Boky Rituels FMSfiz1 [PDF]

  • 0 0 0
  • Gefällt Ihnen dieses papier und der download? Sie können Ihre eigene PDF-Datei in wenigen Minuten kostenlos online veröffentlichen! Anmelden
Datei wird geladen, bitte warten...
Zitiervorschau

NB: ITY DOCUMENT ITY DIA TSY AZO AMIDY FA EFA NO-BLOQUÉNA T@ Mots magique Ka tsy handaitra velively @ zay nividy azy ary hitondra loza hoan'izay mivarotra azy.

INONA NO ATAO HOE RITUEL? : Raha hazavaina tsotra ny rituels dia fombafomba atao mba hisarihana hery ara-panahy (pouvoir magique,divine) na angovo (energies) na fahasoavana (abondance). ¤ Ny rituels dia miankina tanteraka @ Fahamasinanao (vibration) ny fandairany na tsia. Miainga lalina avy @ Fifakan'ny sainao ara-panahy ny maro amin'ireny. Ny rituels rehetra dia miainga

avy @ Fahaiza mampiasa ny herin'ny zavaboary (pouvoir de nature) izay miteraka angovo na misy dikany ara-panahy rehefa afangaro. Ka izao, Ny rituels dia TSY TOKONY ATAONAO ANTOKY NY FINOANA fa POROFON'NY FINOANA,izany hoe alohan'ny hanao Rituels dia meteza ho resy lahatra fa efa tanteraka sahady izay kasainao hanaovana rituels fa ny rituels Ho ataonao dia mi-activer azy fotsiny sisa. : RITUELS MANALA TAHOTRA,HENATRA,TEBITEBY . . .Maka couteau vita gasy; tsy mety raha tsy vita gasy; Atao eo amin'ny afo charbon mafana be; avela mintsy ilay couteau ho mena Ajoboka ao anaty rano mangatsiaka ilay couteau mamay sy mena be iny Sotroy amin'izay ilay rano Atao isan'andro mandritra ny 7 andro tsy tapaka; Na rehefa tsy mahavita an'izay dia maka rano avy nampiasain'ireo mpanefy vy; ilay rano nampijobohany vy mamay be iny sotroina mitovy amin'ny teo ambony ihany ---------------------- --------------------------Maka noyau avocat; tetehina madinika toy ny Cola; Mila mahalany noyau avocat 1 isan'andro mandritra ny 7 andro tsy tapaka ---------------------- --------------------------Mandehana eny amin'ny lalana be mpivezivevezy indrindra Jereo eo amin'io lalana io raha misy vato fotsy Maka vy dia totoy amin'iny ilay vato mba hahitana poudre Tsengofy kely [pincer] ilay poudre dia tselao [Gouter avec la langue ] ; atao 3 fois izay fihetsika izay;

Atao anaty 3 jours Tsy hatahotra na inona na inona ianao Eo amin'ny lalana nakana ilay vato no anaovana an'izany rehetra izany ---------------------- --------------------------Maka ranomasina+rano miangona nalaina tao anaty hazo na zava-maniry; Ampifangaroy izy rehetra ireo ao anaty tavoangy ; Misotro vera iray ny maraina vao mifoha; vera iray ny hariva mandritra ny 9 andro raha lehilahy; 7 andro raha vehivavy. Ho toy ny fon'ny Liona ianao tsy hatahotra na inona na inona ------------------------------------------------------Afaka atao izy rehetra;na afaka manao ny iray amin'ireo; Fa tsara kokoa manao izy rehetra na 3 amin'izy efatra ireo raha tena tehanala tanteraka izay tahotra izay. Marihina fa raha hanao izy rehetra dia vita ny iray vao miditra amin'ny hafa koa. -------------------------------------------------------MITOMBOA HASINA DAHOLO E!!! . . RITUELS MBA HAMPANDEHA NY VAROTRAO.. . . NB: Raha varotra mandehandeha no entinao dia asio singana tongolo gasy maromaro foana any anaty poketranao fa handeha izany...Tsy voatery voasana. . RAHA TSENA KOSA . --------Clou de girofle; ail; sesame mbola tsy nitotoina; tantely pur 1l, alevina eo amin'ny varavarana fidirana famarotana; fa manaova purification toerana amin''ny alalan''ny sira alohan'ny hanaovana azy.... MAZOTOA DAHOLO O!!!! .

. Mpitarika Ara-panahy RITUEL TSOTRA HO ANAREO MITARAINA OLANA IRENY . NB: Maro dia maro moa ny rituels zarain'ny GM samihafa any anaty groupe any saingy TSY ny rehetra @ ireny no vitanay experience ka tsy zaraina eto. Midika izany,fa izay aroso anareo eto dia efa nataonay experience ka 100% ny efficacitE hoan'ireo manao purification sady mino sy be fanantenana. . . Efa nazavaina teto moa fa ny tena vahaolana dia miankina @nao ihany fa raha mbola inconcient dia mitady vahaolana any ivelany foana. Rehefa tena tsy takatry ny sainao ny olana mianjady na inon'inona karazana olana dia ho voavaha hatreo izany; ____Maka kapa na kiraro efa tsy ampiasaina intsony na efa simba; Soraty ao ambany faladihany (semelle) ny olanao ary presizeo tsara. ohatra : "Izaho dia manana olana arapitiavana fa misarak'olon-tiana foana!" ____Rehefa vita izay dia ento io kapa io ary akapokapoy @ tany intelo (3fois) ary doroy rehefa avy eo. ____Rehefa vitanao izany sahiko ny milaza aminao fa afaka fotoana fohy dia ho voavaha ny olanao. . . ITY MISY ANONYME NAMANA MIJORO VAVOLOMBELONA. . [Salama Mpitarika! Nisy fotona aho nahita le rituel tongolo oignion iny le atao raha te hahita vady sahaza ka nataoko ary nahita ny anjarako aho zao efa vita ny soratra..mitomboa hasina hatrany tompoko!!] . RITUELS

