NY VINTANA Manonga [PDF]

  • Author / Uploaded
  • José
  • 0 0 0
  • Gefällt Ihnen dieses papier und der download? Sie können Ihre eigene PDF-Datei in wenigen Minuten kostenlos online veröffentlichen! Anmelden
Datei wird geladen, bitte warten...
Zitiervorschau

NY VINTANA MALAGASY

1

TENY MIALOHA: Ity boky ity dia nosoratana mba ahafahany be sy ny maro hahalala ny momba momba ny vintana , Ankehitriny dia efa tsy dia Asian’ ny Malagasy lanjany ny maha izy azy ; izany hoe ny fisiany heriny vintana izany manokana no nanaovana ity boky ity mba hamerenana ny lanjany maha malagasy Izany hoe hanazava sy hampianatra ny Malagasy my mikasika ny vintan’ ny olona tsiraray , mba hafahan’ ny olona rehetra mifehy azy ty Novolavolaina manokana izany ity boky miaraka t@ ireo manampahaizana maro samy hafa , ireo ombiasa , mpanandro moasy sy mpisikidy izany hoe maharakitra ny zavatra rehetra mombany vintana Ka indro zay kely afaka atolotra anareo tsy lavorary tokoa izy ity fa kosa hentina ampahafantarana zavatra maro ho antsika tsirayray

2

NY ALAHAMADY “BELIER (21 mars 19 avril”)

3

Ny alahamady na koa be belier @ teny vahiny dia vintana 1 @ izy 12 Eo avaratra atsinanana no misy azy ka io no atao hoe zoro firarazana na ALAHAMADIN TRANO VINTANA mahery ny alahamady izany hoe vintan’ ireo andriana zany Ny olona teraka alahamady no olona tsara vintana indrindra; mety ho lasa mpitondra fanjakana satria ambony saina , farofy mbola kely ny zaza teraka eo nefa rehefa mihalehibe dia matanjaka sy mety ho lava andro iainana Ny olona hajaina toy ny zokiolona na ny mpanambady dia apetraka eo @ alahamadin trano ary na am pasana aza dia izay raiamandreny indrindra no apetraka eo @ zoron avaratra antsinanana ny fasana  Ny tsara ho fantatra ny olona teraka alahamady dia mitondra ny vintan’ny afo izany hoe olona mahery ary mifanaraka aminy ny loko mena satria io tandidon’ ny voninahiny olona tena tia mihetsiketsika ny alahamandy ary ny andro manambina azy dia ny atalata astrolojika izany hoe ny alakamisy ankehitriny;

4

ireo toetra aterany: Ny lehilahy teraka eo dia henjam piteny nefa mora mitony fa ny vehivavy kosa dia tsara fanahy sy malemy paika , Malala tsaina , maha tehotia no sady mahasarika Mifanohitra @ ADIMIZANA NY ALAHAMADY Faditra manala ratsy : songosongo Vakana: vakamiarina Antony itondrana azy: nisy tsy fetezan javatra Bika ivelany: madinidinika sy haigam pandeha Fady @ fiainana andavanandro: tsy mandray songosongo

Ny olona teraka alahamady dia tafita @ fianarana @ ankapobeny satria olona misaina lalina sy mandinika Misy ireo asa tena manambina ny alahamady ireto avy izy: Voalohany indrindra ; olona natao hitantana ireo belier Ireo asa mifanaraka aminy:  Homme/ femme d’ affaire  Directeur; manager;ingenieur  Deputer ; homme d’etat  Pdg, styliste;proffesseur;

5

IREO RITUEL TSARA FANAON’IREO BELIER NA ALAHAMADY NY Olona manana element afo toy ny belier dia tena tsara raha miravaka volamena na nony toe draharaha misy ety @ firenena , dia mahasolo azy tanteraka ny OR DE FRANCE io satria tsara raha miravaka firavaka mangirana ny belier indrindra indrindra raha teraka ALAHADY satria ny alahady dia jours du soleil izany hoe andron’ ny masoandro Nb Tiako tsindrina eto fa tsy ny signe astrologique ihany no micompte fa ny andro sy ny ora dia manana toerana lehibe tokoa Ohatra zao ny olona teraka entre 00heur sy 6 Heur du matin dia olona natao ho leader @ fiainana izany hoe olona ho voalohany @ zavatra maro Ny olona teraka eo anivon’ 06 H sy 12 H dia olona somary materialiste zay olona mora atao @ ankapobeny ary olona tafita @ fiainana na dia somary taratara kely aza Ny olona teraka 12H à 18 H Dia olona somary kamo kamo zay ah kkkkkkkkk fa ,na dia zany manana ny maha izy azy izy; izany hoe be fiantrana ary tia

6

manampy ny namana somary be be tay bava zay fa azo leferana Ary ny olona terana entre 18heur a 23heur 59 mn Dia olona somary manana olana kely @ fiainana fa na dia izany azy dia mahita solution fona izy satria tia karokaroka ary miezaka ny hampivoatra azy hatrany Ny olona teraka alahamady ihany koa dia tokony manao sorona omby na 1 FOIS @ FIAINANY. Satria mampitombo ny herin vintany io ary ahazahoana LAHA JORO TSARA @ NDRIAGNAHARY SY NY RAZANA zany ny antony ilay sorona na tsaboraha

Ny toetra ratsy ireo teraka alahamady: Voalohany ny olona teraka alahamady dia somary mijery tavan’olona indrindra @ ara pitiavana Ohatra ny sipa: ny sipa teraka alahamady dia miaraka @ lehilahy beaugossy fona na dia tsapany aza izy tsy dia tsara kkkkkk misy tantara zay ho tantaraiko @ nareo eto experience vivant niainako t@ sipa alahamady mihintsy Tany ampianarana zahay t@ zany manko dia ilay sipa lycee ray tamiko ; niresaka toy ny mpinamana be zahay taloha fa

7

nanomboka namborahako ny fitiavako izy dia nilefa ny vata tenako foana e ny tenanay manko tsy dia beaugoss fa misy valeur dray e kkkkkkkkkkk bref resaka resaka fona zany fa tiako aseho anareo principal defaut ny zareo alahamady 2eme defaut: be taimbava ary tsy manaiky diso matetika 3eme defaut: somary tia manavakavaka izy fa saingy tsy asehony mivantana fa @ fomba mihafina ihany

Ialana tsiny ialana fondro fa ny vintana hita ao anaty ity boky ity dia tsy milahatra arak any tokony ho izy fa omenay eto kosa ny equivalence nazy @ teny vahiny

Asorotany(22juin 22 juillet) Ny Asorotany no vintana fahefatra ao amin' ny fanandroana malagasy manara-bolana. Ny Adizaoza no eo alohany ary ny Alahasaty no manaraka azy. Ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena azy. Andro mahery ny Asorotany.

