Rehefa hanohana hevitra tena lehibe ihany ianao vao toizy ireny. kony hampiasa ohatra toy izany. Tokony hanampy ny mpihaino hahatadidy ilay fianarana, fa tsy ilay tantara, ny fomba ilazanao ohatra. Tsy voatery ho zavatra tena nitranga foana akory ny ohatra, kanefa tokony hilaza fihetsika na toe-javatra tena fahita eo amin’ny fiainana kosa. Ohatra, rehefa nampianatra ny fomba tokony hiheverana ny mpanota nibebaka i Jesosy, dia nampiasa ohatra ny amin’ny fifalian’ny lehilahy iray nahita indray ny ondriny very. (Lioka 15:1-7) Mba hamaliana lehilahy ` iray tsy nahazo ny hevitr’ilay baiko ho tia namana, voalazan’ny Lalana, dia nolazain’i Jesosy ny tantaran’ilay Samaritanina nanampy lehilahy naratra, nefa samy tsy nety nanao izany na ny mpisorona na ny Levita. (Lioka 10:30-37) Hahay hampiasa tsara io fitaovana fampianarana io ianao, raha mianatra mandinika tsara ny toe-tsain’ny olona sy ny ataony. Zavatra tsy tena nisy kosa no notantarain’i Natana mpaminany, mba hananarana an’i Davida Mpanjaka. Nandaitra ilay tantara, satria nisakana

242

Fanoharana sy Ohatra Hoenti-mampianatra

an’i Davida tsy hanamarin-tena. Izy io dia momba ny lehilahy nanankarena nanana ondry be dia be, sy ny lehilahy nahantra tsy nanana afa-tsy zanak’ondrivavy iray nokolokoloiny fatratra. Mpiandry ondry i Davida taloha, ka azony tsara ny fihetseham-pon’ny tompon’io zanak’ondry io. Rariny raha tezitra izy rehefa reny fa nalain’ilay mpanan-karena ny zanak’ ondry kelin’ilay lehilahy nahantra. Tsy niolakolaka i Natana nilaza tamin’i Davida hoe: ‘Hianao izany olona izany!’ Voatohina ny fon’i Davida, ka nibebaka tamim-pahatsorana izy. (2 Sam. 12:1-14) Arakaraka ny anaovanao no hahaizanao miresaka amin’ny fomba mahafinaritra momba ireo raharaha sarotra ara-pihetseham-po. Afaka maka ohatra maro be avy amin’ireo fisehoan-javatra tantarain’ny Baiboly isika rehefa mampianatra. Nanao izany tamin’ny teny fohy i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Tsarovy ny vadin’i Lota.” (Lioka 17:32) Niresaka momba “ny andron’i Noa” i Jesosy, fony nanome ny famantarana ny fanatrehany. (Matio 24:37-39) Nanonona anaran-dehilahy sy vehivavy 16 ho oha-pinoana ny apostoly Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Arakaraka ny ahafantaranao tsara ny Baiboly no ahaizanao maka ohatra tsara avy amin’ireo zava-nitranga sy olona voalaza ao.—Rom. 15:4; 1 Kor. 10:11. Mety hahasoa indraindray ny manamafy fampianarana iray amin’ny fitantarana zavatra tena nitranga amin’izao andro izao. Aza mampiasa afatsy zava-nitranga tena azo antoka anefa, ary halaviro koa ireo fitantarana mahasanganehana olona tsy amin’antony, na ireo mety hiteraka adihevitra tsy mifandray amin’ny foto-kevitrao. Tadidio koa fa tokony hisy zavakendrena ny fitantaranao ilay zava-nitranga. Aza mitantara tsipiriany tsy ilaina, izay mety hampivily ny saina tsy hifantoka amin’ny famelabelaranao. Ho azon’ny olona ve ilay izy? Na inona na inona fanoharana na ohatra ampiasainao, dia tokony hahatratra zava-kendrena voafaritra tsara. Ho tratra ve izany, raha tsy mampihatra azy amin’ilay foto-kevitra ianao? Rehefa avy nilaza i Jesosy fa “fahazavan’izao tontolo izao” ny mpianany, dia nanampy teny koa izy momba ny fampiasana jiro, sy ny andraikitra entin’izany ho azy ireo. (Matio 5:15, 16) Ny fanoharan’i Jesosy momba ilay ondry very dia narahiny teny momba ny fifaliana tsapa any an-danitra, rehefa mibebaka ny mpanota iray. (Lioka 15:7) Rehefa avy nitantara momba ilay Samaritanina tsara fanahy i Jesosy, dia nametraka fanontaniana nivantana tsara tamin’ilay nihaino azy, ary nanome azy torohevitra nazava tsara. (Lioka 10:36, 37) Ilay fanoharana momba ny karazan-tany samihafa sy ilay momba ny tsimparifary teny an-tanimbary kosa anefa tsy nohazavainy tamin’ny vahoaka, fa tamin’ireo nanetry

Fanoharana sy Ohatra Hoenti-mampianatra

243

tena ka nanontany ihany. (Matio 13:1-30, 36-43) Nilaza fanoharana iray momba ny mpamboly voaloboka izay mpamono olona i Jesosy, telo andro talohan’ny hahafatesany. Tsy nanao fampiharana azy io izy satria tsy nilaina izany. ‘Fantatry ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo fa ny tenany no nolazainy tamin’izany.’ (Matio 21:33-45) Koa miankina amin’ ` ilay fanoharana sy ny fihetsiky ny mpihaino ary ny zava-kendrenao ary ny hanaovanao fampiharana na tsia, sy ny halavan’izany fampiharana izany raha misy. Mila fotoana ny fianarana mampiasa tsara fanoharana sy ohatra, nefa mendrika hatao izany. Ny saina sy ny fo no voatohin’ny fanoharana voafidy tsara. Ho vokatr’izany, dia hanan-kery kokoa ilay hafatra, dia hery izay matetika tsy ananan’ny filazana tsotra fotsiny.

FANAZARAN-TENA: Fakafakao ireo fanoharana ato amin’ireto andinin-teny manaraka ireto: Isaia 44:9-20; Matio 13:44; Matio 18:21-35. Inona no ampianarin’ny tsirairay aminy? Nahoana ilay izy no mandaitra?

Teny an’ohatra tiako hampiasaina, rehefa mampianatra

Zavatra tena nitranga, izay tiako hotadidina sy hampiasaina ho ohatra





































FANOHARANA AVY AMIN-JAVATRA 46 MAHAZATRA



Inona no ilainao hatao? Mampiasa fanoharana mahakasika ny asa aman-draharaha fanaon’ny mpihaino na zavatra fantany tsara. MAZAVA ho azy fa tokony hifanentana foana amin’ilay zavatra resahinao ireo fanoharana ampiasainao. Tokony hifanentana amin’ny mpihaino anao koa anefa izy ireny, raha tena tianao handaitra. Inona no fanoharana azonao fidina, rehefa handaha-teny amin’olona maromaro ianao? Inona no nataon’i Jesosy Kristy? Na niresaka tamin’ ny vahoaka i Jesosy, na tamin’ny mpianany, dia tsy naka ohatra avy tamin’ny fomba fiainan’ny olona tany ivelan’i Isiraely. Tsy ho fantatry ny mpihaino azy ny ohatra toy izany. Tsy niresaka NAHOANA IZANY momba ny fiainan’ny mpanjakan’i Ejipta izy, ohatra, na moNO TENA ILAINA? mba ny fanaon’ny mpivavaka tany India. Na izany aza, dia Hanohina ny fon’ny mpiavy amin’ny fanao mahazatra ny olona maneran-tany no nahaino ny fanoharana avy kany ny fanoharany. Niresaka momba ny fanjairana lamba amin-javatra mahazatra azy. izy, ny raharaham-barotra, ny fahaverezan’ny zavatra sarobidy, ary ny fanatrehana fampakaram-bady. Hainy tsara ny fihetsiky ny olona ao anatin’ny toe-javatra samihafa, ary nampiasainy izany fahalalana izany. (Marka 2:21; Lioka 14:7-11; 15:8, 9; 19:15-23) Koa satria ny vahoakan’ny Isiraely no tena nitorian’i Jesosy, dia matetika ny fanoharany no nahakasika zavatra sy asa aman-draharaha teo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro. Ohatra, niresaka momba ny fambolena izy, sy ny fihainoan’ny ondry ny antson’ny mpiandry azy, ary ny fampiasana hodi-biby mba hitahirizana divay. (Marka 2:22; 4:2-9; Jaona 10:1-5) Nilaza ohatra fantatra tsara teo amin’ny tantara koa izy: ny famoronana ny mpivady voalohany, ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, ny fandringanana an’i Sodoma sy Gomora, ny fahafatesan’ny vadin’i Lota. (Matio 10:15; 19:4-6; 24:37-39; Lioka 17:32) Manao toy izany koa ve ianao, ka mihevitra ny zavatra fanaon’ny ankamaroan’ny mpihaino anao sy ny kolontsaina niaviany, rehefa mifidy fanoharana? Ahoana raha olona iray ihany, na angamba olona vitsivitsy monja, no itenenanao? Mifidiana fanoharana iray tena mety amin’izany olona izany. Fony nitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray teo am-pantsakana tany Sykara i Jesosy, dia niresaka momba ny “rano velona” sy ny hoe “tsy hangetaheta mandrakizay” ary ny “loharano miboiboika ... ho fiai244

Fanoharana avy Amin-javatra Mahazatra

245

nana mandrakizay.” Samy nifandray nivantana tamin’ny asan’ilay vehivavy avokoa ireo fitenenana an’ohatra ireo. (Jaona 4:7-15) Ary rehefa niresaka tamin’ny lehilahy sasantsasany avy nanasa ny haratony izy, dia nampiasa fanoharana momba ny fanaratoana. (Lioka 5:2-11) Tamin’ireo toe-javatra roa ireo, dia mety ho azony natao ny naka ohatra momba ny fambolena, satria nonina teo anivon’ny mpamboly ireo olona ireo. Nandaitra kokoa anefa ny firesahany momba ny asa nataon’izy ireo! Miezaka manao izany koa ve ianao? NY FOMBA Nitory tamin’ireo “ondry verin’ny taranak’Isiraely” i JesoHIANARANA AZY sy, fa ny apostoly Paoly kosa nirahina, tsy ho eo amin’ny IsiTsy izay tianao holazaina raely ihany, fa ho any amin’ireo firenena jentilisa koa. (Maihany no eritrereto, fa ireo mpihaino anao koa. tio 15:24; Asa. 9:15) Nampiova ny fomba niresahan’i Paoly ve izany? Eny. Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Diniho tsara ireo zavamadinika miseho manodidiKorinto izy, dia niresaka momba ny fifaninanana hazakazana anao. ka sy ny fihinanana tao amin’ny tempolin’ny sampy ary ny Isan-kerinandro, dia miefilaharana fanaon’ireo avy nandresy. Zavatra fantatr’ireo tsy zaha hampiasa fanoharana Jiosy ireo avokoa izany rehetra izany.—1 Kor. 8:1-10; 9:24, 25; tsara iray mbola tsy nampia2 Kor. 2:14-16. sainao. Mitandrina sahala amin’i Jesosy sy i Paoly ve ianao rehefa mifidy ny fanoharana sy ohatra hoentinao mampianatra? Mihevitra ny toe-piainana niavian’ny mpihaino sy ny zavatra fanaony andavanandro ve ianao? Mazava ho azy fa nisy fiovana be teto ambonin’ny tany hatramin’ny taonjato voalohany. Olona maro no afaka mahafantatra ny vaovao maneran-tany amin’ny alalan’ny televiziona. Matetika no fantany tsara izay mitranga any an-tany hafa. Raha toy izany ny eo amin’ny misy anao, dia tsy misy maha ratsy ny mampiasa izany vaovao izany ho fanoharana. Na izany aza, ny zavatra tena manohina ny fon’ny olona dia izay mahakasika ny fiainany manokana: ny tokantranony, ny fianakaviany, ny asany, ny sakafo haniny, ny toetrandro eo amin’ny misy azy. Raha ilaina hohazavaina be ny fanoharanao, dia mety ho zavatra tsy fantatry ny mpihaino no resahinao. Hanakona ilay hevitra tianao hampianarina ny fanoharana toy izany. Ilay fanoharanao no mety ho tadidin’ny mpihaino, fa tsy ilay fampianarana ara-baiboly niezahanao nampitaina taminy. Tsy nampiasa ohatra sarotra be i Jesosy, fa zavatra tsotra teo amin’ny fiainana andavanandro. Nampiasa zavatra kely izy mba hanazavana zavatra lehibe, ary zavatra tsotra mba hanazavana zavatra sarotra. Nampifandray ny zava-niseho isan’andro tamin’ny fampianarana marina i

246

Fanoharana avy Amin-javatra Mahazatra

Jesosy, ka nanampy ny olona hahazo mora foana sy hitadidy izany fampianarana izany. Izany ka ohatra tsara tokony harahina!

FANAZARAN-TENA: Fakafakao ilay fanoharana ao amin’ny Matio 12:10-12. Nahoana izy io nandaitra?

Fanoharana azoko ampiasaina amin’ny zatovo iray momba ny fitsipika ara-pitondran-tena

Fanoharana azoko ampiasaina amin’ny olon-dehibe momba ny fampianarana fototra iray ao amin’ny Baiboly





















































FAHAIZA-MAMPIASA ZAVATRA HITA MASO 47



Inona no ilainao hatao? Mampiasa sary, sarintany, tabilao, na zavatra hafa mba hampahazava kokoa ao an-tsaina ny hevi-dehibe sasany. NAHOANA ianao no hampiasa zavatra hita maso, rehefa mampianatra? Satria mahatonga ny fampianaranao handaitra kokoa izany. Nampiasa zavatra hita maso i Jehovah sy i Jesosy, ary afaka manahaka azy ireo isika. Samy handray fanazavana ny maso sy ny sofina, rehefa ampiarahina amin’ny zavatra hita maso ny teny lazaina. Mety hihazona ny fahalianan’ ny mpihaino izany, no sady hanamafy ilay hevitra azony. Ahoana no ahafahanao mampiasa zavatra hita maso, rehefa NAHOANA IZANY miresaka momba ny vaovao tsara? Ahoana no ahazoanao NO TENA ILAINA? antoka fa mety ny fampiasanao azy ireny? Mazava kokoa na mora tadidy Nampiasa zavatra hita maso ireo Mpampianatra lehibe kokoa ny fanazavana amin’ny alalan’ny zavatra hita maso, indrindra. Nampiasa zavatra hita maso tsy hay hadinoina i tsy toy ny amin’ny alalan’ny Jehovah, mba hampianarana lesona lehibe. Nasainy nivoaka teny lazaina. teny ivelany i Abrahama indray alina izay, ka nilazany hoe: ` “Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahısa azy hianao. ... Ho tahaka izany ny taranakao.” (Gen. 15:5) Na dia toa tsy azo ninoana aza izany teny izany, araka ny fihevitr’olombelona, dia nanohina mafy an’i Abrahama, ka nino ny tenin’i Jehovah izy. Nirahin’i Jehovah nankany an-tranon’ny mpanefy tanimanga koa i Jeremia indray mandeha, ka nasainy nijery azy io namolavola tanimanga. Endrey izany lesona tsy hay hadinoina momba ny fahefana ananan’ny Mpamorona eo amin’ny olombelona! (Jer. 18:1-6) Ary ahoana moa no hanadinoan’i Jona ilay lesona momba ny famindram-po nampianarin’i Jehovah azy tamin’ ny alalan’ny tanantanamanga? (Jona 4:6-11) Nisy mihitsy aza hafatra arapaminaniana nasain’i Jehovah nolalaovin’ny mpaminaniny toy ny tantara an-tsehatra sady nampiasana zavatra sasany. (1 Mpanj. 11:29-32 ; Jer. 27:1-8; Ezek. 4:1-17) Ireo lafin-javatra nampiavaka ny tabernakely sy ny tempoly koa dia sary manampy antsika hahazo an-tsaina tsara ireo zavatra any an-danitra. (Heb. 9:9, 23, 24) Maro koa ny fahitana nomen’Andriamanitra mba hampitana fanazavana lehibe.—Ezek. 1:4-28; 8:2-18; Asa. 10:9-16; 16:9, 10; Apok. 1:1. Ary zavatra hita maso inona avy no nampiasain’i Jesosy? Nitady hamandrika azy tamin’ny teniny, ny Fariseo sy ny mpanara-dia an’i Heroda ` indray mandeha. Nangataka denaria iray ary i Jesosy, ka nampiseho ny 247

248

Fahaiza-mampiasa Zavatra Hita Maso

sarin’i Kaisara teo amin’ilay izy. Nohazavainy avy eo fa tokony haloa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. (Matio 22:19-21) Mba hampianarana fa tokony hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’izay rehetra ananantsika isika, dia notondroin’i Jesosy ny mpitondratena nahantra iray tao amin’ny tempoly, izay nanome farantsakely roa: ny fivelomany rehetra. (Lioka 21:1-4) Naka ankizy kely iray koa izy indray mandeha, ho ohatra ny amin’ny fanetrentena sy ny tsy fitadiavana laza. (Matio 18:2-6) Nasehon’ny tenany mihitsy koa ny atao hoe fanetren-tena, tamin’ny fanasana ny tongotry ny mpianany.—Jaona 13:14. MANDAITRA NY ZAVATRA HITA MASO, RAHA... Ny fomba hampiasana zavatra hita maso. Tsy afaka maManasongadina na mampampita hafatra amin’ny alalan’ny fahitana sahala amin’i Jehohazava kokoa ny hevitra vah isika. Misy sary mampisaintsaina be dia be anefa, ao amin’ tokony hohamafisina manony boky avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ampiasao izy kana. ireny mba hanampiana ny olona liana hahazo an-tsaina ilay Mampiana-javatra aloha, Paradisa an-tany ampanantenain’ny Tenin’Andriamanitra. Revoalohany indrindra. hefa mampianatra Baiboly ianao, dia asao ilay mpianatra hijeHitan’ny mpanatrika rehetra ry sary iray mifandray amin’izay ianaranareo, ary hilaza izay mazava tsara, raha eny hitany. Tsara homarihina fa nanontany toy izao i Jehovah, reambony lampihazo. hefa nisy fahitana sasany nomena an’i Amosa mpaminany: “Inona no hitanao, ry Amosa?” (Amosa 7:7, 8; 8:1, 2) Mametraha koa fanontaniana toy izany, rehefa manasa olona hijery ireo sary natao hampianarana. ` Soraty izay kajy ataonao, na mampiasa tabilao misy ny fizotran’ny fotoana ka ahitana ny filaharan’ireo zava-dehibe araka ny fotoana nisehoany. Hanampy ny olona izany mba hahazo mora kokoa ireo faminaniana momba ny “fetr’andro fito” ao amin’ny Daniela 4:13 sy ny “fito-polo herinandro” ao amin’ny Daniela 9:24. Misy tabilao toy izany ao amin’ireo boky natao hianarantsika. Rehefa manao fianaram-pianakaviana isika, dia ho mora azo kokoa ny fanazavana momba ny tabernakely sy ny tempolin’i Jerosalema ary ilay tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, raha mampiasa sary isika. Hahita izany ianao ao amin’ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina, sy ao amin’ny pejy fanampiny ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ ny Tontolo Vaovao, ary ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sasantsasany. ` Mampiasa sarintany rehefa miara-mamaky Baiboly ny fianakavianao. Araho ny lalan’i Abrahama avy tany Ora nankany Harana, ka hatrany Betela. Jereo ny lalana narahin’ny firenen’ny Isiraely, niala avy tany Ejipta hankany amin’ny Tany Nampanantenaina. Jereo ny faritany nomena ho lovan’ny foko tsirairay. Diniho ny velaran-tany nanjakan’i Solomona.