. Raha hitanao fa efa mandroso taona ianao nefa tsy mahita vady sahaza (FA TSY SIPA) dia izao no atao: Mividiana tongolo be (oignions) 16 isa ary omeo olona efa lehibe izay nateza am-panambadiana ireo tongolo ireo,,olona nivady nandritra ny 25 taona farafahakeliny. ____Aorian'io dia tsy maintsy ho tojo ny anjaranao ianao. . . FORONONA NY FAHASAMBARANA FA TSY KAROHANA . (torohevitra 40) . . . VATANA: . 1. Misotroa rano betsaka 2. Ataovy toy ny Mpanjaka ny sakafo maraina, toy ny zanaka Mpanjaka ny sakafo antoandro, toy ny Mpangataka ny sakafo hariva 3. Mihinana sakafo betsaka avy amin'ny zavamaniry sy voankazo ary ferana tsikelikely ny fihinana sakafo nandalo USINE 4. Miaina tsara miaraka amin'ny Energie-fitiavanaFiantrana 5. Maka fotoana hivavahana sy handinihana 6. Milalaova amin'ny Jeu isankarazany,atao mba ialana sasatra fa tsy atao itadiavam-bola 7. Mamakia boky betsaka 8.Manana fahanginana farafahakeliny 10 minitra isan'andro 9. Matoria 08 ora isan'andro . PERSONNALITE: . 10. Mandraisa 10-30 minutes mandeha tongotra isan'andro, tsara kokoa raha tsy manisy kapa ary

rehefa mandeha tongotra dia araho tsiky kely 11. Aza ampitahaina amin'ny fiainan'ny hafa ny fiainanao, satria tsy fantatrao ny lalana nolalovany 12. Aza mieritreritra zavatra negatives na zavatra izay tsy anana contrôles ny mifehy azy. Rehefa tehandany energie amin'ny fieritreretana, lanio amin'ny eritreritra positive ny eritreritra sy ny energies 13. Aza manao zavatra mi depasse ny maha ianao anao, fantaro tsara ny limitesnao 14. Aza mandray zavatra trop au sérieux, 15. Aza lanina amin'ny olona zavatra na olona tsy important ny énergies nao 16. Mila maniry mihoatra mba hampifoha ny ao anatinao ao 17. Aza lanina amin'ny filan-dratsy ny fotoananao.Efa anananao izay rehetra hataonao 18. Hadinoy ny lasa, aza tantaraina amin'ny namanao ny erreurs vitanao tamin'ny lasa satria hanimba ny fahasambaranao androany sy rampito izany' 19.Fohy ny fiainana, tsy manana fotoana lanina amin'ny fankahalana olona ianao, aza atao ny mankahala olona 20.Manaova raharaham-pihavana amin'ny lasa mba tsy hanimba ny anio 21.Tsy misy olona tompon'andraikitra amin'ny fahasambaranao afa tsy ianao irery 22. Fantaro fona fa ny fiainana dia ECOLE fiainarana avokoa, ny olana dia an'isany programme izay miseho sy miala toy ny CALCUL D'ALGEBRE fa ny fiainana dia fianarana avokoa ary maharitra mandrampahatapitry ny fiainana 23. Mitsikia ary mihomeheza betsaka 24. Tsy izay hevitra rehetra dia mifanaraka amin'ny anao daholo, mila manaiky fa misy fona ny tsy fitovainkevitra. . NY MANODIDINA . 25. Mifandraisa sy miantsoa ny fianankavianao matetika

26. Manomeza zavatra tsara foana ho an'ny hafa 27. Mamela amin'ny fomba rehetra ny rehetra 28. Mandania fotoana amin'olona manana taona mihoatra ny 70 taona ary latsaka ny 06 taona 29. Mitsikia fara fahakeliny amin'ny olona telo isan'andro 30. Izay fomba fijery sy eritreritry ny hafa anao aza iasana loha 31. Ny asanao sy ny volanao tsy afaka hikarakara anao rehefa marary, ny fianankaviano, ny namanao afaka manao izany, mifandraisa amin'ny fianankaviana ary aza atao tsinotsinona . FAHARETAN'NY FIANANA (Durée de vie) . 32. Manaova zavatra tsara 33. Ampialao izay rehetra tsy ilaina, tsy tsara ary tsy mahafinaritra 34. Ny famelankeloka manasitraka zavatra betsaka 35.Na dia tsara na ratsy aza ny tranga (Situation) iray, tadidio fa tsy maintsy miova fona io, tsy misy zavatra mipetraka ho mandrakizay raha eto amin'ny tontolo misy antsika, fa miova manaraka ny fotoana 36. Na inona na inona toerana sy tranga misy anao, mitraka, mitsangana, mitafia,misehoa 37. Mbola ho avy ny ny tsara kokoa 38. Rehefa mifoha maraina, dia arahabao ny fiainana 39. Arakaraka ny mahafaly ny ao anatinao ao no mahafaly ny ety manodidina anao 40. Hararaoty ny fiainana. . mazotoa daolo e!!! TRANONKALA

Ny tranon-kala dia anisan'ny misakana ny fidirambola sy ny fahombiazana ka ataovy anisan'ny asa aman-draharaha ny manadio azy ireny hiala isan'andro. Ny famonoana hala kosa anefa dia mahatonga mal

chance ho anao maharitra ary mety hanova tanteraka ny fiainanao. Mba hahatonga ny tranonao ho feno fahasoavana dia: ----Aza avela ho tapaka sira vaingany ao. ----Ataovy izay hidiran'ny hazavan'ny masoandro ao. ----Manasa tanana @ ranon'ny clou de girofle ----Doroy ao an-trano mandritry ny 21 andro ny ampanga kely (fougeres) ary ampandalovy @ vatanao ny setroka. . Izay ihany dia ho trano feno fahasoavana ny tranonao. . ITY MISY RITUEL MANARINA VINTANA ________________ Mitadiava an'ilay zava-maniry antsoina @ nom scientifique hoe CALLOTROPIS PROCRERA. (tsy fantatro ny anaran'io @ fiteny Malagasy sady tsy manana sariny aho fa iangaviako izay manana hametraka ao @ commentaire) _____________Anontanio eny @ mpivarotra voninkazo fa misy eny. Alao ny raviny miisa 32 mbola lena ka soraty @ ravina tsirairay ity signe ity: | | || | ______Ataovy ao anatin'ny voatavo avy eo ireo ravina 32,ary ampio rano sy sira vaingany ary totoy miaraka ao ifangaro. ______Avelao ao mandritran'ny 3 andro. Aorian'ny 3 andro dia misasa @ iny rano iny. Misasa mandritra 3 andro raha lehilahy, 4 andro kosa raha vehivavy. Manomboka eo dia miarina ny vintanao ary ho hiditra ny chance tsara. .