8

Fiavian' ilay anarana Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zodiaka amin' ny teny arabo hoe ‫ انا سرط‬/ As-Saratan na As-Sartan ("foza") ny hoe Asorotany. Amin' ny faritra sasany eto Madagasikara dia atao hoe Asaratà na Saratà io teny io. Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy ary amin' ny teny frantsay hoe Cancer ny hoe Asorotany. Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Saratani io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Sartan na Ketam ihany koa izy. Fiavian' ilay anarana Ny antokon-kintana Foza sy ny zôdiaka Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Foza dia amin' ny 20 Jolay hatramin' ny 10 Aogositra. Ny fari-potoan' ny Foza araka ny zôdiakan-kintana dia eo

9

amin' ny 16 Jolay hatramin' ny 15 Aogositra. Ny Foza ao amin' ny zôdiakam-panandroana mahazatra (zôdiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia avy eo amin' ny 22 Jona ka miafara amin' ny 22 Jolay. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana. Kambana na Adizaoza Foza na Asorotany Liona na Alahasaty Antokon-kintana 21 Jona – 20 Jolay 20 Jolay – 10 Aogositra 10 Aogositra – 16 Septambra Zodiakankintana 16 Jona – 15 Jolay 16 Jolay – 15 Aogositra

10

16 Aogositra – 15 Septambra Zodiaka mikisaka 21 Mey – 21 Jona 22 Jona – 22 Jolay 23 Jolay – 22 Aogositra Toerany Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahefatra ny Asorotany ka ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena azy. Renivintana ny Asorotany. Mibaby ny Adizaoza sy mitrotro ny Alahasaty ny Asorotany. Mifandratra amin' ny Adijady nefa mitanila sy miarina eo amin' ny Alakaosy sy Adalo izy. Mitondra tonon' andro telo ny Asorotany, dia vava Asorotany (na vavan' Asorotany) sy ny vonto Asorotany (na vonton' Asorotany) ary ny vody Asorotany (na vodin' Asorotany). Fombany Araka ny finoan-drazana malagasy dia andro mahery ny Asorotany. Vava Asorotany … Vintana Asorotany … … … Atahorana no maty kely ny zaza teraka amin' ny vava Asorotany, fa raha tsy izany dia ho tratra antitra

11

ihany izy, nefa amin' izany tsy tezain' ny ray amandreniny izy fa omena ho tezain' ny havana. Vonto Asorotany Ny olona teraka vonto Asorotany dia ho tratra antitra. Vody Asorotany. Ny olona teraka vody Asorotany dia atahorana ho maty kely, ka raha tsy maty izy dia hanankarena sy holava andro iainana. Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Asorotany ho volana fahefatra amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Asorotany ka miafara amin' ny vody Adizaoza ny volana Asorotany raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Adizaoza dia miafara amin' ny vava Asorotany ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Asorotany io dia mifarana amin' ny vonto Asorotany ny volana izay misy 30 andro.

12

Adalo Ny Adalo dia vintana fahiraika ambin'ny folo amin'ny fanandroana malagasy. Ny Adijady no eo alohany ary ny Alohotsy no manaraka azy. Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy[1]. Vintandranomaso sy alahelo ny Adalo araka ny finoandrazana malagasy. Fiavian' ilay anarana Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zodiaka amin' ny teny arabo hoe ‫ ادل و‬/ Al-Dalu ("mpandraraka rano") ny hoe Adalo. Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Aquarius na amin' ny teny frantsay hoe Verseau. Amin' ny teny soahily dia atao hoe Dalu na Ndoo io antokonkintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Dalwu na Timba ihany koa izy.

13

Ny antokon-kintana Mpitondra Rano sy ny zôdiaka Mandala eo amin' ny fari-danitry ny antokonkintana Mpitondra Rano ny masoandro amin' ny 16 Febroary hatramin' ny 11 Marsa. Eo amin' ny 15 Febroary hatramin' ny 14 Marsa ny faripotoan' ny Mpitondra Rano ao amin' ny zôdiakan-kintana fa amin' ny 21 Janoary hatramin' ny 18 Febroary kosa izany araka ny zôdiaka mikisaka. Ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinambolana. Toerany Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahiraika ambin' ny folo koa ny Adalo ka ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Zanabintana ny Adalo. Mifandratra amin' ny Alahasaty sy miarina eo amin' ny Asorontany ny vintana Adalolo. Trotroin' ny renivintana Adijady ny zanabintana Adalo. Ao amin' ny fitetezana andro dia

14

mitondra tonon' andro roa ny Adalo, dia ny vava Adalo (na vavan' Adalo)sy ny vody Adalo (na vodin' Adalo). Fombany Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo araka ny finoan-drazana malagasy. Vava Adalo Atahorana ho maty kely ny zaza teraka vava Adalo. Vody Adalo Ny zaza teraka vody Adalo dia tsara vintana ihany ka ho tratra antitra na dia manan-toetra malahelohelo aza. Antokon-kintan'ny Mpitondra Rano … Ny vintana Adalo … … … …

15

Volana Adalo Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Adalo ho volana fahiraika ambin' ny folo amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Adaloka miafara amin' ny vody Adijady ny volana Adalo raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Adijady dia miafara amin' ny vava Adalo ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Adalo io dia mifarana amin' ny vody Adalo ny volana izay misy 30 andro.