Fahaiza-mampiasa Zavatra Hita Maso Araho ny lalana nalehan’i Elia, fony izy nandositra avy tany Jezirela ka hatrany amin’ny efitra tany ambadik’i Beri-sheba, rehefa avy norahonan’i ` Jezebela ho faty. (1 Mpanj. 18:46–19:4) Jereo ny misy ireo tanana nitorian’ i Jesosy. Araho ireo dia nataon’i Paoly, voatantara ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Tena manampy ny mpianatra Baiboly koa ny zavatra hita maso mba hahafantarany ny fomba fiasan’ny fiangonana. Asehoy azy ny fandaharana amin’ny fivoriambe, ary hazavao ny karazana fampianarana azontsika any. Nanaitra olona maro ny fitsidihana ny Efitrano Fanjakana na ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mampisava fiheveran-diso maro momba ny asantsika sy ny zava-kendren’izy io, izany. Rehefa mampitsidika olona ny Efitrano Fanjakana ianao, dia asehoy ny tsy itoviany amin’ny trano fiangonana hafa. Asongadino fa trano tsotra natao hianarana izy io. Asehoy azy ny zavatra natao manokana ho an’ny fanompoantsika: ny toerana fizarana boky sy gazety, sy ny sarin’ireo faritany itoriantsika, ary ireo vata ho an’ny fanomezana an-tsitrapo (fa tsy lovia fanantazan-drakitra). ´ Ampiasao ny videos nomanin’ny Filan-kevi-pitantanana, raha misy, mba hampitomboana ny fitokisan’ilay mpianatra amin’ny Baiboly, sy mba hampahafantarana azy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mba hampirisihana azy hiaina mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly. Rehefa olona betsaka kokoa no iresahana. Tena mandaitra mba hampianarana mpihaino maro kokoa ny fampiasana zavatra hita maso, rehefa nomaninao tsara ka mety tsara ny fampisehoanao azy. Maro samihafa ny zavatra toy izany omen’ny mpanompo mahatoky sy malina. ` Ohatra, mazana ny lahatsoratra fianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana no misy sary, izay azon’ilay mpitarika ampiasaina mba hanasongadinana hevi-dehibe. Toy izany koa ny boky ampiasaina amin’ny Fianarana Boky. Misy drafitra lahateny toa mety tsara raha ampiasana zavatra hita maso, ` mba hanazavana hevitra sasany. Mazana tsara kokoa anefa raha izay voalazan’ny Baiboly no ifantohana, satria io no eny an-tanan’ny ankamaroan’ny mpihaino. Raha ilaina tsindraindray ny mampiseho sary iray na drafitra fohy momba ireo hevi-dehibe, dia fantaro mialoha raha toa izy io ho hita (na ho voavaky) avy any amin’ny laharan-tseza faran’ilay toerampivoriana. Tokony ho mahalana vao hampiasaina ny zavatra toy izany. Tsy natao hampiala voly ny mpihaino ny fampiasantsika zavatra hita maso, rehefa mandaha-teny sy mampianatra. Ny zavatra mendri-kaja toy izany, izay hitan’ny maso, dia tokony hanamafy ireo hevitra ilaina

249

250

Fahaiza-mampiasa Zavatra Hita Maso hoantitranterina manokana. Mandaitra izy ireny, rehefa manazava kokoa ilay zavatra nolazaina, manamora kokoa ny fahazoana hevitra, na manaporofo ny fahamarinan’izay lazaina. Rehefa mety ny fampiasana zavatra hita maso, dia mety hanaitra tokoa ilay izy sy ilay fianarana nampitainy, ka ho tadidy mandritra ny taona maro. Samy manampy eo amin’ny fianarana ny fahafahana mandre sy mahita. Tadidio fa nampiasa azy roa ireo i Jehovah sy i Jesosy, dia ireo Mpampianatra lehibe indrindra. Miezaha hanahaka ny nataony, rehefa mampianatra ny hafa.

FANAZARAN-TENA: Tanisao eto ambany ireo zavatra azonao ampiasaina...

Mba hanampiana olona hankasitraka ny fandaminan’i Jehovah

Mba hampianarana fahamarinana ara-baiboly sasany amin’ny ankizy









































FAHAIZANA MANJOHY HEVITRA 48



Inona no ilainao hatao? Mampiasa andinin-teny sy fanoharana ary fanontaniana amin’ny fomba mirindra, izay mampirisika ny olona hihaino sy hieritreritra. VELOM-PANKASITRAHANA isika fa nanova ny fiainantsika ny Tenin’ Andriamanitra, ary tiantsika handray soa toy izany koa ny hafa. Fantatsika koa fa miankina amin’ny fihetsiky ny olona manoloana ny vaovao tsara ny hoaviny. (Matio 7:13, 14; Jaona 12:48) Tena tiantsika hanaiky ny fahamarinana izy ireo. Mba hahitana vokatra tsara anefa, dia tsy ampy fotsiny ny mino mafy izay fantatsika sy ny ho be zotom-po, fa tsy maintsy ilaina koa ny fahaiza-manavaka. NAHOANA IZANY Raha mivantambantam-piteny isika milaza fahamarinana NO TENA ILAINA? izay mampiseho amin’ilay olona fa diso ny zavatra inoany sy Tsy hanokatra ny sainy sy ny ankamaminy, dia hanohitra antsika izy, na dia mitanisa andifony ny olona raha miteny nin-teny maro be aza isika. Ohatra, mety tsy hampiova ny fimivantambantana aminy ianao, na mitompo teny heveran’ny olona momba ny fety tiam-bahoaka ny filazantsifantatra. Mampirisika ny oloka fotsiny hoe fanaon’ny mpanompo sampy izy io. Mandaitra na hiresaka kosa ianao rehefa ` kokoa mazana ny fanjohiana hevitra. Inona anefa no atao manjohy hevitra, sady manome azy zavatra hoeritreretina, amin’izany? no manao izay hitohizan’ny Milaza amintsika ny Soratra Masina fa “ny fahendrena izay resaka amin’ny manaraka. avy any ambony dia ... tia fihavanana, mandefitra.” (Jak. 3:17) Tena mandresy lahatra koa ny Misy fandikan-teny nandika ny hoe “mandefitra” ho “mahafanjohian-kevitra. lala ny antonony”, “be fiheverana”, “mora fanahy”, na “mahatsindry fo.” Mariho fa ampifandraisina amin’ny fandeferana ny hoe tia fihavanana. Ao amin’ny Titosy 3:2, dia ampiarahina amin’ ny fandeferana ny hoe malemy fanahy, fa ampifanoherina kosa amin’ny hoe mpila ady. Ampirisihin’ny Filipiana 4:5 isika mba hampahafantatra ny ‘fandeferantsika’ amin’ny olona. Ny mpandefitra dia mijery ny toepiainana niavian’ilay iresahany, sy ny toe-javatra misy azy, ary ny fihetseham-pony. Vonon-kandefitra izy, rehefa mety ny hanaovana izany. Hanokatra ny sainy sy ny fony ny olona rehefa entina toy izany, ka hanaiky ny fiarahantsika manjohy hevitra aminy amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Inona no hanombohana azy? Nolazain’i Lioka, mpanoratra tantara, fa fony tany Tesalonika ny apostoly Paoly, dia nampiasa ny Soratra Masina, ka “nanambara [ary] naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy 251

252

Fahaizana Manjohy Hevitra

nitsangana tamin’ny maty Kristy.” (Asa. 17:2, 3) Tsara homarihina fa tao amin’ny synagoga jiosy no nanaovany izany. Nanaiky ny Soratra Hebreo ` ireo niresahany tao. Nety ary ny nanombohany tamin’izay zavatra neken’ izy ireo. Tsy natombok’i Paoly tamin’ny fanononana teny avy tao amin’ny Soratra Masina anefa ny resaka nataony tamin’ny Grika teo amin’ ny Areopago tany Atena. Zavatra fantatr’izy ireo sy neken’izy NY FOMBA ireo kosa no nanombohany ny resaka, mba hitarihana azy HANAOVANA AZY ireo hihevitra ny Mpamorona sy ny fikasany.—Asa. 17:22-31. Hevero ny toe-piainana niaOlona an-tapitrisany ankehitriny no tsy manaiky ny Baivian’ny mpihaino sy ny boly ho mpitari-dalana azy eo amin’ny fiainany. Saika ny fihetsiny, mba hahafantarana ny fomba hanombohanfiainan’ny rehetra mihitsy anefa no iharan-java-tsarotra eto dresaka. amin’ity tontolo ity. Maniry zavatra tsara kokoa ny olona. MiAza toherina avokoa izay zaresaha aloha momba izay zavatra mampanahy azy, avy eo vao vatra diso rehetra lazainy. asehoy izay hazavain’ny Baiboly momba izany. Mety hanosiMitenena amim-patokisana, ka azy hihaino izay lazain’ny Baiboly momba ny fikasan’ nefa ekeo fa afaka mifidy izay Andriamanitra izany fanehoana fiheverana azy izany. hinoany ny hafa, tahaka anao Mety ho avy tamin’ny ray aman-dreniny no nahazoan’ny ihany. mpianatra ny Baiboly iray ny fivavahany sy ireo fanao mahaAza maika hamaly fano` zatra azy. Fantany anefa izao fa tsy ankasitrahan’Andriamanintaniana, fa mampiasa tra ny zavatra sasany inoany sy arahiny. Tsy manaraka azy fanontaniana hafa na fanoharana kosa, mba hanampiana ireny intsony izy, mba hankatoavana izay ampianarin’ny Baiilay olona hanjohy hevitra. boly. Ahoana no hanazavany izany amin’ny ray aman-dreniAtaovy ho fahazarana ny? Mety hihevitra izy ireo fa tsy ilay fivavahana no lavin-jany manjohy hevitra momba nany amin’izany, fa izy ireo mihitsy. Mety hanapa-kevitra ilay ny andinin-teny: Hazavao mpianatra Baiboly fa tokony hanome toky ny ray aman-dreireo teny fototra ao aminy, niny aloha izy fa tia sy manaja azy ireo, izay vao hanazava ny vakio ny teny manodidina antony ara-baiboly iorenan’ny fanapahan-keviny. na andinin-teny hafa mba hampahazava azy, na maRahoviana no mandefitra? Na dia manana ny fahefana hi` mpiasa ohatra iray mba baiko sy handidy aza i Jehovah, dia maneho fiheverana tsy hanaovana fampiharana azy. misy toy izany. Nampirisika toy izao ny anjelin’i Jehovah, fony namonjy an’i Lota sy ny fianakaviany tany Sodoma: “Mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana hianao.” Niangaˆ vy anefa i Lota hoe: “Aza an’izany, Tompo o!” Nangata-dalana handositra tany Zoara izy. Naneho fiheverana an’i Lota i Jehovah, ka namela azy ha` nkany Zoara, hany ka tsy niara-noringaniny tamin’ireo tanana hafa i Zoara. Nanaraka ilay toromarik’i Jehovah tany am-boalohany ihany ane` fa i Lota taty aoriana, ka nankany an-tendrombohitra. (Gen. 19:17-30) Efa fantatr’i Jehovah fa ny azy no marina, nefa naharitra sy nandefitra izy, mandra-pahatakatr’i Lota an’izany.

Fahaizana Manjohy Hevitra

Mila maneho fiheverana toy izany koa isika, mba hananana fifandraisana tsara amin’ny hafa. Mety ho azontsika antoka fa diso hevitra ilay olona iresahantsika, ary mety hahita hevitra tsara hanaporofoana izany isika. Indraindray anefa dia tsara kokoa ny tsy manizingizina ny amin’izany. Tsy hoe mampandefitra ny fitsipik’i Jehovah akory isika, raha mandefitra toy izany. Aleo fotsiny misaotra ilay olona noho izy nilaza ny heviny, na avela fa tsy toherina ny teny diso sasany, mba hahafahana hampifantoka ilay resaka amin-javatra mahasoa kokoa. Aza misafoaka na dia melohiny aza ny zavatra inoanao. Anontanio azy ny antony ilazany izany. Henoy tsara izay lazainy. Hanampy anao hahafantatra kokoa ny fomba fisainany izany. Mety hahafahana hiresaka tsara aminy koa izany, amin’ny manaraka.—Ohab. 16:23; 19:11. Nataon’i Jehovah hanan-tsafidy ny olombelona. Avelany hampiasa izany fahafahana izany izy ireo, na dia mety tsy hanao izany amim-pahendrena aza. Nisolo tena an’i Jehovah i Josoa, fony nitantara ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely. Hoy izy anefa avy eo: “Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany andafin’ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” (Josoa 24:15) Nirahina mba ‘hitory ho vavolombelona’ isika ankehitriny, ary matoky izay lazaintsika isika, nefa tsy mitady hanery ny hafa hino. (Matio 24:14) Tsy maintsy mifidy izy ireo, ary tsy esorintsika aminy izany zo izany. Mametraha fanontaniana. Namela ohatra faran’izay tsara i Jesosy rehefa nanjohy hevitra. Nanisy fiheverana ny toe-piainana niavian’ny olona izy, ary nampiasa fanoharana izay neken’izy ireo mora foana. Nahay nampiasa fanontaniana koa izy. Nahatonga ny hafa ho afaka hilaza ny heviny sy hampiharihary ny tao am-pony izany. Nampirisika azy ireo hanjohy hevitra momba ilay zavatra noresahina koa izany. ` ˆ Hoy ny lehilahy iray mpahay Lalana tamin’i Jesosy: “Mpampianatra o, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Afaka nanome azy ny valiny mora foana i Jesosy. Nanasa an’ilay lehilahy hilaza ny heviny ` anefa izy. “Inona no voasoratra ao amin’ny lalana? Manao ahoana no famakinao azy?” Marina ny valin-teny nomen’ilay lehilahy. Nifarana teo ve ilay resaka? Tsia. Navelan’i Jesosy hanohy ny teniny izy, ary hitany tamin’ ny fanontaniana napetrak’ilay lehilahy fa nitady hanamarin-tena izy. Nanontany izy hoe: “Iza ary no namako?” Tsy namaritra ny atao hoe namana i Jesosy, satria mety ho nolavin’ilay lehilahy izany, noho ny fihetsiky ny Jiosy teo anoloan’ny Jentilisa sy ny Samaritanina. Nasain’i Jesosy

253

254

Fahaizana Manjohy Hevitra

nanjohy hevitra tamin’ny alalan’ny fanoharana iray kosa izy. Momba ny Samaritanina tsara fanahy iray ilay fanoharana: Namonjy lehilahy iray nisy nanendaka sy namono izy, fa tsy nanao izany kosa ny mpisorona iray sy ny Levita iray. Fanontaniana tsotra no napetrak’i Jesosy, dia azony antoka fa azon’ilay lehilahy tsara ny hevitr’ilay fanoharana. Nanjary nisy heviny mbola tsy hain’io lehilahy io taloha ilay teny hoe ‘namana’, noho ilay fanjohian-kevitra narahin’i Jesosy. (Lioka 10:25-37) Izany ka ohatra tsara hotahafina! Aza miteny foana, ka tsy mamela ilay olona hieritreritra, fa mianara kosa mampiasa fanontaniana sy fanoharana voalanjalanja, mba hampirisihana azy hieritreritra. Manomeza antony. Tsy namaky teny izay neken’ny mpihaino fotsiny ny apostoly Paoly, fony niteny tao amin’ny synagogan’i Tesalonika. Notantarain’i Lioka fa nanazava sy nanome porofo ary nampihatra izay novakiny i Paoly. Ny vokatr’izany? “Ny sasany tamin’ireo dia nino ka nanampy ho isan’ny mpianatr’i Paoly sy Silasy.”—Asa. 17:1-4. Manampy foana ny fanjohian-kevitra toy izany, na iza na iza mihaino anao. Marina izany, na mitory amin’ny havana ianao, na miteny amin’ ny mpiara-miasa, na mpiara-mianatra aminao, na miresaka amin’olontsy fantatra eny amin’ny fanompoana, na mitarika fampianarana Baiboly, na mandaha-teny ho an’ny fiangonana. Mety hazava aminao ny andinin-teny vakinao, nefa mety tsy ho azon’ny hafa ny heviny. Toa mitompo teny fantatra ny fandrenesany ianao, rehefa manazava na manao fampiharana ilay andinin-teny. Nahoana raha singanina sy hazavaina ny teny fototra sasany ao amin’ilay andinin-teny? Sao dia hanampy ny fanomezana porofo, angamba avy amin’ny teny manodidina na ny andinin-teny iray hafa? Sa fanoharana iray no ilaina mba hampisehoana fa azo ekena ilay zavatra nolazainao? Hanampy ny mpihaino hanjohy hevitra momba ilay foto-kevitra ve ny fametrahana fanontaniana? Horaisin’izy ireo tsara ny fanjohian-kevitra toy izany ary hahatonga azy hieritreritra.

FANAZARAN-TENA: 1) Rehefa avy nitory tamin’olona nanizingizina ny heviny ianao, dia fakafakao ny fomba niresahanao. Inona no porofo nomenao? Fanoharana inona no nampiasainao? Fanontaniana inona avy no napetrakao? Nasianao fiheverana ve ny toe-piainana niaviany na ny fihetseham-pony? Raha tsy afaka manao ireo zavatra ireo eny amin’ny fanompoana ianao, dia anaovy famerenana miaraka amin’ny mpitory hafa ilay izy. 2) Anaovy famerenana ny fomba hanjohianao hevitra amin’olona (mitovy aminao na ankizy) mitady hanao zavatra tsy mety.

POROFO MARIM-POTOTRA 49



Inona no ilainao hatao? Manome porofo mahafa-po, izay manamarina ny zavatra lazainao.