FIAROVANA NY TRANO . Izay olona mikasa hanao asa ratsy ao an tranonao (hangalatra,haka ankeriny,hanafika) dia hisy hery misakana ka tsy ho tafiditra ao velively. Raha mi-insisite izy dia ho faty. _________Asio marika 66 ny varavarana rehetra avy ivelany sy anatiny..na varavarakely aza. Afaka soratana @ fanoratana rehetra: la craie / marqueur / stylo sns afaka hanoratana azy. . NY ANTONY MAMPAHANTRA ANAO ___________________________ . . . ---------Efa mba nametram-panontaniana ny tenanao ve ianao inona ny antony mampahantra anao? Aleo izaho no mamaly azy eo amin'ny toeranao raha mbola tsy napetrakao taminao izany fanontaniana izany. Inona moa ny atao hoe fanontaniana? tsy misy afa tsy ity baraingo iray ity no atao hoe fanontaniana >, rehefa miseho io baraingo io dia ny fitadiavana valiny sahady izay no ao anaty eritreritra voalohany.Valiny avy aiza? samy manana ny valiny daoly ny tsirairay fa ny tena valiny mahafa-po ho anao dia avy ao anatinao. ---------Ny antony mampahantra anao dia noho ianao zatra mijery ambany, zatra mijery ny anton'ny mahatonga anao mitebiteby, miahiahy, alahelo, tsy fahampiana, fahantrana.hadinonao ny mijery any ambony, jereo ny kintana, ny lanitra, ny masoandro, ny volana, fa ireny no misy ny hazavana,misy ny hatsarana, izay ahafahan'ny fanahinao miomana mba hihoaranao ny fahasarotana. ---------Ny tebiteby sy ny fahasarotana ; ny olana misy foana na inona na inona ataonao ka tsy ilaina ny hanohitra sy hiady amin'izy ireny, raha tsy izany dia ho resy lava foana ianao eo amin'ny fiainana. Inona anefa ny tokony hatao hoy ianao? Manana

fahazarana mijery ambony, isan'andro mitadiava zava-baovao foana izay hahametimety ny fiainana, tadiavo izay zavatra hahafaly anao, fa eo amin'ny fiainana; misy foana ny zava-baovao raha fantatrao ny mitrandraka azy. Eo amin'ny Natiora; eo amin'ny Univers , tsy mitsahatra ny manolotra anao surpris raha hainao ny mifandray aminy, tsy lany fahasoavana raha hainao mihaino azy. --------Ampiakaro ny fomba fijerena zavatra, ampiakaro ny tanjona; mila manana tanjona farany ambony; voir plus grand hoy izy orin'asa iray izay.Raha tehanana ny tsara mila mikatsaka ny tsara, raha te hiaina ao anaty fahasoavana mila mikatsaka fahasoavana. Ireo rehetra ireo anefa, tsy ianao mitanondrika no mahazo azy, tsy ianao mijery ambany no migoka azy fa mitrakà, ny secret rehetra dia ao amin'ny UNIVERS , jereo ny hatsaran'ny tontolo manodidina anao, ny habetsahan'izao rehetra. . NY ARETINA SEMPOTRA . Ny aretina sempotra isakarazany toy ny sempotra vokatry ny asma na ny fisian'ny raotra manentsina ao ambavafo,na ny fahateren-tratra,na kohaka.. Dia ity traitement ity no atao fa sitrana tanteraka mandrakizay ireo: ____________Ravina zavoka (avocas) gasy (ilay manome voany boribory kely fa tsy ilay ngeza be na lavalava) Zavoka gasy io ihany no mety fa ny karazana zavoka hafa dia tsy mety sady tandremo fa misy @ ravina karazana zavoka manapoizina rehefa tenehina. ___________Maka ihany koa fandrotrarana (rapanitra),ilay karazana ahitra mandady ary lava sady mafy mandrakotra ny tany. ___________Teneo miaraka ireo dia ataovy rano fisotro isan'andro mandra pahita vokatra. Tsy ela dia efa misy fiovana fa tohizo foana mandrapaha resy lahatra anao fa sitrana tanteraka.

. . VŒU DE PLEINE LUNE Rehefa fenomanana tanteraka toy izao moa ny volana dia miakatra ny vibration avy @ zavaboary ka izao no fanararaotana manao voeux @ abondance rehetra ilainao: -fahasalamana feno -vola sy harena -fahaizana sy fahiratantsaina; ....... NY FANAOVANA NY VOEUX DIA TSY MIOVA: . Maka taratasy A4 vaovao,ary soraty ao @ stylo maintso ny Energie d'Abondance rehetra ilainao. Rehefa migadona io ora io dia tazomy @ zorony havia io taratasy io dia doroy eo akaikin'ny canal fandehanan'ny rano maloto ary alefaso any rehefa may ny tananao. Na rano miandrona koa mety. ..... CROIX DE LA VERITÉ Raha misy olona tianao hino ny excuse ataonao na hanaiky zay lazainao dia ataovy ny la croix signe de la verite. . Manaova soritra la croix @ ankihibe tanana droite eo @ handrina sy eo @ vava ary farany eo @ tratra tandrifin'ny fo,alohan ny hiresahana @ ilay olona.. Tsy maintsy resy lahatra izay iresahanao fa manana ny marina ianao. . Sarotra hazavaina fa tena tsotra sy mandaitra! .

NY VORIKA .

Matetika ny olona rehefa tratran'ny vorika dia misy zavatra mibontsina mandehandeha ao anaty kibony; Mety hanempotra io,na hanaintaina ary mety tsy ho vanon-ko olona izay tratrany na marary lava @ aretina tsy fantatra. . FANALANA NY VORIKA . Andrahoy ela atao mangotraka ny ravim-bomanga,a tao rano sahabo ho 2 zinga..Rehefa mangotraka tsara dia vakio ny atody akoho gasy iray arotsahy ao dia ampifangaroy tsara ao. (Tsy asiana sira na menaka sns) _____Sotroina izay lany,isan'andro mandritra ny 3 andro hatr@ 7 andro. _____Raha mbola mosavy maivana dia 3 andro izy dia afaka fa raha efa grave dia vitao ny 7 andro. _____Mety handoa na manaraka ny maloto,ny zavatra ao. Mety ho fatim-biby na vori-damba no mivoaka na zavatra maimbo,fa na inona na inona dia efa sitrana hatreo izany.

FANALANA ODY FITIA . Ny olona rehefa tratran'ny odifitia dia lasa inconscient ka jamba tanteraka @ fitiavana an'ilay manao azy; Ary mety ho lasa mihena fitiavan-tokant rano ka manary vady aman-janaka. . Odifitia manahoana moa no mampivoaka alina? Ny odifitia rehetra mampihinana maloto olona (kitoza nosalakaina,regles/tay/farana amany atao @ sakafony sns),ny fanaovana izany dia toy ny manao pacte @ fanahy ratsy ka manefa foana ianao @ farany. . RAHA HANALA NY ODY FITIA . 1___Asaivo mipipy @ vozon'ny akanjo iray ilay olona

tratrana odifitia ary avy eo asaivo mipipy @ tanan'io akanjo io havanana koa. 2___Ampanario azy @ toerana misy rano io akanjo io avy eo. Ho tapaka hatreo ny hery miazona azy rehetra. . NB: fantaro aloha sao tena fitiavana ny azy ka lasa lany fotoana eo fotsiny.