Adaoro Ny Adaoro no vintana faharoa ao amin' ny fanandroana malagasy. Ny Alahamady no eo alohany ary ny Adizaoza no manaraka azy. Ny tapany avaratra amin' ny rindrin-trano

16

atsinanana no toerana omena azy[1]. Lazaina fa mifandratra amin' ny Alakarabo sady mihataka sy miarina eo amin' ny Adimizana ny Adaoro. Ny teny hoe Adaoro Afo Fiavian' ilay anarana … Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe ‫ اث ور‬/ Ath-Thur na AthThaur ("ombilahy") ny hoe Adaoro. Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Taurus na amin' ny teny frantsay hoe Taureau ny hoe Adaoro. Amin' ny teny soahily izy dia atao hoe Ng'ombe fa amin' ny teny maley kosa dia Lembu Jantan na Kerbau Jantan.

17

Ny antokon-kintana Ombilahy sy ny zôdiaka Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintan'ny Ombilahy dia amin' ny 13 Mey hatramin' ny 21 Jona. Ny faripotoan' ny Ombilahy araka ny zôdiakankintana dia eo amin' ny 16 Mey hatramin' ny 15 Jona. Ny Ombilahy ao amin' ny zôdiaka mikisaka dia avy eo amin' ny 21 Mey ka miafara amin' ny 20 Jona. Ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinam-bolana. Ondrilahy Ombilahy Kambana Antokon-kintana 18 Avrily - 13 Mey 13 Mey - 21 Jona 21 Jona - 20 Jolay Zodiakan-kintana 15 Avrily - 15 Mey 16 Mey - 15 Jona 16 Jona - 15 Jolay Zodiaka mikisaka 21 Marsa - 20 Avrily 21 Avrily 20 Mey 21 Mey - 21 Jona Toerany Ny antokon-kintana Ombilahy

18

… Vintana Adaoro … Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana faharoa ny Adaoro ka ny tapany avaratra amin' ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Zanabintana ny Adaoro. Trotroin' ny renivintana Alahamady ny zanabintana Adaoro. Mitondra tonon' andro roa ny Adaoro, dia ny vava Adaoro (na vavan' Adaoro) sy ny vody Adaoro (na vodin' Adaoro). Fombany Inoana ho andron' afo na andro mandoro ny Adaoro. Mifandratra amin' ny Alakarabo sady mihataka miarina eo amin' ny Adimizana ny Adaoro. Vava Adaoro Ny olona teraka vava Adaoro dia atahorana amin' ny afo ka tsy maintsy alam-bintana amin' ny

19

alalan'ny fitondran-dreniny azy mandositra avy anaty trano tomboka kely nodorana. Vody Adaoro Ny olona teraka vody Adaoro dia tsara vintana ka raha lahy dia hahay mikabary fa raha vavy kosa dia ho tsara fanahy. Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Adaoro ho volana faharoa amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Adaoro ka miafara amin' ny vody Alahamady ny volana Adaoro raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Alahamady dia miafara amin' ny vava Adaoro ny volana Adaoro izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Adaoro io dia mifarana amin' ny vody Adaoro ny volana izay misy 30 andro.

20

Alakarabo Ny Alakarabo no vintana fahavalo amin' ny fanandroana malagasy. Ny Adimizana no eo alohany ary ny Alakaosy no manaraka azy. Ny tapany atsimo amin' ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy[1] Ny fiavian' ilay anarana Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zodiaka amin' ny teny arabo hoe ‫ اع قرب‬/ Al-Akrab ("maingoka") ny hoe Alakarabo. Ny fiavian' ilay anarana

… Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Scorpius na amin' ny teny frantsay hoe Scorpion ("maingoka"). Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Akarabu na Nge

21

io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Akrab na Kala ihany koa izy Ny antokon-kintana Maingoka sy ny zôdiaka Eo amin' ny 20 Novambra hatramin' ny 29 Novambra ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Maingoka. Amin' ny 23 Oktobra hatramin' ny 22 Novambra ny fari-potoan' ny Maingoka ao amin' ny zôdiaka mikisaka fa amin' ny 16 Novambra hatramin' ny 15 Desambra izany araka ny zôdiakan-kintana. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana. Toerany Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahavalo koa izy ka ny tapany atsimo amin' ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Zanabintana ny Alakarabo. Miarina eo amin'

22

ny Alahamady sady mifandratra amin' ny Adaoro ny vintana Alakarabo. Fombany Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana tsara ny Alakarabo satria andron' ny fahavokarana. Vava Alakarabo Antokon-kintan'ny Maingoka … Ny vintana Alakarabo Tokony misoronana akondro vokatra ny olona amin'ny vava Alakarabo amin' ny maha vintambokatra azy. Ny zazavavy teraka vava Alakarabo dia ho maro anaka fa ny zazalahy kosa ho tratra antitra. Voalaza fa teraka tamin' ny vava Alakarabo ny mpanjaka Ranavalona II. Vody Alakarabo

23

Ny zazavavy teraka vody Alakarabo dia ho maro anaka ihany koa ary ny zazalahy ho tratra antitra. Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Alakarabo ho volana fahavalo amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin'ny vava Alakarabo ka miafara amin' ny vody Adimizana ny volana Alakarabo raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanambolana ny andro aorian' ny vody Adimizana dia miafara amin' ny vava Alakarabo ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Alakarabo io dia mifarana amin' ny vody Alakarabo ny volana izay misy 30 andro. Isan' ny olona teraka tamin' ny vava Alakarabo ny mpanjaka Ranavalona II.

24

Asombola Ny Asombola no vintana fahenina amin' ny fanandroana malagasy. Ny Alahasaty no eo alohany ary ny Adimizana no manaraka azy. Ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy . Fiavian' ilay anarana Avy amin' ny anaran' antokon-kintan'ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe ‫ ال س ن ب لة‬/ As-Sumbul ("virjina") ny hoe Asombola. Vola Fiavian' ilay anarana

… Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Virgo na amin' ny teny frantsay hoe Vierge izy. Amin' ny teny maley dia atao hoe Sunbulat na Sumbulat na Perawan

25

ihany koa izy Ny antokon-kintana Virijiny sy ny zôdiaka Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Virijiny dia manomboka amin' ny 16 Septambra ka miafara amin'n y 30 Oktobra. Ny fari-potoan' ny Virijiny araka ny zôdiakan-kintana (frantsay: zodiaque sideral) dia hatramin' ny 16 Septambra ka hatramin' ny 15 Oktobra. Ny Virijiny ao amin' ny zôdiakampanandroana mahazatra (zôdiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia manomboka amin' ny 23 Septambra ka miafara amin' ny 22 Oktobra. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinambolana. Liona na Alahasaty Viriijny na Asombola Mizana na Adimizana Antokonkintana 10 Aogositra - 16