REHEFA milaza zavatra iray ianao, ny mpihaino anao dia manana zo hanontany hoe: “Nahoana izany no marina? Inona no porofo fa tokony hekena ilay zavatra lazain’ny mpandahateny?” Ianao mpampianatra no tsy maintsy mamaly ireo fanontaniana ireo, na manampy ny mpihaino hahita ny valiny. Raha tena zava-dehibe ilay lazainao, dia omeo antony tsara hanekeny azy io ny mpihaino. Tena handresy lahatra azy ireo ny famelabelaranao, raha manao izany ianao. NAHOANA IZANY Nanao izany ny apostoly Paoly. Nampiasa porofo marimNO TENA ILAINA? pototra sy fanjohian-kevitra mirindra ary fiangaviana izy, Tsy hino na hampihatra izay mba hanampiana ny olona niresahany hanova ny fomba filazainao ny mpihaino, raha sainany. Ohatra tsara ho antsika izany. (Asa. 18:4; 19:8) Matsy miaiky izy ireo fa marina rina fa misy mpikabary mampiasa ny fandresen-dahatra mba ilay izy. hamitahana olona. (Matio 27:20; Asa. 14:19; Kol. 2:4) Milaza tombantombana diso izy ireny, miantehitra amin’ny tenin’ olona manavakavaka, mampiasa porofo tsy marim-pototra, manilika ireo zava-misy tsy mifanaraka amin’ny fomba fiheviny, na mitady hampihetsi-po fotsiny fa tsy manjohy hevitra. Tokony hitandrina isika mba tsy hanaraka fomba toy izany. Miorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy tokony hampianatra ny hevitsika manokana isika. Izay nianarantsika tao amin’ny Baiboly no ezahintsika hampianarina ny hafa. Manampy antsika be dia be amin’ izany ireo boky sy gazety avoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina. Mampirisika antsika handinika tsara ny Soratra Masina izy ireny. Isika indray kosa manasa ny hafa hitodika any amin’ny Baiboly, tsy hoe mba hanaporofoana fa marina ny antsika, fa noho isika maniry amim-panetren-tena hanampy azy ireo hahita izay voalaza ao. Ekentsika ny tenin’i Jesosy Kristy, tao amin’ny vavaka nataony tamin-dRainy hoe: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Tsy misy fahefana lehibe kokoa noho i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Tokony hiorina amin’ny Teniny ny porofo omentsika, raha tiantsika ho marim-pototra. Mety hiresaka amin’olona tsy mahalala ny Baiboly na tsy manaiky azy io ho Tenin’Andriamanitra ianao indraindray. Tokony hofidinao tsara, 255

256

Porofo Marim-pototra

amin’izay, ny fomba sy ny fotoana hampiasanao andinin-teny. Miezaha anefa hisarika ny sain’ny olona ho amin’ny Baiboly, haingana araka izay azonao atao. Midika ve izany fa ny fanononana fotsiny andinin-teny iray mety tsara dia efa porofo tsy azo lavina? Tsy voatery ho izany. Mety hila hisarika ny sain’ny olona ho amin’ny teny manodidina ianao, mba hampisehoana fa tena manamarina izay lazainao ilay andininy. Mety hila hanome porofo fanampiny ianao raha fitsipi-pitondran-tena no NY FOMBA tsoahinao avy ao, nefa tsy miresaka momba izany ny teny maHANAOVANA AZY nodidina. Mety hila hamaky andinin-teny hafa mifandray Aza milaza zavatra fotsiny, amin’ilay andininy ianao, mba hampiekena ny mpihaino fa manomeza porofo mahafa tena miorina tsara amin’ny Soratra Masina izay lazainao. fa-po mba hanamarinana hevi-dehibe. Aza itarina ny zavatra lazain’ny andinin-teny iray. Vakio amim-pitandremana izy io. Mety hifandray amin’ilay fotoAmpioreno mafy amin’ny Baiboly ny porofo omenao. kevitra ankapobe resahinao izy io. Raha tianao anefa ny ` Mampiasa porofo fanampihandresy lahatra, dia tokony ho hitan’ny mpihaino ao amin’ ny, izay mety amin’ny ilay andinin-teny ny porofon’izay lazainao. zava-kendrenao sy ny mpiHamarinin’ny porofo fanampiny. Mety ho tsara indraihaino anao. ndray, ny maka porofo hafa ivelan’ny Baiboly, mba hanampiana ny olona hahita fa azo ekena tsara izay lazain’ny Soratra Masina. Azonao alaina ho porofon’ny fisian’ny Mpamorona, ohatra, izao to` ntolo izao hita maso. Miresaha momba ny lalan’ny natiora, toy ny he` rin’ny tany misintona, mba hanjohiana hevitra fa raha misy lalana toy ` izany, dia tsy maintsy misy koa ny Mpanao lalana. Hety tsara ny fanjohian-kevitrao, raha mifanaraka amin’izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra. (Joba 38:31-33; Sal. 19:1; 104:24; Rom. 1:20) Tsara ny porofo toy izany, satria mampiseho fa mifanaraka tsara amin’ny zava-misy hitan’ny maso ny zavatra lazain’ny Baiboly. Moa ve ianao miezaka hanampy olona iray hahita fa tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly? Mety hilaza ny tenin’ny manam-pahaizana mino izany ianao, nefa tena porofo ve izany? Ny olona manaja ireny manam-pahaizana ireny ihany no hanaiky ny teny toy izany. Azonao ampiasaina ve ny siansa mba hanaporofoana fa marina ny Baiboly? Ho maivana ny porofo iorenan’ny fanazavanao raha ny fomba fihevitry ny mpanao siansa, izay olombelona tsy lavorary, no raisinao. Ho marim-pototra kosa anefa ny porofo omenao, raha ny Tenin’Andriamanitra no resahinao voalohany, ary avy eo ianao vao manonona ny zava-bitan’ny siansa izay manamafy ny fahamarinan’ny Baiboly.

Porofo Marim-pototra

Na inona na inona ezahinao porofoina, dia manomeza porofo ampy. Miankina amin’ny mpihaino anao ny habetsahan’ny porofo ilainao. Ohatra, raha miresaka momba ny andro farany ao amin’ny 2 Timoty 3: ` 1-5 ianao, dia milaza vaovao iray fanta-bahoaka izay mampiseho fa “tsy manam-pitiavana” ny olona. Mety ho efa ampy io ohatra iray io, mba hanaporofoana fa tanteraka io lafiny iray amantarana ny andro farany io. Matetika no tsara ny mampitaha zavatra roa samy hafa izay manan-javatra itoviana. Tsy ilay fampitahana akory no porofo, fa mbola tsy maintsy hamarinina amin’ny alalan’ny Baiboly izy io. Mety hanampy anefa ny fampiasana fampitahana, mba hahitan’ny olona fa azo ekena ny hevitra iray. Ohatra iray azo ampiasana fampitahana toy izany ny fanazavana fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitondram-panjakana. Lazao fa sahala amin’ny fitondram-panjakan’olombelona, ny Fanjakan’Andriamani` tra dia manana mpitondra, olom-pehezina, lalana, fitsarana, ary rafi-pampianarana. Matetika no azo ampiasaina ny zavatra tena nitranga mba hanaporofoana fa fahendrena ny manaraka ny torohevitry ny Baiboly. Azo ampiasaina koa ny zavatra niainanao manokana mba hanamarinana ny zavatra lazainao. Ohatra, rehefa hampiseho amin’ny olona iray ianao fa tena ilaina ny mamaky sy mianatra ny Baiboly, dia azonao hazavaina fa nanatsara ny fiainanao ny fanaovanao izany. Ny apostoly Petera, izay vavolombelona nanatri-maso ny niovan’i Jesosy tarehy, dia niresaka momba azy io mba hampaherezana ny rahalahiny. (2 Pet. 1:16-18) Nilaza ny zavatra niainany koa ny apostoly Paoly. (2 Kor. 1:8-10; 12:7-9) Aza mampiasa matetika loatra ny zavatra niainanao anefa, sao misarika ny sain’ny hafa ho amin’ny tenanao. Koa satria tsy mitovy ny toe-piainana niavian’ny olona sy ny fomba fisainany, dia mety tsy hahafa-po ny olona iray ny porofo mampiaiky ny ` iray hafa. Koa hevero ary ny fomba fihevitry ny mpihaino anao, rehefa mifidy izay porofo hampiasainao sy ny fomba hampiasanao azy ianao. Hoy ny Ohabolana 16:23: “Ny fon’ny hendry mahahendry ny vavany sady manampy fahendrena eo amin’ny molony.”

FANAZARAN-TENA: 1) Sokafy ho eo amin’ny lohateny hoe “Jesosy Kristy” ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina. Mariho fa miompana voalohany indrindra amin’ny Baiboly ny valin’ireo fanontaniana. 2) Jereo ireo lahatsoratra voalohany ao amin’ny gazety iray, na Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! Mifantena hevi-dehibe maromaro avy ao. Tsipiho ireo andininteny fototra, ary mariho ireo porofo fanampiny omena.

257

50 FIEZAHANA HANOHINA NY FO



Inona no ilainao hatao? Mihevitra ny fomba fijerin’ny olona ilay zavatra resahina. Manampy azy hamboly fihetseham-po sy faniriana izay hampanatona azy an’Andriamanitra ka hahatonga azy ho sakaizany. TSY mitory amin’ny olona fotsiny isika, fa mila miezaka hanohina ny fony koa. Matetika ny fo no ampifanoherin’ny Baiboly amin’izay mise` ho ety ivelany. Ny maha izy ilay olona ao anatiny ao no fo ara-panoharana, izany hoe, ny fihetseham-pony, izay rehetra eritreretiny, ny antony ieritreretany izany, ary ny fiantraikan’izany eo amin’ny zavatra ataony. Ao amin’io fo ara-panoharana io no afafy ny voan’ny fahamarinana. (Matio 13:19) Ary tsy maintsy avy ao no ipoiran’ NAHOANA IZANY ny fankatoavana an’Andriamanitra.—Ohab. 3:1; Rom. 6:17. NO TENA ILAINA? Mifantoha amin’ireto tanjona ireto mba ho tafiditra hatraTsy maintsy miraikitra mafy ny am-pon’ny olona ny fampianaranao: 1) Fantaro izay efa ao am-pon’ny olona ny namolavola ny fon’ilay olona. 2) Entano izy mba hanana toeTenin’Andriamanitra, raha te tra tsara, toy ny fitiavana sy ny fahatahorana an’Andriamanihampifaly an’i Jehovah izy. tra. 3) Ampirisiho izy hamakafaka ny antony anaovany zavatra, mba hampifaliana kokoa an’i Jehovah. Mahaiza mamanta-javatra. Misy antony maro samihafa mahatonga ny olona mbola tsy hanaiky ny fahamarinana. Angamba ianao mila mandrodana fitsarana an-tendrony, sy milaza zava-misy manohitra ny hevidison’ilay mpianatra, na manome porofo fotsiny, rehefa mampianatra Baiboly. Manontania tena hoe: ‘Tsapany ve fa mila zavatra ara-panahy ny olombelona? Firy ny zavatra efa inoany? Inona no mbola tsy inoany? Inona no nahatonga azy hino na tsy hino? Mila fanampiana ve izy mba handreseny faniriana izay mety hisakana azy tsy hanaiky ireo andraikitra entin’ny fahafantarana ny fahamarinana?’ Tsy mora foana ny mamantatra ny antony inoan’ny olona zavatra sasany. “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona”, hoy ny Ohabolana 20:5, “fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany.” Takatry ny ‘manan-tsaina’ ny zavatra tsy miharihary avy hatrany. Mitaky fahaizamandinika tsara sy fiahiana ny olona izany. Tsy amin’ny teny foana no ampitana hevitra. Misy foto-kevitra mety hampiova endrika, na hampiova feo ny mpianatra iray. Fantatrao tsara, 258

Fiezahana Hanohina ny Fo

259

raha ray ianao, na reny, fa matoa niova fihetsika ny zanakao, dia tsy maintsy nisy zava-nitranga teo amin’ny fiainany. Aza odian-tsy hita ireny fiovana ireny, fa mampahafantatra izay mitranga ao am-pony. Hanampy anao hanovo izay ao am-pon’ny olona iray ny fanontaniana voafantina tsara. Manontania hoe: “Ahoana ny fiheveranao ny...?” “Nahoana ianao no mino fa...?” “Inona no hataonao, raha...?” Aza totofana fanontaniana anefa izy. Mahaiza mandanjalanja ka manontania aloha hoe: “Tsy mampaninona anao ve, raha maNY FOMBA nontany aho hoe...?” Tena sarotra ny mamantatra izay ao HANATSARANA AZY am-pon’ny olona, ka tsy azo atao maimaika. Saiky elaela foaManehoa fitiavana avy na ny olona vao afaka matoky olon-kafa sy mamboraka ny amin’ny fo. tena fihetseham-pony. Na amin’izay aza, dia tandremo sao Fantaro izay namolavola ny mahatonga azy hihevitra fa mitsabaka amin’ny raharahafon’ilay mihaino anao. ny manokana ianao, rehefa mametra-panontaniana.—1 Pet. Asongadino ireo toetra 4:15. tsaran’i Jehovah. Ilana fahaiza-manavaka ny fihetsika asehonao rehefa maAsehoy ny mpihaino ny ndre ny valin-tenin’ilay olona ianao. Tadidio fa ny tanjonao fomba hamakafakana sy dia ny hahazo ny heviny, mba hamantaranao izay fanazavahanatsarana ny antony na ara-baiboly mety hanohina ny fony. Fehezo ny vavanao anaovany zavatra. mba tsy hilaza avy hatrany fa diso ny heviny. Mahaiza kosa mamantatra ny fihetseham-pony rehefa miteny izy. Ho hainao amin’izay ny fomba hamaliana azy; ary ilay mpianatrao kosa hahatsapa fa azonao ny heviny, ka hihaino kokoa izay lazainao izy.—Ohab. 16:23. Mety ho afaka hanohina ny fon’ny isam-batan’olona koa ianao, na dia mandaha-teny ho an’ny olona maro aza. Mifandraisa tsara amin’ny mpihaino, mariho izay fiovana hitanao eny amin’ny endriny, mametraha fanontaniana mampisaintsaina nefa tsy miandry valiny. Ho fantapantatrao avy amin’izany izay heverin’ny mpihaino momba izay lazainao. Raha fantatrao tsara ny mpihaino, dia asio fiheverana ny toe-javatra misy azy. Asio fiheverana koa ny fihetsik’ilay fiangonana amin’ny ankapobeny, rehefa miara-manjohy hevitra aminy amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra ianao.—Gal. 6:18. Entano ny mpihaino mba hanana fihetseham-po tsara. Azonao ampiasaina izay efa fantapantatrao momba ny olona iray: ny zavatra inoany, sy ny tsy inoany, ary ny anton’izany. Nanohina ny fon’ny mpianany i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, fony izy “namoaka ny hevitry ny Soratra Masina” momba ireo zava-nitranga tamin’izay. (Lioka 24:32) Tokony hiezahanao hampifandraisina koa ny zavatra niainan’ny olona iray, sy izay iriny, ary izay hitany ao amin’ny Tenin’

260

Fiezahana Hanohina ny Fo

Andriamanitra. Ho voatohina tsara ny fon’ny mpianatra iray, rehefa takany mazava tsara hoe: “FAHAMARINANA ity!” Antitrantero ny hatsaram-pon’i Jehovah, ny fitiavany, ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, ary ny maha fahendrena ny lalany. Hanampy ilay mpianatra hanamafy ny fitiavany an’Andriamanitra izany. ` Maka fotoana hampisehoana ireo toetra tsara hitan’Andriamanitra ao amin’ilay olona. Hampino azy izany fa azony atao ny manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra. Mety ho vita izany rehefa saintsainina ny andinin-teny toy ny Salamo 139:1-3 sy Lioka 21:1-4 ary Jaona 6:44, sy rehefa ampiana ny mpihaino hahatakatra ny halalin’ny fitiavan’i Jehovah ny mpanompony mahatoky. (Rom. 8:38, 39) Hazavao fa tsy mifantoka amin’ireo fahadisoantsika i Jehovah, fa mijery kosa ny fiainantsika manontolo, ny zotom-pontsika ho an’ny fivavahana madio, ny fitiavantsika ny anarany. (2 Tant. 19:2, 3; Heb. 6:10) Tadidiny na dia ny tsipiriany madinika indrindra maha isika antsika aza, ary hanao zavatra tena miavaka izy, rehefa hamelona indray “ny olona rehetra any am-pasana.” (Jaona 5:28, 29; Lioka 12:6, 7) Matetika no manohina ny fon’ny olona ny resaka momba ny toetra tsaran’i Jehovah, satria noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona.—Gen. 1:27. Voatohina koa ny fon’ny olona iray, rehefa mianatra mijery ny hafa araka ny fomba fijerin’i Jehovah izy. Mazava ho azy fa raha tia antsika isam-batan’olona ilay Andriamanitsika, dia mba tiany toy izany koa ny hafa, na manao ahoana na manao ahoana toe-piainana niaviany, na ny fireneny, na firazanany. (Asa. 10:34, 35) Raha vao takatr’ilay olona izany, dia hanana antony tsara ara-baiboly izy hanafoanana ny fankahalana sy ny fanavakavahana avy ao am-pony. Hanampy azy hihavana tsara amin’ny hafa izany, eo am-piezahany hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ampio koa ny hafa hatahotra an’Andriamanitra. (Sal. 111:10; Apok. 14: 6, 7) Hanosika ny olona hahavita zavatra mety tsy ho vitany irery ny fahatahorana an’Andriamanitra, na ny fanajana azy lalina. Rehefa miresaka momba ireo asa mahatahotra nataon’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny ary ny fitiavany ianao, dia hanampy ny hafa hanana tahotra mahasoa, tahotra sao hampahatezitra azy.—Sal. 66:5; Jer. 32:40. Ataovy azon’ny mpihaino anao tsara fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny fitondran-tenany. Manana fihetseham-po i Jehovah, ka arakaraka ny fihetsitsika manoloana ny fitarihany no hampalahelo azy, na hampifaly azy. (Sal. 78:40-42) Asehoy amin’ny mpihaino fa na hanamarina na hanohitra ny fiampangan’i Satana an’Andriamanitra, ny fitondran-tenany. —Ohab. 27:11.

Fiezahana Hanohina ny Fo

Ampio ny mpihaino anao hahita fa hahasoa azy ny fankatoavany ny zavatra takin’Andriamanitra. (Isaia 48:17) Resaho, ohatra, ny fahavoazana ara-batana sy ara-pihetseham-po vokatry ny fandavana ny fahendren’ Andriamanitra, na dia vetivety fotsiny aza. Hazavao fa mampisaraka antsika amin’Andriamanitra ny fahotana, sady misakana ny hafa tsy hianatra ny fahamarinana avy amintsika, ary manitsakitsaka ny zon’izy ireo koa. (1 Tes. 4:6) Ampio izy ireo hankamamy ny fitahiana efa azony, noho ` ny nankatoavany ny lalan’Andriamanitra. Ampio koa izy hankasitraka kokoa ny toerany, satria afaka misoroka zava-doza maro izy noho ny fanarahany ny lalana marin’i Jehovah. Raha vao mino ny olona iray fa fahendrena ny lalan’Andriamanitra, dia haharikoriko azy izay fihetsika rehetra manohitra azy io. (Sal. 119:104) Tsy ho enta-mavesatra aminy ny fankatoavana, fa ho fomba hanehoany ny fitiavany sy ny fifikirany amin’ i Jehovah kosa. Ampio ny hafa handini-tena. Mila mihaino izay lazain’ny fony ny olona mba hitomboany hatrany ara-panahy. Hazavao fa afaka manampy azy hanao izany ny Baiboly. Ampio ny mpihaino anao hahatakatra fa tsy didy, sy torohevitra, sy tantara ary faminaniana fotsiny akory no ao amin’ny Baiboly. Mampiseho ny fomba fisainan’Andriamanitra koa izy io. Ampitahain’ny Jakoba 1: 22-25 amin’ny fitaratra ny Tenin’Andriamanitra. Mampiharihary izay ao am-pontsika ny hafatry ny Baiboly. Hita izany amin’ny fihetsitsika manoloana izay lazain’ny Baiboly, sy manoloana ny fomba anatanterahan’i Jehovah ny fikasany. Asehony araka izany ny tena fahitan’Andriamanitra antsika, dia izy izay “Mpamantatra ny fo.” (Ohab. 17:3) Ampirisiho ny mpihaino anao hitadidy izany. Ampirisiho izy ireo hisaintsaina momba izay noraketin’Andriamanitra ho antsika ao amin’ny Baiboly sy momba ireo fiovana mety hilainy hatao mba hampifaliana azy kokoa. Ampio izy ireo hahita fa amin’ny famakiana ny Baiboly no ahafantarany ny fomba itsaran’i Jehovah “ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” Ho voatosika hanao ny fanitsiana ilaina izy, rehefa hitany fa misy zavatra tsy ankasitrahan’Andriamanitra ataony.—Heb. 4:12; Rom. 15:4. Misy mpianatra Baiboly mety ho te hampihatra izay nianarany, nefa matahotra izay hoeritreretin’ny hafa. Mety hiady mafy amin’ny fanirian’ ny nofo sasany koa izy ireo. Na mety hitady fialan-tsiny izy mba hifikirana amin’ny fanaon’ity tontolo ity, no sady hanompo an’Andriamanitra ihany. Lazao aminy ny loza entin’ny tsy fandraisana fanapahan-kevitra hentitra toy izany. (1 Mpanj. 18:21) Ampirisiho izy ireo hivavaka amin’ Andriamanitra, mba handinihany sy hizahany toetra ny fony.—Sal. 26:2; 139:23, 24.