FANALANA NY SAKANA NATAO TAMINAO . NB: Ity rituel ity ihany koa dia efa mahafaka ny karazana mosavy rehetra natao t@ lafim-piainanao_ . Raha tena hitanao fa sakana tanteraka ny fiainanao ka tsy mahita mangirana ny purification midika izany fa mila deblocage total ianao. ___Aza mipipy mandritry ny alina ka rehefa mipipy ny maraina dia tatazo ny amaninao. Ampio sira vaingany iray tanana iny ary ampio ranon'ny citron 3. Ataovy anaty rano ireo ary mandroa tanteraka @ iny rano iny. Tsy mampiasa savony sy eponge. Efa nasianao sira sy citron io sady amaninao ihany ka tsy atahorana hamono hasina. ___Manomboka eo dia ho olom baovao tanteraka ianao ary hiposaka ny masoandronao. Ho tapaka tanteraka ny fatorana rehetra mahazo anao. SAINGY aorian'ity dia mety ho tratrin'ny tazo kely ianao; matokia anefa fa fambara izany fa manomboka miasa ny famono ody nataonao.

MIKASIKA ILAY RITUEL TEO AZAFADY . Namako a,misy mimenomenona indray aty mikasika ilay hoe mandro @ amany (ny marimarina kokoa mandro @ rano misy amany).

Efa hatry ny ela no nampiasaina io rituel io ry namana,ary tsara aloha raha ampahafantarina antsika fa Famono ody mahery ny amany. Maro be tsy voatanisa ny rituels azo ampiasaina ny amany ary anisan izany ny fanalana ody fitia,ny fanasitranana raodia,na kelibefototra na kalo sns.. Esory ao an-tsainao manomboka izao ary fa ratsy arapanahy ny pipy (mamono hasina e,,manimba chakra sy vintana e,,sns) FA aleo anefa tompoko tondrahana amany toy zay voavely kifafa (mamono hasina tanteraka io mantsy).

FIDIRAM-BOLA MIROBOROBO Mba hahatonga anao hanana abondance ara bola dia asio fitaratra foana any amin izay fasianao vola (poketra,porte feuille). Mampitombo isa sy velarana ny fitaratra ary misy heviny maro ara panahy. mbola ho azavaina misimisy @ manaraka. Tsotra foana fa efficace tompoko NY RAODIA . Maro ny olona no misopatra ka mampiasa ny dianao hamotehana ny tongotrao; tena misy izany fa tsy angano. Aorian ny fanateran'olona ny dian tongotra eny @ fasam-bazimba sompatra na fasapoana na lava-bitsika sns miaraka @ ody ratsiny,dia mangoritsina manaintaina ny tongotra isaky ny mena masoandro ary mivonto nefa tsy mety vaky. . Rehefa tratran ny raodia dia fadio ny misikosikotra azy @ fitaovana vy (paingotra,fanjaitra,paingo-dentel sns). 1__Aza mipipy mihitsy mandritry ny alina,ary ny maraina dia ipipizo ilay tongotrao. 2__Avy eo mitadiava tain'alika maina dia ento,ary mandalova eny @ sampan'andalana ianao ka mandraofa fako eo dia ento mody ka izy rehetra ireo doroy ao anaty laona,ary avelao ny setroka handalo @ tongotrao voa.

3__mitadiava fatsika efa niasa ka arafesina miisa 101 ary ataovy anaty rano ora vitsivitsy ka sasao @ iny ny tongotrao. Raha mitarazoka be dia tohizo 3 andro io voalohany io..fa tsy maintsy ota fady io hery ratsy io. MBA TSY HAMPIRAFY ANAO IZY . . Ho an'izay manana olana ara-couple noho ny fijangajangana, ataovy tampitra hatreto ny momba izany. INGREDIENTS: Sira vaingana lehibe iray Ranomanitra fampiasanao matetika ZAVATRA ATAO: Ampidiro ao amin'ny sisin'ny patalon n'ny RAMOSE ilay sira, totoy amin'zavatra mahery iray mba hahavaky azy, dia vaingany telo no ajanona ao Ampio gouten'ny ranomanitra fanaovanao Mivavaka amin'ny alan'ity fivavahana iray ity hoe: ««Ilay sira sy ny ranomanitra-ko no manalavitra ny vadiko sy ny olona hafa izay mikasa hambabo sy misarika ary miaraka aminy.Ary tsy hisy hery na zavatra hafa hampitambatra azy ireo »» . MARARY NIFY NA VAZANA MISY GOAKA . Totoy toy ny ravitoto ny ravina papay,ary tsihifo ny ranony..iny ranony iny no atete ao anaty vazana na nify goaka..atao ny alina alohan ny hatory sy ilay maraina be iny..traitement 3 andro ary raha grave dia tohizo hatr@ 7 andro. Experience vecu tompoko io,ary folo taona aho zay tsy narary nify intsony. . NY FANAHY SOPATRA .

Matetika rehefa manao zavatra mifanohitra amin'ireo fanahy sopatra ny olona iray,dia mijinja ny vokany..marary,voasakana foana @zay ataony,na tratran'ny depression. Misy moa ny olona sasany minia miantso azy ireny ho @ fiainany,toy ny fampiasana ody ratsy,famosavia na na akasomparana. Misy kosa olona andefasan'ireo mpilalao ody ratsy. . Raha tsapanao fa tena efa mafy ny sompatra toy ireny ao an-tranonao, Dia roa ihany ny Safidinao: 1-na hanandroaka azy @ Herin'Ilay Avo Indrindra (miantsoa mpivavaka raha mbola tsy nahavita ilay dingana) 2-na manantona ireny Mpitarika Ara-panahy ireny (Maitres,Dadilahy,Mpimasy...) fa mbola misy (vitsy an'isa) @ ireny tena miasa @ fahamarinana. . Mba hialana @ fanahy ratsy dia maka citrons (voasarimakirana) miisa 4 sy antsy miisa 4, Tsindromy @ lohan'antsy tsirairay avy ny citron (antsy 1 citron 1) tsy atao mivoaka ny lohan'antsy. Atsangano eo @ zoron-trano efatra ireo ka ny voasary no ambony,fa manomboka eo dia ho leo izay fanahy ratsy rehetra ao.