26

Septambra 16 Septambra - 30 Oktobra 30 Oktobra - 20 Novambra Zodiakankintana 16 Aogositra - 15 Septambra 16 Septambra - 15 Oktobra 16 Oktobra - 15 Novambra Zodiaka mikisaka 23 Jolay - 22 Aogositra 23 Aogositra - 22 Septambra 23 Septambra - 22

27

Oktobra Toerany Antokon-kintan'ny Virijiny … Ny vintana Asombola … Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahenina ny Asombola ka ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Mifandratra amin' ny Alohotsy sy miarina eo amin' ny Alahamady ny vintana Asombola. Baben' ny renivintana Adimizana ny zanabintana Asombola. Ao amin' ny fitetezana andro dia mitondra tonon' andro roa ny Asombola, dia ny vava Asombola (na vavan' Asombola) sy ny vody Asombola (na vodin' Asombola). Zanabintana ny Asombola. Fombany

28

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintambola sy vintan' ny olona tia harena ny Asombola. Vava Asombola Ny zazalahy teraka vava Asombola dia ho mpivarotra ary hahazo volabe. Ny zazavavy kosa ho mpanao taozavatra sy ho mpila harena. Vody Asombola Ny zaza teraka vody Asombola dia ho mpila vola sy hanan-karena. Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Asombola ho volana fahenina amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Asombola ka miafara amin' ny vody Alahasaty ny volana Asombola raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanambolana ny andro aorian' ny vody Alahasaty dia miafara amin' ny vava Asombola ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana

29

aorian' io vava Asombola io dia mifarana amin' ny vody Asombola ny volana izay misy 30 andro.

30

Zanabintana Zanabintana no iantsoana ireo vintana valo amin'ny fanandroana malagasy izay ampifanandrifina amin'ny lafin-trano avaratra (Adalo sy Alohotsy) sy atsinanana (Adaoro sy Adizaoza) sy atsimo (Alahasaty sy Asombola) ary andrefana (Alakarabo sy Alakaosy), ka ny vintana hafa rehetra izay mifandray amin'ny zoron-trano avaratra-atsinana sy atsimoatsinanana sy atsimo-andrefana ary avaratra-andefana dia renivintana (na renimbintana). Ny renivintana iray dia manana zanabintana roa ka ny iray "babeny" ary ny iray "trotroiny". Misy zanabintana "mifandratra" aminy ny zanabintana tsirairay ka raha zanabintana babena izy dia mifandratra amin' ny zanabintana trotroindrenivintana. Miarina eo amin'ny renivintana mibaby na mitrotro an'io zanabintana mifandratra aminy io koa ny zanabintana tsirairay.

31

Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa avy ny zanabintana tsirairay, izay atao hoe "vava" sy "vody". Izany no mampisy ny hoe "vava Adaoro" sy "vody Adaoro". Tsy toy izany ny renivinta izay mitondra tonon'andro telo, dia "vava" sy "vonto" ary "vody". Adaoro Ny Adaoro no vintana sy volana faharoa. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Inoana ho andron'afo na andro mandoro ny Adaoro. Trotroin'ny renivintana Alahamady ny zanabintana Adaoro. Mifandratra amin'ny Alakarabo sady mihataka sy miarina eo amin'ny Adimizana ny Adaoro. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Adaoro, dia ny vava Adaoro sy ny vody Adaoro. Dimbiasan'ny vava Adaoro ny vody Alahamady ary manaraka ny vody Adaoro ny vava Adizaoza.

32

Ny mombamomba ireo zanabintana … Araka ny finoana dia andron'afo ny tononandro Adaoro sady halam-baratra. Adizaoza Vintana sy volana fahatelo ny Adizaoza. Ny toerana omena azy dia ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano antsinanana. Ny Alakaosy no mifandratra amin' ny Adizaoza sady miarina eo amin'ny Adijady. Baben'ny renivintana Asorotany ny zanabintana Adizaoza. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Adizaoza sy ny vody Adizaoza. Dimbiasan'ny vava Adizaoza ny vody Adaoro ary manaraka ny vody Adizaoza ny vava Asorotany. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran'ny sinibe ao antrano. Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin'ny vintany ireo andro tsara fanaovana izany,

33

dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao. Vintana mahery ny Adizaoza ka ny olona ateraka aminy dia "miozanozana" raha tsy alam-bintana. Alahasaty Ny Alahasaty no vintana sy volana malagasy fahadimy. Ny tapany atsinanana amin'ny rindrintrano atsimo no toerana omena azy. Lazaina ho vinta-mpamosavy sy andron'ody ny Alahasaty. Mifandratra amin'ny Adalo sy miarina eo amin' ny Adijady ny vintana Alahasaty. Trotroin'ny renivintana Asorotany ny zanabintana Alahasaty. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Adizaoza sy ny vody Adizaoza. Dimbiasan'ny vava Alahasaty ny vody Asorotany ary manaraka ny vody Alahasaty ny vava Asombola. Araka ny finoana dia andro mainty sy vintampamosavy ary andron'ody ny Alahasaty. 34

Asombola Vintana sy volana fahenina ny Asombola. Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Alohotsy sy miarina eo amin' ny Alahamady ny vintana Asombola. Baben'ny renivintana Adimizana ny zanabintana Asombola. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Asombola, dia ny vava Asombolasy sy ny vody Asombola. Dimbiasan'ny vava Asombola ny vody Alahasaty ary … … … manaraka ny vody Asombola ny vava Adimizana. "Vintam-bola" sy vintan'ny olona tia harena ny Asombola. Vintana sy tonon'andro tsara ho an'ny hikarama lavitra ny Asombola ka tokony eo mivoaka. Alakarabo