261

262

Fiezahana Hanohina ny Fo

Asehoy azy ireo fa fantatr’i Jehovah tsara ny ady ataon’izy ireo, ary hazavain’ny Baiboly ny anton’izany ady izany. (Rom. 7:22, 23) Ampio izy ireo hitandrina mba tsy hamela ny fironan’ny fony tsy lavorary hifehy azy.—Ohab. 3:5, 6; 28:26; Jer. 17:9, 10. Ampirisiho ny tsirairay hamakafaka ny antony manosika azy hanao zavatra. Ampianaro izy hanontany tena hoe: ‘Nahoana aho no te hanao ity zavatra ity? Moa ve izany hampiseho amin’i Jehovah fa tena ankasitrahako izay rehetra nataony ho ahy?’ Ampio izy hatoky mafimafy kokoa fa ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah no fananana sarobidy indrindra. Ampio ny mpihaino hahatakatra ny hevitry ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny ‘fony rehetra.’ (Lioka 10:27) Midika izany fa tsy maintsy ampifanarahiny amin’ny lalan’i Jehovah avokoa ny fihetseham-pony rehetra sy ny faniriany rehetra ary ny antony rehetra anaovany zavatra. ` Ampianaro ary ny mpihaino anao hamakafaka, tsy izay ataony ihany, fa ny fiheverany ny zavatra takin’Andriamanitra koa sy ny antony anompoany azy. (Sal. 37:4) Rehefa hitan’ny mpianatrao ireo lafiny ilainy hohatsaraina, dia ampirisiho izy hivavaka amin’i Jehovah hoe: “Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.”—Sal. 86:11. Rehefa manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah ny mpianatra ` iray, dia hankato an’Andriamanitra noho ny finoana izy, fa tsy noho ny fampirisihanao fotsiny. Ny tenany amin’izay no hanohy ‘hamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo.’ (Efes. 5:10; Fil. 2:12) Mampifaly an’i Jehovah ny fankatoavana avy amin’ny fo toy izany.—Ohab. 23:15. Tadidio fa i Jehovah no mamantatra ny fo sy mitaona ny olona hanana fifandraisana aminy. (Ohab. 21:2; Jaona 6:44) Mpiara-miasa aminy fotsiny isika. (1 Kor. 3:9) Toy ny hoe ‘Andriamanitra no mampangataka antsika’, izany hoe, miangavy amin’ny alalantsika. (2 Kor. 5:20; Asa. 16:14) Tsy manery na iza na iza hanaiky ny fahamarinana i Jehovah, nefa ataony izay hahatakaran’ny mpihaino antsika fa valin’ny fanontaniany, na ny vavaka nataony ilay zavatra vakintsika avy ao amin’ny Baiboly. Tadidio foana izany isaky ny mampianatra olona ianao, ary mangataha taridalana sy fanampiana avy amin’i Jehovah.—1 Tant. 29:18, 19; Efes. 1:16-18.

FANAZARAN-TENA: 1) Vakio ny Matio 6:21, ka fakafakao ny fomba iharan’izy io eo amin’ny fiainanao. Vakio koa ny andininy faha-19 sy 20, ka diniho izay fanitsiana asain’ ny fonao hataonao. 2) Fakafakao ny antony nanosika anao hanomboka hanompo an’i Jehovah. Inona no antony manosika anao izao? Antony manosika inona avy no tianao hohamafisina mba hampifaliana an’i Jehovah?

VITA ARA-POTOANA SY VOATSINJARA TSARA 51



Inona no ilainao hatao? Manao ny anjaranao na ny lahateninao ao anatin’ny fotoana nomena anao, ary mitsinjara tsara ny fotoana hanaovana ny fizarana tsirairay.

NA DIA ny hatsaran’ny fampianarana aza no tena tokony hoantitranterina, dia ilaina hotandremana koa ny faharetan’ny anjaranao na ny lahateninao. Nalamina mba hanomboka sy hifarana amin’ny fotoana voafaritra tsara ny fivoriantsika. Mitaky ny fiaraha-miasan’ireo rehetra manana anjara amin’ny fandaharana izany. Tsy mitovy ny fiheveran’ny olona ny fiainana tamin’ny andron’ny Baiboly, sy ny hita any amin’ny tany maro ankehiNAHOANA IZANY triny. Nolazaina ara-keviny ny fotoana tamin’izany, toy ny hoe NO TENA ILAINA? “tamin’ny ora fahatelo” na hoe “tokony ho ora fahafolo.” (MaTokony ho ampy ny fotoana tio 20:3-6; Jaona 1:39) Nahalana ny olona vao nanaraka fandahanazavana ny hevi-dehibe haram-potoana hentitra, teo amin’ny fiainana andavanandro. tsirairay. Tena ilaina faranaMbola hita any amin’ny tany sasany ihany izany ankehitriny. na ara-potoana ny fivoriana. Na dia mety tsy ho hentitra loatra momba ny fotoana aza anefa ny olona, noho ny fahazarana eo an-toerana na noho ny fitiavany manokana, dia hahasoa antsika ny mianatra hitandrina tsara ny fotoana. Ilaina ny manaja ny fotoana voatondro ho an’ny anjara tsirairay, rehefa maromaro no manana anjara amin’ny fandaharana. Azo ampiharina tsara amin’ny faharetan’ny anjarantsika amin’ny fivoriana ilay toro lalana hoe “aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.”—1 Kor. 14:40. Ny fomba hamitana anjara na lahateny ara-potoana. Fanomanana ` no fanalahidiny. Mazana no tsy ampy fanomanana ireo mpandahateny mihoatra ny fotoana. Mety hatoky tena loatra izy ireo, na mety hangataka andro fotsiny ka tsy manomana raha tsy efa eo am-poto-moty. Ilaina voa` lohany indrindra ary ny fankasitrahana ilay anjara nomena anao sy ny fahavononana hanomana azy tsara. Famakian-teny ve no anjaranao? Ianaro aloha ny Lesona faha-4 ka hatramin’ny faha-7, momba ny fitenenana misosa tsara, ny fiatoana, ny fanamafisan-kevitra ary ny fanamafisana ireo hevitra fototra. Ampiharo avy eo ilay torohevitra omena ao, rehefa mamaky amin’ny feo avo ilay anjaranao ianao. Jereo ny faharetany. Mila mamaky haingana kokoa ve ianao, mba tsy hihoatra ny fotoana? Vakio haingana kokoa ireo tapany tsy dia 263

264

Vita Ara-potoana sy Voatsinjara Tsara

lehibe loatra, nefa asio fiatoana hatrany ary mitenena miadana kokoa rehefa manamafy hevi-dehibe. Manaova famerenana imbetsaka. Rehefa mamaky misosa tsara ianao, dia ho mora kokoa ny manitsy ny fotoana. Taratasy kely misy soratra fohy ve no hampiasainao? Tsy ilaina hatao be tsipiriany toy ny lahateny vakina izy io, mba hamitana ilay anjara ara-potoana. Nisy fomba tsara kokoa efa nianaranao tao amin’ny Lesona faha-25. ` Tadidio ireto toromarika dimy ireto: 1) Manomana hevitra tsara, nefa tsy betsaka loatra. 2) Ataovy mazava tsara ao an-tsaina ireo hevidehibe, nefa aza ianarana tsianjery ireo fehezanteny. 3) Mariho NY FOMBA eo amin’ny drafitrao hoe firy minitra no tianao holanina amin’ HANAOVANA AZY ny fizarana tsirairay, na hoe toy inona ny fotoana tokony ho efa Manaova fanomanana tsara lasa rehefa eo amin’ny faritra sasany ianao. 4) Rehefa manomasy aloha be. na ianao, dia jereo ireo tsipiriany azo esorina, raha hitanao fa mihoatra ny fotoana. 5) Manaova famerenana imbetsaka. Tsinjarao ny fotoana haharetan’ny fizarana tsirairay, ary Tena ilaina ny fanaovana famerenana. Mandritra izany, dia hajao tsara izany. jereo tsara ny faharetan’ny fizarana tsirairay. Averimbereno Manaova famerenana. imbetsaka ny anjaranao na lahateninao, mandra-pahavitanao azy ao anatin’ilay fotoana voatondro. Aza mitady hampiditra hevitra be loatra. Aza lanina tanteraka ny fotoana nomena anao fa asio ambiny ihany, satria mety ho lava kokoa noho ny tamin’ny famerenana, ny famelabelarana eo anatrehan’ny mpanatrika. Tsinjarao ny fotoana ho an’ny fizarana tsirairay. Ho vita ara-potoana ny anjaranao raha hainao tsinjaraina ny fotoana haharetan’ny fizarana tsirairay ao aminy. Tokony holanina hamelabelarana ny votoatin’ny lahateny ny ankabeazan’ilay fotoana. Ao ianao no manazava ireo hevi-dehibe. Ny halavan’ny teny fampidirana dia tokony hamela anao hahatratra ireo tanjona telo resahin’ny Lesona faha-38. Tsy tokony ho lava loatra koa anefa ny votoatin’ny lahateninao, ka tsy ho ampy ny fotoana hanaovana teny famaranana mandaitra, araka ny hazavain’ny Lesona faha-39. Ho tsara kokoa ny anjaranao na ny lahateninao rehefa ezahinao vitaina ara-potoana, ary ho hitan’ny olona amin’izany fa manaja ny mpandray anjara hafa sy ilay fiangonana manontolo ianao.

FANAZARAN-TENA: Manaova fandaharam-potoana: Kendreo ny ho tonga 15 na 20 minitra alohan’ ny hanombohan’ny fivoriana. Asio fotoana ampy tsara hiomananao sy ny fianakavianao. Ampidiro koa ny fotoana lany eny an-dalana. Eritrereto ny fomba azonao isorohana ireo antony mahazatra mety hahatonga anao ho tara. Andramo imbetsaka izany, ka ahitsio arakaraka izay ilaina. Azonao ampiharina koa izany rehefa manao anjara na lahateny ianao.

FANANARANA MANDAITRA 52



Inona no ilainao hatao? Mandrisika ny hafa hanao zavatra, amin’ny alalan’ny fanjohiankevitra mampiaiky na ny torohevitra avy amin’ny fahefana azo itokisana; miteny amim-pahatsoram-po rehefa manao izany.

TSY maintsy ‘mahay mananatra amin’ny alalan’ny fampianarana tsy misy kilema’ ny anti-panahy kristianina. (Tit. 1:9) Tsy maintsy manao izany ao anatin’ny tarehin-javatra tena sarotra izy ireo, indraindray. Zava-dehibe ny hanomezana torohevitra mifanaraka amin’ny toro la` lan’ny Soratra Masina. Koa tsy maintsy arahin’ny anti-panahy ary, ilay torohevitra hoe: “Tandremo ... ny fananarana.” (1 Tim. 4: 13) Ny anti-panahy sy ireo miezaka ho tonga anti-panahy NAHOANA IZANY no tena resahina eto; nefa misy koa fotoana tsy maintsy anaNO TENA ILAINA? naran’ny ray aman-dreny ny zanany, na tsy maintsy ananaNy fananarana mandaitra dia mampiaiky ny hafa fa ran’ny mpitory ireo ampianariny Baiboly. Mihatra amin’iza` tena ilaina ny manao ireo ny koa ary ireto toro lalana ireto. zavatra ankasitrahan’i Toe-javatra ilana fananarana. Ilaina ny mandinika ireo Jehovah. ohatra ao amin’ny Baiboly, mba hamantarana hoe rahoviana no ilaina ny manome fananarana. Nananatra ny anti-panahy mba hiantsoroka tsara ny andraikiny ho mpiandry ny ondrin’ Andriamanitra, ny apostoly Petera. (1 Pet. 5:1, 2) Notoroan’i Paoly hevitra i Titosy mba hananatra ny tovolahy mba “hahonon-tena.” (Titosy 2:6) Nananatra ny Kristianina namany koa i Paoly mba “hiray teny” sy tsy hiaraka amin’ireo mitady hahatonga fisaratsarahana eo amin’ireo rahalahy. (1 Kor. 1:10; Rom. 16:17; Fil. 4:2) Noderain’i Paoly ny sasany tamin’ireo anisan’ny fiangonan’i Tesalonika noho ny zavatra tsara nataon’izy ireo, kanefa nanariny koa izy ireo mba hampihatra bebe kokoa ny fampianarana azony. (1 Tes. 4:1, 10) Niangavy mafy ny Kristianina namany mba ‘hifady ny filan’ny nofo’ i Petera. (1 Pet. 2:11) Nananatra ny namany i Joda mba ‘hiezaka mafy hiaro ny finoana’, noho ny fitaoman’ny ratsy fanahy izay nanaram-po tamin’ny fitondran-tena maloto. (Joda 3, 4) Nasaina nifananatra koa ny Kristianina tamin’ny ankapobeny mba tsy hisy ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota. (Heb. 3:13) Nanarin’i Petera toy izao ireo Jiosy mbola tsy nino an’i Kristy: “Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity hianareo.” —Asa. 2:40. 265

266

Fananarana Mandaitra

Toetra tsara inona avy no ilaina, mba hanomezana fananarana amin’ ny toe-javatra toy ireo? Inona no hanampy an’ilay mananatra, hiangavy ny olona hanao zavatra maika, nefa tsy hanery azy na ho masiaka aminy? “Noho ny fitiavana.” Mety ho henjana ny fananarantsika raha tsy “noho ny fitiavana” no anomezantsika azy. (Filem. 9) Marina fa rehefa ilaina ny manao zavatra maika, dia tokony haneho izany ny fomba fitenin’ilay mpandahateny. Mety ho toa miala tsiny NY FOMBA ny olona miteny malefaka. Etsy an-danin’izany anefa, dia HANAOVANA AZY tokony ho feno fahatsoram-po sy hahay hipetraka eo amin’ Manehoa fitiavana sy ny toeran’ny hafa ilay mananatra. Azo inoana kokoa fa hafahari-po, ary mitenena amimpahatsoram-po. nosika ny mpihaino hanao zavatra ny fiangaviana azy Ampioreno mafy amin’ny amim-pitiavana. Hoy i Paoly tamin’ny Tesalonianina, moTenin’Andriamanitra ny fanamba ny tenany sy ireo namany: “Fantatrareo fa tahaka ny naranao. ray amin’ny zanaka no ... nananaranay mafy anareo.” (1 Tes. Aoka ny tenanao ho ohatra tsara, dia hanan-kery ny fana2:11) Niangavy ny rahalahiny tamim-pitiavana ireny mpianaranao. ndraikitra kristianina ireny. Aoka koa ny teninao ho vokatry ny fiahianao amim-pahatsorana ny mpihaino anao. Mahaiza mandanjalanja. Aza mampahatezitra ny olona tianao hampirisihina hanao zavatra. Aza misalasala koa anefa hilaza aminy “ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra.” (Asa. 20:27) Tsy ho tafintohina, na hanjary tsy ho tia anao intsony ireo mahay mankasitraka, raha nampirisika azy tamin-katsaram-panahy hanao izay tsara ianao.—Sal. 141:5. Tsara kokoa matetika ny manao teny fiderana amim-pahatsorana aloha, vao manome fananarana. Eritrereto ireo zavatra tsara tena mampifaly an’i Jehovah, izay ataon’ny rahalahinao: ny finoana hita eo amin’ ny asany, ny fitiavana manosika azy hikely aina, ary ny fiaretany ao anatin’ny fotoan-tsarotra. (1 Tes. 1:2-8; 2 Tes. 1:3-5) Hanjary ho tsapan’ ireo rahalahinao amin’izay fa ankasitrahanao izy, ary takatrao ny mahazo azy. Ho vonona kokoa ny sainy hanaiky ilay fiangaviana holazainao. ‘Amin’ny fahari-po rehetra.’ Tokony hatao ‘amin’ny fahari-po rehetra’ ny fananarana. (2 Tim. 4:2) Inona no dikan’izany? Mahari-po ny olona mahay miaritra sy mihafy rehefa asian-dratsy na ilana ady. Manantena foana ny olona mahari-po fa mbola hampihatra izay lazainy ny mpihaino azy. Raha toe-tsaina toy izany no entinao mananatra ny mpihaino, dia tsy hieritreritra izy ireo hoe mihevitra azy ho faran’izay ratsy ianao. Hanosika azy ireo hanao izay tsara ny fatokisanao fa mani-

Fananarana Mandaitra

ry hanompo an’i Jehovah araka izay fara heriny ny rahalahinao sy anabavinao.—Heb. 6:9. ‘Amin’ny alalan’ny fampianarana tsy misy kilema.’ Ahoana no hahaizan’ny anti-panahy ‘hananatra amin’ny alalan’ny fampianarana tsy misy kilema’? Afaka manao izany izy raha “mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina.” (Tit. 1:9) Aza milaza ny hevitrao manokana, fa aoka ny Tenin’Andriamanitra no hampanan-kery ny fiangavianao. Aoka ny Baiboly hampahafantatra anao izay tokony holazainao. Tanisao ireo soa entin’ny fampiharana izay lazain’ny Baiboly momba ilay zavatra resahinao. Tadidio tsara ny voka-dratsin’ny tsy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, na ankehitriny izany na amin’ny hoavy. Ampiasao izany mba hampiekena ny mpihaino fa ilaina ny manitsy ny fihetsiny. Hazavao tsara amin’ny mpihaino izay tokony hataony sy ny fomba tokony hanaovany azy. Ataovy hitany tsara fa miorina mafy amin’ny Soratra Masina ny fanazavanao. Raha mamela anao hanao safidy ny Soratra Masina rehefa misy fanapahan-kevitra tsy maintsy atao, dia farito tsara hoe inona avy no tafiditra amin’izany safidy izany. Asio fiangaviana farany ao amin’ny famaranan-teninao, mba hanamafisana ny fahavononan’ny mpihaino hanao zavatra. Amin’ny “fahasahiana be.” Ilana “fahasahiana be amin’ny finoana” ny fananarana mandaitra. (1 Tim. 3:13) Ahoana no ahafahan’ny olona iray ho sahy hiteny toy izany? Hahavita izany izy raha toa ny ohatra omeny eo amin’ny “asa tsara” ka mifanaraka amin’izay asainy hataon’ny rahalahiny. (Tit. 2:6, 7; 1 Pet. 5:3) Ho takatr’ireo omena fananarana amin’ izay fa tsy asaina hanao zavatra izay tsy ataon’ilay mpananatra akory, izy ireo. Ho hitan’izy ireo fa ho azony tahafina ny finoan’ilay mpananatra, toy ny anahafan’izy io an’i Kristy.—1 Kor. 11:1; Fil. 3:17. Tena manampy be ny fananarana miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra sy omena amim-pitiavana. Tokony hiezaka mafy mba hanao izany tsara ireo manana andraikitra hanome fananarana.—Rom. 12:8.