FANALANA NY FANDRAVA LAKA. . Ny fandrava laka dia ody ratsy mahatonga anao tsy hahatsangan-javatra nefa manam-bola,na mahita lalam bola nefa lanilany hoazy fotsiny. Ity misy rituel tsotra nefa tena hita ny efficacité-ny. --------Manana fidiram-bola ve ianao fa tsy mety mahatsangana zavatra? --------Maka AFERON'AKOHO 1 sy CITRON MASAKA TSARA 66; --------Andro alakamisy no tsara kokoa anaovana azy; ary andro iray iany no itadiavana ny Akora sy ny anaovana ilay rituel; izany hoe samy tadiavina alakamisy ny akora [ afero sy citron ]ary tonga dia

atao alakamisy ihany. --------Alao ilay aferon'akoho; tsy voatery akoho fa rehefa zava-manan'aina rehetra dia mety avokoa; na ny aferonao aza efa mety;hihi; vakio iny afero iny dia anasao tanana; tandremo sao very aa; miandry minitra vitsivitsy --------Rehefa avy eo alao ireo citron masaka tsara 66 ; potserina ao anaty sceau dia anasao tanana rehefa avy eo; tsy asina rano aa.Izay ihany dia vita dia mahaiza manavaka ny dépenses ilaina sy tsy ilaina..

ITY MISY RITUEL ATAO,RAHA TIANAO HO HITA ILAY OLONA IRAY IZAY AFAKA NY HANOVA NY FIAINANAO HOAVY MANONTOLO.. . Mijaly ve ianao fa mitebiteby sy manahy lava? Mahatsiaro irery sy miaina anaty fahakiviana? Mieritreritra fa nahafoy anao izao tontolo izao,ka tsy misy miraharaha anao? Milaza ianao fa be problemes lava. Manontany tena foana ve ianao hoe Andriamanitra sa ny Devoly no tompon'andraikitra @ fijaliana tsapanao? . Raha tianao ho hita ary ilay olona afaka hanova ny fiainanao manontolo dia izao atao: Mijere fitaratra fa ao izy. . . ++++++++++

HAZAVAIKO ILAY RITUEL MANOVA FIAINANA . Ny tena marina ry namako isany dia tsy tena misy ny olana fa izay raisinao ho olana no olana. Ny lasa dia avelao ho lasa tanteraka fa aza afangaro @ ankehitriny intsony,aza asiana nenina na hatezerana izay vita fa mahaiza mamela heloka ny tenanao.

Aza diso mieritreritra olon-kafa loatra,na miankina fiainana loatra amin'olona..raha hitanao fa toa tsisy mpitia ianao,fampahatsiahivana izany fa tsy manana estime de soi ianao ka tiavo sy omeo lanja ny tenanao fa aorian'izay dia hisy mpitia betsaka ianao. Aza mitebiteby ny @ izay ho avy fa ireny tahotra sy ahiahy ireny rehefa miaraka @ fihetseham-po ratsy (misento,malahelo,manahy) dia miantso energies ratsy ka ho tonga aminao tokoa izay natahoranao. Ovay ny sainao,ka aza mieritreritra,na maminavina afa tsy izay Fahasoavana irianao ho @ fiainanao; Tsarovy fa izao fiainanao eto anio izao dia valin'ny safidy nataonao hatrizay,ary ny fiainanao hoavy dia valin'ny ho safidinao anio. Tsy misy idiran'iza n'iza izany fa ANAO irery!!

ODY FITIA TSOTRA . [rehefa tsy mety aminao dia dingano fotsiny fa aza asiana lagy] . Raha misy olona iray tinao nefa toa sarotra ny lalana (na tsy tia anao izy,na tsy miraika aminao) dia izao atao: ¤ Mitadiava vonin-draozy iray (fleur) ary rehefa zoma alina aorian'ny @ 8ora dia mandreheta emboka manitra ary alaivo koa ny vera iray dia asio rano madio. Mifantoha tanteraka any aminy,mandritra ny minitra vitsy. Tsoahy tsirairay avy eo ny singan'io felan-draozy io (petales de fleur) ary ataovy anatin'ilay rano sady miteny ianao hoe "mitombo isan'andro ny fitiavan'i [anarany feno] ahy,,ary manomboka izao dia eo ambany fifehezako tanteraka ny fitiavany!" Rehefa maraina dia ario eo @ zava maniry io rano io. Atao in-2 Zoma io dia ahitana vokany. Ho lasa haniry anao mafy izy ka ho jamban'ny fitiavany anao.

. . NB: TSY MAMPIVOAKA ALINA IO SADY TSY MISY EFFET SECONDAIRE

©©KARAZANA FIDIOVANA ARA-PANAHY®® (Purification)

Arakaraka ny zava-misy ihany fa ny tena tsara kokoa anaovana purification de in2 isam-bolana. Inona moa ny atao hoe purification? inona ny ilana azy? inona daoly no atao purification? amin'ny alalan'ny inona? Araka ny efa natsipy hatr'izay: ny vatana ; ny aura ; ny manodidina; ny trano; ny fivarotana; ny fiasana . Ireo rehetra ireo dia ahitana energies negatives izay azo avy amin'ny influences ivelany sy ao anatiny. Miteraka blocage na sakana amin'ny fahasoavana na chance tokony hiditra aminao anefa ny tsy fandiovana an'ireo rehetra ireo. Ny fandiovana an'ireo no atao hoe purification.Toy ny hoe manadio na manasa lamba ihany; rehefa manasa lamba dia mila savony sy klin. Maro karazana ny mahasolo ny savony sy Klin fanaovana purification [Purificateur] Sira; Encens ; Rano; rano voahasina; rano voatokana; rano voajanahary; Ranomasina; Lavenona; Ranomanitra; Basilic; Afo; Volafotsy;