35

Ny Alakarabo no vintana sy volana fahavalo. Ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Miarina eo amin'ny Alahamady sady mifandratra amin'ny Adaoro ny vintana Alakarabo. Trotroin'ny renivintana Adimizana ny zanabintana Alakarabo. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Alakarabo, dia ny vava Alakarabo sy ny vody Asombola. Dimbiasan'ny vava Alakarabo ny vody Adimizana ary manaraka ny vody Alakarabo ny vava Alakaosy. Araka ny finoana dia androm-bokatra ny tonon'andro Alakarabo, ka tsara isantarana ny fambolena. Voalaza fa teraka tamin'ny vava Alakarabo ny mpanjaka Ranavalona II. Alakaosy Ny Alakaosy dia vintana sy volana fahasivy ao amin'ny fanandroana sy tetiandro malagasy. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano andrefana no toerana omena azy. Mifandratra

36

amin'ny Adizaoza ny Alakaosy sady miarina sy miandriana eo amin'ny Asorotany. Baben'ny renivintana Adijady ny zanabintana Alakaosy. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Alakaosy, dia ny vava Alakaosy sy ny vody Alakaosy. Atao hoe Alakaosibe ny vava Alakaosy ao amin'ny volana Alakaosy. Dimbiasan'ny vava Alakaosy ny vody Alakarabo ary manaraka ny vody Alakaosy ny vava Adijady. Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka aminy dia ahohoka ho faty fa atahorana hahafaty izay lehibe noho izy. Lazaina ho teraka Alakaosy ny piraiminisita Rainilaiarivony vadin'ireo mpanjakavavy merina telo nifandimby. Mba hanalana vintana azy dia napetraka teo am-bavahadimbalan'omby izy raha vao teraka. Tsy maty izy na dia nandalo teo aza ny omby nefa maro tamin'ireo fianakaviany no narary ka 37

nampanapahin'ny ombiasa ny taolana roa amin'ny fanondro sy amin'ny fanondroadala amin'ny tanany ankavia sady nampanalavirina ny fianakaviany izy[1] . … … Adalo Vintana sy volana faharaika ambin'ny folo ny Adalo. Ny tapany andrefana amin'ny rindrintrano avaratra no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Alahasaty sy miarina eo amin'ny Asorontany ny vintana Adalolo. Trotroin'ny renivintana Adijady ny zanabintana Adalo. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Adalo, dia ny vava Adalo sy ny vody Adalo. Dimbiasan'ny vava Adalo ny vody Adijady ary manaraka ny vody Adalo ny vava Alohotsy.

38

Araka ny finoana dia andron-drivotra izay atao hoe rivotr'adalo ny tononandro Adalo ka manimba zavatra betsaka sady vintan-dranomaso sy alahelo. Alohotsy Vintana sy volana faharoa ambin'ny folo ny Alohotsy. Ny tapany antsinana amin'ny rindrintrano avaratra no toerana omena azy. Mifandratra amin'ny Asombola sy miarina eo amin'ny Adimizana ny vintana Alohotsy. Baben'ny renivintana Alahamady ny zanabintana Alohotsy. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon'andro roa ny Alohotsy, dia ny vava Alohotsy sy ny vody Alohotsy. Dimbiasan'ny vava Alohotsy ny vody Adalo ary manaraka ny vody Alohotsy ny vava Alahamady. Araka ny finoana dia vintan'olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy. Atao hoe "volam-padina" ny Alohotsy satria efa miandrandra ny Asaramanitra. Amin'ny vava

39

Alohotsy sy ny vody Alohotsy dia tsy manao raharaha na fihetsika mety hamparatra amin' ny volana Alohotsy fa tsy ho mety sitrana. Amin'ny maha volam-padina azy dia tsy tokony hatao malaza ny fandevenana ny maty fa alevina mangingina tsy otronin'olo-maro.

40

Ny tiana lazaina eto dia ireo tsipika mitohy dia manambara ireo vintana mifandratra ary ny tsipika tsytapatapaka dia manambara ireo vintana mifanaraka

41

42

Zava-dehibe tamin'ny Malagasy ny fijerena azy io taloha raha misy olona hiaraka hanatanteraka zavatra iray : Ohatra : > Olona roa hiara-hiasa

43

> Indrindra fa ny Olon'droa hanorina tokantrano > ... Fa rehefa tonga niditra teto ny fivavahana Kristianina nentin'ny vahiny dia nolazain'izy ireo fa finoanoam-poana izany (Nefa ry zareo rehefa angatahana fanampi-panazavana dia hoe sambatra izay mino nefa tsy nahita (tsy any aloha zao ny resaka ;-) )). Ireto avy ireo Tonombolana roambinifolo (12) ireo, miaraka amin'ny daty tsirairay avy sy ny sokajy misy azy : 1 - ALAHAMADY : "Bélier" 21 Martsa h@ 19 Aprily Sokajy : Afo 2 - ADAORO : "Taureau" 20 Aprily h@ 20 Mai Sokajy : tany 3 - ADIZAOZA : "Gémeaux" 21 Mai h@ 20 Jona Sokajy : Rivotra 4 - ASOROTANY : "Cancer" 21 Jona h@ 22 Jolay

44

Sokajy : Rano 5 - ALAHASATY : "Lion" 23 Jolay h@ 23 Aogositra Sokajy : Afo 6 - ASOMBOLA : "Vierge" 24 Aogositra h@ 22 Septambra Sokajy : Tany 7 - ADIMIZANA : "Balance" 23 Septambra h@ 22 Octobra Sokajy : Rivotra 8 - ALAKARABO : "Scorpion" 23 Octobra h@ 21 Novambra Sokajy : Rano 9 - ALAKAOSY : "Sagittaire" 22 Novambra h@ 21 Desambra Sokajy : Afo 10 - ADIJADY : "Capricorne" 22 Desambra h@ 19 Janoary Sokajy : Tany 11 - ADALO : "Verseau" 20 Janoary h@ 19 Febroary

45

Sokajy : Rivotra 12 - ALOHOTSY "Poissons" 20 Febroary h@ 20 Martsa Sokajy : Rano

Alahasaty Ny Alahasaty no vintana fahadimy amin' ny fanandroana malagasy. Ny Asorotany no eo alohany ary ny Asombola no manaraka azy. Ny tapany atsinanana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy[1]. Araka ny finoandrazana malagasy dia vinta-mpamosavy sy andron' ody ny Alahasaty. Fiavian' ilay anarana Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe ‫ اااا‬/ Al-Asad

46

("liona") ny hoe Alahasaty. Amin' ny faritra maro eto Madagasikara dia tononina hoe Ody Fiavian' ilay anarana