FANAZARAN-TENA: Vakio ny taratasin’ny Apostoly Paoly ho an’i Filemona. Zahao ireto zavatra manaraka ireto: 1) teny fiderana feno fitiavana, 2) ny anton’ny fiangavian’i Paoly ho an’i Onesimosy, 3) ny porofo mampiaiky an’i Filemona ny amin’ny fomba tokony handraisany an’ilay mpanompony niverina, ary 4) ny fatokisan’i Paoly fa hanao zavatra tsara i Filemona. Eritrereto ny fomba hanahafanao izany, rehefa manome fananarana.

267

FAMPAHEREZANA SY FANATANJAHANA 53 NY MPIHAINO



Inona no ilainao hatao? Manome fanantenana na herim-po ho an’ny mpihaino anao. Manome hery sy tanjaka azy ireo. TOKONY ho afaka hahazo fampaherezana eo anivon’ny fiangonana kristianina ny mpanompon’Andriamanitra, na inona na inona zavamanahirana mahazo azy. Izany indrindra no mahatonga ny anti-panahy ho tsy maintsy miezaka mba hampahery amin’ny alalan’ny lahateniny sy ny toroheviny. Tokony “ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra [izy ireo]; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina ..., ho alo-batolampy lehiNAHOANA IZANY be amin’ny tany mahana.”—Isaia 32:2. NO TENA ILAINA? Raha anti-panahy ianao, moa ve ireo lahateninao mameMijaly noho ny fanerena avy lombelona sy mampionona? Manatanjaka an’ireo miezaka amin’ity tontolo ity ny olona. Maro no kivy. Misy vokany lahanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ve izy ireny? lina eo amin’ny mpihaino ny Moa ve izy ireny manome hery hifikirana amin’ny fanozavatra lazain’ny mpandahampoana an’Andriamanitra, na dia tsy miraika sy manohitra teny sy ny fomba ilazany azy. aza ny ankamaroan’ny olona? Ahoana raha ketraka ny sasany amin’ny mpihaino, satria vesaran’ny zava-manahirana ara-bola, na miady amin’ny aretina hahafaty azy? Afaka ‘mampahery ny rahalahinao amin’ny fampiononana ataon’ny molotrao’ ianao. —Joba 16:5. Ampiasao ny fahafahanao mandaha-teny mba hanampiana ny rahalahinao hanovo fanantenana sy tanjaka avy amin’i Jehovah sy ireo fandaharana nataony.—Rom. 15:13; Efes. 6:10. Ampahatsiahivo ny zavatra efa nataon’i Jehovah. Anisan’ny tena mampahery ny fampisehoana ny fomba nanampian’i Jehovah ny vahoakany nandia fotoan-tsarotra fahiny.—Rom. 15:4. Nasain’i Jehovah ‘nampaherezin’i Mosesy’ sy ‘nampahatanjahiny’ i Josoa, talohan’ny nidiran’ny Isiraely ny Tany Nampanantenaina, izay feno firenena fahavalo. Ahoana no nanaovan’i Mosesy izany? Nampahatsiahiviny an’ilay firenena manontolo, teo anatrehan’i Josoa, ireo zavatra nataon’i Jehovah fony izy ireo niala tany Ejipta. (Deot. 3:28; 7:18) Notantarain’i Mosesy koa ny nanampian’i Jehovah azy ireo handresy ny Amorita. Avy eo, dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: “Mahereza sy ma268

Fampaherezana sy Fanatanjahana ny Mpihaino

tanjaha.” (Deot. 31:1-8) Rehefa miezaka hampahery ny rahalahinao ianao, moa ve ianao manampy azy hanovo tanjaka avy amin’ny fitadidiana izay efa nataon’i Jehovah ho azy ireo? Tototry ny zava-manahirana loatra ny olona sasany indraindray, ka manontany tena raha mba hahita ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Ampahatsiahivo azy ireo fa azo ianteherana ny fampanantenan’i Jehovah.—Josoa 23:14. Misy tany andraran’ny fanjakana ny fitoriana ny vaovao tsara. Azon’ ireo anti-panahy any amin’izany tany izany ampiana ny mpiray finoana aminy, mba hanovo tanjaka avy amin’ireo zavatra niainan’ny apostolin’i Jesosy Kristy. (Asa. 4:1–5:42) Ary tena hampahery an’ireo rahalahy raha asongadiny ny fomba nitarihan’Andriamanitra ny toe-javatra, araka ny tantarain’ny bokin’i Estera. Indraindray, dia misy olona manatrika fivoriana, nefa tsy manao fandrosoana fanampiny. Mety hihevitra izy ireny fa tsy hamela ny fahotany mihitsy Andriamanitra, noho ny fiainany taloha ratsy loatra. Tantarao aminy ny nataon’i Jehovah tamin’i Manase Mpanjaka. (2 Tant. 33:1-16) Na resaho ny amin’ireo mponin’i Korinto fahiny, izay nanova ny fomba fiainany, ka tonga Kristianina, ary nambaran’Andriamanitra fa marina.—1 Kor. 6:9-11. Mihevitra ve ny sasany fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra intsony izy ireo matoa iharan-java-manahirana? Ampahatsiahivo azy ny nanjo an’i Joba sy ny fitahiana tondraka azony, noho izy nifikitra sy tsy nivadika tamin’i Jehovah. (Joba 1:1-22; 10:1; 42:12, 13; Sal. 34:19) Niampanga an’i Joba ho nanota ireo mpampionona sandoka. (Joba 4:7, 8; 8:5, 6) Nifanohitra tamin’izany kosa ny nataon’i Paoly sy i Barnabasy, izay nanatanjaka an’ireo mpianatra ka “nampahery ... azy haharitra amin’ny finoana”, ary nanao hoe: “Tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Asa. 14:21, 22) Toy izany koa ankehitriny, hatanjaho ireo mandia fisedrana, ka lazao fa takina amin’ny Kristianina rehetra ny fiaretana ao anatin’ny fahoriana, ary sarobidy eo imason’Andriamanitra izany.—Ohab. 27:11; Matio 24:13; Rom. 5:3, 4; 2 Tim. 3:12. Ampirisiho ny mpihaino hieritreritra ny amin’ny fomba nanatanterahan’i Jehovah ny teniny teo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Fampahatsiahivana kely fotsiny dia mety ho ampy mba hahitany fa efa nanao zavatra ho azy ireo i Jehovah, araka ny nampanantenainy. Hoy ` ny Salamo 32:8: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalankalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.”

269

270

Fampaherezana sy Fanatanjahana ny Mpihaino

Ampio ny mpihaino hitadidy ny fitarihana na ny fampaherezana efa nomen’i Jehovah azy. Ho hitany amin’izay fa tena miahy azy manokana i Jehovah, ary mbola hanampy azy koa hizaka izay fisedrana mahazo azy ankehitriny.—Isaia 41:10, 13; 1 Pet. 5:7. Asehoy fa mahafaly anao izay ataon’Andriamanitra ankehitriny. Rehefa miezaka hampahery ny rahalahinao ianao, dia resaho aminy ny zavatra efa ataon’i Jehovah ankehitriny. Asehoy amin’ny teninao fa mahafaly anao izy ireny, dia ho toy izany koa no ho tsapan’ny mpihaino ao am-pony. Resaho ny fomba anampian’i Jehovah antsika hizaka ireo NY FOMBA faneren’ny fiainana. Asehony antsika ny fomba fiaina tsara HANAOVANA AZY indrindra. (Isaia 30:21) Hazavainy ny antony isian’ny heloRehefa manomana anjara na ka bevava, ny tsy rariny, ny fahantrana, ny aretina, sy ny falahateny, dia tadidio ireo hafatesana, ary ampahafantariny fa hofaranany ireo rehetra zava-manahirana mahazo ny mpihaino. Eritrereto tsara ny ireo. Omeny fianakavian’ny mpirahalahy be fitiavana koa fomba hampaherezana sy isika. Tolorany fanomezana sarobidy isika, dia ny vavaka. hanatanjahana azy ireo. Nanankinany tombontsoa ho Vavolombelony isika. AmpaMahaiza mampiasa ny Tehafantariny antsika fa efa Mpanjaka any an-danitra i Kristy, nin’Andriamanitra. Asehoy fa ary hifarana tsy ho ela ny andro faran’ity tontolo tranainy mahakasika ireo zavatra maity.—Apok. 12:1-12. hazo antsika ny voalaza ao. Ankoatra izany rehetra izany, dia mbola eo koa ireo fivoFihetseham-po tena izy no riana sy fivoriambe. Resaho amim-pankasitrahana ireo faasehoy rehefa miteny. ndaharana ireo, dia vao mainka ho tapa-kevitra kokoa ny hafa tsy hanao tsirambina ny fiaraha-mivory amin’ny rahalahiny.—Heb. 10:23-25. Mampahatanjaka koa ny fandrenesana fa tahin’i Jehovah ny ezaka ataontsika eo amin’ny fanompoana. Tamin’ny taonjato voalohany, fony i Paoly sy i Barnabasy nankany Jerosalema, dia “nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra” izy ireo, tamin’ny fitantarana ny niovan’ny jentilisa. (Asa. 15:3) Afaka mampifaly ny rahalahinao koa ianao, raha mitantara aminy zavatra mampahery. Vao mainka hahazo fampaherezana ny hafa, raha ampiana hahita ny hasarobidin’izay ataony. Derao izy ireo, noho izay ataony eo amin’ny fanompoana kristianina. Derao ireo miaritra sy tsy mivadika, na dia tsy mahavita firy aza, noho ny fahanterana sy ny aretina. Ampahatsiahivo azy fa tsy hadinon’i Jehovah ny fitiavana asehon’izy ireo ho an’ny anarany. (Heb. 6:10) Fananana sarobidy tokoa ny finoana voazaha toetra ao anatin’ny fitsapana. (1 Pet. 1:6, 7) Ilaina hampahatsiahivina ny amin’izany ireo rahalahintsika.

Fampaherezana sy Fanatanjahana ny Mpihaino

Resaho amim-pihetseham-po ilay fanantenana ho avy. Tena loharanom-pampaherezana lehibe ho an’izay rehetra tia an’Andriamanitra ireo fampanantenany ny amin’ny hoavy. Efa nandre izany matetika angamba ny ankamaroan’ny mpihaino anao. Raha resahinao amimpankasitrahana anefa izy ireny, dia ho velombelona indray, ka hatoky ny fahatanterahany ny mpihaino sady ho velom-pankasitrahana. Hanampy anao hanao izany ny fampiharanao ireo zavatra nianaranao tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. I Jehovah no ilay Mpampahery sy Mpanatanjaka ny vahoakany. Afaka miara-miasa aminy anefa ianao amin’izany. Hararaoty tsara ny fahafahana hanao izany, rehefa mandaha-teny ho an’ny fiangonana ianao.

FANAZARAN-TENA: Rehefa manao ny famakianao Baiboly na ny fianaranao manokana ianao amin’ity herinandro ity, dia mifidiana tapany iray azonao ampiasaina mba hampaherezana ny hafa. Resaho amin’ny olona iray ao amin’ny fiangonana ilay izy.

Aza Mitsahatra Mandroso MOA ve ianao niezaka nitandrina ny tsirairay amin’ireo lafin-javatra ampianarina ato amin’ity fandaharana ity? Efa vitanao koa ve ireo fanazaran-tena anoroana hevitra ato? Ampiharinao ve ireny lafin-javatra tsirairay ireny rehefa manao anjara, ao amin’ny sekoly na amin’ny fivoriana hafa ianao, sy rehefa eny amin’ny fanompoana? Manohiza mandray soa avy amin’ny fampianarana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Na hafiriana na hafiriana no efa nanaovanao anjara, dia misy lafiny azonao hatsaraina foana.

271

ILAY HAFATRA TSY MAINTSY TORINTSIKA Nanome antsika andraikitra sy tombontsoa lehibe i Jehovah. Hoy izy: “Hianareo no vavolombeloko, ... ary Izaho no Andriamanitra.” (Isaia 43:12) Tsy mpino na mpivavaka fotsiny isika, fa vavolombelona manambara ampahibemaso ny fahamarinana ao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Inona moa ilay hafatra asain’i Jehovah torintsika ankehitriny? Momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ilay Fanjakan’ny Mesia, izy io, voalohany indrindra.

“ANDRIAMANITRA NO ATAHORY, ARY NY DIDINY NO TANDREMO” ELA be talohan’ny Kristianisma, dia nilaza tamin’i Abrahama nahatoky i Jehovah fa hisy fandaharana hitahiana “ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Gen. 22:18) Nanome tsindrimandry an’i Solomona koa izy mba hanoratra izao zavatra takina amin’ny olona rehetra izao: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpit. 12:13) Ahoana anefa no hahafantaran’ny mponina any amin’ny firenena rehetra an’ireo zavatra ireo? Na dia efa nisy foana aza olona nino ny tenin’Andriamanitra, dia asehon’ny Baiboly fa amin’ny “Andron’ny Tompo” vao tena hambara amin’ny firenena rehetra maneran-tany ny vaovao tsara. Nanomboka tamin’ny 1914 io andro io. (Apok. 1:10) Momba io fotoana io, dia efa voalazan’ny Apokalypsy 14:6, 7 fa hisy fanambarana lehibe hotarihin’ny anjely hatao “amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra.” Hampirisihina toy izao izy ireo: “Matahora an’Andri-

amanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’ Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” Tian’Andriamanitra ny hanambarana io hafatra io. Manana tombontsoa handray anjara amin’io asa io isika. ‘Ilay Andriamanitra marina.’ Tamin’ny fotoana iray niadiana hevitra ny amin’izay tena Andriamanitra no nilazan’i Jehovah hoe: “Hianareo no vavolombeloko.” (Isaia 43:10) Ilay ` hafatra tsy maintsy torina ary dia tsy momba ny tokony hananan’ny olona fivavahana na hinoany andriamanitra iray fotsiny. Tokony hampahafantarina ny olona kosa fa ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany no hany Andriamanitra marina. (Isaia 45:5, 18, 21, 22; Jaona 17:3) Ilay hany Andriamanitra marina ihany no tena afaka milaza ny hoavy. Tombontsoantsika ny mampiseho fa ny fahatanterahan’ny tenin’i Jehovah tamin’ny lasa dia porofo azo antoka fa ho tanteraka ny zava-drehetra

272

Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika

273

nampanantenainy momba ny hoavy.—Josoa hany nandrenesan’ny sasany ny anaran’i Jehovah dia fony izy ireo nasain’ny mpitondra fiva23:14; Isaia 55:10, 11. Maro amin’ireo itoriantsika no efa mivavaka vahana tsy hampiasa azy io. Ahoana no hampahafantarantsika ny anaamin’andriamani-kafa na milaza ho tsy mpivavaka. Zavatra samy mahaliana antsika sy ilay ran’Andriamanitra amin’ny olona? Ny fomba olona aloha angamba no ilaintsika horesahi- mandaitra indrindra dia ny fampisehoana azy na, mba hihainoany antsika. Afaka mijery ny io avy ao amin’ny Baiboly, eny, ao amin’ny ohatra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:22-31 azy mihitsy, raha mety. Misy fandikan-tenin’ ny Baiboly isehoan’io anaraisika. Mariho fa na dia nana io inarivony maro. Ny hafa hay nandanjalanja aza i Paokosa mety tsy hahitana azy ly, dia nilaza mazava tsara MILA MANDRE NY io afa-tsy ao amin’ny Salafa hampamoahin’ilay AndriaOLONA REHETRA FA... mo 83:18 na Eksodosy 6:3-6 manitra Mpamorona ny laniI Jehovah no Mpamorona ihany, na ao amin’ny fanany lanitra sy ny tany. tra sy ny tany ny olona rehemarihana ambany pejy motra. I Jehovah no ilay hany mba ny Eksodosy 3:14, 15 Andriamanitra marina. Ampahafantaro ny anana 6:3. Fandikan-teny maroMiavaka i Jehovah noho ny ran’Andriamanitra. Ampamaro no nanala ny anaran’ fitiavany tsy manam-pahahafantaro foana ny anaran’ Andriamanitra tao amin’ny roa, ny fahendreny tapitra ilay Andriamanitra marina. soratra tany am-boalohany, ohatra, ny fanaovany ny Tia ny anarany i Jehovah. rariny tanteraka, ary ny heka nanolo azy tamin’ny hoe riny tsitoha. (Eks. 3:15; Isaia 42:8) Tiany “Tompo” sy “Andriamaniho fantatry ny olona io anaraMbola hampamoahin’i Jetra”, ataony amin’ny soratra hovah isika. na io. Nasainy nampidirina miavaka. Mila maka fanditao amin’ny Baiboly mihoakan-tenin’ny Baiboly tranainy tra ny im-7 000 io anarany be kokoa angamba ianao, mba voninahitra io. Andraikitsika ny mampahafa- hampisehoana fa nesorin’ny mpandika teny maoderina tanteraka ny anaran’Andriamanintatra azy io amin’ny olona.—Deot. 4:35. Miankina amin’ny fahafantarana an’i Jeho- tra. Any amin’ny tany sasany, dia mety hisy hivah sy ny fiantsoana azy amim-pinoana no ram-pivavahana sy toerana ahitana ny anaran’ hahafahan’ny olona rehetra hahazo fiainana Andriamanitra, izay azonao aseho. Azo ampiasaina tsara ny Jeremia 10:10-13, na amin’ny hoavy. (Joela 3:5; Mal. 3:16; 2 Tes. 1:8) Tsy mahalala an’i Jehovah anefa ny ankama- dia amin’ireo manompo andriamani-kafa aza. roan’ny olona, eny, fa na dia ireo izay milaza ho Tsy milaza ny anaran’Andriamanitra fotsiny izy mivavaka amin’ilay Andriamanitry ny Baiboly io, fa manazava tsara koa hoe iza izy. aza. Manana sy mamaky Baiboly izy ireo, nefa Aza soloana amin’ny hoe “Andriamanitra” sy mety ho mbola tsy mahalala ny anaran’Andri- “Tompo” ny anaran’i Jehovah, toy ny ataon’ny amanitra ihany, satria nesorina tao amin’ny fa- Kristianisma Anarana. Tsy midika anefa izany fa ndikan-teny maoderina maro io anarana io. Ny tsy maintsy ampiasaina eo am-piandohan’ny