Hysope; ..........sns Ireto manaraka ireto no tokony hatao purification: I- NY VATANA Efa fantan-daza loatra izay tsy misy maharatsy azy ny fandrona amin'ny alalan'ny rano nasiana Sira; rehefa mahatsiaro fa mitambesatra ianao dia asio sira iray tanana ny begnoirenao dia mijoboka ao mandritra ny 30 min farafahakeliny. Azo atao koa ny tonga dia mandro eny amorondriaka na eny amin'ny ranomasina; tsara kokoa raha milentika any ambany rano mandritra ny minitra izay mbola tsy mahasempotra anao; any ambany rano afaka manao ny vavakao manonkana. Rehefa nifanerasera tamin'ny olona maro na toerana ambany vibration toy ny prison; hôpital ; fitsarana; fasana; fivoariana; poste police; voyage; stationnement; rehefa atao hoe toerana public rehetra; dia ilaina ny manao purification amin'ny alalan'ny rano sira; afaka ampangotrahana koa ilay rano dia avela ho matimaty dia asiana rano sira mba hahatafiditra ny Element afo ao anatiny. Ho an'ireo mpandala esoterisme sy occultisme indray; afaka manao purification amin'ny alalan'ny rano voatokana na voahasina toy ny ataon'ny Maitre Fafah Sealiah Fafah; manao fandroana sy mitarika olona hanao fandroany any amin'ny toerana voahasina.Afaka mampiasa volafotsy ihany koa amin'' ilay rano handroana ; afaka manao emboka amin'ny alalan'ny encens;..........sns Ny fanaovana purification vatana tokony hatao in2 isambolana farafahakeliny II- TOERANA Anisan'ny mitondra sakana arapanahy koa ny tsy fanaovana purification ny toerana misy anao: Aza atao tampaka sira ny ao

antrano fa manan-danja lehibe amin'ny resaka fiarovanana amin'ny herin'ny ratsy izany; Tsy tokony hiala ny tranona ihany koa ny Tantely sy siramamy ary tongolo gasy na tongolo lay. Asio sira ny verre misy rano dia atao amin'ny coin ny tranonao isany izy efatra; miaro ny energie negative izany. Ny purification tena lafatra indrindra dia ny hazavana avy amin'ny masoandro; mila andalovan'ny hazavana avy amin'ny masoandro ny toerana misy anao sy ny manodidina anao; ary mila tandrovana mandrakariva ny fahadiovana sy ny filaminana; tokony hiovaova ny toerana misy ny entana ary izay entana efa tsy ilaina intsony dia tokony homena olona na atsipy amin'ny toerana sahaza azy. Rehefa avy nifindra trano; dia tsy mahazo mitondra kifafa na mbola vaovao aza; mividy kifafa vaovao foana rehefa mifindra trano; ary mila manasa trano amin'ny alalan'ny rano sira alohan'ny hidirana ao amin'ny trano vaovao. Mba hiarovana ny trano amin'ny mpangalatra; maka souffre [ vato manana couleur jaune ] alevina amin'ny zoron-trano efatra; tsy hisy sahy hamaky ny tranonao mintsy; afaka commandio eny amin'ny mpivarotra kakazo fa be dia be ny souffre misy eny. Afaka asina zavatra manitra koa ny trano toy ny PARFUMS special ho an'ny trano; ilay manitra malefaka mitondra ny hanitry ny voankazo no tena tsara kokoa 2) Fanaka Ny fanaka rehetra azo amin'olona na nomena na novidina; dia tokony ho purifier-na foana amin'ny alalan'ny rano sira alohan'ny hampidirana azy ao antrano. 3) Tokontany Mila diovina ny manodidina ary tokony hanana toerana sahazy ny fako Mila tondrahana ranomasina indroa isambolana ny tokontany

III- AURA Maka ranon'ny coco dia zarao roa; ny apahany voalohany arotsaka ao anaty rano fandroana; ny apahany faharoa dia arotsaka amin'ny loha mivantana Eo ampanaovana ilay ranon'ny coco; eritrereto ny fototry ny olana rehetra eo aminao; fa ho voavaha daoly. Natao io rituel io mba hanala ireo Influence négative manodidina ny sphère misy anao sy fanadiovana ny Aura-nao. Mila atao indray isam-bolana na zay fotoana mety aminao ny fandiovana aura amin'ny alalan'ny rano coco... .

FADY ARA-PANAHY VE NY KISOA SY RAN-KENA? . Mizarazara ny hevitr'olona mikasika izany raha toa ka hiresaka baiboly isika,fa aleo jeren-tsika ara panahy mihitsy; Ny Kisoa dia biby tsy mba ahitana vibration na hasina,ary ny mission-ny ety dia ramasseur na [mpitsimpona] ny maloto. Ny olombelona fahiny dia efa fady kisoa foana noho izy noheverina ho maloto. Ny fihinananao kisoa indray mandeha dia mapikatona (indray) ireo "chakras" rehetra,ary manimba ny fivezivezen'ireo energie-nao. Tsarovy manomboka eto ary fa ny etre spirituel rehetra dia fady kisoa satria mahavoa ota fady izy; Tsy resaka sampy izany na advantista na musulman FA arapanahy ry namako. Izay no natiorany tsy natao ho hanina. . Ny Ra no foiben'ny aina; Rehefa alatsaka daholo ny ra dia maty ny zavamananaina iray. Izany dia midika fa ny ra dia aina ary tsy mendrika antsika ny mihinana Aina satria an'Ilay Nahary izany. Akoatr izay,rehefa mamono biby ny olona dia

tazomin'ny rany ny negativitEn'ilay biby (tebiteby,tahotra,fanaintainana tsapany farany).

IRETO ZAVATRA IRETO DIA FADY SATRIA MAMONO HASINA NY TENANAO: ¤¤¤¤¤¤ - Fanalana zaza - Manao firaisana eo @ tany - Mikasitanana vady na olon-tiana rehefa miady - Mikapoka olona na kapohin'olona @ kifafa - Mamafa tarehy @ silipo - Fatoran'ny hery ratsy na manambady fanahy - Minono filahiana na fivaviana - Manasa tarehy ao anaty wc na latsaka anaty wc ny rano avy eny @ tarehy - Masturbation - Manazimbazimba zava-masina (doany,fiangona na,baiboly,coran,la grotte,torah,saplet sns) - Mihinana ra na kisoa (mbola ho hazavaina eto). - Miteny ratsy sy manopa - Manimba ny Natiora izay endrik'Andriamanitra ¤¤¤¤¤ . Ny fanaovana iray na mihoatra @ ireo dia mapihena ny Hasinao ary mahafaty izany. Rehefa maty ny hasinao dia tsisy valeur,,vibration intsony ianao ka miala ny fahombiazana. Raha nanao @ ireo ianao dia midiova arapanahy aloha. Mandroa anaty Renirano mandeha,na ranomasina. Raha tsy misy,dia asio volafotsy milona mandritry ny alina ny rano androanao maraina ary mandroa tanteraka hamerina ny hasinao.