… Alahasady koa io teny io. Manondro ny antokonkintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Leo na amin' ny teny frantsay hoe Lion ny hoe Alahasaty. Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Asadi na Simba io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Asad na Singa ihany koa izy Ny antokon-kintana Liona sy ny zôdiaka Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Liona dia manomboka amin' ny 10 Aogositra ka miafara amin' ny 16 Septambra. Ny fari-potoan' ny Liona araka ny zôdiakan-kintana dia hatramin' ny 16 Aogositra ka hatramin' ny 15 Septambra. Ny Liona ao

47

amin' ny zôdiakam-panandroana mahazatra (zôdiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia manomboka amin' ny 23 Jolay ka miafara amin' ny 22 Septambra. Ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinam-bolana. Foza na Asorotany Liona na Alahasaty Virijiny na Asombola Antokonkintana 20 Jolay - 10 Aogositra 10 Aogositra - 16 Septambra 16 Septambra - 30 Oktobra Zodiakankintana 16 Jolay - 15 Aogositra 16 Aogositra - 15

48

Septambra 16 Septambra - 15 Oktobra Zodiaka mikisaka 22 Jona - 22 Jolay 23 Jolay - 22 Aogositra 23 Aogositra - 22 Septambra Toerany Antokon-kintan'ny Liona … Ny vintana Alahasaty … Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahadimy koa ny Alahasaty ka ny tapany atsinanana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Zanabintana ny Alahasaty. Mifandratra amin' ny Adalo sy miarina eo amin' ny Adijady ny vintana Alahasaty. Trotroin' ny

49

renivintana Asorotany ny zanabintana Alahasaty. Mitondra tonon' andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Alahasaty (na vavan' Alahasaty) sy ny vody Alahasaty (vodin' Alahasaty). Fombany Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintampamosavy sy andron' ody ny Alahasaty. Vava Alahasaty Ny olona teraka vava Alahasaty dia mety ho mpamosavy na ho mpitana ody mahery raha teraka misasaka alina. Tononandro tsara anandratana ody sy sampy ny vava Alahasaty ka tsy tsara anaovana zavatra hafa. Vody Alahasaty Ny olona terana vody Alahasaty dia ho tratra antitra. Tononandro tsara ho fisantarana zavatra sy fampakaram-bady ny vody Alahasaty. Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Alahasaty ho volana fahadimy amin' ny taona

50

ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Alahasaty ka miafara amin' ny vody Asorotany ny volana Alahasaty raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanambolana ny andro aorian' ny vody Asorotany dia miafara amin' ny vava Alahasaty ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Alahasaty io dia mifarana amin' ny vody Alahasaty ny volana izay misy 30 andro.

51

Fisoronana sy fanalana vintana Ny fisoronana sy fanalana vintana, eo amin' ny fanandroana malagasy, dia karazana sorona sy fanalana faditra, ka atao hampitombenana sy hanamafisana ny vintana efa tsarana sy ny vintana mifanambina ny fisoronana vintana, ary atao hanesorana na hanalefahana ny herin' ny vintana ratsy na ny vintana mahery na ny vintana mifandratra kosa ny fanalana vintana;

52

izany dia tanterahina amin' ny alalan' ny fitondrana zava-manana aina na tsy manana aina, na amin' ny alalan' ny tsy fanaovana na tsy fitondrana na tsy fametrahana ao an-trano na ao antanàna zavatra voatondro manokana, sns arakaraka ny vintana. Ny ombiasa sy ny mpanandro no afaka mamaritra mazava ny zavatra ho entina na hatao na tsy hatao mba hisoronana na hanalana ny vintana. Mamaritra ny toetra sy ny hoavin' ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy mantsy ny vintana nefa azo ovana izany, raha tsy mahafa-po na raha atahorana hitera-doza, amin' ny alalan' ny fanalana vintana[1]. Marihina fa indraindray dia tsy miavaka tanteraka ny fisoronana sy ny fanalana vintana

Ireo vintana tokony hisoronana sy tokony halana 53

Ireo vintana tokony halana Ny vintana ratsy sy ny vintana mahery ary ny vintana mifandratra dia tokony hanaovana fanalàm-bintana. Noho izany dia voakasiky ny fanalana vintana ny tonon' andro sy ny vintana Ireo vintana tokony hisoronana sy tokony halana … rehetra, nefa tsy ny tonon' andro rehetra ao amin' ny volana mitondra ny anaram-bintana malaza ho ratsy na mahery no ratsy na mahery.

54

Misy tsara sy ratsy ny vintana na ny tonon' andro [2]. Arakaraka ny zavatra kasaina hatao no mety hahatsara na haharatsy ny tonon' andro iray, na dia mety ho tsara na ratsy amin' ny ankapobeny aza. Ohatra, ny vintana Alakaosy dia vintana malaza ho ratsy, nefa andro tsara anandratana ody ny tsinam-bolan' ny volana Alakaosy (vava Alakaosy) izay atao hoe Alakaosibe. Na dia vintana ratsy amin' ny ankapobeny aza ny Alahasaty dia heverina fa tonon'

55

andro tsara ny vody Alahasaty satria ny zaza teraka amin' io dia inoana ho tratra antitra ary tonon' andro tsara ho fisantaranjavatra sy fampakaram-bady koa ny amin' io. Misy ny vintana mahery sy ny vintana maivana. Ny renivintana rehetra dia inoana fa vintana mahery. Misy koa anefa zanabintana inoana fa mahery. Malaza ho vintana mahery indrindra ny Alahamady (renivintana) sy ny Alakaosy (nefa zanabintana). Vintana mahery ihany koa ny