274

Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika

resaka rehetra io anarana io. Hamarana avy ha- (Isaia 48:17, 18; Mika 6:8) Asehoy fa ny fahagatrany ilay resaka ny olona tsy mankasitraka azy gana tsirairay nataon’i Jehovah dia mampihaio. Rehefa mandeha tsara kosa anefa ilay resa- rihary zavatra momba ny toetrany, ny zavatra ka, dia aza misalasala mampiasa ny anaran’ ekeny sy tsy ekeny, ny fikasany. Mariho fa miAndriamanitra. fandanja tsara ny fanehoan’i Jehovah ireo toeMiseho imbetsaka kokoa ao amin’ny Baiboly trany samihafa. Aoka ho fantatry ny olona ny ny anarana hoe Jehovah noho ny hoe “Tompo” fihetseham-ponao momba an’i Jehovah. Ny fisy “Andriamanitra” miaraka. Na izany aza, dia tiavanao an’i Jehovah dia hahatonga ny hafa tsy nitady hampiditra ny anaho tia azy koa. ran’Andriamanitra isaky ny Mampirisika ny olona rehefehezanteny ireo mpanoratra tra hatahotra an’AndriamaniNY FANOMPOANTSIKA ny Baiboly. Nandeha ho azy AN’I JEHOVAH DIA... tra ilay hafatra maika ankesy tsotra ary feno fanajana hitriny. Ny tenintsika dia Tokony hatosiky ny fitiavantsika azy. ny fampiasany azy io. Ohatra tokony hampirisika ny hafa tsara tokony harahina izany. Tokony ho avy amin’ny hiezaka hanana io tahotra io. fo manontolo, fa tsy avy Ilay mitondra io anaraIzany dia tahotra miharo faamin’ny fo izay tia ny zana io. Zava-dehibe ny fahanajana lalina an’i Jehovah. vatr’ity tontolo ity koa. fantarana fa manana anara(Sal. 89:7) Tafiditra amin’izaTokony hampiharihary fa na Andriamanitra, nefa vao ny koa ny fahafantarana fa sarobidy amintsika ny fafiandohana fotsiny izany. Mpitsara fara tampony i Jenanana fifandraisana tsara hovah, ary miankina amin’ Mila mahafantatra ny oloaminy. ny fahazoantsika sitraka amina hoe karazan’Andriamaniny ny fahafahantsika hahazo tra manao ahoana i Jehovah, fiainana amin’ny hoavy. (Liomba hitiavany azy sy hiantsoany azy amim-pinoana. Fony i Jehovah na- ka 12:5; Rom. 14:12) Mifamatotra amin’ny fitiampahafantatra ny anarany tamin’i Mosesy tao vana lalina an’i Jehovah sy ny faniriana mafy ` Sinay, dia tsy namerimberina fotsiny ny hoe hampifaly azy ary io tahotra io. (Deot. 10: “Jehovah” Izy. Nilaza ny toetrany miavaka sa- 12, 13) Manosika antsika hankahala ny ratsy, ` sany koa Izy. (Eks. 34:6, 7) Ohatra tokony ho- sy hankato ny didin’Andriamanitra, ary hanotahafintsika izany. mpo azy amin’ny fo manontolo koa ny tahotra Raha miresaka momba ireo fitahiana hoe- an’Andriamanitra. (Deot. 5:26; 1 Tant. 28:9; ntin’ilay Fanjakana ianao rehefa mitory na ma- Ohab. 8:13) Hisakana antsika tsy hitady hanonao lahateny, dia hazavao izay asehon’izy ire- mpo an’Andriamanitra nefa ho tia koa ny zavany momba ilay Andriamanitra nampanantena tra eo amin’ity tontolo ity, izy io.—1 Jaona 2: azy. Raha ny didin’Andriamanitra no tononi- 15-17. nao, dia antitrantero ilay fahendrena sy fitiava“Tilikambo mafy” ny anaran’Andriamanina hita ao amin’izy ireny. Hazavao tsara fa tsy tra. Manana fiarovana mafy ireo tena mahafaenta-mavesatra akory izay takin’Andriamanitra ntatra an’i Jehovah. Tsy ny fampiasany ny anaamintsika, fa vao mainka aza mahasoa antsika. rany na ny fahaizany manonona ireo toetrany

Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika

fotsiny akory no ahazoany ilay fiarovana, fa noho izy mitoky tanteraka amin’i Jehovah. Hoy ny Ohabolana 18:10, momba azy ireo: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” Hararaoty tsara ireo fahafahana hampirisika ny hafa hitoky amin’i Jehovah. (Sal. 37:3; Ohab. 3:5, 6) Mampiseho finoana an’i Jehovah sy ny fampanantenany ny fitokisana toy izany. (Heb. 11:6) Rehefa ‘miantso ny anaran’i Jehovah’ ny olona, satria tia ny lalany sy mahafantatra fa izy no Tompon’izao Rehetra Izao ary mino tanteraka fa avy aminy ihany ny tena famonjena, dia hovonjena izy ireo; izany no toky omen’ny Tenin’Andriamanitra. (Rom. 10: 13, 14) Ampio hanana finoana toy izany eo amin’ny lafim-piainany rehetra ny olona, rehefa mampianatra ianao.

275

Olona maro no ianjadian’ny zava-manahirana. Mety tsy hahita vahaolana izy ireo, ka ampirisiho hianatra ny sitrapon’i Jehovah, sy hitoky aminy ary hampihatra izay ianarany. (Sal. 25:5) Ampirisiho izy ireo hangataka ny fanampian’Andriamanitra amim-pahatsoram-po sy hisaotra azy noho ny fitahiany. (Fil. 4:6, 7) Manjary mahafantatra an’i Jehovah izy ireo, rehefa mamaky izay voalazan’ny Baiboly sy mahita eo amin’ny fiainany ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah. Amin’izay izy ireo dia hanomboka hahatsapa ilay fiarovana entin’ ny fahazoana tsara ny hevitry ny anaran’i Jehovah.—Sal. 34:8; Jer. 17:7, 8. Hararaoty ny fahafahana rehetra hanampiana ny olona hahatakatra fa fanehoam-pahendrena ny matahotra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, sy ny mitandrina ny didiny.

“NY FILAZANA AN’I JESOSY” NANOME izao toromarika izao ho an’ny mpianany i Jesosy Kristy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, sy talohan’ny niverenany tany an-danitra: “Ho vavolombeloko ... hatramin’ny faran’ny tany [ianareo].” (Asa. 1:8) Lazaina fa “mitana ny filazana an’i Jesosy” ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky ankehitriny. (Apok. 12:17) Mazoto manao izany asa izany ve ianao? Maro no milaza amim-pahatsorana fa mino an’i Jesosy, nefa tsy mahalala akory fa efa nisy izy talohan’ny naha olombelona azy. Tsy fantatr’izy ireo fa tena olombelona tokoa izy fony teto an-tany. Tsy azony ny hevitry ny hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Zara raha fantany ny asa ataon’i Jesosy eo amin’ny fanatante-

rahana ny fikasan’Andriamanitra. Tsy fantany izay ataon’i Jesosy amin’izao fotoana izao, sy izay mbola hataony ary ny ho vokatr’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety hihevitra mihitsy aza izy ireo fa tsy mino an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tombontsoantsika ny mampahafantatra ny marina momba izany zavatra izany. Misy koa olona tsy mino fa tena nisy ilay Jesosy resahin’ny Baiboly. Ny sasany mihevitra fa olona nalaza fotsiny i Jesosy. Maro no tsy manaiky azy ho Zanak’Andriamanitra. Tena mitaky ezaka sy faharetana ary fahaiza-mandanjalanja ny manambara “ny filazana an’i Jesosy” amin’ny olona toy izany.

276

Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika

Na inona na inona inoan’ny mpihaino an’ilay Zanany lahimatoa. Nahoana? Satria io anao, dia mila mahafantatra an’i Jesosy Kristy Zanany io no nomen’i Jehovah ny anjara asa izy ireo, raha te hahazo ilay fiainana ma- lehibe indrindra eo amin’ny fanatanterahana ndrakizay avy amin’Andriamanitra. (Jaona ny fikasany rehetra. (Kol. 1:17-20) Mifantoka 17:3) Sitrapon’Andriamanitra ny “haneken’ny amin’izany ireo faminaniana ao amin’ny Bai[olona velona] rehetra fa Jesosy Kristy no boly. (Apok. 19:10) I Jesosy Kristy no hanoTompo”, sy ny haneken’izy me ny vahaolana ho an’ireo ireo hofeheziny. (Fil. 2:9-11) zava-manahirana rehetra naAMPIO NY OLONA poitran’i Satana sy i Adama, Tsy azontsika ialana fotsiHAHATAKATRA FA... ` fony izy ireo nikomy sy nanony ary ireo olona hitantsika, Amin’ny alalan’i Jesosy Krita.—Heb. 2:5-9, 14, 15. izay manizingizina hevi-diso sty ihany no ananana na manao fitsarana an-teMba hahazoana tsara ny fifandraisana tsara amin’ Andriamanitra. ndrony. Indraindray dia afatoerana tanan’i Kristy, dia tsy ka miresaka tsara momba Ny finoana an’i Jesosy Kristy maintsy ekena fa mahonena ihany no ahazoana fanafaan’i Jesosy Kristy isika, dieny ny toe-piainana misy ny olohana amin’ny ota sy ny eo amin’ny resaka voalohambelona, ary tsy ho tafavoafahafatesana. ny. Misy fotoana koa aneka samirery avy amin’izany Tian’Andriamanitra ny hafa ilantsika fitandremana koizy. Teraka tao anatin’ny ota neken’ny rehetra an’i Jesosy koa, rehefa manampy olona isika rehetra. Samy hafa ny ho Tompo, amin’ny fiahanana fomba fihevitra mantsoana azy hoe Tompo, fomba isehoan’ny vokatr’izakanefa koa amin’ny fitarina kokoa momba an’i Jeny eo amintsika, nefa na ho ndremana ny didiny. sosy. Angamba koa isika tsy ela na ho haingana, dia fahaMarina izay lazain’ny Baibomaintsy mitady fomba hafa fatesana no hiafarany. (Rom. ly momba an’i Jesosy Kristy, hanazavana bebe kokoa ilay 3:23; 5:12) Hazavao amin’ ary manolana ny fahamafoto-kevitra amin’ny fitsidiireo itorianao izany. Asehoy rinana ny fampianaran’ny Kristianisma Anarana mohana manaraka. Rehefa miavy eo fa nampiasa tamim-pimba azy. tarika fampianarana Baiboly tiavana ny sorom-panavotan’ amin’ilay olona ihany anei Jesosy Kristy i Jehovah mba fa isika vao afaka manazava hanafahana ireo mino an’io aminy ny zava-drehetra.—1 Tim. 2:3-7. sorona io, amin’ny fahotana sy ny fahafatesaNy toerana lehibe tanan’i Jesosy ao amin’ny na. (Marka 10:45; Heb. 2:9) Izany no hahafafikasan’Andriamanitra. Mila manampy ny olo- hany hahazo ny fiainana mandrakizay ao anana isika, mba hahafantarany fa i Jesosy no ‘la- tin’ny fahatanterahana. (Jaona 3:16, 36) Tsy lana ahafahan’ny olona mankany amin’ny ray’, misy fomba hafa ankoatra izany. (Asa. 4:12) ka tsy azo atao ny manana fifandraisana tsara Aza mianina fotsiny amin’ny filazana ireo zavaamin’Andriamanitra, raha tsy mino an’i Jesosy tra ireo rehefa mampianatra olona, na mitoKristy. (Jaona 14:6) Tsy hahazo ny hevitr’izay kana, na eo anivon’ny fiangonana. Ampio lazain’ny Baiboly mihitsy ny olona iray raha amin-katsaram-panahy sy amim-paharetana tsy takany ny toerana lehibe nomen’i Jehovah ny mpihaino anao mba hankasitraka ny fa-

Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika

navotan’i Kristy antsika. Hisy vokany lalina eo amin’ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany ary ny zava-kendreny eo amin’ny fiainana, ny fankasitrahany an’io fanomezana io.—2 Kor. 5: 14, 15. Marina fa indray mandeha ihany i Jesosy no nanome ny ainy ho sorona. (Heb. 9:28) Efa manao ny fanompoan’ny Mpisoronabe anefa izy ankehitriny. Ampio ny hafa hahazo ny hevitr’izany. Moa ve izy ireo mitebiteby, diso fanantenana, mijaly, sa mahita zava-manahirana hafa noho ny faharatsiana nataon’ny olona taminy? Nihatra tamin’i Jesosy avokoa izany rehetra izany, fony izy olombelona. Fantany ny zavatra tsapantsika. Moa ve isika mahatsapa fa mila ny famindram-pon’Andriamanitra, noho isika tsy tanteraka? Raha mangata-pamelana amin’Andriamanitra isika, miorina amin’ny soron’i Jesosy, dia i Jesosy no ‘hisolo vava antsika ao amin’ny Ray.’ Hangoraka izy rehefa ‘mifona ho antsika.’ (1 Jaona 2:1, 2; Rom. 8:34) Noho ny soron’i Jesosy sy ny fanompoan’ny Mpisoronabe ataony, dia afaka manatona ny ‘seza fiandrianan’ny fahasoavan’i Jehovah’ isika, mba hahazoana fanampiana rehefa mila izany. (Heb. 4:15, 16) Afaka manompo an’Andriamanitra amin’ny feon’ny fieritreretana madio isika na dia tsy tanteraka aza, noho ny fanampian’i Jesosy, ilay Mpisoronabe.—Heb. 9:13, 14. Manana fahefana lehibe koa i Jesosy, noho izy notendren’Andriamanitra ho Lohan’ny fiangonana kristianina. (Matio 28:18; Efes. 1:22, 23) Manome ny fitarihana ilaina, mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, izy amin’izany. Ampio ny olona ampianarinao mba hahatakatra fa i Jesosy Kristy no Lohan’ny fiangonana, fa tsy olombelona. (Matio 23:10) Asao hanatrika ny fivorian’ny fiangonana ny olona liana, dieny eo amin’ny resaka voalohany. Fia-

277

narana ny Baiboly amin’ny alalan’ny fanazavana azo avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” no atao any. Hazavao aminy hoe iza ilay “mpanompo” sy hoe iza ilay Tompo, mba hanekeny ny fahefan’i Jesosy. (Matio 24: 45-47) Ampifankahalalao amin’ireo anti-panahy izy, ary resaho ny fepetra ara-baiboly tsy maintsy fenoin’izy ireo. (1 Tim. 3:1-7; Tit. 1:59) Hazavao fa tsy an’ny anti-panahy akory ny fiangonana. Manampy antsika hanara-dia an’i Jesosy Kristy fotsiny izy ireo. (Asa. 20:28; Efes. 4:16; 1 Pet. 5:2, 3) Ampio ireo olona liana hahita fa misy fikambanana voalamina iray maneran-tany, izay miasa eo ambanin’ny fahefan’i Kristy. Mampahafantatra antsika ireo Filazantsara fa fony niditra tao Jerosalema taloha kelin’ ny hahafatesany, i Jesosy, dia noarahabain’ny mpianany ho ilay “Mpanjaka, Izay avy amin’ ny anaran’i Jehovah.” (Lioka 19:38) Rehefa manohy mianatra ny Baiboly ny olona, dia ho fantany fa efa nomen’i Jehovah fahefana hitondra izao i Jesosy, ary hisy fiantraikany eo amin’ny olona any amin’ny firenena rehetra izany fitondrana izany. (Dan. 7:13, 14) Rehefa mandaha-teny eo anatrehan’ny fiangonana ianao, na mitarika fampianarana, dia ampio ny olona hahazo tsara sy hankasitraka izay hataon’ny fitondran’i Jesosy ho antsika rehetra. Hamafiso fa asehon’ny fomba fiainantsika raha tena mino an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka isika, ary raha manaiky an-tsitrapo ny hofeheziny. Asongadino ilay asa nasain’i Jesosy hataon’ireo mpanara-dia azy, taorian’ny nanosorana azy ho Mpanjaka. (Matio 24:14; 28: 18-20) Hazavao ireo zavatra tokony homena ny toerana voalohany, araka ny nolazain’i Jesosy, ilay Mpanolo-tsaina mahagaga. (Isaia 9:5, 6; Matio 6:19-34) Resaho ny amin’ilay

278

Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika

toe-tsaina nolazain’ilay Andrian’ny fiadanana sedrana ilay mpianatra, dia hanontany tena fa hasehon’ny mpanara-dia azy. (Matio 20:25- hoe: ‘Raha i Jesosy no eo amin’ny toerako izao, 27; Jaona 13:35) Mitandrema anefa mba tsy inona no hataony? Moa ve ny zavatra fidiko hitsara ny hafa ny amin’izay vitany na tsy vita- hatao hampiseho fa mankasitraka izay nataony. Ampio kosa izy hahatakatra fa ny zavatra ny ho ahy aho?’ ataony dia hampiharihary raha manaiky hofeRehefa mandaha-teny eo anatrehan’ny fiahezin’i Kristy Mpanjaka izy na tsia. Rehefa ma- ngonana ianao, dia aza mihevitra hoe tsy ilaina nazava izany ianao, dia ekeo fa mila manao ny miresaka manokana momba an’i Jesosy saizany koa ny tenanao. tria hoe efa mino azy, ireo rahalahinao. Hisy heviny kokoa I Kristy no ataovy ho fanoMANONTANIA TENA izay lazainao, raha ampiorerenana. Ampitovin’ny BaiboHOE: ninao amin’izany finoana efa ly amin’ny fanaovan-trano ny Moa ve aho mampiseho fa ananany izany. Ohatra, reheasa fanaovana mpianatra kriazoko tsara ny toerana tafa miresaka momba ny fivostianina, ka i Jesosy Kristy no nan’i Jesosy Kristy, ilay riana ianao, dia ampifandraifototra na fanorenana. (1 Kor. voatendry ho Lohan’ny fia` ngonana? so amin’ny toerana tanan’i 3:10-15) Ampio ary ny olona Jesosy, izay Lohan’ny fiangohahalala an’i Jesosy araka ny Tena hery manosika ahy hanao zavatra ve ny fankasiampisehoan’ny Baiboly azy. nana, ny fanazavanao. Rehetrahako ny soron’i Kristy? Mitandrema sao ianao no fa miresaka momba ny fitoAhoana no hampifanaramanjary heveriny fa olona toriana ianao, dia asongadino hako kokoa ny ataoko sy kony harahiny. (1 Kor. 3:4-7) ny toe-tsaina nasehon’i Jesony fihetsiko amin’ny ohatra Tariho ho amin’i Jesosy Kristy sy teo am-panaovana ny fanavelan’ilay Zanak’Andriafoana ny sainy. nompoany, ary asehoy fa io manitra? no fomba anangonan’i Kristy Raha tsara petraka ny faMpanjaka ny olona hovonjenorenana, dia ho takatry ny mpianatra fa namela fianarana ho antsika i na ho ao amin’ny tontolo vaovao. Kristy ‘mba hanarahantsika ny diany.’ (1 Pet. Tsy ny fahalalana fototra momba an’i Jesosy ` 2:21) Ampirisiho izy ireo hamaky ny Filaza- fotsiny ary no ilaina. Tsy maintsy maneho fintsara, tsy ho toy ny tantara marina fotsiny, noana azy sy tena tia azy ny olona vao azo fa mba hahitana modely harahina. Ampio izy atao hoe tena Kristianina. Manosika azy haireo handray ao am-po ireo fihetsika sy toe- nkato` foana ny fitiavana toy izany. (Jaona 14: tra tsara nampiavaka an’i Jesosy. Asaivo dinihi- 15, 21) Io fitiavana io koa dia mahatonga azy ny ny fihetseham-pon’i Jesosy momba ny Rai- hanana finoana mafy orina ao anatin’ny fony, ny niaretany fakam-panahy sy fisedrana, ny toan-tsarotra, sy hanara-dia an’i Kristy amin’ny nanekeny an’Andriamanitra, ary ny fomba ni- andro rehetra iainany, ary ho Kristianina matondrany ny olona tamin’ny toe-javatra sami- totra izay ‘mamaka sy miorina mafy’ amin’ilay hafa. Antitrantero ilay asa namenoan’i Jesosy fanorenana. (Efes. 3:17) Manome voninahitra ny fiainany. Amin’izay, rehefa tsy maintsy ma- an’i Jehovah, Andriamanitra sady Rain’i Jesosy ndray fanapahan-kevitra sy rehefa miatrika fi- Kristy, izany.

Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika

279

“ITY FILAZANTSARAN’NY FANJAKANA ITY” EFA nambaran’i Jesosy mialoha fa anisan’ny nak’olona” izy, dia i Jesosy Kristy, izay nafamantarana ny fanatrehany sy ny fahatape- ndray avy tamin’ny “Fahagola”, i Jehovah ran’ity tontolo ity ny hoe: “Hotorina amin’izao Andriamanitra, “fanapahana sy voninahitra tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ary fanjakana ..., mba hanompoan’ny fokomho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fitedia vao ho tonga ny farany.” ny rehetra Azy.” (Dan. 7:13, —Matio 24:14. 14) Nitranga tany an-danitra tamin’ny taona 1914, io fiInona marina anefa io haAMBARAO FA... sehoan-javatra nahakasika fatra tsy maintsy ambara Efa manapaka any andanitra izao ny Fanjakan’ izao rehetra izao io. Nazehatraiza hatraiza io? Izy io ` Andriamanitra, ka hisolo ra tety an-tany ny Devoly sy dia momba ilay Fanjakana toerana tsy ho ela ny fanjany demoniany, taorian’izay. nasain’i Jesosy hangatahikan’olombelona. (Apok. 12:7-10) Efa mandia ntsika amin’ny vavaka hoe: Hanova ny tany ho paradisa ny androny farany ity tonto“Ho tonga anie ny fanjakafeno olona tia an’Andriamanitra sy tia namana, ilay lo tranainy ity. Alohan’ny hanao.” (Matio 6:10) Antsoin’ Fanjakana. njavonany tanteraka anefa, ny Apokalypsy 11:15 hoe ‘faIlay Fanjakana ihany no hadia ambara maneran-tany fa njakan’ny Tompontsika [Jenome fahafaham-po feno efa manapaka any an-danihovah] sy ny Kristiny’ izy io, ny amin’ny zavatra rehetra tra ilay Mesia Mpanjaka nosatria i Jehovah no iavian’ilay irin’ny olombelona. tendren’i Jehovah. Ampahafahefana, ary i Kristy no naAsehon’ny ataontsika raha fantarina ny olona hatraiza taony ho Mpanjaka nanankimaniry ho olom-pehezin’ny hatraiza izany. Ny fanekeFanjakan’Andriamanitra isinana azy io. Mariho anefa fa ka, na tsia. ny izany na tsia dia mamihoatra lavitra noho izay mpiseho raha ekeny fa ny notorin’ny mpanara-dia azy Avo Indrindra no Mpanapatamin’ny taonjato voalohany, ny hafatra nasain’i Jesosy ka amin’ny “fanjakan’ny olohambara amin’ny androntsika. Hoy izy ireo na.”—Dan. 4:29. tamin’ny olona: “Efa mby akaiky anareo ny faMbola ho betsaka lavitra noho izany ny njakan’Andriamanitra.” (Lioka 10:9) Teo ani- zavatra hitranga. Mbola mivavaka ihany isivon’izy ireo i Jesosy, ilay voahosotra ho Mpa- ka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, njaka, tamin’izay. Nilaza anefa izy, araka ny nefa tsy ny hiorenan’ny Fanjakan’AndriamaniMatio 24:14, fa hisy fisehoan-javatra lehibe tra amin’ny hoavy no angatahintsika, fa ny hahafa, ho fahatanterahan’ny fikasan’Andriama- natanterahany kosa ny faminaniana toy ny ao nitra, hambara maneran-tany. amin’ny Daniela 2:44 sy Apokalypsy 21:2-4. Nomena fahitana ny amin’io fisehoan-java- Hanova ny tany ho paradisa feno olona tia an’ tra io i Daniela mpaminany. Nahita “toy ny za- Andriamanitra sy tia namana, izy io. Izany

280

Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika

zavatra ho avy izany no ambarantsika, rehefa mitory “ity filazantsaran’ny fanjakana ity” isika. Tsy misalasala koa anefa isika mampahafantatra fa efa nankinin’i Jehovah tamin’ny Zanany ny fitondrana rehetra. Manantitrantitra izany vaovao tsara izany ve ianao, rehefa mitory ilay Fanjakana? Hazavao ny amin’ilay Fanjakana. Ahoana no hanaovantsika ilay asa fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra? Mety ho foto-kevitra samihafa no hanombohantsika resaka, nefa tokony hampahafantarintsika haingana fa momba ny Fanjakan’Andriamanitra ilay hafatra entintsika. Mamaky na manonona andinin-teny miresaka momba ilay Fanjakana isika, eo am-panaovana io asa io. Rehefa miresaka momba ilay Fanjakana ianao, dia fantaro tsara raha azon’ilay iresahanao hoe inona izany. Mety tsy ho ampy ny milaza fotsiny hoe fitondrampanjakana ny Fanjakan’Andriamanitra. Mety ho sarotra amin’ny olona sasany ny manaiky hoe fitondram-panjakana ny zavatra iray tsy hita maso. Fomba maro samihafa no azonao ampiasaina mba hanazavana izany aminy. Ohatra, ny sinton’ny tany dia tsy hita maso, nefa manan-kery lehibe eo amin’ny fiainantsi` ka. Tsy afaka mahita Ilay nanao ny lalana momba ny sinton’ny tany isika, nefa miharihary fa tena manan-kery izy. Miantso azy hoe “Mpanjaka tsy manan-taloha” ny Baiboly. (1 Tim. 1:17) Azonao lazaina koa fa olona maro any amin’ny firenena lehibe, no mbola tsy tany amin’ny renivohiny, na nahita maso ny filohany. Avy amin’ny filazam-baovao no ahafantarany izany. Toy izany koa fa avy amin’ ny Baiboly, izay misy amin’ny fiteny 2 200 mahery, no ahafantarantsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra, sy ny hoe iza no nananki-

nana ny fahefana ary hoe inona no ataon’io Fanjakana io. Ny Tilikambo Fiambenana, izay atonta amin’ny fiteny betsaka kokoa noho ny gazety hafa rehetra, dia “Manambara ny Fanjakan’i Jehovah”, araka ny hita eo amin’ny pejiny voalohany. Mba hanampiana ny olona hahatakatra hoe inona ilay Fanjakana, dia lazao ny sasany amin’ireo zavatra tian’izy ireo hotanterahin’ ny fitondram-panjakana: toe-karena azo antoka, fandriampahalemana, fanafoanana ny heloka bevava, tsy fanavakavahana foko, fampianarana, ary fikarakarana ara-pahasalamana. Asehoy fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanome fahafaham-po feno ny amin’izany sy ny zavatra hafa rehetra irin’ny olombelona. —Sal. 145:16. Ampirisiho ny olona haniry ho tonga olompehezin’ilay Fanjakana izay manana an’i Jeso` sy Kristy ho Mpanjaka. Tonony ireo fahagagana nataony mba hampisehoana izay mbola hataony rehefa ho tonga Mpanjaka any andanitra izy. Resaho matetika ireo toetra mahafinaritra nasehony. (Matio 8:2, 3; 11:28-30) Hazavao fa nanome ny ainy ho antsika izy, ary avy eo dia natsangan’Andriamanitra ho amin’ ny fiainana tsy misy fahafatesana any an-danitra. Avy any izy no manjaka.—Asa. 2:29-35. Antitrantero fa efa manapaka any an-danitra izao ny Fanjakan’Andriamanitra. Aza hadinoina anefa fa tsy ilay toe-piainana heverin’ny ankamaroan’ny olona fa tokony hoentin’izany fitondrana izany no hitany ankehitriny. Lazao aminy izany, ary anontanio izy ireo raha fantany izay nolazain’i Jesosy Kristy fa ho porofon’ ny nandraisany ny fitondrana. Asongadino ny lafiny sasany amin’ilay famantarana voalaza ao amin’ny Matio toko faha-24, Marka toko faha-13, na Lioka toko faha-21. Anontanio avy

Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika

281

eo hoe nahoana no toy izao ny toe-piainana sy amin’ny fampiharana izany dieny izao. eto an-tany, nefa efa nomena ny fanjakana —Deot. 30:19, 20; Apok. 22:17. any an-danitra i Kristy. Asehoy ny fanazavana Ampio ny hafa hikatsaka ilay Fanjakana omen’ny Apokalypsy 12:7-10, 12. aloha. Misy fanapahan-kevitra tsy maintsy raiMba hanomezana porofo mivaingana kosa sin’ny olona, na dia rehefa manaiky ny hafatra fa efa manao zavatra ny Fanjakan’Andria- momba ilay Fanjakana aza izy. Mitana ny toeramanitra, dia vakio ny Matio 24:14, ka haza- na voalohany eo amin’ny fiainany ve ny Fanjakan’Andriamanitra? Nampivao ilay fampianarana ararisika ny mpianany i Jesosy baiboly atao maneran-tany mba ‘hikatsaka ilay fanjakana ankehitriny. (Isaia 54:13) LaMANONTANIA TENA aloha.’ (Matio 6:33) Ahoana zao amin’ny olona ireo seHOE: no azontsika anampiana ny koly samihafa manampy Moa ve ny fiainako maKristianina hafa hanao izany? ny Vavolombelon’i Jehovah. mpiseho fa mikatsaka ilay Fanjakana aho aloha? Ireto misy fanoloran-kevitra Samy miorina amin’ny Baisasany: Aoka ny tenantsika boly izy ireo, ary maimaimMisy fanitsiana azoko atao ve, mba hanaovako izany ho ohatra tsara, sy hiresaka poana. Hazavao fa tsy mitoamin’ny fomba feno kokoa? momba ireo fahafahana hiry isan-trano fotsiny isika, fa Ahoana no azoko andrisihakatsaka ilay Fanjakana aloha. mampianatra Baiboly maina ny hafa haniry hikatsaka Anontanio ilay olona raha efa maim-poana amin’ny isamilay Fanjakana aloha? nieritreritra fomba ahafahany batan’olona sy ny fianakamanao izany, ary tantarao ny viana koa, any amin’ny tany zavatra ataon’ny hafa. Resamaherin’ny 230. Fitondrampanjakan’olombelona iza no afaka manome ho ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly, mba fampianarana toy izany, tsy ho an’ny olom- hampitomboana ny fitiavany an’i Jehovah. Hapeheziny ihany, fa ho an’ny olona rehetra ma- mafiso fa tena misy ilay Fanjakana. Antitranteneran-tany? Asao ho any amin’ny Efitrano ro fa tena zava-dehibe ny asa fanambarana ilay Fanjakana, sy hanatrika fivoriamben’ny Vavo- Fanjakana. Ny tsara indrindra matetika, dia ny lombelon’i Jehovah, ny olona, mba hahitany tsy milaza amin’ny olona izay tokony hataony, ny vokatr’izany fampianarana izany eo amin’ fa ny mandrisika azy haniry hanao izany. ny fiainan’ny olona.—Isaia 2:2-4; 32:1, 17; JaoTsy isalasalana fa momba an’i Jehovah na 13:35. Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ary ilay FanjaHo takatr’ilay tompon-trano ve anefa fa voa- kana, voalohany indrindra, ilay hafatra tsy kasik’izany koa ny fiainany manokana? Lazao maintsy torintsika rehetra. Tsy maintsy manaaminy amim-pahaiza-mandanjalanja fa ma- ntitrantitra ny fahamarinana momba azy ireo toa ianao tonga mitsidika azy, dia mba hilaza isika, rehefa eny amin’ny fanompoana sy ao aminy fa afaka mifidy ny ho tonga olom-pehe- amin’ny Efitrano Fanjakana ary eo amin’ny zin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny rehetra, ka fiainantsika manokana. Asehontsika amin’izahahazo ny fiainana. Amin’ny fomba ahoana? ny fa tena mandray soa avy amin’ny Sekolin’ Amin’ny fianarana izay takin’Andriamanitra ny Fanompoana isika.

TOROMARIKA HO AN’NY MPIANDRAIKITRA NY SEKOLY MISY anti-panahy iray tendrena ho mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana, eo anivon’ ny fiangonana tsirairay. Raha nanankinana io andraikitra io ianao, dia miankina amin’ny hafanam-ponao ho an’ilay sekoly sy ny fanehoanao fiheverana ny fandrosoana ataon’ny mpianatra tsirairay ny fahombiazan’ilay izy. Anisan’ny andraikitrao ny mitarika ny Sekolin’ny Fanompoana isan-kerinandro eo anivon’ ny fiangonanao. Tadidio fa tsy ireo mpianatra manana anjara ihany no eo, fa ny mpanatrika koa. Tokony handrisika ny fiangonana mano` ntolo ary ny fomba fitarihanao ilay sekoly, mba hampiharany iray, fara fahakeliny, amin’ireo zava-kendren’ilay sekoly hita ao amin’ny pejy faha-5-8 amin’ity boky ity. Asio fiheverana ny mpianatra rehetra, na famakian-teny no anjarany, na fifampiresahana, na lahateny. Ampio izy ireo tsy hihevitra azy io ho toy ny anjara asaina ataony fotsiny, fa ho toy ny fahafahana handroso eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mazava ho azy fa miankina voalohany indrindra amin’ny ezaka ataony ny fandrosoany. Tena ilaina koa anefa ny hanehoanao fiheverana sy hatsaram-panahy aminy, sy ny hanampianao azy hahatakatra fa ilaina ireo lafin-javatra asaina tandremany, ary ny hanazavanao ny fomba hampiharana izany. ` Henoy tsara ary ny anjara tsirairay, mba hisy vidiny ny fanamarihana hataonao. Atombohy sy farano ara-potoana ilay sekoly. Manomeza ohatra tsara, ka aza avela hihoatra ny fotoana omena anao ireo fanamarihana ataonao. Tokony hampahafantarinao na ny mpanampy anao, raha mihoatra ny fotoana ny mpianatra iray. Tokony hamarana ny fehezanteniny ilay mpianatra amin’izay, ary hiala eo

amin’ny lampihazo. Raha mihoatra ny fotoana ny anjara hafa amin’ny fandaharana, dia ataovy fohy kokoa ny fanamarihana ataonao, ary miresaha amin’ilay rahalahy, aorian’ny fivoriana. Tokony ho ianao no hitarika ilay sekoly, raha eo ianao. Raha tsy afaka ny ho tonga ianao, dia anti-panahy iray hafa efa voatendrin’ireo antipanahy no tokony hitarika azy io. Raha mila fanampiana ianao, mba hanomanana ny fandaharana, hanoratana sy hizarana ireo taratasy fanendrena, na hitadiavana mpisolo toerana, dia mpanampy amin’ny fanompoana efa voatendrin’ireo anti-panahy no mahazo manao izany. Fisoratana anarana amin’ny Sekoly. Ampirisiho hisoratra anarana amin’ny sekoly ny mpitory rehetra. Mahazo misoratra anarana koa ny hafa efa mifanerasera tsy tapaka amin’ny fiangonana, raha manaiky ny fampianaran’ny Baiboly, ary miaina mifanaraka amin’ny fitsipika kristianina. Derao amin-katsaram-panahy ny olona milaza fa te hisoratra anarana. Raha mbola tsy mpitory izy, dia tokony hiresaka aminy momba ireo fepetra takina amin’izany ianao mpiandraikitra ny sekoly. Tsara kokoa raha manatrika eo koa ilay olona miara-mianatra ny Baiboly aminy (na ny rainy na ny reniny izay mpino). Mitovy amin’izay takina amin’ny mpitory tsy vita batisa ireo fepetra ireo, ary hita ao amin’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka ny Fanompoantsika, pejy 97-99. Havaozy foana ny lisitry ny anaran’ireo rehetra misoratra anarana ao amin’ny sekoly. Ny taratasin-torohevitra. Ao amin’ny bokiny manokana, eo amin’ny pejy 79-81, no ahitan’ ny mpianatra tsirairay ny taratasin-toroheviny.

282

Toromarika ho An’ny Mpiandraikitra ny Sekoly

Araka ny asehon’ny lokony, ny torohevitra hotandremana voalohany ka hatramin’ny faha-17 dia natao ho an’ny anjara famakian-teny. Amin’ny anjara misy fifampiresahana, dia azo ampiharina ny torohevitra rehetra, afa-tsy ny faha-7 sy faha-52 ary faha-53. Ny anjara lahateny kosa dia azo ampiharana ny torohevitra rehetra, afa-tsy ny faha-7 sy faha-18 ary faha-30. Rehefa asaina mitandrina lafin-javatra iray ilay mpianatra, dia hasian’ny mpiandraikitra ny sekoly marika amin’ny pensilihazo ny faritra malalaka eo ambanin’ny hoe “Daty Nanendrena” ka mifanandrify amin’ilay torohevitra, eo amin’ilay taratasin-torohevitra ao amin’ny bokin’ilay mpianatra. Rehefa vitany ny anjarany, dia anontanio mitokana izy raha nanao ilay (ireo) fanazaran-tena eo amin’ny faran’ilay lesona momba ilay zavatra notandremany. Raha eny, dia asio marika ilay faritra momba izany eo amin’ny taratasin-toroheviny. Raha heverinao fa tokony hanohy hitandrina io lafin-javatra io ihany izy, dia tsy mila manoratra na inona na inona ianao; aza fenoina fotsiny ilay faritra malalaka eo amin’ny hoe “Daty Nahavitana.” Tsy tokony hasiana marika eo, raha tsy efa vonona hitandrina lafin-javatra hafa izy. Ankoatra izany, dia tokony hosoratana eo amin’ny pejy faha-82 amin’ny bokin’ilay mpianatra, eo ankavian’ilay faritra nofidiny, ny daty nanaovany ny anjarany tsirairay. Ampy ny toerana eo amin’ny taratasin-torohevitra sy eo amin’ny lisitr’ireo faritra, mba hampiasana ny tsirairay aminy indroa. Tokony hitondra ny bokiny any amin’ny sekoly ireo mpianatra. Lafin-javatra iray ihany asaina tandreman’ny mpianatra isaky ny anjara. Ny tsara indrindra dia ny manaraka ny filaharany ao amin’ilay lisitra. Kanefa raha hitanao fa tena mahay ny mpianatra sasany, dia ampirisiho hianatra sy

283

hampihatra samirery ny lesona sasany. Ireo lafin-javatra sasany izay heverinao fa tena hanampy azy handroso mba ho mpandahateny sy mpampianatra mahay no asaivo tandremany. Hahazo fanampiana be dia be ny mpianatra iray, na dia efa an-taonany maro aza no nanaovany anjara, raha mianatra sy mampihatra ny lesona tsirairay. Ho an’ireo mpianatra mila fanampiana manokana, dia fidio izay lafin-javatra ilainy hotandremana, fa aza manaraka fotsiny ilay filaharana ao amin’ny taratasin-torohevitra. Fanomezana torohevitra. Ampiasao tsara ireo ohatra sy toro lalana ao amin’ny Baiboly, rehefa manome torohevitra. Tokony ho tsapan’ ireo mpianatra fa ireo fitsipika ambony ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no iorenan’ilay torohevitra omena sy ny fomba anomezana azy. Tadidio fa “mpiara-miasa” amin’ireo rahalahinao sy anabavinao ianao. (2 Kor. 1:24) Mila miezaka toa azy ireo koa ny tenanao mba hanatsara ny fahaizanao mandaha-teny sy mampianatra. Ianaro manokana ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ampiharo ny torohevitra ao, ary aoka ny ohatra omen’ny tenanao hanosika ny hafa hanao toy izany koa. Sady manao izany ianao, no manampy ireo mpianatra mba ho tonga mpamaky teny sy mpandahateny ary mpampianatra mahay. ` Ampio ary izy ireo hahazo tsara izay tiana holazaina amin’ireo lafin-javatra samihafa tokony hotandremana sy ny antony ilana azy ary ny fomba hahaizana azy. Natao manokana mba hanampiana anao hanao izany ity boky ity. Kanefa, tsy ny hamaky fotsiny ny teny voasoratra ato akory no angatahina aminao. Hazavao ilay hevitra tiany hampitaina, sy ny fomba hampiharana azy.