TSIAMBARATELON'NY TONGOLO GASY : ----Ny Tongolo L'ail dia saika hitovy tanteraka amin'ny sira ny hery azo avy aminy: ---------------Ho an'ireo Tantsambo; tia mampiasa azy mba tsy ho rendrika ny sambo

---------------Fahagola be tany; ny Soldat mampiasa azy io atao hiaro amin'ny tafika fa dia tena voaro tokoa izy ireo ---------------Ahantona eo ambony varavarana fidirana ao antrano; miaro amin'ny fanahy ratsy na devoly; miaro amin'ny vaky trano sy ny mpangalatra; ---------------Miaro amin'ny trano vaovao vao amboarina ---------------Raha misy olona mitondra azy eny ampandehanana; miaro azy amin'ny humeur ratsy sy ny sotasota eny andalana; manala anao amin'ny tafika izay ataon'ny fahavalo eny andalana ---------------Rehefa misy fanahy ratsy tonga eny amin'ny toerana misy anao; mila mikaikitra azy na araraka amin'ny tany ny poudren'ilay AIL na hoanina mintsy amin'iny fotoana iny; dia mandositra ilay fanahy ratsy. ----------------Atao ao ambany fandrian'Ankizy; miaro azy amin'ny torimasony ----------------Raha ny fofom-badinao mitondra singany iray ao anaty posy; miaro azy amin'ny fanahy ratsy sy andro manandanja eo aminy. ----------------Atao ambava ny tongolo l'ail rehefa matory; miaro amin'ny nofy ratsy; ----------------Asio singany tongolo l'ail ny ao anaty porte portefeuille na porte monnaie anisany miaro ny blocage d'argent ---------------Raha ara-panahy; tsy azo atao ny miady varotra rehefa mividy tongolo l'ail ---------------Koseho amin'ny tongolo l'ail ny ao anaty pots na casseroles alohan'ny hahandroana sakafo; manala ireo vibrations négatives izay mety ho voaray sy mifindra amin'ny alalan'ny sakafo --------------Ny Tongolo l'ail dia miaro amin'ny peste; azo itsaboana ny aretina maro isankarazany koa izy. . . . ------------

Bonus -----------..............Mba hiarovana amin'ny attaque ataon'ny malaso amin'ny fiara eny ampandehanana; mitondra citron mbola maintso tsara; atao anaty kitapo na poche; hotonga soa ianareo tsy hisy misakana.

ALOHAN'NY MANAO RITUELS . Alohan'ny manao rituels dia tsara foana ny manao purification,mba hahatonga ny rituel-nao handaitra. Alohan'ny hikarakara rituels dia: . ManasA tanana @ rano nasiana vaingan-tsira 1 KAPOAKA. (tsy ahena io tsy ampiana fa iray kapoaka) ..avy eo ataovy ny rituel-nao fa mety avy hatrany io. . Osory lavenona t@ omaly ny tananao ary koseho @ romba (na basilic) avy eo..miandry ora 1 dia manasa tanana @ ranon-tsira vaingany. . Mividiana clou de giroffle (voan'ny jirofo izany) eny @ ireny mpivarotra epices sy/na tapakazo ireny betsaka.Tsy misy isany,fa totoy hanjary poudre ka zarao fito na 9 iny vovony iny. Manasa tanana @iny 7 andro ianao raha vehivavy,ary 9 andro raha lehilahy.Izay vao manao rituels.. Izay rituels ataonao dia handaitra avokoa aorian'io. FISARIHANA VOLA TENA TSOTRA NEFA TENA EFFICACE. (afaka misafidy iray na mihoatra @ ireto ianao) . Fonosy lamba kely ny tongolo gasy dia ataovy anaty poketra/fasianao vola fa misarika vola haingana izany ka tsy ho tapaka vola ao. .

Maka voakatsaka miisa 3 - 9 dia fonosy lamba maitso ka ahantona eo @ varavarakelin'ny efitrano fatorianao (ilay manao azy). Tsy hanana olana ara bola intsony ianao fa attirante d'abondance mahery be io. . Asio ranona voasary sy/na mananasy ny rano handroanao dia ho lasa tian'ny vola ianao. . Mifohaza maraina be mbola tsy miresaka @ olona rehefa andro SABOTSY ary esory ny hohon-tananao folo. Tatazo lamba fa tsy mety raha latsaka @ tany,sao koa misy very. Avy eo ario any anaty WC. Mandritra ny herinandro dia TSY MAINTSY handray vola tsy ampoizina foana ny tananao.

FANAHY RATSY AO AN-TRANO (fiz.1) . Ny resaka fanahy ratsy dia TSY ny Kristianina akory no namorona azy (araka ny filazan'ny sasany) fa tena misy arabakiteny izy ireny. Samy manana ny fiantsoany azy ireny ny olona arakaraka ny Ivom-pitrandrahany (devoly,demonia ,djinn,lolo,angatra sns). Ny mahasarika azy ireo dia efitrano maizimaizina/tsy tafiditra masoandro/tsy nandrehetana afo/ mikorotana/feno lamba maloto sy kiraro any ambany fandriana/misy ody ratsy milevina/misy fitaratra eo an-doha,na manatrika ny farafara. . >Mahatonga tsy fahombiazana/nofy ratsy/korotana/ fahapotehan'ny fiainana ao an-trano no mahafinaritra ny fanahy ratsy. . >Ahoana no fandroahana azy? Ny dingana voalohany dia alamino tsara aloha ao an-trano;ataovy ny fomba rehetra hidiran'ny taramasoandro ao an-trano (afaka mampiasa fitaratra). Andreheto afo ao an-trano fa ny lelan'afo tsy tiany. ary ny dingana farany dia ny Fanamasinana ny

trano.

FANALANA HERY RATSY . Raha tsapanao fa voasakana tanteraka ianao eo @ fiainana (izay atao tsy mahomby,olana ara-bola sns) dia fantaro fa tratran'ny hery ratsy ianao izay. (mosavy,sakana). Rehefa mitambesatra loatra koa ny dette karmique (valin'ny ratsy natao),dia miraikitra @ izay ny lafimpiainana rehetra. Mba hialana @ ireo dia izao atao: asio sira vaingany im-7 tanan'ila ny rano handroanao..sady manala ny hery ratsy aminao izany no mamerina ny dette karmique ho "0"..atao in-2 isakerinandro io. . Raha tsapanao fa misy hery ratsy mihaodihaody ao an-tranonao dia sasao @ rano nasiana sira ny trano. Ataovy fahazarana ny mandoro emboka manitra ao an-trano na agarbatti dia efa mety. Mbola ho hazavaiko rahariva ny fanalana tanteraka ny fanahy ratsy tsy ho tafiditra ao an-trano. . MBA HISARIHANA FAHOMBIAZANA SY VOLA AMANKARENA ¤¤¤¤¤¤¤¤¤ Ity rituel ity dia tsotra indrindra nefa tena efficace be. : Raha tianao ny ho sakaizan'ny fahombiazana ka hilomano tanteraka @ resaka vola (mahita fidirambola foana) tsy tapaka sakafo dia izao atao: . Rehefa misakafo ianao dia ny Sakanao aloha no omeo voalohany ka ny anjaranao no anomezo azy. Rehefa lany ny azy dia izay ianao vao mihinana. Ataovy fahazarana izany dia ho hitanao ny Fahasoavana miditra aminao. Ny mahazatra ny olona mantsy dia sisa tsy lany na farany ny saka vao omeny,saingy mahatonga ny fahombiazana handositra anao izany ka alaviro.