56

Adizaoza (zanabintana) sy ny Asorotany (renivintana) sy ny Adimizana (renivintana) ary ny Adijady (renivintana). Ny Alohotsy anefa dia inoana ho vintana maivana. Tsy tsara hoazy anefa ny vintana maivana. Ny vintana iray eo amin' ny zorontrano na lafin-trano iray sy ny vintana iray hafa izay eo amin' ny zoron-trano na lafin-trano mifanatrika amin' io (manome zoro 180°) dia lazaina hoe "mifandratra" na "mifanoto" na "mifaniho" [3] . Ny Alahamady mifandratra amin' ny Adimizana, 57

ny Adaoro mifandratra amin' ny Alakarabo, ny Adizaoza mifandratra amin' ny Alakaosy, ny Asorotany mifandratra amin' ny Adijady, ny Alahasaty mifandratra amin' ny Adalo, ary ny Asombola mifandratra amin' ny Alohotsy. Ireo vintana tokony hisoronana Ny vintana tsara dia mahatonga ny olona ho tojo fahasoavana matetika eo amin' ny fiainany ka tsindraindray ihany no mba sendra zava-dratsy. Tsy misy anefa vintana tsara tanteraka ka izay no mahatonga azy ireo isoronana mba hahatanteraka ny hatsarany. 58

Ny vintana mifanambina dia ireo vintana tsy mifandratra fa mifameno. Alahamady … Fisoronana sy fanalana vintana … Ny Alahamady no volana sy vintana voalohany amin' ny fanandroana malagasy. Mifandratra amin' ny Adimizana ny Alahamady. Ny Alahamady no vintana mahery indrindra [4]. Andro mahery ny vava Alahamady ka ny zaza

59

teraka amin' io dia alam-bintana fandrao misavika ny andriana, ka raha ankohonan' ny Andriana dia tsy avela hiara-mitoetra aminy. Ny olona teraka vonto Alahamady dia ampitehirizina amponga telon-jehy sy ampiompina gisa fotsy mivady mba ho tratra antitra. Ny songosongo[5], izay tokony ho fadina koa, no fanalana faditra ny Alahamady. Inoana ho vintan' andriana sady vintana maha mpanjaka ny Alahamady. Tonon'andro tsara ny

60

vody Alahamady ka ny olona teraka amin' io dia ho tonga lehibe sy hanankarena ary ho tratra antitra. Ny tsinana' Alahamady (Akahamadibe) koa no ataon' ny Ntaolo malagasy ho firavoravoana. Adaoro Ny Adaoro no vintana sy volana faharoa. Mifandratra amin' ny Alakarabo ny Adaoro. Tsy azo arao ny manotina trano eo noho izy andron' afo sady adrombaratra. Ny olona teraka vava Adaoro dia atahorana amin' ny afo ka tsy maintsy alam-bintana amin' ny alalan' ny 61

fitondran-dreniny azy mandositra avy anaty trano ahitra kely nodorana. Tokony miravaka vakana tsileondoza ny olona teraka amin' ny volana na tonon' andro Adaoro. Fadina ny mandrava ny akanim-borona. Andro ambin-karena ny Adaoro ka eo no tsara ivoahana raha hila harena. Adizaoza Vintana sy volana fahatelo ny Adizaoza. Mifandratra ny Alakaosy sy ny Adizaoza. Amin' ny ankapobeny dia vintana mahery ny Adizaoza. Tonon' andro mahery ny vava

62

Adizaoza ka ny olona teraka aminy dia miozanozana sy sahozanina raha tsy alam-bintana, ka ho lasa mahantra rehefa lehibe. Ny vody Adizaoza dia malefaka kokoa ka ny vehivavy teraka amin' izany dia ho maro anaka nefa malahelon-karena, fa ny lehilahy kosa tsy hambinina amin' ny fihariana. Ny valala tsimbolavola[6] no fanalana faditra sady fadina ny misambotra azy. Fotoana tsara ampakaram-bady ny Adizaoza. Ny vakana tongarivo no tokony iravahana. … 63

… Asorotany Vintana sy volana fahefatra ny Asorotany. Mifandratra amin' ny Adijady ny Asorotany. Mety ho kamboty mbola zaza izay olona ateraka eo. Andro mahery ny Asorotany. Atahorana no maty kely ny zaza teraka amin' ny vava Asorotany, fa raha tsy izany dia ho tratra antitra ihany izy, nefa amin' izany tsy tezain' ny ray aman-dreniny izy fa omena ho tezain' ny havana. Ny olona teraka vody Asorotany dia atahorana ho maty kely, ka raha tsy

64

maty izy dia hanankarena sy holava andro iainana. Tolorana tany mbola kely ny zaza teraka Asorotany. Fadina ny mandry na mitsilany eny antanety. Rehefa mandeha dia atao izay hahatongavana aloha na aorian' ny malo-dohasaha. Andro tsara anaovana famadihana sy anorenana fasana ny Asorotany. Alahasaty Ny Alahasaty no vintana sy volana malagasy fahadimy, andro mahery sy ratsy. Mifandratra amin' ny Adalo ny Alahasaty. Lazaina ho vinta-mpamosavy sy andron' ody ny Alahasaty. Ny olona teraka vava Alahasaty 65

dia mety ho mpamosavy na ho mpitana ody mahery raha teraka misasaka alina. Mety ho momba na ho vitsy anala izay olona ateraka eo. Mety ho basy vava na petsam-bava koa ny olona teraka eo. Tokony miambozona tsiambohitrinimanana izay olona ateraka eo ary alàmpaditra amin' ny zavatra miloko mainty. Tsy azo atao ny misaron-doha sy ny misikina lamba mainty. Tononandro tsara anandratana ody sy sampy anefa ny vava Alahasaty ka tsy tsara anaovana

66

zavatra hafa. Mety ho lasa olona ambony ny zaza teraka Alahasaty amin' ny andro alina. Asombola Vintana sy volana fahenina ny Asombola. Mifandratra amin' ny Alohotsy ny vintana Asombola. Ny zazavavy teraka Asombola, raha tsy mahay taozavatra sy mahazo volabe, dia ho mpijangajanga, sarotra mahazo vady. Tsy tsara analana volon-jaza sy amoràn-jaza ny Asombola. Ny vary be an-daona (farimbon-telo) no fanalana vintana. … 67

… … Vintam-bola sy vintan' ny olona tia harena ny Asombola. Ny zazalahy teraka vava Asombola dia ho mpivarotra ary hahazo volabe. Ny zazavavy kosa ho mpanao taozavatra sy ho mpila harena. Ny zaza teraka vody Asombola dia ho mpila vola sy hanan-karena. Tsara hanombohan-javatra na ampakarambady ny vody Asombola. Adimizana Ny Adimizana no vintana sy volana fahafito. Ny Adimizana dia mifandratra amin' ny 68

Alahamady. Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely. Ny zazavavy teraka vava Adimizana dia atahorana ho maty kely na nefa mety ho tratra antitra sy hanan-karena. Ny zazavavy teraka Adimizana dia tsy marin-tokantrano. Andevenana vatokilonjy ny eo ambany varavarany mba ho marintoerana izay ateraka eo. Ny hazandrano no fanalana faditra. Vitaina alohan' ny filentehan' ny masoandro izay zavatra atao.