284

Toromarika ho An’ny Mpiandraikitra ny Sekoly

Derao ilay mpianatra raha nitandrina tsara ny lafin-javatra iray. Resaho vetivety izay nahatonga azy io hety tsara, na ny antony tena ilana ilay zavatra nataony. Raha mbola mety hanampy azy ny mamerina mitandrina lafin-javatra iray, dia ataovy azony tsara ny antony. Hazavao ny fomba hanatsarana ilay izy. Zavatra voafaritra tsara lazaina, nefa lazao amin-katsaram-panahy. Tadidio fa tena sarotra amin’ny olona maro ny hitsangana sy hiteny eo imason’olona maro. Raha mihevitra ny olona iray fa tsy nety ny nataony, dia mety hanontany tena izy raha ` mbola tokony hanohy. Manahafa ary an’i Jesosy, izay tsy nanapaka ny “volotara torotoro” na namono ny “lahin-jiro manetona.” (Matio 12:20) Aza hadinoina ny fahatahotahorana tsapan’ilay mpianatra. Rehefa manome torohevitra ianao, dia eritrereto raha mbola vaovao ilay mpianatra, na mpitory efa za-draharaha. Hampahery ny olona hanohy hanao araka izay fara heriny ny teny fiderana amin-katsaram-panahy sy avy amin’ny fo. Ento amim-panajana ny mpianatra tsirairay. Hoy ny Romana 12:10 amintsika: “Mi` tariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” Izany ka torohevitra tena mety ho an’ny mpanome torohevitra ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana! Raha be taona kokoa noho ianao ilay mpianatra, dia ampiharo tsara ny toromarika ao amin’ny 1 Timoty 5:1, 2. Na firy taona na firy taona anefa ny olona iray, rehefa mila torohevitra izy mba hanatsara zavatra iray, ka ataonao amin-katsaram-panahy izany, dia matetika no horaisiny an-tanan-droa izany. —Ohab. 25:11. Antitrantero amin’ilay mpianatra ny zava-kendren’ilay fampiofanana, rehefa manome torohevitra ianao. Tsy mba hahazoana teny fiderana akory no anaovana anjara tsara, na mba

hifindrana ho amin’ny lafin-javatra hotandremana manaraka. Tsy mba hahatongavana ho mpandahateny sy mpampianatra hoderain’ny hafa akory no tanjona. (Ohab. 25:27) Irintsika kosa ny hampiasa ny fahaizantsika miteny mba hiderana an’i Jehovah sy hanampiana ny hafa hahafantatra sy ho tia azy. Ampiofanina isika mba hahay hanatanteraka tsara ilay asa voalaza ao amin’ny Matio 24:14 sy 28:19, 20. Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hasaina ho mpandahateny sy mpampianatra ampahibemaso ireo rahalahy vita batisa mahay, ka hitandrina ny “ondrin’Andriamanitra.”—1 Pet. 5: 2, 3. Asaivo vakin’ny mpianatra ao anatin’ny andro vitsivitsy aorian’ny ahazoany ilay anjara, ny lesona momba ilay lafin-javatra hotandremany. Ampirisiho izy ireo hampihatra izay nianarany tao amin’ny fanomanany, rehefa miresaka andavanandro sy manome valin-teny any am-pivoriana, ary manao fanompoana. Fizarana ireo anjara. Tokony hatao telo he` rinandro mialoha, fara fahakeliny, izany mazana. Tokony hatao an-tsoratra ny fanendrena rehetra, raha azo atao. Anti-panahy no tokony homena ireo anjara misy fampianarana ny fiangonana, ary tsara kokoa raha anti-panahy mahay manao izany, sy mpanampy amin’ny fanompoana mahay mampianatra. Araho ny toromarika ao amin’ny fandaharana amin’ny sekoly, mba hamantarana izay anjaran’ny mpianatra homena ny rahalahy sy izay homena ny anabavy. Raha vitsy ny rahalahy nefa maro kosa ny anabavy manao anjaran’ ny mpianatra, dia tandremo sao famakiana Baiboly foana no anjara azon’ireo rahalahy. Hevero ny toe-javatra misy ny tsirairay, rehefa manome anjara. Ohatra, tsy maintsy omena

Toromarika ho An’ny Mpiandraikitra ny Sekoly

anjara amin’ny sekoly ve ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana iray, izay efa manana anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana na lahateny ho an’ny besinimaro, amin’io herinandro io? Tsy maintsy omena anjara ve ny anabavy iray, raha manana anjara amin’io fivoriana io koa ny zanany mbola kely izay mety hila ny fanampiany? Mety amin’ny ankizy iray na amin’ny mpianatra ny Baiboly mbola tsy vita batisa ve ilay foto-kevitra? Jereo koa raha mety amin’ilay lafin-javatra hotandreman’ilay mpianatra ilay anjara. Ireo anabavy manao anjara misy fifampiresahana dia hifidy ny faritra hanaovany azy, araka ny torohevitra eo amin’ny pejy faha-78 sy 82. Tokony hisy mpanampy iray hotendrena, nefa azo atao koa ny mampiasa olona iray fanampiny. Raha mangataka mpanampy izay tena mety amin’ny faritra nofidiny ilay mpianatra, dia tokony hasiana fiheverana ny fangatahany. Kilasy fanampiny. Raha maherin’ny 50 ny mpianatra misoratra anarana, dia mety hihevitra ny hampiasa kilasy fanampiny ianao. Na ny anjaran’ny mpianatra rehetra no hatao any, na ny an’ireo mpianatra roa farany ihany, arakaraka izay ilaina eo an-toerana. Tokony hanana mpanome torohevitra mahay ny kilasy fanampiny tsirairay, ary tsara kokoa raha anti-panahy izany. Mahazo misolo toerana amin’izany ny mpanampy amin’ny fanompoana mahay tsara, raha ilaina. Tokony heken’ny anti-panahy rehetra ny fanendrena ireny mpanome torohevitra ireny. Tokony hisy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo mpanome torohevitra rehetra, mba ho voaraka tsara ny mpianatra rehetra, na aiza na aiza kilasy hanaovany ny anjarany manaraka. Kilasy fianarana mamaky teny. Mety hanapa-kevitra ireo anti-panahy fa maromaro

285

no mila hampiana hamaky teny amin’ny fiteny ampiasain’ilay fiangonana. Amin’izay ianao dia mety handamina kilasy izay hampiarahinao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Mety ho tena fampianarana hamaky teny mihitsy izany, na fanampiana mba hanatsara ny fahaiza-mamaky teny. Tsy voatery hatao amin’ny fotoana hanaovana ireo anjaran’ny mpianatra amin’ny Sekolin’ ny Fanompoana ireo kilasy ireo. Mety haharitra ela kokoa noho ilay sekoly ilay kilasy, mba ho ampy tsara ny fanampiana omena. Ireo anti-panahy eo an-toerana no hamaritra izay ilaina sy ny fotoana hanaovana izany fampianarana izany. Mety ho olona maromaro no hampianarina miaraka, na olona mitokana, arakaraka izay ilaina. Mpampianatra mahay no ilaina. Tsara kokoa raha rahalahy mahay mamaky teny sy mahalala tsara ilay fiteny no tendrena ho amin’izany. Raha tsy misy rahalahy, dia mahazo mangataka anabavy iray mahay sy fakan-tahaka mba hanao izany ireo anti-panahy. Tokony hisaron-doha izy, rehefa mampianatra ilay kilasy. —1 Kor. 11:3-10; 1 Tim. 2:11, 12. Natonta amin’ny fiteny maro ny bokikely Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra, izay natao mba hampianarana hamaky teny sy hanoratra. Azo atao koa ny mampiasa fitaovana hafa, arakaraka ny fahaizan’ireo mpianatra misoratra anarana. Rehefa mandroso tsara izy ireo, dia tokony hampirisihina handray anjara amin’ny fandaharan’ny Sekolin’ny Fanompoana. Tena afaka manampy ny fiangonana ianao mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana. ` Miomana tsara, ary hevero ho toy ny zavatsarobidy nankinin’Andriamanitra taminao ny andraikitrao, araka ny Romana 12:6-8.

FANONDROANA TENY Andinin-teny famakiana misy fanamafisanteny 104, 150-152 fampidirana 144, 147-149 fampirisihana hampiasa 145-146 fanaovana fampiharana mety 153-156, 203-204, 256 fanjohian-kevitra avy amin’ny 155-156, 231-233, 254 fototry ny fampianarana 52-53, 143-144, 148, 224-225, 255256, 267 teny manodidina 34-35, 149, 232, 256 Anti-panahy famaliana fanontaniana 144 fampaherezana 268 fampianarana araka ny marina 224-225 fampianarana ny fiangonana 47-49, 284 fananarana 265 fanomezana torohevitra 203-204 Araka ny marina famakian-teny 83-85 zavatra lazaina 38, 223-225, 242 Baiboly—Jereo Andinin-teny Drafitra ao an-tsaina 167, 178 fampiasana 52, 126, 166-169, 176177, 264 fanomanana 39-42, 168-169, 174 vita pirinty 50, 52-55, 179 Fahaiza-mandanjalanja 69, 192-193, 197-201, 236-237, 242, 251-254 Fahaiza-mifidy teny 160-165, 176, 198-199, 220 mba hanehoana fatokisana 195-196 mba ho mora azo 227-228 teny fampitahana sy teny fampitoviana 240-241 Fahaiza-mifoka rivotra 110, 181-185

Fahaiza-miresaka 62-65 fanontaniana 236-237 fijerena olona eo amin’ny masony 124-125 mampahery 204-205 manomboka 198, 217 miato 99-100 mihaino 159, 187 Fahaizana manjohy hevitra 66-70, 192, 198-200, 237-238, 251-254 Fahatahotahorana 43, 125-126, 128, 135-138 Fahatoniana 43, 125-126, 128, 135-138 Famakiana Baiboly 9-12, 60, 248-249 Famakian-teny 21-26 ampahibemaso 43-44, 85, 97-98, 105, 116, 127, 130, 141 famakiana andininy misy teny hamafisina 104, 150-152 fanamafisana hevitra fototra 105-106 fanomanana anjara 43-44, 94-95, 98, 105-106, 116, 130, 263-264 kilasy fianarana mamaky teny 2123, 285 mbola tsy hita mialoha 95 mora azo 18, 24-26, 85 tsy misy diso 83-85 Famaranan-teny 177, 208, 220-222 Famelabelarana mirindra tsara 41, 170-173, 214 Famerimberenana 152, 206-208, 210-211, 214 Fampaherezana 266, 268-271 Fampianarana 56-61 anti-panahy—Jereo Anti-panahy famelabelarana mirindra tsara 41, 170-173, 214 fampiasana andinin-teny 52-54, 155-156, 231-233, 254 fampifanoheran-javatra 5758, 233 fananarana 265-267

286

fanaovana fampiharana 53-54, 60, 157-159, 220, 233 fanoharana 53, 57, 240-246, 253254, 257 fanohinana ny fo—Jereo Fo fanontaniana—Jereo Fanontaniana hevitra maro loatra 41, 98, 173, 214, 226-227, 234-235, 264 miorina amin’ny Baiboly 143144, 148, 224, 255-256, 267 tombantombana sy fomba fihevitra 54, 153, 188 vazivazy mampihomehy 193 Fampianarana Baiboly—Jereo Fitoriana Fampidiran-dresaka 215-219 andinin-teny 144, 147-149 fitoriana 62-64, 167, 186, 202, 217-219, 236-237 lahateny 208, 215-219 Fampifanoheran-javatra 57-58, 233 Fampitahana 257 Fampitomboana filazan-javatra 241 Fanadinadinana 50, 129 Fanahy masina 19-20, 178 Fanajana 67-68, 124, 187, 190-193, 200-201, 203-204, 252 Fanajana fotoana 34, 45, 175-176, 263-264, 282 Fanamafisan-kevitra 101-104, 150-152 Fananarana, fampirisihana 221, 265-267 Fanaovana famerenana famakian-teny 94-95, 130, 263-264 fampisehoana 50, 141-142 lahateny 54-55, 136, 264 Fanaovana fampiharana 53-54, 60, 157-159, 220, 233 Fanazavana ahitana fianarana, andraisan-tsoa, ianaran-javatra 33-34, 46, 116, 157-158, 218, 230-233

Fanondroana Teny Fandraisana feo kasety 44, 91-92 ny an’ny tena 88 Fandrosoana 6-8, 21, 74-77, 271 Fanjakana 58, 209-211, 257, 279-281 Fanoharana 53, 57, 240-246, 253-254, 257 Fanomanana anjara sy lahateny 39-55 anjara amin’ny fivoriambe 50 anjaran’ny mpianatra 43-46 famakian-teny 43-44, 94-95, 98, 105-106, 116, 130, 263-264 fanaovana famerenana 46, 5455, 136, 264 fanomanana drafitra 39-42, 168169, 174 faritra 44-45, 78, 82, 283, 285 fifampiresahana, fampisehoana 44-45, 50, 78, 82, 141-142, 166 Fivoriana Momba ny Fanompoana 49-50, 142, 216, 235 hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly 47-48 lahateny fampianarana 48-49 lahateny ho an’ny besinimaro 5255, 249-250 lahateny vakina 50, 106, 127, 130 Fanompoana—Jereo Fitoriana Fanononana 86-92 anarana ao amin’ny Baiboly 91 kilema tsy hahaiza-miteny tsara 88 mari-panononana litera 90 mazava 86-88 mety 162 Fanontaniana famaliana 64, 66-70, 143-144, 177-178, 188, 223 fametrahana 58-59, 64, 147-148, 187, 216, 222, 231, 236-239, 253-254, 259 Fanovaovam-peo 111-114 Faritra 44-45, 78, 82, 283, 285 Fatokisana, fatokisan-tena 194-196 amin’ny famaranan-teny 221 fampiasana fanontaniana 238-239 fanamafisan-kevitra 102-103

fihetsehana 122 fijerena olona eo amin’ny masony 124 hamafin’ny feo 109 Fiakanjo sy fihaingo 131-134, 190 Fianakaviana famakiana Baiboly 11, 60, 248-249 fampiofanana ny ankizy 16, 60 fianarana Baiboly 31-32, 195, 248 Fianarana 27-32 Fiatoana 97-100, 126, 152 Fifampiresahana, fampisehoana 44-45, 50, 78, 82, 141-142, 166 Fifandraisana amin’ny mpihaino—Jereo Fijerena olona eo amin’ny masony Fifantohana 14, 25 Fifidianana hevitra mety 54, 146, 234-235 Fihainoana 13-16, 64, 187 Fihetseham-po, fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa 115-116, 118-122, 150, 266, 271 Fihetsehana 121-123, 196 Fiheverana sy fiahiana ny hafa 62-65, 119, 125, 159, 186-189, 198, 218 Fijerena olona eo amin’ny masony 124-127, 169, 175 Fijoro sy fipetraka 110, 133-134, 137 Fikarohana 12, 29, 33-38, 40, 226, 231-232 Fisaintsainana 18-19, 24-25, 31, 261 Fisehoana ivelany 131-134, 190 Fitadidiana 17-20 famerenana hitadidiana hevitra 31 famerimberenana 206 fanampian’ny fanahy masina 1920, 178 fanaovana famerenana 136 fanoharana 240 zavatra hita maso 249-250 Fitahirizam-boky, Efitrano Fanjakana 34, 37 Fitenenana misosa tsara 93-96, 196 miakanakam-piteny 95

287

Fitenenana na fanomezana fanazavana eo no ho eo 177-178, 208 Fitenenana tsy an-kijery soratra 50, 114, 129-130, 166, 174-178 Fiteny vahiny fitoriana 64, 186 mpandika teny 55 Fitoriana amin’ireo tsy manaiky ny Baiboly 68-69, 144, 198-199, 252 famaranan-teny 222 fampianarana Baiboly 60, 69-70, 188-189, 221-222, 227-228, 235, 238, 248-249, 258-262 fanoherana 167-168, 177-178, 195, 199, 253 fanombohan-dresaka 62-64, 100, 125, 159, 167, 186, 198, 202, 217, 236-237 fiverenana mitsidika 222 hafatra 272-281 taratasy 71-73 Fitsipi-pitenenana 164-165 Fiverenana mitsidika—Jereo Fitoriana Fivoriambe 16, 50 Fivoriana fandraisana anjara 70, 141 fanomanana 28-31 Fivoriana Momba ny Fanompoana 49-50, 141-142, 216, 235 Fo fanomanana ny an’ny tena 13-14, 27-28, 115-116 fiezahana hanohina 33-34, 49, 59-60, 166, 238, 258-262 Foto-kevitra 209-211, 218-219, 234 Hafanam-po 115-117, 270-271 Hamafin’ny feo, fitenenana mafy 102, 107-112 ˆ fampiasana mikro 139-142 Hatsaram-panahy 118-120, 123, 125, 266 Hevi-dehibe 29, 39-42, 105-106, 146, 168, 212-214 Hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly 47-48 Izay asehon’ny endrika 116-117, 119, 121-125, 196

288

Fanondroana Teny

Jehovah Andriamanitra 272-275 Jesosy Kristy 275-278 Kasety 44, 91-92 Kilema tsy hahaiza-miteny tsara 88 Lafin-javatra hotandremana 43-45, 78-81, 282-284 Lahateny fampianarana 48-49 Lahateny ho an’ny besinimaro 52-55, 249 Lahateny vakina 50 ˆ fampiasana mikro 140-141 fanamafisana hevitra fototra 106 fanamafisan-kevitra 102-103 fijerena olona eo amin’ny masony 127 tsotra, tsy amboamboarina 130 Loha hevitra 39-40, 220-221 Mampahery sy mijery ny lafy tsaran-javatra 158, 192, 202-205, 266 Mari-panononana litera 90 Mari-piatoana 84, 97-98 Miakanakam-piteny 95 ˆ Mikro 139-142

Mora azo 161, 226-229, 232-233, 242-246 Mpandika teny 55 Ohatra ampiasaina 34, 57, 158, 216, 240-246, 257 Ohatra omen’ny tena 61, 195, 229, 267 Porofo marim-pototra 255-257 Sarintany 12, 248-249 Sekolin’ny Fanompoana anjara 7, 43-49, 78, 284-285 famakiana Baiboly 11, 47-48 fampiasana ny bokin’ny sekoly 6-7, 283 faritra 44-45, 78, 82, 283, 285 fisoratana anarana 282 kilasy fanampiny 285 kilasy fianarana mamaky teny 2123, 285 lafin-javatra hotandremana 4345, 78-81, 282-284 mpanampy 285 mpiandraikitra 45, 78, 282-285 mpisolo toerana 7, 137 zava-kendreny 5-8 Tanjona 56, 77

Misy fanontanianao ve?

Taratasy 71-73 Teny fifidianana 160-165, 195-196, 198-199, 219, 228, 240-241 voatonona mazava tsara 86-88 Teny fampitahana 240 Teny fampitoviana 240-241 Toetran’ny feo 119, 138, 181-185 Toy ny miresaka andavanandro 129-130, 166, 175-176, 179-180 Tsotra, tsy amboamboarina 121, 128-130, 166, 175-176, 179-180, 196 Tsy fanenjanana hozatra 87, 184-185 Valin-teny any amin’ny fivoriana 70, 141 Vavaka 14, 28, 56, 178 ampahibemaso 168 valiny 136-137 Vazivazy mampihomehy 193 ´ Video 249 Voambolana 25-26, 94-95, 160-165 Za-draharaha 76-77, 137 Zavatra hita maso 247-250 Zavatra mahakivy 202-203

Manorata any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah: www.jw.org.

Nangoraka

Tsy nizaha tavan’olona

“Tsy mbola nisy olona

Nanetry tena

niteny tahaka izany” Nanam-paharetana

Nazoto nivavaka

be-MG