. NY FANAHY MANAMBADY OLONA Fanazavana feno + fomba ialàna aminy ©©©© ® --------Maro ny mangataka fanazavana amin'izy ity fa alefako fanazavana eto indray mandeha. INONA DAOLY NY FIANTSOANA NY FANAHY MANAMBADY OLONA? ----------Femme ou mari de nuit ----------Couche de nuit; ----------fanahy manambady olona; AONA NY FOMBA FISEHONY? ----------Misy fotoana ny olona iray manambady fanahy dia manonofy manao firaisana miaraka amin'ny olona mety ho fantatra; mety tsy ho fantatra. ----------Amin'izay fotoana dia tena mi-jouir sy ejaculer mintsy ilay olona ary matetika mahamenatra matetika izy io rehefa misy olona matory ny eo akaikin'ilay olona manambady fanahy. Tsy hay intsony ny manavaka ny reel sy ny nofy satria tena hotrany marina tokoa ilay firaisana ary mitondra ilay olona ho latsaka. INONA NY FIATRAIKAN'IZAY EO ANIVON'NY MPIVADY NA COUPLE? -----------Lasa tsy mazoto manao firaisana amin'ny olona miaraka aminy -----------Mahatsiaro marikoriko rehefa miaraka amin'ny olona miaraka aminy -----------miteraka korontana lava eo anivon'izy roa ary na ny zavatra tsy misy dikany efa mahatonga ady -----------miteraka fisarahana -----------miteraka fahafatesana vady matetika -----------Mahatonga ny iray tsy hanambady mandrakizay; maniry mafy hanambady fa tsy lavorary foana ny fanambadiana raha hisy; ary raha misy olona nanome promesse hanambady azy dia tsy tanteraka foana INONA NY FIATRAIKAN'IZAY EO AMIN'NY

FIAINANA? -----------miteraka blocage ara-bola -----------miteraka blocage amin'ny fiainana [ tsy tanteraka izay rehetra kasaina hatsangana;....sns] INONA NY NAHATONGA NY OLONA IRAY HANAMBADY FANAHY? -----------Avortement -----------miboridana mandritra ny alina [ aorian'ny acte sexuel ; 1 minitra aorian'izay tokony hampiakarina amin'izay ny silipo]. Tokony hisy lamba foana rehefa matory amin'ny alina -----------masturbation -----------fampiasana lamba mitovy amafana filahiana na fivaviana rehefa avy nanao firaisana -----------Miresaka sy misioka ary mihira ao amin'ny la douche AONA NY FOMBA FISARAHANA AMINY? ------------1) Maka [ Hoditra+fakany+ravina] tamarin na kily; ampangotrahina amin'ny rano mandritra ny minitra maromaro; dia ampangatsiahina; misotro verra kely ; ny ambiny mandro amin'iny isan'andro mandritra ny 3 andro; alohan'ny hatory -------------2) Maka lamy laser iray ; izy mbola tavela ao anaty tranony iny; atao anaty silipo rehefa alina; entina matory; mandritra ny andro maromaro ------------3 ) mitondra silipo entina matory mivadika ------------4) maka cola mena iray; asio fanjaitra 9 asitritra eny daoly; atao ambany fandrina tandrify ny loha amin'ny alina. ARY INONA NO ANALANA IREO BLOCAGE AMIN'NY FIAINANA REHEFA TRATRA? -------------Ataovy aloha izay hisarahana aminy amin'ny efa voalaza etsy ambony; vita izay dia mila manala ireo blocage rehetra voalaza etsy ambony: -------------Maka clou de girofle; totoy dia zarao 7 raha vavy; 9 raha lahy; atao amin'ny rano fandroana ny hariva alohan'ny hatory; atao isan'andro mandritra ny 7 andro na 9 andro raha

lehilahy dia tandremo amin'izay ireo voalaza etsy ambony.. NY AFON-DABOZIA : Ny labozia no mariky ny afo masina ka misy dikany maro ara-panahy. [Fady ny mitsoka labozia rehefa mamono azy,mamono ny afom-panahinao izany] Afaka mandrehitra labozia isika rehefa hi-invoquer Ange Gardien. ¤ IRETO NO FAMANTARANA/HAFATRA ALEFANY EO @ AFON-DABOZIA : AFO MIOLAKOLAKA/MIPENDRAPENDRANA >>Mitondra ny hafatrao haingana Izy. . AFO MIZARAZARA >>Misalasala loatra ianao eo am-panaovana ny voeux. . MATY HO AZY NY AFO/MIHENA TSIKELIKELY >>ny sarotra indrindra @ voeux ihany no ataon'ny Anjelinao fa ianao no manao ny ambiny. . AFO MIVADIKA MANGA >>Fambara fa misy Presences ara panahy eo. . TAIN-DABOZIA MIKORIANA @ VATANY MANDRITRY NY VOEUX >>Sarotra ny manatanteraka ny fanirianao fa ambany be ny vibration-nao,mivavaha mafy kokoa. . AFO MIAKATRA AVY EO MIDINA >>Tsy tena mazava ny fangatahanao na ianao aza tsy tena mahafaritra azy. . AFO MITSILOPILOPY >>feno negativitE ilay toerana/na ianao . LASA FOTSY NY HAZAVANY

>>misy Anjely maromaro manatrika eo akaikinao eo mifantoka aminao. : © Rituel Raha hanangona vola © ®® NB: Aza mampiasa boite ndrakitra mihitsy fa teritery ny fivezivezen'ny energie @ ireny ka ela vao mahazo Abondances. Izao atao: sachet mainty Maka: sira vaingany iray tanana ravim-bola izay anananao Fanaovana azy: Alaina ny sachet mainty dia asitrika ao ny vola sy ny sira, atao iray toerana ao ary soloina isankerinandro ny sira ary avalana rano na ariana any amin'ny rano maloto ilay tranainy. Ampidirina ao izay vola tinao angonina Tombony azonao: mahita lalam-bola foana tsy tapaka vola ny fitoeram-bolanao.. ******** Mitomboa hasina daholo ********