69

Tsy iharan' ozona ny olona teraka eo. Andro fanitaram-pahaizana amampahalalana koa ny Adimizana. Alakarabo Ny Alakarabo no vintana sy volana fahavalo. Mifandratra amin' ny Adaoro ny vintana Alakarabo. Ny mosavinkena, izay tsy tokony hohanina, no fanalana faditra, ary ny masombola no vakana tokony hiravahana mba hampitombo harena[7] .

70

Vintana tsara ny Alakarabo satria androm-bokatra, tsara ho an' ny fambolena sy ny fiompiana. Ny zazavavy teraka vava Alakarabo dia ho maro anaka fa ny zazalahy kosa ho tratra antitra. Toy izany koa ny zazavavy sy ny ny zazalahy teraka vody Alakarabo. Tokony misoronana akondro vokatra ny olona amin' ny vava Alakarabo amin' ny maha vintam-bokatra azy. Alakaosy Ny Alakaosy dia vintana fahasivy ao amin' ny fanandroana malagasy. Mifandratra amin' ny Adizaoza ny Alakaosy. 71

Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka aminy dia atahorana hahafaty izay lehibe noho izy ka ahohoka ho faty, apetraka eo am-bavahadim… … … balan' omby, ka raha trsy maty voahitsaky ny omby dia afaka ny vintany. Ny vehivavy mbola tokony hiteraka dia tsy mihinan-kanina amin' ny vava Alakaosy mba tsy hiteraka Alakaosy. Ny

72

zaza teraka vava Alakaosy dia hanoto ray aman-dreny, ka ahohoka ho faty na alam-bintana mba ho tratra antitra sy ho lehibe ary ho mpanan-karena. Tsy mifankaiza firy amin' ny vava Alakaosy ny vody Alakaosy. Ny volon' akoho tsy hita reny no fanalana faditra ny Alakaosy ka fadina amin' ny fiainana amin' ny fiainana andavan' andro. Atao hoe Alakaosibe ny vava Alakaosy ao amin'ny volana Alakaosy. Amin'ny vava Alakaosy amin'ny volana Alakaosy no andro fanandratana ody sy sampy. Manao sorona ny mpitahiry

73

ody mahery sy sampy. Mety ho mpitondra fanjakana ny olona teraka Alakosy nefa tsy hitovy talenta amin' ny olona teraka Alahamady. Adijady Vintana sy volana fahafolo ny Adijady. Mifandratra amin' ny Asorotany ny Adijady. Ny zaza teraka vava Adijady dia ho vitsy teny, noho izany dia tokony alambintana fandrao mijadina loatra ka tsy miteny. Ny vatan' akondro main' ila no fanalana bintana ny Adijady ary fadina ny maikasika na mandingana vatan' akondro. 74

Amin' ny ankapobeny dia vintana mafy nefa tsara ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria "mijadina mafy". Ny zavatra tian-ko mafy sy mateza no santarina amin' io andro io, toy ny fampidiram-pananana sy biby hompiana ary vola hotehirizina. Tonom-bintana fanorenan-trano sy fampakaram-bady ary fampidirana harena koa ny Adijady. Heverina ho tsara vintana ny zaza teraka amin' ny vonto Adijady. Heverina ho tsara vintana ihany koa ny zaza teraka amin'ny vody Adijady. Adalo 75

Vintana sy volana faharaika ambin' ny folo ny Adalo. Mifandratra amin' ny Alahasaty ny vintana Adalo. Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo. Atahorana ho maty kely ny zaza teraka vava Adalo. Ny zaza teraka vody Adalo dia tsara vintana ihany ka ho tratra antitra na dia manan-toetra malahelohelo aza. Tsy tsara ny manombola fanamboaran-javatra eo. Volon-katsaka entindrivotra no fanalana faditra ny Adalo ary fadina ny mandingana izany amin' ny fiainana andavanandro.

76

… … Alohotsy Vintana sy volana faharoa ambin' ny folo ny Alohotsy. Mifandratra amin' ny Asombola ny vintana Alohotsy. Vintan' olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy. Atao hoe volam-padina ny volana Alohotsy noho izy iomanana amin' ny Alahamadibe. Tandremana mba tsy haràtra amin' ny hety na antsy ny zazamadinika fa tsy ho mety sitrana, ka noho izay tsy alana volo na hoho na

77

ampiasana zava-maranitra. Ny olona maty ao amin' ny volana Alohotsy dia alevina mangingina. Amin' ny vava Alohotsy sy ny vody Alohotsy dia tsy misy manao taozavatra. Ny zaza teraka vava Alohotsy dia tsy ho marim-ponenana fa mifindrafindra na toerana na zavatra hafa. Ny akofa no fanalana vintana ny Alohotsy ary fadina amin' ny fiainana andavanandro ny mandraoka akofa. Ny zaza teraka vody Alohotsy dia ho salama ihany. Tsara ny ijany ny manorin-trano sy ny

78

mampaka-bady amin' ny andro Alohotsy, nefa tsy maintsy misorona vatokaranana sy hazo harahara [8] na famaho[9] alevina eo atsinanan' ny andry avaratra tandrify ny Alohotsy mba tsy hihetsiketsika TENY FAMARANANA Izay ny lava izay ny fohy ka mankasitraka sy mankatelina ny mpamaky izahay Maro no tsy solafaka ao anaty ity boky ity ka raiso zay tsara ary aza raisina zay hitanao fa tsy mety Mankasitraka mankatelina

79

Izay hita ao anaty boky ity: Fanazavana mikasika ireo vintana Ny toetra ny olona arak any vintana Ny rituel ataon’ny olona teraka alahamady Ny vintana mifanoto sy mifanohitra (sary) Ny fisoronana sy fanalana vintan dratsy Ny zanambintana Fanazavana feno no hita ao anaty boky 80 page ity

80